Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-14

‘Fitahiana Be dia Be Mihoatra Noho Izay Ilaina’

‘Fitahiana Be dia Be Mihoatra Noho Izay Ilaina’

1, 2. a) Inona no soa mety ho azonao? b) Inona ilay faminaniana tanteraka izay mety hahazoantsika fitahiana?

FOTOANA fitsarana izao, nefa koa fotoana ahazoana fitahiana. Mihena ny herin’ny ankamaroan’ny fivavahana, fa naverina tamin’ny laoniny kosa ny fivavahana marina. Azo antoka fa ho tianao ny handray soa avy amin’izany dieny izao sy amin’ny hoavy, ary ho tianao koa ny hahazo fitahiana! Inona anefa no tokony hataonao? Hanampy anao ny fandinihana ny faminaniana iray, izay nisy fahatanterahany lehibe taoriana kelin’ny nanombohan’ny “andro farany” tamin’ny 1914. (2 Timoty 3:1) Hoy izy io: ‘ “Ho avy ao amin’ny tempoliny [i Jehovah] ilay tena Tompo tadiavinareo sy ilay iraky ny fifanekena izay sitrakareo. Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.’—Malakia 3:1.

2 Ao amin’ny boky farany amin’ireo boky 12 io faminaniana io, ary tokony hisy heviny lehibe ho anao. Tsara homarihina àry izay nosoratan’i Malakia, eto am-pamaranana ny fandinihantsika an’ireo boky 12 ireo. Hanampy anao sy ny mpanompon’i Jehovah hafa ny toromarika ao amin’ny bokiny, mba hahazoanareo ‘fitahiana be dia be mihoatra noho izay ilainareo.’ (Malakia 3:10) Andeha àry hodinihintsika ny Malakia toko faha-3.

FOTOANA ANADIOVANA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

3. Inona no nahatonga an’i Jehovah hifidy ny “Israelin’Andriamanitra”?

3 Tonga tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Jehovah, 500 taona teo ho eo taorian’ny naminanian’i Malakia. Nahoana? Mba hitsara an’ilay vahoaka nanaovany fifanekena. I Kristy no nisolo tena azy tamin’izay, satria izy io no “iraky ny fifanekena”, dia ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Tsy mendrika ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah intsony anefa ilay firenena, ka nolaviny. (Matio 23:37, 38) Porofon’izany ny zava-nitranga tamin’ny taona 70. Nifidy ny “Israelin’Andriamanitra” indray àry i Jehovah. Firenena ara-panahy misy Kristianina 144 000 avy amin’ny firenena rehetra, izy io. (Galatianina 6:16; Romanina 3:25, 26) Tanteraka ankehitriny koa anefa ny faminanian’i Malakia, izay hanampy anao hahazo ‘fitahiana be dia be, mihoatra noho izay ilainao aza.’

4. Inona no fanontaniana nilana valiny, taorian’ny nanendrena an’i Jesosy ho Mpanjaka tamin’ny 1914?

4 Hita amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, fa notendren’i Jehovah ho Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Avy eo dia tonga ny fotoana hijerena hoe Kristianina iza no mendrika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Iza àry no hita hoe madio ny fivavahany? Hoy i Malakia: ‘Iza no hahatanty ny andro iaviany, ary iza no hahajoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly izy.’ (Malakia 3:2) Oviana àry i Jehovah no tonga tao amin’ny “tempoliny” mba hitsara, ary tamin’ny fomba ahoana?

5, 6. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo nihambo ho mpanompony, rehefa nankao amin’ny tempoliny ara-panahy izy? b) Inona no nilain’ireo Kristianina voahosotra?

5 Tsy tao amin’ny tempoly vita tamin’ny vato Andriamanitra no tonga mba hitsara, satria efa rava tamin’ny taona 70 ilay tempoly foiben’ny fivavahana marina. Nankao amin’ny tempoly ara-panahy kosa izy. Tsy inona izy io fa ny lamina napetrany mba hahafahan’ny olombelona hanatona azy sy hanompo azy, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Hebreo 9:2-10, 23-28) Tsy ireo fiangonan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy io. Nandray anjara tamin’ny famonoan’olona mantsy izy ireo, ary nijangajanga ara-panahy sy nampiely fampianaran-diso. ‘Mailaka nijoro ho vavolombelona hiampanga’ azy ireo i Jehovah, ary ara-drariny ny fanamelohany azy. (Malakia 3:5) Nisy tena Kristianina kosa anefa nanompo teo an-tokotanin’ny tempoly ara-panahy, taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra ireo Kristianina voahosotra ireo, na dia niharam-pitsapana mafy aza. Nila nodiovina anefa izy ireo. Nanasongadina izany ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12, satria mirakitra fampanantenana mampahery hoe hifandray tsara amin’Andriamanitra indray ny mpanompony, ary ho lasa lavorary. Nilaza, ohatra, i Malakia fa hisy vahoaka ‘hodiovin’i Jehovah toy ny volamena sy volafotsy.’ Ho lasa vahoakany izy ireo ka ‘hanolotra fanatitra atao fanomezana izay atolotra amim-pahamarinana.’—Malakia 3:3.

6 Voaporofo fa nanomboka nanadio ny Kristianina voahosotra i Jehovah tamin’ny 1918. Nila nodiovina ny fivavahan’izy ireo, ary nila nahitsy ny fanao sy ny fampianarana nandoto azy ireo. * Nandray soa lehibe tamin’izany izy ireo, sy ny “vahoaka be” niaraka taminy tatỳ aoriana. (Apokalypsy 7:9) Miara-manolotra “fanatitra atao fanomezana” izy ireo, ary “atolotra amim-pahamarinana” izany. ‘Ankasitrahan’i Jehovah’ io fanatitra ataon’izy ireo io.—Malakia 3:3, 4.

Nodiovin’i Jehovah ny vahoakany. Sao dia mbola mila diovina na ahitsy koa isika tsirairay?

7. Inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretintsika?

7 Raha nodiovina toy izany ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany, ahoana kosa ny amintsika tsirairay? Tsara ny manontany tena hoe: ‘Sao dia misy tokony hahitsy ny toe-tsaiko sy ny zavatra ataoko? Sao dia mila manatsara ny fitondran-tenako aho, satria na ny voahosotra aza nodiovin’i Jehovah?’ Efa hitantsika tany aloha fa nasongadin’ireo mpaminany 12 hoe inona no toe-tsaina sy fitondran-tena mety, ary inona kosa no tsy mety. Nanjary fantatrao tsara kokoa izay “takin’i Jehovah aminao.” (Mika 6:8) Mariho ilay hoe “aminao.” Midika izany fa tokony handini-tena isika tsirairay, sao mbola misy tokony hodiovina amintsika, izany hoe hahitsy na hohatsaraina.

‘TSAPAO TOETRA ANGE AHO E’

8. Inona no asain’i Jehovah hataon’ny vahoakany?

8 Diniho izao fanasana feno fitiavana avy amin’i Jehovah izao, izay hita ao amin’ny Malakia 3:10: “ ‘Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra, mba hisy sakafo ao an-tranoko. Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.’ ” Asaina hanao izany ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Tsapanao ve fa natao ho anao koa io fanasana io?

9. Inona avy ny fanatitra sy ampahafolon-karena azonao atolotra ho an’i Jehovah?

9 Inona “ny ampahafolon-karena” atolotrao ho an’i Jehovah? Tsy voatery manome fanatitra sy ampahafolon-karena toy izay notakin’ny Lalàn’i Mosesy ianao. Karazana fanatitra hafa no takin’Andriamanitra ankehitriny. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa nilaza i Paoly hoe anisan’ny fanatitra ny asa fitoriana. (Hosea 14:2) Avy eo dia nilaza karazana fanatitra hafa izy. Hoy izy: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:15, 16) Mazava àry fa tsy fanatitra ara-bakiteny fotsiny ilay “ampahafolon-karena” voalazan’ny Malakia 3:10. Raha Kristianina vita batisa ianao, dia efa nanokan-tena tanteraka hanompo an’i Jehovah. Toy ny manao ampahafolon-karena anefa ianao, rehefa manome ny ampahany amin’izay anananao ka manolotra izany ho an’i Jehovah, izany hoe mampiasa izany mba hanompoana azy. Mety ho vola izany, nefa koa mety ho ny fotoananao, ny herinao, ary ny fanananao.

10. Inona no dikan’ny hoe ‘mitsapa toetra an’i Jehovah’?

10 Tena tsara raha ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana hanao ny sitrapony, no mandrisika anao hanolotra izany ampahafolon-karena an’ohatra izany! Fantatrao fa efa tena akaiky ny andro lehiben’i Jehovah, ary “tena mampahatahotra” io andro io. (Joela 2:1, 2, 11) Ain’olona maro no tandindomin-doza. Manasa anao ‘hitsapa toetra azy’ àry i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy ho sahintsika olombelona ny hitsapa toetra azy hoe mendri-pitokisana izy sa tsia. (Hebreo 3:8-10) Ahoana àry no tokony hitsapanao toetra an’Andriamanitra? Tadidio fa nampanantena izy hoe handrotsaka fitahiana. Rehefa mankatò azy àry ianao, dia toy ny hoe mitsapa toetra azy ka manontany hoe: ‘Hitahy ahy ve Andriamanitra?’ Adidiny avy eo ny mitahy anao, araka ny efa nampanantenainy. Ny fanasan’Andriamanitra anao ‘hitsapa toetra azy’ àry, dia mahatonga anao hatoky kokoa fa handrotsaka fitahiana be dia be ho anao izy.

11, 12. Inona avy ny fitahiana omen’i Jehovah ny vahoakany sady omeny anao koa?

11 Androtsahan’i Jehovah ‘fitahiana be dia be mihoatra noho izay ilainy’ ny vahoakany, satria mazoto manao fanomezana sy manolotra fanatitra ho azy. Nitombo be àry ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Mahazo tsara kokoa ny hevitry “ny zava-dalin’Andriamanitra” koa izy ireo. (1 Korintianina 2:10; Ohabolana 4:18) Mahakasika anao anefa ve izany?

12 Diniho izao: Firy ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly fantatrao, tany amin’ny fivavahana nisy anao taloha, na tamin’ianao vao nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ampitahao amin’izay fantatrao izao sy hainao porofoina ao amin’ny Soratra Masina izany. Eritrereto koa hoe nanjary azonao ny hevitry ny zava-dalina sasany, anisan’izany ireo faminaniana tanteraka ankehitriny. Diniho koa ny ezaka ataonao mba hampiharana bebe kokoa ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Tena nanao fandrosoana tsara tokoa ianao! Afaka milaza toa an’i Petera ianao hoe: “Manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io.” (2 Petera 1:19) Tadidio izao: ‘Ampianarin’i Jehovah’ ianao, ary anisan’ireo tena Kristianina te hanompo an’i Jehovah mandrakizay. (Isaia 54:13) Tena afaka milaza sahady àry ianao fa nandrotsaka fitahiana be dia be ho anao i Jehovah.

AO AMIN’NY BOKIN’NY FIAINANA VE NY ANARANAO?

13. Inona no tokony hataon’ny olona iray, mba ho voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovan’Andriamanitra ny anarany?

13 Mbola misy fitahiana hafa koa omen’i Jehovah, araka ny voalazan’ny Malakia 3:16 hoe: “Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah. Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany. Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.” Samy “matahotra an’i Jehovah” ny Kristianina voahosotra sy ny vahoaka be. Misaintsaina ny anaran’i Jehovah ny Vavolombelon’i Jehovah, ary midera an’io anarana io eran-tany. Faly ve ianao anisan’io vahoaka falifaly io? Afaka ny ho faly tokoa ianao, satria matoky fa tsaroan’i Jehovah ny tsy fivadihanao!—Hebreo 6:10.

14. Inona avy ny toetra sy fanao halan’i Jehovah, araka ny hitantsika tao amin’ireo boky 12?

14 Mbola soratana eo anatrehan’i Jehovah izao io “boky fahatsiarovana” io, ka inona no tokony hataonao mba ho voasoratra ao ny anaranao? Tadidio ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ireo boky 12, momba ireo toetra sy fitondran-tena ary toe-tsaina tsy mampifaly an’i Jehovah. Efa nampitandrina, ohatra, ireo mpaminany, fa mandika ny fitsipik’Andriamanitra isika ary hahita loza, raha ‘manao ratsy’ ary raha ‘mibahana ao an-tsaintsika ny fijangajangana.’ (Hosea 4:12; 6:9) Halan’Andriamanitra koa ny mivadika amin’ny vady na amin’ny mpianakavy hafa. (Malakia 2:15, 16) Tsy tiany mihitsy ny karazana herisetra rehetra. (Amosa 3:10) Nasongadiny koa fa tsy tokony hanambaka isika na hanao ny tsy rariny eo amin’ny raharaham-barotra sy ny resa-bola. (Amosa 5:24; Malakia 3:5) Ary nasehon’ireo boky 12 fa mila mitandrina ireo lehilahy nomena fahefana hitsara, mba tsy hanavakavaka na hitady tombony ho an’ny tenany.—Mika 7:3, 4.

15. Inona avy no soa ho azonao, rehefa manaraka ny torohevitr’ireo mpaminany 12 ianao?

15 Tsy ny zavatra tsy tokony hatao ihany anefa no nasongadin’ireo mpaminany, fa ny soa ho azontsika koa rehefa manaraka ny fitsipik’Andriamanitra isika. Hifandray tsara kokoa amin’i Jehovah isika. (Mika 4:5) Hilamina kokoa ny fiangonana sady harisika kokoa amin’ny fanompoana, rehefa anjakan’ny rariny. Hifankatia kokoa ny mpivady ary hiray saina kokoa ny mpianakavy, satria mifantoka kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Hosea 2:19; 11:4) Hohajain’ny olona koa isika, rehefa manao ny rariny sy milaza ny marina. Hangoraka sy haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amintsika ireo rahalahy sy anabavintsika, raha maneho an’ireo toetra ireo aminy isika ary mamindra fo toa an’i Jehovah. (Mika 7:18, 19) Ho voahodidin’ny olona tia fahamarinana sy fihavanana àry isika. Ary ny tena zava-dehibe, dia ho naman’i Jehovah isika. (Zakaria 8:16, 19) Tsy ekenao ve fa efa mahazo an’ireo fitahiana ireo ianao izao?

16. Inona ny tsy fitoviana miharihary ankehitriny, ary inona no ho vokatr’izany amin’ny andro fitsaran’i Jehovah?

16 Vao mainka miharihary àry “ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy”, na ny tena Kristianina sy ny Kristianina sandoka. (Malakia 3:18) Miezaka mafy tokoa isika manaraka ny fitsipik’i Jehovah, fa izao tontolo izao kosa mihamilentika hatrany ao anatin’ny faharatsiana. Ho samy hafa tanteraka ny hiafaran’ireo antokon’olona roa ireo, rehefa tonga ilay “andro lehiben’i Jehovah.”—Zefania 1:14; Matio 25:46.

17. Ahoana no azonao ampiasana an’ity boky ity amin’ny hoavy?

17 Tsy mety lany andro àry ny torohevitr’ireo mpaminany 12. Ho tianao angamba ny hamerina hijery azy ireny ato amin’ity boky ity, rehefa miatrika olana ianao na rehefa hanapa-kevitra. Hasehonao amin’izany fa irinao foana ny hianatra ny lalan’i Jehovah sy ny “handeha amin’ny atorony.” (Mika 4:2) Tsy ankehitriny ihany anefa ianao no tokony hanaraka ny lalany. Azo antoka mantsy fa tena tianao ho voasoratra mandrakizay ao amin’ilay boky fahatsiarovan’i Jehovah ny anaranao. Afaka manampy anao àry ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12.

HO VOAVONJY IZAY MINO

18. Inona no zavatra takina amintsika araka ny Joela 2:32, ary inona koa no tafiditra amin’izany?

18 Inona no tokony hataonao mba hankasitrahan’Andriamanitra foana? Hoy i Joela: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.” (Joela 2:32) Niresaka momba izany koa ny apostoly Petera sy Paoly. (Asan’ny Apostoly 2:21; Romanina 10:13) Nilaza anefa i Paoly fa misy zavatra hafa tafiditra amin’izany. Hoy izy: ‘Hataon’izy ireo ahoana no fiantso izay tsy inoany?’ (Romanina 10:14) Tena ilaina koa àry ny finoana. Azo antoka fa tianao ny hiantso ny anaran’i Jehovah sy hino azy, dieny izao sy ho mandrakizay!

Joela

19. Inona no dikan’ny hoe miantso ny anaran’i Jehovah?

19 Tsy hoe tokony hahalala sy hampiasa ny anaran’i Jehovah fotsiny ny olona miantso ny anarany. (Isaia 1:15) Tokony hasehony koa fa tena mibebaka izy ary matoky fa hamela heloka i Jehovah. (Joela 2:12, 13) Ny hoe miantso ny anaran’i Jehovah àry dia midika hoe mahalala azy tsara, matoky azy, mankatò azy, ary manao ny fanompoana azy ho loha laharana eo amin’ny fiainana. Hahafa-po ny fiainantsika amin’izay, ary hahazo fiainana mandrakizay isika. Tena fitahiana tokoa izany!—Matio 6:33.

20. Inona no valisoa ho azonao raha maneho finoana ianao?

20 Hoy i Habakoka: ‘Ny olo-marina ho velona noho ny tsy fivadihany.’ (Habakoka 2:4) Tadidio tsara foana io fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly io, ary ataovy latsa-paka ao am-ponao. Noresahin’i Paoly intelo ao amin’ireo boky nosoratany izy io, ka nasongadiny ny ilana finoana. * (Romanina 1:16, 17; Galatianina 3:11, 14; Hebreo 10:38) Ilainao àry ny mino ny sorona nataon’i Jesosy Kristy noho ny fahotantsika. Hoy i Jesosy: ‘Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’ (Jaona 3:16) Hoy koa ny Jaona 3:36: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.” Hitondra fanasitranana io sorona io, ary ilay Mpanavotra antsika ihany no afaka manao izany fanasitranana izany. Rehefa avy nilaza i Jehovah hoe hanao ahoana ny tontolo ratsin’i Satana amin’ny androny lehibe, dia hoy izy: “Fa ianareo izay matahotra ny anarako kosa no hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana. Ary hitondra fanasitranana ny taratr’ilay masoandro.” I Jesosy io masoandron’ny fahamarinana io, ary hitondra fanasitranana izy. Anisan’izany ny fanasitranana ara-panahy efa azontsika ankehitriny. Mampihetsi-po anefa ny mieritreritra fa hitondra fanasitranana tanteraka ara-bakiteny koa izy ao amin’ny tontolo vaovao!—Malakia 4:2.

21. Nahoana ianao no afaka mino fa mahavita manatanteraka ny fikasany i Jehovah?

21 Tena ilaina koa ny mino fa mahavita manatanteraka ny fikasany Andriamanitra. Sarotra ny natoky olona tamin’ny andron’i Mika. Hoy izy: “Aza mino izay lazain’ny namana, na matoky namana akaiky.” Tsy sarotra tamin’i Mika anefa ny natoky an’i Jehovah, ary tsy tokony ho sarotra aminao koa. Hoy izy: “Fa izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko.” (Mika 7:5, 7) Tsy mba miovaova toy ny olombelona mantsy i Jehovah. Maniry hanatanteraka ny fikasany izy, sady manan-kery hanaovana izany. Hanatanteraka izany tokoa izy, mba hanamarinana ny zony hitondra sy hanomezana fitahiana maharitra ho an’ny olona manam-pinoana.

22. Inona no valisoa azon’ireo mino sy miantso ny anaran’i Jehovah?

22 Afaka mifaly toa an’i Habakoka koa ianao. Hoy izy: “Mbola hifaly amin’i Jehovah ihany aho, sy hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:18) Nilaza i Joela fa faly ireo mino sy miantso ny anaran’i Jehovah satria “ho tafavoaka soa aman-tsara”, na “hovonjena” araka ny tenin’i Paoly. (Joela 2:32; Romanina 10:13) Anisan’ireo hovonjena koa ve ianao? Raha ny marina, dia efa novonjena ho afaka tamin’ny teti-dratsin’i Satana sy ny fahoriana vokatry ny fanaovan-dratsy ianao, satria manam-pinoana. (1 Petera 1:18) Matoky koa anefa ianao fa ho voavonjy rehefa horavana ity tontolo ratsy ity. Aorian’izay koa, dia hahazo an’ireo fitahiana maro be noresahin’ireo mpaminany 12 ianao.

FIAINANA AO AMIN’NY PARADISA

23, 24. a) Inona no nolazain’ny sasany tamin’ireo mpaminany 12 momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa? b) Manao ahoana ny fahitanao ny hoavy rehefa dinihina ireo tenin’ny mpaminany ireo?

23 Hahazo fitahiana mandrakizay ireo “matahotra an’i Jehovah.” (Malakia 3:16) Niresaka momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany, ny sasany tamin’ireo mpaminany 12. Azo antoka fa faly tokoa ianao misaintsaina izany, ary tsy andrinao ny hahatanterahany. Nilaza, ohatra, i Mika hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.” (Mika 4:4) Tsy hanana ahiahy tokoa ianao sady ho afa-po amin’ny asanao, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

24 Tsy nofinofy fotsiny ny fanantenana fa tsy hisy intsony ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany, izay hanantena ny ho lasa lavorary! Ho tanteraka amin’izy ireo amin’ny fomba feno izay voalazan’ny Hosea 13:14 hoe: “Havotako amin’ny fangejan’ny Fasana izy ireo, ary halaiko avy any amin’ny fahafatesana. Aiza ny fanindronanao, ry Fahafatesana ô? Ary aiza ny fandringananao, ry Fasana ô?” Nampiharin’i Paoly tamin’ireo hatsangana ho any an-danitra koa io andinin-teny io.—1 Korintianina 15:55-57.

25. Inona no ho tsapanao rehefa ao amin’ny tontolo vaovao?

25 Tsy tokony ho sarotra amintsika ny mino fa hisy fitsanganana amin’ny maty eto an-tany. (Zakaria 8:6) Rehefa nilaza i Amosa sy Mika fa hiverina avy any an-tsesitany ny vahoakan’Andriamanitra, dia toa sarotra ny nino izany. Fantatsika anefa fa tena nitranga izany. (Amosa 9:14, 15; Mika 2:12; 4:1-7) Hoy ireo Jiosy nody tany an-tanindrazany: “Hoatran’ny nanonofy isika. Nihomehy tsy nisy toy izany isika tamin’izay, sady nihoby ny lelantsika. ... Niavaka tokoa ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika, ka falifaly isika.” (Salamo 126:1-3) Toy izany koa no ho tsapanao ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa hahazo ‘fitahiana be dia be mihoatra noho izay ilainao’ ianao!

Voahodidina olona tia fahamarinana sy rariny ny mpanompon’i Jehovah

26. Inona no antenain’ireo mitadidy foana ny andron’i Jehovah?

26 Hanaisotra ny faharatsiana eto an-tany ny ‘andron’i Jehovah’, ary aorian’izay dia “ho lasan’i Jehovah ny fanjakana.” (Obadia 15, 21) Tsy hitanao ve fa fitahiana lehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah hiaina eto an-tany izany? Ho afaka ny ho anisan’ireo voalazan’ny Malakia 3:17 toy izao ianao: “ ‘Ho ahy izy ireo’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika ... ‘Ary hangoraka azy ireo aho, toy ny olona mangoraka ny zanany manompo azy.’ ” Raha tsy mivadika ianao ankehitriny, dia ho voavonjy ka hahazo ‘fitahiana be dia be mihoatra noho izay ilainao.’ Faran’izay tsara izany fanantenana izany!

^ feh. 20 Naka teny tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo i Paoly, ka izany no tsy tena mampitovy ny teniny sy ny tenin’i Habakoka.