Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no mety hahitana vaovao tsara amin’izao fotoana izao?

Aiza no mety hahitana vaovao tsara amin’izao fotoana izao?

Toko voalohany

Aiza no mety hahitana vaovao tsara amin’izao fotoana izao?

1. Inona no azonao heverina ho vaovao tsara?

ISIKA rehetra dia maniry vaovao tsara, sa tsy izany? Eny, ny zava-kendren’ity boky ity dia ny hilaza vaovao tsara izay mahakasika ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy rehetra etỳ ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao. Manondro ho avy mamirapiratra sy azo antoka ho an’ny fianakavian’olombelona izy. Eny tokoa, rehefa ho takatrao izay rehetra momba ity vaovao tsara ity, dia matoky izahay fa hekenao ny maha-vaovao tsara lehibe indrindra an’izany.

2. Inona no tokony ho vokatry ny vaovao tsara eo amintsika? (Ohabolana 12:25; 25:25)

2 Mba haha-vaovao tsara izany ho antsika, io vaovao io dia tokony hahakasika ny fiainantsika. Tokony hampifaly antsika izy io, ary hamporisika antsika mba hanana fomba fijery manantena fahombiazana mikasika ny ho avy. Tokony hanampy antsika izy io rehefa manatrika ireo zava-misy eo amin’ny fiainana isika. Ny vokatr’izy io dia tokony ho ny fanamaivanana ny enta-mavesatra izay mitambesatra amin’ny ankabeazan’olona amin’izao andron’ny fivadibadihana izao. Izy io dia tokony hanampy eo amin’ny fanesorana ny tahotra mahazo antsika sy eo amin’ny fanaovana izay hahatonga ny fiainana ho misy zava-kendrena ary misy vidiny.

3. Karazana filazam-baovao inona no hahasambatra anao?

3 Alao sary an-tsaina fa hoe isa-maraina, rehefa mandray ny gazetintsika isika, dia mamaky lohateny toy ireto:

“Tsy misy tsy fahampiam-ponenana — Asa azo antoka ho an’ny tsirairay”

“Vokatry ny tany tsy mbola nisy toy izany — Sakafo tsara be dia be”

“Lasa ny fampisaratsarahana ara-poko”

“Foana ny heloka bevava”

“Tanteraka ny fiadanana maneran-tany”

“Nanjavona ny aretina sy ny fahanterana — Nakatona ireo hopitaly sy toerana fiandrasam-paty”

“Mifanara-tsaina tanteraka ireo mpitondra eto an-tany — Eo an-dalam-pahatanterahana ny fandaharana natao mba hifaliana amin’ny fomba feno eo amin’ny fiainana”

4. a) Heverinao ho zava-mahagaga ve izany vaovao tsara izany ka tsy ho marina? b) Mahafantatra zava-mitranga andavanandro sasany izay fahagagana marina tokoa ve ianao? (Lioka 12:27) d) Raha ny tokony ho izy, iza moa no loharanon’ireny fahagagana ireny? (Asan’ny Apostoly 14:15, 17) e) Inona koa moa no tantarain’ny vaovao tsara?

4 Tsy isalasalana fa hahasambatra antsika ny vaovao tsara toy izany! Mety hiteny anefa ianao hoe, ‘Tsy ho tanteraka izany! Tsy ho tonga izany na oviana na oviana! Izany dia ho fahagagana!’ Nefa inona moa no atao hoe fahagagana? Izy io dia nofaritana ho “ny zava-mahatalanjona iray vokatry ny toe-javatra iray mihoatra ny natiora”. Ary marina fa isika mandrakariva dia voahodidin’ny zava-mahatalanjona izay tsy azon’ny toe-javatra araka ny natioran’olombelona entina na foronina. Eny tokoa, ny fiainana ihany dia efa fahagagana iray! Ary eo amin’ireo zavatra velona eto an-tany, dia fahagagana tsy tambo isaina no mitranga isan’andro. Ny fahaterahan’ny tsirairay amin’ny zavaboary velona dia fahagagana, ary toy izany koa ny fivelatry ny voninkazo tsirairay avy. Ny hatsaran-tarehy izay mandravaka ny tany sy ny tahiry miavosa izay mihazona ny fiainana eo aminy, dia manambara amin’ny feo mafy fa misy Mpamorona iray feno fahendrena sy feno fitiavana, nahatanteraka ny fahagagana nampamokatra izany rehetra izany. Ny vaovao tsara tantaraina eto dia miresaka ny amin’ny zavatra mahatalanjona ho avy izay hotanterahiny amin’ny famerenana ny firaisan-tsaina, ny fiadanana ary ny fahasambarana eo amin’ny zavaboariny rehetra.

5. Inona no hafatra voamarikao eo amin’ny famoronana?

5 Na dia amin’izao fotoana izao aza, any amin’ny toerana izay tsy nolotoin’ireo olona matimatin-karena, ny famoronana manontolo dia manaporofo amintsika fa Izay namolavola sy nanao izany dia manana ireo toetra mahagagan’ny fitiavana, ny hatsaram-po, ny fahendrena ary ny fahitan-javatra mialoha. Ireo zava-mahagagan’ny famoronany dia tapany amin’ny hafany ho antsika. Toa manala vizana sy manintona ho an’ny masontsika ery ny hatsaran-tarehin’ny toerana taza-maso iray maitso mavana! Ary anefa dia izany maitso amin’ny zava-maniry izany ihany no fiasana izay manova ny hery avy amin’ny masoandro mba ho tonga sakafo hamelomana ny tenantsika. Ny tavan’olombelona dia manana orona mba hanimboloana, sofina mba handrenesana, maso mba hijerena sy vava, nify ary lela mba hihinanana sy hitenenana. Nefa rehefa atambatra ireny faritra rehetra ireny, dia endrey ny hatsaran’ny fahitana izany tava izany rehefa mampiseho ny maha-izy azy, dia ireo toetra sahala amin’ny an’Andriamanitra!

6. a) Ao amin’ny Boky roa inona moa no ilazan’ny Mpamorona Lehibe mazava tsara ny hafany ho an’ny olombelona? b) Fanantenana inona moa no omen’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly mikasika ny: 1) Fonenana sy asa azo antoka ho an’ny rehetra? 2) Habetsahan’ny tahirin-tsakafo? 3) Fanesorana ny fampisaratsarahana ara-pirazanana? 4) Fanafoanana ny heloka bevava? 5) Fanafoanana ny ady? 6) Fanjavonan’ny aretina, ny fahanterana ary ny fahafatesana? 7) Fitondrana ny tany amin’ny fahamarinana?

6 Eny, ny zava-mahatalanjona hitantsika eo amin’ny famoronana, anisan’izany ny famolavolana ny olona mihitsy, dia manambara amintsika ny hafatra fa velona ny Mpamorona Lehibe iray ary manana fikasana mikasika antsika olombelona izy. Na izany aza, dia nosoratany io hafatra io, tsy ao amin’ny Bokin’ny famoronana fotsiny, fa amin’ny ranomainty sy taratasy ao anatin’ny boky iray izay azontsika vakina amin’ny sora-pirinty amin’izao fotoana izao koa. Ao anatin’io Boky io dia lazainy mazava izay azony atao mba handaminana ireo zava-manahirana sy hanasitranana ireo aretina izay atrehintsika olombelona ankehitriny. Jereo ange ny ohatra sasany ny amin’izay lazain’ny Mpamorona ny tanintsika fa hataony ho an’ny vahoakany.

Fonenana sy asa azo antoka ho an’ny tsirairay:

“Dia hanangona ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.” “Fa izay mihaino Ahy [ny fahendrena] kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” — Amosa 9:14; Ohabolana 1:33.

Vokatra sy sakafo be dia be ho an’ny rehetra:

“Ny tany efa nahavokatra”. “Hahavoka-bary betsaka ny tany”. “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro (...) Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” — Salamo 67:6; 72:16; 145:1, 16.

Ny fampisaratsarahana ara-poko dia nosoloana firahalahiana:

“Indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny (...) Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo”. “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” — Apokalypsy 7:9, 16; Matio 23:8.

Foana ny heloka bevava, ny herisetra ary ny faharatsiana:

“Fa ny mpanao ratsy hofongorana; (...) rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ny ratsy fanahy”. “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay”. — Salamo 37:9, 10; 92:7.

Ny fahatanterahan’ny fiadanana maneran-tany — Tsy hisy ady intsony:

“Fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. — Lioka 2:14; Mika 4:3, 4.

Fanjavonan’ny aretina, ny fahanterana ary ny fahafatesana:

“Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” “Nisy hazon’aina (...); ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. Ary tsy hisy ozona intsony”. — Apokalypsy 21:4; 22:2, 3.

Fitondrana marina iray ho an’ny olombelona rehetra:

“Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny.” “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka (...) hatramin’ny faran’ny tany (izy)”. — Isaia 32:1; Salamo 72:7, 8.

7. a) Amin’olona firy moa ny vaovao tsara no torina ho toy ny “vaovao mahafaly”? b) Nahoana moa izany no azo antsoina hoe vaovao tsara “mandrakizay”? (Isaia 40:8)

7 Toa vaovao tsara mahatalanjona izany, sa tsy izany moa? Marina fa ny olona sasany dia manao an’io vaovao tsara io ho fihomehezana, kanefa dia tsy manana na inona na inona hatolotra izy ireny ho setriny. Tsy ilainao ny ho tahaka azy ireny. Ianao sy ny fianakavianao dia tsy hamoy na inona na inona — ary mety hahazo betsaka aza — amin’ny fandinihana ireo fampanantenana lehibe ireo. Ny vaovao tsara izay hodinihintsika dia nantsoina hoe vaovao tsara mandrakizay ary torina ho toy ny “vaovao mahafaly amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” (Apokalypsy 14:6, MN ) Manambara fitahiana tsy miova ary maharitra ho an’ny olombelona rehetra izany amin’ny ho avy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]