Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?

Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?

Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?

RAHA toa ka tsy miovaova marina ny Trinite, dia tsy maintsy ho naseho mazava sy tao amin’ny Baiboly izany. Nahoana? Satria, toy ny nohamafisin’ireo apostoly, ny Baiboly dia fanambarana avy amin’Andriamanitra momba ny tenany ho an’ny olombelona. Ary satria ilaintsika ny mahalala an’Andriamanitra mba hanompoana azy amin’ny fomba azony ekena, dia tokony hiresaka ny aminy amin’ny fomba mazava amintsika ny Baiboly.

Nanaiky ny Soratra Masina ho ny tena fanambarana avy amin’Andriamanitra marina tokoa ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany. Fototry ny finoany, ny fahefana farany itodihany, izy io. Ohatra, rehefa nitory tamin’ireo mponina tao an-tanànan’i Beria ny apostoly Paoly, dia “nandray ny teny tamin-jotom-po indrindra ireo ka nandinika tamim-pitandremana ny Soratra masina isan’andro mba hahitana raha marina izany na tsia.” — Asan’ny apostoly 17:10, 11, Traduction du monde nouveau.

Fahefana inona no nitodihan’ireo olon’Andriamanitra nihazona toerana ambony tamin’izany andro izany? Milaza toy izao amintsika ny Asan’ny apostoly 17:2, 3 (MN): “Araka ny fanaony, i Paoly (...) dia nanjohy hevitra avy amin’ny Soratra masina niaraka taminy, ary nanazava sy nanaporofo tamin’ny alalan’ny fakàn-teny [avy amin’ny Soratra Masina].”

Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanome ohatra tamin’ny fampiasana ny Soratra Masina ho fototry ny fampianarany ka niteny hatrany izy hoe: “Voasoratra hoe.” “Nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” izy. — Matio 4:4, 7; Lioka 24:27.

Araka izany, i Jesosy, i Paoly ary ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany dia nampiasa ny Soratra Masina ho fototry ny fampianarany. Fantatr’izy ireo fa “ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17; jereo koa ny 1 Korintiana 4:6; 1 Tesaloniana 2:13; 2 Petera 1:20, 21.

Koa satria ny Baiboly afaka ‘manitsy izay diso’ dia tokony hanome amin’ny fomba mazava filazana ny amin’ny raharaha lazaina fa fototra toy ny Trinite izy. Kanefa moa ve ireo teôlôjiana sy mpanoratra tantara mihitsy milaza mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?

Ao amin’ny Baiboly ve ny teny hoe “Trinite”?

MILAZA toy izao ny boky protestanta iray: “Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe Trinite (...) Tsy nampidirina tao amin’ny fampianaran’ny fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy izy io raha tsy tamin’ny taonjato faha-4.” (Rakibolana ara-baiboly misy sary, anglisy). Ary milaza ny fahefana katolika iray fa ny Trinite dia “tsy (...) tenin’Andriamanitra mivantana avy hatrany.” — Firaketana katolika vaovao.

Manazava toy izao koa ny Firaketana Katolika: “Tsy misy mihitsy hatramin’izao teny na dia iray aza ao amin’ny Soratra Masina manondro an’Andriamanitra ho persona telo miaraka. Ny teny hoe τρίας [triʹas] (nadika amin’ny teny latina hoe Trinitas) dia hita voalohany ao amin’ny soratra nataon’i Teofilo avy any Antiokia tany amin’ny taona 180 amin’ny fanisan-taona iraisana. (...) Fotoana fohy taorian’izany, dia niseho tamin’ny endriny amin’ny teny latina hoe Trinitas izy io tao amin’ireo soratra nataon’i Tertullien.”

Kanefa, tsy manaporofo izany fa hoe nampianatra ny Trinite i Tertullien. Manamarika, ohatra, ilay boky katolika hoe TrinitasFiraketana ara-teôlôjian’ny Trinite masina (anglisy), fa ny sasantsasany amin’ireo tenin’i Tertullien dia nampiasain’olon-kafa tatỳ aoriana mba hilazalazana ny amin’ny Trinite. Avy eo izy io dia nampitandrina toy izao: “Tsy azo atao ny maka famaranan-kevitra maimaika avy amin’ny fampiasany azy io fotsiny satria izy [i Tertullien] dia tsy nampihatra ireo teny ireo tamin’ny teôlôjian’ny Trinite.”

Ny fanamarinana omen’ny Soratra hebreo

KOA satria tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Trinite”, moa ve fara faharatsiny ny hevitra ny amin’izy io ampianarina mazava ao? Ohatra, ahoana no ambaran’ny Soratra hebreo (“Testamenta Taloha”)?

Miaiky toy izao ny Firaketana ny amin’ny fivavahana (anglisy): “Miara-manaiky ny teôlôjiana ankehitriny fa ny Baiboly hebreo dia tsy mirakitra fampianarana ny amin’ny Trinite.” Milaza koa ny Firaketana katolika vaovao (anglisy) hoe: “Tsy ampianarina ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] ny fampianarana ny amin’ny Trinite masina.”

Sahala amin’izany koa, ao amin’ilay bokiny hoe Ilay Andriamanitra telo izay iray (anglisy), dia miaiky toy izao ilay jezoita atao hoe Edmund Fortman: “Ny Testamenta Taloha (...) dia tsy milaza na inona na inona amintsika na an-kolaka na mivantana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. (...) Tsy misy mihitsy porofo mampiseho fa nisy tamin’ireo mpanoratra masina, na dia iray aza, niahiahy akory ny amin’ny fisian’ny [Trinite] ao amin’Andriamanitra. Na dia ny fahitana ao amin’ny [“Testamenta Taloha”] tolokevitra, hevitra miafina na ‘famantarana takona’ ny amin’ny Trinite voaforona persona telo aza dia efa fihoarana ny teny sy ny fikasan’ireo mpanoratra masina.” — Izahay no manao sora-mandry.

Manamafy ireo teny ireo ny fandinihana ny Soratra hebreo. Araka izany, dia tsy misy fampianarana mazava ny amin’ny Trinite ao amin’ireo boky 39 voalohany ao amin’ny Baiboly izay mahaforona ny tena fitambaran’ny Soratra hebreo ara-tsindrimandry.

Ny fanamarinana omen’ny Soratra grika

MOA àry ve ny Soratra grika kristiana (“Testamenta Vaovao”) miresaka mazava ny amin’ny Trinite?

Milaza ny Firaketana momba ireo fivavahana (anglisy) hoe: “Miaiky ny teôlôjiana fa ny Testamenta Vaovao koa dia tsy mirakitra fampianarana hentitra ny amin’ny Trinite.”

Hoy ilay jezoita antsoina hoe Fortman: “Ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao (...) dia tsy manome antsika fampianarana ôfisialy na nosoratana mazava ny amin’ny Trinite, na mampianatra amin’ny fomba mazava fa ao amin’Andriamanitra iray dia misy persona araka an’Andriamanitra telo mitovy. (...) Na aiza na aiza isika ao dia tsy mahita fampianarana ny amin’ny Trinite, izany hoe mpikambana araka an’Andriamanitra manana fiainana sy miasa ao amin’Andriamanitra iray ihany.”

Manao izao fanamarihana izao ny Firaketana britanika vaovao (anglisy): “Tsy hita mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao na ny teny hoe Trinite na ny fampianarana mazava momba azy.”

Hoy i Bernhard Lohse ao amin’ilay boky hoe Tantara fohy ny amin’ny fampianarana kristiana (anglisy): “Raha ny amin’ny Testamenta Vaovao, dia tsy hita ao ny tena fampianarana ny amin’ny Trinite.”

Manambara toy izany koa Ny Rakibolana iraisam-pirenena vaovao ny amin’ny teôlôjian’ny Testamenta Vaovao (anglisy) manao hoe: “Tsy mirakitra ny fampianarana novelabelarina ny amin’ny Trinite ny T[estamenta] V[aovao]. ‘Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny fanambarana hentitra fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia mitovy toetra maha-izy azy’ [hoy ny nambaran’ilay teôlôjiana protestanta atao hoe Karl Barth].”

Nanamafy ny mpampianatra iray avy ao amin’ny oniversiten’i Yale atao hoe E. Washburn Hopkins fa: “Toa tsy fantatr’i Jesosy sy i Paoly ny fampianarana ny amin’ny Trinite; (...) tsy nilaza na inona na inona momba izany izy ireo.” — Fiandohana sy fivoaran’ny fivavahana (anglisy).

Manamarika toy izao ny mpanoratra tantara iray, Arthur Weigall: “Tsy nanonona fisehoan-javatra toy izany mihitsy i Jesosy Kristy, ary na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao dia tsy ahitana ny teny hoe ‘Trinite’. Tsy noraisin’ny Eglizy io hevitra io raha tsy telonjato taona taorian’ny nahafatesan’ny Tompontsika.” — Ilay fanompoan-tsampy ao amin’ny kristianisma arahintsika (anglisy).

Araka izany, na ireo boky 39 ao amin’ny Soratra hebreo, na ny fitambaran’ny boky ara-tsindrimandry 27 ao amin’ny Soratra grika kristiana dia tsy mampianatra mazava na dia kely akory aza ny amin’ny Trinite.

Nampianarin’ireo kristiana voalohany ve izy io?

MOA ve nampianatra ny Trinite ireo kristiana voalohany? Mariho izay nambaran’ny mpanoratra tantara sy teôlôjiana manaraka eto:

“Tsy nanana fampianarana mazava ny amin’ny Trinite mitovy amin’izay novolavolaina tao amin’ireo fanekem-pinoana tatỳ aoriana ny kristianisma tany am-boalohany.” — Ny Rakibolana iraisam-pirenena vaovao ny amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy).

“Tsy nieritreritra ny hampihatra ilay hevitra [ny amin’ny Trinite] tao amin’ny finoany anefa ny kristiana voalohany tany am-piandohana. Nanolotra ny fivavahany tamin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, ny Zanak’Andriamanitra, ary nanaiky ny (...) Fanahy Masina, izy ireo, saingy tsy noeritreretiny ho tena Trinite, mitovy sy iray ihany, ireo telo ireo.” — Ilay fanompoan-tsampy ao amin’ny kristianisma arahintsika (anglisy).

“Tamin’ny voalohany, ny finoana kristiana dia tsy nanohana ny Trinite. (...) Toy izany koa tamin’ny andron’ny apostoly sy ireo taona nanaraka azy, araka ny hita taratra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] sy ny taratasin’ireo kristiana voalohany hafa.” — Firaketana momba ny fivavahana sy ny fitondrantena (anglisy).

“Ny filazana hoe ‘Andriamanitra iray misy persona telo’ dia tsy naorina mafy ary azo antoka fa tsy noraisina tamin’ny fomba feno tao amin’ny fiainan’ny kristiana sy ny fanambarana ny finoany talohan’ny faran’ny taonjato faha-4. (...) Teo amin’ireo ray apostolika dia tsy nisy na inona na inona nanakaiky na dia kely akory aza an’io hevitra na fahitan-javatra io.” — Firaketana Katolika vaovao (anglisy).

Ny nampianarin’ireo Ray talohan’ny Konsilin’i Nicée

NEKENA ho mpampianatra ara-pivavahana lehibe indrindra tao anatin’ireo taonjato voalohany taorian’ny nahaterahan’i Kristy ireo Ray talohan’ny Konsilin’i Nicée. Mahaliana àry ny nampianarin’izy ireo.

I Justin le Martyr, maty tany amin’ny 165 am.fan.ir., dia niantso an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy ho anjely noforonina “hafa noho ilay Andriamanitra nanao ny zavatra rehetra.” Nilaza izy fa ambany noho Andriamanitra i Jesosy ary “tsy nanao na inona na inona mihitsy afa-tsy izay nasain’ny Mpamorona (...) nataony na nolazainy.”

I Irénée, maty tany amin’ny 200 am.fan.ir., dia nilaza fa talohan’ny naha-olombelona azy, i Jesosy dia nanana fiainana niavaka tamin’ny an’Andriamanitra ary ambany noho izy. Nasehony fa i Jesosy dia tsy mitovy amin’ilay “Andriamanitra marina sady tokana” izay “ambony noho izy rehetra, ary tsy misy hafa ankoatrany.”

I Clément avy any Aleksandria, maty tany amin’ny 215 am.fan.ir., dia niantso an’Andriamanitra ho “ilay hany Andriamanitra marina, tsy noforonina ary tsy mety maty.” Milaza izy fa ny Zanaka dia “manarakaraka ny Ray, ilay hany manan-kery tsy hita lany” fa tsy mitovy aminy.

I Tertullien, maty tany amin’ny 230 am.fan.ir., dia nampianatra ny maha-tampony an’Andriamanitra. Nanamarika toy izao izy: “Ny Ray dia tsy mitovy amin’ny Zanaka (hafa noho izy) satria lehibe noho izy, satria ny niteraka dia hafa noho izay nateraka, ary ny naniraka noho izay nirahina. Nilaza koa izy hoe: “Nisy fotoana tsy nisian’ny Zanaka. (...) Talohan’ny zavatra rehetra dia irery Andriamanitra.”

I Hyppolite, maty tany amin’ny 235 am.fan.ir., dia nilaza fa Andriamanitra “dia Andriamanitra iray, ny voalohany ary tokana, ny Mpamorona sy Tompon’ny zavatra rehetra”, izay “tsy manana mitovy [mitovy taona] aminy (...). Fa iray sy tokana ary irery izy; izay, satria tiany izany, dia nahary izay tsy mbola nisy teo aloha”, tahaka an’i Jesosy noforonina talohan’ny naha-olombelona azy.

I Origène, maty tany amin’ny 250 am.fan.ir., dia nilaza fa “ny Ray sy ny Zanaka dia firafitra roa (...) zavatra roa raha ny amin’ny maha-izy azy”, ary “raha ampitahaina amin’ny Ray, [ny Zanaka] dia fahazavana tena kely.”

Namintina ny porofo ara-tantara i Alvan Lamson ka nilaza toy izao ao amin’ilay boky hoe Ny eglizy nandritra ny taonjato telo voalohany: “Tsy mahazo fanohanana velively avy amin’ireo tenin’i Justin [le Martyr] ny fampianarana fanta-bahoaka ny amin’ny Trinite amin’ny andro ankehitriny (...): ary io fanamarihana io dia azo itarina ho amin’ny Ray talohan’ny Konsilin’i Nicée rehetra; izany hoe ho amin’ny mpanoratra kristiana rehetra nandritra ny taonjato telo taorian’ny nahaterahan’i Kristy. Marina fa miresaka ny amin’ny Ray, ny Zanaka ary (...) ny Fanahy Masina izy ireo, saingy tsy amin’ny heviny hoe mitovy izy ireo, manana ny maha-izy azy, tokana ihany, raha isaina, telo izay iray, amin’ny heviny rehetra aneken’ny mpanohana ny Trinite azy ankehitriny. Ny mifanohitra amin’izany no marina.”

Araka izany, ny fanamarinana omen’ny Baiboly sy ny tantara dia mampiharihary mazava fa tsy fantatra tamin’ny andron’ny Baiboly sy nandritra ny taonjato maromaro taorian’izany ny Trinite.

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Tsy misy mihitsy porofo mampiseho fa nisy tamin’ireo mpanoratra masina na dia iray aza, niahiahy akory ny amin’ny fisian’ny [Trinite] ao amin’Andriamanitra” — Ilay Andriamanitra telo izay iray (anglisy).