Hijery ny anatiny

Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?

Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?

Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?

Nahoana no Tokony Hamaky Baiboly Isika?

TSY toy ny boky hafa rehetra ny Baiboly, fa boky misy toromarika feno fitiavana avy amin’Andriamanitra. (1 Tesaloniana 2:13) Handray soa maro ianao raha mampihatra izay ampianarin’ny Baiboly. Hitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, ary ho akaiky azy kokoa ianao. (Jakoba 1:17) Ho hainao ny hanatona azy amin’ny vavaka. Ho tsapanao ny fanampian’Andriamanitra, ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Hanome fiainana mandrakizay ho anao izy, raha mampifanaraka ny fiainanao amin’ny fitsipika ao amin’ny Baiboly ianao.—Romana 6:23.

Mirakitra fahamarinana manome fahazavana ara-panahy ny Baiboly. Tsy andevozin’ny hevi-diso, toy ny olona an-tapitrisany maro intsony, ireo manana fahalalana ara-baiboly. Rehefa fantatsika, ohatra, ny marina momba izay mitranga amintsika aorian’ny fahafatesana, dia tsy hatahotra intsony isika hoe hanisy ratsy antsika ny maty, na hoe mijaly ireo havan-tiana na namantsika efa maty. (Ezekiela 18:4) Mampionona an’ireo maty havan-tiana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fananganana amin’ny maty. (Jaona 11:25) Mampitandrina antsika amin’ny loza ateraky ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ny fahalalana ny marina momba ny anjely ratsy fanahy, ary manampy antsika hahita ny antony miteraka ireo zava-manahirana maro eto an-tany.

Asehon’ireo fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny fomba fiaina mahasoa antsika ara-batana. Mahasalama, ohatra, ny ‘fahononan-tena’, na fahalalana onony. (1 Timoty 3:2) Mitandro ny fahasalamantsika isika raha ‘manadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy.’ (2 Korintiana 7:1) Manjary miadana am-panambadiana sy mahatsiaro ho misy vidiny isika, raha ampiharintsika ny torohevitr’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—1 Korintiana 6:18.

Ho sambatra kokoa ianao raha mampihatra ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika hahita fiadanana anaty sy fahafaham-po ary manome fanantenana antsika ny fahalalana ara-baiboly. Manampy antsika hanana toetra manintona toy ny fangoraham-po, fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy ary finoana, izy io. (Galatiana 5:22, 23; Efesiana 4:24, 32) Manampy antsika ho tonga olona tsara kokoa ireo toetra ireo, na lehilahy na vehivavy manambady isika, na ray na reny, na zanaka.

Efa nieritreritra momba ny hoavy ve ianao? Asehon’ireo faminanian’ny Baiboly amintsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Tsy vitan’ny hoe milazalaza ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny fotsiny izy ireny, fa mampiseho koa hoe tsy ho ela dia hanova ny tany ho paradisa Andriamanitra.—Apokalypsy 21:3, 4.

Fanampiana mba hahazoana izay vakina ao amin’ny Baiboly

Efa namaky Baiboly angamba ianao, nefa sarotra taminao ny nahazo izay novakinao. Mety tsy ho hainao hoe aiza ao amin’ny Baiboly no misy ny valin’ny fanontanianao. Tsy ianao irery no nandalo an’izany. Mila fanampiana isika rehetra mba hahazoana izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampianatra Baiboly maimaim-poana olona an-tapitrisany maro ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany 235 eo ho eo. Ho faly hanampy anao izy ireo.

Ny tsara indrindra matetika, dia ny mianatra Baiboly miandalana, ka ireo fampianarana fototra no anombohana azy. (Hebreo 6:1) Rehefa mandroso ny fianaranao, dia ho afaka handray “ventin-kanina”, izany hoe fahamarinana lalina kokoa, ianao. (Hebreo 5:14) Ny Baiboly no tena ianaranao. Hanampy anao hahazo ny hevitr’ireo andinin-teny mahakasika loha hevitra samy hafa ny boky sy gazety ara-baiboly, toy ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?

Hahafoy fotoana isan-kerinandro mba hianarana Baiboly ve ianao?

Azo atao amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mety aminao ilay fianarana. Maro no mianatra any an-tranony. Misy aza mianatra an-telefaonina. Tsy toy ny fianarana be olona any an-dakilasy ilay izy, fa amboarina araka ny tarehin-javatra misy anao, anisan’izany ny fari-pahalalanao sy ny fahaizanao. Tsy misy fanadinana, ary atao izay tsy hahasanganehana anao. Hovaliana ireo fanontanianao momba ny Baiboly ary hianatra hanatona an’Andriamanitra ianao.

Tsy andoavam-bola io fianarana Baiboly io. (Matio 10:8) Izy io dia atolotra maimaim-poana ny olona avy amin’ny fivavahana rehetra sy ireo tsy manana fivavahana, nefa maniry marina hampitombo ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra.

Iza avy no afaka miara-mianatra? Ny ankohonanao manontolo. Afaka manatrika eo koa izay namana tianao hasaina. Raha tianao koa, dia ianao irery no hampianarina.

Maro no manokana adiny iray isan-kerinandro mba hianarana Baiboly. Hiezaka hanampy anao ny Vavolombelona, raha afaka manokana fotoana mihoatra na latsaka noho izany isan-kerinandro ianao.

Fanasana hianatra

Manasa anao hifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Azonao atao, ohatra, ny manoratra any amin’ny iray amin’ireo adiresy etsy ambany. Avy eo dia hisy olona hasaina hitarika fianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranonao.

□ Andefaso an’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.

Fiteny:

□ Maniry hianatra Baiboly maimaim-poana atỳ an-tokantranoko aho.

Ireo andinin-teny rehetra ao amin’ny Baiboly dia nalaina avy tao amin’ny Fandikan-teny Protestanta (1997).