Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanazavana araka ny toetr’andro ho an’ny tanora sy antitra

Fanazavana araka ny toetr’andro ho an’ny tanora sy antitra

Fanazavana araka ny toetr’andro ho an’ny tanora sy antitra

Ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia mivaofy foto-kevitra maro velabelarina ao amin’ny boky 192 pejy, fanao am-paosy, izay omena eto ambany ny anarany. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoanao azy na hahazoana hafa amin’ny boky Vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra, dia manorata amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy manaraka.

Ecoutez le grand Enseignant. Boky azon’ny ray aman-dreny vakina miaraka amin’ireo zanany madinika mba hampianarana azy fotopoto-pitsipika tsara.

Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Io boky io dia hanampy ny zatovo handamina an’ireo zava-manahirana setrain’ny tanora amin’izao andro izao.

Tout finit-il avec cette vie? Dia manazava tsara izay azo antenaina ny amin’ny maty sady manome antsika fanantenana ny amin’ny fiainana iray hafa noho izay mitondra antsika avy eo amin’ny fahaterahana hankeo amin’ny fasana.

Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io boky io dia hanampy anao sy ny ankohonanao hahazo fahalalana tsara an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.

Ny tena fiadanana sy filaminana — avy aiza no hiaviany? Dia mampiseho ny fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona mbamin’ny fitsipika ao amin’ny Baiboly izay mahatonga ho afaka hanana fiainana sambatra ny fampiharana azy.

La Bible est-elle vraiment la Parole de Dieu?. Io boky io dia manome porofo mampiaiky fa tena Teny ara-tsindrimandrin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao sy ny olombelona tokoa ny Baiboly.

L’homme est-il le produit de l’évolution ou de la création? Dia mamelabelatra ny amin’ny niandohan’ny olombelona sy manazava ny antony maha-eto an-tany azy ary izay tehirizin’ny ho avy ho an’ny olombelona.

Succès du “dessein éternel” de Dieu pour le bien de l’homme. Io boky io dia manazava ny fomba ahatanterahan’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba malaza amin’izao fotoana izao, mba hahasoa ny olombelona.

L’esprit saint — Force d’impulsion de l’ordre nouveau promis. Io boky fianarana io dia mivaofy ny amin’ny fomba isan-karazany fiasan’ny hery miasan’ny Mpamorona hatramin’izao androntsika izao.

Afa-tsy izany, dia hahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah ny hamaly an’ireo fanontanianao mikasika ny Baiboly, na any an-tokantranonao, na any amin’ny Efitrano Fanjakanany akaiky indrindra ny tranonao.