Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay raketin’ilay boky

Izay raketin’ilay boky

Toko faha-3

Izay raketin’ilay boky

1. Inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika ny fiainana? (Ohabolana 21:21)

REHEFA mandray Baiboly ianao, inona no mba eritreritrao? Miteny ve ianao hoe, ‘Halehiben’izay boky re izany!’ sa ‘Toa sarotra loatra ho ahy izy izany’? Marina fa izy io dia lehibe. Kanefa dia ilaina ny boky lehibe iray mba hamelabelarana ny fikasana rehetra mampiseho fitiavan’ny Mpamorona antsika mikasika ny olombelona. Ny Baiboly dia mikasika ny fiainan’ny olona — dia olona tahaka antsika. Mampiseho ny fiainana amin’ny maha-izy azy marina izy, miaraka amin’ny fijaliany sy ny alahelony, ny fahombiazany sy ny fahadisoany. Milaza amintsika ny fomba hanalavirana ny zava-manahirana na ny fomba fandamina azy ireny izy, sy ny fomba hananana zava-kendrena marina eo amin’ny fiainana. Rehefa handalina ny zavatra raketiny ianao, dia ho hitanao fa izy io dia — tsy sarotra, fa fanazavana mahavariana kosa ny fomba “hihazonana ny tena fiainana” izay tehirizina ho an’ny olombelona. — I Timoty 6:19.

NY BOKY DIMY VOALOHANY

2. a) Inona avy ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly? b) Iza moa no nanoratra azy, amin’ny fiteny inona ary oviana?

2 Aoka hojerentsika aloha ny “boky kely” dimy fanokafana ny Baiboly, dia ny — Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery ary Deoteronomia. Izy ireo dia antsoina matetika hoe ny “Pentateuque”, izay ny heviny dia hoe “Horonana Dimy”, satria tany am-piandohana dia toa nosoratana teo amin’ny horonana mitokana vita tamin’ny hodi-biby izy ireo. Mosesy mpaminany dia nanoratra ireo boky rehetra ireo tamin’ny fiteny hebreo efa maherin’ny 3 400 taona lasa izao! Tena misy vidiny lehibe ho antsika ny mianatra izay raketin’ireo boky ireo.

3. a) Inona moa no ambaran’ny Genesisy mikasika ny tantara tany am-boalohany? b) Manondro inona moa izany mikasika ilay Mpanafaka?

3 Ny voalohany amin’ireo boky dimy, ny Genesisy, dia ahitana fitantarana ny famoronana ny lanitra sy ny tany, ny zavatra eto an-tany ary ny olona. Mitantara ny fomba niantombohan’ny faharatsiana teto an-tany izy, rehefa tsy nankatò ny Mpamorona azy ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, dia Adama sy Eva, ary ny fomba nampanantenan’Andriamanitra Mpanafaka iray, dia ny “taranaka”. Mitarika ny saina ho amin’ny fahatokian’olona toa an’i Noa izy, ary milaza ny amin’ny fanafoanana an’izao tontolo izao ratsy tamin’ny safodrano iray naneran-tany. Manazava ny fiandohan’ny firenena ankehitriny sy ny fiteniny izy, ary mampiseho fa ny Mpanafaka, ny “taranaka”, dia ho tonga avy amin’ny fianakavian’i Abrahama nahatoky. (Genesisy 3:15; 12:3; 22:17, 18) Ny Genesisy koa dia mitantara amin’ny antsipiriany, fisehoan-javatra teo amin’ny fiainan’ny patriarka, dia Abrahama, Isaka, Jakoba ary Josefa. Jakoba dia nantsoina koa hoe Isiraely, noho izany ny taranany dia nantsoina hoe Isiraelita. Izany tantara mahavariana izany dia manampy antsika hahita eo am-pilaharany, ireo fikasan’Andriamanitra.

4. a) Inona moa no raketin’ny boky Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia, ary inona no vidiny ho antsika amin’izao andro izao? (Deoteronomia 32:46, 47) b) Lalàna inona moa no raketin’ireo boky ireo, ary ahoana no nikasihany ny olombelona?

4 Ny boky efatra farany ao amin’ny “Pentateuque” dia mitantara zavatra niseho tamin’ny androm-piainan’i Mosesy, ao anatin’izany ny fanafahana mahagaga ny Isiraelita tao amin’ny Ranomasina Mena, sy ny fihetsiky ny vahoaka teo ambanin’ny fitsapana maro karazana, ka izany dia voatahiry mba ho fampitandremana antsika amin’izao andro izao. Ireo boky ireo koa dia ahitana ny Didy Folo sy lalàna hafa izay nahasoa be dia be tokoa ny olombelona, ka maro amin’ireo lalàna no naverina sy nohamafisin’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia.

BOKY ARA-TANTARA TATY AORIANA

5. Fisehoan-javatra inona moa no voatantara ao amin’ireo boky roa ambin’ny folo manaraka ao amin’ny Baiboly?

5 Manaraka izany ny fitambaran’ireo “boky kely” roa ambin’ny folo manomboka amin’i Josoa ka hatramin’i Estera, izay mahaforona mihoatra ny ampahefatry ny fitantaran’ny Baiboly. Izany dia ny tantaran’ny firenena voafidin’Andriamanitra, nahafaoka fe-potoana maherin’ny arivo taona, nanomboka tamin’ny 1473 talohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nitarika azy ireo hita ny ony Jordana sy hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina Josoa mpandimby an’i Mosesy, ka hatramin’ny 443 talohan’ny fanisan-taona iraisana eo ho eo. Ny fisehoan-javatra nisy marina teo amin’ny fiainana ary voatantara ao amin’ireo pejiny dia mahaforona famakian-teny mahaliana sy ahitam-pahalalana. Rehefa mandinika ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany isika tamin’ny andron’ny Baiboly, dia afaka mianatra ny fomba mety hahazoana sitraka aminy amin’izao fotoana izao, mba hahatsapana amim-pifaliana ny fitahiany eo amin’ny fiainantsika.

6. Filazalazana feno fahatsorana inona moa no omena ao amin’ny Josoa, Mpitsara ary Rota? (Mpitsara 2:7, 11, 20-22)

6 Ny boky antsoina hoe Josoa, Mpitsara ary Rota dia mitatra hatramin’ny 1107 talohan’ny fanisan-taona iraisana ao anatin’io fe-potoana io, ary manome fahitana mazava ireo fitahiana sy fahavoazana hitan’ny firenen’Isiraely, arakaraka ny fomba nankatoavany na tsy nankatoavany ny Andriamaniny.

7. a) Mitantara inona moa ireo boky manomboka amin’ny Samoela Voalohany ka hatramin’ny Estera? b) Nahoana moa izy ireo no mihoatra lavitra noho ny maha-tantara fotsiny? (Romana 15:4)

7 Ny tantara ao amin’ny Samoela Voalohany ka hatramin’ny Mpanjaka Faharoa dia ahitana ny fanorenana ny fanjakana teo amin’ny Isiraely tamin’ny 1117 talohan’ny fanisan-taona iraisana sy ny fanapahana be voninahitr’i Davida sy Solomona mpanjaka nandritra ny taonjato manaraka. Avy eo izy dia milazalaza ny fisarahan’ny firenena mba hahaforona ny fanjakana avaratra an’ny Isiraely sy ny fanjakana atsimo an’ny Joda tamin’ny 997 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary koa fisehoan-javatra nitarika ny fanafoanan’i Asyria ny Isiraely tamin’ny 740 talohan’ny fanisan-taona iraisana, sy ny fanafoanan’i Babylona ny Joda tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Ny boky roan’ny Tantara dia mamelabelatra ireo lisitra ara-pianakaviana tany am-piandohana, ary mamerina ny tantaran’ny fanjakan’ny Isiraely sy Joda, araka ny nanoratan’i Ezra mpanao kopia mahay sady mpisorona azy. Ny bokin’i Ezra, Nehemia ary Estera dia manipika ireo fisehoan-javatra teo amin’ny tantara jiosy nanomboka tamin’ny didy navoakan’i Kyrosy Mpanjakan’i Persia izay namerina ny Jiosy avy amin’ny fahababoana babyloniana tamin’ny 537 ka hatramin’ny 443 talohan’ny fanisan-taona iraisana eo ho eo. Ireo boky rehetra ireo dia mihoatra lavitra ny hoe tantara fotsiny. Mirakitra fampitandremana misy vidiny ho an’izay rehetra tia ny fahamarinana izy, ary manondro mialoha ilay Mpanafaka nampanantenaina ho an’ny olombelona.

BOKY POETIKA

8. Iza no nanoratra ny bokin’i Joba, ary nahoana moa io boky io no zava-dehibe ho antsika? (Joba 2:4, 5)

8 Ny “boky kely” dimy manaraka, na boky poetika, dia nosoratana tamin’ny fotoana samihafa nandritra ny tantaran’ny Isiraely. Ny bokin’i Joba dia tsy isalasalana fa nosoratan’i Mosesy, tany akaikin’ny fotoana nanoratany ny “Pentateuque”. Izy io dia mampiseho fa ny fahavalo lehiben’Andriamanitra dia Satana, persona ara-panahy iray; izy io dia mampiseho ny antony namelan’Andriamanitra ny fanapahana ratsin’i Satana eo amin’ny raharahan’ny tany haharitra ela ery, ary mampahafantatra fa Andriamanitra dia mamaly soa an’ireo izay mitana ny tsy fivadihana aminy eo anatrehan’ny faharatsiana sy ny fanenjehana avy amin’i Satana.

9. a) Iza moa no nanoratra maro be amin’ny Salamo, ary inona no raketin’izany? b) Iza moa no nanoratra ireo boky poetika hafa, ary amin’ny ahoana izy ireo no misy vidiny ho antsika? (Ohabolana 3:5, 6) d) Oviana moa no nanoratana ireo boky ireo?

9 Ireo Salamo, izay nosoratan’i Davida mpanjaka ny tapany aminy eo ho eo, dia mampisongadina ny vavaka fiderana sy fankasitrahana noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Manome faminaniana maro mikasika ilay Mpanafaka nampanantenaina koa izy ireo. Ny bokin’ny Ohabolana, Mpitoriteny ary Tonon-kiran’i Solomona dia saiky nosoratan’i Solomona zanakalahin’i Davida avokoa. Izy ireo dia ahitana fahendrena be dia be azo ampiharina, izay misy vidiny indrindra eo amin’ny fanampiana antsika hisetra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ankehitriny. Amin’ny ankamaroany, ireo boky poetika ireo dia nosoratana tamin’ny taonjato faharaika ambin’ny folo talohan’ny fanisan-taona iraisana. Mahaliana amin’ny fomba manokana izy ireo noho izy manondro ny lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana marina. Amin’ny fitambarany, ny teny hebreo mitantara ny “fahasambarana” dia miseho am-polony maro ao anatiny.

BOKY ARA-PAMINANIANA

10. a) Mirakitra inona moa ireo boky ara-paminaniana, ary nahoana izy no mahaliana antsika amin’izao fotoana izao? (Isaia 2:2) b) Nandritra ny fe-potoana inona moa no nanoratana ireo boky ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly?

10 Tsy tianao ve ny hahafantatra izay raketin’ny ho avy ho anao? Eny, azonao atao ny mahafantatra izany. Ny “boky kely” fito ambin’ny folo manomboka amin’ny Isaia ka hatramin’ny Malakia izay saiky izy rehetra no mitondra ny anaran’ny mpanoratra azy, dia mirakitra faminaniana izay nahita fahatanterahana mahatalanjona tamin’ny fotoan-dasa. Manambara mialoha koa toe-javatra amin’ny androntsika izy ireo, toy ny fifanolanana mahery mitranga eo amin’ireo firenena demokratika sy kaominista, fifanolanana efa manakaiky ny fara tampony izao, sy ny fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy ao amin’ilay “andro fahoriana” lehibe indrindra eto an-tany. (Daniela 11:40-12:1) Izy ireo dia miresaka ny amin’ny fitsarana avy amin’Andriamanitra sy ny paradisa be voninahitra iray, ka ny olona rehetra tia azy dia mety hahita fifaliana amin’izany. Ireo boky ara-paminaniana rehetra ireo dia nosoratana nandritra ny fe-potoanan’ireo boky ara-tantara faramparany voalaza tetsy aloha, manomboka amin’ny bokin’i Jona mpaminany teo amin’ny 844, ary mifarana amin’ny faminanian’i Malakia teo amin’ny 443 talohan’ny fanisan-taona iraisana.

NY FILAZANTSARA EFATRA

11. a) Oviana moa tamin’ny farany no nipoiran’ny “taranaka”? b) Inona moa no hevitry ny anarany sy ny anaram-boninahiny? d) Inona no lazain’ireo Filazantsara amintsika mikasika an’io Mesia io? (Matio 4:17; Marka 1:14, 15; Lioka 7:19, 22; Jaona 21:25)

11 Farany, dia tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana no niseho ny “taranaka” nampanantenaina sady Mpanafaka. Jesosy Kristy izy io, ka ny hevitry ny anarany hoe “Jesosy” dia “Famonjen’i Jehovah”, ary ny hevitry ny anaram-boninahiny hoe “Kristy” dia “Voahosotra”. Jehovah Andriamanitra dia nanendry an’i Jesosy ho Mpanafaka tamin’ny fanosorana azy — tsy tamin’ny menaka manitra, sahala amin’ny fanao rehefa mametraka mpanjaka eo amin’ny toerany tamin’ny andro fahiny, fa tamin’ny fanahiny masina manome hery. Izy io dia ilay hery miasan’Andriamanitra ihany izay nanome hery an’ireo mpanoratra ny Baiboly mba hitahiry ny “Teniny”. Ny “boky kely” Matio, Marka, Lioka ary Jaona dia mitantara avy amin’ny fomba fijery samihafa, ny asa sy ny raharaham-pitorian’i Jesosy, ny famonoana azy sy ny fitsanganany, ary ny fanatanterahany faminaniana maro ao amin’ny Soratra hebreo izay manondro azy ho toy ny Mpanafaka.

12. a) Oviana, ary amin’ny fiteny inona no nanoratana ireo Filazantsara? b) Nahoana moa isika olombelona no tokony ho velom-pisaorana noho io “vaovao tsara” io? (II Korintiana 9:15)

12 Matio dia nanoratra ny fitantarany ny fiainan’i Jesosy amin’ny teny hebreo teo amin’ny taona 41 amin’ny fanisan-taona iraisana, ary taty aoriana dia nandika izany ho amin’ny teny grika. Marka sy Lioka koa dia nanoratra ireo fitantarany talohan’ny fandravana fanindroany an’i Jerosalema tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana. Jaona dia nanoratra ny fitantarany teo amin’ny 98 amin’ny fanisan-taona iraisana teo ho eo. Ireo Filazantsara ireo, nosoratana avokoa tamin’ny teny grika niraisana, fiteny naneran-tany tamin’izany fotoana izany, dia mirakitra ny “vaovao tsara” ny amin’ny Fanjakan’i Jesosy, ka eo ambany fanapahany isika olombelona dia mety hifaly amin’ny “fiainana (...) be dia be”! (Matio 9:35; Jaona 10:10) Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika noho io fandaharana mahagaga io.

NY ASAN’NY APOSTOLY SY IREO EPISTILY

13. a) Inona moa no tantaraina ao amin’ny “Asan’ny apostoly”? b) Iza no nanoratra ny Asan’ny apostoly, ary mahafaoka fe-potoana toy inona izany?

13 Ny “boky kely” antsoina hoe “Asan’ny apostoly” dia mitantara eo am-piandohana, ny fiakaran’i Jesosy tafatsangana ho any an-danitra sy ny fandaminany ny kongregasionan’ireo kristiana, izay nohosoran’Andriamanitra ary nomeny hery koa avy amin’ny fanahiny. Avy eo dia miresaka izy ny amin’ny zotom-pon’ireo kristiana voalohany teo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara manerana izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany, ary mitantara indrindra ny asam-pitorian’ny apostoly Petera sy Paoly. Io fitantarana velombelona io dia nangonin’i Lioka mpitsabo, namana mpiara-dia tamin’i Paoly, ary mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny 61 amin’ny fanisan-taona iraisana.

14. a) Iza avy moa no nanoratra an’ireo taratasy iraika amby roapolo ao amin’ny Soratra grika? b) Inona no raketiny, ary nahoana izany no tokony hanintona ny saintsika amin’izao andro izao? (I Timoty 4:15, 16)

14 Eo amin’ny Romana ka hatramin’ny Joda, dia ahitana ireo epistily iraika amby roapolo mampitandrina sy mampahery, ka ny efatra ambin’ny folo voalohany dia nosoratan’i Paoly, ary ny sisa nosoratan’ny apostoly sy ny mpianatra hafan’i Jesosy Kristy. Ireo “boky kely” ireo dia miresaka amim-pahatokiana ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, ary mamporisika ireo izay tia an’Andriamanitra hanao asa tsara sy hanana zotom-po eo amin’ny fanaovana ny sitrapony. Misarika ny saina koa ho amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana maro izy ireo. Ireo epistilin’i Paoly dia mitondra ny anaran’ny kongregasiona na ny olona izay nanoratana azy. Avy eo, manomboka amin’ny Jakoba no mankaty, ireo epistily dia fantatra amin’ny anaran’ny mpanoratra.

FANAMBARANA IRAY

15. a) Iza moa no nanoratra “Fanambarana iray”, taiza sy oviana, ary inona no raketiny? (Apokalypsy 1:1-3) b) Inona moa no ambarany mikasika ny “loza” amin’izao fotoana izao, ary mikasika ny fisehoan-javatra ho avy?

15 Ny boky ara-paminaniana farany, nosoratan’i Jaona raha natao sesitany tao amin’ny nosy Patmo izy tokony ho tany amin’ny 96 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia mirakitra filaharam-pahitana nomen’Andriamanitra avy any an-danitra tamin’ny alalan’i Jesosy nomen-boninahitra. Nosoratana tamin’ny fiteny ara-panoharana ambony tokoa izy io, ary mampiseho ireo hafatra ara-pitsaran’Andriamanitra. Milaza ny antony mahatonga ny mponina eto an-tany hijaly amin’ny “loza” be dia be izy, ary ny fomba hanafahan’Andriamanitra sy Kristy ny olombelona avy amin’ny fahavalo rehetra — ara-pivavahana, ara-politika, ara-tafika ary araka ny demonia — mialoha ny fanjakam-piadanana arivo taonan’i Kristy eo amin’ny tany. — Apokalypsy 12:12.

16. Ahoana moa no ampisehoan’izany “boky kely” farany ao amin’ny Baiboly izany, ny fahatanterahana be voninahitry ny Genesisy 3:15?

16 Noho izany, ny “boky kely” farany ao amin’ny Baiboly dia mampiseho ny fomba fanatanterahan’Andriamanitra amim-boninahitra ny fampanantenany Mpanafaka iray ho an’ny olombelona, araka ny voatantara ao amin’ny Genesisy, boky voalohany, sy ny fomba ‘hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony’. (Apokalypsy 21:3, 4) Marina tokoa fa izany dia “vaovao tsara” ho antsika rehetra amin’izao andro izao!

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 21]

(Jereo ny boky)

4 000 TAONA VOALOHANY AMIN’NY TANTARAN’OLOMBELONA

(Miorina indrindra amin’ny filazan’ny Baiboly; ny ao anaty fonon-teny dia manondro fotsiny ny daty manakaikikaiky)

FIAINAN’NY OLONA TAONA FISEHOAN-JAVATRA

tal. fan. ir.

Noforonina i Adama 4026 Fikomiana; mampanantena “taranaka”

Andriamanitra

‘Nentin’Andriamanitra’ 3039 Naminany ny amin’ny fitsarana

i Enoka i Enoka

Faha-600 taonan’i Noa 2370 Manomboka ny safodrano maneran-tany

(2189) Fanorokoroana ny fiteny tao Babela

Teraka i Abrahama 2018

1943 Fampanantenan’Andriamanitra mikasika ny

“taranak’i Abrahama”

Teraka Isaka 1918

1913 Fampanantenana ny “taranaka” tamin’ny

alalan’Isaka

Teraka i Jakoba 1858

1781 Fampanantenana ny “taranaka” tamin’ny

alalan’i Jakoba

Teraka i Josefa 1767

Fahafatesan’i Jakoba 1711 Naminany Jakoba fa ho avy amin’ny

fokon’i Joda ny “taranaka”

Mitana ny tsy (1613) Lavin’Andriamanitra ny fiampangan’i

fivadihany i Joba Satana

Manomboka 1513 Nafahan’Andriamanitra avy any

manoratra ny Baiboly Egypta ny Isiraely

i Mosesy

Fahafatesan’i Mosesy 1473 Mitarika ny Isiraely hiditra ao

amin’ny “Tany” Josoa

Tonga mpanjaka 1077 [fampanantenana ny “taranaka”

i Davida tamin’ny alalan’i Davida mpanjakan’ny Joda]

Tonga mpanjaka 1037

i Solomona

Fahafatesan’i Solomona 997 Nizara roa ny Fanjakana: Isiraely sy

Joda

Maminany Isaia (778)

Tonga mpanjakan’ny 745

Joda Hezekia

740 Noravan’i Asyria ny foko folon’ny Isiraely

Maminany Jeremia 647

Maminany Ezekiela 613

607 Nofoanan’i Babylona Joda

Maminany Daniela 605

537 Mampody ny Jiosy any amin’ny “Tany”

i Kyrosy avy any Persia

Faranan’i Malakia (443) Vita ireo soratra hebreo

ny faminaniany

332 Manapaka ny Joda i Grisia

63 Manomboka manapaka an’i Jerosalema

i Roma

[Tabilao, pejy 26]

(Jereo ny boky)

FISEHOAN-JAVATRA ARA-TANTARA, TALOHA SY ANKEHITRINY

(Mifototra amin’ny Baiboly sy ny fitantarana tsy ara-pivavahana ary ny faminaniana eo an-dalam-pahatanterahana; manondro ny daty manakaikikaiky fotsiny ny fonon-teny)

TAONA

tal. fan. ir.

Teraka Jesosy 2 Avy amin’ny fiavian’i Abrahama sy Davida

TAONA

a. fan. ir.

Fanosorana an’i Jesosy 29 Tonga “taranaka” mesianika Jesosy

Famonoana an’i Jesosy 33 Niely ny mpianatra

Natsangana tamin’ny 33 Niorina ny kongregasiona

maty Jesosy kristiana

Niova i Paoly (34)

Niova i Kornelio 36

Manoratra Filazantsara (41)

i Matio

Dia voalohany (47-48)

nataon’i Paoly

Dia faharoa (49-52)

nataon’i Paoly

Dia fahatelo (52-56)

nataon’i Paoly

Manoratra Filazantsara (56-58)

i Lioka

Manoratra Filazantsara (60-65)

i Marka

66 Manafika an’i Jerosalema ny Romana,

dia miala kely. Mandositra miala ny

tanàna ny kristiana

70 Mandrava an’i Jerosalema sy ny tempoly

ny Romana

Manoratra ny (96)

Apokalypsy i Jaona

Manoratra ny Filazantsara (98)

i Jaona

Fahafatesan’ny apostoly (100) Tsy misy zava-manakana

Jaona intsony ny fihemorana

325 Manorina ny fivavahana lazaina fa

kristiana i Constantin

Tonga Mpanjaka Kristy 1914 Manapoaka ny Ady Lehibe I ny

fivavahana lazaina fa Kristiana

Mitombo ny fitoriana 1919 Mamolavola ny Fikambanam-pirenena

ny Fanjakana ny fivavahana lazaina fa kristiana

1939 Manapoaka ny Ady Lehibe II ny fivavahana

lazaina fa kristiana

1945- ‘Ady mangatsiaka’; ady mafana (Korea,

1975 Vietnama, Tany Masina)

Mifarana ny 6 000 taonan’ 1975

ny tantaran’olombelona

eto an-tany

— Mandrava an’i “Babylona” ireo “tandroky”

ny Firenena mikambana

Tafita velona ny “olona — Mandringana ireo firenena

betsaka” ao Hara-magedona Kristy

Mampidina ny Devoly sy — Manomboka ny fanjakana

ireo demonia ao anaty 1 000 taona

lavaka tsy hita noanoa

Kristy

[Sary, pejy 23]

Tokony hisaotra an’Andriamanitra noho ny hatsaram-pony isika, sahala amin’i Davida mpanjaka

[Sary, pejy 25]

Notafin’Andriamanitra hery Jesosy mba ho tonga Mpanafaka

[Sary, pejy 28]

Hamerina ny fahasambarana ho an’ny foko rehetran’ny olombelona ilay Mpanafaka nampanantenain’Andriamanitra