Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-4

Milaza ny Hoavy i Jehovah Sady Manatanteraka ny Teniny

Milaza ny Hoavy i Jehovah Sady Manatanteraka ny Teniny

1, 2. a) Inona no mampanahy ny olona maro? b) Ahoana no ilazan’ireo mpaminany 12 ny toetran’i Jehovah?

MAHATSIARO ho tsy afa-manoatra ny olona maro. Mihevitra izy ireo fa tsy misy antenaina ny hoavin’ny olombelona, raha jerena ireo vaovao samihafa. Toa vao mainka mampitombo ny olana ireo ezaka natao hamahana izany. Nanahy toy izany koa ny sasany tamin’ireo mpaminany 12. Nilaza anefa izy ireo fa misy ny fanantenana. Afaka mandray soa avy amin’ny hafatr’izy ireo isika, ary azontsika ampaherezana ny hafa koa izany.—Mika 3:1-3; Habakoka 1:1-4.

2 Izao no hevi-dehibe ao amin’ireo boky 12: I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao, mahafehy tanteraka ny zava-mitranga eto an-tany izy, ary tena mitady izay hahasoa ny olona. Raha ny marina aza, dia mitady izay hahasoa antsika tsirairay izy. Nilaza ireo mpaminany 12 fa manintona ny toetran’i “Jehovah Tompon’ny tafika.” Raha “mikasika ny tany” izy dia “hitsonika izany”, kanefa nanome toky ny vahoakany izy hoe: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.” (Zakaria 2:8; Amosa 4:13; 9:5) Tsy mampihetsi-po anao ve ny mamaky andinin-teny milaza hoe be fitiavana sy mamindra fo ary mamela heloka Andriamanitra? (Hosea 6:1-3; Joela 2:12-14) Marina fa tsy resahin’ireo boky 12 ny toetran’Andriamanitra rehetra, satria ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly no ilaina mba hahalalana izany. Kanefa tena manampy antsika hahafantatra ny toetrany manintona sy ny zavatra ataony ireo boky 12.

3. Ahoana no ampisehoan’ireo boky 12 fa Andriamanitra manam-pikasana i Jehovah?

3 Rehefa mamaky an’ireo boky ireo isika, dia vao mainka hatoky fa mendri-pitokisana i Jehovah, ilay Mpilaza ny hoavy sy Mpanatanteraka ny fikasany. Nohamafisin’izy ireo fa hanova ny tany ho paradisa Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakany. (Mika 4:1-4) Noresahin’ny sasany tamin’izy ireo koa ny fomba nanomanan’i Jehovah ny fiavian’ny Mesia sy ny vidim-panavotana, izay hanafaka ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Malakia 3:1; 4:5) Nahoana no zava-dehibe ny mahalala izany rehetra izany?

BE FITIAVANA SY MAHAFEHY NY ZAVA-DREHETRA

4, 5. a) Inona no asongadin’ireo mpaminany 12 momba an’Andriamanitra? b) Manao ahoana ny fihetseham-ponao mahafantatra fa i Jehovah no Mahery Indrindra?

4 Tadidio ilay fiampangana an’Andriamanitra ho tsy manan-jo hitondra, noresahina tao amin’ny toko teo aloha. Nisy zavaboary nikomy tamin’ny fahefan’i Jehovah sy nanome tsiny azy tany an-danitra. Tsy nankatò izy ireo, ka nahatonga korontana teto an-tany. Ilaina àry ny manaja sy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra, mba hampilamina tanteraka an’izao rehetra izao sy hampisy fiadanana eo amin’ny olona. Koa ara-drariny raha tapa-kevitra ny hanamarina ny zony hitondra i Jehovah. Afaka manampy antsika hahatakatra izany tsara kokoa ireo boky 12.

5 Nasongadin’ireo mpaminany 12 fa mitana toerana ambony i Jehovah. Naverimberin’i Amosa in-21, ohatra, ny hoe “Tompo Fara Tampony” mba hanandratana ny anarana sy ny zon’ilay Mahery Indrindra. Be voninahitra tokoa ilay tena Andriamanitra, ary tsy misy tsy voafehiny. (Amosa 9:2-5; jereo ilay efajoro hoe  “Jehovah, Ilay Mahery Indrindra.”) I Jehovah irery no manan-jo ho Mpanjakan’izao rehetra izao, ary ambony lavitra noho ny sampy tsy mananaina izy. (Mika 1:7; Habakoka 2:18-20; Zefania 2:11) Izy ihany no manan-jo hifehy izao rehetra izao, satria izy no nanao ny zava-drehetra. (Amosa 4:13; 5:8, 9; 9:6) Nahoana no tokony ho zava-dehibe aminao izany?

6. Nahoana no mahakasika ny olona rehetra ny fikasan’Andriamanitra?

6 Raha toa ianao iharan’ny fanavakavahana, ny tsy rariny, na ny fitsarana an-tendrony, dia mahereza! Miahy ny olona rehetra mantsy ilay Mpanjaka be fitiavana. Marina fa nifandray manokana tamin’ny firenena iray izy fahiny, kanefa nilaza koa izy fa tapa-kevitra ny hitahy ny olona avy amin’ny firenena sy fiteny rehetra. Izy no “tena Tompon’ny tany manontolo.” (Mika 4:13) Nampanantena izy fa ‘ho be voninahitra eo amin’ireo firenena’ ny anarany. (Malakia 1:11) Tsy manavakavaka ilay Raintsika any an-danitra satria asainy ho tonga mpanompony ny olona rehetra. Koa faly manaiky an’izany fanasana izany àry ny ‘olona avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena.’—Zakaria 8:23.

7. Nahoana no zava-dehibe ny dikan’ny anaran’i Jehovah?

7 Ho hitanao fa tena misy ifandraisany amin’ny anaran’Andriamanitra ny toetrany sy izay hataony amin’ny hoavy. (Salamo 9:10) Nalam-baraka ny anaran’i Jehovah tamin’ny andron’i Mika, satria tsy nankatò Azy ny olona maro nitondra ny anarany. Nasongadin’ilay mpaminany àry ny “fahambonian’ny anaran’i Jehovah”, ary nolazainy fa “hatahotra” an’io anarana io “ny olona manam-pahendrena.” (Mika 5:4; 6:9) Nahoana izy no nilaza izany? Satria izay fanantenana azo antoka momba ny hoavy mandrakizay, dia misy ifandraisany amin’ny dikan’ilay anaran’i Jehovah hoe: “Manao Izay Hahatonga Izy.” Vakio ange ny Joela 2:26 e! Dia eritrereto ny hafalianao mitondra ny anaran’i Jehovah, sy mitory momba azy. Izy ihany mantsy no Andriamanitra afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina mba hahasoa ny zavaboariny rehetra. Noporofoiny fa izy ihany no mahavita manatanteraka ny fikasany. Manaporofo izany ny fahatanterahan’ny faminaniana maro nambaran’ireo mpaminany 12.

8. Voatosika hanao inona ianao, rehefa mahafantatra ny anaran’i Jehovah?

8 Olona an-tapitrisany no mandray soa, rehefa mahafantatra fa afaka manatanteraka izay tiany i Jehovah. Izany no nolazain’i Joela sy naverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hoy mantsy i Joela: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.” (Joela 2:32; Asan’ny Apostoly 2:21; Romanina 10:13) Tapa-kevitra koa i Mika ny “handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” Ary ianao? (Mika 4:5) Afaka ‘mialoka amin’ny anaran’i Jehovah’ tokoa isika, rehefa enjehina na azom-pahoriana.—Zefania 3:9, 12; Nahoma 1:7.

9. Inona no porofo fa voafehin’Andriamanitra ireo mpitondra olombelona?

9 Rehefa mamaky ireo boky 12 ianao, dia vao mainka hiaiky fa voafehin’i Jehovah ireo mpitondra sy olona ambony eto amin’ity tontolo ity. Hainy ny mitarika azy ireo hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony. (Ohabolana 21:1) Diniho, ohatra, i Dariosy Lehibe, mpanjakan’i Persa. Nila vonjy tany aminy ireo fahavalon’ny fivavahana marina, mba hampitsaharana ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Ny nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga! Tamin’ny taona 520 T.K. tany ho any, dia nohamafisin’i Dariosy ny didin’i Kyrosy, ary nomeny fanampiana ny Jiosy mba hamitana ilay asa. Nisy sakana hafa taorian’izay, kanefa izao no hafatr’Andriamanitra ho an’i Zerobabela Governora: “ ‘Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho lasa tany lemaka ianao eo anatrehan’i Zerobabela.” (Zakaria 4:6, 7) Tsy hisy hahasakana an’i Jehovah koa, rehefa handrava ity tontolo ratsy ity izy ary hanova ny tany ho paradisa honenan’ny mpivavaka aminy.—Isaia 65:21-23.

10. Inona koa no voafehin’Andriamanitra, ary nahoana izany no zava-dehibe?

10 Voafehin’i Jehovah koa ny herin’ny natiora, satria afaka mampiasa an’ireny izy mba handringanana ny fahavalony, raha tiany izany. (Nahoma 1:3-6) Nampiasa sary an’ohatra i Zakaria mba hanasongadinana ny fomba iarovan’i Jehovah ny vahoakany. Hoy izy: “Ho hita eo amin’izy ireo i Jehovah, ary hitsoriaka toy ny tselatra ny zana-tsipìkany. Hitsoka ny anjombona i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary handeha toy ny ao anaty tafio-drivotra avy any atsimo izy.” (Zakaria 9:14) Tsy ho sarotra amin’Andriamanitra mihitsy àry ny hanaporofo fa mahery noho ireo firenena ankehitriny izy!—Amosa 1:3-5; 2:1-3.

MITANA NY TENY NATAONY I JEHOVAH

11, 12. a) Nahoana no noheverina ho tsy ho resy mihitsy i Ninive? b) Ahoana anefa no niafaran’i Ninive?

11 Alao sary an-tsaina hoe velona tamin’ny taonjato fahasivy T.K. ianao, tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Iza no tanàn-dehibe mety ho nalaza tamin’izany? Mazava ho azy fa i Ninive. Tanàna tany Asyria izy io, teo amin’ny morony atsinanan’ny Reniranon’i Tigra, tany amin’ny 900 kilaometatra teo ho eo tany avaratratsinanan’i Jerosalema. Nety ho renao fa nirefy 100 kilaometatra teo ho eo ny manodidina azy io! Nolazain’ny mpitsidika azy fa kanto toa an’i Babylona izy io, satria nisy lapa, tempoly, arabe malalaka, zaridainam-panjakana, ary tranomboky lehibe. Niresaka koa ireo miaramila mahay tetikady fa lehibe ireo mandany ivelany sy anatiny ka tsy ho tafiditry ny fahavalo.

12 “Tsy ho resy mihitsy” i Ninive, hoy ny olona maro velona tamin’izany. Nanizingizina anefa ny mpaminany sasany avy amin’ilay firenena kely atao hoe Joda, fa nomelohin’i Jehovah io “tanàna mpandatsa-dra” io ka ho rava. Nibebaka ny mponina tao rehefa nandre ny fitorian’i Jona, ka tsy nampiharin’Andriamanitra ny didim-pitsarany. Niverina tamin’ny fanaony taloha anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka hoy i Nahoma momba an’i Ninive: ‘Ho fatin-tsabatra ianao. Tsy misy fitsaharany ny loza manjo anao.’ (Nahoma 3:1, 7, 15, 19; Jona 3:5-10) Nirahin’Andriamanitra koa i Zefania hanambara fa hatao tsy misy mponina i Ninive. (Zefania 2:13) Ho rava araka ny tenin’i Jehovah tokoa ve ilay firenena tsy nety resy? Rava tokoa i Ninive tamin’ny taona 632 T.K. tany ho any, rehefa nanao fahirano azy ny Babylonianina sy ny Skytianina ary ny Medianina. Nisy tondra-drano tampoka nandrava ny mandany, ka tafiditra ny mpanafika. (Nahoma 2:6-8) Tsy ela dia lasa dongon-tany sisa ilay tanàna mahery. Mbola aolo i Ninive ankehitriny. * Tsy nahasakana ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra “ilay tanàna nifaly.”—Zefania 2:15.

13. Inona no efa tanteraka tamin’ny faminaniana nambaran’ireo mpaminany 12?

13 Iray monja amin’ireo faminaniana efa tanteraka ny nanjo an’i Ninive. Mijere ange sarintany e! Mbola hitanao eo ve i Amona, Asyria, Babylona, Edoma, na Moaba? Nalaza be izy ireo taloha, kanefa nambaran’ireo mpaminany 12 fa tsy hisy intsony. (Amosa 2:1-3; Obadia 1, 8; Nahoma 3:18; Zefania 2:8-11; Zakaria 2:7-9) Nanjavona tsirairay ireo firenena ireo, ka tsy eo intsony ankehitriny. Fongotra tokoa izy ireo, araka ny tenin’i Jehovah! Tanteraka koa ny nambaran’ireo mpaminany hoe hisy hody any amin’ny taniny ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona.

14. Nahoana ianao no afaka miantehitra amin’ny fampanantenan’i Jehovah?

14 Tsy lasa matoky kokoa an’i Jehovah ve ianao, rehefa mahita porofo fa mahay milaza ny hoavy izy? Afaka matoky tokoa ianao fa hitana ny teniny izy, satria “Andriamanitra tsy mahay mandainga.” (Titosy 1:2) Lazainy ao amin’ny Teniny koa izay zavatra tokony ho fantatsika. Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao àry ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, ary matokia fa ho tanteraka ny faminaniany. Tsy hoe taloha ihany no tanteraka ny faminaniana ao amin’ireo boky 12. Tanteraka amin’izao andro izao na ho tanteraka tsy ho ela, ny ankamaroany. Raha mandinika an’ireo boky ireo ianao, dia hatoky bebe kokoa fa ho tanteraka ireo faminaniana momba ny androntsika sy ny hoavy. Diniho tsara àry izy ireo.

Toa tsy nety resy i Ninive, kanefa nanao ahoana ny faminanian’i Jehovah momba azy?

RAY BE FIAHIANA

15. Nahoana no hampahery anao ny tantaran’i Mika, raha miatrika olana ianao?

15 Azo itokisana tokoa ny zavatra nolazain’Andriamanitra, momba an’izay hanjo an’ireo firenena sy hitranga eran-tany. Mahakasika anao koa anefa ny zavatra nolazainy sy notanterahiny. Nahoana? Angamba ianao miatrika olana indraindray ka sahiran-kevitra. Olona mahatakatra ny manjo anao no tianao hiresahana, nefa koa olona azonao antoka fa hanampy anao. Nahita olana koa i Mika, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nety ho nahatsiaro ho nanirery izy teo anivon’ny vahoakan’ny Joda nirehareha. Hoatran’ny hoe izy irery sisa ny olona tsy nivadika teto an-tany, ka na ny mpianakaviny aza tsy azony nitokisana. Nahery setra sy mpamitaka ary ratsy fanahy ny olona rehetra nanodidina azy. Nanome toky azy anefa Andriamanitra fa hokarakarainy ireo tsy mivadika aminy, na inona na inona ataon’ny hafa. Mety hampahery anao koa izany, raha ianao irery na olona vitsivitsy monja ianareo no manompo an’i Jehovah, fa ny manodidina anareo kosa tsy misy manome voninahitra azy.—Mika 7:2-9.

16. Nahoana ianao no matoky fa hitan’Andriamanitra ny fanaovana kolikoly sy ny fampahoriana, ary hovonjeny ny olo-marina?

16 Toy ny fahita ankehitriny, dia lasa tia vola be sy nanao zavatra tsy ara-drariny ny mpanankarena sy ny manam-pahefana tany Joda sy Israely. Nandevozina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny olona sasany, satria nitakiana hetra be loatra izy ireo na nalaina an-keriny ny taniny. Tsy nisy niraharaha ny mahantra, ary nentina tamin-kabibiana mihitsy aza izy ireo. (Amosa 2:6; 5:11, 12; Mika 2:1, 2; 3:9-12; Habakoka 1:4) Nolazain’Andriamanitra mazava tsara anefa fa tsy holeferiny ny fanaovana kolikoly sy ny fampahoriana, ka hosaziny izay mikiry manao ratsy. (Habakoka 2:3, 6-16) Nambarany koa fa “hanitsy izay tsy mety eo amin’ireo firenena matanjaka” izy, ary ny mpanompony kosa ‘samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny, ary tsy hisy hampangovitra azy.’ (Mika 4:3, 4) Alao sary an-tsaina ny fiadanana hisy amin’izany! Efa nanambara sy nanatanteraka faminaniana maro hafa Andriamanitra, ka afaka matoky ianao fa ho tanteraka koa io fampanantenana io.

17, 18. a) Nahoana Andriamanitra no tsy manary ny vahoakany? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny famaizan’i Jehovah?

17 Tsy ny hampidera ny fahaizany milaza ny hoavy anefa no antony anatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany. Fitiavana kosa no mahatonga azy hanao izany, satria “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsarovy ny nataon’i Hosea, izay velona tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nanitsakitsaka azy i Gomera vadiny. Toy ny hoe nanitsakitsa-bady koa ny Israelita, satria nivadika tamin’i Jehovah ka nanompo sampy. Sady nivavaka tamin’i Bala izy ireo no nivavaka tamin’i Jehovah. Azo lazaina koa hoe “nijangajanga” tamin’i Asyria sy Ejipta izy ireo. Inona no nataon’i Jehovah? Toa an’i Hosea, izay niezaka namerina ny vadiny, dia niezaka namerina ny vahoakany koa i Jehovah satria tiany izy ireo. Hoy izy: ‘Tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tadim-pitiavana. Nitondra sakafo tamin-katsaram-panahy ho an’ny tsirairay taminy aho.’ (Hosea 2:5; 11:4) Raha tena nibebaka izy ireo, dia ho voavela heloka ka ho afaka nihavana tamin’Andriamanitra indray. (Hosea 1:3, 4; 2:16, 23; 6:1-3; 14:4) Tsy mampihetsi-po anao ve ny fitiavan’i Jehovah? Raha be fitiavana toy izany i Jehovah fahiny, moa ve ianao hisalasala hoe mety ho lefy na hiova ny fitiavany?—Hosea 11:8.

18 Ho hitanao ao amin’ireo boky 12 koa fa mety hanitsy antsika Andriamanitra, noho izy be fitiavana. Nanome toky an’ireo vahoakany nania izy hoe ‘tsy haringany tanteraka’ izy ireo. (Amosa 9:8) Nosaziny izy ireo rehefa nilaina izany, kanefa soa ihany fa vetivety ilay sazy! Voalazan’ny Malakia 1:6 fa toy ny ray be fitiavana i Jehovah. Mety hanafay ny zanaka tiany mantsy ny raim-pianakaviana mba hanitsiana azy. (Nahoma 1:3; Hebreo 12:6) Tsy mora tezitra anefa ilay Raintsika any an-danitra satria be fitiavana, ary homeny valisoa be dia be ny mpanompony, araka ny Malakia 3:10, 16.

19. Inona avy ny fanontaniana tokony hapetrakao amin’ny tenanao?

19 Nanome toky an’ireo Israelita i Jehovah hoe: “Tia anareo aho.” (Malakia 1:2) Saintsaino izany, ka apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana ireto: ‘Sao dia misy zavatra ataoko misakana an’Andriamanitra tsy ho tia ahy? Lafiny inona amin’ny fitiavan’Andriamanitra no tiako ho fantatra sy ho tsapa bebe kokoa?’ Rehefa tsapanao lalina ny fitiavan’Andriamanitra anao, dia vao mainka ianao hatoky fa ho tia anao mandrakizay izy.

HO VOAVONJY IZAY VOAVELA HELOKA

20. Nahoana no ho voavonjy izay mibebaka sy voavela heloka?

20 Ho hitanao ao amin’ireo boky 12 fa nolazain’i Jehovah mialoha indraindray ny loza hitranga. Fa nahoana? Mba handrisihana ny vahoakany hibebaka. Navelany horavan’ny firenen-kafa àry i Samaria tamin’ny 740 T.K., ary Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Tanteraka izay nambaran’Andriamanitra mialoha, kanefa navelany hiverina tany an-tanindrazany ireo nibebaka. Tsara fanahy tokoa izy, ka mamela heloka sy mankasitraka indray an’ireo mibebaka sy miverina aminy. (Habakoka 3:13; Zefania 2:2, 3) Voatosika hilaza toy izao i Mika: “Iza no Andriamanitra tahaka anao, izay mamela fahadisoana sy mamela ny heloky ny sisa amin’ny lovanao? Tsy ho tezitra mandrakizay izy, satria tia hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Mika 7:18; Joela 2:13; Zakaria 1:4) Manamarina izany ny fahatanterahan’ireo faminaniana.

21. a) Inona no nolazain’ireo mpaminany 12 momba ny Mesia? b) Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia mahaliana anao?

21 Nambaran’i Jehovah fa ho avy ny Mesia, izay hanao sorona ny ainy mba ho “vidim-panavotana mifandanja” hamonjena ny olombelona mpanota. Izany no fomba hahazoan’ny olombelona famelan-keloka mandrakizay. (1 Timoty 2:6) Naminany i Amosa fa hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ny Mesia, taranak’i Davida. (Amosa 9:11, 12; Asan’ny Apostoly 15:15-19) I Mika indray nilaza ny toerana hahaterahan’i Jesosy, ilay hanome fiainana ho an’izay rehetra mino ny sorom-panavotany. (Mika 5:2) I Zakaria kosa niresaka momba an’ilay “Tsimoka.” Tsy iza izy io fa i Jesosy, izay ‘hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ka hanjaka.’ (Zakaria 3:8; 6:12, 13; Lioka 1:32, 33) Azo antoka fa hihamatanjaka ny finoanao rehefa mandinika faminaniana hafa toy izany.—Jereo ilay efajoro hoe “ Faminaniana Lehibe Momba ny Mesia.”

22. Nahoana ianao no vao mainka matoky an’i Jehovah rehefa mamaky an’ireo boky 12?

22 Rehefa mamaky ny hafatr’ireo mpaminany 12 ianao, dia vao mainka hatoky fa hahazo ny fandresena farany Andriamanitra. Hiady ho antsika izy ka hampihatra ny tena rariny. Azo itokisana ny teniny. Tadidiny izay nifanarahany tamin’ny vahoakany, karakarainy ny mpanompony, ary afahany amin’ny mpampahory rehetra izy ireo. (Mika 7:8-10; Zefania 2:6, 7) Tsy miova i Jehovah. (Malakia 3:6) Tena mampahery ny mahalala fa tsy sarotra aminy ny manatanteraka ny fikasany, ary tsy misy mahasakana azy amin’izany! Ho avy tokoa ny andro fitsarany, satria efa izay ny teniny. Koa miambena àry ka andraso ny andron’i Jehovah! “Ho mpanjakan’ny tany manontolo i Jehovah. Iray ihany i Jehovah amin’izany andro izany, ary iray ihany ny anarany.” (Zakaria 14:9) Efa nambarany mialoha izany ka hotanterahiny.

^ feh. 12 Nitsidika an’ilay faritra ny Profesora Dan Cruickshank tamin’ny Novambra 2002, talohan’ilay ady tany Irak. Hoy izy tao amin’ny televiziona BBC: ‘Eo amin’ny sisin’ny tanànan’i Mossoul no misy ny tanàna ravan’i Ninive. Nofongarin’ny mpikaroka britanika io tanàna io sy ny tao Nimroud, nanomboka tamin’ny 1840. Fantatra tamin’ny fikarohana natao teo amin’ireo tanàna asyrianina ireo, ny kolontsain’ny mponina tao. Efa ela io kolontsaina io no nanjavona, ary noheverina ho angano fotsiny aza satria ny Baiboly ihany no miresaka kely azy io, nefa amin’ny teny saro-pantarina izay manasongadina ny faharatsiany.’