Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-6

‘Aoka ny Rariny Hikoriana Tahaka ny Rano’

‘Aoka ny Rariny Hikoriana Tahaka ny Rano’

1. Nahoana ianao no tia rariny?

NISY foana hatramin’izay ny olona tia rariny sy niezaka nampanjaka ny rariny. Ny olona rehetra anefa raha ny marina no tia rariny. Azo inoana fa toy izany koa ianao sady irinao ny hoentina ara-drariny. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra mantsy ny olona rehetra, ary “mahafinaritra” an’io Andriamanitra io ny manao ny rariny.—Jeremia 9:24; Genesisy 1:27; Isaia 40:14.

2, 3. Nahoana isika no tokony handinika ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12?

2 Ho hitanao ao amin’ny Baiboly fa manao ny rariny Andriamanitra. Vao mainka anefa ianao hiaiky ny amin’izany rehefa mandinika ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12. Manasongadina ny atao hoe rariny ireo boky ireo, hany ka mitondra ny lohateny hoe Manaova ny Rariny! (anglisy) ny boky iray momba ny Hosea sy Amosa ary Mika, navoakan’ny fikambanana iray mampiely Baiboly. Niangavy, ohatra, i Amosa hoe: ‘Aoka ny rariny hikoriana tahaka ny rano, ary ny fahamarinana tahaka ny renirano tsy mety ritra.’ Nolazain’i Mika toy izao koa ny zavatra tokony hataontsika: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?” Voamarikao ve hoe inona ny zavatra takina voalohany eo?—Amosa 5:24; Mika 6:8.

3 Ilaintsika àry ny mahatakatra ny ataon’i Jehovah hoe rariny, mba hahalalantsika azy bebe kokoa ka hanahafantsika azy. Anisan’ny toetra mampiavaka azy ny fanaovana ny rariny, ka tsy afaka milaza ho mahalala azy isika raha tsy mahatakatra ny ataony hoe rariny. Na ny mpanompony fahiny aza nahalala fa “tia rariny i Jehovah.”—Salamo 33:5; 37:28.

Habakoka

4. Nahoana ireo boky 12 no hanampy anao hatoky bebe kokoa hoe manao ny rariny foana Andriamanitra?

4 Nanontany toy izao i Habakoka, talohan’ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema: “Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy, nefa tsy henoinao? ... Ngoly ny lalàna, ary tsy tafavoaka ny rariny. Voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina, ka voaolana ny rariny.” (Habakoka 1:2, 4) Nanjary nahalala an’i Jehovah i Habakoka, noho ny zavatra niainany sy noho izy nanana ampahany tamin’ny Baiboly. Natoky àry izy fa manao ny rariny foana Andriamanitra, sady mampirisika ny hanaovana izany koa. Nampanahy an’i Habakoka anefa ny antony namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy. Nohamafisin’Andriamanitra taminy àry fa hanao ny rariny amin’ireo tsy mivadika aminy izy. (Habakoka 2:4) Raha i Habakoka sy ny hafa aza natoky toy izany, mainka fa ianao! Manana ny Baiboly manontolo mantsy isika ankehitriny, ka be kokoa noho ny azy ireo ny fitantarana ananantsika momba ny zavatra nataon’i Jehovah sy ny toetrany, anisan’izany ny fitiavany ny rariny. Afaka mahafantatra azy tsara kokoa àry ianao, ka hiaiky fa ara-drariny tanteraka ny zavatra ataony.

5. Inona no nohamafisin’ireo mpaminany 12?

5 Naniraka mpaminany tany Israely i Jehovah mba hanasongadina fa zava-dehibe ny manao ny rariny. (Isaia 1:17; 10:1, 2; Jeremia 7:5-7; Ezekiela 45:9) Nasainy nanantitrantitra an’izany foana ireo mpaminany 12. (Amosa 5:7, 12; Mika 3:9; Zakaria 8:16, 17) Nohamafisin’izy ireo ny tokony hanaovana ny rariny amin’ny fiainana andavanandro. Maro ny fomba azontsika ampiharana izany, fa lafiny roa ihany no hodinihintsika.

RAHARAHAM-BAROTRA SY RESA-BOLA

6, 7. Nahoana isika rehetra no tokony hanao ny rariny eo amin’ny raharaham-barotra sy ny resa-bola?

6 Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona.” (Lioka 4:4; Deoteronomia 8:3) Nekeny fa mila mofo, na sakafo, isika. Midika izany fa tsy maintsy miasa isika, na misy mpianakavintsika mamelona antsika. Toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Niasa tena ny sasany ka namboly, na nanamboatra lamba na fanaka na fitaovana fandrahoan-tsakafo. Ny hafa indray nampiasa olona, ka nanakarama azy ireny hanangom-bokatra, na hanao lafarinina na menaka oliva na divay. Ny sasany kosa mpivarotra ka nividy entana sy nivarotra izany. Ny hafa indray nikarama nitendry zavamaneno na nanamboatra ny simba tamin’ny tafo.—Eksodosy 35:35; Deoteronomia 24:14, 15; 2 Mpanjaka 3:15; 22:6; Matio 20:1-8; Lioka 15:25.

7 Tsy misy itovizana amin’izany koa ve ny asanao na ny an’ny namanao na havanao? Hafa angamba ny fomba fiasa ankehitriny, kanefa tsy tokony hitovy ihany ve ny ataon’Andriamanitra hoe rariny, na tamin’izany na amin’izao andro izao? Nasehon’ny hafatr’ireo mpaminany 12 fa notakin’i Jehovah ny hanaovan’ny vahoakany ny rariny teo amin’ny raharaham-barotra sy ny resa-bola. Hijery ohatra ny amin’izany isika, ary eritrereto hoe ahoana no tokony hanaovanao ny rariny.—Salamo 25:4, 5.

8, 9. a) Nahoana no nomelohin’i Jehovah ny mpanambaka mpiasa, araka ny Malakia 3:5? b) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina fa tokony hahay handanjalanja ny mpiasa sy ny mpampiasa?

8 Hoy Andriamanitra: “Hanatona anareo aho mba hitsara anareo, ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona hiampanga ny mpilalao ody, sy ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama ... Tsy matahotra ahy ireo.” (Malakia 3:5) Nomelohin’i Jehovah ireo olona nanao ny tsy rariny tamin’ny mpiasa na mpikarama. Mitovy amin’ny mpilalao ody sy ny mpanitsakitsa-bady ary ny mpandainga mantsy izy ireny aminy. Fantatry ny Kristianina anefa fa homelohin’Andriamanitra ny “mpijangajanga sy ny mpilalao ody” ary “ny mpandainga rehetra.”—Apokalypsy 21:8.

9 Tsy izay noheverin’ny olona fa mety ihany àry no tokony ho natao tamin’ny mpiasa, fa izay ara-drariny tamin’i Jehovah koa. Nilaza i Jehovah fa ‘hanatona izy mba hitsara’ an’ireo “mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama.” Tsy te hilaza akory izy hoe tokony harahin’ny mpampiasa daholo izay sitrapon’ny mpiasa. Araka ilay fanoharan’i Jesosy momba ireo olona nokaramaina hiasa tanimboaloboka, ohatra, dia zon’ny mpampiasa ny mametra ny karaman’ny mpiasa sy milaza izay tokony ho fomba fiasa. (Matio 20:1-7, 13-15) Nomena denaria iray avy ny mpiasa rehetra, satria izany no ‘karama iray andro’ nifanarahana, na niasa tontolo andro izy ireo na tsia. Tsy nanambaka an’ireo nokaramainy anefa ilay mpampiasa.—Jeremia 22:13.

10. Nahoana isika no tokony hanao ny rariny amin’ny olona ampiasaintsika?

10 Raha manana mpiasa ianao, na manakarama olona vetivety fotsiny, moa ve ianao mitadidy izay voalaza ao amin’ny Malakia 3:5? Manao ahoana ny karama omenao, ny zavatra takinao amin’ny mpiasa, ary ny fotoana andoavanao ny karamany? Tsara ny misaintsaina izany. Miresaka momba izany koa mantsy ny Soratra Grika Kristianina. Hoy i Jakoba mpianatra tamin’ireo olona nanao ny tsy rariny tamin’ny mpiasany: “Tsy manohitra anareo ve [i Jehovah]?” (Jakoba 5:1, 4, 6) Tsy tena mahalala an’i Jehovah àry izay manao ny tsy rariny “rehefa mandoa karama”, satria tsy manahaka azy.

11, 12. a) Inona no tsy rariny voalazan’ny Hosea 5:10? b) Ahoana no hampiharanao ny toro lalana ao amin’ny Hosea 5:10?

11 Nomelohin’i Jehovah ny olona ambony sasany tamin’ny andron’i Hosea. Fa nahoana? Hoy izy: “Nanjary toy ireo mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona ny andrianan’ny Joda. Koa hararako aminy toy ny rano ny fahatezerako.” (Hosea 5:10) Inona tokoa ny ratsy nataon’izy ireo? Tsy nanao ny rariny ireo andrianan’ny Joda ka nampitovin’i Hosea tamin’ireo ‘nampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona.’ Nivelona tamin’ny vokatry ny tany ny mpamboly, ary nisy vato na tsato-kazo namaritra ny sisin’ny tanin’izy ireo. Nihakely ilay tany raha nisy ‘nampihemotra ny fetra mamaritra azy io.’ Nihena àry ny vokatra azony, ka toy ny hoe nangalarina.—Deoteronomia 19:14; 27:17; Joba 24:2; Ohabolana 22:28.

Manao ny rariny ve ianao rehefa miasa sy manao raharaham-barotra?

12 Ahoana kosa ankehitriny? Mety halaim-panahy ‘hampihemotra ny fetra mamaritra ny tany’ ny sasany amin’ireo mpivarotra tany sy trano, mba hamitahana mpividy. Mety halaim-panahy toy izany koa anefa ny mpivarotra, mpampiasa, mpiasa, mpividy, ary na iza na iza manao fifanekena na fifanarahana. Tsy dia tia manao fifanarahana an-tsoratra ny olona sasany, mba ho mora aminy ny mivadika amin’ny zavatra nifanarahana na mba hahafahany hitaky zavatra hafa any aoriana. Misy indray manao an-tsoratra ihany saingy ataony soratra madinika kely na tsy mazava tsara ny tsipiriany sasany mba hahazoany tombony, kanefa fanambakana izany. Heverinao ve fa tena mahalala an’ilay Andriamanitra tia rariny ny olona manao toy izany, na mpivarotra izy na mpividy na mpampiasa na mpiasa? Hoy i Jehovah: ‘Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tanin’ny kamboty ray, fa mahery ilay Mpanavotra azy, ary Izy no hiady aminao eo amin’ny fitsarana mba hiarovana azy.Ohabolana 23:10, 11; Habakoka 2:9.

13. Inona avy ny tsy rariny noresahin’ny Mika 6:10-12?

13 Niresaka zavatra tsy ara-drariny hafa koa ny Mika 6:10-12 hoe: “Mbola misy ao an-tranon’ny ratsy fanahy ve ny faharatsiana notehirizina, sy ny efaha nohakelezina ka voaozona? Madio ve aho raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vatomizana mamitaka? ... Mandainga ny mponina ao aminy, ary feno fitaka ny lelan’izy ireo.” Tsy amin’ny efaha no amarana sy andanjana zavatra ankehitriny, fa amin’ny litatra sy kilao. Mazava anefa ny tian’i Mika holazaina. Mpisoloky ny mpivarotra sy mpandraharaha tamin’ny androny, satria tsy nampiasa vatomizana sy famarana marina. Tsy rariny ny nataon’izy ireo! Nilaza Andriamanitra fa “ratsy fanahy” ireny namitaka tamin’ny ‘lelany’ sy nisoloky tamin’ny raharaham-barotra ireny.—Deoteronomia 25:13-16; Ohabolana 20:10; Amosa 8:5.

14. Inona no tsy hataontsika, raha manaraka ny fampitandreman’i Mika isika?

14 Raha mpanao raharaham-barotra ianao na mpiasa, mahakasika anao ve izay nolazain’i Mika momba ny famarana sy ny vatomizana mamitaka? Tokony hosaintsainina izany, satria maro karazana ny fisolokiana. Misy mpanao trano, ohatra, tena maty eritreritra mihitsy, satria ahenany ny fatran’ny simenitra ampiasainy. Misy koa mpanao asa tanana mampiasa akora ratsy, rehefa fantany fa tsy ho taza-maso ilay izy. Misy indray mpivarotra milaza fa vaovao ny zavatra amidiny, nefa efa nampiasaina. Angamba koa ianao efa nandre ny hafetsifetsen’ny mpivarotra hafa mba hahazoana tombony. Alaim-panahy hanao toy izany koa ve ianao? Hoy ny boky iray, momba ny mpiasa Vavolombelon’i Jehovah: “Mino izy ireo fa mahita azy ny Mpamorona, ka aleon’ny ankamaroany maty toy izay hangalatra. ... Betsaka ny olona te hampiasa azy ireo amin’ny asa ikirakirana vola be.” Nahoana izy ireo no toy izany? Satria fantatry ny tena Kristianina fa ‘takin’i Jehovah aminy ny hanaovany ny rariny’ eo amin’ny raharaham-barotra sy ny resa-bola.—Mika 6:8.

‘ANDRIANA MAMPANJAKA NY RARINY’

15, 16. Inona no nataon’ireo mpitarika tamin’ny andron’i Mika?

15 Nisy fotoana nanjakan’ny tsy rariny tany Joda sy Israely, araka ny nasehon’ireo boky 12. Tokony ho modely ireo manam-pahefana, nefa izy ireo indray no nanao ny tsy rariny. (Eksodosy 18:21; 23:6-8; Deoteronomia 1:17; 16:18) Niangavy àry i Mika hoe: “Mba mihainoa ianareo lohandohany eo amin’ny taranak’i Jakoba sy ianareo mpifehy eo amin’ny taranak’i Israely. Tsy ianareo ve no tokony hahalala ny rariny? Mankahala ny tsara ianareo sady tia ny ratsy. Manendaka ny hoditry ny olona ianareo, ary manendaka ny nofo amin’ny taolany.”—Mika 3:1-3; Isaia 1:17.

16 Tezitra angamba ny olona tany ambanivohitra nandre izany. Nanety an’ireo ondry nokarakarainy sy narovany ny mpiandry ondry indraindray. (Genesisy 38:12, 13; 1 Samoela 25:4) Ireo ‘mpifehy teo amin’ny taranak’i Israely’ kosa toy ny hoe nanendaka ny hoditra sy ny nofon’ny ondry ary nanapaka ny taolany, satria nanararaotra an’ireo olona nokarakarain’Andriamanitra tao an-kijanany. Tokony ho ‘nahalala ny rariny’ anefa izy ireo. (Salamo 95:7) Nampiasa fanoharana hafa koa i Mika. Nilaza izy fa toy ny voarointsilo sy fefy tsilo ireo andriana ‘nitsara mba hahazoana tambiny.’ (Mika 7:3, 4) Alao sary an-tsaina hoe mandeha amin’ny toerana feno voarointsilo sy fefy tsilo ianao. Azo inoana fa ho voarangotra ianao ary ho rovitra ny akanjonao. Sahala amin’izany ny vokatry ny nataon’ireo mpitarika, tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Namitaka sy tia kolikoly izy ireo ka nanao ny tsy rariny tamin’ireo rahalahiny.—Mika 3:9, 11.

17. Inona no nataon’ireo mpitarika, araka ny Zefania 3:3?

17 Niresaka zavatra toy izany koa i Zefania: “Liona mierona ny andriana eo aminy. Ny mpitsarany dia amboadia mihaza amin’ny takariva, izay tsy mamela taolana ho tratran’ny andro maraina.” (Zefania 3:3) Azonao sary an-tsaina ve ireo mpitarika tsy niraharaha ny rariny, izay toy ny liona masiaka mpiremby? Na ireo mpitsara toy ny amboadia mirangorango tsy mety voky, ka mandrapaka ny zava-drehetra? Ahoana no hampisy rariny amin’izany? Tsy nanao ny rariny mihitsy ireo mpitarika, ka toy ny tsilo mandrovitra akanjo sy amboadia mpiremby.

Tsy tena nahalala an’i Jehovah ny andriana tamin’ny andron’i Mika sy Zefania

18. Ahoana no tokony ho nataon’ny mpitsara teo amin’ny Israely?

18 Anisan’ny vahoaka nanokan-tena ho an’Andriamanitra ireny mpitarika ireny, nefa tsy nahalala azy mihitsy. Raha nahalala azy mantsy izy ireo, dia ho nanaraka ny voalazan’ny Zakaria 8:16 hoe: “Izao no tokony hataonareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy. Mitsarà araka ny rariny, ary aoka ianareo hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana, eo am-bavahadinareo.” Teo am-bavahadin’ny tanàna ireo anti-panahin’ny Israely no nitsara. Tsy tokony hatao maimaika ilay fitsarana na hatao araka izay tian’izy ireo fotsiny, fa tokony hifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra. (Deoteronomia 22:15) Efa nampitandrina, ohatra, i Jehovah hoe tsy tokony hiangarana ny mpanankarena sy ny olona ambony. (Levitikosy 19:15; Deoteronomia 1:16, 17) Tokony ho niezaka hampihavana an’ireo niady ny mpitsara, ka hamoaka “didim-pitsarana mampisy fihavanana.”

19, 20. a) Nahoana no tena ilain’ny anti-panahy ny torohevitr’ireo mpaminany 12? b) Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa mahalala an’i Jehovah izy ireo ary manao ny rariny toa azy?

19 Nisy naverin’ny apostoly Paoly ny voalazan’ny Zakaria 8:16, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina. (Efesianina 4:15, 25) Mihatra amin’ny fiangonana ankehitriny koa àry ny fampitandremana sy ny torohevitr’ireo mpaminany 12. Tokony hahalala tsara an’i Jehovah sy hanao ny rariny toa azy ny anti-panahy na ny mpiandraikitra, ka ho modely ho an’ny hafa. Lazain’ny Isaia 32:1 hoe ‘andriana mampanjaka ny rariny’ izy ireo. Ahoana àry no hampiharan’ny anti-panahy ny fampitandremana sy ny torohevitr’ireo mpaminany 12?

20 Tokony hotadidin’ny anti-panahy ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina sy ny fomba fihevitr’i Jehovah. Tokony hifototra amin’izany ny fanapahan-kevitr’izy ireo, fa tsy amin’ny heviny manokana na izay tsapany fotsiny. Asehon’ny Baiboly fa mety hisy raharaha sarotra indraindray, ka mitaky fotoana bebe kokoa hanaovana fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ny boky avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Eksodosy 18:26; Matio 24:45) Rehefa miezaka toy izany ny anti-panahy, dia azo inoana fa hankahala ny ratsy izy ireo ary ho tia an’izay tsara amin’Andriamanitra. Ho afaka ‘hampanjaka ny rariny eo am-bavahady’ izy ireo amin’izay, ka ‘hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.’—Amosa 5:15; Zakaria 7:9.

21. Nahoana no tsy tokony hiangatra ny anti-panahy? Ahoana anefa no mety hahatonga azy halaim-panahy hiangatra?

21 Mety hiangatra anefa ny olona iray nomena andraikitra hitsara, na dia mahay Baiboly aza. Nalahelo mafy i Malakia satria tokony hampita fahalalana ny mpisorona, kanefa “niangatra rehefa nampihatra ny lalàna.” (Malakia 2:7-9) Nilaza i Mika fa nisy lohandohany ‘nitsara mba hahazoana tsolotra, ary ny mpisorona kosa nampianatra mba hahazoana karama.’ (Mika 3:11) Ahoana no mety hahatonga ny anti-panahy hanana toe-tsaina toy izany? Angamba nalala-tanana taminy ilay olona hotsarainy, na hitany hoe mety ho afaka hanampy azy amin’ny hoavy. Na mety ho havany ilay olona. Inona no hibaiko azy: Ny rohim-pihavanana sa ny toro lalan’ny Baiboly? Ary ahoana no hataony rehefa mandamina raharaha mahakasika fanaovan-dratsy? Na rehefa mandinika hoe mahafeno fepetra ho amin’ny tombontsoam-panompoana fanampiny ve ny olona iray?—1 Samoela 2:22-25, 33; Asan’ny Apostoly 8:18-20; 1 Petera 5:2.

Miezaka foana ny anti-panahy mba ‘hampanjaka ny rariny eo am-bavahady’

22. a) Tokony hanao ahoana ny fitsarana ataon’ny anti-panahy? b) Inona avy ny toetra tsara hafa tokony hasehon’ny anti-panahy?

22 Miaro ny fiangonana ny mpiandry rehefa misy manao fahotana lehibe, mba tsy ho voataona hanao ratsy koa ny fiangonana. (Asan’ny Apostoly 20:28-30; Titosy 3:10, 11) Raha tena mibebaka anefa ilay nanota, dia “hanitsy azy amim-pahalemem-panahy” ny anti-panahy. (Galatianina 6:1) Tsy hasiaka izy ireo fa hanaraka kosa izao toromarika izao: “Mitsarà araka ny rariny sy ny hitsiny. Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy hifaneho famindram-po.” (Zakaria 7:9) Nasehon’ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitsarana teo amin’ny Israely fahiny, fa tia rariny sy mamindra fo izy. Tsy voatery ho nitovy foana ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara, fa afaka namindra fo izy ireo, arakaraka ny zava-nitranga sy ny toe-tsain’ilay nanota. Tokony hiezaka hitsara “araka ny rariny sy ny hitsiny” àry ny mpiandraikitra kristianina, ary haneho ‘hatsaram-panahy feno fitiavana sy famindram-po.’ Asehony amin’izany fa tena mahalala an’i Jehovah izy.

23, 24. a) Inona no dikan’ny hoe ‘mamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana’ ny anti-panahy? b) Inona no zavatra nianaranao momba ny rariny, tao amin’ny torohevitr’ireo mpaminany 12?

23 Tsarovy ny voalazan’ny Zakaria 8:16 hoe: “Mitsarà araka ny rariny, ary aoka ianareo hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana, eo am-bavahadinareo.” Inona no tanjon’ny mpitsara araka izany? Mba “hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana.” Nisy Kristianina tsy nifanaraka na nifanditra, na dia fony fahavelon’ny apostoly aza. Mety hilain’ny anti-panahy ankehitriny koa ny manampy olona toy izany, sahala amin’ny nataon’i Paoly tamin’i Eodia sy Syntyke. (Filipianina 4:2, 3) Tokony hiezaka “hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana” izy ireo, ka hampihavana an’ireo miady. Tokony hampisy fihavanana eo anivon’ny fiangonana ny torohevitra omeny sy ny zavatra ataony, ary tokony hampihavana ny olona amin’Andriamanitra koa. Ho hita amin’izany fa tena mahalala an’i Jehovah izy ireo ary manao ny rariny toa azy.

24 Tena zava-dehibe àry ny hanaovantsika ny rariny eo amin’ny fiainantsika andavanandro, araka ny torohevitr’ireo mpaminany 12. Hahafinaritra tokoa, raha toa isika rehetra manaraka an’ilay torohevitra hoe: ‘Aoka ny rariny hikoriana tahaka ny rano’!