Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao tontolo izao iray eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Izao tontolo izao iray eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Toko faha-16

Izao tontolo izao iray eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra

1. Araka ny filazan’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao, inona moa ankehitriny ireo fiafaran-javatra roa izay ny iray no tsy maintsy hofidin’ny olombelona?

MIHAMIBARIBARY hatrany fa mahaforona izao tontolo izao iray ny olombelona rehetra, ary tokony hifanaraka amin’izy samy izy raha maniry ny mbola ho velona. Filoha maro eto amin’izao tontolo izao no mahatsapa lalina izany toe-javatra izany. Ohatra, taona vitsivitsy lasa izay, ny prezidàn’ny Repoblikan’i Philippines, Ferdinand E. Marcos dia nilaza toy izao tao amin’ny Fivoriambe lehiben’ny Firenena mikambana:

“Ny zava-manahirana momba ny filaminana sy ny fandrosoana maneran-tany (...) dia mitatra aoka izany eo amin’izao tontolo izao ary manamafy orina isaky ny zava-tsarotra mitranga, ny toe-javatra tokana iorenan’ny fisiantsika dia ny hoe: ity izao tontolo izaontsika ity dia iray, eo amin’ny ara-teknika, eo amin’ny ara-toe-karena, co amin’ny maha-mora andairan-dratra azy noho ny fitaovana ara-piadiana ataomika, eo amin’ny ady maharitra, eo amin’ny anjara farany ho an’ny taranak’olombelona.”

Vao haingana kokoa izay, ny praiminisitr’i Japon, Takeo Miki, dia nanambara hoe:

“Mihakely hatrany izao tontolo izao ary ny olombelona rehetra dia mitovy anjara ao anatin’ny sambo iray (...) Malahelo anefa isika, noho izao tontolo izao tsy mbola nahatratra ny ambaratonga izay (...) manatanteraka amin’ny fomba feno ny fifampiankinana. Raha mitohy izao toe-javatra izao, dia mazava ho azy fa hiharan-doza isika amin’ny ho avy tsy ho ela.”

Mazava izay iray hofidina amin’ny olona maro be mieritreritra: fampiraisana ny olombelona ho izao tontolo izao iray, na famelana “ny taranak’olombelona” ho faty.

2. Inona moa no hany fanantenana mba hampiraisana ny olombelona, ary nahoana? (Salamo 68:20)

2 Fitambaran’olona inona eto an-tany amin’izao fotoana izao moa no afaka mampiray ny olombelona rehetra ho izao tontolo izao iray? Na dia ny Firenena mikambana aza tsy afaka manomboka miantsoroka izany asa izany. Tsotra ny anton’izany. Tokony ho eo ambany fiandrianan’Andriamanitra ny olombelona, mba ho tafaray. Sahala amin’ny fihazonan’i Jehovah miaraka an’izao rehetra izao midadasika amin’ny lalàn’ny fizika, no tokony hahatongavan’ny olombelona amin’ny firaisana eo ambanin’ny lalàna ara-pitondrantenan’Andriamanitra, mba tsy hahafoana azy ary hifaliany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana.

3. a) Inona moa ny fomba ampiasain’i Jehovah mba hamerenana ny firaisana eo amin’izao rehetra izao manontolo? (Daniela 7:13, 14) b) Fiandrianan’iza moa no nasandratr’i Davida mpanjaka, ary afaka miara-manao fanambarana aminy hoe ahoana moa isika?

3 Ny fomba ampiasain’i Jehovah mba hamerenana ny firaisana sy ny fiadanana eo amin’izao rehetra izao manontolo dia ny fanjakana mesianikan’i Jesosy Kristy. Izany dia fanapaham-panjakana miasa eo ambanin’ny fiandrianan’i Jehovah, nefa hampisandratra hatrany ny fanjakana tampony an’Andriamanitra manokana. Na dia mpanjaka mahery aza ny tenan’i Davida mihitsy, dia hoy ny nambarany:

“Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra eny an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Ary aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao koa no mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” (I Tantara 29:11-13)

Raha eo am-pijerena indray ny fikasan’i Jehovah mikasika ny fanjakany isika amin’izao fotoana izao, dia tokony haniry, sahala amin’i Davida, hisaotra sy hidera Azy noho izay ataony mba ho tombontsoantsika.

ILAY FANJAKANA AO AMIN’NY FAMINANIANA

4. Amin’ny ahoana moa no itovian’ny fanjakan’i Jesosy amin’ny an’i Davida sy Solomona? (Apokalypsy 19:11; Isaia 9:5)

4 Niresaka an’i Jesosy toy izao ny anjely Gabriela: “Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy (...) ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” Jesosy koa dia niresaka ny amin’ny tenany ho “lehibe noho Solomona [zanakalahin’i Davida]”. (Lioka 1:32, 33; 11:31) Tamin’ny naha-mpanjaka mpiantafika azy, Davida dia nanitatra ny sisin-tanin’ny Isiraely hatramin’ny faritra manontolon’ny faritany izay nampanantenain’i Jehovah ny vahoakany, ary avy eo Solomona mpanjaka dia nanjaka tamim-boninahitra nandritra ny efapolo taonam-piadanana teo amin’ny firenena iray niroborobo:

“Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.” (I Mpanjaka 4:20)

Nefa amin’ny maha-mpiantafika lehibe lavitra noho Davida azy, Jesosy dia hivoaka ka “handresy ary hanatanteraka ny fandreseny” an’izao tontolo izao ratsy manontolo. Aorian’izany, amin’ny maha-mpanapaka lehibe sy hendry lavitra azy noho Solomona, izy dia hanjaka amim-piadanana mandritra ny “arivo taona”. (Apokalypsy 6:2, MN; 20:4) Endrey izany ho fotoam-pahasambarana hiravoravoan’ny olombelona rehetra rehefa hanapaka amin’ny maha-mpanjaka azy eo amin’ny tany paradisa Jesosy Kristy!

5. Fahatanterahan’ny faminaniana inona avy moa no manondro an’i Jesosy ho Mesia? (Lioka 24:25-27)

5 Maro ny mpaminany mahatokin’Andriamanitra nanondro mialoha ny fanjakana mesianika. An-jatony maro amin’ny faminanian’izy ireny no tanteraka ara-bakiteny tamin’i Jesosy, ka nanampy tamin’izany mba hamantarana azy mazava ho ilay Mesia nampanantenaina. Ohatra, nanambara mialoha izy ireny fa hateraky ny virijina iray ao an-tanànan’i Betlehema izy, hohamavoina, hampijalina sy hohomboana, ary hitsangana indray amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.

6. Ahoana moa no namantarana an’i Jesosy ho Mpanjaka? (Matio 21:4-9)

6 Tsy nety ho azo natao ny “nandahatra” mialoha ireo fijaliana izay nandalovan’i Jesosy mba hahatanteraka fotsiny ireo faminaniana taloha. Ireo fanenjehana mahatsiravina nataon’ny mpiray firenena tamin’i Jesosy niavosa teo aminy dia nisy tokoa, ary ny tsy fivadihan’i Jesosy mba ho fanohanana ny fiandrianan’i Jehovah dia nisy ihany koa. Manondro azy ho toy ny Mesia nampanantenaina izany rehetra izany. Rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pilato Jesosy dia nanaiky fa “mpanjaka” ny tenany, nefa nohazavainy tsara fa “tsy avy amin’izao tontolo izao” ny fanjakany. Avy eo Pilato dia nanoratra anaram-boninahitra mba hapetaka eo amin’ny hazo famonoana manao hoe: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.” (Jaona 18:36, 37; 19:19) Fanjakana izay mbola ho avy anefa ny an’i Jesosy.

7. a) Ahoana moa no nahatanteraka ny Salamo 110:1? (Hebreo 12:2) b) Inona no toerana tanan’i Jesosy ankehitriny? (Apokalypsy 12:10)

7 Satria nampiseho tsy fivadihana hatramin’ny fahafatesana i Jesosy, dia natsangan’Andriamanitra ao amin’ny fanahy izy izao ary nasandrany ho eo an-tanana ankavanan’ny fankasitrahany any an-danitra. Nasehon’ny apostoly Petera ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Davida ao amin’ny Salamo 110, milaza hoe:

“Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: “Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” (Asan’ny apostoly 2:34-36)

Tsy zazakely vao teraka ao am-pihinanam-bilona intsony akory “iny Jesosy (...) iny”, na koa martiora tsy manan-kery voahombo eo amin’ny lakroa. Tsia fa izy izao dia ilay “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka” mahery izay hampiasain’i Jehovah mba hamerina indray ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao manontolo. — Apokalypsy 17:14.

MANAPAKA AMIM-PAHEFANA ILAY FANJAKANA

8. Inona moa no fanambarana lehibe voatantara ao amin’ny Apokalypsy 11:15-18?

8 Mba hanehoany ny fiandrianan’Andriamanitra, dia tokony hampihatra fahefana marina tokoa ilay Fanjakana. Tonga izao izany fotoana izany! Izao no fotoana nahatonga “ny fanjakana amin’izao tontolo izao” ho “fanjakan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” Mikasika io fotoan-dehibe io, dia izao no fanambarana natao tany an-danitra mihitsy:

“Misaotra anao izahay, Tompo ô [Jehovah, MN ], Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.” — Apokalypsy 11:15-18.

9. Inona moa no manaporofo fa Jehovah dia nandray ny fahefany tamin’ny alalan’ny fanjakan’i Kristy? (Apokalypsy 6:3-8)

9 Oviana no nitranga izany rehetra izany? Oviana tokoa moa, tamin’ny fomba miavaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona, no tezitra tamin’ny fanambarana ilay Fanjakana ireo firenena ary nanomboka nanimba ny tany? Moa ve tsy amin’izao taonjato faharoapolo izao, ary indrindra fa hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, no nanenika ny tany manontolo ny herisetra sy ny fandotoana? Izany marina tokoa no izy. Misy porofo hafa ihany koa ny amin’ny nandraisan’i Jehovah ny fahefany lehibe ary nanombohany nanapaka ny tany tamin’ny alalan’ny fanjakan’i Kristy tamin’io taona 1914 io. Araka ny nanambaran’i Davida mialoha an’io ‘Tompony’ io, Jesosy izao dia efa akaiky ‘hanapaka eo amin’ny fahavalony’. — Salamo 110:1, 2.

10. a) Faminaniana inona nomen’i Jesosy moa no tanteraka hatramin’ny 1914, ary tamin’ny fomba ahoana? (Lioka 21:10, 11, 25, 26, 28) b) Asa manokana inona moa no nambara mialoha fa hatao mandritra izany fotoana izany ihany? (Marka 13:10)

10 Misy anefa aloha asan’ny Fanjakana tokony hatao eto an-tany. Nanambara izany mialoha Jesosy taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, rehefa nametraka taminy izao fanontaniana izao ny mpianany: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao ao amin’ny herin’ny Fanjakana sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Tao amin’ny valin-teny nomeny, dia nolazalazain’i Jesosy ny ady maneran-tany, ny mosary, ny horohorontany lehibe, ny areti-mandringana, ny tsy fankatoavan-dalàna, ny fanenjehana, ny tahotra sy ny fahaverezan-kevitr’ireo firenena izay nampahory ny olombelona hatramin’ny 1914. Avy eo dia notohizany toy izao:

“Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany (...) Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” — Matio 24:3-14, 21, 22, MN.

11. a) Hatraiza moa ny fitaran’ny fanambarana vita, ary inona no vokatra azo? b) Moa ve hisy olona sasany ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”? (Zefania 2:3)

11 Ho fanatanterahana an’io faminaniana io, ny vavolombelona kristian’i Jehovah, hatramin’ny 1914, dia nanambara maneran-tany fa manatrika ao amin’ny herin’ny Fanjakana i Jesosy. Nahatratra ireo nosin-dranomasina io fanambarana io, hatrany amin’ny rindrim-by sy ny Farany Atsinanana ary ireo tany izay maizina hatramin’ny ela noho ny antokom-pivavahan’i Babylona Lehibe”. Amin’izao fotoana izao àry “ny farany” — ny “fahoriana lehibe” — dia efa antomotra. Nefa hisy “nofo” sasany hovonjena avy amin’ny olombelona!

12. Ahoana moa no fomba fahatongavan’ny “fahoriana lehibe”, ary araka ny filaharan’ny fisehoan-javatra inona avy? (Apokalypsy 17:16; 19:19-21)

12 Ahoana no ho fisehoan’ny “fahoriana lehibe”? Nilaza i Jesosy fa ho avy tampoka izany, tahaka ny mpangalatra, ao anatin’ny “taranaka” misy ireo izay vavolombelon’ny fahatanterahan’ny “famantarana” nomeny amin’izao fotoana izao. (Matio 24:34) Araka ny filazalazan’ny Apokalypsy toko faha-16 ka hatramin’ny faha-19 azy, Jehovah dia mampiasa ireo fahefana toy ny biby ao anatin’ny Firenena fikambana ho toy ny fiasany mba handringanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia “Babylona Lehibe”. Avy eo, ao amin’ilay toe-javatra maneran-tany antsoina hoe Haramagedona, Jesosy Kristy dia hitarika ady iray fanapahan-javatra, dia ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, hanoherana “ny mpanjaka [mpanapaka] amin’izao tontolo izao”. — Apokalypsy 16:14, 16.

13. a) Amin’ny fomba ahoana moa no hanamarinan’i Jehovah ny fiandrianany? (Isaia 26:20, 21) b) Amin’ny alalan’ny fomba inona moa no kasain’Andriamanitra hampiraisana ny olombelona ho izao tontolo izao iray? (Isaia 9:6)

13 Milazalaza ireny hery ara-politika eto an-tany ireny ho toy ny sary makadiry iray ny mpaminany Daniela, ary ny fanjakan’i Kristy ho toy ny vato izay nendahin’i Jehovah avy amin’ny tendrombohitra iray mampiseho ny fiandrianany manerana izao rehetra izao. Atorany eo amin’ny tongotr’ilay sary izany vato izany, mba hanapotika sy hanorotoro azy ho lasa vovoka. (Daniela 2:31-35) Raha milazalaza izany asa natao hanoherana ny mpanapaka ratsy fanahy izany Daniela, dia manohy ny teniny toy izao:

“Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44, 45)

Araka izany, ny fanjakan’i Kristy dia hanamarina ny fiandrianan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao ho mandrakizay! Hanipy an’i Satana sy ireo demonia anjeliny “ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa” tsy hahafahany hihetsika ny Mpanjaka aorian’izay, ary hiditra ao amin’ny fanjakany arivo taona feno fiadanana izay hampiray ny olombelona ho izao tontolo izao iray amin’ny farany. Marina tokoa fa mientana ny fontsika eo am-pieritreretana ireo fisehoan-javatra lehibe izay kasain’ “ilay Andriamanitra lehibe mihitsy” hotanterahina amin’ny ho avy efa antomotra! — Apokalypsy 20:2, 3.

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 148-149]

“FAMANTARANA” NY FANATREHANA TSY HITA MASON’ILAY MPANJAKA VAOVAON’NY TANY

(Matio 24:3-25:46; Lioka 21:7-36)

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. ‘Hitombo ny tsy fankatoavan-dalàna’. (Matio 24:7, 12)

Ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914 no nanokatra ny “taonjaton’ny Ady Iraisam-pirenena”; 69 tapitrisa no maty tao anatin’ny ady lehibe roa. Nanaraka izany ny fitomboan’ny tahotra sy ny heloka bevava.

“Hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11; Matio 24:7)

Hatramin’ny 1914, dia olona 700 000 no matin’ny horohorontany; 21 tapitrisa no matin’ny ‘gripa espaniola’ tamin’ny 1918-1919, ary maherin’ny 1 000 tapitrisa izao no matin’ny hanoanana na tsy ampy sakafo. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin-kanina.

“Ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra (...) ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany”. (Lioka 21:25, 26)

Ny fitambaran’ny fiadiana nokleheran’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika fotsiny dia ahitana baomba misy dinamita 5 taonina amin’ny ara-keviny ho an’ny olona tsirairay eto an-tany. Hoy ny lohateny amin’ny gazety “Times” tany New York, tamin’ny 1 martsa 1976: “Ny fandanian’izao tontolo izao eo amin’ny fitaovam-piadiana (...) dia nahatratra fara tampony vaovao (...) Eo amin’ny 300 arivo tapitrisa dôlara isan-taona (...) ‘Tsy azo fehezina intsony’ ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana.”

“Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN )

Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 2 tapitrisa, miasa ankehitriny ao amin’ny tany sy faritany 210 manerana izao tontolo izao, no mitarika fampianarana Baiboly 1 400 000 any an-tokantrano. Hatramin’ny 1942, ireo vavolombelona miasa an-tsitrapo dia nanamboatra Baiboly sy boky fianarana ny Baiboly 415 tapitrisa ary kopia 5 950 tapitrisa amin’ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Réveillez-vous!”, mba hozaraina eo amin’ny fitoriana.

[Sary]

Fanontam-pirintin’ny Watchtower Brooklyn, N.Y.

“Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.

[Tabilao, pejy 145]

(Jereo ny boky)

AHOANA NO NAHATANTERAHAN’NY MESIA AN’IREO FAMINANIAN’NY BAIBOLY

Faminaniana Zavatra nambara mialoha Fahatanterahany

voambara

Faminaniana ao amin’ny Salamo

Salamo 2:1, 2 Mpanapaka manohitra ny Mesia Matio 27:1, 2

Salamo 2:7 Jehovah manambara an’i Jesosy Romana 1:4

hoe “Zanaka”

Salamo 16:10 Natsangana talohan’ny fahalovana Asa. 2:24, 27

Salamo 22:1 Nafoin’Andriamanitra ho an’ny

fahavalo Matio 27:46

Salamo 22:7, 8 Notevatevaina Jesosy fony teo Matio 27:

ambony hazo 39-43

Salamo 22:16 Nohomboana tamin’ny tongotra Jaona 20:25

sy tanana

Salamo 22:18 Nanaovana loka ny akanjony Matio 27:35

Salamo 27:12 Vavolombelona mandainga Matio 26:

nanohitra azy 59-61

Salamo 34:20 Tsy nisy tapaka ny taolan’i Jaona 19:33,

Jesosy 36

Salamo 41:9 Namadika ny apostoly tsy Jaona 13:18,

nahatoky iray 21-30

Salamo 69:4 Nankahalaina tsy misy antony Jaona 15:24,

i Jesosy 25

Salamo 69:9 Nirehitra ny amin’ny tranon’i Jaona 2:13-17

Jehovah

Salamo 69:21 Nomena divay miharo miora Marka 15:23,

36

Salamo 78:2 Miteny amin’ny fanoharana Matio 13:34,

i Jesosy 35

Salamo 118:22 Nolavina, nefa fanorenana azo Matio 21:

antoka 42-44

Faminanian’Isaia

Isaia 7:14 Jesosy nateraky ny virijina Matio 1:23-25

Isaia 9:1, 2 Fahazavana tany Naftaly sy Matio 4:13-16

Zebolona

Isaia 9:6 Taranaka mpandova an’i Davida Matio 1:1,

6-17

Isaia 40:3 Manamboatra ny lalana i Jaona Matio 3:1-3

Mpanao batisa

Isaia 42:1-4 Tsy hiantsoantso eny an-dalana Matio 12:

14-21

Isaia 53:1, 2 Tsy nino azy ny Jiosy Jaona 12:37,

38

Isaia 53:4 Nitondra ny aretin’olombelona Matio 8:16,

17

Isaia 53:7 Nangina teo anoloan’ny Matio 27:

mpiampanga azy 11-14

Isaia 53:9 Niara-nalevina tamin’ny Matio 27:

mpanan-karena 57-60

Isaia 53:11 Nitondra ny fahadisoan’ny maro Matio 20:28

Isaia 53:12 Natao ho isan’ny mpanota Lioka 22:36,

37, 52

Isaia 61:1, 2 Voahosotry ny fanahy mba hitory Lioka 4:

16-21

Faminaniana hafa

Genesisy 49:10 Mpanapaka avy amin’ny fokon’i Lioka 3:

Joda 23-33

Jeremia 31:15 Zazakely novonoina taorian’ny Matio 2:

nahaterahany 16-18

Daniela 9:25 Hiseho amin’ny faran’ny Lioka 3:1,

“herinandro 69” 21, 22

Daniela 9:26, Novonoina rehefa afaka 3 taona Jaona 19:

27 sy tapany 14-16

Hosea 11:1 Nantsoina avy tamin’ny fierena Matio 2:14,

tany Egypta 15

Jona 1:17 Natsangana tamin’ny andro Asa. 10:40,

fahatelo 41

Mika 5:2 Teraka tao Betlehema an’i Joda Matio 2:1-6

Zakaria 9:9 Niditra ny tanàna nitaingina Matio 21:

zana-boriky 7-11

Zakaria 11:12 Natolotra tamin’ny sekely Matio 26:15

volafotsy 30

Zakaria 12:10 Nolefonina raha teo amin’ny hazo Jaona 19:34

Zakaria 13:7 Nasiana ny mpiandry, nihahaka Matio 26:31,

ny ondry 56