Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve Andriamanitra ambony noho i Jesosy foana?

Moa ve Andriamanitra ambony noho i Jesosy foana?

Moa ve Andriamanitra ambony noho i Jesosy foana?

TSY nihambo ho Andriamanitra na oviana na oviana i Jesosy. Izay rehetra nolazainy ny amin’ny tenany dia manondro fa tsy nihevi-tena ho mitovy amin’Andriamanitra izy na tamin’ny lafiny inona na tamin’ny lafiny inona — na tamin’ny fahefana na tamin’ny fahalalana na tamin’ny taona.

Tamin’ny fotoana rehetra nisiany, na tany an-danitra na tetỳ an-tany, ny teniny sy ny fitondrantenany dia manome taratry ny maha-eo ambany fahefan’Andriamanitra azy. Andriamanitra foana no ilay ambony kokoa, i Jesosy ilay ambany kokoa, ilay noforonin’Andriamanitra.

Miavaka tsara amin’Andriamanitra i Jesosy

IMBETSAKA i Jesosy no nampiseho fa zavaboary niavaka tamin’Andriamanitra izy ary nanana Andriamanitra iray teo amboniny. Andriamanitra izay nivavahany, Andriamanitra iray nantsoiny hoe “Ray”. Tamin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra, izany hoe ny Ray, dia nilaza toy izao i Jesosy: “Anao Izay Andriamanitra tokana sady marina.” (Jaona 17:3). Ao amin’ny Jaona 20:17 dia hoy izy tamin’i Maria Magdalena: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” Manamafy an’io fifandraisana io toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 1:3: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Koa satria i Jesosy nanana Andriamanitra, dia ny Rainy, dia tsy nety ho io Andriamanitra io koa izy.

Tsy nihambahamba ny apostoly Paoly niresaka ny amin’i Jesosy sy Andriamanitra ho miavaka tsara: “Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray (...) ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy”. (1 Korintiana 8:6). Mampiseho io fahasamihafana io ilay apostoly rehefa nilaza hoe “eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy”. (1 Timoty 5:21). Toy ny anavahan’i Paoly an’i Jesosy amin’ireo anjely tany an-danitra no anavahany koa an’i Jesosy amin’Andriamanitra.

Milaza zavatra koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:17, 18. Hoy izy: “Ary voasoratra ao amin’ny lalànareo fa marina ny fanambaran’ny olona roa lahy. Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.” Eto i Jesosy dia mampiseho fa izy sy ny Ray, izany hoe ilay Andriamanitra Tsitoha, dia tsy maintsy ho tenan-javatra roa miavaka tsara, raha tsy izany, ahoana no hetezany ho vavolombelona roa?

Nampiseho ihany koa i Jesosy fa fisiana miavaka amin’Andriamanitra izy tamin’ny filazana hoe: “Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” (Marka 10:18). Nilaza àry i Jesosy fa tsy misy tsara sahala amin’Andriamanitra, eny na dia ny tenany, Jesosy, aza. Tsara amin’ny heviny izay mampiavaka azy amin’i Jesosy Andriamanitra.

Mpanompon’Andriamanitra manaiky

IMBETSAKA i Jesosy no nanambara toy izao: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” (Jaona 5:19). “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:38). “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Moa ve ny naniraka tsy ambony noho ny nirahina?

Io fifandraisana io dia miharihary ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ny tanimboaloboka. Nampitaha an’Andriamanitra Rainy tamin’ilay tompon’ny tanimboaloboka nandeha ho any an-tany lavitra ka namela ny fananany iandraiketan’ny mpiasa tany, izay nampiseho ireo mpitondra fivavahana jiosy, izy. Tatỳ aoriana, rehefa naniraka mpanompo iray haka ny vokatra ilay tompon’ny tanimboaloboka, ny mpiasa tany dia nikapoka io ka namerina azy nitondra tanam-polo. Avy eo dia naniraka mpanompo faharoa ilay tompony ary tatỳ aoriana, fahatelo, kanefa dia toy ny fomba fitondra ilay voalohany ihany no nitondrana azy ireo. Farany, dia hoy ilay Tompon’ny tany: “Haniraka ny zanako [Jesosy] malalako aho; angamba hanaja azy izy.” Nilaza toy izao anefa ireo mpiasa tany ratsy fanahy: “Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova. Dia namoaka azy tany ivelan’ny tanimboaloboka izy ka namono azy.” (Lioka 20:9-16). Teo i Jesosy dia nanao fanoharana momba ny toerany, dia ilay nirahin’Andriamanitra mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny ray iray maniraka zanakalahy manaiky iray.

Nihevitra an’i Jesosy foana ho toy ny mpanompon’Andriamanitra nanaiky, ireo mpanara-dia azy, fa tsy ho toy ny mitovy amin’Andriamanitra akory. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy ireo ny amin’i “Jeso Mpanomponao masina voahosotrao (...) mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny anaran’i Jeso Mpanomponao masina.” — Asan’ny Apostoly 4:23, 27, 30, Fandikan-teny katolika.

Ambony kokoa Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra

TEO am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy, fony izy niakatra avy tao anaty rano nanaovana batisa azy, dia hoy ny feon’Andriamanitra avy tany an-danitra: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17). Moa ve Andriamanitra nilaza fa ny tenany ihany no zanany, fa sitrany ny tenany, fa naniraka ny tenany izy? Tsia, nilaza Andriamanitra Mpamorona, fa tamin’ny naha-ambony kokoa azy, dia nankasitraka olona iray ambany kokoa, dia i Jesosy Zanany lahy, izy, ho an’ilay asa niandry azy.

Nampiseho i Jesosy fa ambony kokoa ny Rainy rehefa nilaza izy hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy.” (Lioka 4:18). Ny fanosorana olona iray dia fanomezan’ny lehibe iray fahefana na andraikitra ho an’io olona izay mbola tsy nanana fahefana io. Eto dia mazava fa Andriamanitra no ilay ambony kokoa, satria nanosotra an’i Jesosy izy, ka nanome azy fahefana izay mbola tsy nananany teo aloha.

Nampiharihary ny maha-ambony kokoa ny Rainy i Jesosy rehefa nangataka taminy ny renin’ny roa tamin’ireo mpianany mba hipetrahan’ireo zanany eo ankavanana sy eo ankavian’i Jesosy rehefa tonga ao amin’ny Fanjakany izy. Hoy ny navalin’i Jesosy: “Fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ny Raiko [izany hoe Andriamanitra] izany no homena.” (Matio 20:23). Raha toa ka ilay Andriamanitra Tsitoha i Jesosy dia ho anjarany ny nanome ireo toerana ireo. Tsy afaka nanome azy ireo anefa i Jesosy, satria anjaran’Andriamanitra ny hanome izany, ary tsy Andriamanitra i Jesosy.

Ireo vavaka nataon’i Jesosy dia porofo mahery ny amin’ny maha-ambany noho Andriamanitra azy. Rehefa ho faty i Jesosy, dia nampiseho hoe iza no ambony kokoa tamin’izao vavaka izao: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42). Nivavaka tamin’iza i Jesosy? Tamin’ny tapany iray tao aminy ve? Tsia, nivavaka tamina persona niavaka tsara taminy izy, dia ny Rainy, Andriamanitra, izay ny sitrapony dia ambony sy nety ho hafa noho ny azy, tamin’Ilay hany afaka ‘hanaisotra ilay kapoaka’.

Avy eo, teo am-pialana aina dia niantsoantso toy izao i Jesosy: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao.” (Marka 15:34). Niantsoantso an’iza moa i Jesosy? Ny tenany ihany ve sa ny tapany tao amin’ny tenany? Azo antoka fa ilay antsoantso hoe “Andriamanitra ô” dia tsy avy tamin’ny olona iray izay nihevi-tena ho Andriamanitra. Ary raha Andriamanitra i Jesosy, nafoin’iza moa izy? Ny tenany ihany ve? Tsy hisy heviny izany. Nilaza toy izao koa i Jesosy: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.” (Lioka 23:46). Raha Andriamanitra i Jesosy, nahoana izy no hanolotra ny fanahiny amin’ny Rainy?

Taorian’ny nahafatesany, dia nijanona tao am-pasana tao anatin’ny fe-potoana naharitra hateloana i Jesosy. Raha toa ka Andriamanitra izy, dia tsy marina izay voalaza ao amin’ny Habakoka 1:12 (MN) hoe: “Andriamanitro ô, ry Ilay Masiko, tsy ho faty ianao.” Kanefa milaza ny Baiboly fa tena maty i Jesosy ary tsy nahatsiaro tena tao am-pasana. Ary iza moa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty? Raha maty marina izy dia tsy ho afaka hanangan-tena. Etsy an-daniny, raha tsy tena maty izy, izay lazaina ho fahafatesany dia tsy ho azo nandoavana ny vidin’ny avotra noho ny fahotan’i Adama. Kanefa dia tena nandoa io vidiny io izy tamin’ny tena nahafatesany. “Andriamanitra [àry no] nanangana Azy [Jesosy], rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana”. (Asan’ny apostoly 2:24). Ilay ambony kokoa, ilay Andriamanitra Tsitoha, dia nanangana ilay ambany kokoa, dia i Jesosy mpanompony, tamin’ny maty.

Moa ve ny fahaizan’i Jesosy nanao fahagagana, toy ny fananganana olona tamin’ny maty, mampiseho fa Andriamanitra izy? Samy nanana izany fahefana izany koa ireo apostoly ary i Elia sy Elisa mpaminany, nefa tsy nahatonga azy ireo ho ambony kokoa noho ny olona izany. Nanome ny fahefana hanao fahagagana an’ireo mpaminany sy Jesosy ary ireo apostoly Andriamanitra mba hampisehoana fa nanohana azy ireo izy. Kanefa izany dia tsy nahatonga na iza na iza tamin’izy ireo ho mpikambana tao amin’ny Andriamanitra iray mizarazara maro.

Voafetra ny fahalalan’i Jesosy

REHEFA nanambara ny faminaniany momba ny fifaranan’izao fandehan-javatra izao i Jesosy, dia hoy izy: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32). Raha toa ka ilay Zanaka mpikambana mitovy amin’ireo hafa ao amin’ilay Andriamanitra iray i Jesosy, dia ho nahafantatra izay fantatry ny Ray izy. Kanefa tsy nahafantatra izy, satria tsy nitovy tamin’Andriamanitra.

Toy izany koa, ao amin’ny Hebreo 5:8 dia vakintsika fa “nianatra fanarahana [“fankatoavana”, MN] tamin’izay fahoriana nentiny” i Jesosy. Moa ve isika afaka maka sary an-tsaina fa nisy zavatra tsy maintsy nianaran’Andriamanitra? Tsia, kanefa dia nanao izany i Jesosy, satria tsy nahafantatra izay rehetra fantatry ny Ray izy. Ary tsy maintsy nianatra zavatra izay tsy ilain’Andriamanitra hianarana na oviana na oviana izy: ny fankatoavana. Tsy mila ny mankatò na iza na iza Andriamanitra.

Hita koa io fahasamihafana eo amin’izay fantatr’Andriamanitra sy izay fantatr’i Kristy io rehefa natsangana tamin’ny maty ho any an-danitra hiaraka amin’Andriamanitra i Jesosy. Mariho ireo teny voalohany ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly: “Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy.” (Apokalypsy 1:1). Raha toa ka mpikambana iray ao amin’ny Andriamanitra iray ny tenan’i Jesosy, moa ve izy nila nomena fanambarana avy tamin’ny mpikambana hafa iray ao amin’io Andriamanitra iray io ihany, izany hoe avy tamin’Andriamanitra? Azo antoka fa ho nahafantatra izany fanambarana izany tsara izy, satria Andriamanitra nahafantatra izany. Kanefa tsy nahafantatra i Jesosy, satria tsy Andriamanitra izy.

Eo ambany fahefana hatrany i Jesosy

NANDRITRA ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy, ary koa fony izy tetỳ an-tany, dia teo ambany fahefan’Andriamanitra i Jesosy. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia mbola teo amin’ny toerana ambany kokoa na faharoa hatrany izy.

Raha niresaka ny amin’ny fitsanganan’i Jesosy i Petera sy ireo niaraka taminy dia nilaza toy izao tamin’ny Synedriona jiosy: “Izy [Jesosy] nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 5:31). Hoy i Paoly: “Izany no nanandratan’Andriamanitra azy”. (Filipiana 2:9). Raha toa ka Andriamanitra i Jesosy, tamin’ny fomba ahoana no nanandratana azy, izany hoe, nananganana azy ho eo amin’ny toerana ambony kokoa noho izay nananany teo aloha? Tokony ho efa mpikambana nisandratra iray tao amin’ny Trinite izy. Raha toa, talohan’ny nanandratana azy, ka nitovy tamin’Andriamanitra i Jesosy, ny fanandratana azy ho ambony kokoa ihany dia ho nanao azy ho ambony noho Andriamanitra.

Nilaza koa i Paoly fa Kristy dia niditra “ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika.” (Hebreo 9:24). Raha miseho eo anatrehan’ny olona hafa iray ianao, ahoana no ahafahanao ho io olona io koa? Tsia, tsy afaka ho izany ianao. Tsy maintsy ho olon-kafa miavaka tsara aminy ianao.

Toy izany koa, talohan’ny nitoraham-bato azy ho faty, i Stefana martiora dia “nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 7:55). Mazava àry fa nahita persona roa niavaka tsara i Stefana, fa tsy nahita fanahy masina, na Andriamanitra telo izay iray.

Ao amin’ny fitantarana ao amin’ny Apokalypsy 4:8 ka hatramin’ny 5:7, dia Andriamanitra, fa tsy i Jesosy, no aseho mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra. Tsy maintsy nanatona an’Andriamanitra izy mba handray ilay horonamboky teny an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Izany dia mampiseho fa any an-danitra koa i Jesosy dia tsy Andriamanitra fa miavaka tsara aminy. 

Mifanaraka amin’izay voalaza teo, ny Filazam-baovaon’ny famakiam-boky John Rylands (anglisy) navoaka tany Manchester, Angletera, dia nanambara toy izao: “Amin’ny fiainany any an-danitra taorian’ny nananganana azy, i Jesosy dia aseho ho nitahiry ny maha-izy azy manokana, samy hafa sy miavaka tanteraka amin’ny tenan’Andriamanitra, toy ilay nananany nandritra ny fiainany tamin’ny naha-Jesosy teto an-tany azy. Eo anilan’Andriamanitra ary ampitahaina aminy, dia hita marina tokoa ho fisiana hafa iray any an-danitra, ao an-kianjan’Andriamanitra, i Jesosy, tsy misy hafa amin’ireo anjely — na dia karazana hafa sy laharana ambony lavitra noho ny an’ireo aza izy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra azy.” — Ampitahao amin’ny Filipiana 2:11.

Milaza toy izao koa io Filazam-baovao io: “Kanefa, izay lazaina ny amin’ny fiainana sy anjara asany amin’ny maha-Kristy any an-danitra, dia tsy midika na manipy hevitra fa noho izy araka an’Andriamanitra, dia mitovy laharana aminy izy na Andriamanitra amin’ny fomba feno. Mifanohitra amin’izany, ao amin’ny Testamenta vaovao, ny filazalazana ny tenany sy ny asany any an-danitra dia ahitantsika azy ho sady miavaka tsara amin’Andriamanitra no eo ambany fahefany.”

Amin’ny hoavy mandrakizay any an-danitra, i Jesosy dia hitoetra ho mpanompon’Andriamanitra miavaka tsara aminy sy eo ambany fahefany. Manambara izany toy izao ny Baiboly: “Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony [Jesosy any an-danitra] ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana (...) Dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.” — 1 Korintiana 15:24, 28.

Tsy nihambo na oviana na oviana ho Andriamanitra i Jesosy

MAZAVA ny toerana tanan’ny Baiboly. Tsy hoe ilay Andriamanitra Tsitoha persona iray miavaka tsara amin’i Jesosy fotsiny i Jehovah, fa amin’ny fotoana rehetra dia ambony kokoa foana izy. Aseho mandrakariva ho miavaka tsara sy ambany kokoa i Jesosy, ho mpanompon’Andriamanitra iray manetry tena. Izany no antony ilazan’ny Baiboly mazava fa “Andriamanitra no lohan’i Kristy” amin’ny heviny mitovy amin’ny hoe “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra.” (1 Korintiana 11:3). Ary izany no antony nilazan’ny tenan’i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” — Jaona 14:28.

Ny marina dia hoe tsy Andriamanitra i Jesosy ary tsy nihambo na oviana na oviana ho izany izy. Izany no eken’ny manam-pahaizana tsy mitsaha-mitombo. Nanambara toy izao ny Filazam-baovao Rylands: “Tsy maintsy ekena ny zava-misy fa ny fikarohana tao amin’ny Testamenta Vaovao tao anatin’ny aoka hatao hoe telopolo na efapolo taona farany dia nitarika manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao fanta-daza tsy mitsaha-mitombo ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa i Jesosy dia (...) azo antoka fa tsy nihevi-tena na oviana na oviana ho Andriamanitra.”

Milaza toy izao koa ny amin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany ilay Filazam-baovao: “Rehefa nanome [an’i Jesosy] anaram-boninahitra toy ny hoe Kristy, Zanak’olona, Zanak’Andriamanitra sy Tompo izy ireo, izany dia fomba nilazan’izy ireo fa, tsy hoe Andriamanitra izy akory, fa nanao ny asan’Andriamanitra.”

Araka izany, dia misy manam-pahaizana ara-pivavahana sasany aza manaiky fa mifanohitra amin’ny fanamarinana manontolo omen’ny Baiboly ny hevitra hoe i Jesosy dia Andriamanitra. Hita ao fa ilay ambony kokoa foana Andriamanitra, ary ilay mpanompo eo ambany fahefany i Jesosy.

[Teny notsongaina, pejy 19]

‘Ireo fikarohana tao amin’ny Testamenta Vaovao dia nitarika maro amin’ireo mpandinika ny Baiboly fanta-daza ho amin’ny famaranan-kevitra fa i Jesosy dia tsy nihevi-tena mihitsy ho Andriamanitra.’ — Filazam-baovaon’ny famakiam-boky John Rylands.

[Sary, pejy 17]

Nanambara tamin’ireo Jiosy i Jesosy hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” — Jaona 6:38.

[Sary, pejy 18]

Rehefa niantsoantso toy izao i Jesosy: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao”, dia azo antoka fa tsy nihevitra ny tenany ho Andriamanitra izy.