Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’

‘Havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’

Toko faha-21

‘Havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’

1. Inona no atao hoe “mahalala” an’i Jehovah sy Kristy? (Jaona 1:14, 18)

NY FAHALALANTSIKA an’i Jehovah, ilay Mpanjaka Tompo eo amin’izao rehetra izao, dia hitondra fitahiana mandrakizay ho antsika, araka ny voalazan’i Jesosy toy izao ao amin’ny vavaka nataony tamin’i Jehovah:

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3)

Nefa izany dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fananana fahalalana ao an-doha fotsiny. Mitaky ny hianarantsika mikasika an’Andriamanitra sy ireo toetrany mahatalanjona ary ny asany izany, sy ny hankamamiantsika marina tokoa ao am-pontsika ny tombontsoa lehibe tamin’ny fahatongavana amin’ny fifandraisana mahasambatra aminy noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany.

2. Ahoana no tokony hanosehan’ny fahalalana ireo fikasan’i Jehovah antsika? (Salamo 112:1)

2 Rehefa nianatra ny “vaovao tsara” mikasika ny fikasan’i Jehovah hanaisotra ny faharatsiana eo amin’izao rehetra izao sy hamerina indray ity tany ity ho amin’ny toe-piainana madio sy miadana ary sambatra ianao, moa ve tsy mahatsapa ho voatosika hidera sy hisaotra azy ny tenanao? Tokony hahatsapa izany ianao! Endrey izany hafaliana mahita ireo fikasany mivelatra eo anoloantsika sy mahafantatra fa afaka mandray anjara amin’izany isika!

FOTOANA MAHAFALY EO ANOLOANA!

3. Nahoana moa ny lanitra no mifaly rehefa mahita ny faharavan’ny fivavahan-diso? (Deoteronomia 32:43)

3 Manatona haingana ny andro izay hanomezan’i Jehovah baiko hanafoana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso babyloniana. Ho tonga haingana ny fandravana azy, toy ny “tamin’ny ora iray monja”. Ireo mpanohana azy sasany fahiny dia mety hitomany azy, manao hoe: “Indrisy! Indrisy!”, nefa kosa ireo izay ory noho ny fanalany baraka ny anaran’Andriamanitra dia hiravoravo:

“Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olona masina, sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.” — Apokalypsy 18:19, 20.

4. Nahoana moa ny “fahoriana lehibe” no ho antony mahafaly ny olona matahotra an’Andriamanitra? (Lioka 21:28)

4 Nefa tsy izay ihany akory! Ny “fahoriana lehibe” dia hanohy amin’ny fomba tsy azo sakanana “hitety ny firenena samy hafa (...) hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa”, mitondra fanafoanana tanteraka ho an’ny ratsy fanahy rehetra. (Jeremia 25:32, 33) Io tafiodrivotry ny fandringanana io dia ho tonga amin’ny fomba manaitra tampoka, “tahaka ny tamin’ny andron’i Noa”, ary ho fohy. Ho lehibe aoka izany ny “fahoriana” hany ka raha tsy “nohafohezin’ny Tompo [Jehovah, MN ] izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena”. Hofafany madio tsy hisy intsony an’ireo izay nanda ny fahitsiana sy ny fahamarinan’ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’ireo zavaboariny, izao rehetra izao manontolo. Antony ahazoana miravoravo tokoa izany! — Lioka 17:26, 27; Marka 13:19, 20.

“MIRAVORAVOA MANDRAKIZAY”

5. a) “Lanitra” taloha inona nanapaka teo amin’ny olombelona moa no hesorina? (II Petera 3:7) b) Fandaharana maharitra inona moa amin’izay no hitondra fifaliana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra? (Isaia 32:1)

5 Rehefa tsy hisy intsony ny hery mamitak’i Satana sy ireo demoniany, ary rehefa tsy hitambesatra intsony toy ny “lanitra” mampijaly ny tany ny fanapahan’olombelona, ny “olona betsaka” ho tafita velona dia hiasa amin’ny fanamboarana paradisa iray tsara tarehy hatrany amin’ny faran’ny tany. ‘Hazoto hanolo-tena’ hanao izany asa izany izy ireo, sahala amin’ny ataony eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. (Salamo 110:3) Hahazo koa fanampiana avy amin’ny fandaharan’Andriamanitra ho an’izany fotoana izany izy ireo, dia ny “lanitra vaovao sy ny tany vaovao” izay efa aorin’i Jehovah ankehitriny. Manasa antsika toy izao izy:

“Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa indro, mahary an’i Jerosalema [ny fanjakana any an-danitra] ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” (Isaia 65:17, 18)

“Ny lanitra vaovao” dia ho fandaharana maharitra mampiseho fitiavana, natao mba hitondrana ny raharahan’ny “tany vaovao” — fitahiana mandrakizay ho an’ny ‘olon’i Jehovah sy ny taranany’. — Isaia 66:22.

6. a) Iza moa ny ‘ampakarin’ny Zanak’ondry’, ary ahoana no andraisany anjara amin’ny fitahiana ny olombelona? (Apokalypsy 19:6, 7) b) Inona moa no fifandraisana mahasambatra amin’Andriamanitra, ho azon’ny olona hifaliana amin’izay fotoana izay? (Salamo 86:9, 10)

6 Toy inona moa ny fifaliana miaraka mandrakariva amin’ny fampakaram-bady! Ary rehefa tafaray any an-danitra amin’ny “ampakarina” ny “Zanak’ondry” natao sorona fahiny, dia Jesosy Kristy mpanjaka any an-danitra ankehitriny — ny “ampakarina” moa dia ireo mpikambana natsangana amin’ny maty 144 000 anisan’ny “ondry vitsy” mpandresy — dia tsy hisy fetrany ny fifaliana! Io kilasin’ny “ampakarina” ara-panahy io dia lazalazaina amin’ny fomba mahafinaritra ao amin’ireo toko farany ao amin’ny Baiboly ho toy ny tapany amin’ny “lanitra vaovao” izay mandrotsaka fitahiana amin’ny “tany vaovao”, dia ny fikambanan’olona mahitsy sy hita maso. Izy io dia resahina ho toy “ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra”, tsy hoe ara-batana fa amin’ny heviny hoe mampitodika ny fiheverany amin’ny fianakavian’olombelona eto an-tany izy ary manasitrana azy ireo. Avy amin’izany ireo vahoakan’ny tany dia ho tonga amin’ny fifandraisana mahasambatra indrindra amin’Andriamanitra:

“Andriamanitra (...) hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1-4.

7. Nahoana moa ireo fampanantenana lehibe ireo no azo antoka fa ho tanteraka? (Josoa 21:45)

7 “Tsy azo inoana”, hoy ianao? Tsia, azo inoana tanteraka izany! Azo antoka fa ho tonga izany, satria ireo faminaniana rehetra ao amin’ny Baiboly, manomboka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra tao Edena enina arivo taona lasa izay, dia mitondra ho amin’ireo fisehoan-javatra amin’izao andro izao izay efa akaiky hanamarinan’Andriamanitra tanteraka ny fiandrianany amin’ny alalan’ny “taranaka” mesianikany. Izany fikasany mahatalanjona rehetra izany dia tsy maintsy tanterahiny ho fitahiana an’ireo avy amin’ny “firenena rehetra” izay tonga mba hanompo azy amim-pahatokiana. — Genesisy 22:18.

8. Nahoana moa ny fitsanganana amin’ny maty no ho fotoam-pifaliana? (Ohabolana 10:22)

8 Ary ahoana ny amin’ny fikasan’Andriamanitra voambara fa hanangana avy any am-pasana ireo olona maty an’arivo tapitrisany maro? Hilaza ve isika fa tsy azo inoana izany? Tsia, satria Jesosy mihitsy no nanome antoka antsika hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [am-pasana fahatsiarovana, MN ] ny feony [ny an’i Jesosy]; dia hivoaka izy (...) ho any amin’ny fitsanganana”. (Jaona 5:28, 29) Endrey izany antsoantsom-pifaliana hitranga rehefa ho tafahaona indray ny olona ao amin’ny paradisa an-tany! Ary endrey ny fahasambarana ho tsapa eo amin’ny fampianarana ireo ho tafaverina, momba ny paradisa ara-panahin’Andriamanitra! Hisy “horonam-boky” fampianarana homena, ary ireny dia hanampy azy ireo hanatanteraka “asa” marina, izay hitarika ny fanoratana maharitra ny anarany ao amin’ny “bokin’ny fiainana”! — Apokalypsy 20:11-15.

9. Nahoana isika no afaka matoky fa ‘hanavao ny zavatra rehetra’ Jehovah? (Isaia 55:11)

9 Jehovah mihitsy no manambara hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” Endrey izany fampanantenana mamelombelona ny fo! Moa ve ny apostoly Jaona nisalasala tsy hanoratra zava-mahagaga toy izany? Nanome toky azy indray Jehovah tamin’ny filazana hoe: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Toy ny hoe efa tanteraka tsara sahady izany, satria hoy ny nanampin’i Jehovah: “Tanteraka ireo.” — Apokalypsy 21:5, 6; Romana 4:17.

10. Hanao ahoana moa ny endriky ny “tany sambondanitra” amin’ny faran’ny ‘andro fitsaharan’Andriamanitra’? (Salamo 104:1, 24)

10 Mivelatra eo anoloan’ny olombelona ny arivo taona be voninahitra hanaovana fanavaozana, hamerenana ho amin’ny fahatanorana ary hiravoravoana. Ary endrey ny fahitana mahatalanjona ny tany amin’ny faran’ny fanapahana arivo taonan’i Kristy miaraka amin’ny ‘ampakariny’ any an-danitra! Ara-batana sy ara-pitondrantena ary ara-panahy — ny tany sy ny mponina an’arivo tapitrisany maro eo aminy dia hamirapiratra toy ny vatosoa eny amin’ny lanitra ho voninahitry ny Mpamorona azy. Tsy mbola niseho ho tsara tarehy kokoa noho ny amin’ny faran’ny ‘andro fitsaharana’ lehiben’i Jehovah ny “tany sambondanitra”. — Genesisy 2:2, 3.

11. Inona no hitranga eo amin’ny faran’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy? (Apokalypsy 15:3, 4)

11 Avy eo, rehefa ‘nofoanan’i Jesosy’ ny vokatra rehetra nateraky ny fahafatesana avy amin’ny fahotan’i Adama, dia “hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana”. Ny olombelona rehetra, amin’ny faran’ny arivo taona, dia hitsangana ho tompon’andraikitra mivantana eo anatrehan’i Jehovah noho ny fitondrantena ho avin’izy ireo amin’ny maha-olombelona lavorary azy ireo, noharìna “tahaka ny endrik’Andriamanitra”. (I Korintiana 15:24-26; Genesisy 1:27) Mandritra ny fe-potoana fohy dia “hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany” mba hizaha toetra izany izao tontolo izaon’ny olombelona lavorary izany, mikasika ny safidin’izy ireo ny amin’ny fiandrianana mandrakizain’Andriamanitra. Avy eo Satana sy ireo demoniany, miaraka amin’izay olona mifidy ny hanaraka azy, dia hatsipy ao amin’ny “farihy afo” — mariky ny “fahafatesana faharoa” izay tsy hahazoana fitsanganana amin’ny maty intsony. — Apokalypsy 20:7-10, 14.

EO AM-PIANDRASANA NY FAMPANANTENAN’ANDRIAMANITRA

12. Tokony hiezaka amin’ny fomba ahoana moa isika raha mbola eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra? (I Korintiana 15:58)

12 Amim-pifaliana no iandrasantsika ny fanapahana haneran-tanin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Nefa dia tsy tokony ho malaina isika, satria izao no lazain’ny apostoly Petera amintsika:

“Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” (II Petera 3:13, 14)

Tsy azontsika atao ny hanana “pentina” izay mampiseho fa mandray anjara amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso sy ny fahalotoam-pitondrantenan’izao tontolo izao isika. Tsy azontsika atao ny mamela fahasimbana eo amin’ny toetratsika vaovao sahala amin’ny an’i Kristy. Tokony ho vita fihavanana amin’i Jehovah sy amin’ny namantsika isika. Azontsika atao ny mampiseho izany firaisan-tsaina izany amin’ny fijoroana mafy ho an’ny fiandrianan’i Jehovah sy amin’ny fampaherezana ny hafa mba ‘hiambina’. Fa nahoana? Satria “amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona [Jesosy Kristy]” mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny fandehan-javatra tranainy sy hitondra ny vaovao. — Matio 24:42-44.

13. a) Inona moa no fifaliana manokana mety hananan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao fotoana izao? b) Nahoana moa ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” no ny lehibe indrindra amin’ny vaovao tsara?

13 Izany no ilay “vaovao tsaran’ny fanjakana” mahatalanjona! Endrey ny fifaliana ananan’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny amin’ny fanambarana izany “amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”! (Matio 24:14, MN ) Azo antoka fa izany no vaovao tsara mahagaga indrindra! Ary ao amin’ny paradisa an-tany, raha mbola manohy mampiasa ny fanjakan’i Kristy i Jehovah amin’ny ‘fanavaozana ny zavatra rehetra’, ny vaovao tsara dia ho betsaka tokoa ho an’ny olombelona. Marina tokoa fa ‘hotahina ny firenena rehetra ambonin’ny tany’! (Asan’ny apostoly 3:25) Endrey ny firavoravoana ho hita rehefa hikatsaka, eo amin’ny fiainana, zava-kendrena tena misy ny olona rehetra, eo ambanin’ny fanjakana any an-danitra entin’ny mpanapaka izay manandratra an’i Jehovah ho “Mpanjaka Tompo” sy mahatakatra marina tokoa ny fihevitry ny olombelona ary miahy azy! (Apokalypsy 6:10, MN ) Izany tokoa no “vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”. Izany dia vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 184]

Hanadio ny tany Andriamanitra, amin’ny fanesorana ny faharatsiana sy ny alahelo rehetra

[Sary, pejy 187]

Rehefa ‘havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’, dia hanome voninahitra indray ny Mpamorona ny zavatra rehetra eto an-tany

[Sary, pejy 189]

“Ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra” dia nomena mba hahasambatra ANAO!

[Sary, pejy 190]

BAIBOLY MASINA