Manompoa an’Andriamanitra araka ny itiavany azy
Manompoa an’Andriamanitra araka ny itiavany azy
NIVAVAKA tamin’Andriamanitra toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Fahalalana inona moa izany? “Izay [Andriamanitra] tia ny olona [“karazan’olona”, MN] rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” (1 Timoty 2:4). Ny Amplified Bible dia mandika toy izao ny tapany farany amin’io fehezanteny io: “Mahalala amin’ny fomba hentitra sy araka ny izy ny Fahamarinan’[Andriamanitra].”
Noho izany, Andriamanitra dia maniry ny hahalalantsika azy sy ny fikasany marina tokoa, mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, no loharanon’izany fahamarinana izany. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17). Rehefa mianatra marina tokoa izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra ny olona, dia hanalavitra ny fahatongavana ho tahaka ireo voatonona ao amin’ny Romana 10:2, 3, izay “mazoto ho an’Andriamanitra, saingy tsy araka ny fahalalana [marina, MN].” Na ho tahaka ny Samaritana izay nilazan’i Jesosy hoe: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo.” — Jaona 4:22.
Noho izany, raha maniry ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia ilaintsika ny manontany tena hoe: Inona no lazain’Andriamanitra momba ny tenany? Amin’ny fomba ahoana no iriny hanompoana azy? Inona avy moa ireo fikasany, ary ahoana no tokony hifanarahan’ny tenantsika amin’izy ireo? Manome antsika ny valiny tena izy ho an’ireo fanontaniana ireo ny fahalalana marina ny fahamarinana. Azontsika atao àry ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba itiavany azy.
Manala baraka an’Andriamanitra
“IZAY manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra”, hoy Andriamanitra. (1 Samoela 2:30). Moa ve fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny hiantsoana olona ho mitovy aminy? Moa ve fanomezam-boninahitra azy ny hiantsoana an’i Maria ho “renin’Andriamanitra” sy “Mpanalalana vavy (...) eo amin’ny Mpamorona sy ny zavaboariny” toy ny ataon’ny Firaketana Katolika vaovao (anglisy)? Tsia, manevateva an’Andriamanitra izany hevitra izany. Tsy misy mitovy aminy, ary tsy manana reny ara-nofo izy, satria tsy Andriamanitra i Jesosy. Ary tsy misy “Mpanalalana vavy”, satria Andriamanitra dia tsy nanendry afa-tsy ‘Mpanalalana iray eo amin’Andriamanitra sy ny olona’, dia i Jesosy. — 1 Timoty 2:5; 1 Jaona 2:1, 2.
Tsy misy isalasalana fa ny fampianarana inoana ny amin’ny Trinite dia mampisafotofoto sy manatsatso ny fahatakaran’ny olona ny amin’ny tena toeran’Andriamanitra. Misakana ny olona tsy hanana ny fahalalana marina ilay tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, dia i Jehovah Andriamanitra, sy tsy hanompo azy araka ny itiavany azy izany. Milaza izany toy izao ilay teôlôjiana atao hoe Hans Küng: “Nahoana ny olona iray no haniry hanampy amin’ny maha-tokana sy ny maha-iray an’Andriamanitra izay tsy afaka afa-tsy ny hanatsatso na hanafoana io hevitra ny amin’ny maha-iray sy maha-tokana io?” Kanefa, dia izany no nataon’ny finoana ny Trinite.
Izay mino ny Trinite dia manao “ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany.” (Romana 1:28). Milaza toy izao koa io andininy io: “Dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao”. Ny Ro 1 andininy faha-29 ka hatramin’ny faha-31 dia manonona sasany amin’ireo “zavatra tsy tokony hatao”, toy ny ‘vonoana olona, fifandirana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra.’ Ireo zavatra ireo dia ataon’ny fivavahana izay manaiky ny Trinite.
Ohatra, ireo mpanohana ny Trinite dia matetika no nanenjika sy namono mihitsy aza ireo izay nanda ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Ary nanao ratsiratsy kokoa noho izany aza izy ireo. Namono ireo mpanaraka ny Trinite tahaka azy tao amin’ny ady izy ireo. Inona no “zavatra tsy tokony hatao” mbola ratsiratsy kokoa noho ny hoe katolika mamono katolika, ôrtôdôksa mamono ôrtôdôksa, protestanta mamono protestanta — izany rehetra izany dia samy amin’ny anaran’ilay Andriamanitra telo izay iray?
Kanefa, nilaza tsotra toy izao i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Mamelabelatra izany ny Tenin’Andriamanitra: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.” Ampitoviny amin’i “Kaina izay avy tamin’ilay ratsy [Satana] ka namono ny rahalahiny” ireo izay mamono ny rahalahiny ara-panahy. — 1 Jaona 3:10-12.
Araka izany, ny fampianarana hevitra inoana mampisafotofoto ny amin’Andriamanitra dia nitarika ho amin’ny fanaovan-javatra mandika ny lalàny. Eny, izay nitranga teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia izay nolazalazain’ilay teôlôjiana danoa atao hoe Søren Kierkegaard toy izao: “Nanafoana ny kristianisma ny fivavahana lazaina fa kristiana ary tsy fantany tsara akory ny nanaovany izany.”
Ny toe-piainana ara-panahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mifanaraka amin’izay nosoratan’i Paoly toy izao: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” —Tsy ho ela, rehefa hamarana ity fandehan-javatra ratsy ity Andriamanitra, dia hampamoaka ny fivavahana lazaina fa kristiana mpanohana ny Trinite. Ary homelohina noho ny fanalam-baraka an’Andriamanitra tamin’ny asany sy ny fampianarany izy. — Matio 24:14, 34; 25:31-34, 41, 46; Apokalypsy 17:1-6, 16; 18:1-8, 20, 24; 19:17-21.
Aza manaiky ny Trinite
TSY azo atao ny manaiky lembenana raha ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Noho izany, ny hoe manompo an’Andriamanitra araka ny itiavany azy dia midika hoe mandà ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Mifanohitra amin’izay ninoana sy nampianarin’ireo mpaminany, i Jesosy, ny apostoly ary ireo kristiana voalohany izy io. Mifanohitra amin’izay lazain’Andriamanitra ny amin’ny tenany ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry izy io. Nanome izao torohevitra izao àry izy: “Ekeo fa izaho irery no Andriamanitra ary tsy misy hafa tahaka ahy.” — Isaia 46:9, TEV.
Tsy miasa ho an’ny tombontsoan’Andriamanitra ny fampisehoana azy ho toy ny mampisafotofoto sy mifono zava-miafina. Mifanohitra amin’izany, raha mihamisafotofoto ny hevitry ny olona ny amin’Andriamanitra sy ny fikasany, dia mihafaly ilay Fahavalon’Andriamanitra, i Satana Devoly, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”. Izy no mampirisika ny hisian’ny fampianaran-diso ‘manajamba ny sain’ny tsy mino’ toy izany. (2 Korintiana 4:4). Ary miasa ho an’ny tombontsoan’ny klerjy izay maniry hitana ny olona eo ambany fahefany koa ny fampianarana ny amin’ny Trinite, satria ataony izay hinoana fa ny teôlôjiana irery no afaka mahatakatra izany. — Jereo ny Jaona 8:44.
Mitondra fanamaivanana lehibe ny fahalalana marina an’Andriamanitra. Manafaka antsika amin’ny fampianarana izay mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana nivadi-pinoana izy io. Hoy i Jesosy: “Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.
Amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny maha-tampony azy sy amin’ny fanompoana azy araka ny itiavany azy, dia azontsika atao ny misoroka ny fanamelohana izay hampihariny tsy ho ela amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mpivadi-pinoana. Azontsika atao kosa ny miandry amim-panantenana ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra rehefa hifarana ity fandehan-javatra ity: “Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no mitoetra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17, MN.
[Sary, pejy 31]
Io sary sokitra, nisy hatramin’ny taonjato maro, sy hita any Frantsa, io dia mampiseho ny fanomezan’ny Trinite satroboninahitra an’i Maria “virijina”. Ny finoana ny Trinite dia mitarika ho amin’ny fankamasinana an’i Maria ho toy ny “Renin’Andriamanitra”.