Tatitra Maneran-tany 2022
Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: 86
Tany Nanao Tatitra: 239
Tontalin’ny Fiangonana: 117 960
Mpanatrika ny Fahatsiarovana Eran-tany: 19 721 672
Nihinana Mofo sy Nisotro Divay Tamin’ny Fahatsiarovana: 21 150
Tampon’isan’ny Mpitory a: 8 699 048
Salanisan’ny Mpitory Isam-bolana: 8 514 983
Fitomboana Isan-jato Oharina Amin’ny Tamin’ny 2021: 0,4
Tontalin’ny Natao Batisa b: 145 552
Salanisan’ny Mpisava Lalana c Isam-bolana: 1 489 252
Salanisan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Isam-bolana: 381 310
Tontalin’ny Ora Lany Teny Amin’ny Saha: 1 501 797 703
Salanisan’ny Fampianarana Baiboly d Isam-bolana: 5 666 996
Nandritra ny taom-panompoana 2022, e dia 242 tapitrisa dolara no lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra ny faritra, teo amin’ny fanompoana nanendrena azy ireo avy. Misy 21 629 no manompo any amin’ireo biraon’ny sampana. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy rehetra.
a Ireo mitory tsy tapaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no antsoina hoe mpitory. (Matio 24:14) Manazava ny fomba anisana azy ireo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?”
b Manazava ny dingana tokony hataon’izay te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Inona no Tokony Hataoko Raha Te ho Lasa Vavolombelon’i Jehovah Aho?”
c Vavolombelona vita batisa sady fakan-tahaka ny mpisava lalana, ary manolo-tena hitory ny vaovao tsara mandritra ny ora voafaritra, isam-bolana.
d Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Mianatra Baiboly Miaraka Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?”
e Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2021 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2022 ny taom-panompoana 2022.