Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-7

Araho ny Fitsipik’i Jehovah

Araho ny Fitsipik’i Jehovah

1. Inona no hevi-diso nananan’ny mponin’i Jerosalema tamin’ny andron’i Zefania?

“SADY tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy”, hoy ny mponin’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Zefania. Nihevitra izy ireo fa tsy mitaky ny hanarahany fitsipika i Jehovah. Nilaza àry i Zefania fa “toy ny faikan-divay mihandrona” izy ireo. Inona no tiany holazaina? Rehefa miotrika ela ny divay, dia mipetraka tsara eny ambany ny faikany. Efa nilamina tsara koa ny fiainan’ireo Jiosy, ka tsy te ho voahelingelin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo. Nilaza anefa Andriamanitra fa ‘hitondra jiro izy hanaovany savahao an’i Jerosalema’, ka ‘hovaliany’ ireo tsy niraharaha ny fitsipiny. Manana fitsipika tokoa i Jehovah, ary zava-dehibe aminy ny fiheveran’ny mpanompony azy ireny.—Zefania 1:12.

2. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny fitsipika?

2 Maro koa ankehitriny no tsy tia manaraka fitsipika. Mety hiteny izy ireo hoe: “Ataovy izay tianao!” Misy koa mieritreritra hoe: ‘Tsy mampaninona izay ataoko, rehefa mahazo vola sy mahazo izay tiako fotsiny aho!’ Tsy dia raharahain’izy ireo loatra izay fomba fihevitr’Andriamanitra na izay takiny aminy. Ary ahoana ny aminao? Tianao ve raha mametra fitsipika ho anao ny Mpamorona?

3, 4. Nahoana no mahasoa ny fitsipika?

3 Maro amin’ireo mandà ny fitsipik’Andriamanitra no manaiky avy hatrany ny fitsipika apetraky ny olona, amin’ny lafiny maro amin’ny fiainany. Diniho, ohatra, ny amin’ny fahadiovan’ny rano fisotro. Misy fitsipika momba izany apetraky ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana. Ahoana anefa raha tsy arahina izy ireny? Mety hiteraka aretim-pivalanana na aretina hafa izany, ka ny ankizy no tena ho voa. Azo inoana anefa fa handray soa ny vahoaka, raha arahina ireny fitsipika ireny. Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fitsipika Mifehy ny Orinasa: “Ho hitantsika avy hatrany ny voka-dratsiny, raha tsy misy fitsipika mifehy. Matetika no tsy fantatsika akory fa ny fisian’ny fitsipika no mahatonga ny zavatra vokarina ho tsara sy azo antoka ary mandaitra kokoa ... Ny fisian’ny fitsipika koa no ahafahana mitsitsy vola.”

4 Tena ilaina ny fitsipika eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainana. Tsy rariny koa àry ve raha toa Andriamanitra ka manome fitsipika ho an’ireo olona antsoina amin’ny anarany?—Asan’ny Apostoly 15:14.

SAROTRA LOATRA VE NY FITSIPIK’I JEHOVAH?

5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa fa ilaina ny manaraka ny fitsipiny?

5 Misy fitsipika tsy maintsy arahina rehefa manorina trano. Raha tsy mahitsy tsara mantsy ny rindrina iray, dia mety hitongilana ilay trano, na tsy ho azo ipetrahana, satria tsy mikambana tsara ireo rindrina. Izany no nisongadina tamin’ny fahitan’i Amosa momba ny foko folon’ny Israely, tamin’ny taonjato fahasivy T.K. Hitany nihazona “pilao” teo ambony manda i Jehovah, sady niteny hoe: “Hampiasa pilao eo amin’ny Israely oloko aho, ka tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.” (Amosa 7:7, 8) Ny pilao dia tady kely misy vongana metaly entina manamarina ny fahitsian’ny rindrina. “Nampiasana pilao” ilay manda hitan’i Amosa nitsanganan’i Jehovah, ka nahitsy tsara. Tsy nanao izay mahitsy intsony anefa ny Israelita tamin’ny andron’i Amosa. Toy ny manda efa nitongilana izy ireo, ka nila narodana.

6. a) Inona no hevi-dehibe ao amin’ireo boky 12? b) Nahoana ianao no milaza fa tsy sarotra loatra ny fitsipik’Andriamanitra?

6 Miverimberina ao amin’ireo boky 12, fa tena ilaina ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Na tsy nanao izany aza anefa ny vahoakany, dia tsy hafatra fanamelohana fotsiny no hita ao amin’ireo boky ireo. Hitan’i Jehovah mantsy indraindray fa tena nanaraka ny fitsipiny ny vahoakany. Porofo izany fa tsy sarotra loatra ny fitsipiny, ary vitan’ny olona tsy lavorary toa antsika ny manaraka azy ireny. Intỳ misy ohatra.

7. Ahoana no ampisehoan’ny Zakaria 4:10 fa vitan’ny olombelona tsy lavorary ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah?

7 Nanorina ny tempoly ny Jiosy avy any an-tsesitany. Vao ny fototra anefa no vita dia nitsahatra ny asa. Naniraka an’i Hagay sy Zakaria mpaminany àry Andriamanitra, mba handrisika azy ireo hanohy ilay asa. Nilaza i Jehovah tao amin’ny fahitana nomeny an’i Zakaria, fa nitondra ‘pilao teny an-tanany’ i Zerobabela, governoran’i Joda, rehefa nametraka ny vato farany teo an-tampon’ilay tempoly. Naorina araka ny fitsipik’Andriamanitra izy io. (Zakaria 4:10) Mahaliana anefa izay nolazain’i Zakaria rehefa vita ny tempoly. Hoy izy: “Mason’i Jehovah ireo fito ireo, izay mijery eny rehetra eny manerana ny tany.” Hitan’Andriamanitra ny nametrahana an’ilay vato farany teo an-tampon’ny tempoly, ka hitan’ireo masony matsilo fa narahina ny fitsipiny! Vitan’ny olombelona àry ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Nahavita izany i Zerobabela sy ny vahoakany, noho ny fampirisihan’i Hagay sy Zakaria. Afaka ny hahavita izay takin’Andriamanitra koa ianao. Tena mampahery izany!

NY ANTONY HANEKENA NY FITSIPIK’I JEHOVAH

8, 9. a) Nahoana no zon’i Jehovah ny manome fitsipika ho an’ny olombelona? b) Nahoana Andriamanitra no nanan-jo hanome fitsipika ho an’ny Israelita?

8 Andriamanitra no Mpamorona ka zony ny manome fitsipika ho an’ny olombelona, sy mitaky ny hanarahan’izy ireo izany. (Apokalypsy 4:11) Tsy voatery manome fitsipika be dia be anefa izy, satria efa nanome mpitari-dalana mahasoa, dia ny feon’ny fieritreretana. (Romanina 2:14, 15) Nilaza tamin’ny olombelona voalohany Andriamanitra mba tsy hihinana amin’ny “voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Mifanitsy amin’ny zon’i Jehovah hametra fitsipika momba izay tsara sy ratsy mantsy io hazo io. Fantatrao tsara ny tohin’ny tantara. (Genesisy 2:17; 3:1-19) Niresaka ny amin’ny safidy ratsy nataon’i Adama i Hosea hoe: “[Ny Israelita] dia nivadika ny fanekena tahaka an’i Adama.” (Hosea 6:7, Fandikan-teny Protestanta) Araka izany, dia nanota an-tsitrapo toa an’i Adama ny Israelita.

9 Nivadika tamin’ny fifaneken’ny Lalàna ny Israelita. Tokony ho notadidin’ilay vahoaka anefa fa nanafaka azy tany Ejipta Andriamanitra, ka lasa fananany izy ireo. Zony àry ny nanome fitsipika ho azy ireo. Nanaiky hanao fifanekena tamin’i Jehovah ny Israelita, ka nilaza fa hanaraka ny fitsipiny. (Eksodosy 24:3; Isaia 54:5) Maro tamin’izy ireo anefa no tsy nankatò ny Lalàna. Meloka ho nandatsa-dra sy namono olona ary nijangajanga izy ireo.—Hosea 6:8-10.

10. Ahoana no nanampian’Andriamanitra an’ireo tsy nanaraka ny fitsipiny?

10 Naniraka mpaminany toa an’i Hosea i Jehovah mba hanampy an’ilay vahoaka nanokan-tena ho azy. Namarana ny bokiny toy izao i Hosea: “Iza no hendry ka hahazo ny hevitr’izany? Ary iza no malina ka hahalala an’izany? Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah, ka ny marina no handeha eo, fa ny mpandika lalàna kosa ho lavo eo.” (Hosea 14:9) Efa nasongadin’i Hosea teo am-piandohan’ny toko faha-14, fa ilaina ny miverina amin’i Jehovah. Ny hendry anefa no hahatakatra fa efa natoron’i Jehovah ny lala-mahitsy tokony haleha. Efa nanokan-tena hanompo an’i Jehovah koa ianao, ka azo antoka fa irinao foana ny hanao izay mahitsy sy handeha amin’ny lalany.

Nahoana no tokony harahina ny fitsipika omen’ny mpanao fiara?

11. Nahoana ianao no te hankatò ny didin’Andriamanitra?

11 Asongadin’ny Hosea 14:9 koa ny soa azontsika raha manao izay mahitsy isika. Hahazo fitahiana maro isika raha manao izay takin’Andriamanitra. Namorona antsika izy, ka fantany tsara isika. Noho izany, dia mahasoa antsika ny zavatra takiny amintsika. Azo ampitahaina amin’ny fiara iray sy ny mpanao azy izany. Fantatr’ilay mpanao fiara ny fomba nanamboarana azy io. Fantany, ohatra, hoe isaky ny inona no tokony hosoloana ny menaka. Ahoana anefa raha tsy miraharaha izany ianao, satria mihevitra fa mbola mandeha tsara ilay fiara? Tsy ho ela dia ho simba ny maotera. Toy izany koa ny olombelona. Nanome didy ho antsika ny Mpamorona antsika, ary mahasoa ny mankatò azy ireny. (Isaia 48:17, 18) Tsy vao mainka ve izany mandrisika antsika hanaraka ny fitsipiny sy hankatò ny didiny?—Salamo 112:1.

12. Nahoana no hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra isika, raha mandeha amin’ny anarany?

12 Inona no valisoa lehibe indrindra ho azontsika raha mankatò ny didin’Andriamanitra isika? Hifandray akaiky kokoa aminy isika. Hihalalina ny fitiavantsika azy rehefa manaraka ny fitsipiny isika, ka mahita fa mahasoa antsika izy ireny sady tsy sarotra loatra. Mahafinaritra ny fomba nilazan’i Mika an’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany. Hoy izy: “Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” (Mika 4:5) Voninahitra lehibe tokoa ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah sy miaro ny lazany ary manaiky ny fahefany, ka te hanahaka ny toetrany isika. Aoka àry isika tsirairay hiezaka hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra!—Salamo 9:10.

13. Nahoana no tsy ratsy ny hoe matahotra ny anaran’Andriamanitra?

13 Voalaza fa matahotra ny anaran’Andriamanitra izay olona manaraka ny fitsipiny sy mandeha amin’ny anarany. Tsy hoe ratsy anefa izany tahotra izany. Manome toky i Jehovah hoe: ‘Ianareo izay matahotra ny anarako no hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana. Ary hitondra fanasitranana ny taratr’ilay masoandro. Dia hivoaka ianareo, ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy.’ (Malakia 4:2) I Jesosy Kristy io “masoandron’ny fahamarinana” io. (Apokalypsy 1:16) Toy ny masoandro miposaka izy ka mitondra fanasitranana ara-panahy ankehitriny, ary hitondra fanasitranana ara-bakiteny kosa amin’ny hoavy. Faly ireo sitrana, ka ‘mivoaka sy mifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy’, izay mibitabitaka erỳ satria nafahana. Tsy ekenao ve fa efa afaka tamin-javatra maro koa ianao?—Jaona 8:32.

14, 15. Inona avy no soa horaisinao raha manaraka ny fitsipik’i Jehovah ianao?

14 Misy soa hafa raisinao koa rehefa arahinao ny fitsipik’Andriamanitra: Mihatsara ny fifandraisanao amin’olona. Notanisain’i Habakoka ny loza hanjo an’ireo mitsiriritra, ireo mahazo tombony amin’ny tsy rariny, ireo mandatsa-dra, ireo manao teti-dratsy mba hanaovana firaisana, ary ireo manompo sampy. (Habakoka 2:6-19) Asehon’ireo loza nambaran’i Jehovah ireo, fa efa nanome fitsipika momba ny fomba fiaina tsara indrindra izy. Mariho anefa fa mahakasika ny fifandraisantsika amin’olona ny efatra amin’ireo loza ireo. Tsy hanisy ratsy olona isika raha manana ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ka hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa.

15 Ankoatra izany, dia ho sambatra kokoa ny fianakaviantsika. Mihevitra ny olona matetika fa ny fisarahana no vahaolana farany, rehefa tsy mifanaraka ny mpivady. Nilaza anefa i Jehovah hoe: “Halako ny fisaraham-panambadiana.” (Malakia 2:16) Mbola hohazavaintsika amin’ny an-tsipiriany io andininy io any aoriana, kanefa mariho fa nanome fitsipika tokony harahin’ny mpivady Andriamanitra eo. Hilamina ny fianakaviana raha manaraka izany. (Efesianina 5:28, 33; 6:1-4) Marina fa tsy maintsy misy ny olana, satria tsy lavorary isika rehetra. Nasehon’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Hosea anefa ny fomba handaminana ireo olana lehibe eo amin’ny mpivady. Izy mantsy no “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Efesianina 3:15) Mbola hodinihintsika any amin’ny toko hafa izany vahaolana izany, fa hojerentsika aloha izao ny dikan’ny hoe manaraka ny fitsipik’Andriamanitra.

“ANKAHALAO NY RATSY ARY TIAVO NY TSARA”

16. Inona no dikan’ny hoe manaraka ny fitsipik’Andriamanitra, araka ny Amosa 5:15?

16 Nanao safidy ratsy i Adama, rehefa nifidy izay fitsipika noheveriny fa tsara indrindra. Hahay hifidy kokoa noho izy ve isika? Mampirisika antsika ‘hankahala ny ratsy’ sy ‘ho tia ny tsara’ i Amosa rehefa manao safidy. (Amosa 5:15) Nanazava an’io andininy io i William Harper, mpampianatra haisoratra tao amin’ny Oniversiten’i Chicago. Hoy izy: ‘Amin’i Amosa, dia izay manao ny sitrapon’i Iaveh no manaraka ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy.’ Izany no hevi-dehibe hitantsika ao amin’ny boky nosoratan’ireo mpaminany 12. Vonona hanaiky ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy ve ianao? Hita ao amin’ny Baiboly izy ireny, ary hazavain’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izay Kristianina za-draharaha sy matotra.—Matio 24:45-47.

Nahoana no manampy antsika tsy hijery sary vetaveta, ny torohevitr’ireo mpaminany 12?

17, 18. a) Nahoana no tena ilaina ny mankahala ny ratsy? b) Inona no ohatra hanampy antsika hankahala ny ratsy?

17 Tsy hanao izay tsy tian’Andriamanitra isika raha mankahala ny ratsy. Mety ho fantatry ny olona iray, ohatra, ny voka-dratsin’ny fijerena sary vetaveta ao amin’ny Internet na filma, ka miezaka tsy hijery izany izy. Ahoana anefa ny tena “maha izy” azy any anatiny lalina any? Inona no tsapany momba an’ireny sary ireny? (Efesianina 3:16) Ho mora kokoa aminy ny hankahala ny ratsy, raha arahiny ny fampirisihan’Andriamanitra ao amin’ny Amosa 5:15. Handresy amin’ilay ady ataony izy amin’izay, ka tsy hanao ratsy.

18 Intỳ misy ohatra hafa. Hiankohoka eo anoloan’ny sampy anindrahindrana firaisana ara-nofo ve ianao? Maharikoriko anao angamba, na dia ny mieritreritra izany aza. Nilaza anefa i Hosea fa nijangajanga teo anoloan’i Balan’i Peora ny razamben’ny Israelita. (Nomery 25:1-3; Hosea 9:10) Nilaza izany izy satria anisan’ny fahotana lehibe nataon’ny foko folon’ny Israely ny fivavahana tamin’i Bala. (2 Mpanjaka 17:16-18; Hosea 2:8, 13) Alao sary an-tsaina ny zava-maharikoriko nataony: Nandohalika teo anoloan’ny sampy izy ireo, rehefa nanao lanonana mba hanaranam-po tamin’ny firaisana. Nomelohin’Andriamanitra mafy àry izy ireo. Tsy ho voan’ny fandrika ampiasain’i Satana amin’ny alalan’ny Internet na filma isika tsirairay, raha mitadidy izany. Maro ankehitriny no manindrahindra lehilahy sy vehivavy tsara tarehy sy malaza. Tsy mba manao toy izany anefa isika, satria fantatsika ny fampitandreman’ny mpaminany momba ny fanompoan-tsampy!

TADIDIO FOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

19. Inona no ianaranao avy amin’izay nataon’i Jona tao an-kibon’ilay trondro be?

19 Mety tsy ho hitanao izay hatao indraindray rehefa miatrika olana na tojo fakam-panahy. Mety hieritreritra koa ianao fa tsy ho vitanao ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Ahoana no hiatrehanao izany, raha tsapanao fa tsy manana herin-tsaina firy ianao na kivy? (Ohabolana 24:10) Misy azontsika ianarana avy amin’i Jona, izay tsy lavorary toa antsika sady nanao fahadisoana. Tadidio ny nataony tao an-kibon’ilay trondro be: Nivavaka tamin’i Jehovah izy. Mariho ny zavatra nolazainy tao amin’ilay vavaka.

20. Inona no tokony hataonao dieny izao, mba hanahafana an’i Jona?

20 Nampiasa teny maro avy tao amin’ny Salamo i Jona, rehefa nivavaka “tao an-kibon’ny Fasana.” (Jona 2:2) Ory dia ory izy, ka nitalaho famindram-po tamin’i Jehovah. Ny tenin’i Davida anefa no naveriny. Ampitahao, ohatra, ny Jona 2:3, 5 sy ny Salamo 69:1, 2. * Tsy hitanao ve fa tena hain’i Jona tsara ireo salamo nataon’i Davida, izay efa nisy tamin’ny androny? Nitamberina tao an-tsainy izy ireny tamin’io fotoana io, satria ‘tao anatiny’ ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 40:8) Misy tenin’Andriamanitra tadidinao ve rehefa miatrika olana mahakivy ianao? Raha miezaka hahalala tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra ianao dieny izao, dia hahay hanapa-kevitra sy hamaha olana, mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra.

MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA

21. Inona no tsy maintsy hiezahanao, raha tianao ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra?

21 Tsy ampy anefa ny mitadidy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, raha tianao ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Misy zavatra hafa tokony hataonao koa, mba hampiharana ny Teniny. Hoy i Mika: “Hatahotra ny anaranao ny olona manam-pahendrena.” (Mika 6:9) Mampihatra izay ianarany ny olona manam-pahendrena, ka tsy maintsy miezaka ny hatahotra ny anaran’Andriamanitra ianao raha te ho hendry.

22, 23. a) Nahoana i Hagay no nirahin’i Jehovah tany amin’ireo Jiosy avy any an-tsesitany? b) Nahoana ianao no matoky fa ho vitanao ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra?

22 Ahoana no ianaranao hatahotra ny anaran’Andriamanitra? Diniho ny tenin’i Hagay, mpaminany taorian’ny sesitany. In-35 izy no nampiasa ilay anarana hoe Jehovah, nefa fohy kely ny bokiny izay misy andininy 38 monja! Tamin’ny 520 T.K. izy no nirahin’i Jehovah haminany, ary efa 16 taona no lasa hatramin’ny nanombohana ny fanorenana ny tempoly tao Jerosalema. Zara anefa raha nandroso ny asa. Kivy mantsy ny vahoakan’Andriamanitra, noho ny fanoheran’ny fahavalony. (Ezra 4:4, 5) Nieritreritra izy ireo fa mbola tsy fotoana hanaovana ilay asa tamin’izay. Nampirisika azy ireo àry i Jehovah hoe: “Mba diniho ihany ny ataonareo. ... Ataovy ity trano ity, mba ho fahafinaretako sy hanomezam-boninahitra ahy.”—Hagay 1:2-8.

23 “Nihaino izay nolazain’i Jehovah Andriamaniny” i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, ary “ny vahoaka sisa rehetra”, ka “natahotra an’i Jehovah ny vahoaka.” Nilaza àry Andriamanitra hoe: “Momba anareo aho.” Mampahery tokoa izany! Nampian’ny fanahin’Andriamanitra ny vahoaka, ka ‘niroso nanao ny asa momba ny tranon’i Jehovah.’ (Hagay 1:12-14) Tsy nanana herim-po izy ireo taloha, nefa rehefa natahotra sao tsy hampifaly an’Andriamanitra, dia nahatohitra fanoherana.

24, 25. Manomeza ohatra hampiharana ny toro lalana ato amin’ity toko ity.

24 Ary ahoana ny aminao? Raha efa fantatrao ny fitsipik’Andriamanitra momba ny olana atrehinao, hanana herim-po koa ve ianao ka hatahotra an’i Jehovah, fa tsy hatahotra olona? Angamba ianao tovovavy, ary misy lehilahy tsara fanahy sy be fiahiana miara-miasa aminao. Tsy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra anefa izy. Hisy andinin-teny ho tsaroanao ve, ka hampahatsiahy anao ny fitsipik’i Jehovah sy ny loza ateraky ny tsy firaharahana izany? Ho tadidinao ve, ohatra, ny Hosea 4:11? Hoy izy io: “Fijangajangana sy divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao ny tsara.” Handrisika anao hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ny tahotra azy, ka tsy hanaiky ianao raha hasain’ilay lehilahy hiaraka aminy hanatrika fanasana? Ary ahoana raha manomboka mampiseho izy hoe tia anao? Hanampy anao ‘handositra’ azy ny tahotra sao tsy hampifaly an’ilay Andriamanitrao be fitiavana.—Genesisy 39:12; Jeremia 17:9.

Ahoana no hanampian’ny tahotra an’Andriamanitra, rehefa miatrika olana toy izao?

25 Andeha hiverenantsika ilay ohatra momba an’ilay olona miezaka tsy ho resin’ny fakam-panahy hijery sary vetaveta. Hotsaroany ve ilay vavaka ao amin’ny Salamo 119:37 hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko”? Hotadidiny koa ve ny tenin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady”? (Matio 5:28) Tsy ho resin’ny fakam-panahy ny Kristianina, raha matahotra an’i Jehovah sy maniry hanaraka ny fitsipiny. Miezaha àry hatahotra kokoa an’Andriamanitra, isaky ny alaim-panahy hieritreritra na hanao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipiny. Tadidio koa ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay hoe: ‘Momba anao aho.’

26. Inona no hodinihintsika manaraka?

26 Azo antoka fa ho vitanao ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, ary handray soa avy amin’izany ianao. Vao mainka hazava aminao ny fitsipiny na izay takiny amintsika tsirairay, rehefa handinika bebe kokoa an’ireo boky 12 ianao. Hodinihina ao amin’ny fizarana manaraka ny lafiny telo lehibe nanomezan’i Jehovah fitsipika tena tsara: ny fitondran-tena, ny fifandraisana amin’ny hafa, ary ny fiainam-pianakaviana.

^ feh. 20 Ampitahao koa ny Jona 2:2, 4-9 sy ny Salamo 18:6; 31:22; 30:3; 142:3; 31:6; 3:8, izay nalahatra araka ny nampiasan’i Jona azy.