Fenoin’ny Mpamorona zavamanan’aina ny “tany sambondanitra”
Toko faha-8
Fenoin’ny Mpamorona zavamanan’aina ny “tany sambondanitra”
1. a) Amin’ny ahoana moa ny tany no tsy mitovy amin’ny volana sy amin’ireo sambondanitra nataon’olona? b) Ahoana no ampisehoan’ny olona maro fa tsy tena mankamamy ny tanintsika izy ireny? (Salamo 10:4)
TAMIN’NY faran’ny “andro fahefatra” famoronan’Andriamanitra, dia tsara tarehy ny fahitana ny vohon’ny tany. Velombelon’ny loko izy io. Taty aoriana kokoa, amin’izao taonjato faharoapolo amin’ny fanisan-taonantsika izao, ny mpanamory sambondanitra iray izay nijery azy avy teny amin’ny vohon’ny volana tsy misy aina, dia nanao izao fanamarihana izao:
“Rehefa tazanin-davitra avy any amin’ny efatra arivo sy valo alina sy telo hetsy kilaometatra ny tanintsika, indrindra fa eo ambonin’ny faravodilanitra niantefan-javatra nandritra ny fotoana ela be, dia ho hitanao fa ny planetantsika no hany zavatra eo amin’izao rehetra izao, manana loko ao aminy. (...) Manana anjara amin’ny planeta tsara tarehy toy izany isika. (...) Ny zava-mahagaga sy mahavery hevitra dia ny tsy fahaizantsika mankasitraka izay ananantsika eto amin’izao tontolo izao.”
Salamo 14:1, MN.
Tamin’ny fanandramany manokana dia tonga nahafantatra io mpamory sambondanitra io fa ny fiainana tsy misy lanjany ao anatin’ireo efitra etietin’ny sambondanitra iray namboarin’olombelona dia mifanohitra be amin’ny fiainana ara-dalàna izay azon’ny olona ifaliana na dia eto amin’ny “Tany sambondanitra” aza, ao anatin’ny toe-piainana manodidina izay nomanin’Andriamanitra ho azy. Na izany aza, ny ankamaroan’ny olona dia tsy vitan’ny hoe tsy mahay mankamamy izay ananan’izy ireo, fa amin’ny ankapobeny koa izy dia mihevitra an’ilay Mpanamboatra sy Mpanao malaza an’ity tany ity ho toy ny tsy misy. Olona maro be no mifidy ny ho sahala amin’ny olona adala iray izay “manao anakampo hoe: ‘Tsy misy izay Jehovah.’ ” —NY “FANAHY” HAZANDRANO SY NY ZAVABOARY MANANA ELATRA
2. a) Oviana moa Andriamanitra no nanomboka nameno zavamanan’aina ny “sambondanitra” misy antsika? b) Inona no atao hoe “fanahy”? (Apokalypsy 16:3, MN ) d) Fanahy inona moa no noforonina tamin’ny “andro fahadimy”?
2 Tsy efa an-tapitrisany taona maro lasa akory, araka ny tsangan-kevitry ny olona sasany, fa vao tao anatin’ny fotoana tsy elaela ihany, no nanombohan’Andriamanitra nameno zavamanan’aina ny “sambondanitra” misy antsika, araka ny fandaharam-potoanany manokana. Namorona ireo “fanahy” voalohany Izy. Ny teny hoe “fanahy” (hebreo, nèphesch), araka ny isehoan’izany ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny famoronana, dia entina milaza ny zavaboary miaina, mahatsiaro iray, na hazandrano, na vorona, na biby, na olona. Tamin’io ‘andro famoronana’ fahadimy io, dia nampipoitra ireo “fanahy” hazandrano sy vorona Andriamanitra. — Genesisy 1:20-23.
3. a) Ahoana moa no nahafahan’ny olombelona nampiasa fotopoto-pitsipika izay hitany eo amin’ny famoronana, kanefa inona no tokony hekeny? (Joba 12:7-10) b) Amin’ny ahoana moa ny fiainan’ny hazandrano sy ny vorona no fitahiana ho an’ny olombelona?
3 Endrey izany haren’ny fahendren’Andriamanitra miseho eo amin’ny firafitr’ireo zavatra velona ireo! Hatramin’ny fetra sasany, ny olona dia afaka naka tahaka fotopoto-pitsipika izay hitany tao amin’io famoronana io, toy ny fomba fanosiky ny “calmar” (karazam-biby an-dranomasina) ny tenany, ny “sonar” (fitaovana famantaran-javatra amin’ny alalan’ny feo) misy eo amin’ny ramanavy, ary ny toetra sasany mifandray amin’ny fanoherana ny rivotra rehefa manidina ny vorona. Eo amin’izay mahaforona ireo “fanahy” ireo Genesisy 9:2, 3.
anefa dia misy zava-miafina mahatalanjona maro izay tsy azon’ny olombelona nohazavaina. Ny fiainan’ny hazandrano sy ny vorona dia nanampy mba hahatonga ny tany fonenan’ny olombelona ho tsara tarehy sy hahafinaritra, ankoatra ny fanomezany fanampin-javatra matsiro ho an’ny sakafony rehefa nandidy ny hampiasana azy ireny ho “fihinana” ho an’ny olombelona Andriamanitra. —FANAHY VELONA HO AN’NY TANY
4. a) Inona moa no noforonin’Andriamanitra tamin’ny “andro fahenina”, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny biby ny olona? (Genesisy 1:25)
4 Raha vao nisokatra ny ‘andro famoronana’ fahenina, dia hoy Jehovah:
“Aoka ny tany hamoaka zavamanan’aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy.” (Genesisy 1:24)
Tonga niasa ny fanahy tsy hita mason’Andriamanitra tamin’ny famoronana ‘karazam-biby’ mahatalanjona ara-tsokajiny, ka ny sasany taminy dia nanatanteraka vonjimaika zava-kendrena iray, ary ny sasany dia mbola velona hatrany, mba ho fanasoavana ny olombelona hatramin’izao andro izao. Mihoatra lavitra noho ny hoe biby atao namana an-trano ny sasany amin’ireny biby ireny: Misy soavaly natao hitaingenana, alika natao hiandry ondry, elefanta ho an’ny fitaterana, omby natao hiasa ny tany, ondry mba hanome volon’ondry, etsetra. Ny “fanahy” biby dia nanampy tokoa mba hahasoa sy hahasambatra ny olombelona.
5. Nahoana moa no tokony hisaotra an’Andriamanitra isika noho ireo zavatra noforoniny ireo? (Salamo 8:4, 6-9)
5 Afaka misaotra marina tokoa an’i Jehovah isika noho ireo fanomezany ireo! Toy izao no voalazan’ny mpanoratra salamo:
“Ny famindrampon’i Jehovah no hohiraiko mandrakizay (...). Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, Hianao no nanorina azy.” — Salamo 89:1, 11.
NY ZAVA-MAHATALANJONA FARA-TAMPONY AMIN’NY FAMORONANA TETO AN-TANY
6. a) Mpanampy iza moa no teo anilan’i Jehovah tamin’ny famoronana? (Jaona 1:1-4) b) Inona no nolazain’Andriamanitra tamin’io mpiara-miasa io, ary noho izany, fifandraisana inona moa no hananan’ny olona amin’ny biby?
6 Nandritra izany asam-pamoronana manontolo izany, Jehovah dia nanana mpanampy iray teo anilany — “mpità-marika” iray — dia ny tiany indrindra amin’ireo anjely zanany rehetra any amin’ny lanitra tsy hita maso. (Ohabolana 8:30) Teo amin’ny fifaranan’ny ‘andro famoronana’ fahenina dia niteny tamin’io mpiara-miasa taminy io Jehovah:
“Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.” —7. a) Tamin’ny fomba ahoana moa no namoronan’Andriamanitra ny olona? (Joba 33:4) b) Inona moa no manaporofo fa tsy mety ho nivoatra miandalana ny olona? (Salamo 100:3)
7 Moa ve avy amin’ny karazana fivoarana miandalana sarotra ery no nanaovan’Andriamanitra sy ny mpiara-“miasa” aminy ny olona? Tsia, tsotra lavitra kokoa noho izany, satria ny Baiboly dia milaza amintsika hoe:
“Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN ] izy.” (Genesisy 2:7)
Ny Baiboly dia tsy milaza na inona na inona momba ny olona izay nivoatra miandalana avy amin’ny zavaboary voloina sy ninaonaona sahala amin’ny rajako. Azo antoka fa tsy ho avy amin’ny fivoarana miandalana kisendrasendra fotsiny no nandraisany ny fankamamiana ny hatsaran-tarehy sy ny mozika, ny fahaizana mijery any amin’ny lasa sy ny ho avy, ny fahaiza-mamorona, ny fieritreretana izay ahafahany manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary indrindra fa ireo toetra mahatalanjona, dia ny hatsaram-po sy ny fitiavana! Olona iray avo kokoa sy manan-tsaina ihany — Andriamanitra — no afaka nanome toetra toy izany. Namorona ny lehilahy voalohany tahaka ny “endriny” Andriamanitra, fa tsy tahaka ny endriky ny zavaboary teto an-tany talohan’izay, toy ny “vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zava-mandady sy mikisaka”. (Romana 1:23) Eo anelanelan’ireo biby moana sy tsy misaina ary ny olona izay zavaboary manan-tsaina sy mahitsy, dia misy hantsana izay tsy ho azon’ny fandaharam-pivoarana miandalana atomboka na oviana na oviana ny fandinganana azy.
8. a) Inona no mampiseho fa ny olona voalohany dia afaka nibaiko tsara ny fitenenana? b) Inona moa ny toetran’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra? (Deoteronomia 32:4)
8 Taty aoriana, rehefa naka taolan-tehezana iray avy amin’ny lehilahy teo am-patoriana Andriamanitra ka nanambatra izany ho vehivavy, dia Eva, ary nanolotra io vady mahatehotia io an’i Adama, dia tsy voafetra
tamin’ny finaonaonana adaladala akory ny fampisehoan-dralehilahy ny fifaliany. Avy hatrany izy dia niteny ny tonon-kira voalohany:“Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe, vehivavy, satria lehilahy no nanalana azy.” (Genesisy 2:21-23)
Araka izany, tamin’ny famoronana ny olombelona ho “lahy sy vavy” no namaranan’Andriamanitra ny famoronany teto an-tany.
“Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, — andro fahenina izany.” — Genesisy 1:31.
ANTONY TOKONY HISAORANTSIKA NY MPAMORONA
9. Inona moa no antsipiriany sasany eo amin’ny firafitry ny olona ka tokony hanosika antsika hidera ny Mpamorona?
9 Ny asa kanto indrindra tamin’ny famoronan’Andriamanitra teto an-tany — ny olona — dia tena “tsara indrindra”. Amin’ny maha-taranaky ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany antsika, dia tokony ho velom-pisaorana lalandava isika noho ny asan-tanana mahatalanjon’Andriamanitra. Eritrereto ny fifaliana azontsika avy amin’ireo vavahadin-tsaintsika — ny fanandramana sakafo matsiro, ny fikasihan’ny tanana be fitiavana, ny fahitana toerana tsara tarehy mampitolagaga, ny feon’ny vorona na ny mozika mahafinaritra, ny hanitry ny voninkazo sy ny zava-pihinana! Ary mba handrefesana amin’ny fomba tsara, dia napetrak’Andriamanitra ao amintsika tsiroaroa avy ny maso, ny sofina, ny vavorona, ankoatra ny faritra hafa iankinan’ny aina amin’ny tena. Ny rantsan-tanana folo dia miara-miasa tanteraka amin’izy samy izy mba hahavitana ny asa, ary ny nify roa amby telopolo voarafitra amin’ny fomba kanto dia manampy antsika hanaikitra sy hitsako ny sakafontsika, ary hitsiky amin’ny fomba manjelatra amin’ireo manodidina antsika. Ny fahaizantsika mampiseho fifaliana sy hatsikana amin’ny fihomehezana (zavatra izay tsy azon’ny biby atao) dia iray hafa koa amin’ny fitahiana maro ananantsika. Endrey izany fahafinaretana raisintsika eo amin’ny fiainana noho ny fanomezan’Andriamanitra antsika fahaizana mandeha, mihazakazaka, mitsambikina, milomano! Ho fankasitrahana noho ny
faritra an’arivony mahatalanjona ao amin’ny vatana izay nomen’ny Mpamorona antsika, dia tokony haniry koa isika hiteny sahala amin’i Davida mpanjaka manao hoe:“Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao, ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” — Salamo 139:1, 14.
10. Amin’ny ahoana moa ny fomba fiforonan’ny olombelona no mampisandratra ny fahendren’i Jehovah? (Mpitoriteny 11:5)
10 Tena mahatalanjona tokoa amin’ireo fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olona, ny fahafahany mitombo araka ny karazany. Na dia nanararaotra ny maha-lahy sy maha-vavy amin’ny fomba tafahoatra aza izao tontolo izao ratsy ary nampiasa izany ho amin’ny zava-kendrena maloto ara-pitondrantena, dia tsy maloto izany rehefa ampiasain’ny olona manambady hifanaraka amin’ny fikasana sy ny baikon’Andriamanitra. Fandaharana mahavariana tokoa ny fiforonan’ny olona! Ao amin’ny vehivavy, ny atodin’aina — tsy lehibe akory noho ny loham-paingotra — dia vokaran’ny “cellule” lahy avy amin’ny “sperme”, izay ampahadimy arivo sy valo alin’ny haben’ilay atodin’aina. Avy amin’ny firaisan’ireo tapany bitika roa ireo, dia masaka ara-potoana ny olona feno iray, nandova toetra avy amin’ny ray sy ny reny araka ny “planina” voaforon-javatra maro (ADN) ary niforona tamin’ny fotoana niraisan’ireo “cellules”. Ny mpanao trano amin’ny andro ankehitriny indraindray dia mameno velaran-toerana midadasika amin’ny modelin’ny trano iray eo am-panamboarana, kanefa Andriamanitra dia mampiditra ny “planina” mba hanamboarana zavaboary olombelona iray manontolo — sarotra lavitra kokoa noho izay mety ho trano — ao amin’ny “cellule” iray izay mila ho tsy hita maso. Raha niresaka ny amin’izany “planina” ho an’ny olona izany i Davida mpanjaka, dia nanaiky fa afaka mahita ny zavatra rehetra Jehovah, ao anatin’izany ny faran’izay kely:
“Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho. Voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. Endrey, zava-tsoa amiko indrindra Salamo 139:13, 16, 17.
ny hevitrao, Andriamanitra ô!” —11. Noho ny fahaizan’ny atidohan’olombelona manao inona avy moa no tokony hisaorantsika an’Andriamanitra?
11 Marina tokoa fa sarobidy ny hevitr’Andriamanitra! Ary afaka ny ho velom-pisaorana indrindra an’Andriamanitra isika noho ny nanomezany antsika atidoha mahay misaintsaina ny heviny. Faritra mahavariana tokoa izy io! Ny atidohan’olombelona dia mirakitra fandaharam-pitadidiana mandaitra sy misampantsampana aoka izany, ka raha tahiny manamboatra milina fitadidiana elektronika iray mihitsy izy mba hanao asa mitovy amin’izany, dia trano midadasika sahala amin’ny “Empire State” ao amin’ny tanànan’i New York no ho nilaina. * Fantatr’i Jehovah marina tokoa ny fomba hitsitsiana velaran-toerana! Ary koa, araka ny filazan’ny “biochimistes”, ny haben’ny atidohan’olombelona dia mihoatra lavitra noho ny an’ny biby. Vinavinaina ho manana fahaizana mampitolagaga mitahiry fahalalana inarivo tapitrisa noho izay voatahirin’ny olona iray mandritra ny androm-piainana fitopolo na valopolo taona, ny atidoha. Mifanaraka amin’ny fikasany ho an’ny olona mba ho velona mandrakizay eto an-tany, Andriamanitra dia nanome azy atidoha izay afaka mitadidy hatrany ireo zava-baovao ho mandrakizay! Zava-dehibe àry ny hamenoantsika hatrany ny saintsika, hevitra “mendri-piderana”! — Filipiana 4:8, MN.
NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA TAMIN’NY FAMORONANA NY OLONA
12. a) Inona moa ny fikasan’Andriamanitra raha namorona ny olona? b) Na dia eo aza ny lalana simban’ny olombelona, ho tonga inona moa ity tany ity, ary rahoviana? (Isaia 65:17, 18)
12 Nanana fikasana Andriamanitra raha namorona ny olona, ary tokony ho faniriantsika ny hiaina mifanaraka amin’izany fikasana izany. Tamin’ny fotoana namoronan’i Jehovah ny mpivady olombelona, dia nitsodrano azy ireo izy ary niteny taminy hoe:
“Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28)
Kanefa, inona moa no ho hitantsika ankehitriny, enina arivo taona atỳ aoriana? Amin’ny faritra sasany, dia tonga feno olombelona ny tany, nefa ny ankamaroany dia tsy manaiky ny fiankinana amin’ny Mpamorona azy, dia Jehovah Andriamanitra, ary tsy mivavaka aminy. Ary tsy mba nampanompo ny tany izy ireo, fa nandoto be dia be sy nanimba azy kosa aza, ao anatin’izany ny fiainan’ny biby maro be. Na izany aza anefa, dia afaka ny ho velom-pisaorana isika noho ny nanambaran’Andriamanitra ny fanapahan-keviny mba ‘hanimba izay manimba ny tany’ sy hanova ny tany manontolo ho paradisa mahavariana izay efa nokasainy hovitaina amin’ny faran’ny ‘andro fitsaharany’ lehibe. — Apokalypsy 11:18.
13. Fahatsinjovan-javatra be voninahitra inona moa no mety haha-be fisaorana antsika? (Salamo 145:11, 15, 16)
13 Marina tokoa fa amin’ny ho avy dia misy fahatsiarovan-javatra mahavariana ho an’ny “Tanintsika sambondanitra”! Ary koa ho an’ny olona eo amboniny! Araka ny fikasana lehiben’Andriamanitra, ny ‘andro fitsaharany’ dia hifarana rehefa voaova ho paradisa iray ny tany ary feno taranak’olombelona mahitsy izay manapaka eo amin’ny fanahy hafa rehetra noforonina eto an-tany. Afaka misaotra an’i Jehovah isika noho ny namoronany “ny olona tahaka ny endriny”, sy ny nanomezany antsika zavatra mahagaga eto an-tany — ankehitriny, ary ho amin’ny fotoana tsy misy fetra. — Genesisy 1:27.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 The World Book Encyclopedia, 1973, Boky faha-2, pejy faha-459.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 66]
Amin’ny lafiny rehetra dia mihoatra noho izay rehetra mety ho sambondanitr’olombelona ny tany
[Sary, pejy 69]
Misy tevana lehibe mampisaraka ny zavaboary olombelona amin’ny biby, fa tsy marina ny “evaolisiona”
[Sary, pejy 73]
Ny milina fitadidiana iray mitovy amin’ny fitadidian’olombelona dia hameno “gratte-ciel” iray