Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-8

‘Inona no Takin’i Jehovah Aminao?’

‘Inona no Takin’i Jehovah Aminao?’

1, 2. Nahoana no mampahery ny mahita fa nanampy ny vahoakany fahiny i Jehovah, na dia niharatsy aza ny fitondran-tenan’izy ireo?

ALAO sary an-tsaina izao: Taitra be ny zazavavy iray fa misy mandondòna mafy ao am-baravarany. ‘Sao dia izay àry ilay mpivarotra ratsy fanahy hitaky trosa?’, hoy izy anakampo. Mpanambaka olona mantsy io mpivarotra io, satria mampiasa vatomizana mandainga ary mitaky zanabola tsy ara-dalàna. Mba tsy hahavoasazy azy, dia omeny tsolotra ny manam-pahefana ao an-tanàna mba tsy hiraharaha ny fitarainan’ireo olona nambakainy. Tsy misy mpiaro ilay zazavavy, satria lasa niaraka tamin’ny vehivavy tanora kokoa ny rainy ka nandao azy sy ny reniny. Angamba izy mianaka hamidy ho andevo.

2 Izany no fanao ratsy sasany noresahin’ny mpaminany 12. (Amosa 5:12; 8:4-6; Mika 6:10-12; Zefania 3:3; Malakia 2:13-16; 3:5) Inona no ho nataonao, raha velona tamin’izany ianao? Toa mahakivy ny zavatra toy izany, kanefa mampahery fa nanampy ny vahoakany i Jehovah. Nasongadiny ao amin’ireo boky 12 fa zava-dehibe ny hananana toetra sy toe-tsaina tsara. Manampy anao hanana fitondran-tena tsara foana izany, ary mandrisika anao hanao ny tsara sy hidera an’i Jehovah. Efa tena antomotra ny andro fitsarany, ka tsara ny handinihanao ny hafatra ao amin’ireo boky ireo mba hahafantaranao izay takiny aminao. Hojerentsika àry aloha izay nitranga tamin’ny andron’i Mika, tamin’ny taonjato fahavalo T.K.

Tsy miafina amin’i Jehovah ny fanaovana kolikoly sy ny tsy rariny

INONA NO TAKIN’I JEHOVAH AMINAO?

3, 4. a) Inona no fiangaviana ao amin’ny bokin’i Mika? b) Inona no vokatr’ilay fanontaniana ao amin’ny Mika 6:8 eo aminao?

3 Toa tsy misy afa-tsy fanamelohana an’ireo Israelita nikomy, ao amin’ny bokin’i Mika. Ara-drariny izany satria tsy niafina tamin’i Jehovah ny fitondran-tena ratsin’ilay vahoaka nanokan-tena ho azy, anisan’izany ireo ‘nankahala ny tsara sady tia ny ratsy.’ (Mika 3:2; 6:12) Na izany aza, dia misy fananarana tena manohina ny fo sy mampahery koa ao. Nilaza i Mika fa i Jehovah no manome fitsipika, ary nampisaintsaina izy hoe: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?”—Mika 6:8.

4 Tsy hitanao ve hoe miangavy antsika ny Mpamorona eo? Ampahatsiahiviny amim-pitiavana isika mba ho tsara toetra, fa tsy hanaiky ho voataona hanao ratsy toy ireo manodidina antsika. Fantatr’i Jehovah fa te hanahaka ny toetrany isika, ary matoky izy fa hanao izany ezaka izany isika. Ahoana tokoa no havalinao raha anontaniana hoe: ‘Inona no takin’i Jehovah aminao?’ Diniho àry izao: Amin’ny lafiny inona amin’ny fiainanao ianao no manaraka ny fitsipik’Andriamanitra, na tokony hanaraka izany? Tena hihatsara ny fiainanao sy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, raha miezaka manao izany ianao. Tsy ho ela dia ho lasa paradisa ny tany, ka tokony hampahery anao izao fampirisihana izao: “Mamafaza voan’ny fahamarinana, dia hijinja hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo. Tany azo volena no asao dieny mbola misy ny fotoana itadiavana an’i Jehovah, mandra-pahatongany hampianatra anareo ny fahamarinana.” (Hosea 10:12) Andao àry hodinihintsika ny hevi-dehibe sasany ao amin’ny Mika 6:8.

‘MANETRE TENA’

5. Nahoana no zava-dehibe ny ‘manetry tena’ rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra?

5 Nilaza i Mika fa tian’i Jehovah “hanetry tena” isika “rehefa miara-mandeha” aminy. Mahasoa antsika ny manetry tena satria ‘izay manetry tena no hendry.’ (Ohabolana 11:2) Fantatry ny olona manetry tena fa voafetra ny mety ho vitany, satria nandova ota tamin’i Adama izy. Tena ilaintsika ny miaiky fa mpanota isika, raha tsy tiantsika ny hanota an-tsitrapo.—Romanina 7:24, 25.

6. Nahoana no mahasoa antsika ny manetry tena sy miaiky fa misy vokany ratsy ny ota?

6 Nahoana no tena ilaina ny manetry tena raha tsy te hanota an-tsitrapo? Eken’ny olona manetry tena fa mahery ny ota. (Salamo 51:3) Nilaza i Hosea fa mety hamitaka izy io, ary ratsy be foana ny vokany. Tsy nankatò an’i Jehovah, ohatra, ny vahoakany fahiny ary nihevitra fa tsy hizaka ny vokatry ny fahotany izy ireo. Nilaza anefa i Jehovah fa ‘hataony ampamoaka’ izy ireo. Hita amin’izany fa mamitaka sy manandevo ny ota. Lasa tafasaraka amin’Andriamanitra koa ny mpanota, ka mety ho tonga hatramin’izao voalazan’i Hosea izao: “Misakana azy tsy hiverina amin’Andriamaniny ny zavatra ataony.” Hanjary ho “mpanao ratsy” ilay minia manota, satria lasa maty eritreritra. Tsy hahomby koa ny fiainany. Mety ho toa mahomby ihany amin’ny voalohany ilay mpanota tsy mibebaka, kanefa tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Hosea 1:4; 4:11-13; 5:4; 6:8.

7. Inona no ataon’ny olona manetry tena rehefa mahazo tari-dalana avy amin’i Jehovah?

7 Miaiky koa ny olona manetry tena fa ilainy ny tari-dalan’Andriamanitra, mba hisorohana ny voka-dratsin’ny ota. Efa nilaza i Mika fa maro ny olona haniry mafy ‘hianatra ny lalan’i Jehovah’ sy “handeha amin’ny atorony”, amin’izao androntsika izao. Te hahafantatra ny “lalàna” sy ny “tenin’i Jehovah” ireny mpandefitra ireny. Azo inoana fa faly ianao tafaraka amin’ireo maniry “handeha amin’ny anaran’i Jehovah” sy miezaka hanao izay takiny. Toa an’i Mika anefa, dia tianao angamba ny hahafantatra hoe inona koa no tokony hataonao mba ‘hadio’ foana ianao. (Mika 4:1-5; 6:11) Tena mila manetry tena àry ianao, sady miezaka manao izay takin’i Jehovah.

ARAHO NY FITSIPIK’I JEHOVAH MOMBA NY FITONDRAN-TENA

8. Ahoana no fahitanao ny fitondran-tenan’ny olona ankehitriny?

8 Mitaky ny hananantsika fitondran-tena madio i Jehovah, na dia maloto fitondran-tena aza ny ankamaroan’ny olona. Tiany harovana mantsy ny fifandraisantsika aminy sy ny fahasalamantsika. (Malakia 2:15) Andrenesana resaka firaisana foana, na aiza na aiza alehantsika. Mihevitra ny olona maro fa tsy mampaninona ny mijery sary sy filma maloto, ny mamaky boky vetaveta, ary ny mihaino hira misy tonony mamoafady. Misy koa lehilahy tsy manaja vehivavy, satria mihevitra fa hanaovana firaisana fotsiny no ilana azy ireny. Misy indray tanora any am-pianarana manao vazivazy vetaveta sy miresaka an-kolaka momba ny firaisana. Ahoana no anoheranao ireny fitaoman-dratsy ireny?

9. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona tamin’ny andron’ireo mpaminany 12?

9 Mahasoa ny fananaran’ireo mpaminany 12. Tsy nisy sinema sy video ary filma tamin’ny andron’izy ireo, kanefa nisy sarina filahiana natao sampy, fivarotan-tena nolazaina fa masina, ary fitondran-tena mamoafady. (1 Mpanjaka 14:24; Isaia 57:3, 4; Habakoka 2:15) Izao, ohatra, no nosoratan’ireo mpaminany: “Ny lehilahy no mitondra mpivaro-tena mankany amin’ny toerana mitokana, sy miaraka amin’ny vehivavy mpivaro-tenan’ny tempoly rehefa manao sorona.” “Ankizivavy iray ihany no alehan’ny lehilahy mpianaka, mba hanazimbazimbana ny anarako masina.” Ny sasany indray nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tena sy nanome ‘karama’ azy, isaky ny fotoana nanaovana fombafomba nankalazana ny andriamanitry ny fahavokarana. * Maro no nanitsakitsa-bady ka ‘nanaraka an’ireo lehilahiny.’—Hosea 2:13; 4:2, 13, 14; Amosa 2:7; Mika 1:7.

10. a) Inona no tena mahatonga ny olona iray haloto fitondran-tena? b) Inona ny fijangajangana ara-panahy nataon’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny?

10 Fantatrao angamba fa ny toe-tsain’ny olona iray sy izay ao am-pony no mahatonga azy haloto fitondran-tena. (Marka 7:20-22) Hoy i Jehovah momba ny vahoakany: “Mibahana ao an-tsainy ny fijangajangana ka mampaniasia azy.” Nilaza koa izy fa “tsy manao afa-tsy izay ratsy” izy ireo. (Hosea 4:12; 6:9) * Niresaka momba ny “fanahin’ny fahalotoana” koa i Zakaria. (Zakaria 13:2) Sahisahy ratsy ireo Israelita, ka nanamavo sy tsy niraharaha ny fitsipika sy ny fahefan’i Jehovah. Tsy maintsy manova tanteraka ny toe-tsainy sy ny toe-pony àry ny olona iray, mba ho voatosika hanao ny tsara. Soa ihany fa ampiana isika Kristianina mba tsy haloto fitondran-tena sy tsy hiharan’ny voka-dratsin’izany.

MANÀNA FITONDRAN-TENA MADIO FOANA

11. Inona avy no vokatry ny fitondran-tena maloto?

11 Hitanao angamba fa matetika ny fitondran-tena maloto no mandrava tokantrano, mahatonga ny ankizy tsy ho voakarakara tsara, ahazoana aretina maharikoriko, ary mahatonga ny vehivavy hanala zaza ka hamono olona. Matetika no mahazo ratram-po koa ny olona tsy miraharaha ny fitsipiky ny Mpamorona momba ny firaisana. Hoy i Mika: “Nanjary maloto [ilay olona] ka ho ringana, ary mampanaintaina ilay fandringanana.” (Mika 2:10) Tapa-kevitra ny tsy handoto ny fony sy ny sainy amin’ny eritreritra maloto àry izay te hanaraka ny fivavahana madio.—Matio 12:34; 15:18.

12. Nahoana no mahasoa antsika ny fitsipik’i Jehovah momba ny firaisana?

12 Tsy hoe tahotra aretina fotsiny na tahotra ny ho bevohoka no mahatonga ny Kristianina tsy hijangajanga. Tian’izy ireo kosa ny lalàn’Andriamanitra, ary sarobidy aminy ny fitsipiny. Noforonin’i Jehovah hanana faniriana hanao firaisana ny olona, mba hifanehoan’ny mpivady fitiavana. Mahasoa ny firaisana raha ny mpivady ihany no manao azy io, satria mahatonga azy ireo ho nofo iray ihany izany ary manamafy ny fifankatiavany. Mety hahatonga azy ireo hanan-janaka koa izy io. Raha tsy mpivady anefa no manao firaisana, dia hisy vokany tena ratsy, araka ny nolazain’ireo mpaminany 12. Tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny olona maloto fitondran-tena. Tena fahavoazana lehibe izany, na tamin’izany andro izany na amin’izao andro izao.

13. Ahoana no fomba ‘anesorantsika ny fijangajangana’ sy anoherantsika ny fakam-panahy?

13 Niangavy an’ireo Israelita i Hosea mba ‘hanaisotra ny fijangajangana tsy ho eo anatrehan’izy ireo’, izany hoe hitandrina mba tsy haloto fitondran-tena. (Hosea 2:2) Hendry isika raha tsy manaiky ho resin’ny fakam-panahy. Mety hisy haka fanahy anao foana, ohatra, any am-pianarana na any amin’izay misy anao. Angamba tsy ho afaka hiova sekoly na hifindra trano ianao, kanefa afaka manohitra an’ilay fakam-panahy ka ‘hanaisotra ny fijangajangana tsy ho eo anatrehanao.’ Ampahafantaro ny olona fa tena Kristianina ianao, izany hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hazavao tsara amim-panajana ny fitsipika arahinao sy izay inoanao. Asehoy amin’izy ireo fa tapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah ianao. (Amosa 5:15) Tsy tokony hijery boky sy sary vetaveta na hanao fialam-boly tsy mahasoa koa ianao, raha te ‘hanaisotra ny fijangajangana.’ Tokony hanary gazetiboky sasany angamba ianao, na hitady namana vaovao, izay sady tia an’i Jehovah no manaiky hoe tokony hanao izay takin’Andriamanitra ianao. (Mika 7:5) Tsy haloto fitondran-tena toa an’ity tontolo ity ianao, rehefa ampian’i Jehovah.

Hiaro anao ny fanazavanao tsara ny zavatra inoanao

AOKA IANAO HO “TIA HATSARAM-PANAHY”

14, 15. a) Inona no dikan’ny hoe “tia hatsaram-panahy”? b) Raha tia hatsaram-panahy ny Kristianina iray, inona no tsy hataony mba tsy hananan-tsiny?

14 Nasongadin’i Mika fa tokony ho “tia hatsaram-panahy” isika, satria izany no takin’i Jehovah. Manao soa ny olona tsara fanahy, fa tsy manisy ratsy ny hafa. Tsara toetra izy sady tsara fitondran-tena. Milaza ny marina sy manao ny rariny koa izy. Nodinihintsika tao amin’ny Toko faha-6 fa tokony hanao izany isika eo amin’ny raharaham-barotra sy ny resa-bola. Tsy amin’ireo lafiny lehibe ireo ihany anefa isika no tokony hanao ny rariny sy hilaza ny marina ary ho tsara fanahy, fa amin’ny lafiny hafa koa.

15 Miezaka tsy hanan-tsiny ny olona tia hatsaram-panahy sy te hanasoa ny hafa. Hoy i Jehovah tamin’ireo Israelita tsy nanao fanatitra ho azy: ‘Mandroba ahy ianareo.’ (Malakia 3:8) Mety ‘handroba’ an’Andriamanitra koa ve ny Kristianina iray ankehitriny? Angamba izy miandraikitra ny vola fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana, eo anivon’ny fiangonana na any an-toeran-kafa. Volan’iza moa ilay izy? Volan’i Jehovah, satria nomena mba hampandrosoana ny asany. (2 Korintianina 9:7) Mety ve raha “misambotra” an’ilay vola ilay Kristianina mba hikarakarany zavatra maika, na mampiasa an’ilay vola nefa tsy nahazo alalana akory? Mazava ho azy fa tsia. Mangalatra amin’Andriamanitra izy raha manao izany! Tsy rariny koa izany sady tsy fanehoana hatsaram-panahy amin’ireo nanome an’ilay vola mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.—Ohabolana 6:30, 31; Zakaria 5:3.

16, 17. a) Inona no porofo fa tia vola loatra ny olona tamin’ny andron’i Amosa sy Mika? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fitsiriritana sy ny fitiavan-karena?

16 Tsy hitsiriritra koa ny Kristianina, raha tsara fanahy sy tsara toetra. Tsy nety afa-po ny olona tamin’ny andron’i Amosa fa tia vola loatra, ka “nivarotra olo-marina”, izay mpiara-manompo taminy ihany, mba “hahazoana volafotsy.” (Amosa 2:6) Toy izany koa tamin’ny andron’i Mika: Nalain’ny mpanankarena ny tanin’ny olona tsy afaka niaro tena, ary nalainy an-keriny mihitsy aza. (Mika 2:2; 3:10) Nandika ny Lalàn’i Jehovah ireny naka tanin’olona ireny, dia ny lalàna farany amin’ny Didy Folo sy ny fitsipika momba ny fivarotana lova.—Eksodosy 20:13, 15, 17; Levitikosy 25:23-28.

17 Tsy dia mahazatra ankehitriny ny mivarotra olona na manandevo olona, toy ny tamin’ny andron’ireo mpaminany. Ahoana anefa ny amin’ny fanararaotana olona? Tsy hanararaotra ny mpiara-manompo aminy ny Kristianina tia hatsaram-panahy. Fantany, ohatra, fa tsy mety raha mivarotra izy ka ny mpiara-manompo no tena tadiaviny hividy ny entany. Tsy hatsaram-panahy izany fa fitiavan-karena, satria fanararaotana ny Kristianina hafa mba hahazoana tombony haingana. Rarana tsy hanao izany anefa ny Kristianina. (Efesianina 5:3; Kolosianina 3:5; Jakoba 4:1-5) Faniriana tsy mety afa-po no mahatonga ny olona ho tia vola, haniry hahazo fahefana na hahazo tombony, ho tendan-kanina, hisotro tafahoatra, hanaram-po amin’ny firaisana na amin’ny zavatra hafa. Nilaza i Mika fa “tsy ho voky” na tsy ho afa-po ny olona tia tena sy mitsiriritra.—Mika 6:14.

Kristianina maro no manampy ny vahiny hahafantatra an’i Jehovah

18, 19. a) Inona no nolazain’ny mpaminany sasany momba ny fiahian’i Jehovah ny “vahiny”? b) Inona no tokony hataonao, raha miahy ny olona ao amin’ny faritra misy anao ianao?

18 Notenenin’i Jehovah ny vahoakany mba ‘tsy hanambaka ny vahiny monina eo aminy.’ Hoy koa izy tamin’ny alalan’i Malakia: ‘Hanatona anareo aho mba hitsara an’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.’ (Zakaria 7:10; Malakia 3:5) Mihabetsaka ve ny mpifindra monina na ny olona hafa firenena na foko, mipetraka ao amin’ny faritra misy anao? Angamba mitady asa na mitady fiainana milamina na tsara kokoa izy ireo. Ahoana no fiheveranao ny olona tsy mitovy fiteny sy fomba fiaina aminao? Mitady hanavakavaka ve ianao? Tsy tsara fanahy ianao raha manao izany!

19 Azo inoana fa ho faly izy ireo, raha asehonao fa mendrika hiresahana ny fahamarinana ara-baiboly koa izy ireo. Raha tsara fanahy isika, dia tsy hieritreritra hoe tsy tokony hampiasain’ireo olona avy amin’ny firenena na foko hafa ny fananan’ny fiangonana, toy ny Efitrano Fanjakana. Nanavakavaka ny tsy Jiosy ny Kristianina jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nampahatsiahy azy ireo anefa ny apostoly Paoly hoe tsy misy olona mendrika na iray aza, fa noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ihany no hahazoana famonjena. (Romanina 3:9-12, 23, 24) Faly àry isika satria tian’Andriamanitra koa ny olona maro mbola tsy nandre firy ny vaovao tsara. (1 Timoty 2:4) Matetika no sahirana ny olona hafa firenena na fiaviana amintsika. Tokony hiahy azy ireny àry isika, ho tsara fanahy aminy, handray azy tsara, ary hitondra azy “toy ny teratany.”—Levitikosy 19:34.

MIARAHA MANDEHA AMIN’ILAY TENA ANDRIAMANITRA

20. Nila vonjy tamin’iza ny Israelita sasany?

20 Nasongadin’i Mika koa fa tokony hiara-mandeha amin’Andriamanitra isika, hatoky fa izy no tena Andriamanitra, ary hitady ny tari-dalany. (Ohabolana 3:5, 6; Hosea 7:10) Nisy hain-tany angamba tany Joda, ka nila vonjy tamin’ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny andriamani-diso ny Jiosy sasany avy tany an-tsesitany. Nomelohin’i Jehovah anefa ireny fanao ireny, satria nangataka fanampiana tamin’ny fanahy ratsy izy ireo raha ny marina. (Deoteronomia 18:9-14; Mika 3:6, 11; 5:12; Hagay 1:10, 11; Zakaria 10:1, 2) Nifandray tamin’ireo anjely ratsy fahavalon’ilay tena Andriamanitra izy ireo!

21, 22. a) Inona avy ny fanaon’ny olona ao amin’ny faritra misy anao, ka mahatonga azy hifandray amin’ny fanahy ratsy? b) Nahoana no tsy tokony hanao asan’ny maizina ny tena mpanompon’i Jehovah?

21 Misy mihevitra ankehitriny fa teny ampiasain’ny Soratra Masina ilazana ny faharatsiana fotsiny ny hoe fanahy ratsy. Asehon’ny Baiboly anefa fa tena misy ny demonia, ary izy ireo no manampy ny mpanandro sy ny mpilalao ody ary izay mampiasa herin’ny maizina. (Asan’ny Apostoly 16:16-18; 2 Petera 2:4; Joda 6) Tena mety hifandray amin’ny fanahy ratsy ny olona iray, raha tsy mitandrina. Maro ny olona mankany amin’ny dadarabe na mpimasy na mpitaiza, na mankany amin’ny mpilalao ody. Misy indray mijery tonon’andro na karatra famantarana ny hoavy. Misy kosa mampiasa tapa-kazo, na hazo fisaka fanontaniana fanahy, na vato kristaly manokana. Fanaon’ny olona koa ny mifandray amin’ny fanahin’ny maty. Misy mihitsy aza, hono, mpitondra fanjakana manontany mpanandro na mpimasy, alohan’ny hanapahan-kevitra. Mifanohitra amin’ny torohevitr’i Mika daholo anefa izany. Nilaza izy fa tokony hiara-mandeha amin’ilay tena Andriamanitra isika, ka hanaraka ny tari-dalany.

22 Tsy tokony hanao an’ireny fanao ireny ianao raha tena mpanompon’i Jehovah. Azo antoka fa tsy mampiasa ny asan’ny maizina mihitsy Andriamanitra, mba hampahafantarana ny sitrapony na hampisehoana ny heriny. Manome toky antsika kosa ny Amosa 3:7 fa ‘mampahafantatra ny tsiambaratelony amin’ny mpaminany mpanompony’ izy. Ankoatra izany, dia lasa eo ambany fahefan’i Satana ny olona manao asan’ny maizina. Lehiben’ny demonia i Satana, mpandainga, ary tia mamitaka olona. Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanisy ratsy izy sy ny mpanohana azy, ary tsy mifaditrovana ka mamono olona mihitsy aza. (Joba 1:7-19; 2:7; Marka 5:5) Rariny àry raha nilaza i Mika fa tsy tokony hanao sikidy sy hilalao ody izay te hiara-mandeha amin’ilay tena Andriamanitra.

Tsy tokony hanao asan’ny maizina ny mpanompon’Andriamanitra

23. Iza ihany no afaka manampy antsika?

23 Avy amin’i Jehovah sy ny fivavahana madio ihany no ahazoana ny tena tari-dalana mahasoa. (Jaona 4:24) Hoy àry i Zakaria mpaminany: “Mangataha amin’i Jehovah.” (Zakaria 10:1) Na dia manafika sy maka fanahy anao aza ny fanahy ratsy, dia tadidio fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.” (Joela 2:32) Tena mampahery io fanomezan-toky io, ho antsika mitadidy ny andro lehiben’i Jehovah.

24. Inona no nianaranao avy tamin’ny Mika 6:8?

24 Be dia be ny hevitra azo saintsainina avy amin’ny Mika 6:8. Tokony ho tsara toetra sy hanana toe-po tsara isika, raha te ho tsara fitondran-tena. Nanome fampaherezana ho antsika velona ‘atỳ am-parany’ i Hosea. Nilaza izy fa hitady an’i Jehovah sy hanahaka ny hatsaran-toetrany ny olona matahotra azy, amin’izao andro izao. (Hosea 3:5) Nanamafy izany i Amosa, rehefa nilaza izao fanasan’Andriamanitra izao: “Tadiavo izay tsara ... mba ho velona ianareo.” Hoy koa izy: “Tiavo ny tsara.” (Amosa 5:14, 15) Ho velombelona isika raha manaraka izany torohevitra izany ka manao izay takin’i Jehovah amintsika.

^ feh. 9 Hoy i Joseph Rotherham, mpandika Baiboly, momba ny fitondran-tenan’ny Kananita, izay notahafin’ny Israelita: “Ny fitondran-tena mamoafady sy ny habibiana mahatsiravina no nampiavaka ny fivavahany. Nanao firaisana ny tovovavy virjiny mba hanomezam-boninahitra ny andriamaniny. Trano fivarotan-tena ny toerana masin’izy ireo. Nataony sampy maharikoriko ny sarin’ny taovam-pananahana. Nanana mpivaro-tena masina, lahy sy vavy, koa izy ireo.”

^ feh. 10 Nijangajanga ara-panahy koa ny vahoakan’Andriamanitra, satria nitady fihavanana tamin’ny firenena mpanompo sampy, ary nivavaka tamin’i Bala nefa nihambo ho nanaraka ny fivavahana marina.