Fianakaviana sambatra ao anatin’ny fikasan’Andriamanitra
Toko faha-18
Fianakaviana sambatra ao anatin’ny fikasan’Andriamanitra
1. Inona moa no ataon’i Jehovah mba hahasambatra ny fianakaviany, ary noho izany, nahoana isika no tokony hisaotra azy? (Jakoba 1:17)
JEHOVAH ANDRIAMANITRA no “Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana”. Amin’ny maha-“Andriamanitra finaritra” azy, dia fantany koa ny fomba hahasambatra ny fianakaviany manerana izao rehetra izao. (Efesiana 3:14, 15; I Timoty 1:11) Mikarakara amim-pahalalahan-tanana ny zavatra rehetra ilain’ireo zanany izy, ary tokony hisaotra azy mandrakariva noho izany isika, sahala amin’ny nataon’ny mpanao salamo hoe:
“Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny. (...) Misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony; ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” — Salamo 100:3-5.
2. Inona moa no fandaharana nomanin’Andriamanitra mba hanatanterahana ny baikony hoe “mamenoa ny tany”? (I Korintiana 7:10, 11)
2 Nanao fandaharana feno fitiavana tokoa Jehovah ho an’ny fianakaviana eto an-tany. Rehefa nanome baiko ny ray aman-drenintsika voalohany izy hoe “maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”, dia tsy tamin’ny fomba kisendrasendra akory no tokony hanaovana izany. Tokony hotanterahina amin’ny alalan’ny fandaharana iray mendri-kaja izany, dia ny fanambadian’olombelona. Ny mpivady tsirairay avy — ralehilahy sy ravehivavy — dia “ho nofo iray ihany” ao amin’ny firaisana maharitra tsy hahitana fikorontanana sy fisaraham-panambadiana, izay hanome fototra azo antoka mba hamelomana sy hitaizana fianakaviana ao amin’ny paradisan’Andriamanitra. — Genesisy 1:28; 2:22-24.
3. Ahoana moa no nanamafisan’i Jesosy ny fahamasinan’ny fanambadiana? (I Korintiana 6:18)
3 Rehefa nitady hamandrika azy tamin’ny fanontaniana sarotra mikasika ny fanambadiana ireo mpitondra fivavahana ratsy fanahy, dia nohamafisin’i Jesosy ny fahamasinan’ny fandaharan’Andriamanitra tany am-piandohana mikasika ny fanambadiana:
“Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona. (...) Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga”. — Matio 19:4-9.
4. Fikasan’i Jehovah inona mikasika ny tany moa no ho tanteraka amin’ny farany? (Isaia 45:12, 18)
4 Nanomana ho avy mahatalanjona tokoa ho an’ity tany ity Jehovah! Koa satria noharìna “tahaka ny endrik’Andriamanitra” ny olona, dia hahitana taratry ny maha-izy azy àry ny fianakavian’olombelona rehetra. Amin’ny farany, ny tany manontolo dia ho feno lehilahy sy vehivavy lavorary maro be, mpirahalahy sy mpianadahy midera avokoa an’ilay Andriamanitra Mpamorona. (Genesisy 1:27) Azo antoka fa ho tanteraka izany fikasana izany!
5. Nahoana moa no miafara amin’ny tsy fahombiazana ny fanambadiana maro amin’ny andro ankehitriny? (Romana 1:24, 31)
5 Kanefa, izay hitantsika amin’izao fotoana izao dia samy hafa lavitra amin’izay nomanin’Andriamanitra ho an’ny olona manambady. Nahoana? Satria tsy ahitana intsony taratry ny “endriky” ny maha-izy an’Andriamanitra ny olombelona. Amin’izao “andro farany” izao indrindra ny fanambadiana no voamariky ny fivadihana sy ny tsy fahampian’ny “fitiavana” [firaiketam-po voa-janahary, MN ], hany ka mihanaka aoka izany ny fisaraham-panambadiana, ny tokantrano rava, ny aretin-dratsy toy ny tety, ny fiterahana tsy ara-dalàna ary ny fanalana zaza. Olona maro no nanda tsy hihaino ny torohevitra mahasoa nomen’ny apostoly Paoly, manao hoe:
“Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana, Hebreo 13:4; II Timoty 3:1-5.
fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” —6. Amin’ny fomba ahoana moa no azontsika ihazonana ny mikasika ny lahy sy ny vavy ary ny fanambadiana hanan-kaja? (I Tesaloniana 4:3-8)
6 Amin’ny fomba ahoana no azontsika hihazonana ny mikasika ny lahy sy ny vavy ary ny fanambadiana hanan-kaja, amin’ny andro ankehitriny? Afaka manao izany isika amin’ny fanalavirana ny “fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana”, sy amin’ny fitafiana “ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy”, dia Jehovah Andriamanitra. — Kolosiana 3:5-10.
7. a) Ahoana no azontsika ambolena ny toetra vaovao? (Efesiana 4:22-24) b) Inona moa no zavatra azon’ny fianakaviana iray atao mba hisian’ny firaisan-tsaina? (Filipiana 2:2-4)
7 Zava-dehibe iankinan’ny aina io “toetra vaovao io ho an’ny rehetra izay maniry hiravoravo amin’ny fiainam-pianakaviana sambatra sy ahitan-tsoa. Amin’ny fitafiana io toetra io, ny mpianakavy dia afaka mijinja ny tombontsoa entin’ny fiainana mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly mikasika ny fanambadiana. Mihatra koa ireto tenin’i Paoly manaraka ireto mikasika izany:
“Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fehy mampiray tanteraka, MN ] izany.” (Kolosiana 3:12-14.)
Eny, “fehy mampiray tanteraka” ny fitiavana, ary hitombo izany ao amin’ny fianakaviana iray, raha mifampihevitra ny rehetra, amin’ny fandaniana fotoana hiaraha-misakafo sy amin’ny fifampiresahana amin’izy samy izy amin’ny fotoana hafa, ary amin’ny fahitana fifaliana eo am-panaovana miaraka ny fialam-boly, ny fialan-tsasatra ary ny asa hafa mampiorina. Raha manao fiezahana amim-pieritreretana ny rehetra ao amin’ny fianakaviana — ny olon-dehibe sy ny ankizy
— dia ho afaka handray anjara amin’ny fanorenana izany firaisan-tsaina izany, ary ny fananana fianakaviana sambatra sy mifanaraka ho vokatr’izany dia hampifalifaly tokoa. Tokony hanao ny anjarany ny tsirairay avy, araka ny mbola hanazavan’i Paoly azy manaraka.NY ADIDIN’NY VEHIVAVY MANAMBADY
8. a) Inona moa no toerana tokony hotanan’ny vehivavy manambady, ary nahoana? (I Petera 3:5, 6) b) Ahoana no mety hahazoan’ny vehivavy manambady iray ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny ankohonany?
8 Handray fitahiana ireo vehivavy manambady amin’ny fanarahana ireto tenin’i Paoly ireto:
“Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.” (Kolosiana 3:18)
Mifanaraka amin’ny fandaharan’Andriamanitra tany am-boalohany izany, dia ny haha-“mpanampy famenony” ny vehivavy ho an’ny vadiny. (Genesisy 2:20, MN ) Raha roa ny filoha, dia misy fihenjanana sy fifanoherana amin’izy ireo, ka hiteraka fisarahana izany. Nefa rehefa mampiseho mandrakariva “fanajana lalina ny lahy” sy ireo fanapahan-keviny ny vehivavy, ka manarona hatramin’ny fahadisoany, dia afaka manana hery tsara eo amin’ny fanorenana fianakaviana mirindra sy falifaly. Raha mazoto “mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany” izy, ao anatin’izany ny fampianarany ny zanany, ireo dia ‘hidera azy hoe sambatra’. Hidera azy koa ny vadiny. — Efesiana 5:33, MN; Ohabolana 31:10-31.
9. Inona moa no torohevitra omen’ny Baiboly mikasika ireo vady tsy mpino? (Romana 12:17, 18)
9 Na dia tsy mpino aza ny lehilahy, dia mbola izy ihany no “loha” ho an’ny vadiny. Rehefa tonga mpino ravehivavy, dia tokony hanohy hanatontosa ny andraikiny amin’ny maha-vady azy, nefa amin’ny fiahiana amim-pitiavana ny hahasoa azy mbola bebe kokoa noho ny taloha, araka ny tokony ho hita amin’ny “vady mpanampy” kristiana iray. (I Korintiana 11:3) Manoro hevitra ny vehivavy ny apostoly Petera mba hitafy ny “fanahy malemy sy miadana [saina tony sy malefaka, MN ]”, raha nilaza hoe:
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza, (raha tàhiny misy tsy manaiky amin’ny teny), rehefa hitany ny I Petera 3:1-4)
fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana [miaraka amin’ny fanajana lalina, MN ].” (Amin’ny fanohizana amim-pahatokiana miaraka amin’ny vady tsy mpino, na dia manohitra ny asany ara-pivavahana aza izy io, ny vehivavy manambady iray dia mety hovalian-tsoa noho ny faharetany, rehefa mandinika sy manaiky ny “vaovao tsara” ny vadiny atỳ aoriana. Ireo zanany kely moa, raha mankatò azy, dia heverin’Andriamanitra ho “masina” ao anatin’ny fandaharana mikasika ny fianakaviana izay harahiny amim-paharetana. Mihatra koa ireo fotopoto-pitsipika ireo rehefa tafaray ao amin’ny fanambadiana amin’ny vehivavy tsy mpino ny lehilahy mpino. — I Korintiana 7:12-16.
NY ADIDIN’NY LEHILAHY MANAMBADY
10. Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny? (Ohabolana 5:18)
10 Hovalian-tsoa be tokoa ireo lehilahy manambady amin’ny fanarahana ny tenin’i Paoly manaraka ho an’ny Kolosiana:
“Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.” (Kolosiana 3:19)
Tokony hampiharina mandrakariva amim-pitiavana ny fahefan’ny lehilahy, fa tsy amin’ny fomba manjakazaka. Raha mbola ‘manohy mampiseho fitiavana ny vadiny’ izy, dia tokony hiezaka ny tenany hampiseho aminy fanajana “tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa”, amin’ny fiheverana ny toetoetrany ara-pihetseham-po sy ny fiovaovany amin’ny maha-vehivavy azy. (I Petera 3:7) Alohan’ny hanaovany fanapahan-kevitra mahakasika ny fianakaviana, dia tokony hidinidinika ny amin’ny toe-javatra miaraka aminy izy ary hihevitra amim-pitiavana ny fiheviny sy ny faniriany. Tokony hihevitra ao am-pony foana ny tombontsoa be indrindra ho an’ny vadiny izy, ary indrindra fa ny fahasambarany ara-panahy.
11. Nahoana moa ny lehilahy no tsy tokony ho henjana amin’ny vadiny? (I Korintiana 11:3; Matio 11:28, 29)
11 Amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ny lehilahy manambady dia tokony ho tia hatrany ny vadiny “tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. Tsy mamaky mihitsy isika ao amin’ireo Filazantsara fa hoe “sosotra” Efesiana 5:25, 28-30.
tamin’ny kongregasiona Kristy, sa tsy izany? Tsy tokony hitondra ny vadiny amin’ny fomba henjana koa ny lehilahy manambady. Tokony ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany” izy, amin’ny fikolokoloana azy tahaka ny tenany, satria “nofo iray” tokoa izy ireo miaraka. —12. Fanantenana mahatalanjona inona moa no irintsika handraisan’ny zanatsika anjara? (Salamo 148:12, 13)
12 Nefa ahoana ny amin’ireo zanatsika? Tena sarobidy amintsika izy ireny, ary irintsika ny hahita azy ireny mandray anjara miaraka amintsika eo amin’ny fiderana an’i Jehovah mandrakizay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra eto an-tany. Hodinihintsika manaraka ny fomba azontsika anampiana azy ireny ho amin’io zava-kendrena io.
[Fanontaniana]