Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana fonenana mahasambatra ho an’ny olombelona

Fanomezana fonenana mahasambatra ho an’ny olombelona

Toko faha-7

Fanomezana fonenana mahasambatra ho an’ny olombelona

1. Inona moa no nomen’i Jehovah ny olombelona ho toy ny fonenana, ary ahoana no tokony hankamamintsika izany? (Hebreo 3:4)

RAHA MISY olona manamboatra sy manorina ho anao, trano iray mahafinaritra voahodidin’ny zavatra mahafinaritra ary manolotra izany ho anao ho toy ny fanomezana maimaimpoana, moa ve ianao tsy hisaotra azy noho izany? Tsy isalasalana fa hanao izany ianao! Noho izany dia tokony ho feno fisaorana tokoa ny Mpamboatra sy Mpanorina lehibe ity planeta tany ity ianao, satria ny Baiboly dia milaza amintsika fa “Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany”, no nanome ny tany “ho an’ny zanak’olombelona”. (Salamo 115:15, 16) Fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana re izany! Ary raha mbola eo am-pijerena indray ny fomba nanomanan’i Jehovah Andriamanitra ity tany ity ho fonenan’ny olombelona isika, dia tokony ho talanjona tokoa amin’ny fahendrena sy ny hery izay nasehony amin’ny maha-Andriamanitra Mpamboatra sy Mpanorina Lehibe azy.

“TAMIN’NY VOALOHANY”

2. Inona moa no manambara ny hatsaran-tarehin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra? (Salamo 8:3, 4)

2 Raha mitodika ao amin’ireo teny voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly isika, dia mamaky hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Tsy isalasalana fa efa an’arivo tapitrisa taona lasa izay no nanatanterahan’Andriamanitra io asa famoronana mampitolagaga io, ary na dia ao aza ireo tsangan-kevitra mifanohitra avy amin’ny manam-pahaizana sasany raha ny amin’ny fomba nipoiran’izany, ny lanitra be voninahitra sy ny tany mahafinaritra dia manohy manambara ny hatsaran-tarehin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.

3. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra ny fahendreny tamin’ny fanomezany rano amim-pahalalahan-tanana ho an’ny tany? (Salamo 104:1, 5, 6)

3 Fahendrena sy fahitan-javatra mialoha toy inona moa no nasehon’i Jehovah tamin’ny fampitambarana ny tenan-javatra mahaforona izao rehetra izao! Ohatra, dia misy ny rano — zavatra mahasoa fahita betsaka eto an-tany. Tsy mba sahala amin’ny ranon-javatra hafa izy io, fa manana fahafahana hafa kely ho mihamaivan-danja arakaraka ny fidinan’ny hafanany manakaiky ny an’ny ranomandry, ka ny rano mangatsiaka kokoa amin’izay dia misondrotra ary mahaforona velaran-dranomandry mpiaro, eo an-tampon’ny farihy sy ny ranomasina. Raha tahiny ny ranomandry ka navesatra noho ny rano, dia ho efa ela ity tany ity no “nangatsiaka be” ka tsy ho nisy zava-manan’aina nety ho velona teo aminy. Amin’izao fotoana izao, ny rano dia ampiasaina ho fandevonan-javatra, hanondrahana ny tany, ho toy ny loharanon-kery ahazoana herim-baratra — eny, fa ny roa tokon’ny tenantsika eo ho eo aza dia voaforon’ny rano. Tsy azontsika atao ny ho velona tsy misy rano. Ilay Mpamorona hendry dia nahita mialoha izany rehetra izany rehefa nanarona ny tany tamin’ny rano “lalina”. — Genesisy 1:2.

4. Amin’ny ahoana moa ny toerana misy ny tany, raha oharina amin’ny masoandro sy ny volana, no manandratra ny fahendren’Andriamanitra? (Joba 26:7, 14)

4 Ao amin’izany famoronan’Andriamanitra izany, ny fifandraisan’ny tany amin’ny lanitra dia mahaliana tsy misy toy izany koa. Natongilan’Andriamanitra ny tany mba hihorirana 23 degre sy sasany avy amin’ny fihodinany mahitsy tsara, ka mandritra ny lalany herintaona manodidina ny masoandro, ny tapany avaratra sy atsimo amin’ny tany dia andalovan’ny lohataona, ny fahavaratra, ny fararano ary ny ririnina mifanesy. Ny elanelana misy eo amin’ny tany sy ny masoandro dia antonona tsara mba hihazona ny fiainana. Raha akaiky kokoa izany, dia ho tonga mafana loatra ny tany ka tsy ho azo iainana; raha lavidavitra kokoa izany, dia ho nangatsiaka be lalandava izy. Ny volana dia napetraka amin’ny toerana izay mahatonga ny hery misintona eo aminy, hampisondrotra sy hampihemotra malefaka ny ranomasina mba hanadio ny moron-tsiraka etỳ an-tany. Rehefa mieritreritra izany isika, dia tsy isalasalana fa tokony haniry “hidera an’i Jah [Jehovah] (...) noho ny asany lehibe”! — Salamo 150:1, 2, MN.

“ANDRO” FAMORONANA

5, 6. Ahoana no azontsika anisana an-tsaina ny halavan’ny ‘andro famoronana’? (Hebreo 4:3-5)

5 Hatramin’ny fe-potoana ela tsy voaisa, ny tany dia rakotry ny aizina ary tsy nahitam-piainana. Nefa “ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano”. (Genesisy 1:1, 2) Inona no ho vokatr’izany?

6 Eto isika dia miditra amin’ny “andro” fiton’ny famoronana. Naharitra hafiriana moa ireo “andro” ireo? Betsaka lavitra noho ny efatra amby roapolo ora! Ny Baiboly dia milaza amintsika fa ny “indray andro amin’ny Tompo [Jehovah, MN ] dia toy ny arivo taona”. (II Petera 3:8) Nefa ny tsirairay amin’ireo “andro” famoronana ireo dia tokony ho mbola lava kokoa noho izany. Ahoana no ahafantarantsika izany? Ny Genesisy 2:2 dia milaza fa, taorian’ny “andro” enina famoronana, Andriamanitra dia “nitsahatra tamin’ny andro fahafito (...) tamin’ny asany rehetra izay efa nataony”. Ny Baiboly dia mampiseho fa ny ‘andro fitsaharan’i Jehovah’ dia mbola mitohy, satria ny apostoly Paoly dia manoratra fa ny kristiana, amin’ny alalan’ny finoana sy ny fankatoavana, dia tokony “hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany”. (Hebreo 4:9-11) Ny fanisam-potoana ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa efa akaiky ho feno izao ny enina arivo taona, hatramin’ny nanombohan’Andriamanitra “nitsahatra” tamin’ny asa famoronany teto an-tany. Eo anoloantsika izao ny fanjakana arivo taonan’i Kristy, ka eo amin’ny faran’izy io dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hampameno ny tany amin’ny fianakavian’olombelona sambatra. Amin’izay dia hifarana ny ‘andro fitsaharan’Andriamanitra’. Izany dia hanondro fa io ‘andro fitsaharana’ io dia haharitra fito arivo taona. (Genesisy 1:28; Apokalypsy 20:4) Ara-dalàna àry ny hanaovana famaranan-kevitra fa ny tsirairay avy amin’ny “andro” famoronana enina teo aloha dia hahafaoka fe-potoana mitovy, ka nandritra izany Jehovah dia nanatanteraka dingana hafa hatrany teo amin’ny fanomanana ny tany ho fonenana ho avin’ny olombelona. Rehefa mandinika ny fomba nanaovan’Andriamanitra izany isika izao, dia tokony hankamamy tokoa ny herin’ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.” — Salamo 92:5.

“MISIA MAZAVA”

7. Ahoana moa no fomba ‘nisian’ny mazava’? (Isaia 45:7)

7 An’aliny taona maro lasa izay dia nanomboka niteny toy izao i Jehovah: “Misia mazava”. Izany dia manamarika ny fanombohan’ny ‘andro famoronana’ voalohany. Teo amin’ny faran’io “andro” lava be io, Andriamanitra dia nampisava ny lalana ho an’ny mazava avy amin’ny masoandro, mba hitaratra “tambonin’ny lalina” izay nandrakotra ny tany. Ilay rakotra maizina matevina dia tsy nanakana intsony ny fisarahana teo amin’ny andro sy ny alina raha ny mikasika ity tany ity. Noho izany fanazavan’ny “andro” izany, dia ho afaka hiasa sy hifaly ara-dalàna amin’ny hatsaran-tarehin’ny tany manodidina azy ny olona, ary ny “alina” dia hanome fahafahana azy hanavao ny heriny avy amin’ny fialan-tsasatra mamy. — Genesisy 1:3-5.

“MISIA HABAKABAKA”

8. Fahitan-javatra mialoha inona moa no nasehon’i Jehovah raha nanao ny “habakabaka” izy?

8 Tamin’ny “andro faharoa” famoronana, Andriamanitra dia nampisaraka ireo rano ireo, ho rano izay mitoetra eo ambonin’ny tany, sy rano izay tonga nihantona sahala amin’ny andohalambo lehibe manodidina ny gilaobintsika. Nantsoiny hoe “Lanitra” ny elanelana nisy teo amin’ireo antontan-drano lehibe roa ireo. Ao anatin’izany ny faritra misy rivotra manodidina antsika. Tao no nanomezan’Andriamanitra ny gaza amin’ny fomba mifandanja tsara, indrindra fa ny “azote” sy ny “oxygène” mba hamelomana ny zavamaniry sy ny zavaboary miaina izay hoforoniny atỳ aoriana. Io faritra misy rivotra manodidina io dia nataony indrindra mba hampahafinaritra ny fiainana, ary mba ho fiarovana amin’ny meteora sy ny taratra manimba. Marina tokoa fa Mpamorona hendry sy be fitiavana Andriamanitra! — Genesisy 1:6-8.

NIPOITRA NY TANY, NY RANOMASINA ARY NY ZAVAMANIRY

9. Inona moa no tao an-tsain’Andriamanitra tamin’ny fampisehoana ny “tany” sy ny “ranomasina”? (Isaia 45:18)

9 Ny hery miasan’Andriamanitra, na fanahy, dia nitohy nanomba tambonin’ny vohon’ny gilaoby. Izao àry, tamin’ny ‘andro famoronana’ fahatelo, dia nanomboka nampisondrotra ny tany maina avy ao amin’ny ‘rano ambanin’ny habakabaka’ izy. Tsy isalasalana fa nisy fiolanolanana lehibe rehefa voatosika hiakatra ny vaingan-tany, ka voangona tao amin’ny hantsana lalina ny ranomasina. Eto indray, dia mibaribary ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra. Rehefa tonga ny fotoana hamoronana azy, ny biby sy ny olona dia ho afaka hanamboatra ny fonenany eo amin’ny tany maina. Ny ranomasina dia ho feno zavamanan’aina mihetsiketsika, ary ny faritra midadasiky ny oseana dia hanana vokany mampitony, ka hiaro amin’ny hafanana be loatra sy ny hatsiaka be loatra manerana ny gilaoby. — Genesisy 1:9, 10.

10. a) Inona moa no niseho voalohany indrindra tamin’ny “andro fahatelo”, ary tamin’ny endriny ahoana? b) Ahoana no hitondran’izany soa ho an’ny olombelona? (Genesisy 1:29, 30; Salamo 104:14)

10 Nefa dia mbola misy zavatra tokony hiseho amin’io “andro fahatelo” io. Voalohany izao dia hiseho ny fiainana. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly:

“Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ny tany”. (Genesisy 1:11)

Noho izany Andriamanitra dia nampipoitra tenan-javatra mahagaga misy “cellules” sy natao hitombo araka ny “planina” izay voahazona ao anatin’ny “cellule” manokana tsirairay avy. Ny “karazana” sasany dia tonga hazo miezinezina, ka manome aloka ary manamafy orina ny tany. Ny “karazana” hafa dia hazo sy kirihitr’ala madinika kokoa izay mitondra voa toy ny goavy sy ny voaroy, mba hanome, miaraka amin’ireo anana, karazan-tsakafo matsiro. Nampaniry voninkazo mahavariana maro be Andriamanitra mba handravaka sy hahatsara tarehy ny tany. Ny “karazana” tsirairay amin’ny zavamaniry dia afaka mitombo araka ny “karazany” ihany, nefa dia ao amin’ny loko sy ny bika mahafinaritra isan-karazany — sahala amin’ny raozy izay misy karazany mahavariana. — Genesisy 1:12, 13.

11. Inona moa no nomen’Andriamanitra mba hahatonga ny tany hanome sakafo? (Jeremia 10:12)

11 Nametrahan’Andriamanitra tenan-javatra antsoina hoe “chlorophylle” ny tapany maitso amin’ny zavamaniry. Avy amin’io tenan-javatra voaforon-javatra maro io, ny hazavana avy amin’ny masoandro dia mahatonga ny “gaz carbonique” avy amin’ny rivotra sy ny rano avy ao anaty tany, hiara-miasa mba hahaforona siramamy, ka manome hatramin’ny 150 arivo tapitrisa taonina amin’izany isan-taona maneran-tany, ary amin’io fotoana io ihany izy dia mamoaka “oxygène” mba hanavao ny rivotra. Mampiasa ireny siramamy ireny ny zavamaniry amin’ny fampitomboana sy fanovana azy ho tonga karazan-tsakafo samihafa izay hanintsika. Noho izany ny loharanon-kery izay mamelona ny karazan-java-miaina maro be eto an-tany dia avy amin’io fitrangan-javatra mahatalanjona mahatafiditra ny hazavan’ny masoandro, ny rivotra ary ny rano io avokoa, ka ny tsiambaratelon’io fitrangan-javatra io dia mbola tsy fantatry ny olombelona! Marina tokoa ireto teny ireto: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” — Salamo 104:24.

NISEHO TENY AMIN’NY LANITRA NY FANAZAVANA

12. a) Nahoana moa no tsy misy fifanoherana eo amin’ny Genesisy 1:1 sy ny 1:16? b) Inona moa no hita fa nitranga tamin’ny “andro fahefatra”? (Salamo 136:1, 7-9)

12 Tamin’ny “andro fahefatra” Andriamanitra dia “nanao ny fanazavana roa lehibe — dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina — sy ny kintana.” (Genesisy 1:14-19) Kanefa, moa ve Andriamanitra tsy efa namorona ireny tenan-javatra eny amin’ny lanitra ireny taloha kokoa, “tamin’ny voalohany”? Eny, nanao izany izy. Nefa mariho ange fa misy fahasamihafana amin’ny matoanteny hoe “nahary” (hebreo bara) eo amin’ny Genesisy 1:1 sy ny matoanteny hoe ‘nanao’ (hebreo asah) eo amin’ny Genesisy 1:16. Ny zavatra nitranga marina tamin’ny “andro fahefatra” dia izao: vao voalohany izao ny bikan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana no nanjary taza-maso avy etỳ amin’ny vohon’ny tany, azo inoana fa noho ny fampisavana ny habakabaka. Ny masoandro manjelanjelatra izao dia miasa ho toy ny “fanazavana” mba hanazava ny andro, sy hitondra hafanana mahafaly. Nefa ahoana ny amin’ny volana? Eny, ny mpanao fikarohana mikasika ny habakabaka dia nanao fanamarihana fa mihoatra ny 50 isan-jato amin’ny vohon’ny volana no voaforon’ny zavatra madinika vita amin’ny fitaratra, ka izany dia mifanentana amin’ny fomba mahavariana mba hamerina indray ny taratry ny masoandro. Isaky ny mijery toerana iray hazavain’ny volana àry isika dia afaka mieritreritra ny amin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fitiavany tamin’ny fanomezana io “fanazavana kely” io mba hanazava amin’ny alina!

13. a) Inona moa no ho azon’ny olona isaina avy amin’ireny fanazavana ireny? (Mpitoriteny 3:1) b) Nahoana moa ny “hariva” no napetraka alohan’ny “maraina”? (Ohabolana 4:18)

13 Amin’ny fotoana mety, dia ho hain’ny olona ny hanisa ny fotoana avy amin’ireny fanazavana ireny. Na izany aza anefa, izay rehetra mety ho zavatra natao hanisana fotoana ka namboarin’olona dia ho ambany lalandava noho ireny tenan-javatra eny amin’ny lanitra ireny ary hotapahin’izy ireny, dia tenan-javatra nampihetsehin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanisa Lehibe ny fotoana, amin’ny fandaharam-potoana voafaritra tsara, mba hitondra soa ho an’ny olombelona. Tamin’io ‘andro famoronana’ fahefatra io, sahala amin’ny tamin’ny “andro” tsirairay avy, dia nanomboka tamin’ny “hariva” ny asan’Andriamanitra, rehefa nanomboka niseho ny soritr’asany somambisamby, ary nitohy hatramin’ny “maraina”, rehefa tonga nibaribary tanteraka ny zava-bitany manontolo be voninahitra.

14. Nahoana moa isika no tokony ho feno fisaorana noho ireo zavatra nataon’Andriamanitra? (Apokalypsy 4:11)

14 Rehefa nahavita ny asany lehibe tamin’ny “andro” fahatelo sy fahefatra Andriamanitra dia nahita fa “tsara” izany. (Genesisy 1:12, 18) Nefa dia mbola nisy “andro” roa mampangitakitaka fanaovana asam-pamoronana sy “andro fitsaharana” iray. Ilay Mpamorona Lehibe dia mbola hanohy ny fanamboarana toerana mahafinaritra ho fonenan’ny olombelona, amin’ny fitsinjovana ny fahasambarany ho avy. Noho izany, ny tsirairay avy amintsika dia tokony ho feno fisaorana tahaka an’i Davida mpanjaka, izay nilaza hoe:

“Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô — Tsy misy azo ampitahaina aminao — Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” — Salamo 40:5.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 63]

Namboarin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahatalanjona ny zavamaniry mba hampiasa ny hazavan’ny masoandro, ny rivotra ary ny rano ka hanome sakafo