Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-2

Mpaminany Nampita Hafatra Mafonja ho Antsika

Mpaminany Nampita Hafatra Mafonja ho Antsika

1. Nahoana no tokony hahaliana anao ny hahafantatra an’ireo mpaminany 12 nanoratra ny tapany farany amin’ny Soratra Hebreo?

TIANAO ho fantatra ve ireo mpaminany 12? Velona talohan’ny niainan’i Jesosy teto an-tany izy ireo, ka tsy afaka mihaona aminy ianao. Afaka ny hahafantatra azy ireo anefa ianao, ary ho hitanao fa nitadidy “ny andro lehiben’i Jehovah” foana izy ireo. Tena hanampy anao izany, ary hanampy an’izay Kristianina miezaka manao an-tsaina foana ny andro lehiben’i Jehovah.—Zefania 1:14; 2 Petera 3:12.

2, 3. Inona no itovizantsika amin’ireo mpaminany 12?

2 Betsaka ny mpaminany resahin’ny Soratra Masina, ary boky maro ao no mitondra ny anaran’izy ireny. Tsy nivadika sy be herim-po ireo mpaminany 12, toy ny mpaminany hafa ihany. Faly be ny sasany tamin’izy ireo satria nanova ny fo sy ny sain’ny olona ny hafatra notoriny, ka nampiverina azy ireny tamin’Andriamanitra. Diso fanantenana kosa ny hafa, satria nisy olona nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’i Jehovah sy nandika ny fitsipiny. Kivy mihitsy aza ny mpaminany sasany, satria tsy niraika sy nanao izay tiany fotsiny ireo nilaza ho nanompo an’i Jehovah.

3 Toy ny zava-mitranga ankehitriny ihany ny zava-nisy tamin’izany. Nikorontana ny politika sy ny fiaraha-monina, ary olona maro no tsy niraika tamin’ny fivavahana marina. “Nanana fihetseham-po toa antsika ihany” ireo mpaminany 12, ka tsy maintsy natahotra sy nanana olana koa. (Jakoba 5:17) Namela modely ho antsika anefa izy ireo ka tokony hodinihintsika tsara izay ‘nosoratany’ mba hahasoa antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity.—Romanina 15:4; 16:26; 1 Korintianina 10:11.

NY FOTOANA NIAINAN’IREO MPAMINANY 12

4. Araka ny filaharan’ireo boky 12 ve ny fotoana niainan’ireo mpanoratra azy? Iza avy no notendren’i Jehovah voalohany hampitandrina ny vahoakany?

4 Mety hihevitra ianao fa araka ny filaharan’ireo boky manomboka amin’ny Hosea ka hatramin’ny Malakia, ny fotoana niainan’ireo mpaminany 12. Tsy izany anefa no izy. Velona tamin’ny taonjato fahasivy sy fahavalo T.K., * ohatra, i Jona, Joela, Amosa, Hosea, ary Mika. * Nivadika tamin’i Jehovah ny mpanjaka maro tao amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo sy tao amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, tamin’izany. Nanahaka azy ireo koa ny vahoakany, ka niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny Asyrianina sy ny Babylonianina kosa tamin’izay nitady hifehy an’izao tontolo izao. Tsy nampoizin’ny Israelita fa hampiasa an’ireo firenena matanjaka ireo i Jehovah mba hampihatra ny didim-pitsarany. Efa naniraka mpaminany foana anefa izy mba hampitandrina ny Israely sy Joda.

5. Iza avy ireo mpaminany nitory ny didim-pitsaran’i Jehovah, rehefa akaiky ny fandravana an’i Joda sy Jerosalema?

5 Nanendry mpitondra teny hafa indray i Jehovah, rehefa akaiky ny fotoana hampiharany ny didim-pitsarany tamin’i Joda sy Jerosalema. Iza avy izy ireo? I Zefania, Nahoma, Habakoka, ary Obadia, izay naminany tamin’ny taonjato fahafito T.K. Ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. sy ny nanaovana sesitany ny Jiosy, no loza lehibe indrindra nitranga tamin’izany. Tanteraka koa ny faminaniana nambaran’ny sasany tamin’ireo mpaminany ireo. Efa nampitandrina ny olona izy ireo mba tsy himamo na hahery setra, kanefa tsy nety niova izy ireny.—Habakoka 1:2, 5-7; 2:15-17; Zefania 1:12, 13.

6. Inona no nataon’i Jehovah, mba hanentanana an’ireo nody avy tany an-tsesitany?

6 Nila mpitarika mahay ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nody avy tany an-tsesitany. Nila nampaherezina koa izy ireo, ary nila nampirisihina hifantoka tamin’ny fivavahana marina. Nanendry mpaminany hafa indray àry i Jehovah tamin’ny taonjato fahenina sy fahadimy T.K., dia i Hagay sy Zakaria ary Malakia. Hahafantatra bebe kokoa an’ireo mpaminany 12 sy ny asany ianao, ato amin’ity boky ity. Ho hitanao fa niaro foana ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo. Handray lesona lehibe avy amin’izany ianao, mba hampiasainao eny amin’ny fanompoana amin’izao fotoana mampidi-doza izao. Andeha àry hodinihintsika ny momba azy ireo, araka ny filaharan’ny fotoana nanompoany.

EZAKA MAFY HAMONJENA FIRENENA MAFY LOHA

7, 8. Nahoana no mampahery antsika ny tantaran’i Jona, rehefa mihena ny fatokisantsika an’Andriamanitra?

7 Efa nisy fotoana ve nahatsapanao hoe nihena ny fatokisanao an’Andriamanitra na nihanalemy ny finoanao? Tena mahasoa anao àry ny tantaran’i Jona. Velona tamin’ny taonjato fahasivy T.K. izy. Fantatrao angamba fa nirahin’i Jehovah izy ho any Ninive, renivohitry ny Fanjakana Asyrianina. Tany amin’ny 900 kilaometatra teo ho eo tany avaratratsinanan’i Jerosalema i Ninive. Tokony hilaza tamin’ny Ninivita i Jona fa ratsy ny nataon’izy ireo. Tsy nankany anefa izy fa naleony nandeha sambo ho any amin’ny seranana iray, tany amin’ny 3 500 kilaometatra avy teo Ninive. Tany Espaina angamba ilay seranana, izay nifanipaka be tamin’ilay toerana tokony halehany! Natahotra ve i Jona, sa nihanalemy finoana? Sa sosotra satria natahorany hibebaka ny Ninivita ka hanafika ny firenen’ny Israely indray avy eo? Tsy milaza izany mazava ny Baiboly. Hitantsika avy amin’iny zava-nitranga iny anefa fa mila mifehy ny eritreritsika isika.

8 Fantatrao angamba ny nataon’i Jona rehefa nanarin’Andriamanitra izy. Niaiky toy izao izy tao anatin’ilay “trondro ngezabe” nitelina azy: “Avy amin’i Jehovah ny famonjena.” (Jona 1:17; 2:1, 2, 9) Rehefa avy novonjena tamin’ny fomba mahagaga izy, dia notanterahiny ny asa fitoriana nanirahana azy tany Ninive. Diso fanantenana tanteraka anefa izy, rehefa tsy naringan’i Jehovah indray ny Ninivita satria nibebaka. Tia tena izy ka nahitsin’i Jehovah tamim-pitiavana indray. Ny fahadisoan’i Jona angamba no tsaroan’ny olona sasany. Amin’Andriamanitra anefa dia mpanompo nankatò sy tsy nivadika izy.—Lioka 11:29.

9. Inona avy no soa raisinao avy amin’ny hafatr’i Joela?

9 Kivy ve ianao rehefa misy milaza fa fampitahorana fotsiny ny hafatra ara-baiboly torinao? Toy izany koa no fahitan’ny Jiosy ny hafatr’i Joela mpaminany. Ny hoe Joela dia midika hoe “Jehovah no Andriamanitra.” Tany Joda angamba izy no nanoratra ny faminaniany, tamin’ny taona 820 T.K. tany ho any, tamin’ny andron’i Ozia Mpanjaka. Nisy fotoana koa angamba nifanindry ny fotoana naminanian’i Joela sy Jona. Naminany i Joela fa hisy andiam-balala hiverimberina handripaka an’i Joda. Tena akaiky tokoa tamin’izay ilay andron’i Jehovah, izay andro mampahatahotra! Tsy nanambara loza fotsiny anefa i Joela, fa nilaza koa hoe “ho afa-mandositra” ny olona tsy mivadika. (Joela 2:32) Afaka mifaly ny olona mibebaka satria hotahin’i Jehovah sady havelany heloka. Mampahery antsika tokoa ny mitadidy fa mitory hafatra toy izany isika! Nambaran’i Joela mialoha koa fa hilatsahan’ny fanahy masin’i Jehovah, na ny hery ampiasainy, ny “karaza-nofo rehetra.” Tsapanao ve fa mahakasika anao io faminaniana io? Nasongadin’i Joela koa ny hany fomba hahazoana famonjena. Hoy izy: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.”—Joela 2:28, 32.

10. Ahoana no nampiasan’i Jehovah olon-tsotra?

10 Tsapanao angamba fa hafatra lehibe no ambarantsika, na dia tsy mihaino aza ny olona matetika. Toy izany koa no tsapan’i Amosa. Tsy zanaky ny mpaminany izy na efa mpaminany hatramin’izay, fa mpiandry ondry sy mpikarama manindrona aviavy. Tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda izy no naminany, izany hoe tamin’ny taonjato fahasivy T.K. Ny hoe Amosa dia midika hoe “Enta-mavesatra” na “Mitondra Enta-mavesatra.” Na dia avy amin’ny fianakaviana tso-piaina aza izy, dia nitory hafatra mavesa-danja tamin’ny Joda sy Israely ary ny firenena manodidina azy. Tsy mampahery anao ve ny mahafantatra fa hain’i Jehovah ny mampiasa olon-tsotra mba hanao asa lehibe toy izany?

11. Inona no porofo fa tena vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Hosea?

11 Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: ‘Vonona hiaritra zava-tsarotra ve aho mba hanaovako ny sitrapon’i Jehovah?’ Eritrereto àry i Hosea, izay velona tamin’ny andron’i Isaia sy Mika, ary naminany nandritra ny 60 taona teo ho eo. Nodidian’i Jehovah izy hanambady an’i Gomera, izay voalaza fa “hijangajanga.” (Hosea 1:2) Niteraka telo i Gomera, kanefa toa iray ihany no zanak’i Hosea. Nanitsakitsaka an’i Hosea ny vadiny, nefa nasain’i Jehovah niaritra izany fahafaham-baraka izany izy. Fa nahoana? Te hampita lesona momba ny tsy fivadihana sy ny famelan-keloka i Jehovah. Nivadika taminy mantsy ny fanjakana tany avaratra, toy ny ataon’ny vehivavy manitsakitsa-bady. Mbola tia ny vahoakany anefa izy ka niezaka nanampy azy ireo hibebaka. Tena hampahery antsika ny handinika momba izany.

12. Inona no soa raisinao avy amin’ny fandinihana ny ohatr’i Mika sy ny vokatry ny fitoriany?

12 Hitanao hoe tsy mora ve ny manana fahasahiana sy miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, amin’izao fotoan-tsarotra izao? Hanahaka an’i Mika anefa ianao, raha manana an’ireo toetra ireo. Niara-belona tamin’i Hosea sy Isaia izy, ary nanambara hafatra fanamelohana ho an’ny Joda sy Israely, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., tamin’ny andron’i Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’i Joda. Nanjaka ny fitondran-tena maharikoriko sy ny fanompoan-tsampy tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Rava izy io rehefa resin’ny Asyrianina i Samaria renivohiny, tamin’ny taona 740 T.K. Ny Joda kosa mbetika nankatò an’i Jehovah, mbetika nivadika taminy. Nampahery an’i Mika anefa ny nahita fa niato kely ny fanompoan-tsampy tao Joda noho ny fitoriana nataony, ka tsy nihatra indray ny loza efa nananontanona. Tena mampahery koa ny mahita fa misy olona mandray tsara ny hafatra torintsika!

NANAMBARA LOZA NANANONTANONA

13, 14. a) Nahoana no afaka manampy anao ny ohatr’i Zefania? b) Inona no vokatry ny fitorian’i Zefania?

13 Rehefa nihena ny herin’i Ejipta sy Asyria, dia i Babylona indray no lasa firenena matanjaka. Tsy ela dia nisy fiantraikany teo amin’ny firenen’ny Joda izany. Nisy mpaminany nirahin’Andriamanitra àry mba hampitandrina sy hananatra an’ireo mpivavaka taminy. Diniho ny nataon’ny mpaminany sasany, ary tadidio fa mitory hafatra fampitandremana toa azy ireo koa ny Kristianina ankehitriny.

14 Raha tsy maintsy ialanao ny fanao mahazatra ny fianakavianao mba hanaovanao ny sitrapon’i Jehovah, dia ho tsapanao tsara ny nanjo an’i Zefania. Angamba izy zafindohalik’i Hezekia Mpanjaka sady havan’i Josia Mpanjaka, ka anisan’ny fianakavian’ny mpanjakan’ny Joda ihany. Nankatò an’Andriamanitra anefa izy, ka nitory hafatra fanamelohana an’ireo mpitondra ratsy fanahy tao Joda. Ny hoe Zefania dia midika hoe “Nanafina i Jehovah.” Nasongadiny fa noho ny famindram-pon’Andriamanitra ihany ny olona iray, vao mety ‘ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.’ (Zefania 2:3) Soa ihany fa nisy vokany ny fahasahian’i Zefania nitory. Nanao fanovana i Josia Mpanjaka: Nesoriny ny sampy, namboariny izay simba tamin’ny tempoly, ary naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. (2 Mpanjaka, toko faha-22-23) Azo antoka fa nanampy na nanoro hevitra an’ilay mpanjaka tanora i Zefania sy ny mpaminany hafa, dia i Nahoma sy Jeremia. Mampalahelo anefa fa tsy tena nibebaka ny ankamaroan’ny Jiosy. Nanompo sampy indray izy ireo, rehefa maty tany an’ady i Josia. Koa tsy ela dia nentina ho babo tany Babylona izy ireo.

15. a) Nahoana i Ninive no mendrika ny fanamelohana nambaran’i Nahoma? b) Inona no azonao ianarana avy tamin’izay nanjo an’i Ninive?

15 Angamba ianao mieritreritra ny tenanao hoe tsy misy vidiny na tsy misy miraharaha. Voninahitra lehibe anefa ny hoe “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”, na dia tsy malaza aza ny ankamaroantsika Kristianina. (1 Korintianina 3:9) Toy izany koa, fa tsy misy zavatra fantatsika momba an’i Nahoma mpaminany, afa-tsy ny hoe avy any amin’ny tanàna kelin’i Elkosa izy, izay angamba tany Joda. Mavesa-danja sy mafonja anefa ny hafatra notoriny. Nanambara fanamelohana an’i Ninive, renivohitry ny Fanjakana Asyrianina, mantsy izy. Nibebaka ny mponina tao rehefa nitorian’i Jona, saingy tsy ela dia niverina tamin’ny fanaony taloha indray. Hita tamin’ny sary sokitra vato avy tany Ninive fa “tanàna mpandatsa-dra” izy io. (Nahoma 3:1) Asehon’ireny sary ireny fa nampijalina tamin-kabibiana ireo babo an’ady. Nambaran’i Nahoma mazava tsara àry fa ho foana tanteraka io tanàna io. Tanteraka ny faminaniany, ary ho toy izany koa ny hafatra torintsika ankehitriny.

16, 17. Raha ela tsy araka ny ieritreretanao azy ny fahatongavan’ny farany, inona no azonao ianarana avy ao amin’ny Habakoka?

16 Nisy diso fanantenana ireo olona taloha namaky Baiboly, satria tsy tonga tamin’izany ny andron’i Jehovah. Ny hafa indray kivy fa toa mbola tsy ampiharin’Andriamanitra ihany ny didim-pitsarany. Ary ahoana ny aminao? I Habakoka kosa nilaza ny fanahiany toy izao: ‘Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy, nefa tsy henoinao? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako?’—Habakoka 1:2, 3.

17 Nisy korontana tany Joda tamin’ny fotoana naminanian’i Habakoka, ary nanjaka ny tsy rariny sy ny herisetra. Taorian’ny nanjakan’i Josia mpanjaka tsara fanahy izany, fa talohan’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Nampitandrina i Habakoka fa tsy ho voaro amin’ny fanafihan’i Babylona ny Joda, na dia niray dina tamin’i Ejipta aza. Nampiasa teny manaitra sy mazava tsara izy. Mampahery koa ny nilazany hoe: ‘Ny olo-marina ho velona noho ny tsy fivadihany.’ (Habakoka 2:4) Tena zava-dehibe amintsika ireo teny ireo, satria naverin’ny apostoly Paoly intelo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Romanina 1:17; Galatianina 3:11; Hebreo 10:38) Nanome toky antsika koa i Jehovah, tamin’ny alalan’i Habakoka, hoe: “Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana ... Tsy ho tara izany.”—Habakoka 2:3.

18. Nahoana no nasain’i Jehovah nanambara fanamelohana an’i Edoma i Obadia?

18 I Obadia mpaminany no nanoratra ny boky fohy indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo, satria 21 monja ireo andininy ao. Ny hany fantatsika momba azy dia hoe nanambara fanamelohana an’i Edoma izy. Taranaky ny rahalahin’i Jakoba ny Edomita, ka ‘rahalahin’ny’ Israelita ihany, raha ny marina. (Deoteronomia 23:7) Tsy nentin’ny Edomita toy ny rahalahiny mihitsy anefa ny vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny 607 T.K. tany ho any no nanoratan’i Obadia ny bokiny. Nosakanan’ny Edomita ny lalana tamin’izay, ka natolony an’ireo Babylonianina fahavalo izay Jiosy nandositra. Nambaran’i Jehovah àry fa ho rava tanteraka i Edoma, ary izany tokoa no nitranga. Zara raha misy zavatra fantatsika momba an’i Obadia, toy ny tamin’i Nahoma ihany. Tena mampahery anefa ny mahita fa ampiasain’i Jehovah ho mpitondra hafatra ny olona tsy dia fantatra akory!—1 Korintianina 1:26-29.

NANDRISIKA, NAMPIONONA, NAMPITANDRINA

19. Inona no hafatra notorin’i Hagay izay nandrisika ny vahoakan’Andriamanitra?

19 I Hagay no voalohany tamin’ireo mpaminany telo naminany taorian’ny nodian’ny Jiosy avy tany an-tsesitany tany Babylona, tamin’ny taona 537 T.K. Nety ho anisan’ireo nody voalohany izy. Niara-niasa tamin’i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe ary Zakaria mpaminany izy, ka niezaka nandrisika ny Jiosy hanohitra ny fahavalo sy tsy ho matimatin-karena. Tsy nazoto nanorina ny tempolin’i Jehovah intsony mantsy izy ireo, nefa izany no antony nodiany. Nila nifantoka tamin’izany asa izany àry ny Jiosy. Efatra ny hafatra nampitain’i Hagay tamin’ny taona 520 T.K., ary samy nanasongadina ny anaran’i Jehovah sy ny zony hitondra izany. Ho hitanao fa miverimberina in-14 ao amin’ilay boky ny anarana hoe “Jehovah Tompon’ny tafika.” Nandrisika an’ireo Jiosy hanorina indray ny tempoly ny hafatra mafonja nampitain’i Hagay. Tsy mampahery anao koa ve ny mahalala fa tsy misy fetra ny herin’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, izay afaka mibaiko tafik’anjely maro be?—Isaia 1:24; Jeremia 32:17, 18.

20. Nanao ahoana ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Zakaria?

20 Mety ho kivy ianao indraindray mahita fa tsy manana zotom-po firy ny mpanompon’Andriamanitra sasany. Kivy toy izany koa i Zakaria mpaminany. Nasaina nampirisika ny Jiosy hamita ny fanorenana ny tempoly izy sy Hagay. Tsy mora izany, satria nanao izay tiany fotsiny ny olona. Niezaka mafy àry i Zakaria mba handrisihana azy ireo hanana finoana matanjaka ka hanao ilay asa goavana. Nahomby ihany anefa ny ezaka nataony. Nanoratra faminaniana maro momba an’i Kristy koa izy. Tena mampahery antsika àry ilay hafatra hoe tsy hanadino an’izay mitady sitraka aminy i “Jehovah Tompon’ny tafika.”—Zakaria 1:3.

HO AVY NY MESIA

21. a) Nahoana no tena nilaina ny hafatr’i Malakia? b) Inona no fanomezan-toky ao amin’ny bokin’i Malakia?

21 I Malakia no farany amin’ireo mpaminany 12. Ny hoe Malakia dia midika hoe “Ny Irako”, ary izany tokoa no asan’i Malakia, izay velona tamin’ny taona 450 T.K. tany ho any. Tsy misy zavatra fantatsika firy momba azy, kanefa asehon’ny faminaniany fa tsy mba natahotra niteny mafy ny vahoakan’Andriamanitra izy, noho ny fahotan’izy ireo sy ny fihatsarambelatsihiny. Nitovy tamin’izay notantarain’i Nehemia ny zavatra noresahin’i Malakia. Angamba niara-belona izy roa lahy. Nahoana no tena nilaina ny hafatra notorin’i Malakia? Nanjary be zotom-po sy nafana fo ny Jiosy rehefa avy nampirisihin’i Zakaria sy Hagay, taona vitsivitsy talohan’izay. Lasa tsy niraika indray anefa izy ireo ka nanao tsirambina ny fivavahana madio. Feno fahasahiana àry i Malakia nanameloka an’ireo mpisorona nirehareha sy nihatsaravelatsihy. Nomeny tsiny koa ny vahoaka satria tsy vokatry ny fo ny fanompoan’izy ireo. Nokianiny koa ny sorona nataon’izy ireo. Na izany aza, dia nanome toky ny Tenin’Andriamanitra fa hisy hoavy mahafinaritra. Nambaran’i Malakia ny fiavian’i Jaona Mpanao Batisa, izay mpialoha lalana ny Mesia na Kristy, sy ny fiavian’ny Mesia. Mampahery ny fampanantenana ao amin’ilay boky farany ao amin’ny Soratra Hebreo hoe “hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana” ireo matahotra ny anaran’Andriamanitra.—Malakia 4:2, 5, 6.

22. Ahoana no fahitanao an’ireo mpaminany 12 sy ny hafatra notoriny?

22 Nanam-pinoana sy natoky an’Andriamanitra tokoa ireo lehilahy nanoratra ny boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo. (Hebreo 11:32; 12:1) Fianarana lehibe ho antsika ny modely navelan’izy ireo sy ny hafatra notoriny, eo am-piandrasantsika ny “andron’i Jehovah.” (2 Petera 3:10) Ho hitanao ao amin’ny toko manaraka fa mety hisy vokany amin’ny hoavinao mandrakizay ireny hafatra ireny!

^ feh. 4 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy.”

^ feh. 4 Ampitahao amin’ilay tabilao eo amin’ny pejy 20 sy 21. Ho hitanao ao, ohatra, fa tamin’ny fotoana naminanian’i Isaia tao Jerosalema no nanompoan’i Mika sy Hosea.