Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-5

“Mitadiava An’i Jehovah” ka Manompoa Azy Amin’ny Fomba Ankasitrahany

“Mitadiava An’i Jehovah” ka Manompoa Azy Amin’ny Fomba Ankasitrahany

1. Inona avy ny fitahiana azonao noho ianao miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra?

TOMBONTSOA lehibe ny mahalala an’ilay Andriamanitra mpanatanteraka faminaniana! Afaka ny ho anisan’ireo nilazan’i Jehovah toy izao ianao: “Mivoady ny haka anao aho noho izaho tsy mivadika. Dia ho fantatrao tokoa i Jehovah.” Nilaza i Hosea fa nandry feizay sy toy ny hoe niaina tao anaty paradisa, ny vahoakan’Andriamanitra avy natao sesitany tany Babylona. Mandry feizay sy mahazo fitahiana maro koa ny vahoakany ankehitriny, ka toy ny hoe miaina ao anaty paradisa. (Hosea 2:18-20) Mitondra ny anaran’Andriamanitra ianao izao, satria efa nanokan-tena ho Vavolombelon’i Jehovah, ary te hanompo azy foana.—Isaia 43:10, 12; Asan’ny Apostoly 15:14.

Amosa

2, 3. a) Nahoana no lasa halan’i Jehovah ny fanompoana nataon’ny vahoakany fahiny? b) Nahoana isika no tokony handinika ny hafatr’ireo mpaminany?

2 Nanokan-tena ho an’i Jehovah ny firenen’ny Israely fahiny, ary izy ireo ihany no firenena nomen’i Jehovah lalàna. (Deoteronomia 4:33-35) Niova be anefa izy ireo tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K., ka izao no nasain’Andriamanitra nolazain’i Amosa taminy: ‘Halako sady laviko ny fetinareo. Raha manolotra fanatitra dorana manontolo ho ahy ianareo, dia tsy hahafinaritra ahy izany fanatitra atao fanomezana izany.’ (Amosa 5:21, 22) Tsy milaza zavatra toy izany amin’ny fiangonany eran-tany Andriamanitra ankehitriny, kanefa inona no ho tsapanao raha izany no lazainy momba ny fanompoana ataonao? Afaka mandray lesona avy amin’izany isika tsirairay.

3 Nihambo ho nanompo an’i Jehovah ny vahoakany tamin’izany fotoana izany. Maro tamin’izy ireo anefa no nanompo sampy, ka nivavaka tamin’i Bala andriamanitry ny Kananita, na tamin’ny sarivongana zanak’omby. Nisy koa nanao sorona teny amin’ny toerana avo. Niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ireo, nefa koa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah. Koa naniraka mpaminany Andriamanitra mba hampirisika azy ireo hiverina aminy. (2 Mpanjaka 17:7-17; 21:3; Amosa 5:26) Mila mandini-tena àry na dia ireo olona efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra aza, sao misy tokony hahitsy ny zavatra ataony sy ny toe-tsainy, mba hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoany.

“FAHALALANA AN’ANDRIAMANITRA”

4. Nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita tamin’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II?

4 Tsarovy ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Jeroboama II, mpanjakan’ny Israely. Nanambara tamin’ny foko folon’ny Israely ny sasany tamin’ireo mpaminany 12 fa ho avy ny andron’i Jehovah. Toa nandroso be anefa ilay firenena tamin’izay. Araka ny faminanian’i Jona, dia azon’i Jeroboama indray ny sisin-tanin’izy ireo, hatreo Damaskosy tany avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty. (2 Mpanjaka 14:24-27) Nanao ratsy i Jeroboama, kanefa nahari-po i Jehovah satria tsy tiany hofoanana tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra ny Israely. Nomeny fotoana hibebahana àry izy ireo, mba ‘hitadiavany an’i Jehovah, ka ho velona.’—Amosa 5:6.

5. Nahoana no nolavin’i Jehovah ny Israelita?

5 Afaka nanararaotra an’ilay fotoana ny Israelita mba hiverenana amin’i Jehovah, ka hianarany bebe kokoa momba azy sy hanaovany ny sitrapony. Natoky tena anefa izy ireo, ka nihevitra fa ‘tsy hanakaiky azy ny loza na hahatratra azy.’ (Amosa 9:10) Azo lazaina ho nanadino an’i Jehovah izy ireo, satria ‘voky ka niavonavona ny fony.’ (Hosea 13:6) Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe tantara efa taloha izany, ka tsy mahakasika antsika. Mariho hoe nahoana i Jehovah no ‘nanana ady’ tamin’ny Israely. Hoy izy: “Noho ianao nanda ny fahalalana, dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao.” Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ny Israelita tsirairay, ary toy izany koa ny fianakaviany. Tsy tena ‘nahalala an’Andriamanitra’ anefa ny tsirairay taminy.—Hosea 4:1, 6.

6. Nahoana no azo lazaina hoe tsy tena nahalala an’Andriamanitra ny Israelita?

6 Tsy hoe mbola tsy ren’izy ireo mihitsy akory ny tenin’Andriamanitra. Tokony hampianarin’ny ray aman-dreny Israelita ny zanany mantsy izany. Angamba ny ankamaroany efa nandre fitantarana ara-baiboly tamin’ny ray aman-dreniny, na tamin’olon-kafa, na tany amin’ny fivoriambe. (Eksodosy 20:4, 5; Deoteronomia 6:6-9; 31:11-13) Efa ren’izy ireo, ohatra, izay nitranga rehefa nanao zanak’omby volamena i Arona, tamin’i Mosesy nomena ny Didy Folo tany amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 31:18–32:9) Azo lazaina ho nahafantatra ny Lalàna àry ny Israelita tamin’ny andron’ireo mpaminany, ary efa nahare fitantarana ara-baiboly. Tsy nisy heriny tamin’izy ireo anefa ny fahalalany, satria tsy nandrisika azy ireo hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba ankasitrahany.

Ahoana no mety hahatonga ny olona iray hanadino an’i Jehovah?

7. a) Nahoana no mora voatarika tsy hankatò ny Israelita? b) Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina iray ‘hanomboka hanadino ny Mpanao azy’?

7 Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Fa nahoana no mora voatarika tsy hankatò ny Israelita?’ Hoy i Hosea: “Nanomboka nanadino ny Mpanao azy ny Israely.” (Hosea 8:14) Mety tsara ny nandikana an’ilay matoanteny hebreo tany am-boalohany, satria natao hoe “nanomboka nanadino.” Tsy hoe tampoka teo mantsy dia nanadino an’i Jehovah izy ireo, fa nandeha tsikelikely ilay izy. Lasa tsy zava-dehibe tamin’izy ireo intsony ny fanompoana azy tamin’ny fomba ankasitrahany. Mety ho voafandrika toy izany koa ve ny Kristianina? Eritrereto, ohatra, ny lehilahy iray miezaka hamelona tsara ny ankohonany. (1 Timoty 5:8) Zava-dehibe aminy ny asany. Mety hisy zavatra hitranga anefa, ka hahatonga azy hihevitra hoe voatery miasa izy fa tsy afaka mamonjy fivoriana kristianina. Rehefa mandeha ny fotoana, dia manjary mora kokoa aminy ny manapatapaka fivoriana, ka lasa fanaony matetika izany. Mihasimba tsikelikely ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ka ‘manomboka manadino ny Mpanao azy’ izy. Mety hitranga amin’ny Kristianina manana ray aman-dreny na havana tsy Vavolombelon’i Jehovah koa izany. Tsy maintsy mandinika àry izy hoe: Manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana hatokany hiarahana amin’izy ireo ary rahoviana? (Eksodosy 20:12; Matio 10:37) Ahoana indray ny amin’ny fialam-boly na ny fanaovana dia lavitra? Manao ahoana ny fotoana tokony holanina amin’izany?

8. Inona ny fampitandremana nomen’Andriamanitra tamin’ny andron’i Amosa?

8 Efa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, ary mampihatra izany. Mahasoa antsika tsirairay anefa ny mandinika an’ilay fampitandreman’Andriamanitra ny vahoakany hoe: “Nataoko mosarena ianareo tany amin’ny tanàna rehetra nonenanareo, ary tsy nanan-kohanina tany amin’izay rehetra nisy anareo.” (Amosa 4:6) Nampitandremana koa izy ireo fa “tsy ho mosary noho ny tsy fisian-kanina” izy io, “na hetaheta noho ny tsy fisian-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.”—Amosa 8:11.

Mety ho mosarena ve ny Kristianina na dia betsaka aza ny sakafo ara-panahy omena azy?

9, 10. a) Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina ho mosarena ara-panahy? b) Nahoana isika no tokony ho mailo foana?

9 Tanteraka amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina koa io voalazan’i Amosa io. Tondraka kosa anefa ny sakafo ara-panahy azon’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany, satria novohana ho azy ireo “ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Malakia 3:10; Isaia 65:13, 14) Tokony hieritreritra anefa ny Kristianina hoe: ‘Mazoto mihinana amin’izany sakafo ara-panahy izany ve aho?’ Mahaliana ny zavatra hitan’ny mpikaroka, momba ny faritra iray ao amin’ny atidohan’ny biby nanaovan’izy ireo andrana. Rehefa simba io faritra mibaiko ny hanoanana io, dia tsy mazoto homana intsony ilay biby, na dia omena sakafo betsaka aza, ka mety ho faty mihitsy! Mety tsy hazoto homana koa ve ny Kristianina, ka ho fatin’ny hanoanana na dia omena sakafo ara-panahy betsaka aza?

10 Eritrereto izao: Betsaka ny sakafo ara-panahy nomen’i Jehovah ny Israelita. Nananan’izy ireo ny Lalàna, izay afaka nanamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Nampianarina momba an’Andriamanitra ny zanak’izy ireo. Nisy mpaminany koa nanampy azy ireo hahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Nanomboka nanadino an’i Jehovah anefa ny Israelita. Nilaza i Hosea hoe: “Voky izy ireo ka niavonavona ny fony.” (Hosea 13:6; Deoteronomia 8:11; 31:20) Tokony ho mailo foana àry isika isan’andro, raha tsy tiantsika hisy na inona na inona ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.—Zefania 2:3.

FANTARO IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA

11, 12. a) Nahoana no nila nampirisihina hiverina amin’i Jehovah ny vahoaka, tamin’ny andron’i Ozia Mpanjaka? b) Inona no nolazain’ny bokin’i Joela fa tokony hataon’izy ireo?

11 I Ozia (antsoina koa hoe Azaria) no mpanjakan’ny Joda, tamin’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II tany Israely. Nampitomboin’i Ozia ny faritra nanjakany, ary nitariny i Jerosalema. “Nahery indrindra izy” satria “nampian’Andriamanitra foana.” “Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah” koa izy, ary “niezaka nitady” azy. Mbola nanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo anefa, ny olona maro tao Joda tamin’izany.—2 Tantara 26:4-9.

12 Nitondra ny anaran’Andriamanitra ny mponin’i Joda sy Israely, nefa matetika izy ireo no nanao zavatra tsy nankasitrahany. Niezaka nanampy azy ireo hanavaka ny fivavahana diso sy marina àry ny mpaminany. Niangavy azy ireo toy izao Andriamanitra: ‘Miverena amiko amin’ny fonareo manontolo, ka mifadia hanina sy mitomania ary midradradradrà.’ (Joela 2:12) Mariho fa tian’Andriamanitra hanatona azy ‘amin’ny fony manontolo’ ny vahoakany. Ny fon’izy ireo tokoa no tena olana. (Deoteronomia 6:5) Tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy ireo, fa nentim-pahazarana fotsiny. Imbetsaka i Jehovah no nanasongadina fa zava-dehibe ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fandeferana ary ny fitiavana ny rariny, izay samy toe-po tsara.—Matio 23:23.

13. Inona no tokony ho nataon’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany?

13 Diniho koa izay nitranga taorian’ny nodian’ny Jiosy tany an-tanindrazany. Mbola nanao zavatra tsy nety ihany izy ireo, na dia efa naverina tamin’ny laoniny aza ny fivavahana marina izay nifanaraka tamin’ny Lalàna. Nifady hanina izy ireo tamin’ny andro nankalazany ny fahatsiarovana ny nandravana an’i Jerosalema. Koa nanontany i Jehovah hoe: “Ho ahy tokoa ve no nifadianareo hanina?” Tsy tokony ho nampalahelo azy ireo mihitsy ny nandravana an’ilay tanàna, satria nampihatra ny rariny Andriamanitra tamin’izay. Tsy tokony ho nanembona ny lasa sy nifady hanina izy ireo. Tokony hifaly sy hiravoravo kosa izy ireo nandritra ireo fety notakin’ny Lalàna, noho ny fitahiana azony tamin’ny fanarahana ny fivavahana marina. (Zakaria 7:3-7; 8:16, 19) Inona koa no tokony ho nataon’izy ireo? Hoy ny Zakaria 7:9, 10: ‘Mitsarà araka ny rariny sy ny hitsiny. Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy hifaneho famindram-po. Ary aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo hamelezana ny namanareo.’ Tena mahasoa antsika ny zavatra nampianarin’ny mpaminany momba ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo.

14. a) Inona no tokony ho nataon’ireo nody avy tany an-tsesitany? b) Ahoana no nanasongadinan’ireo mpaminany an’izay zava-dehibe kokoa?

14 Inona no dikan’ny hoe manompo amin’ny fo manontolo? Inona moa no notakina tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, talohan’ny nanaovana sesitany azy sy taorian’izay? Tokony ho narahiny ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Nisy zavatra voafaritra tsara koa notakin’ny Lalàna. Tokony hivory, ohatra, izy ireo mba hihaino sy hianatra momba ny sitrapon’Andriamanitra. Nasongadin’ireo mpaminany koa fa ilaina ny maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, ny mandefitra, ny mamindra fo, ny manetry tena, ary ny manao ny rariny. Mariho ny nanasongadinan’i Jehovah izany: ‘Hatsaram-panahy feno fitiavana no sitrako fa tsy sorona, ary fahalalana an’Andriamanitra fa tsy fanatitra dorana manontolo.’ “Mamafaza voan’ny fahamarinana, dia hijinja hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo.” (Hosea 6:6; 10:12; 12:6) Hoy koa i Mika: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?” (Mika 6:6-8) I Zefania mpaminany indray nampirisika hoe: ‘Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana.’ (Zefania 2:3) Tena ilaina ireo toetra ireo mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany.

Miezaka mitory ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra ve ianao?

15. Inona no tokony hataontsika Kristianina, raha manaraka ny fampirisihan’ireo mpaminany isika?

15 Nahoana no ilaina amin’ny fanompoantsika ireo toetra ireo? Fantatrao fa zava-dehibe ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 1:8) Tsara anefa ny manontany tena hoe: ‘Ahoana no fiheverako ny fitoriana ao amin’ny faritra misy ahy? Enta-mavesatra ve? Sa fanampiana an’ireo olona tokony handre ny hafatra mamonjy aina avy ao amin’ny Baiboly? Ary mamindra fo amin’izy ireo ve aho?’ Manosika antsika hampitandrina ny hafa momba ny andron’i Jehovah ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy feno fitiavana. Mandrisika antsika hitory amin’ny karazan’olona rehetra koa ny fanaovana ny rariny sy ny fahamarinana.—1 Timoty 2:4.

16, 17. Nahoana no tena ilaina ny fandeferana sy ny fanetren-tena?

16 Adidintsika Kristianina koa, ohatra, ny mivory, ary zava-dehibe izany. (Hebreo 10:24, 25) Nahoana no ilana fandeferana sy fanetren-tena izany? Ny olona mandefitra no manaiky hampianarina sy hampihatra izay nianarany, ka miaina mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah. Ny olona manetry tena indray miaiky fa voafetra ny mety ho vitany, ary mahatsapa fa mila ny fampaherezana sy ny fahalalana azo any am-pivoriana izy.

17 Araka izany, dia tena mahasoa antsika ny fampianaran’ireo mpaminany. Ahoana anefa raha hitanao fa misy fanitsiana ilainao hatao amin’ireo lafiny voalaza tetsy aloha? Ahoana koa raha kivy ianao indraindray satria nisy fahadisoana lehibe nataonao? Hampionona sy hanampy anao ny hafatr’ireo mpaminany 12.

MIVERENA AMIN’I JEHOVAH

18. a) Natao ho an’iza indrindra ny hafatra mampionona nosoratan’ireo mpaminany 12? b) Andriamanitra manao ahoana i Jehovah, matoa izy miangavy ny olona hiverina aminy?

18 Tsy hoe nampiharihary ny zavatra tsy nety nataon’ny Israelita na nanameloka azy fotsiny ireo mpaminany. Noresahin’izy ireo koa fa nampirisika ny vahoakany hiverina aminy i Jehovah. Izany no nahatonga an’i Hosea hampirisika hoe: ‘Andao hiverina amin’i Jehovah, fa izy no namiravira antsika, nefa izy ihany koa no hanasitrana antsika. Izy no namely antsika, nefa izy ihany koa no hamehy ny ratrantsika. Dia hahalala an’i Jehovah isika, sady mbola hiezaka hahalala azy.’ (Hosea 6:1-3) Marina fa nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Israely sy Joda i Jehovah, ary ara-drariny izany. Tokony ho noheverin’ny vahoakany ho toy ny fomba hanasitranana azy ireo anefa izany. (Hebreo 12:7-13) Raha miverina amin’i Jehovah izy ireo, dia ‘hositraniny’ary ‘hofeheziny ny ratrany.’ Alao sary an-tsaina hoe misy olona iray mandohalika, mba hamehy ny ratran’ny namany. Eritrereto hoe i Jehovah no manao izany. Andriamanitra mamindra fo tokoa izy, satria mamehy ny ratran’ireo vonona hiverina aminy! Tsy mandrisika antsika hiverina aminy ve izany, raha nanota taminy isika?—Joela 2:13.

19. Inona no dikan’ny hoe mahalala an’i Jehovah?

19 Inona no dikan’ny hoe miverina amin’Andriamanitra? Mampahatsiahy antsika i Hosea fa tokony “mbola hiezaka hahalala” an’i Jehovah isika, fa tsy mianina amin’izay efa haintsika. Hoy ny boky iray manazava ny Hosea 6:3: “Samy hafa tanteraka ny hoe mahafantapantatra an’Andriamanitra sy ny tena mahalala azy. Mitovy amin’ny hoe samy hafa ny mahafantapantatra ny atao hoe fitiavana avy amin’ny boky novakina, sy ny hoe tena raiki-pitia amin’ny olona iray.” Tsy tokony ho ambangovangony fotsiny ny fahalalantsika an’i Jehovah. Tokony ho tena misy izy amintsika, ary Namana azontsika itokisana izay azo hatonina foana. (Jeremia 3:4) Amin’izay, dia ho fantatrao ny fihetseham-pony rehefa misy zavatra ataonao. Tena hanampy anao hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany izany!

20, 21. Ahoana no nampisehoan’i Josia Mpanjaka fa tena sarobidy taminy ny fahalalana an’Andriamanitra?

20 Fakan-tahaka i Josia Mpanjaka noho izy nanaraka ny fivavahana marina. Diniho ny nataony. Nanjaka teo amin’ilay firenena ny fanompoan-tsampy sy ny herisetra ary ny fitaka nandritra ny fotoana nanjakan’i Manase sy Amona, ary mbola nitohy izany tamin’i Josia lasa mpanjaka. (2 Mpanjaka 21:1-6, 19-21) Azo antoka àry fa nandrisika azy ny fanasan’i Zefania ‘hitady an’i Jehovah’, satria “nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida” izy. Nanomboka nanaisotra ny fanompoan-tsampy tany Joda izy, eny, hatrany amin’ireo faritra anisan’ny fanjakana tany avaratra mihitsy aza.—Zefania 1:1, 14-18; 2:1-3; 3:1-4; 2 Tantara 34:3-7.

Tsy nitady fialan-tsiny i Josia rehefa nila nesorina ireo sampy

21 Mbola nitady an’i Jehovah foana i Josia, na dia taorian’izay aza. Nasainy namboarina ny tempoly. Tamin’izay no hita “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Azo inoana fa io mihitsy ilay nosoratan’i Mosesy. Inona no nataon’i Josia rehefa novakina ilay boky? “Raha vao nandre izay voalazan’ny lalàna ny mpanjaka, dia nandrovitra ny akanjony avy hatrany.” ‘Nandrovitra ny fony’ koa izy, ka tonga dia nampihatra izay reny. Tsy nanandrana nanamarin-tena izy hoe efa betsaka ny zavatra tsara vitany. Tadidinao ve ny vokatry ny fanovana nataony? “Nanaraka an’i Jehovah Andriamanitry ny razany foana [ny zanak’Israely], nandritra ny androm-piainan’i Josia.”—2 Tantara 34:8, 14, 19, 21, 30-33; Joela 2:13.

Vonona hanao fanovana ve ianao mba hanarahana ny fitsipiky ny Baiboly?

22. Nahoana no mahasoa antsika ny ohatr’i Josia?

22 Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no ho nataoko raha izaho no teo amin’ny toeran’i Josia?’ Ho nanao toa azy ve ianao, ka nihaino an’ireo mpaminany? Ho nanitsy ny zavatra nataonao sy ny toe-tsainao ve ianao? Tena ilaintsika ny manaiky ny hafatr’Andriamanitra sy ny toroheviny, na dia tsy velona tamin’ny andron’i Zefania sy Josia aza isika. Hitanao hoe mila manitsy ny fomba fiainanao ve ianao, na manatsara ny fanompoanao? Handrisika anao hanao izany ny fandinihana an’ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12.—Hebreo 2:1.

23. Inona no azonao atao raha hitanao fa misy zavatra tokony hohatsarainao?

23 Mety hahatsapa toa an’i Jona ianao indraindray. Hoy izy tao an-kibon’ilay trondro be: “Efa noroahina tsy ho eo anatrehanao aho! Mbola ho afaka hibanjina ny tempolinao masina indray ve aho?” (Jona 2:4) Olombelona tsy lavorary isika ka mora manao fahadisoana. Tena mampahery antsika àry ny tenin’i Jehovah hoe: “Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.” (Malakia 3:7) Ho faly hanampy anao ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonanao, raha hitanao fa mila hamafisina ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Mila mandroso hatrany ianao. Toy ny fitondrana fiara anefa izany: Mandeha miadana aloha amin’ny voalohany, nefa handeha haingana kokoa avy eo. Matokia fa ho faly hanampy anao i Jehovah, satria “tsara fanahy sy mamindra fo izy, sady tsy mora tezitra no be hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Joela 2:12-14) Tena mampahery an’izay te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany ny hafatr’ireo mpaminany.

Mila ‘mitady an’i Jehovah’ sy miverina aminy ny olona sasany