Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andriamanitra”, ilay Loharanon’ny vaovao tsara

“Andriamanitra”, ilay Loharanon’ny vaovao tsara

Toko faha-6

“Andriamanitra”, ilay Loharanon’ny vaovao tsara

1. Karazan’andriamanitra samihafa inona moa no ivavahan’ny olona amin’izao fotoana izao?

INONA no hevitry ny hoe “Andriamanitra”? Olona an-jato tapitrisany no milaza fa mino ny Andriamanitry ny Baiboly, nefa tsy manompo azy fa manompo kosa Trinite iray saro-pantarina. Hindoa an-jato tapitrisany koa no manompo Trinite iray, dia ny “trimourti” manan-doha telo voaforon’i Brahma, Vichnou ary Çiva, izay anisan’ireo andriamanitra sy andriamani-baviny 330 tapitrisa. Olona an-jato tapitrisany no manompo sary samihafan’i Bouddha, ary ny shintoisma dia manana ny fitambaran’andriamaniny 8 tapitrisa, ka ao anatin’izany ny andriamani-bavy masoandro Amaterasou Omikami. Avy eo dia misy olona an-jato tapitrisany milaza ho tsy mino akory izay andriamanitra. Ny sasany amin’izy ireny dia manambara fa ny fivavahana dia “opioma ho an’ny vahoaka”, kanefa manamboatra ny fatin’ireo filohany izy mba haseho ary mivavaka aminy.

2. Inona moa no tokony hirin’ny tsirairay avy amintsika hotadiavina mikasika an’Andriamanitra? (I Korintiana 8:5, 6)

2 Raha ny marina dia misy fifangaroan’ny andriamanitra maro ao amin’ny faritry ny fivavahana, ka izany dia mitatra sahala amin’ny empira iray midadasika maneran-tany. Ho fahasoavana ho antsika tokoa àry ny fandinihana izany toe-javatra izany amin’ny saina malalaka, sy ny fijerena raha tahiny azontsika fantarina ny fahamarinana mikasika an’Andriamanitra.

IREO ANDRIAMANITRY NY FIANAKAVIANA

3. a) Tokony hanaja ireo ray aman-drenintsika ve isika? (Deoteronomia 5:16) b) Araka ny fandrindran-kevitra, hitarika antsika ho amin’inona moa ny fivavahana amin’ny razana? (Genesisy 3:1-6)

3 Misy olona maro manompo ireo razany, ary ny sasany dia manao izany amin’ny fahatsorana tokoa. Marina aloha fa ny tsirairay dia tokony hanaja ny ray aman-dreny ary ny raibe sy ny renibe izay mendrika ny fanajana toy izany. Ny apostoly Paoly dia nanonona ny fahadimy amin’ny Didy Folo araka izao: “Manajà ny ray sy ny reninao (...) mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany”. (Efesiana 6:2, 3) Nefa milaza ve izany fa tsy maintsy manolotra fankalazana azy ireo isika? Raha tokony hanompo ny razantsika isika, ary akarintsika any amin’ny fiandohan’ny tantara izany fanompoana izany, dia ho hita manompo ny ray aman-dreny voalohan’ny olombelona isika, dia Adama sy Eva, izay ny tsy fankatoavany tao amin’ny sahan’i Edena no nampanomboka ny fahasahiranan’izy ireo sy ny tsy fahasambarany! Marina tokoa fa tsy tiantsika ny hanompo ireny razana ireny!

4. a) Inona moa no asehon’ny fitantarana avy any Atsinanana raha ny amin’ny fanajana sy ny fivavahana? b) Ahoana no itantarana an’Andriamanitra ao amin’ny Matio 22:32, ary nahoana? (I Tesaloniana 4:13)

4 Ny tombontsoa mivantana amin’ny fanomezana ny haja tokony ho azy an’ireo olona efa zokinjokiny raha mbola velona izy, dia asehon’ireto fitantarana avy any Atsinanana ireto:

Tao amin’ny fianakaviana japone iray ny zanakavavy izay nifikitra akaiky tamin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia niahy tamim-pitiavana ireo ray aman-dreniny raha mbola velona izy ireo. Nanome azy ireo ny zavatra tena nilainy marina izy. Tetsy andanin’izany, ilay zanakalahy dia tsy nanao na inona na inona mba hanampiana ny ray aman-dreniny raha mbola velona izy ireo, nefa taorian’ny fahafatesany dia nividianany butsudan (alitaram-pianakaviana bodista) iray 300 dôlara (eo amin’ny 15 000 ariary) izy ireo, mba hahafahana mivavaka aminy.

Tany Korea, ny zazalahy iray dia nanaiky ny fampianaran’ny Baiboly, nefa rehefa niverina tany amin’ny tanàna nahabe azy izy, dia nanohitra azy mafy ny ray aman-dreniny mpanompo ny razana ary ireo zokiolona. Na dia izany aza anefa, rehefa nohazavainy ny momba ny fanajana ny ray aman-dreny mbola velona sy ny tsy fanompoana ny efa maty, dia nisy zokiolona iraika amby valopolo taona tao an-tanàna niaiky hoe: “Ny velona no tokony hiarahantsika miaina, fa tsy ny maty.”

Marina tokoa fa ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, toy izany koa ao amin’ireo tany tsy kristiana, ny fanompoam-pivavahana dia mihodinkodina be dia be eo amin’ny lamesa, ny hirahira ary fombafomba hafa ho an’ny maty. Kanefa, ny Andriamanitry ny Baiboly dia lazalazaina ho toy ny “Andriamanitra tsy an’ny maty, fa an’ny velona”. (Matio 22:32) Velona ao amin’ny fitadidiany na dia ny olona maty aza, ary amin’ny fotoana voatendry izy dia hamerina indray azy ireny amin’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Noho izany, dia tsy ankasitrahany ny fombafomba andaniam-bola be sy misehoseho mikasika ny maty. Iza àry io Andriamanitra velona io?

“ILAY ANDRIAMANITRA SAMBATRA”

5. Inona moa no sasany amin’ny toetran’ilay “Andriamanitra sambatra”? (Salamo 146:5, 6)

5 Ny Baiboly dia mitantara azy ho toy ilay “Andriamanitra sambatra”, izay Loharanon’ny “vaovao tsara be voninahitra” ho an’ny olombelona. (I Timoty 1:11, MN ) Tiany ny izao tontolo izaon’ny olombelona, ary iriny ny hahasambatra antsika koa. Amin’ny maha-Mpamorona an’izao rehetra izao manontolo azy, dia manana ny hery hahatonga antsika ho sambatra izy, ary amin’ny maha-“Fahagola” izay velona mandrakizay doria azy, dia manana ny fahendrena tampony ilaina mba hitondrana toe-piainana sambatra eto amin’ity tany ity izy. (Daniela 7:9) Satria “tia rariny” izy, dia hataony izay hahatonga an’ireo tsy mivadika aminy sy amin’ny fotopoto-pitsipiny marina, “handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. (Salamo 37:28, 29) Miresaka toy izao ny amin’io Mpamorona sady Andriamanitra io ny Baiboly:

“Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.” “Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.” — Salamo 90:2; I Timoty 1:17.

6. Nahoana moa no ho ratsy ny fampitahana an’Andriamanitra amin’ny sampy? (Isaia 42:5, 8)

6 Ny Andriamanitry ny Baiboly dia ilay Andriamanitra velona, ilay Andriamanitra manana fotopoto-pitsipika ambony ara-pitondrantena, ilay Andriamanitra izay hanatanteraka ny fikasany lehibe mba hahatonga ny olombelona ho sambatra. Ny iray amin’ny mpanoratra salamo dia milaza toy izao ny aminy:

“Nefa any an-danitra Andriamanitsika; efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.” (Salamo 115:3)

Noho izany dia tsy ho azo ampitahaina na oviana na oviana amin’ny sampy tsy mahavita na inona na inona ary tsy misy aina izy! Mikasika ireo izay mametraka ny fitokisany amin’ny sampy toy ireny dia hoy ihany io mpanao salamo io:

“Volamena sy volafotsy ny sampin’ireny, asan’ny tànan’olona; manam-bava izy fa tsy miteny; mana-maso izy, fa tsy mahita; manan-tsofina izy, fa tsy mandre; manana orona izy, fa tsy manimbolo; manan-tànana izy fa tsy mandray; manan-tongotra izy fa tsy mandeha; ary tsy mahaloa-peo ny tendany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.” (Salamo 115:4-8)

Tsy hivavaka amin’ny sampy maty àry isika fa tokony hivavaka amin’ilay Andriamanitra velona kosa.

7. Nahoana moa isika no tokony hitady an’Andriamanitra? (Salamo 34:8)

7 Ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana marina ho antsika dia ny fitadiavana amin-jotom-po hahafantatra an’io Andriamanitra sambatra io, satria, araka ny fanambaran’ny apostoly Paoly, Izy dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6) Tsy sarotra loatra akory ny fahitana an’io Andriamanitra io, ary tsy tokony hatahotra azy isika. Io Paoly io ihany, raha niresaka tamin’ny fitambaran’olona Grika izay nivavaka tamin’ny sampy, dia nanazava ny amin’Andriamanitra tamin’izao fomba izao:

“Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona toa mila zavatra, fa izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: ‘Fa terany koa isika.’

“Ary satria terak’Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona.” (Asan’ny apostoly 17:22-29)

Nihomehy ny sasany izay nandre an’i Paoly, fa ny hafa kosa niaiky ary tonga mpino an’ilay Andriamanitra velona.

ANDRIAMANITRA MPAMORONA

8. Inona moa no azontsika ianarana mikasika an’Andriamanitra avy amin’ny asa famoronany? (Salamo 19:1)

8 Misy olona amin’izao fotoana izao mandà ny fisian’Andriamanitra. Ny sasany milaza hoe, “Maty Andriamanitra”. Nefa moa ve marina ny tsangan-kevitr’izy ireo? Raha niresaka ny amin’ny olona toy ireny i Paoly, dia hoy izy tao amin’ny iray amin’ny taratasiny:

“Fa ny fombany [an’Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra [tsy afa-tsiny, MN ] ireo.” (Romana 1:20)

Izao rehetra izao midadasika sy ny zava-mahatalanjona ao anatiny dia tena fisehoan’ny “hery mandrakizay” ananan’Andriamanitra.

9. Inona moa no neken’ireo manam-pahaizana malaza mikasika ny toeran’ny olona eo amin’izao rehetra izao?

9 Na dia ireo mpahay siansa malaza aza dia miaiky indraindray ny amin’ny fahakelezan’izy ireo raha oharina amin’ny hery mampitolagaga sy ny fahendrena miseho eo amin’ny zavatra noforonina. Ohatra, Albert Einstein dia nanaporofo toy izao indray mandeha:

“Ampy ho ahy ny (...) misaintsaina ny firafitra mahatalanjon’izao rehetra izao, izay azontsika dinihina lalina tokoa, sy ny miezaka amim-panetren-tena hahatakatra, eny, fa na dia tapany bitika amin’ny fahendrena mibaribary eo amin’ny natiora aza.”

10. Ahoana moa no nampiaiken’i Newton ny sakaizany iray fa velona ny Mpamorona?

10 Ny olona nahita ny “lalàn’ny hery misintona”, Andriamatoa Isaac Newton, dia iray hafa koa izay taitra aoka izany noho ny fisehoan’ny toetra miafin’Andriamanitra izay azo jerena eo amin’ny zavatra noforoniny. Ny fitantarana manaraka dia mampiseho ny fomba nanaporofoan’i Newton ny finoany ny Andriamanitra Tsitoha:

Indray andro Newton dia nampanamboatra ny teknisiana mahay iray, modely iray mampiseho fandehan-javatra miankina amin’ny masoandro. Ireo zavatra boribory mampiseho an’ireo planeta dia nampihetsehina miaraka mba hihodinan’izy ireo manao boribory miaraka sahala amin’ny tena izy. Indray andro ny sakaiza iray tsy mino an’Andriamanitra dia nitsidika an’i Newton. Rehefa nahita ilay modely izy, dia nampihetsika azy ary nihiaka tamim-pahagagana hoe, “Iza no nanao an’ity?” Hoy ny navalin’i Newton, “Tsy iza tsy iza!” Hoy indray ilay tsy mino an’Andriamanitra, “Heverinao ho adala angaha aho! Raha ny tena marina dia nisy nanamboatra an’io, ary manam-pahaizana izany olona izany.” Dia hoy indray Newton tamin’ilay sakaizany, “Ity zavatra ity dia fanahafana madinika ihany ny fandaharan-javatra lehibebe kokoa izay fantatrao ny lalàny, ary izaho dia tsy afaka nampino anao fa io kilalao tsotra io dia tsy nisy mpamboatra sy mpanao; kanefa dia milaza ho mino ianao fa ny tena izy lehibe nahazoana io zavatra namboarina io dia niforona ho azy amin’izao tsy nisy mpamboatra na mpanao!”

Nanjary niaiky ilay sakaizan’i Newton fa Andriamanitra no Mpamboatra sy Mpanao ny zavatra rehetra. Azo antoka fa isika koa, rehefa mijery ny zava-mahatalanjona noforonina manodidina antsika, eny an-danitra sy etỳ an-tany, dia tokony hiaiky fa Mpamorona iray feno fahendrena no nanao izany rehetra izany! Tokony hanao ahoana moa ny fankasitrahantsika noho ny nametrahan’izany Mpamorona mahery izany tamim-pitiavana ny olona eto amin’ity tany ity, sy ny fiheverany antsika lalina tokoa!

NY ANARANA MALAZAN’ANDRIAMANITRA

11. a) Nahoana moa no ara-dalàna ny hananan’Andriamanitra anarana? b) Iza no anaran’Andriamanitra? (Isaia 12:2, 4) d) Impiry no isehoan’izany ao amin’ny Baiboly? e) Ahoana moa no nampahafantaran’Andriamanitra tamin’ny fomba manokana ny anarany tamin’ny andron’i Mosesy? (Eksodosy 6:3, 7, 8)

11 Amin’ny maha-olombelona antsika dia manana anarana isika tsirairay avy. Amin’ny maha-Olona lehibe indrindra azy eo amin’izao rehetra izao, Andriamanitra koa dia manana anarana. Iza izany anarana izany? Ny anaran-dehiben’Andriamanitra dia miseho eo amin’ny im-7 000 eo, ao anatin’ny Baiboly. Ohatra, ny Salamo 83:18 dia milaza ny aminy toy izao: “Hianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Rehefa nampiasa an’i Mosesy Andriamanitra mba hanafaka ny Isiraely tamin’ilay Farao lozaben’i Egypta, dia nampahafantariny tamin’ny fomba manokana indrindra ny anarany. Hoy Farao tamim-pihaikana, “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely?” (Eksodosy 5:2) Nasehon’i Jehovah mazava tsara ny hoe iza izy! Rehefa avy nandefa loza folo nandrava teo amin’i Egypta i Jehovah Andriamanitra, dia nitarika ny vahoakany hivoaka avy tao, ka nampisaraka tamin’ny fomba mahagaga ny ranon’ny Ranomasina Mena mba hanome lalana azy ireo. Koa ny tsara indrindra tamin’ny tafik’i Farao dia maty tao amin’io rano io ihany rehefa nikatona indray izany.

12. Ampifandraisina amin’ny fikasana inona moa ny anaran’Andriamanitra? (Eksodosy 3:13-15)

12 Nasehon’i Jehovah tamin’izany fa ny anarany malaza dia mifandray amin’ny fikasany hanafaka ireo izay tia sy mankatò azy, ka izany dia zavatra mety hankamamintsika amim-pankasitrahana rehefa hanao zavatra tsy ho ela i Jehovah amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ankehitriny voaforon’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra. Sahala amin’ny anambaran’ny tenan’Andriamanitra azy ihany efa ho maherin’ny inenimpolo amin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany, “dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” — Ezekiela 38:23.

13. a) Inona moa no nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy mikasika ny toetrany? b) Inona moa no toetran’Andriamanitra miavaka indrindra? (Romana 8:38, 39) d) Ahoana no mety hahitantsika valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniantsika mikasika ny fiainana?

13 Kanefa, maro amin’ny olombelona amin’izao fotoana izao no tonga amin’ny fahafantarana an’i Jehovah amin’ny fomba iray izay hitondra fitahiana ho azy ireo. Manana toetra mahatalanjona io Andriamanitra lehibe io, dia tahaka ny nanambarany izany tamin’i Mosesy mpaminaniny hoe:

“Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” (Eksodosy 34:6, 7)

Vakintsika ao amin’ny Baiboly manontolo ny fampisehoan’i Jehovah ny haben’ny famindrampony amin’ireo izay manompo azy amim-pahatokiana. “Andriamanitra dia fitiavana.” (I Jaona 4:8) Mamindra fo be dia be izy amin’ny olona izay miala amin’ny faharatsian’izao tontolo izao ary mitady ny fahamarinany. Be fahamarinana izy, ka izany dia asehony ao amin’ireo pejin’ny Baiboly. Raha eo am-pikarohana ny fahamarinany isika, dia hahita valiny mahafa-po amin’ny fanontaniana maro izay mety hapetratsika mikasika ny fiainana.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 48]

Ny olombelona dia mivavaka amin’ny andriamanitra maro. Nefa iza moa ilay Andriamanitra velona?

[Sary, pejy 49]

Iza no tsaratsara kokoa: mivavaka amin’ny razana efa maty, sa manaja ny ray aman-dreny mbola velona?

[Sary, pejy 55]

Ilay Andriamanitra velona ihany no afaka namboatra sy nanao ny fandehan-javatra miankina amin’ny masoandro

[Sary, pejy 56]

יהוה JEHOVAH

Mampisandratra ny anarany i Jehovah amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy sy amin’ny fiarovana ny mpanompony mahatoky