Ny Fanahy Masina — Hery miasan’Andriamanitra
Ny Fanahy Masina — Hery miasan’Andriamanitra
ARAKA ny fampianaran’ny Trinite, ny fanahy masina dia ny persona fahatelo ao amin’Andriamanitra, mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Milaza izany toy izao ny boky hoe Ny finoantsika Kristiana ôrtôdôksa (anglisy): “Ny Fanahy masina dia Andriamanitra amin’ny fomba feno.”
Ao amin’ny Soratra Hebreo, ny teny adika matetika indrindra hoe “fanahy [esprit]” dia ruʹach, midika hoe “fofonaina, rivotra, fanahy”. Ao amin’ny Soratra grika, izany dia ny hoe pneuʹma, mitovy hevitra amin’izany. Moa ve ireo teny ireo manondro fa ny fanahy masina dia mpikambana ao amin’ny Trinite?
Hery miasa iray
NY FAMPIASAN’NY Baiboly ny teny hoe “fanahy masina” dia manondro fa izy io dia hery azo fehezina izay ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny lafiny maro samy hafa amin’ny fikasany. Mety ho azo ampitahaina amin’ny herin’aratra izy io, hery izay azo ampifanarahina amina karazana asa maro samy hafa.
Ao amin’ny Genesisy 1:2, ny Baiboly dia manambara fa “ny Fanahin’Andriamanitra [“esprit” (ruʹach amin’ny teny hebreo)] nanomba tambonin’ny rano.” Eto, ny fanahin’Andriamanitra dia ny heriny miasa teo am-pamolavolana ny tany.
Mampiasa ny fanahiny Andriamanitra mba hanazavana ireo manompo azy. Nivavaka toy izao i Davida: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa hianao no Andriamanitro. Aoka ny Fanahinao [ruʹach] tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” (Salamo 143:10). Rehefa notendrena hanampy an’i Mosesy ny lehilahy nahay 70, dia hoy Andriamanitra taminy: “Ary Izaho haka amin’ny Fanahy [ruʹach] Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ireo.” — Nomery 11:17.
Noraisin’ny olon’Andriamanitra an-tsoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, “araka izay nitondran’ny Fanahy Masina [avy amin’ny teny grika pneuʹma] azy.” (2 Petera 1:20, 21). Tamin’izany fomba izany ny Baiboly no hoe “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”, ka ny teny grika nampiasaina dia ny hoe The·oʹpneu·stos, midika hoe “notsofin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16). Ary nitarika olona sasany hahita fahitana na hanana nofy ara-paminaniana koa ny fanahy masina. — 2 Samoela 23:2; Joela 3:1, 2; [2:28, 29, MN]; Lioka 1:67; Asan’ny apostoly 1:16; 2:32, 33.
Nanosika an’i Jesosy ho any an’efitra taorian’ny batisany ny fanahy masina. (Marka 1:12). Toy ny afo teo amin’ireo mpanompon’andriamanitra io fanahy io, ka nampanan-kery azy ireo. Ary nahatonga azy ireo hiteny tamin-pahasahiana sy herim-po koa izy io. — Mika 3:8; Asan’ny apostoly 7:55-60; 18:25; Romana 12:11, 1 Tesaloniana 5:19.
Amin’ny alalan’ny fanahiny no ampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny olona sy ny firenena. (Isaia 30:27, 28; 59:18, 19). Ary afaka mahatratra ny toerana rehetra koa ny fanahin’Andriamanitra, miasa ho an’ny olona na manohitra azy ireo. — Salamo 139:7-12.
‘Hery mihoatra noho ny fahita’
NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA koa dia afaka manome ‘hery mihoatra noho ny fahita’ an’ireo izay manompo azy. (2 Korintiana 4:7, MN). Izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hiaritra fitsapana ny finoany na hanao zavatra tsy hainy tanterahina raha tsy nisy izany.
Ohatra, ny amin’i Samsona, dia mitantara toy izao ny Mpitsara 14:6: “Dia nilatsaka tamin’i Samsona ny Fanahin’i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany.” Moa ve tena nisy persona iray araka an’Andriamanitra niditra na nilatsaka tamin’i Samsona ka nampiasa ny vatany hanao izany? Tsia, fa tena ny “herin’ny TOMPO [no] nampahery an’i Samsona.” — TEV.
Milaza ny Baiboly fa, rehefa avy natao batisa i Jesosy, ny fanahy masina dia nidina teo amboniny tahaka ny endriky ny voromahailala, fa tsy tahaka ny endrik’olombelona. (Marka 1:10). Io hery miasan’Andriamanitra io no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hanasitrana ny marary sy hanangana ny maty. Milaza izany toy izao ny Lioka 5:17: “Ary ny herin’ny Tompo [Andriamanitra] dia tao aminy mba hahasitranany [i Jesosy].”
Nanome hery ny mpianatr’i Jesosy mba hanaovany fahagagana koa ny fanahin’Andriamanitra. Mitantara ny Asan’ny Apostoly 2:1-4 (MN) fa nivory ny mpianatra tamin’ny Pentekosta raha “nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo (...) ary samy feno ny fanahy masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny fanahy masina azy.”
Noho izany, ny fanahy masina dia nanome an’i Jesosy sy ireo mpanompon’Andriamanitra hafa, ny hery hanaovana izay tsy ho azon’ny olona tsotra izao atao.
Tsy persona izy io
TSY misy ve, anefa, andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka ny amin’ny fanahy masina amin’ny teny fampiasa amin’ny persona? Marina izany, kanefa mariho izay nolazain’i Edmund Fortman, teôlôjiana katolika, momba izany ao amin’ny Ilay Andriamanitra telo izay iray (anglisy): “Na dia lazalazaina matetika amin’ny teny fampiasa amin’ny persona aza ny fanahy masina, dia toa mazava dia mazava fa ireo mpanoratra masina [ny Soratra hebreo] dia tsy nihevitra na nampiseho io fanahy io na oviana na oviana ho persona iray miavaka tsara.”
Ao amin’ny Soratra masina, dia tsy mahalana ny filazana zavatra ho toy ny persona. Lazaina ho manan-janaka ny fahendrena. (Lioka 7:35). Antsoina hoe mpanjaka ny fahotana sy ny fahafatesana. (Romana 5:14, 21). Ao amin’ny Genesisy 4:7, dia voalaza hoe: “Mamitsaka eo am-baravarana ny ota”, izay mampiseho ny ota ho toy ny persona, toy ny fanahy ratsy namitsaka teo am-baravaran’i Kaina. Mazava ho azy anefa fa tsy persona ara-panahy ny ota; toy izany koa, ny fampisehoana ny fanahy masina ho toy ny persona dia tsy manao azy ho persona ara-panahy.
Toy izany koa, ao amin’ny 1 Jaona 5:6-8, dia tsy ny fanahy ihany fa ny “rano ary ny ra” koa dia voalaza ho “manambara”. Miharihary anefa fa tsy persona ny rano sy ny ra, ary tsy persona toy izany koa ny fanahy masina.
Mifanaraka amin’izany ny fampiasan’ny Baiboly saiky mandrakariva ny hoe “fanahy masina” tsy toy ny persona, fa amin’ny fampitoviana azy io amin’ny rano sy ny afo. (Matio 3:11; Marka 1:8). Ampirisihina ny olona mba ho feno fanahy masina fa tsy divay. (Efesiana 5:18). Resahina ho feno fanahy masina izy ireo toy ny maha-feno fahendrena, finoana ary fifaliana azy. (Asan’ny apostoly 6:3; 11:24; 13:52). Ary ao amin’ny 2 Korintiana 6:6, ny fanahy masina dia voafaoka ho anisan’ireo toetra tsara sasantsasany. Tsy ho fahita toy izany àry ny fitenenana toy ireo, raha toa ka persona marina tokoa ny fanahy masina.
Etsy an-daniny koa, raha milaza ny teny sasany ao amin’ny Baiboly fa, miteny ny fanahy masina, ny hafa dia mampiseho fa raha ny marina, izany dia natao tamin’ny alalan’ny olombelona na anjely. (Matio 10:19, 20; Asan’ny Apostoly 4:24, 25; 28:25; Hebreo 2:2). Amin’ireo toe-javatra ireo, ny asan’ny fanahy dia toy ny onjam-peo mampita hafatra avy amin’ny olona iray ho amin’ny iray hafa any lavitra.
Ao amin’ny Matio 28:19 dia misy firesahana ny “anaran’ny (...) Fanahy Masina.” Kanefa, ny teny hoe ‘anarana’ dia tsy midika foana ho anaran’olona na amin’ny teny grika na amin’ny teny malagasy. Rehefa milaza isika hoe “amin’ny anaran’ny lalàna”, dia tsy manisy firesahana ny amin’ny olona iray isika. Ny tiantsika holazaina dia hoe izay asehony, ny fahefany. Ireo Teny mampiseho sary ao amin’ny Testamenta vaovao (anglisy) nataon’i Robertson dia milaza hoe: “Ny fampiasana ny hoe ‘anarana’ (onoma) eto dia fahita ao amin’ny Septante sy ireo papyrus mba hanondroana hery na fahefana.” Noho izany, ny batisa “amin’ny anaran’ny Fanahy Masina” dia fanekena ny fahefan’ny fanahy, fanekena fa avy amin’Andriamanitra izy io ary miasa araka ny sitrapony.
Ny “Mpanampy”
NIRESAKA ny fanahy masina hoy toy ny “Mpanampy” i Jesosy ka nilaza fa hampianatra, hitari-dalana sy hiteny izy io. (Jaona 14:16, 26 fanamarihana ambany pejy; 16:13). Ny teny grika nampiasainy ka nadika hoe mpanampy dia (pa·raʹkle·tos) amin’ny endriny milaza lahy. Noho izany, rehefa nanisy fitenenana ny amin’izay tokony hataon’ny mpanampy i Jesosy, dia nampiasa mpisolo anarana milaza lahy. (Jaona 16:7, 8). Etsy an-daniny, rehefa ny teny grika tsy milaza lahy na vavy (pneuʹma) nadika hoe fanahy no ampiasaina, dia mpisolo anarana tsy milaza lahy na vavy no ampiasaina araka ny mety.
Manafina io zava-misy io ny ankabeazan’ny mpandika teny manohana ny Trinite, toy izay eken’ny Baiboly amerikana vaovao (anglisy) izay fandikan-teny katolika, ny amin’ny Jaona 14:17 hoe: “Tsy milaza lahy na vavy ny teny grika nadika hoe ‘fanahy’, ary rehefa mampiasa mpisolo anarana amin’ny teny anglisy (‘he’, ‘his’, ‘him’ [izy, azy]) isika, ny ankabeazan’ny MSS (sora-tanana) grika kosa mampiasa ny hoe ‘it’ [izany].”
Noho izany, rehefa mampiasa mpisolo anarana milaza lahy miaraka amin’ny hoe pa·raʹkle·tos ny Baiboly ao amin’ny Jaona 16:7, 8, izany dia mba hanarahana izay takin’ny fitsipi-pitenenana, fa tsy mampianatra foto-pampianarana iray akory.
Tsy mpikambana ao amin’ny Trinite izy io
LOHARANOM-PANAZAVANA samihafa no miaiky fa tsy manohana ny hevitra fa ny fanahy masina dia ny persona fahatelo ao amin’ny Trinite ny Baiboly. Ohatra:
Ny Firaketana katolika (anglisy): “Tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Taloha ahitantsika filazana mazava ny amin’ny persona fahatelo iray.”
Ilay teôlôjiana katolika atao hoe Fortman: “Tsy nihevitra na oviana na oviana ny fanahy ho toy ny persona ny Jiosy; sady tsy misy porofo marim-pototra fa hoe misy mpanoratra ny Testamenta Taloha na dia iray aza nanana io fomba fihevitra io. Aseho saika mandrakariva ho toy ny herin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ao amin’ireo [filazantsara] sinôptika sy ao amin’ny Asan’ny apostoly.”
Ny Firaketana katolika vaovao (anglisy): “Mazava fa tsy mihevitra ny fanahin’Andiamanitra ho persona ny T[estamenta] T[aloha]. (...) Herin’Andriamanitra fotsiny ny fanahiny. Raha aseho ho miavaka amin’Andriamanitra izy io indraindray, dia satria miasa ivelan’ny tenany ny fofonain’i Yaveh.” Milaza koa izy io hoe: “Ny ankabeazan’ny andinin-teny ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia miresaka ny fanahin’Andriamanitra ho toy ny zavatra fa tsy olona; hita indrindra izany ao amin’ny fampitoviana misy eo amin’ny fanahy sy ny herin’Andriamanitra.” — Izahay no manao sora-mandry.
Ny Rakibolana katolika iray (anglisy): “Amin’ny fitambarany, ny Testamenta Vaovao, toy ny Taloha, dia miresaka ny fanahy ho toy ny tanjaka na herin’Andriamanitra.”
Noho izany, na ny Jiosy na ny kristiana voalohany dia samy tsy nihevitra ny fanahy masina ho mpikambana iray ao amin’ny Trinite. Nipoitra taonjato maro tatỳ aoriana io fampianarana io. Manamarika toy izao ny Rakibolana katolika (anglisy): “Naorina mafy tao amin’ny konsilin’i Aleksandria tamin’ny 362 ny persona fahatelo (...) ary farany, tao amin’ny konsilin’i Constantinople tamin’ny 381” — efa ho taonjato telo sy tapany taorian’ny nahafeno fanahy masina ny mpianatra tamin’ny Pentekosta!
Tsia, tsy persona akory ny fanahy masina ary tsy mpikambana ao amin’ny Trinite. Ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra izay ampiasainy mba hanatanterahana ny sitrapony. Tsy mitovy amin’Andriamanitra izy io, fa azony ampiasaina foana ary eo ambany fahefany.
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Amin’ny fitambarany, ny Testamenta Vaovao, toy ny Taloha, dia miresaka ny fanahy ho toy ny tanjaka na herin’Andriamanitra.” — Rakibolana katolika iray.
[Sary, pejy 21]
Nisy fotoana nisehoan’ny fanahy masina tamin’ny endriky ny voromahailala. Tamin’ny fotoana hafa indray izy io dia niseho toy ny lela afo — fa tsy toy ny persona mihitsy.