Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 1

Manomana Anao ho Amin’ny Androny Lehibe Andriamanitra

Manomana Anao ho Amin’ny Androny Lehibe Andriamanitra

“Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah”, hoy ny mpaminanin’Andriamanitra. (Zefania 1:14) Akaiky tokoa io andro io, ka tokony ho hita eo amin’ny fiainantsika fa mitadidy azy io isika. Fantatrao ve fa tena mahasoa anao ny mandinika ny hevitra raketin’ireo boky fohy nosoratan’ny mpaminany 12, manomboka amin’ny Hosea ka hatramin’ny Malakia? Ho hitanao ato, ao amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny fahatelo, ny momba ireo mpaminany ireo sy ny loha hevitry ny boky nosoratany.