Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba fiaina izay mitarika ho amin’ny fahasambarana

Fomba fiaina izay mitarika ho amin’ny fahasambarana

Toko faha-20

Fomba fiaina izay mitarika ho amin’ny fahasambarana

1. a) Nahoana moa amin’izao fotoana izao ny olona maro be no tsy sambatra? (Mpitoriteny 2:11, 18) b) Inona moa no hitondra ny tena fahasambarana ho an’ny fiainantsika?

OLONA maro no manaraka ny fihetsika hoe “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. Kanefa ny apostoly Paoly dia mampitandrina antsika tsy hanana “fikambanana” amin’ny olona toy ireny. (I Korintiana 15:32, 33) Misy olona sasany, etsy andanin’izany, miezaka manatanteraka zava-kendrena mahasoa iray eo amin’ny fiainana, nefa dia manatrika hatrany ny fifaranan’ny zavatra rehetra ho azy ireo, aorian’ny fe-potoana fohy fitopolo na valopolo taona. Endrey izany fahafinaretan’ny tena ho afaka hanatontosa zava-kendrena iray misy vidiny eo amin’ny fiainana mandritra ny an-jatony, ary an’arivo taonany maro mihitsy aza! Moa ve izany tsy hitondra ho antsika ny tena fahasambarana? Izany marina tokoa!

2. Nahoana moa no ara-dalàna ny hiheverana fa irin’Andriamanitra ny hifaliantsika amin’ny fiainana mandrakizay? (Salamo 133:1, 3)

2 Ary — fifaliana miampy fifaliana! — izany indrindra no kasain’Andriamanitra homena ny olombelona. “Ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony”, nefa tsy hanao izany izy raha tahiny ny fiainan’izy ireo ho tapaka tsy misy fahafahana hitady amin’ny fomba mahafa-po “ny asan’Andriamanitra”. (Mpitoriteny 3:11) Eny, fiainana mandrakizay misy zava-kendrena sy fahasambarana tsy manam-petra no mivelatra eo anoloan’ireo izay hanana tombontsoa ho velona ao amin’ny paradisa an-tany haorin’Andriamanitra.

3. a) Fomba fiaina manorina ahoana moa no namporisihan’i Jesosy harahina? (Lioka 6:31, 36) b) Ahoana moa no nanambaran’i Jesosy ireo didy roa lehibe indrindra? (Deoteronomia 6:5; Levitikosy 19:18)

3 Rehefa mianatra mikasika ny lalana mankany amin’ny fiainana isika, dia tokony hijery ny zava-misy amin’ny fomba manorina sy amim-patokiana. Mety hisy fahamendrehana kely amin’ny fanambarana mandrara tsy hanao zavatra, toy ny an’i Confucius manao hoe: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hataon’izy ireny aminao.” Nefa toa misy vidiny lehibe kokoa ny fanambarana manorina nataon’i Jesosy, dia ny Fitsipika volamena izany: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”! (Matio 7:12) Ary rehefa nampiseho izay zavatra notondroin’ny lalàn’i Mosesy manontolo Jesosy, dia nanolotra zavatra bebe kokoa noho ny fanarahana fomba fiaina miandry fotsiny:

“Ny [didy] voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’. Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” — Marka 12:29-31.

4. Inona moa ny didy “vaovao” nomen’i Jesosy? (I Jaona 3:16)

4 Izany dia mitaky marina tokoa fiainana miasa sy misy heviny, izay mampiseho fa tia marina ny Andriamanitsika sady Mpamorona antsika isika ary miahy tokoa ny namantsika. Izao no lazain’i Jesosy mikasika izany:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35)

Amin’ny ahoana moa io didy io no “vaovao”? Satria mitaky toetra miavaka izany, dia ny fitiavana feno fandavan-tena. Ny olona iray manana io fitiavana io dia ho tonga, eny, fa na dia hatramin’ny ‘fanolorana ny ainy hamonjy ny sakaizany’, sahala amin’ny nataon’i Jesosy aza. — Jaona 15:12, 13.

5. Ahoana no azonao andraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny faminaniana? (Marka 13:10)

5 Amin’ny fahafantarana fa miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” (MN ) isika amin’izao fotoana izao, ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia mampiseho fitiavana an’Andriamanitra sy ny namany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny faminaniana lehibe nomen’i Jesosy fa “hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:3, 14) Afaka mandray anjara amin’izany koa ianao, amin’ny fampahafantarana ny mpiara-belona aminao ny fanantenana mahagaga ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanapahany ny tany. Kanefa, ny hoe maha-vavolombelon’ilay Andriamanitra marina ny olona iray dia tsy mikasika fotsiny ny firesahana ireo fahamarinan’ny Baiboly amin’ny hafa. Mikasika ny fiainana mifanaraka amin’ny fahamarinana izany, ny fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny fomba fiainan’ny tena iray manontolo.

6. a) Karazam-piainana inona moa no takin’Andriamanitra amintsika mba harahina? (Kolosiana 1:9, 10) b) Noho izany, karazan-torohevitra inona moa no nomen’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” ho an’ny kristiana tsy jiosy?

6 Tsy milaza akory izany hoe tsy maintsy hanaraka fitsipika na fandrarana maro be ianao. Milaza izany, fananana fiainana ara-dalàna sy salama, fanomezana avy amin’ny tenanao mba ho tombontsoan’ny hafa ary fampisehoana fanajana ny torohevitra omen’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” voaforon’ireo kristiana voahosotra izay notendren’i Jesosy “tompony” mba hanome ‘amin’ny fotoana ny hanina’ ara-panahy. (Matio 24:45) Tamin’ny taonjato voalohany, io kilasin’ny “mpanompo” io dia tsy namoaka fitsipika be dia be mba hifehezana ny fiainan’ireo kristiana tsy jiosy. Nefa dia nilaza zavatra maromaro hohalavirina izy, ao anatin’izany izao manaraka izao:

“Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo”. (Asan’ny apostoly 15:28, 29)

Inona no tafiditra amin’“izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao”?

‘MIFADIA NY SAMPY’

7. Nahoana moa no zava-dehibe ny hifadiana ny fanompoan-tsampy? (I Korintiana 10:20, 21)

7 Noraran’i Jehovah Andriamanitra mafy ny fanompoan-tsampy ao amin’ny faharoa amin’ny Didy Folo. Nanome toromarika mazava koa ny apostoly Paoly, ao amin’ny I Korintiana 10:14:

“Ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.”

Inona anefa no antony? Satria ny toetra faran’izay tsaran’ilay Andriamanitra velona dia tsy azo aseho na oviana na oviana amin’ny sary tsy manana aina vita amin’ny vato na ny metaly. Mampietry ilay Andriamanitra velona sady marina izany. Ireo maritiora tamin’ny andron’ny kristiana voalohany dia nety ho afaka namonjy ny tenany mba tsy ho voarotidrotiky ny biby dia tao amin’ny kianja filalaovana tamin’ny fanolorana ditin-kazo manitra kely fotsiny amin’ny rantsan-tanana teo anoloan’ny tsangambaton’ny emperora romana, nefa nanda ny tsy hanala baraka an’Andriamanitra tamin’izany fomba izany izy. Toy izany koa, ireo izay maniry hahazo sitraka amin’ilay Andriamanitra velona ankehitriny dia tokony hanohitra amin’ny fomba hentitra ny fanolorana ditin-kazo manitra amin’ny fandevenana, sy sakafo na zava-pisotro eny amin’ny alitaram-pianakaviana na ny alitaram-bahoaka, ary koa izay rehetra mety ho karazam-panompoan-tsampy hafa.

‘MIFADIA NY RA’

8. Nahoana moa ny fandidiana mba ‘hifady ny ra’ no mamatotra ny olombelona rehetra? (Asan’ny apostoly 15:19, 20)

8 Nomena tao amin’ny lalàn’i Mosesy io fandrarana io, ary taloha kokoa aza rehefa nandidy an’i Noa razambentsika rehetra amin’izao fotoana izao Jehovah nanao hoe: ‘Ny rany no aza haninareo’. (Genesisy 9:4) Tokony hanaja ny ra ho masina isika. Ny antony dia satria, araka ny voambara ao amin’ny Levitikosy 17:14, “ny amin’ny ain’ny nofo rehetra, dia ny rany no ainy”, ary sarobidy eo imason’i Jehovah Andriamanitra ilay Mpanome aina anefa ny aina. Noho izany no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy tokony hihinana hena izay tsy nalatsa-dra, toy ny vorona nokendaina isika, noho ny antony ara-panahy.

9. Hety aminao ve ny hanaiky hampidiran-dra, ary moa ve izany mitondra fatiantoka ho anao? (Asan’ny apostoly 21:25)

9 Izany “fifadiana” izany dia mitatra ara-dalàna amin’ny tsy fandraisantsika ran’olombelona ho ao anatin’ny tenantsika amin’ny alalan’ny fampidiran-dra. Tsy hoe mankatò ny lalàn’Andriamanitra fotsiny isika amin’izany, fa voaro koa amin’ny aretina toy ny farasisa, ny tazo ary ny aretin’aty, izay niteraka fahafatesana mihitsy ho an’ny marary maro be nampidiran-dra. Ireo izay maniry hanaja ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny ra dia tsara raha mitady mpitsabo izay hanaja ny fieritreretany ka hampiasa fanafody izay mampitombo indray ny ra, raha hita fa ilaina izany. Mahalana no nahitana olona iray maty satria nanda tsy handray ra noho ny fieritreretana, nefa ny tsy fivadihana amin’ny lalàn’Andriamanitra dia manome antoka an’izany olona izany ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny paradisan’Andriamanitra.

‘MIFADIA NY FIJANGAJANGANA’

10. Nahoana moa isika no tokony hifikitra amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra mikasika ny lahy sy ny vavy ary ny fanambadiana? (II Petera 2:9, 10, 14)

10 Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” ary koa ny torohevitra nomen’ny apostoly dia mampiseho mazava tsara fa tokony ‘handositra ny fijangajangana’ isika. (I Korintiana 6:18) Nefa hafa dia hafa ny fomba fihevitr’izao tontolo izao ankehitriny. Ny fijangajangana — izay mahafaoka ny fanitsakitsaham-bady sy ny fanao rehetra tsy araka ny natiora toy ny sodomia, ny fandrian’ny lehilahy samy lehilahy na ny vehivavy samy vehivavy, ny fandriana amin’ny biby ary ny hafa koa — dia fanao mahazatra ankehitriny eo amin’ireo kilasy maro ara-tsosialy. Miaro antsika amin’izany rehetra izany ny lalàn’Andriamanitra. Amin’ny fifikirana amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra mikasika ny lahy sy ny vavy ary ny fanambadiana, dia tsy vitan’ny hoe afaka manaja ny Mpamorona lehibe antsika isika, fa afaka manalavitra koa ny fijaliana sy ny alahelom-po mafy.

11. Inona moa no ho vokatry ny fitandremana ireo “zavatra tsy maintsy hotandremana” ireo? (II Timoty 1:13)

11 Raha maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra ianao, dia tokony hanaraka ireo “zavatra tsy maintsy hotandremana” ireo, satria eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetseham-po, dia hiteraka “soa” [fahasalamana tsara, MN ] ho anao izany.

TONGAVA MPANOMPON’ILAY ANDRIAMANITRA BE FITIAVANA

12. Tokony hanosika antsika hanao inona mikasika ny fiainantsika moa ny fitiavan’Andriamanitra? (Romana 6:17, 18)

12 Raha niresaka ny amin’ny “fitiavan’Andriamanitra” ny apostoly Jaona, dia nilaza hoe:

“Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nanirahany ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” (I Jaona 4:9, 10)

Ahoana no azonao amaliana an’izany fitiavan’Andriamanitra izany? Azonao atao izany amin’ny fanoloranao ny tenanao ho an’i Jehovah, mba ho tonga ‘mpanompony’ be fandavan-tena. — Romana 12:11.

13. Inona moa no takina amin’ny fanaovana fanoloran-tena ho an’Andriamanitra? (Hebreo 11:1, 6)

13 Nasehon’i Petera, apostoly hafa iray, izay takina amin’ny fanoloranao toy izany ny tenanao ho an’Andriamanitra, raha niteny toy izao izy:

“Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN].” (Asan’ny apostoly 3:19)

Tokony hibebaka amin’izay rehetra mety ho fandraisana anjara tamin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny politika ary ireo adin’izao “fandehan-javatra ratsy ankehitriny” izao ianao. (Galatiana 1:3, 4, MN ) Tokony hiverina ianao amin’ny fiezahana tanteraka mba hitafy ny tena toetra kristiana araka ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy, ilay tokony halaintsika tahaka, sy hanohana amin’ny fo rehetra ny fiandrianan’i Jehovah, izay asehon’ny Fanjakan’i Kristy. Amin’izay ianao dia mitsahatra tsy ho “naman’izao tontolo izao”. — Jaona 17:14-16.

14. Asehoy amin’ny ohatra ny fomba mety hamalian-tsoa ny fijoroana amin’ny fotopoto-pitsipika marina? (Salamo 15:1-3)

14 Ny sasany amin’ireo sakaizanao fahiny dia mety ho “gaga (...) ka dia hiteny ratsy” anao, noho ianao tsy mandray anjara intsony amin’ny “fijejojejoana, (...) ny fanompoan-tsampy” ary ny fanaranam-po hafa. (I Petera 4:3, 4) Kanefa ny fahavononanao hiaina amim-pahitsiana sy araka ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra dia mandrakariva mety hitondra valisoa tsy ampoizina, sahala amin’izao zava-nitranga teo amin’ny fiainana manaraka izao, notantarain’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tany Philippines:

“Nisy fanesorana mpivarotra maro be tao amin’ny tranom-barotray, noho ny fanao tsy marina. Satria ny tenako nanaraka ny fotopoto-pitsipika kristiana, dia izaho irery no mpivarotra tsy voaroaka tamin’izay fotoana izay. Tsy ela taorian’izay dia nasondrotra ho amin’ny sampan-draharaha hafa iray aho, ary tsy ela dia hita fa maro koa tao no nanao fanafaran-javatra sandoka mba hahazoana tombontsoa ho an’ny tenany. Dia mbola izaho irery indray no voahazona tamin’ny asako, satria hitan’izy ireo fa tsy mba nandray anjara na oviana na oviana tamin’ny fanao tsy marina aho. Nahita porofo aho, avy amin’ireo fisehoan-javatra roa ireo, fa manafaka ny olona amin’ny alahelo maro be ny fanaovana ny marina sy ny tsy fivadihana amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ary miteraka fiderana ny anaran’Andriamanitra.”

15. Amin’ny fotoana toy inona moa ny olona iray no tokony hatao batisa? (I Petera 3:21; Matio 28:19, 20)

15 Moa ve ianao olona iray maniry hanao ny kristianisma marina ho fomba fiainanao, amin’ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny paradisa an-tany haorin’Andriamanitra? Raha izany no izy, rehefa avy nibebaka sy niverina ianao, dia azonao atao ny manolo-tena amim-bavaka ho an’i Jehovah mba ho tonga “mpanompony”, miorina amin’ny finoanao ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary avy eo dia manamarika izany fanoloran-tenanao izany amin’ny fandraisana ny batisa kristiana. Amin’ny fanaovana izany, dia ho tonga mpanompo falifaly ianao, sahala amin’ireo tany Tesalonika izay noderain’i Paoly tamin’ireto teny ireto:

“Teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra (...) sy ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.” — I Tesaloniana 1:8-10.

16. Inona ny ohatra mampiseho fa ny fankatoavana an’Andriamanitra dia valian-tsoa? (Asan’ny apostoly 5:29)

16 Mba hahatongavana ho vavolombelon’i Jehovah vita batisa, ny olona sasany dia tsy maintsy mandresy fanoherana mahery vaika, araka izao ohatra izao:

Ny zazavavy sinoa iray tany Taiwan dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy niresaka tamin’ny hafa mikasika ny fanjakan’Andriamanitra. Nefa nanjary tonga amin’ny fara tampony ny fanoheran’ny fianakaviana. Nokapohina matetika izy. Nanakarama jiolahy teo an-toerana ireo ray aman-dreniny mba handeha hampitahotra ireo Vavolombelona “mpitory maharitra” izay niara-nianatra tamin’ilay zazavavy. Nohazonina ny taratasy tokony ho voarainy ary imbetsaka no nopotehina ny Baiboliny sy ireo zavatra vita pirinty ananany miorina amin’ny Baiboly. Kanefa, ny fiezahana amim-pahalemem-panahy sy hentitra avy amin’ilay zazavavy dia niteraka tsikelikely fahafahana bebe kokoa. Nandao ny tanàna misy azy ireo Vavolombelona “mpitory maharitra”, nefa noho ilay zazavavy nampiseho fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy fitiavana kristiana, dia nihanalefaka ny fihetsik’ireo ray aman-dreniny ary nomen’ireo lalana izy hanao dia mandritra ny ora iray isaky ny mandeha any amin’ny tanàn-dehibe izay hahafahany manatrika fivoriana. Taorian’ny fiezahany tamim-paharetana naharitra roa taona, dia natao batisa izy.

Noho ny fahavononany hankatò an’Andriamanitra sy handroso ho amin’ny batisa kristiana, izany zazavavy izany dia afaka nihazona ny “fiainana mandrakizay”. Valisoa re izany! — I Timoty 6:12, 19.

17. a) Nahoana moa ireo olona vao vita batisa no mila manao fandrosoana? (Efesiana 4:14, 15) b) Inona moa no ho vokatry ny fitoerantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra? (I Jaona 4:16-19)

17 Tsy karazana “fahazoana diplaoma” akory ny batisa. Izany kosa aza dia fanombohan’ny fifandraisana tena mahasambatra amin’Andriamanitra. Kanefa, eo am-panombohana izany fomba fiaina izany, dia mbola “zaza” ao amin’ny fahamarinana ianao ary tokony hanohy ‘handroso ho amin’ny tanteraka [fahamasahana, MN ]’. Raha mbola eo ‘am-panompoana an’i Jehovah ianao’, dia hitombo ny fifalianao ary ho tonga misy heviny sy mahafa-po tokoa hatrany ny fiainanao. (II Timoty 2:1; Hebreo 6:1) Marina fa hisy fitsapana sy zava-manahirana eny an-dalana, nefa afaka misetra ireny ianao raha miaiky amin’ny fo tanteraka toy izao nambaran’ny apostoly izao:

“Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:37-39)

Ho fiarovana ho anao ny fitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 177]

Mampahafantatra ny hafa amim-pitiavana ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana ny Vavolombelona

[Sary, pejy 181]

Fanombohan’ny fifandraisana mahasambatra amin’Andriamanitra ny batisa