Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toko Faha-3

Nanambara ny Andron’i Jehovah Ireo Mpaminany 12

Nanambara ny Andron’i Jehovah Ireo Mpaminany 12

1, 2. a) Inona no foto-kevitra lehibe noresahin’ireo mpaminany 12? b) Porofoy fa niresaka mivantana an’ilay andron’i Jehovah ny mpaminany sasany.

“AKAIKY ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” (Zefania 1:14) Efa nampitandrina imbetsaka ireo mpaminany fa antomotra ny andron’i Jehovah. Nasongadin’izy ireo fa tokony hisy vokany eo amin’ny fiainan’ny olona andavanandro sy ny fitondran-tenany ary ny zavatra ataony, ny fiavian’io andro io. Maika foana ny hafatra nambaran’izy ireo. Raha ianao no nandre izany, inona no ho nataonao?

2 Samy niresaka an’ilay andron’i Jehovah ireo mpaminany 12. Niresaka azy io mivantana ny sasany fa ny hafa kosa tsy mivantana. * Io no foto-kevitra naverimberin’izy ireo. Handinika azy io isika, alohan’ny hijerena ny fanazavana mahasoa nomen’ireo mpaminany ireo. Enina izy ireo no nampiasa an’ilay teny hoe andron’i Jehovah, na teny mitovitovy amin’izany. Niresaka ny amin’ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra”, ohatra, i Joela. (Joela 1:15; 2:1, 2, 30-32) I Amosa indray nilaza tamin’ny Israelita mba hiomana hifanatrika amin’Andriamanitra, satria ho avy ny andron’i Jehovah. (Amosa 4:12; 5:18) I Zefania kosa nanonona an’ireo teny eo amin’ny fehintsoratra voalohany. I Obadia indray nampitandrina toy izao, talohan’ny nandravana an’i Jerosalema: “Efa akaiky ny andro hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra.”—Obadia 15.

Efa akaiky toy ny oram-baratra mitatao “ny andro lehiben’i Jehovah””

3. Nahoana isika no milaza fa niresaka momba ny andron’i Jehovah koa ny mpaminany taorian’ny sesitany?

3 Nampiasa teny mitovitovy amin’izany koa ny mpaminany roa nirahina tany amin’ireo Jiosy, taorian’ny sesitany. I Zakaria, ohatra, niresaka ny amin’ilay andro handringanana ny firenena rehetra hamely an’i Jerosalema. Nolazainy izay hitranga amin’ilay “andro iray ho fantatra ho andron’i Jehovah.” (Zakaria 12:9; 14:7, 12-15) I Malakia kosa nampitandrina ny vahoakan’Andriamanitra fa ho avy ilay “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.”—Malakia 4:1-5.

4. Inona no nolazain’ny sasany tamin’ireo mpaminany 12 momba ny andron’i Jehovah?

4 Niresaka an’io andro io koa ny mpaminany hafa anisan’ireo 12, na dia tsy nampiasa ny teny hoe “andron’i Jehovah” aza. Nilaza i Hosea fa hataon’i Jehovah ampamoaka ny Israely sy Joda. (Hosea 8:13, 14; 9:9; 12:2) Noresahin’ireo mpaminany koa ny zavatra nataon’i Jehovah. Nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba an’i Ninive, ohatra, i Jona. I Mika kosa nilaza izay hitranga rehefa hamely an’ireo firenena mpikomy Andriamanitra. (Jona 3:4; Mika 1:2-5) Nampanantena i Nahoma fa hamaly ny fahavalony araka izay nataon’izy ireo, i Jehovah. (Nahoma 1:2, 3) I Habakoka indray nitalaho mba hisian’ny rariny, ary niresaka ny amin’ny “andro fahoriana.” (Habakoka 1:1-4, 7; 3:16) Mahakasika ny tena Kristianina ny zavatra hitranga sasany nambaran’ireo mpaminany ireo. Nilaza, ohatra, i Hagay izay anisan’ireo mpaminany taorian’ny sesitany, fa hohozongozonina ireo firenena. (Hagay 2:6, 7) Teny tao amin’ny Hagay 2:6 no nalain’ny apostoly Paoly, mba hampirisihana ny Kristianina ho mendrika eo anatrehan’Andriamanitra, rehefa hesorina ny lanitra an’ohatra anjakan’ny faharatsiana.—Hebreo 12:25-29; Apokalypsy 21:1.

INONA MOA NY ANDRON’I JEHOVAH?

5, 6. Hanao ahoana ny andron’i Jehovah, araka ny tenin’ireo mpaminany?

5 Rariny raha manontany tena ianao hoe: ‘Hanao ahoana izany andron’i Jehovah izany? Mahakasika ny fiainako ankehitriny sy amin’ny hoavy ve izany?’ Araka ny nolazain’ny mpaminany, dia andro hiadiana sy andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny fahavalony izany. Mety hisy zava-mahagaga hitranga eny amin’ny lanitra amin’izany andro mampahatahotra izany. “Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana, ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana.” (Joela 2:2, 11, 30, 31; 3:15; Amosa 5:18; 8:9) Inona kosa no hitranga etỳ an-tany? Hoy i Mika: “Hitsonika eo ambany [tongotr’i Jehovah] ny tendrombohitra, ary hitresaka ny lemaka iva, toy ny savoka taninin’ny afo, sy toy ny rano araraka eny amin’ny hantsana.” (Mika 1:4) Mety ho sary an’ohatra fotsiny io, kanefa azo inoana fa hitondra loza ho an’ny tany sy ny mponina eo aminy izay hataon’Andriamanitra. Tsy ny olon-drehetra anefa no hiharan’izany. Nilaza mantsy ireo mpaminany fa hahazo fitahiana maro ireo ‘mitady izay tsara’, ka ho velona.—Amosa 5:14; Joela 3:17, 18; Mika 4:3, 4.

6 Mbola mahavariana kokoa aza ny zavatra noresahin’ny sasany tamin’ireo mpaminany 12. Nilaza i Habakoka fa hopotipotehin’i Jehovah “ireo tendrombohitra mandrakizay” ary haetriny “ireo havoana maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra”, izany hoe ireo fikambanana naorin’olombelona izay toy ny hoe haharitra. (Habakoka 3:6-12) “Andro fahatezerana” tokoa ny andron’i Jehovah, “andro fahoriana sy fijaliana, andro hisian’ny tafiotra sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.”—Zefania 1:14-17.

7. Inona ny loza amin’antambo hitranga, ary ahoana no hahatanterahan’izany?

7 Alao sary an-tsaina ny loza amin’antambo hanjo an’ireo miady amin’Andriamanitra! “Ho lo ny nofony raha mbola eo am-pitsanganana izy, ho lo ny masony ao anaty taolamasony, ary ho lo ao am-bavany ny lelany.” (Zakaria 14:12) Tsy fantatra raha ho tanteraka ara-bakiteny izany na tsia, nefa tena ho loza tokoa izany! Ho ‘lo ny lelan’ny’ fahavalon’Andriamanitra, amin’ny heviny hoe tsy afaka hihantsy ady intsony izy ireo. Ary “ho lo ny masony”, amin’ny heviny hoe handamòka ny hevitra hitan’izy ireo hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra.

ANDRIAMANITRA FITIAVANA VE DIA HANAO IZANY?

8, 9. a) Inona no tokony hodinihinao mba hahatakaranao ny antony handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy? b) Nahoana no tokony ho hita amin’ny fomba fiainanao andavanandro fa tsy mivadika amin’i Jehovah ianao?

8 Angamba ianao efa nahare olona niteny hoe: ‘Fa nahoana Andriamanitra no hahatonga loza toy izany amin’ny fahavalony, nefa izy be fitiavana? Fa angaha izy tsy maintsy manao an’izany? Angaha moa i Jesosy tsy nampirisika antsika ho tia ny fahavalontsika, mba ho tonga zanaky ny Ray any an-danitra isika?’ (Matio 5:44, 45) Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia tsara aloha ny handinihana ny niandohan’ny olana manjo ny olombelona. Noforonin’Andriamanitra araka ny endriny ny mpivady voalohany sady misy itovizana aminy, ka lavorary. Noho ny nataon’izy ireo anefa, dia lasa mpanota sy maty ny olona rehetra, anisan’izany isika. Niandany tamin’i Satana Devoly izy ireo, rehefa nipoitra ilay adihevitra hoe iza no manan-jo hitondra ny olombelona. (Genesisy 1:26; 3:1-19) Niezaka nanaporofo foana i Satana, tatỳ aoriana, fa raha misy mitaona hivadika ny olona, dia tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Fantatrao tsara anefa fa tsy nahomby i Satana. Tsy nivadika mihitsy i Jesosy Kristy sy ny mpanompon’i Jehovah maro hafa, ka noporofoin’izy ireo fa fitiavana no nanompoany azy. (Hebreo 12:1-3) Azo antoka fa mbola mahafantatra olona maro hafa toy izany ianao!

9 Mahakasika anao koa io adihevitra io, izay ho voalamina rehefa hofoanan’i Jehovah ny faharatsiana. Nilaza, ohatra, ny sasany tamin’ireo mpaminany 12, fa nanao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah ny olona nilomano tao anatin’ny harena. Nanarin’izy ireo àry ny vahoakan’Andriamanitra mba hanova ny fiainany. Hoy izy ireo: “Mba diniho ihany ny ataonareo.” (Hagay 1:2-5; 2:15, 18; Amosa 3:14, 15; 5:4-6) Natoron’izy ireo ny fomba fiaina tsara indrindra. Nanaiky an’i Jehovah ho Mpanjakany izay nanaiky an’io anatra io, ka nanaporofo fa mpandainga i Satana. Tsy hivadika amin’izy ireny i Jehovah rehefa haringany ny fahavalony.—2 Samoela 22:26.

10. Nahoana koa i Jehovah no handringana, rehefa dinihina ny zava-nisy tamin’ny andron’i Mika?

10 Misy antony hafa koa mahatonga an’Andriamanitra handringana. Eritrereto izay nitranga tamin’ny taonjato fahavalo T.K. rehefa naminany tany Joda i Mika. Zara raha nahitana olo-marina tany Joda, toy ny tanimboaloboka na saham-boankazo tsy nahitana voaloboka na aviavy intsony taorian’ny fotoam-piotazana. Nihaza an’ireo mpiara-belona taminy ny Israelita, toy ny hoe niafina mba handatsa-dra. Nitady tombony koa ny mpitondra sy ny mpitsara. (Mika 7:1-4) Inona no ho tsapanao raha toy izany ny manodidina anao? Azo inoana fa ho nangoraka an’ireo olona tsy nanan-tsiny izay nampahorina ianao. Koa mainka moa fa i Jehovah! Mandinika ny olombelona koa izy ankehitriny. Inona no hitany, araka ny hevitrao? Olona manao tsindry hazo lena sy mihetraketraka amin’ny mpiara-belona aminy. Azo lazaina ho vitsy ihany ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra, raha ampitahaina amin’ny mponina eran-tany. Aza kivy anefa! Mbola hanome rariny an’ireo nampahorina i Jehovah, satria tiany izy ireo.—Ezekiela 9:4-7.

11. a) Hanao ahoana ireo matahotra an’Andriamanitra, amin’ny andron’i Jehovah? b) Inona no vokatry ny fampitandreman’i Jona tamin’ny Ninivita?

11 Ho ringana àry ny fahavalon’Andriamanitra rehefa tonga ny andron’i Jehovah. Ho voavonjy kosa izay matahotra an’i Jehovah sy manompo azy. * Nilaza i Mika fa hitanjozotra ho any amin’ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah ireo firenena, ka hisy fiadanana sy firaisan-tsaina eran-tany. (Mika 4:1-4) Nanova ny fiainan’ny olona tamin’izany ve ny nilazan’ireo mpaminany fa ho avy ny andron’i Jehovah? Eny, niova ny sasany. Tadidio fa lasa “nino an’Andriamanitra” sy “niala tamin’ny lalan-dratsiny” ny Ninivita nahery setra sy ratsy fanahy, rehefa nambaran’i Jona taminy ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Tsy nahatonga loza tamin’izy ireo indray àry i Jehovah. (Jona 3:5, 10) Niova tokoa ny Ninivita rehefa nandre an’ilay fampitandremana!

Nahoana no mampahery antsika ny nataon’ireo Ninivita nandre ny hafatr’i Jona?

MAHAKASIKA ANAO VE IO ANDRO IO?

12, 13. a) Naminany momba an’iza ireo mpaminany 12? b) Nahoana isika no milaza fa mbola hisy ho tanteraka ela be atỳ aoriana ny faminaniana ao amin’ireo boky 12?

12 Mety hisy anefa hilaza hoe: ‘Efa taloha ela be ange ireo mpaminany ireo e! Tsy mahakasika ahy ny hafatra notoriny momba ny andron’i Jehovah.’ Marina fa efa niaina taona maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy izy ireo, nefa tena mahakasika antsika amin’izao taonjato faha-21 izao ny hafatr’izy ireo. Inona no soa horaisintsika avy amin’izay nolazainy? Misy zavatra tokony homarihintsika aloha, mba hahitana fa zava-dehibe sy mahasoa ny hafatr’izy ireo. Ny Israely sy Joda sy ny firenena manodidina azy, ary ireo firenena natanjaka tamin’izany, no nampitandreman’ireo mpaminany momba ny andron’i Jehovah. * Ary tanteraka ireny faminaniana ireny! Notafihin’ny Asyrianina tokoa i Samaria, lao i Joda tamin’ny 607 T.K., ary tsy ela dia fongotra ireo firenena fahavalo nanodidina azy ireo. Resy koa i Asyria sy Babylona, izay samy firenena natanjaka, ka tanteraka ny faminaniana.

Nilaza i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33 fa tanteraka ny faminanian’i Joela. Tanteraka amin’ny androntsika koa izy io

13 Eritrereto koa izay nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33, ela be taorian’ny nahatanterahan’ny ankamaroan’ireo faminaniana ireo. Nilaza ny apostoly Petera fa tanteraka ny faminanian’i Joela, rehefa nandatsaka ny fanahiny masina Andriamanitra tamin’io andro io. Avy eo dia naka teny tao amin’ny bokin’i Joela izy, manao hoe: “Ny masoandro hovana ho haizina ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.” (Asan’ny Apostoly 2:20) Midika izany fa mbola misy fahatanterahany hafa ireo faminaniana momba ny andron’i Jehovah. Tanteraka fanindroany ny faminanian’i Joela tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema. Fotoana nanjombona izany sady nandriaka ny ra!

14, 15. a) Nahoana no mahakasika antsika ireo faminaniana momba ny andron’i Jehovah? b) Rahoviana no ho avy ny andron’i Jehovah?

14 Mbola hisy fahatanterahany farany amintsika, amin’izao taonjato faha-21 izao, anefa ny faminanian’i Joela sy ny faminaniana hafa momba ny andron’i Jehovah. Nahoana isika no milaza izany? Nampirisihin’i Petera ny Kristianina mba ‘hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah.’ Hoy koa izy: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:12, 13) Tsy nisy lanitra vaovao (fitondram-panjakana vaovao naorin’Andriamanitra) sy tany vaovao (olo-marina fehezin’izany fitondrana izany) anefa taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70. Koa tsy maintsy hisy fahatanterahany hafa àry ireo faminaniana momba ny andron’i Jehovah. Mahakasika antsika velona amin’izao “fotoan-tsarotra” izao tokoa izy ireny!—2 Timoty 3:1.

15 Mampahatsiahy ny tenin’i Jesosy Kristy ny zavatra nolazain’ireo mpaminany 12 momba ny andron’i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Nolazainy koa izay hitranga “avy hatrany” aorian’ny fiandohan’ny fahoriana lehibe. “Ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” (Matio 24:21, 29) Manampy antsika izany hamantatra fa tena antomotra ny andron’i Jehovah. Efa tena antomotra izy io. Milaza ny Soratra Masina fa horavana i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra, mandritra ny fahoriana lehibe. Hahatratra ny fara tampony io fahoriana io, na ny andron’i Jehovah, rehefa hofongorany tsy hisy etỳ an-tany ny fahavalony.—Apokalypsy 17:5, 12-18; 19:11-21.

16. Ahoana no mbola hahatanterahan’ny faminaniana momba ny andron’i Jehovah?

16 Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba ny andron’i Jehovah. Misy lafiny samihafa mampiavaka ny fivavahan-diso, ary matetika izy ireny no mifanitsy amin’i Jerosalema mpivadi-pinoana, Samaria mpikomy, ny Edomita feno fankahalana, ny Asyrianina nahery setra, ary ny Babylonianina. Ho ringana daholo ny fivavahan-diso eo am-piandohan’ny fahoriana lehibe, na ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” Aorian’izay, kanefa mandritra io andro io ihany, dia hofoanana ireo sakaizany ara-politika sy ara-barotra.—Joela 2:31.

AOKA IANAO HO VONONA

17, 18. a) Nahoana i Amosa no nilaza fa hahita loza izay “maniry mafy ny hiavian’ny andron’i Jehovah”? b) Inona no hanjo an’ireo tsy vonona ho amin’ny andron’i Jehovah?

17 Misy Kristianina mihevitra fa tsy hahakasika azy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, satria ny fivavahan-diso no tena hiharan’ilay didim-pitsarana. Natao ho antsika rehetra anefa ny tenin’i Amosa tamin’ny Israelita hoe: “Lozan’izay maniry mafy ny hiavian’ny andron’i Jehovah!” Nihevitra ny Israelita sasany fa tsy hitondra afa-tsy fitahiana ho azy ny andron’i Jehovah, satria hanao zavatra ho an’ny vahoakany Andriamanitra amin’izay. Naniry mafy ny hiavian’ilay andro mihitsy aza izy ireo! Nilaza tamin’ireo mpirehareha ireo anefa i Amosa hoe: “Fa ho inona ho anareo moa ny andron’i Jehovah? Ho haizina izany fa tsy hazavana.” Hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah tokoa ireo Israelita ireo!—Amosa 5:18.

18 Noresahin’i Amosa avy eo izay hanjo an’ireo maniry mafy ny hiavian’ny andron’i Jehovah. Alao sary an-tsaina ny olona iray mandositra liona, nefa sendra orsa. Mandositra an’ilay orsa indray izy, ka mitsoaka mankao an-trano. Misefosefo erỳ izy manidy ny varavarana sy miankina amin’ny rindrina, kanjo kaikerin’ny bibilava indray! Ho toy izany no hiafaran’ireo tsy tena vonona ho amin’ny andron’i Jehovah.—Amosa 5:19.

Toa an’i Mika, aoka ianao ho vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena

19. Ahoana no iomanantsika ho amin’ny andron’i Jehovah?

19 Inona ny lesona azonao tsoahina avy amin’io fitantarana io? Tadidio fa vahoaka efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra no niresahan’i Amosa. Nila nahitsy anefa ny zavatra sasany nataon’izy ireo sy ny toe-tsainy. Tsy tsara àry ve raha mandinika ny fiainanao ianao? Vonona ho amin’ny andron’i Jehovah ve ianao? Sao dia misy fanitsiana ilainao hatao? Ahoana no ampisehoanao fa tena vonona tokoa ianao? Tsy ilaina ny manamboatra toerana hisitrihana, na mitahiry sakafo, na mianatra manadio rano, na manangona volamena, toy ny ataon’ny olona any amin’ny toerana sasany. Hoy mantsy i Zefania: “Na ny volafotsiny na ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Tsy izay mahangona zavatra àry no atao hoe vonona. (Zefania 1:18; Ohabolana 11:4; Ezekiela 7:19) Tokony ho mailo kosa isika ary ho vonona foana isan’andro. Mila manana toe-tsaina tsara isika, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Hoy i Mika: “Izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko. Vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy aho.”—Mika 7:7.

20. Tsy hanahy ny amin’inona isika raha vonona hiandry?

20 Raha izany no toe-tsainao, dia ho hita fa vonona ianao sady miandrandra ny andron’i Jehovah. Tsy hanahy ianao hoe rahoviana marina no ho tonga io andro io, na hitaraina hoe efa ela no niandrasanao azy. Ho tanteraka amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah ny faminaniana rehetra momba azy io, ary tsy ho tara. Hoy izy tamin’i Habakoka: “Mbola ho amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Ary na dia ela fiavy aza izany [amin’ny olombelona], dia andraso ihany, fa tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany [amin’i Jehovah].”—Habakoka 2:3.

21. Inona avy no soa horaisinao ato amin’ity boky ity?

21 Hianaranao ato hoe ahoana no hampisehoana fa vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ianao. Hifantoka amin’ireo boky tsy dia fantatrao ao amin’ny Baiboly izy ity, dia ireo boky 12 manomboka amin’ny Hosea ka hatramin’ny Malakia. Inona avy àry no soa horaisinao? Ho takatrao ireo hevitra mahaliana ao amin’ireo boky ireo. Hodinihina ao amin’ny Fizarana faha-2, ohatra, hoe ahoana no ‘hitadiavana an’i Jehovah’ mba ho velona. (Amosa 5:4, 6) Ho hitanao ao amin’ireo boky 12 ny fomba hahafantaranao bebe kokoa an’i Jehovah, sy hahatakaranao tsara kokoa fa zava-dehibe ny manompo azy, ary ny fomba hanitaranao ny fanompoanao. Hanjary ho fantatrao kokoa ny toetrany. Ho hitanao ao amin’ny Fizarana faha-3 kosa izay takin’i Jehovah aminao, rehefa mifandray amin’ny fianakavianao na ny olon-kafa ianao. Hanampy anao hiomana ho amin’ny androny lehibe izany. Farany, dia ho hitanao ao amin’ny Fizarana faha-4 ny toe-tsaina tokony hanananao, arakaraka ny hanatonan’ny andron’i Jehovah. Hianaranao koa hoe inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fanompoanao. Azo antoka fa ho faly be ianao handinika izay nolazain’ireo mpaminany momba an’izay mety ho fiainanao amin’ny hoavy.

22. Inona no tokony ho vokatry ny fandinihanao ny torohevitr’ireo mpaminany 12?

22 Tadidinao ve ny hafatra maika nolazain’i Zefania teo am-piandohan’ity toko ity? (Zefania 1:14) Nanova ny fiainan’i Josia Mpanjaka izany. Vao 16 taona izy, dia efa nanomboka nitady an’i Jehovah. Nanomboka namongotra ny fanompoan-tsampy izy tamin’izy 20 taona, vokatry ny fampirisihan’i Zefania an’ireo mponin’i Joda sy Jerosalema. (2 Tantara 34:1-8; Zefania 1:3-6) Misy vokany eo amin’ny fiainanao andavanandro koa ve ny fampitandremana momba ny andron’i Jehovah? Andeha hojerentsika ny fomba hanampian’ireo mpaminany 12 antsika tsirairay.

^ feh. 2 Nampitandrina momba ny andron’i Jehovah koa i Isaia, izay niara-belona tamin’ireo mpaminany dimy voalohany, sy Ezekiela izay niara-belona tamin’ireo mpaminany efatra nanaraka.—Isaia 13:6, 9; Ezekiela 7:19; 13:5; jereo ny Toko faha-2 amin’ity boky ity, fehintsoratra 4-6.

^ feh. 12 Nampitandrina firenena maromaro ny sasany tamin’ireo mpaminany 12, fa tsy firenena iray monja.