Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no anazavana ny Trinite?

Ahoana no anazavana ny Trinite?

Ahoana no anazavana ny Trinite?

HOY ny fiangonana katolika romana: “Ny Trinite dia teny ampiasaina hanondroana ny foto-pampianaran’ny fivavahana kristiana. (...) Araka ny fanekem-pinoan’i Athanase àry: ‘ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, kanefa tsy misy Andriamanitra telo fa Andriamanitra iray ihany.’ Ao amin’io Trinite io (...), ny persona rehetra dia samy mandrakizay sy mitovy: samy tsy noforonina sy manan-kery tsy hita lany izy ireo.” — Ny Firaketana katolika (anglisy).

Saiky manaiky izany avokoa ireo fiangonana hafa rehetra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ohatra, ny fiangonana ôrtôdôksa grika dia miantso koa ny Trinite hoe “foto-pampianaran’ny kristianisma”, ary milaza mihitsy aza izy hoe: “Ny kristiana dia ireo izay manaiky an’i Kristy ho Andriamanitra.” Ao amin’ilay boky hoe Ny finoantsika kristiana ôrtôdôksa (anglisy), io fiangonana io ihany dia milaza toy izao: “Telo izay iray Andriamanitra. (...) Ny Ray dia Andriamanitra feno. Ny Zanaka dia Andriamanitra feno. Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra feno.”

Araka izany, ny Trinite dia hoe “Andriamanitra tokana misy persona telo.” Lazaina ho tsy nanam-piandohana ny tsirairay avy amin’izy ireo, satria nisy hatrizay hatrizay. Lazaina ho tsitoha ny tsirairay avy aminy ka tsy misy ambony kokoa na ambany kokoa noho ny hafa.

Saro-takarina ve izany fomba fihevitra izany? Mpino tso-po maro be no mahita azy ho mampisafotofoto, mifanohitra amin’ny fiheverana ara-dalàna, tsy sahala amin’izay fahitany. Ahoana, hoy izy ireo, no hetezan’ny Ray ho Andriamanitra, i Jesosy ho Andriamanitra ary ny fanahy masina ho Andriamanitra, nefa tsy hisy Andriamanitra telo fa tokana ihany?

“Hevitra tsy takatry ny sain’olombelona”

MIELY patrana io fisafotofotoana io. Manamarika Ny Firaketana amerikana (anglisy) fa ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia heverina ho “hevitra tsy takatry ny sain’olombelona.”

Maro be amin’ireo manaiky ny Trinite no mitovy hevitra amin’izany. Milaza toy izao ny pretra iray antsoina hoe Eugene Clark: “Tokana Andriamanitra ary telo Andriamanitra. Koa satria tsy misy zavatra toy izany eo amin’ny zavatra noforonina, dia tsy afaka hahatakatra izany isika fa dia manaiky azy fotsiny.” Milaza ny kardinaly John O’Connor hoe: “Fantatsika fa mistery tena lalina izy io izay tsy takatsika mihitsy.” Miresaka azy io ho “ny zava-miafina tsy azo fantarina ny amin’ilay Andriamanitra Trinite” ny Papa Joany Paoly II.

Araka izany, dia hoy ny Rakibolan’ny fahalalana ara-pivavahana (anglisy): “Raha ny amin’ny hoe inona marina io fampianarana io, na ny marimarina kokoa, hoe amin’ny fomba ahoana marina no hanazavana azy, dia tsy mifanaraka eo amin’izy samy izy ny mpanohana ny Trinite.”

Azontsika atao àry ny mahatakatra ny antony anamarihan’ny Firaketana katolika vaovao (anglisy) hoe: “Vitsy ny mpampianatra teôlôjia manohana ny Trinite ao amin’ireo seminera katolika romana no tsy voahelingelin’ity fanontaniana ity indray mandeha teo amin’ny fampianarany: ‘Ahoana anefa no hampianarana ny Trinite’? Ary raha mampiharihary fisafotofotoana eo amin’ny mpianatra io fanontaniana io dia angamba mampiharihary fisafotofotoana mitovy amin’izany koa eo amin’ny mpampianatra azy.”

Azo hamarinina amin’ny fankanesana any amin’ny trano famakiam-boky sy ny fandinihana boky manohana ny Trinite ny fahamarinan’izay voalaza izay. Pejy tsy tambo isaina no nosoratana mba hanandramana manazava azy. Kanefa, taorian’ny ezaka mafy hivoahana avy ao amin’ireo teny sy fanazavana ara-teôlôjia mampisafotofoto maro be, dia mbola tsy afa-po ihany ireo mpanao fikarohana.

Momba izany, dia manamarika toy izao ilay jezoita atao hoe Joseph Bracken ao amin’ilay bokiny hoe Inona no lazain’izy ireo ny amin’ny Trinite? (anglisy): “Ireo pretra izay niezaka mafy nianatra (...) ny amin’ny Trinite nandritra ireo taona laniny tany amin’ny seminera dia mazava ho azy fa niahotra ny hiresaka ny amin’izy io eny ambony polipitra na dia amin’ny alahadin’ny Trinite aza. (...) Nahoana izy no hanorisory olona amin’ny zavatra iray izay tsy ho takany tsara akory tsinona?” Milaza koa izy hoe: “Zavatra inoana ara-pomba fotsiny ny Trinite, fa tsy misy [vokany] firy, na tsy misy [vokany] mihitsy, eo amin’ny fiainan’ny kristiana andavanandro na eo amin’ny fanompoam-pivavahany.” Kanefa dia “foto-pampianaran’ ”ireo fiangonana izy io!

Manamarika ilay teôlôjiana katolika atao hoe Hans Kiing ao amin’ilay bokiny hoe Ny kristianisma sy ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao (anglisy) fa ny Trinite dia antony iray tsy nahafahan’ireo fiangonana handroso lalina teo amin’ireo tsy kristiana. Hoy izy: “na dia ny miozilimana mahafanta-javatra aza dia tsy afaka mahatakatra tsotra izao ny hevitry ny Trinite, toy ny tsy nahafahan’ny jiosy hanao izany hatramin’izao. (...) Ireo fanavahana ataon’ny fampianarana ny amin’ny Trinite eo amin’Andriamanitra tokana sy telo dia tsy mahafa-po ny miozilimana izay misafotofoto saina, fa tsy nahazo fanazavana, noho ireo teny ara-teôlôjia nalaina avy amin’ny teny siriaka, grika sy latina. Hitan’ny miozilimana ho filalaovana amin’ny teny fotsiny izy io. (...) Nahoana ny olona iray no haniry hanampy zavatra hafa amin’ny maha-tokana sy ny maha-iray an’Andriamanitra izay tsy afaka afa-tsy ny hanatsatso na hanafoana io hevitra ny amin’ny maha-iray sy maha-tokana io?

“Tsy Andriamanitry ny fisafotofotoana”

AHOANA no nahafahan’io fampianarana mampisafotofoto io nipoitra? Manambara toy izao ny Firaketana katolika (anglisy): “Tsy maintsy ho avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny fampianarana mifono zava-miafina toy izany.” Manambara toy izao ny manam-pahaizana katolika roa atao hoe, Karl Rahner sy Herbert Vorgrimler, ao amin’ilay bokiny hoe, Rakibolana ara-teôlôjia (anglisy): “Ny Trinite dia zava-miafina (...) amin’ny heviny hentitra (...), izay tsy azo fantarina tsy misy fanambarana, ary na dia aorian’ny fanambarana aza dia tsy mety ho takatra tanteraka.”

Kanefa, ny fanantitranterana fa noho ny Trinite mifono zava-miafina mampisafotofoto, dia tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra izy io, dia mampipoitra zava-manahirana lehibe hafa. Nahoana? Satria ny fanambarana avy amin’Andriamanitra mihitsy dia tsy mifanaraka amin’io fomba fijery momba an’Andriamanitra io: “Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fisafotofotoana.” — 1 Korintiana 14:33, Revised Standard Version (RS).

Rehefa heverina amin’io filazana io, ahoana no haha-tompon’andraikitra an’Andriamanitra amin’ny fampianarana ny amin’ny tenany izay mampisafotofoto aoka izany hany ka na dia ireo manam-pahaizana momba ny teny hebreo, grika ary latina aza dia tsy tena afaka hanazava azy?

Ankoatra izany, moa ve tsy maintsy ho teôlôjiana vao ‘hahafantatra an’Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahiny’? (Jaona 17:3) Raha izany no izy, nahoana no vitsy aoka izany ireo mpitondra fivavahana jiosy nahita fianarana nanaiky an’i Jesosy ho Mesia? Ireo mpianany nahatoky kosa dia olon-tsotra mpamboly, mpanjono, mpamory hetra ary vehivavy mpikarakara tokantrano. Nino mafy izay nampianarin’i Jesosy ny amin’Andriamanitra io sarambabem-bahoaka io, hany ka afaka nampianatra ny hafa izany ary vonona ny ho faty noho ny finoany mihitsy aza. — Matio 15:1-9; 21:23-32, 43; 23:13-36; Jaona 7:45-49; Asan’ny apostoly 4:13.

[Sary, pejy 4]

Ny sarambabem-bahoaka tso-piaina no mpianatr’i Jesosy, fa tsy ireo mpitondra fivavahana.