Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ny amin’ireo “andinin-teny lazaina fa porofo” manamarina ny Trinite?

Ahoana ny amin’ireo “andinin-teny lazaina fa porofo” manamarina ny Trinite?

Ahoana ny amin’ireo “andinin-teny lazaina fa porofo” manamarina ny Trinite?

MISY milaza fa manolotra porofo manohana ny Trinite ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Kanefa, rehefa mamaky andinin-teny toy izany isika dia tokony hahatadidy ao an-tsaina fa tsy manohana ny Trinite ny fanaporofoana ara-baiboly sy ara-tantara.

Izay rehetra mety ho teny nalaina avy ao amin’ny Baiboly atolotra ho toy ny porofo dia tsy maintsy raisina mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly iray manontolo izay tsy miovaova. Matetika tokoa, ny tena hevitry ny andinin-teny toy izany dia voazavan’ireo andininy manodidina.

Telo mahaforona iray ihany

MANOLOTRA “andinin-teny lazaina fa porofo” toy izany telo ny Firaketana katolika vaovao saingy miaiky toy izao koa izy: “Tsy ampianarina ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] ny fampianarana ny amin’ny Trinite Masina. Ny porofo tranainy indrindra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia hita ao amin’ireo epistilin’i Paoly, indrindra fa ao amin’ny 2 Korintiana 13.13 [andininy faha-14 ao amin’ny Baiboly sasany] ary ao amin’ny 1 Korintiana 12.4-6. Ao amin’ireo Filazantsara, ny hany porofo mazava tsara ny amin’ny Trinite dia hita ao amin’ilay teny ampiasaina amin’ny batisa ao amin’ny Matio 28.19.”

Ao amin’ireo andininy ireo, ireo “persona” telo dia alahatra toy izao manaraka izao ao amin’ny Baiboly katolika. Ny 2 Korintiana 13:13 (14) dia mametraka azy telo ireo miaraka toy izao: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jeso-Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.” Milaza toy izao ny 1 Korintiana 12:4-6: “Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.” Ary vakina toy izao ny Matio 28:19: “Koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manao batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.”

Moa ve ireo andinin-teny ireo milaza fa Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina dia mahaforona Andriamanitra iray misy persona telo ka izy telo ireo dia mitovy raha ny amin’ny firafitra, ny hery ary ny maha-mandrakizay? Tsia, toy ny tsy ilazantsika fa mahaforona iray ihany ny olona telo rehefa alahatra toy ny ao amin’ny hoe i Koto sy i Naivo ary i Bema.

Miaiky ry McClintock sy Strong ao amin’ny Firaketana momba ny haisoratra ara-baiboly sy ara-teôlôjia ary ara-piangonana (anglisy) fa ireo andinin-teny nalaina ireo dia “manaporofo fotsiny hoe telo no tononina, (...) fa tsy manaporofo, raha izy irery fotsiny, fa izy telo ireo dia tsy maintsy manana ny toe-tena araka an’Andriamanitra sy ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fomba mitovy.”

Na dia manohana ny Trinite aza io boky io, dia milaza toy izao ny amin’ny 2 Korintiana 13:13 (14): “Tsy afaka manatsoaka hevitra ara-drariny isika fa hoe manana fahefana mitovy, na toe-tena mitovy izy ireo.” Ary hoy izy ny amin’ny Matio 28:18-20: “Io andinin-teny io fotsiny anefa dia tsy manome ny porofo farany ny amin’ny maha-izy ireo telo voatonona, na ny fitoviany, na ny maha-Andriamanitra azy.”

Fony natao batisa i Jesosy, Andriamanitra sy i Jesosy ary ny fanahy masina koa dia voatonona miaraka ao amin’ilay fitantarana. “Ary hitany [Jesosy] ny fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala ka nankeo amboniny.” (Matio 3:16, MN). Tsy milaza anefa izany fa iray ihany izy telo ireo. Voatonona miaraka imbetsaka ry Abrahama sy Isaka ary Jakoba, kanefa tsy mahatonga azy ireo ho iray izany. Tononina miaraka koa ry Petera sy Jaona ary Jakoba nefa tsy mahatonga azy ireo ho iray ihany koa izany. Afa-tsy izany koa, ny fanahin’Andriamanitra nidina teo ambonin’i Jesosy tamin’ny batisany dia nampiseho fa tsy voahosotry ny fanahy i Jesosy hatreo. Raha izany no izy, ahoana no nahafahany ho mpikambana ao amin’ny Trinite izay ho naha-iray azy sy ny fanahy masina foana?

Ny andinin-teny nalaina hafa izay miresaka azy telo ireo miaraka dia hita ao amin’ny fandikan-teny tranainy sasany ao amin’ny 1 Jaona 5:7. Miaiky anefa ireo manam-pahaizana fa tsy tao amin’ny Baiboly ireo teny ireo tany am-boalohany fa nampiana tatỳ aoriana be. Ny ankabeazan’ny fandikan-teny amin’ny andro ankehitriny dia nanala ara-drariny io andininy tsy marina io.

Ny “andinin-teny lazaina fa porofo” hafa dia tsy miresaka afa-tsy ny fifandraisana misy eo amin’ny roa — ny Ray sy i Jesosy. Andeha àry hojerentsika ny sasany amin’izy ireo.

“Izaho sy ny Ray, dia iray ihany”

IO TENY ao amin’ny Jaona 10:30 io dia tononina matetika ho fanohanana ny Trinite, na dia tsy misy firesahana ny amin’ny persona fahatelo aza eo. Kanefa, ny tenan’i Jesosy dia nampiseho ny tiany holazaina tamin’ny hoe “iray ihany” izy sy ny Ray. Ao amin’ny Jaona 17:21, 22, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hahatonga ny mpianany “ho iray ihany (...), tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy (...) mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika.” Moa ve i Jesosy nivavaka mba hahatonga ny mpianany rehetra ho tenan-javatra iray ihany? Tsia, miharihary fa i Jesosy dia nivavaka mba hahatafaray ireo amin’ny hevitra sy ny fikasana, toa azy sy ny Ray. — Jereo koa 1 Korintiana 1:10.

Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 3:6, 8: “Izaho namboly, Apolosy nandena (...) Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena.” Tsy te hilaza i Paoly fa hoe persona roa mahaforona tena iray ihany izy sy i Apolosy, ny tiany holazaina kosa dia hoe tafaray izy raha ny amin’ny fikasana. Ny teny grika nampiasain’i Paoly eto ka nadika hoe “iray” (hen) dia tsy milaza lahy na vavy, raha ara-bakiteny dia hoe “(zavatra) iray”, ary manondro firaisan-tsaina amin’ny fiaraha-miasa. Io teny io no nampiasain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 10:30 mba hilazalazana ny fifandraisany amin’ny Rainy. Io teny io koa no nampiasain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:21, 22. Noho izany, rehefa nampiasa ny teny hoe “iray” (hen) izy tamin’ireo toe-javatra ireo, dia niresaka ny amin’ny firaisan-kevitra sy fikasana.

Raha ny amin’ny Jaona 10:30, dia nilaza toy izao i Jean Calvin (izay mpanohana ny Trinite) ao amin’ilay boky hoe Fanazavana momba ny Filazantsara araka an’i Jaona (anglisy): “Nampiasa io andalan-teny io tamin’ny fomba diso ireo manam-pahaizana tamin’ny andro fahiny mba hanaporofoana fa mitovy ny toetra maha-izy ny Ray (...) sy i Kristy, satria tsy manohana ny firaisana eo amin’ny firafitra i Jesosy eto, fa ny fifanarahana nisy teo aminy sy ny Ray.”

Ao amin’ny teny manodidina an’ireo andininy ao aorian’ny Jaona 10:30 avy hatrany, i Jesosy dia nanohana tamin-kery fa tsy nihambo ho Andriamanitra akory izy tamin’ireo teniny ireo. Nanontany toy izao an’ireo jiosy izay nanatsoaka izany hevi-diso izany sy naniry hitora-bato azy izy: “Moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’Andriamanitra Aho?” (Jaona 10:31-36). Tsia, tsy nihambo ho Andriamanitra Zanaka i Jesosy, fa nilaza ny tenany ho Zanak’Andriamanitra.

“Nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamantira” ve izy?

NY ANDININY hafa iray koa atolotra ho fanohanana ny Trinite dia ny Jaona 5:18. Voalaza ao fa ny Jiosy (toy ny ao amin’ny Jaona 10:31-36) dia nitady hamono an’i Jesosy “noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.”

Iza anefa no nilaza hoe nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra i Jesosy? Tsy i Jesosy akory. Niaro tena tamin’io fiampangana lainga io izy eo amin’ny andininy manaraka avy hatrany (faha-19), izay manao hoe: “Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: (...) ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.”

Tamin’ireo teny ireo, dia nasehon’i Jesosy tamin’ireo Jiosy fa tsy nitovy tamin’Andriamanitra izy, ka noho izany dia tsy afaka nanombo-javatra irery. Azo atao ve ny maka sary an-tsaina olona iray, mitovy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha, milaza fa “tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy” izy? (Ampitahao amin’ny Daniela 4:31, 32 [4:34, 35, MN].) Mahaliana ny mahatsapa fa ny teny manodidina ny Jaona 5:18 sy ny Jaona 10:30 dia samy mampiseho ny fiarovan-tenan’i Jesosy tamin’ny fiampangana laingan’ny Jiosy izay, sahala amin’ireo mpanohana ny Trinite, dia nanatsoaka hevi-diso!

“Mitovy amin’Andriamanitra” ve izy?

AO AMIN’NY Filipiana 2:6, ny Fandikan-teny Katolikan’i Douay (Dy), anglisy, tamin’ny 1609 dia miresaka ny amin’i Jesosy hoe: “Izay, noho izy nanana ny endrik’Andriamanitra, dia nihevitra fa tsy fandrombahana akory ny hitovy amin’Andriamanitra.” Mitovy amin’izany tsara ny vakina ao amin’ny Baibolin’ny Mpanjaka Jacques (KJ) tamin’ny 1611. Fandikan-teny toy izany sasantsasany no mbola ampiasain’ny sasany mba hanohanana ny hevitra fa mitovy amin’Andriamanitra i Jesosy. Mariho anefa izay andikan’ny fandikan-teny hafa an’io andininy io:

1869: “izay, noho izy nanana ny endrik’Andriamanitra, dia tsy nihevitra ho zavatra tadiaviny halaina ny hoe hitovy amin’Andriamanitra.” Ny Testamenta vaovao, nataon’i G.R.Noyes.

1965: “Izy — manana ny toe-tena araka an’Andriamanitra tokoa! — dia tsy natoky tena na oviana na oviana hanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.” Das Neue Testament, fanontana nohavaozina, nataon’i Friedrich Pfäfflin.

1968: “izay, na dia manana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nihevitra ny fitoviana amin’Andriamanitra ho zavatra niriny mafy ho azy.” La Bibbia Concordata.

1976: “Nanana ny toe-tenan’Andriamanitra foana izy, saingy tsy nieritreritra fa tokony hampiasa hery mba hiezaka hitovy amin’Andriamanitra.” Fandikan-teny anglisy amin’ny andro ankehitriny.

1984: “izay, na dia nisy araka ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nihevitra akory ny fakana an-keriny, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.” Ny Soratra Masina, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.

1985: “Izay, noho izy nanana ny endrik’Andriamanitra, dia tsy nihevitra ny fitoviana amin’Andriamanitra ho zavatra tadiaviny halaina.” Ny Baibolin’i Jerosalema vaovao.

Misy anefa milaza, fa na dia ireo fandikan-teny marina kokoa ireo aza dia manipy hevitra fa 1) efa nanam-pitoviana tamin’Andriamanitra i Jesosy, saingy tsy naniry hitana izany, na koa fa 2) tsy nilainy ny hitady haka fitoviana izay efa nananany.

Ny amin’izany, i Ralph Martin, ao amin’ny Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Filipiana, dia miresaka ny teny grika tany am-boalohany hoe: “Mampisalasala anefa ny hetezan’ny tena hevitr’ilay matoanteny hoe ‘maka an-keriny’, ‘mandrombaka amin-kery’ hanjary hidika hoe “mitana mafy”. Milaza koa ny Mpanazava hevi-teny ao amin’ny Testamenta grika (anglisy) hoe: “Tsy afaka mahita na dia andalan-teny iray aza isika izay ahitana ny hoe ἁρπάζω [har·paʹzo] na teny avy aminy ka manana ny heviny hoe ‘mitana ho fananana’, ‘mihazona’. Izy io dia toa tsy miova fa midika foana hoe ‘maka an-keriny’, ‘mandrombaka amin-kery’. Tsy azo atao àry ny manova ny tena heviny hoe ‘mitady haka’ hanjary haka ny heviny hafa tanteraka hoe ‘mitana mafy’.”

Izay voalaza eo aloha dia mampiharihary fa ny fandikan-tenin’i Douay sy ny an’ny Mpanjaka Jacques, ohatra, dia manolana ny fitsipi-pitenenana mba hanohanana ny zava-kendren’ny mpanohana ny Trinite. Tsy milaza velively ny teny grika ao amin’ny Filipiana 2:6, rehefa vakina amin’ny saina tsy miangatra, fa hoe noheverin’i Jesosy ho nety ny hitoviany amin’Andriamanitra, fa ny mifanohitra amin’izany indrindra no asehony: tsy nihevitra izany ho nety i Jesosy.

Ny teny manodidina (Fi 2:3-5, 7, 8) dia mampiharihary mazava hoe ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny Fi 2 andininy faha-6. Nampirisihina toy izao ny Filipiana: “Fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” Avy eo i Paoly dia naka ny ohatra niavaka dia niavak’i Kristy raha ny amin’io fihetsika io: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa. “Saina” inona moa izany? Ny ‘mihevitra fa tsy fandrombahana akory ny hitoviana amin’Andriamanitra’ ve? Tsia, izany dia hifanohitra indrindra amin’ilay hevitra tiana haseho! I Jesosy izay ‘nihevitra an’Andriamanitra ho tsara noho izy’, kosa dia tsy ‘hitady haka ny fitoviana amin’Andriamanitra’ na oviana na oviana; mifanohitra amin’izany fa ‘nanetry tena izy, ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana.’

Azo antoka fa izany dia tsy azo ampiharina amin’izay antsoina hoe mpikambana iray ao amin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Izy io kosa dia mihatra amin’i Jesosy Kristy izay nampiseho tamin’ny fomba tanteraka ilay hevitra tian’i Paoly haseho, izany hoe ny maha-zava-dehibe ny fanetren-tena sy ny fankatoavana an’ilay Ambony sy Mpamorona, Jehovah Andriamanitra.

“Izaho aho”

AO AMIN’NY Jaona 8:58, dia misy fandikan-teny sasantsasany maro toy Ny Fandikan-teny katolika, ohatra, mampiteny toy izao an’i Jesosy: “Fony mbola tsy ary Abrahama, dia efa izaho Aho.” Moa ve nampianatra i Jesosy eto, toy ny hamafisin’ireo mpanohana ny Trinite, fa fantatra amin’ny anaram-boninahitra hoe “Izaho Aho” izy? Ary, moa ve izany midika, araka ny fihamboan’izy ireo, fa izy no Jehovah ao amin’ny Soratra hebreo, satria milaza toy izao ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ao amin’ny Eksodosy 3:14: “Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: IZAHO IZAY IZAHO AHO.”

Ao amin’ny Eksodosy 3:14 (KJ), ny fitenenana hoe “IZAHO AHO” dia ampiasaina toy ny anaram-boninahitra ho an’Andriamanitra mba hilazana fa tena misy izy ary hanao izay nampanantenainy. The Pentateuch and the Haftorahs (Ny Boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly sy ny mpaminany), natontan’ny Dr. J. H. Hertz, dia milaza toy izao ny amin’io fitenenana io: “Ho an’ireo Isiraelita tao anatin’ny fahababoana dia izao no ho dikany: ‘Na dia mbola tsy nampiseho ny heriny teo aminareo aza izy, dia hanao izany; mandrakizay izy ary hanavotra anareo tokoa.’ Manaraka ny nataon’i Rashi [mpivaofy tenin’ny Baiboly sy ny Talmoda frantsay] ny ankamaroan’ny mpandika teny amin’ny andro ankehitriny ka mandika [ny Eksodosy 3:14] toy izao: ‘Ho izaho izay ho izaho aho’.

Mifanohitra tanteraka amin’ilay ampiasaina ao amin’ny Eksodosy 3:14 ilay teny ao amin’ny Jaona 8:58. Tsy nampiasa azy io ho toy ny anarana na anaram-boninahitra i Jesosy fa ho fomba hanazavana ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy. Mariho àry ny fomba andikan’ny Baiboly hafa sasantsasany ny Jaona 8:58:

1869: “Talohan’ny nisian’i Abrahama, dia nisy aho.” Ny Testamenta Vaovao, nataon’i G. R. Noyes.

1935: “Nisy talohan’ny nahaterahan’i Abrahama aho!” Ny BaibolyFandikan-teny Amerikana, nataon’i J. M. P. Smith sy E. J. Goodspeed.

1965: “Talohan’ny nahaterahan’i Abrahama, dia efa ilay izaho aho.” Das Neue Testament, nataon’i Jörg Zink.

1981: “Efa velona aho talohan’ny nahaterahan’i Abrahama!” Ny Baiboly anglisy tsotra.

1984: “Talohan’ny nahatongavan’i Abrahama teo amin’ny fahavelomana, dia nisy aho.” Ny Soratra masina, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.

Noho izany, ny tena hevitry ny teny grika ampiasaina eto dia hoe efa nisy ela be talohan’ny nahaterahan’i Abrahama ilay “lahimatoa” noforonin’Andriamanitra, dia i Jesosy. — Kolosiana 1:15; Ohabolana 8:22, 23,30; Apokalypsy 3:14.

Eto indray koa, ny teny manodidina dia mampiseho fa izany no tokony ho fandraisana azy. Tamin’ity indray mandeha ity, ny Jiosy dia nitady hitora-bato an’i Jesosy satria nilaza ho “efa nahita an’i Abrahama’ izy, na dia mbola tsy 50 taona akory aza, araka ny filazan’izy ireo. (andininy faha-57). Ny valinteny ara-dalàna avy amin’i Jesosy dia ny filazana ny marina momba ny taonany. Noho izany, dia ara-dalàna ny niresahany taminy fa “efa velona talohan’ny nahaterahan’i Abrahama!” izy. — Ny Baiboly anglisy tsotra.

“Ny Teny dia Andriamanitra”

AO AMIN’NY Jaona 1:1, ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques dia amakiana toy izao: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Manambara ireo manohana ny Trinite fa izany dia midika fa “ny Teny” (grika: ho loʹgos) izay tonga tetỳ an-tany tamin’ny naha-Jesosy Kristy dia ny tenan’ilay Andriamanitra Tsitoha mihitsy.

Mariho anefa fa eto indray koa ny teny manodidina dia mametraka fototra ho an’ny fandraisana azy araka ny tena izy. Na dia ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques aza dia milaza hoe: “Ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra.” (Izahay no manao sora-mandry.) Ny olona iray “miaraka” amin’ny olon-kafa iray dia tsy hety ho io olon-kafa io ihany. Mifanaraka amin’izany, ny Gazetin’ny soratra ao amin’ny Baiboly, nataon’ilay jezoita atao hoe Joseph. A. Fitzmyer, dia manamarika fa raha toa ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1 ka raisina mba hidika hoe “ilay” Andriamanitra, izany “dia hifanohitra amin’ilay fehezankevitra eo aloha”, izay milaza fa ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra.

Mariho koa hoe ahoana no andikan’ny sasany io tapany amin’ilay andininy io:

1808: “ary ny teny dia andriamanitra iray.” Ny Testamenta vaovao—fandikan-teny nohavaozina, mifototra amin’ny fandikan-teny vaovao nataon’ny Arseveka Newcome: nasiana fanitsiana.

1864: “ary andriamanitra iray ny teny.” Ny Emphatic Diaglott, famakiana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra, nataon’i Benjamin Wilson.

1928: “ary ny Teny dia fisiana araka an’Andriamanitra.” La Bible du Centenaire, l’Evangile selon Jean, nataon’i Maurice Goguel.

1935: “ary ny Teny dia araka an’Andriamanitra.” Ny BaibolyFandikan-teny amerikana, nataon’i J. M. P. Smith sy E. J. Goodspeed.

1946: “ary ny teny dia karazana iray araka an’Andriamanitra.” Das Neue Testament, nataon’i Ludwig Thimme.

1950: “ary ny Teny dia andriamanitra [iray].” Ny Soratra grika kristiana — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.

1958: “ary ny Teny dia Andriamanitra [iray].” Ny Testamenta Vaovao, nataon’i James L. Tomanek.

1975: “ary andriamanitra (na karazana iray araka an’Andriamanitra) ny Teny.” Das Evangelium nach Johannes, nataon’i Siegfried Schulz.

1978: “ary iray karazana amin’Andriamanitra ny Logos.” Das Evangelium nach Johannes, nataon’i Johannes Schneider.

Miseho indroa ilay anarana amin’ny fiteny grika hoe the·osʹ (andriamanitra) ao amin’ny Jaona 1:1. Ny voalohany dia manondro ilay Andriamanitra Tsitoha izay niaraka tamin’ny Teny (“ary ny Teny [loʹgos] dia niaraka tamin’Andriamanitra [endriky ny hoe the·osʹ]”). Io the·osʹ voalohany io dia ialohavan’ny Teny hoe ton (ny, ilay), endrika iray isehoan’ny mpanoritra anarana grika voafaritra izay manondro persona iray miavaka tsara, eto dia ilay Andriamanitra Tsitoha (“ary ny Teny dia niaraka tamin’[ilay] Andriamanitra”).

Etsy an-daniny kosa, dia tsy ahitana mpanoritra anarana eo alohan’ilay théos faharoa ao amin’ny Jaona 1:1. Noho izany, ny fandikan-teny ara-bakiteny dia hanome hoe: “ary andriamanitra ny Teny.” Kanefa, hitantsika teo fa fandikan-teny maro no mandika io the·osʹ faharoa io (anarana enti-milaza) ho “araka an’Andriamanitra”, “tahaka an’Andriamanitra”, na “andriamanitra iray”. Fahefana inona no anaovan’izy ireo izany?

[Toy ny hita amin’ny fiteny malagasy], dia nanana mpanoritra anarana voafaritra (“ny”, “ilay”) ny fiteny grika koine, fa tsy nanana mpanoritra anarana tsy voafaritra (toy ny hoe “un”, “une”, “des” amin’ny fiteny frantsay) kosa. Noho izany, rehefa tsy ialohavan’ny mpanoritra anarana voafaritra ny anarana enti-milaza, dia mety ho tsy voafaritra, arakaraka ny teny manodidina.

Ny Gazetin’ny soratra ao amin’ny Baiboly (anglisy) dia milaza fa ireo fitenenana “misy enti-milaza tsy misy mpanoritra anarana mialoha ny matoanteny, dia manana hevitra milaza toetra voalohany indrindra.” Toy ny marihin’ilay Gazety, izany dia manondro fa ny loʹgos dia azo ampitahaina amin’ny andriamanitra iray. Milaza ny amin’ny Jaona 1:1 toy izao koa izy: “Lehibe aoka izany ny herin’ilay filazan-toetra hany ka tsy azo raisina ho toy ny voafaritra ilay anarana [the·osʹ ].”

Ny Jaona 1:1 àry dia manasongadina ny toetry ny Teny, fa hoe “araka an’Andriamanitra”, “tahaka an’Andriamanitra”, “andriamanitra [iray]” izy, fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha. Izany dia mifanaraka amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly izay mampiseho fa i Jesosy, antsoina hoe “ny Teny” eto amin’ny maha-Mpitondra tenin’Andriamanitra azy, dia persona nankatò sy teo ambany fahefan’ilay naniraka azy ho etỳ an-tany, dia ilay Ambony noho izy, ilay Andriamanitra Tsitoha.

Misy andinin-teny hafa maro ao amin’ny Baiboly ampidiran’ny saika ny mpandika teny rehetra amin’ny fiteny hafa amin’ny fomba tsy miovaova ny mpanoritra anarana tsy voafaritra (“un” na “une” amin’ny fiteny frantsay) rehefa mandika fehezanteny grika mitovy firafitra amin’io izy ireo. Ohatra, ao amin’ny Marka 6:49, rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teny ambony rano ny mpianatra, dia hoy ny Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques: “Nihevitra izy ireo fa fanahy [iray] io.” Tsy misy mpanoritra anarana eo alohan’ny hoe “fanahy”, ao amin’ny fiteny grika koine. Kanefa saika ny fandikan-teny rehetra amin’ny fiteny hafa dia manampy mpanoritra anarana tsy voafaritra iray mba hahatonga azy hifanaraka amin’ny teny manodidina. Sahala amin’izany koa, satria ny Jaona 1:1 mampiseho fa ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, dia tsy hety ho Andriamanitra izy, fa “andriamanitra [iray]” na “araka an’andriamanitra”.

Nanambara tsotra i Joseph Henry Thayer, teôlôjiana sy manam-pahaizana izay niasa tamin’ny fandikana ny American Standard Version hoe: “Ny logos dia araka an’Andriamanitra, fa tsy ilay Fisiana Andriamanitra mihitsy.” Ary ilay jezoita atao hoe John L. McKenzie dia nanoratra toy izao tao amin’ilay bokiny hoe Rakibolana ny amin’ny Baiboly (anglisy): “Ny Jaona 1:1 dia tokony hadika amin’ny fomba hentitra hoe: (...) ‘ny teny dia fisiana araka an’Andriamanitra’.”

Moa ve izany fandikana fitsipi-pitenenana?

MISY anefa milaza fa izany fandikan-teny izany dia mandika ny fitsipi-pitenenan’ny fiteny grika koine navoakan’ilay manam-pahaizana atao hoe E. C. Cowell tamin’ny taona 1933. Nanantitrantitra izy fa ao amin’ny teny grika ny anarana enti-milaza dia “misy mpanoritra anarana [voafaritra] rehefa manaraka ny matoanteny; tsy misy mpanoritra [voafaritra] izy rehefa mialoha ny matoanteny.” Ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe tokony horaisina ho toy ny misy mpanoritra voafaritra (“ny”, “ilay”) eo alohany ny anarana enti-milaza iray rehefa mialoha ny matoanteny. Ao amin’ny Jaona 1:1, ny anarana faharoa (the·osʹ), ilay enti-milaza, dia mialoha ny matoanteny — “ary [the·osʹ] ny Teny.” Noho izany, hoy i Colwell, ny Jaona 1:1 dia tokony hovakina hoe: “ary ny Teny dia [ilay] Andriamanitra.”

Aoka hojerentsika anefa ny ohatra roa hita ao amin’ny Jaona 8:44. Ao, dia hoy i Jesosy momba ny Devoly: “Izy dia mpamono olona” ary “mpandainga izy”. Toy ny ao amin’ny Jaona 1:1, ireo anarana enti-milaza (“mpamono olona” sy “mpandainga”) dia mialoha ny matoanteny (“dia”) ao amin’ny teny grika. Tsy misy mpanoritra anarana tsy voafaritra eo anoloan’ireo anarana roa ireo satria tsy nisy mpanoritra anarana tsy voafaritra tao amin’ny fiteny grika koine. Mampiditra mpanoritra anarana tsy voafaritra (toy ny hoe “un” amin’ny teny frantsay) ny ankabeazan’ny fandikan-teny satria mitaky izany ny fitsipi-pitenenana grika sy ny teny manodidina. — Jereo koa ny Marka 11:32; Jaona 4:19; 6:70; 9:17; 10:1; 12:6.

Voatery nanaiky izany momba ny anarana enti-milaza i Colwell, satria hoy izy: “Tsy voafaritra izy ao amin’io toe-javatra io raha mibaiko ny hisian’izany ihany ny teny manodidina.” Na dia izy aza izany dia niaiky fa rehefa mitaky izany ny teny manodidina, dia azon’ny mpandika teny atao ny mampiditra mpanoritra anarana tsy voafaritra eo alohan’ny anarana ao amin’io karazana firafitra fehezanteny io.

Moa ve mitaky mpanoritra anarana tsy voafaritra ny teny manodidina ao amin’ny Jaona 1:1? Eny, satria ny fanamarinana omen’ny Baiboly manontolo dia hoe tsy ilay Andriamanitra Tsitoha akory i Jesosy. Tsy ny fitsipi-pitenenana azo iadian-kevitra nataon’i Colwell àry no tokony hitarika ny mpandika teny fa ny teny manodidina, amin’ny toe-javatra toy izany. Ary miharihary avy amin’ny fandikan-teny maro be izay mampiditra mpanoritra anarana tsy voafaritra ao amin’ny Jaona 1:1 sy ao amin’ny toerana hafa fa manam-pahaizana maro no tsy manaiky io fitsipika noforomporonina io, ary toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra.

Tsy misy fifanoherana

MOA ve ny filazana fa “andriamanitra” i Jesosy Kristy mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly izay milaza fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany? Tsia, satria indraindray ny Baiboly dia mampiasa io teny io mba hanondroana zavaboary mahery. Izao no vakina ao amin’ny Salamo 8:5 (MN): “Fa efa nataonao ambany kely noho ireo tahaka an’Andriamanitra [ʼelo·himʹ amin’ny teny hebreo]”, izany hoe ny anjely, “koa izy [ny olona]”. Tao amin’ny fiarovan-tenan’i Jesosy nanohitra ny fiampangan’ny Jiosy azy ho nilaza ny tenany ho Andriamanitra, dia nomarihiny fa “ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe ‘andriamanitra’ ”, izany hoe ireo mpitsara olombelona. (Jaona 10:34, 35; Salamo 82:1-6.) Na dia Satana aza dia antsoina hoe “andriamanitr’izao tontolo izao” ao amin’ny 2 Korintiana 4:4.

Mitana toerana ambony lavitra noho ny anjely, na ny olombelona tsy tanteraka, na i Satana, i Jesosy. Koa satria ireo antsoina hoe “andriamanitra”, na ireo mahery, dia afaka ny ho “andriamanitra” i Jesosy ary tena izany izy. Noho ny toerany tsy manam-paharoa eo amin’ny fifandraisana amin’i Jehovah, dia “Andriamanitra Mahery” i Jesosy. — Jaona 1:1; Isaia 9:5.

Moa ve anefa ny hoe “Andriamanitra Mahery”, misy ireo sora-baventy ireo, tsy manondro fa amin’ny lafiny sasany dia mitovy amin’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy? Tsy izany velively. Naminany fotsiny i Isaia fa io dia ho iray amin’ireo anarana efatra izay hiantsoana an’i Jesosy, ary amin’ny fiteny malagasy dia voasoratra amin’ny sora-baventy ny anarana toy izany. Ankoatra izany, na dia nantsoina hoe “Mahery” aza i Jesosy, dia tokana ihany no azo antsoina hoe “Tsitoha”. Ny hiantsoana an’i Jehovah Andriamanitra hoe “Tsitoha [Faran’izay Mahery]” dia tsy hisy heviny firy raha tsy misy hafa izay antsoina koa hoe andriamanitra, saingy manana toerana ambany kokoa.

Ny Filazam-baovaon’ny famakiam-boky John Rylands any Angletera dia manamarika fa araka ilay teôlôjiana katolika atao hoe Karl Rahner, raha ampiasaina mba hanondroana an’i Jesosy ny hoe the·osʹ ao amin’ny andininy toy ny Jaona 1:1, dia “tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza ampiasana ny hoe the·osʹ amin’ny fomba mety hampifangaroana an’i Jesosy amin’ilay aseho amin’ny hoe ʹho the·osʹ, izany hoe ilay Andriamanitra Tampony, any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao.” Manampy toy izao ilay Bulletin: “Raha toa ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao ka nino fa tena ilain’ny mpino ny fiekena fa ‘Andriamanitra’ i Jesosy, ahoana no hanazavana ny saika tsy fahitana mihitsy an’io fiekena io ao amin’ny Testamenta Vaovao?”

Fa ahoana ny amin’ny tenin’i Tomasy apostoly izay nilaza hoe “Tompoko sy Andriamanitro!” tamin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:28? Ho an’i Tomasy, dia nitovy tamin’ny “andriamanitra iray” i Jesosy, indrindra tao anatin’ireo toe-javatra nahagaga izay nanosika azy hihiaka. Manipy hevitra ny manam-pahaizana sasany fa nety ho nihiaka noho ny fihetseham-po sy ny hatairana fotsiny i Tomasy, ka na dia teo anoloan’i Jesosy aza izy dia niresaka tamin’Andriamanitra mivantana. Na manao ahoana na manao ahoana, dia tsy nieritreritra an’i Jesosy ho ilay Andriamanitra Tsitoha i Tomasy, satria izy mbamin’ireo apostoly hafa rehetra dia nahafantatra fa tsy nihambo na oviana na oviana ho Andriamanitra i Jesosy fa nampianatra kosa hoe i Jehovah ihany no “Andriamanitra tokana sady marina”. — Jaona 17:3.

Eto indray koa, dia manampy antsika hahatakatra izany ny teny manodidina. Andro vitsivitsy talohan’izay, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty dia niresaka tamin’i Maria Magdalena mba hilaza amin’ny mpianatra hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jaona 20:17). Na dia efa natsangana tamin’ny maty ho fanahy mahery aza i Jesosy dia mbola Andriamaniny ihany i Jehovah. Ary nanohy nanondro Azy ho toy izany i Jesosy na dia tao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly aza, taorian’ny nanomezam-boninahitra azy. — Apokalypsy 1:5, 6; 3:2, 12.

Andininy telo monja eo aorian’ny hiakan’i Tomasy, ao amin’ny Jaona 20:31, ny Baiboly dia manome fanazavana momba ilay raharaha amin’ny fanambarana hoe: “Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra”, fa tsy hoe ilay Andriamanitra Tsitoha akory izy. Ary izany dia nidika hoe “Zanaka lahy” amin’ny heviny ara-bakiteny, toy izay hita eo amin’ny ray niteraka sy ny zanany lahy, fa tsy toy ny mpikambana mifono zava-miafina ao amin’ny Andriamanitra telo izay iray.

Tsy maintsy mifanaraka amin’ny Baiboly

LAZAINA fa misy andininy maromaro hafa koa manohana ny Trinite. Kanefa, sahala amin’ireo vao avy noresahina teo aloha, rehefa dinihina amim-pitandremana izy ireny, dia tsy manolotra porofo marina. Mampiseho fotsiny ny andinin-teny toy izany fa rehefa mihevitra izay rehetra mety holazaina fa manohana ny Trinite ny olona iray dia tsy maintsy manontany tena toy izao: Moa ve mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly manontolo izay tsy miovaova ny fandraisana ny hevitr’ilay andinin-teny — dia ny hoe Jehovah Andriamanitra irery no fara Tampony? Raha tsy izany, dia tsy maintsy diso izany fandraisana ny heviny izany.

Ilaintsika koa ny mitadidy ao an-tsaina fa tsy misy mihitsy “andinin-teny lazaina fa porofo” na dia iray aza milaza fa Andriamanitra sy i Jesosy ary ny fanahy masina dia iray ihany ao amin’ny Andriamanitra iray mifono zava-miafina. Tsy misy andininy na iray aza ao amin’ny Baiboly milaza fa izy telo ireo dia mitovy amin’ny firafitra, ny hery ary ny maha-mandrakizay. Tsy miovaova ny Baiboly amin’ny fampiharihariana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha, ho ilay hany fara Tampony, an’i Jesosy ho ny zanany noforoniny ary ny fanahy masina ho ny hery miasan’Andriamanitra.

[Teny notsongaina, pejy 24]

“Nampiasa [ny Jaona 10:30] tamin’ny fomba diso ireo manam-pahaizana tamin’ny andro fahiny mba hanaporofoana fa mitovy ny toetra maha-izy ny Ray (...) sy i Kristy.” — Fanazavana momba ny Filazantsara araka an’i Jaona (anglisy), nosoratan’i Jean Calvin.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Ny olona iray izay “miaraka” amin’ny olon-kafa iray dia tsy hety ho io olon-kafa io koa.

[Teny notsongaina, pejy 28]

“Ny Logos dia araka an’Andriamanitra, fa tsy ilay Fisiana Andriamanitra mihitsy.” — Joseph Henry Thayer, manam-pahaizana momba ny Baiboly.

[Sary, pejy 24, 25]

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy mba “ho iray” ireo mpianany, tahaka ny “mahiray” azy sy ny Rainy.

[Sary, pejy 26]

Nasehon’i Jesosy tamin’ny Jiosy fa tsy nitovy tamin’Andriamanitra izy, tamin’ny filazana fa ‘tsy manao na inona na inona ho azy afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray izy’.

[Sary, pejy 29]

Koa satria ny Baiboly miantso olombelona, anjely, na Satana koa aza, ho “andriamanitra”, na ireo mahery, dia azo atao ara-drariny ny miantso an’i Jesosy izay ambony kokoa any an-danitra, ho “andriamanitra”.