Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika
Toko faha-10
Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika
1. Nahoana moa isika rehetra no maty? (Romana 5:12)
AMIN’NY MAHA-MPANOTA antsika nandova tsy fahalavorariana avy amin’i Adama, dia maty avokoa isika rehetra.
“Fa fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romana 6:23)
Nefa moa ve ianao maniry marina ny ho faty? Indrindra fa raha salama tsara ianao, dia azo antoka fa haniry ny hiravoravo amin’ny fiainana.
2. a) Nahoana isika no tokony haniry ny ho velona hatrany? b) Inona no soson-kevitra mampiseho fa natao ho velona ela kokoa noho ny fitopolo na valopolo taona ny olona? (Genesisy 2:9)
2 Be ny zavatra eo amin’ny fiainana mety hahasambatra antsika — sakaiza mahasoa, fianakaviana be fitiavana, fampiasan-tena mahasalama, fifaliana amin’ny zavatra noforonina manodidina antsika. Fahafinaretana manao ahoana moa no tsapa amin’ny fijerena ny haben’ny tendrombohitra na ny helo-dranomasina tery sady lalina, ny fiposahana na ny filentehana malazan’ny masoandro, na ny fahitana mahafinaritra farihy sy tany feno ala! Eny, ny sasany amin’ny hazo amin’ireny ala ireny dia efa velona an-jatony, eny fa na dia an’arivo taonany maro aza! Kanefa isika olombelona, izay noforonin’Andriamanitra ho amin’ny zava-kendrena
mihaja lavitra noho ny hazo, dia tsy mianina amin’ny fetram-piainana eo amin’ny fitopolo na valopolo taona. Moa ve toy izany ny fikasan’ny Mpamorona amintsika?3. Fanandraman-javatra inona moa no mahatonga ny olona iray hanatsoaka hevitra fa ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra? (Salamo 104:29)
3 Tsy maintsy manatrika ny fetezana ho faty isika rehetra. Nandritra ny Ady tany Pasifika (1941-1945), ny fahafatesana fahavalo dia tena tonga zava-nisy ho an’ny olona maro tao amin’izany faritany izany. Tao amin’ny nosin’i Okinawa, nandritra ny ady nahatsiravina izay nandripaka tao, ny isan’ny maty, naratra ary tsy hita dia maherin’ny 203 000 amin’ny fitambarany, ka 132 000 ny sivily amin’io isa io.
Ny iray amin’ireo mponina tafita velona tao Okinawa dia mitantara ny fomba niafenany niaraka tamin’ny zanany lahy vao efapolo andro niainana. Izany dia tao anatin’ny fasan-drazam-pianakaviana lehibe iray, teo amin’ny ilan-kavoana. Mifanohitra Genesisy 3:19; I Tesaloniana 4:13.
amin’ny finoanoam-poana eo an-toerana, dia tsy namoy ny ainy ny zanany lahy raha nanatona ny fasana. Nandritra ny ora maro nolaniany tao, dia nandinika izy fa ny sisa tavela avy amin’ireo razany dia hitany fa tsy misy hafa amin’ny vovo-tany tany ivelany, ary nanatsoaka hevitra izy fa tsy maintsy ho maty tanteraka izy ireo. Fotoana fohy taorian’ny ady izy dia tojo Vavolombelon’i Jehovah, izay nampiseho taminy avy amin’ny Baiboly fa ny maty dia ‘miverina amin’ny vovoka’ tokoa, ary tsy misy na inona na inona mbola velona ihany. Izy no teratany voalohany tao Okinawa tonga mpitory ny “vaovao tsara” manome fanantenana marina ho an’ireo izay “modimandry”. —4. Ahoana moa no itantaran’ny Baiboly ny toetry ny maty?
4 Inona koa moa no novakin’io olona avy any Okinawa io tao amin’ny Baiboly ka nanamafy ny fiheviny ny toetran’ny maty? Ireto misy andininy sasany ao amin’ny Baiboly izay novakiny, ary mifandray mivantana amin’ny zavatra resahina:
“Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN, na fasana] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10)
“Jehovah ô, (...) vonjeo aho noho ny famindramponao. Fa tsy misy fahatsiarovana anao any amin’ny fahafatesana; any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN, na fasana] iza no hidera Anao?” (Salamo 6:4, 5)
“Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, fa hamonjy ny fanahiny [hebreo nèphesch] tsy ho azon’ny tànan’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN, na fasana]?” (Salamo 89:48)
“Ny zanak’olombelona (...) miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:3, 4.
5. Inona moa ny Sheola sy ny Hadesy, ary manao ahoana ny toetoetr’ireo izay mankany? (Salamo 115:17)
5 Ireo andininy eo ambony ireo dia mahafaoka ny telo amin’ny fisehoan’ny teny hebreo Sheola mihoatra ny enimpolo ao amin’ny Baiboly, ka ny heviny ara-bakiteny
dia hoe “fasana”. Ny teny mifanitsy ao amin’ny Soratra grika, Hadesy, izay miseho impolo fotsiny, dia mitovy hevitra amin’izany. Izy roa ireo dia entina milaza mandrakariva, tsy ny fasana manokana akory, fa ny “fasana iombonana” izay alehan’ny taranaka mpanota avy amin’i Adama rehefa maty izy ireo. Izany dia toerana tsy fisiana, tsy fahatsiarovan-tena, izay tokony hitoeran’ny maty ambara-panangan’Andriamanitra azy ireo. Maty tanteraka izy ireo, nefa tsy hoe tsy manana fanantenana.INONA MOA NY “FANAHY”?
6. a) Inona moa ny “fanahy (âme)”, araka ny finoan’ny maro? b) Inona moa ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy (âme)”?
6 Kanefa maro ny olona no mino fa ny olombelona dia manana “fanahy” izay misaraka amin’ny vatana eo amin’ny fahafatesana, mba ho velona any an-toeran-kafa. Ny olona sasany dia mino fa mampianatra izany ny Baiboly. Ny antony iray dia ny fandikana ho amin’ny fiteny hafa ny teny hebreo sy grika ao amin’ny Baiboly (nèphesch sy psukhê), amin’ny teny izay mahatonga hihevitra fa misy fiainana ara-panahy aorian’ny fahafatesana. Amin’ny fiteny malagasy, izany teny izany dia hoe “fanahy”. Noho izany, dia tena zava-dehibe ny hahatakarantsika ny hevitra marin’ireo teny hebreo sy grika ireo izay nadika hoe “fanahy”.
7. a) Impiry moa io teny hebreo io no miseho ao amin’ny Baiboly, ary inona no tena heviny? b) Misy fanahy hafa koa ve ankoatra ny fanahy olombelona, ary moa ve maty ny fanahy? d) Ahoana no nampiasana ny teny grika nadika hoe fanahy, raha ny mikasika an’i Adama? e) Ahoana no nahatonga an’i Adama ho fanahy velona, ary fitsimbadiham-pandaharana inona no nitranga taty aoriana? (Joba 34:15)
7 Ny tena hevitry ny teny hebreo hoe nèphesch, izay miseho in-750 eo ho eo ao amin’ny Baiboly, dia “zava-miaina iray”. Araka ny efa nahitantsika azy, ny hazandrano, ny vorona, ny biby ary ny olona dia antsoina avokoa hoe “fanahy [nèphesch]” ao amin’ny Baiboly. Tsy manana fanahy akory izy ireo. Izy ireo dia fanahy, zavaboary miaina. Ary araka ny asehon’ny Salamo voalaza ery ambony, ny “fanahy” dia tsy afa-mandositra ny tanan’ny fasana. Maty izy. Ny fandinihana ny teny mifanitsy hoe psukhê izay miseho in-102 ao amin’ny Soratra grika, dia mampiseho koa fa ny olona dia fanahy iray.
“Adama voalohan-dahy natao manan-aina [fanahy velona, MN ] [psukhê]”. (I Korintiana 15:45)
Namboarin’Andriamanitra io “fanahy” io tamin’ny fitsofana fofon’aina tao amin’ny vavoron’ny olombelona izay noforoniny avy amin’ny vovoky ny tany. Noho izany dia tonga “zava-miaina” na fanahy velona ny olona. Rehefa nikomy Adama, dia nomelohin’Andriamanitra ho faty izy, tamin’ny filazana hoe:
“Mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19)
Rehefa notanterahina io fanamelohana io, dia nitsahatra tsy ho “zava-miaina” na fanahy iray i Adama, ary niverina any amin’ny vovoka tsy misy aina izay nanalana azy. Izany dia ny mifanohitra amin’ny fandaharam-pamoronana. Tsy nisy tapany taminy mbola velona. Lasa tanteraka any amin’ny tsy fisiana izy.
8. a) Ahoana moa no ilazan’ny manam-pahaizana hebreo ny hevitry ny teny hoe nèphesch? b) Ahoana moa no ilazan’ny diksionary grika-anglisy ny hevitry ny teny hoe psukhê? d) Inona moa no tenin’i Jesosy manaporofo fa tsy hoe tsy mety maty akory ny fanahy? (Matio 26:38)
8 Ny “fanahy” dia ny olona ara-batana, velona mihitsy, fa tsy hoe ny tapany ara-panahy amin’ny tenany fotsiny. Manam-pahalalana maro no manolotra io fomba fihevitra io. Ohatra, ny iray amin’ny manam-pahaizana hebreo tranainy indrindra any Amerika, ny Dr. H. M. Orlinsky, dia nilaza mikasika ny teny hoe “fanahy”:
“Ny Baiboly dia tsy milaza hoe manana fanahy isika. Ny ‘nèphesch’ dia ilay olona mihitsy, ny filàny sakafo, ny ra mihitsy ao amin’ny lalan-drany, ny fisiany.”
* Tsy hoe tsy mety maty ny “zava-miaina” iray, fa araka ny asehon’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28, Andriamanitra dia “mahay mahavery [mandringana, MN ] ny fanahy [psukhê] sy ny tena ao amin’ny helo [gehena]”.
Raha ny amin’ny teny grika hoe psukhê, ireo diksionary grika-anglisy dia mamaritra izany ho toy ny “fiainana”, sy “ny vatana mahatsiaro na ny maha-izy ny tena amin’ny maha-foiben’ny fihetseham-po, ny faniriana ary ny firaiketam-po”, “zava-miaina iray”, ary mampiseho fa na dia ao amin’ireo boky grika ka tsy araka ny Baiboly aza, io teny io dia nampiasaina mikasika ny “biby”.9. a) Inona moa ny “Gehena”? b) Moa ve ny olona mahatsiaro tena ao? (Matio 18:9)
9 Kanefa, inona moa io “Gehena” io? Noho izy io adika hoe “helo” amin’ny fiteny maromaro, moa ve izy io tsy toerana fahatsiarovana fijaliana aorian’ny fahafatesana? Tsia. Ny “Gehena” fahiny, tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema, dia lohasaha nampiasaina ho toy ny fanariam-pako, izay nanipazana matetika ny fatin’ny olo-meloka novonoina mba handevonana azy teo amin’ny fako nirehitra. Ny “Gehena” araka izany dia ampiasaina indroa ambin’ny folo ao amin’ny Soratra grika ho mariky ny fandringanana mandrakizay ny fanahy faran’izay ratsy. Ny heviny dia ny fanafoanana fa tsy ny fijaliana mandrakizay. Ireo nolevonina tao amin’ny Gehena dia tsy mahatsiaro fijaliana intsony, toy ny tsy ahatsiarovan’ireo vatana dorana ao amin’ny lafaoro fandevonana amin’ny andro ankehitriny izany.
FITOHIZAN’NY LAINGA IRAY
10. Inona no mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny olona? (Isaia 53:12)
10 Tsia, tsy misy na inona na inona mbola velona ihany aorian’ny fahafatesan’ny olona. Taiza àry no niandoha ity fampianarana fa ny olona dia manana fanahy tsy mety maty ity?
11. a) Tamin’ny ahoana moa no nihaikan’i Nimroda an’i Jehovah? b) Ahoana no nahatonga an’i Babylona ho ‘renin’ny’ fivavahan-diso maneran-tany? (Apokalypsy 17:5)
11 Taorian’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, ny zafiafiny natao hoe Nimroda dia tonga mpanapaka lozabe, “nanohitra an’i Jehovah”, olona izay nihaza olona sy biby. Nangoniny ny vahoaka ary nasainy nanorina tanàna ho azy, anisan’izany Babela, na Babylona, izay tonga “reny” ho an’ny fivavahan-diso. Nanomboka nanangana tilikambo iray tao i Nimroda ho fanoherana Genesisy 10:8-10, MN; 11:5-9) Rehefa nandeha izy ireny dia nitondra ny fivavahan’i Babylona niaraka taminy, ka nanorina fivavahana “zanany” maneran-tany.
an’Andriamanitra. Noho izany no nanorokoroan’i Jehovah ny fitenin’ny vahoaka, ary nampielezany azy ireo araka ny antokom-pitenenany avy, “ho eny ambonin’ny tany rehetra”. (12. a) Fampianarana inona moa no nisongadina hatrany tao amin’ny fivavahana babyloniana? b) Nefa inona moa no ampianarin’ny Baiboly?
12 Ny Encyclopédie britannique (taona 1910, boky III, pejy faha-115) dia miresaka ny amin’ny fampianarana ara-pivavahana tranainy babyloniana mikasika ny toetry ny maty:
“Nanjaka ny fiheverana ny amin’ny lavaka maizina lehibe iray tany ambanin’ny tany (...) ka tao amin’izany no nanangonana ny maty rehetra sy nahitany fiainana mampahory tao amin’ny fahamaizinana sy ny vovoka tsy namela hanao na inona na inona.”
Noho izany, maneran-tany, ireo fivavahana “zanany” amin’i Babylona dia nampaharitra an’io fampianarana io ilazana fa “ny fanahy” dia tsy mety maty ka mbola velona aorian’ny fahafatesana ao amin’ny izao tontolo izao ara-panahy iray. Izany dia samy hafa be amin’ny fanambarana mazavan’ny Baiboly mikasika ny olombelona mpanota: “Ny fanahy (...) no ho faty.” — Ezekiela 18:20.
13. Ahoana moa no anamarinan’ny manam-pahalalana ny fampianaran’ny Baiboly mikasika ny fanahy?
13 Ny filozofa grika toa an-dry Platon dia nampianatra koa fa tsy mety maty ny fanahy. Mifandray amin’izany, ny gazety frantsay Le Monde tamin’ny 8 novambra 1972 dia miresaka ny amin’i Roger Garaudy mpanoratra frantsay izay nilaza fa ny filozofia grika dia “nampivily ny kristianisma nandritra ny taonjato maro.” Izao no vakintsika aorian’izay:
“Ny maha-roa samy hafa ny fanahy sy ny vatana sy ny angano naterak’izany mikasika ny tsy fahafatesan’ny fanahy (...) dia tsangan-kevitra avy amin’i Platon ka tsy manana fifandraisana mihitsy amin’ny kristianisma na ny Baiboly.”
Na dia ny Nouvelle encyclopédie catholique (anglisy, boky XIII, pejy faha-449) aza dia manaiky eo ambanin’ny lohateny hoe “Fanahy (ao amin’ny Baiboly)” fa:
“Tsy misy fisarahana [fizarana] eo amin’ny vatana sy ny fanahy ao amin’ny [Soratra hebreo]. (...) Ny teny hoe nepes, na dia nadika amin’ny fitenintsika hoe fanahy aza, dia tsy milaza na oviana na oviana ny fanahy ho miavaka amin’ny vatana.”
14. Inona moa no manaporofo fa nampianatra lainga lehibe ny fivavahana lazaina fa kristiana? (I Timoty 4:1, 2)
14 Nampianatra lainga àry ireo fivavahana lazaina fa kristiana sy ny hafa koa rehefa milaza fa mbola velona ny fanahy aorian’ny fahafatesan’ny vatana. Ao amin’ny fisehoana rehetran’ny teny hoe nèphesch sy psukhê in-850 na mihoatra ao amin’ny Baiboly dia tsy misy toe-javatra na dia iray aza nanovana azy ireo amin’ny teny toy ny hoe tsy mety maty, tsy mety levona, tsy mety simba, tsy mahita fahafatesana, na ny mitovitovy amin’izany.
“Ny fanahy [nèphesch] izay manota no ho faty.” “Ary izay [ny fanahy, MN] [psukhê] rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana.” (Ezekiela 18:4; Asa. 3:23)
Tsy mbola velona ihany ny fanahy (nèphesch, psukhê) aorian’ny fahafatesana.
FANANTENANA HO AN’NY MATY
15. a) Inona moa amin’ny farany no mitranga amin’ny olona sy ny biby? (Salamo 49:12) b) Inona moa ny “fanahy (esprit)” resahina ao amin’ny Mpitoriteny 12:7, ary inona no mitranga aminy eo amin’ny fahafatesana?
15 Inona àry no fanantenana ho an’ny olona efa maty? Raha tsy nanao fandaharana sasany Andriamanitra, dia
hitoetra lalandava ao amin’ny fahafatesana izy ireo, tsy misy hafa amin’ny biby.“Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, — mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa (...) Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:19, 20)
Eny, mazava tokoa fa mitovy ny fahafatesan’ny olona sy ny biby. Kanefa mariho izay nolazain’io mpanoratra ny Baiboly io ihany taty aoriana mikasika ny “fanahy (esprit)” na herim-piainana, izay napetrak’Andriamanitra tao amin’ny olombelona:
“Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy (esprit) kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.” (Mpitoriteny 12:7)
Araka izany, Andriamanitra dia maka indray ny herim-piainan’ilay olona.
16. a) Inona no ohatra mampiseho fa hain’Andriamanitra ny mamorona indray ny olona iray? (Joba 14:13) b) Amin’ny fomba ahoana moa no hamerenan’Andriamanitra indray ny fanahy (esprit)?
16 Ahoana raha manapa-kevitra ny hamerina ny ‘fanahin’aina’ amin’izany olona izany ilay Andriamanitra marina? Amin’ny fananany fitadidiana lavorary, dia azon’Andriamanitra atao ny mitadidy tsara tokoa ny hoe sahalahala amin’ny ahoana moa ilay olona. Izany dia tsy misy hafa amin’izay ataon’ny olona amin’izao fotoana izao, rehefa mampiasa horonam-peo mba hitehirizana ny feo sy ny ataon’ny olona ary hamoahana izany amin’ny radiao na eo amin’ny “écran” fijerena, na dia fotoana ela aorian’ny nahafatesan’ireny olona ireny aza. Marina fa tsy ho sarotra ho an’Andriamanitra Mpamorona, Izay manana fitadidiana tsy misy fetra, ny mamorona indray olona iray avy amin’ny vovoky ny tany sy mampiditra ao amin’ny vatany ny antsipiriany rehetra ny amin’ny maha-izy azy sy ny sainy taloha, ary ny mamerina ny fanahiny (esprit), na herim-piainany, ka hahatonga ilay olona ho velona indray. Amin’Andriamanitra, izany dia tsy sarotra kokoa noho ny namoronany ny lehilahy voalohany, ary ny Baiboly dia manome antoka antsika fa Andriamanitra dia “manangana sy mamelona ny maty”. — Jaona 5:21.
17. a) Inona moa no ‘atsangan’Andriamanitra’? b) Araka izany, inona moa no fanomezan-toky mafy orina mety hananantsika? (Marka 12:26, 27)
17 Inona moa no ‘atsangan’Andriamanitra’? Amin’ny ankapobeny, dia tsy misy na inona na inona tavela avy amin’ny vatan’ilay olona maty. Mety mihitsy aza ho nodorana ilay vatana, na angamba nohanin’ny biby. Kanefa, amin’ny fitsanganana amin’ny maty, Andriamanitra dia hamorona vatana vaovao tanteraka avy amin’ny toe-javatry ny tany, hametraka ao amin’izany ny maha-izy manokana an’ilay olona raha ny amin’ny fiainany taloha, ary hamerina ny herim-piainana mba hahavelona indray izany fanahy (âme) izany. Raha mitoetra ao amin’ny fitiavan’ny Mpamorona isika, dia mety hanana fahatokiana mafy orina fa, na dia mitranga aza ny fahafatesantsika, Andriamanitra dia hamerina antsika amin’ny fiainana ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Hanao izany ho an’ny olombelona izy rehefa avy nanadio tanteraka ny tany amin’ny fanaovana izany ho toerana mendrika ny honenana mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 A Greek-English Lexicon nosoratan’i Liddell sy Scott, taona 1968, fanontana fahasivy, pejy faha-2026 sy 2027; A New Greek and English Lexicon nosoratan’i Donnegan, pejy faha-1404.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 85]
Mikasa ny hanolotra ho avy sambatra kokoa ho an’ny olombelona Andriamanitra
[Sary, pejy 86]
Nandritra ny Ady tany Pasifika, dia nisy mponina tany Okinawa tsy niharan’ny fahafatesana satria niaraka tamin’ireo maty tao am-pasana
[Sary, pejy 89]
Vatana + Herim-piainana = Fanahy velona
[Sary, pejy 91]
Tao amin’ny Gehena, tany ivelan’i Jerosalema, no nandoroana ny fatin’ireo olo-meloka novonoina
[Sary, pejy 94]
Afaka mamoaka ny natao sy ny feon’ireo efa maty ny olona; hain’Andriamanitra ny mamerina indray ny maty ho amin’ny fiainana