Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-11

Manahaka An’i Jehovah ve Ianao ka Irinao Hahazo Fiainana ny Olona?

Manahaka An’i Jehovah ve Ianao ka Irinao Hahazo Fiainana ny Olona?

1, 2. a) Inona no sarotra amin’ny olona, rehefa jerena ny fihetsik’i Jona? b) Nahoana isika no tokony hianatra momba ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fiheverany ny aina?

FALY i Jehovah, fa i Jona mpaminany kosa sosotra. Namindra fo mantsy Andriamanitra ka notsimbininy ny ain’olona an’arivony. Naleony namela heloka, ka tsy novonoiny ireo Ninivita fahavalon’ny vahoakany. I Jona kosa anefa naniry ny handringanana azy ireo!

Tena be famindram-po Andriamanitra, ka na ny mpanompony aza indraindray tsy mahatakatra izany

2 Araka izany, dia tena mandefitra be mihitsy Andriamanitra, kanefa sarotra amin’ny olona indraindray ny mahazo izany. Sarotra koa ny manahaka Azy, satria tsy irintsika indraindray ny hahazoan’ny olona fiainana. ‘Nirehitra ny fahatezeran’i’ Jona, satria ‘tsy nahafaly azy mihitsy’ ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. Tsy nihevitra afa-tsy ny fihetseham-pony angamba izy, ka lasa tsy dia zava-dehibe taminy ny famindram-po sy ny famonjena aina. Nieritreritra angamba izy hoe ho afa-baraka satria notsimbinina ny Ninivita. (Jona 4:1, 10, 11) Ary ahoana ny amin’ny androntsika? Efa tena akaiky ny andro fitsaran’i Jehovah, ka tsara ny hieritreretanao an’izao: ‘Inona no hanampy ahy hahatakatra sy hankasitraka kokoa ny famelan-kelok’Andriamanitra? Ahoana no hanampiako an’ireo nibebaka mba hahatsapany fa tia azy i Jehovah? Manahaka an’Andriamanitra ve aho ka maniry ny hahazoan’ny olona fiainana?’

MANAO NY RARINY SY MAMINDRA FO I JEHOVAH

3. Nahoana no tsy mifanohitra ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny sy ny famindram-pony?

3 Misy mihevitra fa ireo boky 12, dia tsy miresaka afa-tsy ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fanasaziany olona mba hampiharany ny rariny. Mety hieritreritra izy ireo hoe: ‘Tsy mba mamindra fo mihitsy ve i Jehovah? Mba maniry hamonjy ain’olona ihany ve izy?’ Tsy mifanohitra anefa ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny sy ny famindram-pony, fa mifameno. Mifandanja koa izy ireo, toy ireo toetrany hafa ihany. (Salamo 103:6; 112:4; 116:5) Mamindra fo amin’ireo manana toe-po tsara izy, rehefa manafoana ny zava-dratsy vokatry ny nataon’ny ratsy fanahy. Porofo izany fa tonga lafatra ny fanaovany ny rariny. Tena manao ny rariny izy, kanefa koa mamindra fo satria fantany fa voafetra ny mety ho vitan’ny olona tsy lavorary. Azo fintinina toy izao izany: Manasazy izy rehefa ilaina, fa mamindra fo kosa raha mbola azony atao. Hamafisin’ireo bokin’ny mpaminany 12 fa mifandanja tsara ireo toetra roa ireo, ary irin’Andriamanitra hahazo fiainana ny olona. Handinika izany isika izao, ary hijery izay lesona azontsika ampiharina.

4. Inona no porofo fa irin’Andriamanitra hahazo fiainana ny olona?

4 Nampita hafatra fanamelohana i Joela mpaminany. Nasongadiny koa anefa fa “tsara fanahy sy mamindra fo [Andriamanitra], sady tsy mora tezitra no be hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Joela 2:13) Zato taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., dia nohamafisin’i Mika fa tena ilaintsika ny famelan-kelok’i Jehovah. Nanontany aloha izy hoe ‘Iza no Andriamanitra tahaka an’i Jehovah?’ Nilaza ny toetran’i Jehovah izy avy eo hoe: “Tsy ho tezitra mandrakizay izy, satria tia hatsaram-panahy feno fitiavana. Hamindra fo amintsika indray izy.” (Mika 7:18, 19) Vonona hiova hevitra Andriamanitra, ka tsy hanasazy indray an’izay olona nahatezitra azy, raha tena mibebaka izy ireo ary mampiseho izany amin’ny ataony. Manamarina izany izay nitranga tamin’ny Ninivita.

5. Inona no mampiseho fa mamindra fo sy te hamonjy aina Andriamanitra, na taloha na ankehitriny? (Jereo koa ny efajoro “ Nahafoy Tena Izy Ireo.”)

5 Marina fa efa ela be no nosoratana ireo bokin’ny mpaminany 12. Tsy manohina ny fontsika anefa ve ny mamaky fa mamindra fo i Jehovah sady te hamonjy ain’olona? Lasa te hifikitra aminy bebe kokoa isika rehefa mahatsapa izany, ary vao mainka te hanampy ny hafa hahazo fiainana. Na dia manao ratsy aza ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, dia tsy tian’Andriamanitra ‘hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2 Petera 3:9) Mampiseho izany ny teny feno fitiavana nolazain’i Hosea tamin’ilay vadiny nanitsakitsaka azy, rehefa nampody azy izy. ‘Nanao teny manohina ny fon’ny’ vahoakany koa i Jehovah. Tsy hoe voatery namela heloka izy, fa ‘sitrapony’ ny nanao izany. (Hosea 1:2; 2:13, 14; 3:1-5; 14:4) Fantatrao ve hoe nahoana no tena zava-dehibe izany nataon’Andriamanitra izany? Satria te hamonjy ain’olona izy. Hita koa fa mamindra fo sy maniry ny hahazoan’ny olona fiainana izy, rehefa dinihina ny asan’ny fiangonana kristianina. Azo inoana fa mandray anjara amin’io asa io koa ianao.

MANAMPY OLONA HAHAZO FIAINANA ISIKA

6. Ahoana no ampisehoan’Andriamanitra fa iriny hahazo fiainana ny olona?

6 Inona no antony iray lehibe andehanantsika mitory? Mba hanampiana ny olona hahafantatra ilay tena Andriamanitra. Izao no tsara ho fantatra momba an’i Jehovah: Mampitandrina izy aloha, vao manasazy. Porofo izany fa mamindra fo izy, ary tsy iriny ho faty ny olona fa hahazo fiainana. Nampahafantarin’ny mpaminany 12 an’ireo mpanao ratsy, fa omen’Andriamanitra fotoana hiovana izy ireo mba tsy hiharan’ny fahatezerany. Mitovy amin’ny asan’ireo mpaminany ireo ny asantsika. Tombontsoa lehibe ho antsika Kristianina ny mampitandrina ny olona fa ho avy ny andro famalian’Andriamanitra. Na tsy mihaino antsika aza anefa ny olona, dia tsy irintsika ny hahita azy ireny ho ringana ka hilaza hoe: “Tsara ho azy izay!” Tadidio fa ny hanampy olona handeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana no antony iray hafa itoriantsika.—Joela 3:9-12; Zefania 2:3; Matio 7:13, 14.

7. a) Nahoana no tena ilaina ny mitory? b) Nahoana no tsara ny itadidiantsika ny toetran’i Jehovah, rehefa tsy miraika ny olona?

7 Tena mila ny famindram-po sy ny famelan-kelok’Andriamanitra ny olona. Manampy azy ireo hahazo izany ianao isaky ny miresaka ny fahamarinana ara-baiboly, na isan-trano izany, na any am-pianarana, na any am-piasana, na any an-toeran-kafa. (Hosea 11:3, 4) Marina fa mety tsy hiraika ny olona sasany. Manahaka an’ilay Andriamanitsika mamindra fo anefa ianao, raha mbola mitory foana. Izao mantsy no nolazainy tamin’ny vahoakany nikomy: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo, ka miverena amiko.” (Zakaria 1:4) Iza moa no mahalala raha ho maro no handray tsara, rehefa iresahanao momba ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fomba ahazoana fiainana? Tadidio foana àry ny antony itorianao: Irin’i Jehovah hahazo fiainana ny olona, ary izany koa no fanirianao.

8. Nahoana no mampahery ny mitadidy fa nisy olona nankasitraka foana ny famindram-pon’Andriamanitra?

8 Mety hampahery anao ny mitadidy fa nisy foana hatramin’izay ny olona nandray tsara ny hafatr’Andriamanitra. Nilaza i Hosea fa nisy olona nanjary niaiky hoe “mahitsy ny lalan’i Jehovah.” Hoy koa izy: “Ny marina no handeha eo.” (Hosea 14:9) Maro hatramin’izay no efa nanaiky an’ity fanasan’Andriamanitra ity: “Miverena amiko amin’ny fonareo manontolo.” (Joela 2:12) Olona efa nahalala azy no nilazan’i Jehovah an’ireo teny ireo, kanefa hita avy amin’izany koa fa miahy an’ireo vao mianatra momba azy izy. Matoky mantsy Izy fa mbola hisy olona hanenina noho ny ratsy nataony ka hibebaka, ary hanao ny tsara. Ho voavonjy izy ireo raha manao izany.—1 Timoty 4:16.

9. Inona no ilaina, rehefa dinihina ny nataon’ny Ninivita?

9 Efa hitantsika teo aloha ny antony namelan’i Jehovah ny heloky ny Ninivita. Misy antony hafa koa anefa. Nihaino ny didim-pitsarana nambaran’i Jona izy ireo, ka “nino an’Andriamanitra.” (Jona 3:5) Finoana, fa tsy tahotra ny ho voasazy fotsiny, no nilain’izy ireo mba ho voavonjy. Irin’i Jehovah hibebaka sy haneho finoana koa ny olona ankehitriny. Avelany hitory àry isika mba hanampiana ny olona hisafidy. Inona no vokatr’izany? Izao no voalaza momba an’ireo Ninivita: “Hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo, fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo. Koa nanenenan’Andriamanitra ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.” (Jona 3:10) Azo antoka fa tena nanenina ny Ninivita, fa tsy hoe mody nibebaka fotsiny. Tsy azo fitahina mantsy i Jehovah. Hitany tamin’izay nataon’ireo Ninivita fa tena niova izy ireo, ary tena nibebaka sady naneho finoana.

10. Iza koa no efa novonjen’i Jehovah?

10 Tsy ny Ninivita ihany anefa no nirin’i Jehovah hovonjena. Novonjeny koa i Jeremia, lehilahy nankatò, sy ireo namany tsy nivadika, rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., taorian’ny naminanian’i Obadia sy Nahoma ary Habakoka. (Jeremia 39:16-18) Efa nilaza koa ireo mpaminany fa hisy ho tafaverina avy any Babylona ireo Jiosy mibebaka, ka hamerina indray ny fivavahana madio. (Mika 7:8-10; Zefania 3:10-20) Misy fahatanterahany lehibe ireo faminaniana ireo ankehitriny. Taorian’ny Ady Lehibe I, dia nazoto indray ireo Kristianina voahosotra tsy narisika intsony tamin’ny fivavahana marina. Nankasitrahan’i Jehovah indray àry izy ireo, ka nanantena hahazo fiainana. ‘Miandany amin’i Jehovah’ koa izao ny olona avy amin’ny “firenena maro.” (Zakaria 2:11) Manantena ho tafavoaka velona izy ireo, rehefa hifarana tsy ho ela ity tontolo ity. Tsy hoe mankatò an’ilay didy nomena ny Kristianina fotsiny àry ianao matoa mitory, na koa hoe manatanteraka faminaniana fotsiny. (Matio 24:14; 28:19, 20) Te hanampy olona kosa ianao mba hahalalany an’i Jehovah sy hinoany azy ary hahazoany fiainana.

HAHAZO FIAINANA IREO MIVERINA AMIN’I JEHOVAH

11, 12. Porofoy fa mamindra fo amin’ireo olona efa nanompo azy Andriamanitra.

11 Miahy an’ireo olona vao mianatra momba azy i Jehovah, ary maniry ny hahazoan’izy ireo fiainana. Tsy hadinony koa anefa ireo efa nanompo azy taloha. Tokony hiahy azy ireo koa isika, ary haniry ny handehanan’izy ireo foana amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Inona àry no azontsika atao?

12 Angamba ianao mahafantatra olona efa nianatra momba an’i Jehovah sy nino azy ary nanaraka ny fivavahana marina, nefa tsy manompo azy intsony izao. Vonona hamindra fo amin’izy ireo i Jehovah, araka ny hafatra nampitain’ireo mpaminany 12. Vonona hanao izany izy, na voatarika hiala ilay olona na niala taminy mihitsy, na nanao ratsy ka mila mibebaka. (Hebreo 2:1; 3:12) Mety tsy ho sambatra izy ireo lavitra an’i Jehovah, nefa sarotra aminy angamba ny miverina. Miangavy azy ireo toy izao àry Andriamanitra: “ ‘Miverena amiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hiverina aminareo aho.’ ” (Zakaria 1:3) Mampahery koa ny tenin’i Hosea hoe: “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, ry Israely ô! Fa ny fahadisoanao no nahalavo anao. Manaova teny fibebahana ka miverena amin’i Jehovah. Milazà aminy ianareo rehetra hoe: ‘Enga anie ka hamela heloka ianao! Ary raiso izay tsara.’ ” Na dia ireo nanao fahotana lehibe aza, dia ho voavela heloka sy hihavana amin’Andriamanitra indray, raha tena mibebaka sy miverina aminy. (Hosea 6:1; 14:1, 2; Salamo 103:8-10) Efa marina izany tamin’ny andron’ireo mpaminany, ary mbola toy izany koa izao.

Inona no azonao atao mba hanampiana ny Kristianina sasany hiverina amin’i Jehovah?

13. Nahoana isika no tokony hamindra fo amin’ireo navelan’Andriamanitra heloka?

13 Midika ho inona kosa izany ho antsika mbola mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana? Ahoana no ampisehoantsika fa manana ny fomba fihevitr’i Jehovah isika? Tokony hamindra fo isika, na amin’ireo vao mianatra momba azy, na amin’ireo tsy manompo azy intsony, satria izany no takin’i Jehovah amintsika. Hoy izy: ‘Hatsaram-panahy feno fitiavana no sitrako fa tsy sorona.’ Nilaza hevitra mitovy amin’izany i Jesosy Kristy, manao hoe: “Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’ ” (Hosea 6:6; Matio 9:13) Tena mila mamindra fo isika, raha tiantsika foana ny hifandray tsara amin’Andriamanitra. Mariho fa nampifandraisin’ny apostoly Paoly ny hoe mamela heloka sy ny manahaka an’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy. Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.’ (Efesianina 4:32–5:2) Manahaka azy ve ianao ka mamela heloka?

14, 15. Inona no mitranga eo anivon’ny fiangonana indraindray, ka mety ho sarotra amintsika ny hamela heloka toa an’i Jehovah?

14 Ahoana raha tsy nibebaka ny Kristianina iray nanao fahotana lehibe, ka voatery horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana? Efa nisy izany tamin’ny taonjato voalohany, fony fahavelon’ireo apostoly, ka tsy mahagaga raha mbola misy koa ankehitriny. Rehefa mitranga izany, dia manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly ireo Kristianina tsy mivadika, ka tsy mifanerasera amin’ilay voaroaka. Mety hanampy an’ilay voaroaka izany hahatakatra fa tena ratsy ny nataony, ka mety handrisika azy hibebaka. Milaza ny Baiboly fa nisy lehilahy iray voaroaka tany Korinto, nefa nibebaka sy niova izy, ka voaray ho anisan’ny fiangonana indray. (1 Korintianina 5:11-13; 2 Korintianina 2:5-8) Ahoana no fihetseham-ponao raha misy zavatra toy izany ankehitriny? Ahoana no ampisehoanao fa irinao hahazo fiainana ilay nibebaka?

15 Mety ho menatra sy kivy ilay nibebaka. Mety hila homena toky izy fa tia azy Andriamanitra sy ireo rahalahiny, ary maniry ny hahazoany fiainana. Nanome toky toy izao Andriamanitra, rehefa naniry hibebaka ny vahoakany fahiny: “Mivoady ny haka anao aho noho izaho tsy mivadika. Dia ho fantatrao tokoa i Jehovah.” (Hosea 2:20) Tokony hitovy fihetseham-po amin’ilay Andriamanitra ‘mamindra fo’ àry isika.—Zakaria 10:6.

16. Inona no tokony hataontsika rehefa misy olona voaray indray?

16 Irin’Andriamanitra hahazo fiainana ny olona, ka faly izy rehefa misy mpanota mibebaka, na koa rehefa lasa be zotom-po indray ny mpanompony tsy nitory intsony. * (Lioka 5:32) Nampirisihin’i Paoly ny fiangonan’i Korinto mba hamela ny helok’ilay lehilahy voaray indray, sy hampahery azy, ka hanome toky azy fa tena tian’izy ireo izy. Hoy i Paoly: ‘Ampy ho an’ilay olona izany fananarana mafy nataon’ny maro izany. Koa tokony ho vonona hamela ny helony amin-katsaram-panahy ianareo, ka hampionona azy sao ho difotry ny alahelo be loatra izy. Mananatra anareo àry aho mba hanaporofo ny fitiavanareo azy.’ (2 Korintianina 2:6-8) Tadidio izao tenin’i Jehovah momba ny mpanota nibebaka izao: “Hositraniko ny fivadihany tamiko. Ary sitrapoko ny ho tia azy.” (Hosea 14:4) Hanahaka an’i Jehovah ve isika, ka ho faly handray anjara amin’izany fanasitranana izany, sy hanampy an’ilay olona hahazo ny fiainana mandrakizay?

17, 18. Ahoana no hanampiantsika an’ireo olona miverina amin’i Jehovah sy ny mpianakavin’ny olona voaroaka?

17 Manaja an’ireo olona miverina aminy i Jehovah. Mandray azy ireo indray izy ary tia azy, toy ny nataon’i Hosea tamin’ilay vadiny nanitsakitsaka azy. Hoy i Jehovah mahakasika ny fomba nitondrany ny mpanompony: “Efa toy ireo nanainga ny zioga tsy ho eo amin’ny valanoranony aho, ka nitondra sakafo tamin-katsaram-panahy ho an’ny tsirairay taminy.” (Hosea 11:4) Mampihetsi-po erỳ ny mahita ny fitiavana asehon’i Jehovah mba hisarihana an’ireo olona manomboka miverina aminy! Manahaka azy isika, rehefa tsy masiaka na miavonavona amin’ny olona tena mibebaka, izay malahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa voaray eo anivon’ny fiangonana ilay olona, dia tsy tokony hitana lolompo aminy isika noho ny fahadisoana nataony taloha. Tokony hampahery azy kosa isika, isaky ny mila izany izy.—1 Tesalonianina 5:14.

18 Ahoana koa no azontsika anahafana an’i Jehovah, rehefa misy voaroaka? Vonona ve isika hanampy ny fianakaviany tsy mivadika, ohatra hoe ny vady aman-janany? Miady mafy angamba izy ireny mba hahafahany hivory sy hitory tsy tapaka, ka mila hampiana manokana. Mamindra fo koa isika rehefa manatona azy ireny, ka mampiasa “teny mahafinaritra sy mampionona” mba hampaherezana azy. (Zakaria 1:13) Afaka manao izany isika, aloha na aorian’ny fivoriana, na rehefa miara-manompo aminy, na amin’ny fotoana hafa. Mpiara-miasa amintsika izy ireny sady sarobidy eo anivon’ny fiangonana, ka tsy tokony hihatakatahana na hailikilika. Indraindray, dia mety ho ny zanak’ilay voaroaka sisa no miezaka hanompo an’i Jehovah. Tena irintsika hahazo fiainana koa izy ireny. Ahoana àry no anampiantsika azy?

‘ANEHOANA FAMINDRAM-PO NY KAMBOTY RAY’

19. Ahoana no nanampian’i Zefania an’ilay “kamboty ray”?

19 Azonao tahafina ny nataon’i Zefania, izay nanompo tamin’ny taona 650 T.K. tany ho any. Angamba izy havan’i Josia, mpanjakan’ny Joda. Voatery natao mpanjaka i Josia tamin’izy valo taona, satria nisy namono ny rainy. Tsy mora anefa ny asa niandry azy, satria nanjaka tao amin’ilay firenena ny fanompoan-tsampy sy ny fanao maharikoriko. (Zefania 3:1-7) Mbola kely sy kamboty ray i Josia, ka nila tari-dalana tsara sy torohevitra mahasoa, mba hahaizany hitantana an’ilay firenena nikomy. Nampiasain’i Jehovah i Zefania sy ny mpaminany hafa mba hanome izany toromarika feno fahendrena izany, araka ny efa hitantsika tany aloha. Tsara homarihina fa tsy nanakiana an’i Josia Mpanjaka i Jehovah, rehefa nanameloka “an’ireo andriana” tao Joda. (Zefania 1:8; 3:3) Midika angamba izany fa efa nasehon’ilay mpanjaka tanora hoe te hanaraka ny fivavahana madio izy. Azo antoka fa vao mainka izy tapa-kevitra ny hamongotra ny fivavahan-diso tao Joda, rehefa nandre ny fananaran’i Zefania.

20. Inona no soa ho azon’ireo “kamboty”, raha misy manoro hevitra azy eo anivon’ny fiangonana?

20 Hitantsika tamin’ny fiahian’i Zefania an’i Josia, fa miahy an’ireo tanora tsy misy mpiahy i Jehovah. Anisan’izany ny zanaky ny olona voaroaka. Hoy i Hosea: “Noho [Andriamanitra] no anehoana famindram-po amin’ny kamboty ray.” (Hosea 14:3) Moa ve ianao mahafantatra “kamboty” mila mpanoro hevitra momba ny fiainana sy momba ny fanompoana an’i Jehovah? Mety ho ny rainy na ny reniny ihany no mitaiza azy, na izy irery no manompo an’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany. Matetika ny mpanoro hevitra no afaka manampy azy ireny hihamatotra sy hijanona eo anivon’ny fiangonana. Maro ny “kamboty ray” nandroso, ka nanjary olon-dehibe matahotra an’Andriamanitra sy mahay mandanjalanja, satria nisy Kristianina matotra niahy azy teo anivon’ny fiangonana.—Salamo 82:3.

Afaka ny ho mpanoro hevitra an’ireo ankizy “kamboty” ve ianao?

21. Ahoana no azon’ny Kristianina matotra anampiana ny tanora?

21 Manampy ny reny tokan-tena, ohatra, ny Kristianina matotra rehefa miahy ny zanany. (Jakoba 1:27) Afaka manampy ny fianakaviana toy izany hifandray tsara amin’i Jehovah, ny anti-panahy na ny Kristianina hafa. Mazava ho azy anefa fa tokony hanaja ny fahefan’ilay reny izy ireo, ary hahalala fomba. Mety ho afaka hanokana fotoana hiarahana amin’ny ankizy kamboty ianao sy ny vadinao, na ianareo mianakavy. Afaka miahy an’ireo tanora mahatsiaro ho manirery koa ve ianao? Mety hila olona mahay miombom-pihetseham-po aminy izy ireny, na olona azony iresahana tsiambaratelo. Afaka mihaino azy ireny ianao, rehefa miara-manompo aminy. Azo antoka fa be atao ianao, ka mety ‘hitsapa ny fahatsoran’ny fitiavanao’ ny fiezahanao hanampy ny tanora toy izany mandritra ny fotoana lavalava. (2 Korintianina 8:8) Porofo anefa izany fa irinao hahazo fiainana izy.

22. Ahoana no fahitanao ny fiahian’i Jehovah ny olona?

22 Mampahery tokoa ny misaintsaina fa miahy ny olona Andriamanitra, ary maniry ny hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay! Aleony maneho fitiavana amin’ny olo-marina tia azy ary manome azy fiainana, toy izay mampihatra ny fahatezerany amin’ireo tsy mety miova, izay tsy mendrika ny hiaina mandrakizay. Aoka àry isika hanahaka azy ka hanampy ny hafa handeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah!

^ feh. 16 Tena miahy an’ireo olona niala taminy Andriamanitra, araka ny asehon’ireo fanoharana telo mampihetsi-po momba an’ilay ondry very, ilay vola madinika very, ary ilay zanaka adala.—Lioka 15:2-32.