Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanafahana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana

Fanafahana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana

Toko faha-13

Fanafahana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana

1. Araka ny voatantara eto, inona moa no mety hitranga amin’ny fianakaviana misy kamboty ka hanome azy ireo antony tokony hahafeno fisaorana?

KAMBOTY maro be no vokatr’ireo ady mahatsiravina tamin’izao taonjato faharoapolo izao. Alao sary an-tsaina ny amin’ny fianakaviana iray misy kamboty izay efa maty avokoa ny ray sy ny reny. Tsy manana fialofana na fomba hameloman-tena izy ireo, ka dia mirenireny tsy manana eo amin’ny fiainana — noana, marary ary tsy manana fanantenana amin’ny ho avy. Kanefa, aoka hatao hoe misy lehilahy tsara fanahy iray nanamarika ny fahorian’izy ireo, ary mampiseho fitiavana azy ireo. Ampianariny ny zanakalahiny izay tsy manambady mba ho tia ireo kamboty ireo ary hitondra azy ireo any an-trano. Ao dia sasany izy ireo, omeny hanina sy fitafiana, ary aloany ny trosany. Tonga tahaka ny ray tokoa ilay zanakalahy ho azy ireo ary mitaiza azy mba hahita fiainana feno fifaliana. Moa ve tsy tokony ho feno fisaorana ilay lehilahy tsara fanahy sy ny zanany lahy ireo kamboty ireo? Marina tokoa fa tokony hisaotra azy izy ireo!

2. Ahoana moa no nahatonga antsika rehetra ho tahaka ny “kamboty”? (Romana 5:12)

2 Tsapanao ve fa anisan’ny mpikambana amin’ny fianakaviana iray misy kamboty toy izany ianao? Eny, satria iray ianao dia taranak’i Adama, izay rain’ny olombelona sady namela ny fianakavian’olombelona manontolo ho amin’izao toe-piainana mahatsiravina misy azy ankehitriny izao, noho ny fahotany an-tsitrapo. Sahala amin’ireo ankizy kamboty ireo, isika koa dia “namidy ho andevon’ny ota” tamin’ny fandovana izany toe-piainana mampalahelo avy amin’i Adama izany. — Romana 7:14.

3. Nahoana moa isika no tsy manan-kery mba hanavotana ny tenantsika? (Salamo 51:5)

3 Satria isika mpanota hatramin’ny fahaterahana, isika olombelona rehetra dia ao anatin’ny toe-javatra toa tsy misy fanantenana voatantara ao amin’ny Salamo 49:7:

“Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony”.

Raha tsy nisy olona avy any ivelan’ny fianakavian’olombelona nitondra fanampiana, dia ho faty avokoa isika rehetra, ary hitoetra ao amin’ny fahafatesana mandrakizay. Satria Andriamanitra tsy afaka hamela ireo zavaboary manohy manota, na “tsy mahatratra ny mariky” ny fahamarinany, ho velona tsy misy farany. Hanan-kery ratsy mamindra eo amin’izao rehetra izao madio izy ireo.

4. a) Inona moa no mampiseho fa miahy ny olombelona Andriamanitra? (I Jaona 4:9, 10) b) Iza moa “ny Zanaka”?

4 Na dia izany aza, sahala amin’ilay lehilahy tsara fanahy voatantara terỳ ambony, Jehovah Andriamanitra dia nampiseho fa miahy ny olombelona izy, ary nanao zavatra araka ny voalazan’ny Baiboly amintsika hoe:

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [-n’ny olombelona]: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16)

Tantaraina ho toy ny “Tokana” io Zanakalahy io satria izy no zavaboary voalohany sy tokana noforonin’Andriamanitra mivantana. Araka ny efa nomarihintsika, dia niasa teo anilan’i Jehovah tamin’ny naha- “mpità-marika” tamin’ny famoronana ny zavaboary hafa rehetra izy. Amin’ny maha-mpitondra tenin’Andriamanitra lehibe indrindra azy, dia antsoina koa hoe “ny Teny” izy. — Jaona 1:1-3.

TONGA TETY AN-TANY NY ZANAKA

5. a) Ahoana moa no nahatonga ny Zanaka ho olona iray teto an-tany? (Lioka 1:30-35) b) Tamin’ny fomba ahoana moa no nifanitsian’i Jesosy amin’ilay Adama tanteraka?

5 Nisy fandaharana nataon’i Jehovah mba hanirahana ny Zanany lahy avy any an-danitra ho etỳ an-tany. Andriamanitra dia ‘namboatra tena iray ho azy’, dia vatan’olombelona lavorary iray, tamin’ny famindrana ny herim-piainan’ny Zanany avy amin’ny faritry ny lanitra ho ao an-kibon’ny virijina iray atao hoe Maria, taranak’i Davida mpanjaka, ka rehefa afaka sivy volana izy dia niteraka azy teto an-tany tamin’ny naha- “Zanak’olona” azy. (Hebreo 10:5; Jaona 3:13) Rehefa nahatratra ny fahamasahana feno io Jesosy Zanaka io, dia nifanitsy tanteraka tamin’i Adama olona voalohany. Sahala amin’ny nampisehoan’i Adama olona lavorary ny voninahitr’Andriamanitra, Jesosy koa tamin’izay dia nampiseho izany voninahitra izany:

“Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” — Jaona 1:14.

6. a) Nahoana moa Jesosy no tokony ho olona tanteraka? (I Timoty 2:5, 6) b) Nahoana moa Jesosy no tsy niteraka mba hanana ny fianakaviany manokana? d) Tamin’ny fomba ahoana moa Jesosy, amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy, no nividy ny olombelona? (I Petera 1:18, 19)

6 Jesosy akory tsy tapak’Andriamanitra sy tapak’olona. Tsy Andriamanitra tonga nofo izy. Mba ho avotra noho ny “fahadisoan’ny anankiray [Adama]”, “ny olona iray, Jesosy Kristy”, dia tokony hifanitsy tanteraka amin’i Adama lavorary fahiny. Tokony ho olona tanteraka izy, tsy mihoatra ary tsy latsaka. (Romana 5:15) Sahala amin’i Adama, Jesosy dia nety ho afaka nanambady ary nanana ny fianakaviany manokana, izay tamin’ny farany dia ho voaforon’ny olombelona tanteraka an’arivo tapitrisany maro. Nefa tsy izany no sitrapon’ny Rainy mikasika azy. Ny fikasan’Andriamanitra ny amin’i Jesosy dia ny hitoerany ho tsy manan-janaka sy ny hanolorany ny tenany ho toy ny fanatitra olombelona tanteraka. Ny rany izay nalatsany tamin’ny nahafatesany dia hampiseho ny fiainan’olombelona tanteraka mifanitsy indrindra amin’ny fiainan’i Adama, ary hampiasainy izany hividianana ny fianakaviana manontolon’i Adama mba ho azy manokana. Noho izany Jesosy dia tonga “ray” ho an’izany fianakaviana kamboty izany, ka ny “maro” amin’izany dia resahiny ao amin’ny Matio 20:28:

“Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”

FANAFOANANA NY TROSAN’OTA

7. a) Ahoana moa no nahazoan’i Jesosy “vola tolo-botsotra” mba hanafoanana ny trosan’otan’ny olombelona? b) Ahoana no nahafahany nandoa izany tany amin’i Jehovah? (I Korintiana 15:45)

7 Tahaka ny zanakalahin’ilay lehilahy tsara fanahy ao amin’ny fanoharana nataontsika, izay nandoa ny trosan’ilay fianakaviana kamboty, dia azon’i Jesosy natao ny nanafoana ny trosan’ota izay nolovan’ny fianakavian’olombelona avy tamin’i Adama. Kanefa aloha Jesosy tsy maintsy manana eo am-pelatanany ny vidin’ny fiainany, sahala amin’ny “zavatra tolo-botsotra”, mba handoavana izany trosa izany. Tokony ho faty amin’ny maha-olombelona azy izy, mba hahafahany mamoy ny zony amin’ny fiainan’olombelona ka hampiasany izany amin’ny fomba hafa. Tamin’ny fikendrena izany, dia nanaiky an-tsitrapo izy handalo fahafatesana mahery vaika teo an-tanan’ny fahavalon’Andriamanitra. Nefa dia tsy azon’ireny fahavalo ireny natao ny nanaisotra taminy izany zo ho amin’ny fiainan’olombelona izany. Tonga toy ny “vola azo naloa” teo am-pelatanany izany. Rehefa natsangan’Andriamanitra “tamin’ny fanahy” izy ka niakatra indray ho any an-danitra, dia nanana hatrany izany “vola azo naloa” izany teo an-tanana mba haloa amin’i Jehovah ho toy ny “avotra”. Noho izany dia afaka nividy indray izy izay narian’i Adama dia: ny fiainana ho an’ny taranak’i Adama rehetra. — I Petera 3:18; Romana 3:24.

8. Ohatra ara-paminaniana inona moa no omen’ny Baiboly amin’ny fanaovana fanatitra noho ny fahotan’ny olombelona? (Levitikosy 16:34)

8 Sahala amin’izay nitranga tamin’ilay fianakaviana kamboty voatantara teo aloha, Jesosy amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy, dia nanao zavatra mba hanarenana ny olombelona avy amin’ny toerany mampahory. Nandritra ny dimanjato sy arivo taona mahery talohan’ny nanaovan’i Jesosy an’io fanatiny lehibe io, Jehovah dia nampanatanteraka ny Isiraelita, isan-taona, ohatra ara-paminaniana ny amin’izany fandaharana izany. Tamin’ny andro fanavotana isan-taona, ny mpisoronaben’ny Isiraely dia namono biby sasany tsy misy kilema ary nitondra ny ran’izy ireo tao amin’ny tranolay fanaovana fanompoam-pivavahana (taty aoriana dia ny tempoly), ary tao izany dia nafafiny teo anoloan’ny rako-panavotana, izay mampiseho ny seza fitsaran’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Tamin’izany fomba izany no nanaovany fanavotana ho an’ny fahotan’ny vahoaka mandritra ny taona hafa iray.

9. Tamin’ny fomba ahoana moa no nahatanterahan’i Jesosy ny ohatra fahiny?

9 Notantarain’ny apostoly Paoly amin’ny antsipiriany ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo ny fomba nanatanterahan’i Jesosy izany ohatra fahiny izany:

“Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika; ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe [teo amin’ny Isiraely fahiny] miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran’ny zavatra hafa [dia ram-biby, fa tsy ny ran’olona tanteraka]; fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao farany izao izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany. Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha [noho ny fahotan’i Adama], ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro”. (Hebreo 9:24-28)

Araka izany dia tany an-danitra no nanatanterahan’i Jesosy ny fandaharana ara-dalàna izay nahazoany tsy hoe nanafaka ny olombelona avy amin’ny fahotany nolovana tamin’i Adama fotsiny, fa nanangana azy ireo ho toy ny fianakaviany manokana koa, izay azony omena ny fiainana mandrakizay izao.

FISEHOANA LEHIBEN’NY FITIAVANA

10. a) Nahoana moa ny avotra no fisehoana lehiben’ny fitiavana? (Jaona 15:9, 13) b) Ahoana moa no ahafahantsika mampiseho fankasitrahana io fandaharana io, ary inona no vokatr’izany ho antsika? (Kolosiana 3:17)

10 Endrey ny vidiny ambony izay naloan’i Jesosy an-tsitrapo mba hahafahany manavotra ny olombelona avy amin’ny fahafatesana! Akory ny mety ho fahasambarantsika noho ny nanaovan’ny Ray sy ny Zanaka izany fandaharana maneho fitiavana izany ho an’ny fianakavian’olombelona! Marina tokoa fa fisehoana lehiben’ny fitiavan’izy ireo ny olombelona izany, ary tokony hampiseho ny fankasitrahantsika izany isika, amin’ny fanekentsika amim-pifaliana ny fandaharan’Andriamanitra mba hahazoana ny fiainana amin’ny alalany [Jesosy]. Ireo izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy dia mety “marina tokoa” hahazo ny fiainana mandrakizay, araka ny nanazavan’i Jesosy azy toy izao:

“Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” — Jaona 6:47, 51.

11. a) Inona moa no takina amin’ireo izay maniry ho velona mandrakizay (Romana 12:12) b) Inona no vokatra avy amin’ny fanekena ny fanasan’Andriamanitra ho anisan’ny ankohonany?

11 Tao amin’ilay fanoharantsika mikasika ireo kamboty, ireo zaza mahantra ireo dia tokony hanaiky ny karazam-piainana ao amin’ny tokantrano vaovaon’izy ireo. Tokony hanadio ny tenany izy ireo. Tsy misy hafa amin’izany koa amin’ireo izay mampiseho finoana ny soron’i Jesosy ary maniry hanana azy ho toy ny “Ray Mandrakizay”. (Isaia 9:6, MN ) Hoy Jesosy tamin’ny mpianany:

“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24)

Tsy tokony hieritreritra isika hoe sarotra loatra izany, satria aoka hotadidiantsika fa nilaza koa Jesosy hoe: “Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.” (Matio 11:30) Ary raha manaiky ny fanasan’Andriamanitra ho anisan’ny ankohonany isika, ka manompo amin’ny fo manontolo ao anatin’izany, dia hahatsapa fifaliana tsy hay lazaina isika. Sahala amin’ny nameloman’ilay zanakalahy ireo kamboty, sy nanampiany azy ireo hanadio ny tenany ary nampitafiany azy, dia tahaka izany no hameloman’i Jesosy antsika amin’ny sakafo ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ary hanampiany antsika mba hitafy ny toetra vaovao, “noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” — Efesiana 4:24.

FAMPIHARANA NY FANOMEZANA NY FIAINANA

12. a) Ho an’iza moa aloha no nanaovan’i Jesosy ny asa fanavotany, ary inona no kendreny? b) Inona no vokany ho an’ireo tafiditra ao amin’ny “fanekena vaovao”? (Hebreo 8:10)

12 Efa ho mandritra ny enina arivo taona izao, ny fahafatesana dia “nanjaka” teo amin’ny olombelona. Izany no tambin’ny ota nolovana avy amin’i Adama, nefa izao Andriamanitra dia manolotra antsika ny ‘fiainana mandrakizay, izay fanomezam-pahasoavana [mahatalanjona] ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika’. (Romana 5:14; 6:23) Ahoana àry no fampiharana io fanomezana io? Voalohany, Jesosy dia nanatanteraka asam-panavotana iray ho an’ny ‘ondriny vitsy’ voaforon’ny mpanara-dia mpihazona ny tsy fivadihany ary miisa ho 144 000, izay “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry [Jesosy]”, ary ‘hanjaka ambonin’ny tany’ miaraka amin’i Kristy Jesosy. (Lioka 12:32; Apokalypsy 14:4; 5:9, 10) Miorina amin’ny sorona nataon’i Jesosy, ireo dia noraisina ao amin’ny “fanekena vaovao” iray amin’Andriamanitra amin’ny maha-mpikambana amin’ny Isiraely ara-panahy azy, ary ny tsirairay amin’izy ireo dia tokony hamita amim-pahatokiana ny fihazakazahany eto an-tany, ka aorian’izay dia handray anjara amin’ny fitsanganana ho amin’ny fiainana any an-danitra. (Hebreo 8:8) Mbola misy sisa voahosotra amin’izany “ondry vitsy” izany manompo etỳ an-tany.

13. a) Fitambaran’olona hafa inona moa no niseho tao anatin’ny fotoana faramparany? (Romana 8:21, 22) b) Fahatsinjovan-javatra feno fahasambarana inona moa no mivelatra eo anoloan’ireo? (Apokalypsy 7:15-17)

13 Nefa, indro, fa tao anatin’ny fotoana faramparany dia nisy “olona betsaka” niseho teto an-tany, “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, ary miisa ana hetsiny maro. Ireo koa dia maneho finoana ny “ran’ny Zanak’ondry” Jesosy, ary manaporofo ny tsy fivadihany amin’ny fiandrianan’Andriamanitra. Tsy ho ela izy ireo dia handalo ny “fahoriana lehibe” izay handringanan’Andriamanitra ny fandehan-javatra ratsin’i Satana ary hiditra ao amin’ny tany voadio izay hovan’Andriamanitra ho tonga paradisa. (Apokalypsy 7:9-14) Avy amin’ny fitondrana feno fitiavan’ny fanjakany, Jesosy Kristy amin’izay dia hampihatra ny vidin’ny sorona lehibe nataony ho tombontsoan’izy ireo, mba hanandratana azy ireo ho tonga amin’ny fahatanterahan’olombelona. Ireo izay mifikitra amin’ny fiandrianan’Andriamanitra ao anatin’ny fitsapana dia hiditra ao amin’ny fiainana mandrakizay.

14. a) Mitantara inona moa ny Apokalypsy 20:11-13? (Jaona 5:28, 29) b) Ahoana moa no fomba hitsarana ireo hatsangana? (Asan’ny apostoly 24:15)

14 Ary jereo indray koa! Rehefa tafaverina eto an-tany ny paradisa, dia banjino ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 20:11-13 manao hoe:

“Ary hitako fa indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe [tany an-danitra] sy Ilay nipetraka teo amboniny [Jehovah Andriamanitra] (...) Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana, ary novelarina ny boky (...) Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany.”

Ny ankabeazan’ny olombelona ao am-pasana dia tokony haverina amin’ny fiainana eto an-tany. Izy ireny koa dia anisan’ny “maro” amin’ny fianakavian’i Jesosy, novidin’ny sorom-panavotany, ka ny tsy fahatanterahan’izy ireo dia kosehiny izao. (Hebreo 9:28) Hotsarain’i Jesosy izy ireo, tsy araka ny fahotan’izy ireo taloha, fa araka ny asan’izy ireo ampitahaina amin’izay “voasoratra ao amin’ny boky” — dia ny fitsipik’Andriamanitra mba hahazoan’izy ireo ny fiainana ao amin’ny paradisa an-tany.

15. Iza moa no manao izany fandaharana mahatalanjona izany, ary noho izany, ahoana no mety hanambarantsika ny hevitsika amin’ny fomba mety? (I Korintiana 15:55, 57)

15 Sahala amin’ilay lehilahy tsara fanahy sy ny zanany lahy tao amin’ilay fanoharantsika, ny Ray any an-danitra, Jehovah, sy ny zanany lahy, Jesosy Kristy, dia manatanteraka tokoa asam-pitiavana mahatalanjona tamin’ny fanavotana antsika olombelona avy amin’ny toe-piainana sahala amin’ny an’ny kamboty sy tamin’ny famerenana ho antsika ny tena fiainana. Eo am-pibanjinana io fandaharana mahatalanjona io isika, dia mihiaka hoe:

“Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” — Romana 11:3.

[Fanontaniana]