Manaisotra ny fahasambaran’ny olombelona ny fahotana
Toko faha-9
Manaisotra ny fahasambaran’ny olombelona ny fahotana
1. Karazam-ponenana inona moa no nomen’i Jehovah ny mpivady olombelona, ary taiza no nety ho nisy izany? (Genesisy 2:8, 10, 14)
JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia nanome ho an’ny olona mpivady voalohany, fonenana mahafinaritra tao amin’ny “zaridainan’i Edena” sahala amin’ny saha malalaka, izay ny dikan’ny anarany dia hoe “fahafinaretana”, “fahasambarana”. Toa azo notondroina ho nisy tany akaikin’ny tendrombohitra Ararata any Torkia amin’ny andro ankehitriny izany, ao amin’ny faritra izay mbola ipoiran’ny renirano Eofrata sy Tigra (Hidekela). — Genesisy 2:15, MN; 8:4.
2. a) Inona moa no fahatsinjovan-javatra nivelatra teo anatrehan’i Adama sy ny vadiny? (Genesisy 1:28) b) Tamin’ny fomba ahoana no nikasan’Andriamanitra hihazonana ny firaisana teo amin’ny fianakavian’olombelona, ary nahoana izany no mety? (Jeremia 10:23)
2 Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona manao ahoana moa no nivelatra teo anoloan’i Adama sy ny vadiny — dia ny fanovana ny tany manontolo ho paradisa sy ny famenoana azy an’arivo tapitrisany maro avy amin’ny Matio 6:8.
taranany, natao avokoa araka ny “endrika” sy ny “fitoviana” amin’Andriamanitra ary manao ny sitrapony eto an-tany! Ao amin’ny fianakaviana lehibe toy izany, dia ilaina ny hihazonana fiadanana sy firaisana. Nikasa ny hanao izany Andriamanitra, tsy tamin’ny famelana ny olona hanapaka ny tenany, fa amin’ny fampiharana ny fiandrianany be fitiavana amin’ny olombelona. Raha ny marina moa, Andriamanitra ilay Mpanao sy Mpamorona ny olona dia mahafantatra izay ilaintsika mba hahasambatra tokoa antsika ‘raha tsy mbola mangataka aminy aza isika’. —3. a) Baiko tsotra inona moa no nomen’Andriamanitra ny olona? b) Nahoana izany no tsy nitondra zava-manahirana? (I Jaona 5:3) d) Inona moa no ho vokatry ny fankatoavana? (Ohabolana 3:1, 2, 7)
3 Napetrak’Andriamanitra teo afovoan’ny saha ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, ary nanome ny olona baiko faran’izay tsotra izy:
“Aza ihinanana (izany); fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17).
Izany zavatra notakina izany dia tsy nitondra zava-manahirana akory, satria ny olombelona mpivady dia afaka nahita fahasambarana tamin’ny fihinanana avy amin’ny habetsahan’ny sakafo hafa tao amin’ny saha. Ny nangatahin’Andriamanitra tamin’izy ireo fotsiny dia ny hanaja sy hampiseho fa manaiky ny fiandrianany izy. Raha tahiny izy ireo, miaraka amin’ny taranany ho avy an’arivo tapitrisany maro ka mankatò azy, ny olombelona dia ho tafaray mandrakizay manodidina ny fanompoana ilay hany Tompom-piandrianana tampony.
4. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahatapaka ny firindran’ny paradisa? (Jakoba 1:14, 15) b) Marika inona moa no tsy tratran’i Eva ary avy eo dia Adama, ary inona no vokany? (I Timoty 2:14)
4 Na izany aza, ny firindran’izany paradisam-pahafinaretana izany dia tapaka tsy ela akory! Ny zavaboary ara-panahy mpiodina iray, Satana, raha niteny tamin’ny alalan’ny bibilava iray niseho ho tsy nanan-tsiny, dia namporisika an’i Eva hihinana amin’ny voankazo voarara ka noho izany dia tsy hankatò ny baikon’Andriamanitra. Nandainga tamin’i Eva Satana raha nilaza hoe:
“Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4, 5)
Nahazo vahana tao amin’i Eva ny fanirian-dratsy, ary dia nihinana izy, ka nanary tamin’izany ny mariky ny fankatoavana tanteraka an’Andriamanitra. Tsy voafitaka tahaka an’i Eva i Adama, ka hieritreritra fa ny fihinanany tsy amim-pankatoavana ny voankazo dia tsy hiteraka fahafatesana ho azy; nefa tamin’ny toe-tsaina naniry hahaleo tena no nanarahany azy tamin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Nifidy ny “hanao zavatra araka izay tiany” izy ireo, ary niala tsy ho eo ambanin’ny fiandrianan’Andriamanitra.
5. Inona moa no vokany tamin’i Adama sy Eva, ary tamin’ny taranany? (Genesisy 3:5, 6, 21-24)
5 Nahasanganehana azy ireo àry izao ny toe-piainany nitanjaka, ka dia nanao sikina avy amin’ny ravin’aviavy izy ary niezaka hiafina an’Andriamanitra. Rehefa nantsoiny mba hotsaraina izy ireo, dia samy niezaka “nanala tsiny ny tenany” tamin’ny fanilihana ny fahadisoana tamin’ny hafa. Nomelohin’Andriamanitra ho faty ireo mpivady mpikomy ireo, ary noroahiny ho any ivelan’ny paradisam-pahafinaretana ilay lehilahy sy ilay vehivavy, mba hiady amin’ny tsilo sy hery eo amin’ny tany izay “voaozona” izao noho ny nataon’ny olona. Genesisy 3:16-19) Tany izy dia niteraka zaza tao anatin’ny toe-piainana nisy ota, ary noho izany koa dia teo ambanin’ny fahafatesana. Ny apostoly Paoly dia mamintina izany toy izao:
(“Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” — Romana 5:12.
INONA NO ATAO HOE FAHOTANA?
6. Inona moa no heverin’ny olona sasany ho “fahotana”, nefa ahoana no anazavan’ny Baiboly izany?
6 Misy olona sasany manaporofo fa ny fanaovan-dratsy dia tsy “fahotana” raha tsy miteraka fahavoazana ho an’ny hafa. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. Ao amin’ny Baiboly, ny hevitry ny fototeny amin’ny matoanteny hoe “manota” dia “tsy mahatratra”, amin’ny heviny hoe tsy mahatratra ny zava-kendrena na ny fetra iray. Raha ny amin’i Adama sy Eva, dia “tsy nahatratra ny mariky” ny fankatoavana tanteraka ny Mpamorona be fitiavana azy ireo izy. Na dia natao araka ny “endrika” sy ny “fanahafana” an’Andriamanitra aza izy ireo, dia tsy nahomby izy izao eo amin’ny fanehoana ny toetr’Andriamanitra. Tsy nahafeno intsony ny fepetra mahitsin’Andriamanitra izy, ary ny fianakavian’olombelona manontolo dia nandova io fahalemena io avy amin’izy ireo. Namintina izany toy izao ny apostoly Paoly: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” — Romana 3:23.
7. a) Ahoana no azontsika iadiana amin’ny fironana vokatry ny ota? (Romana 12:1) b) Tany Edena, inona moa no fototra nomen’Andriamanitra ho an’ny finoana?
7 Na izany aza anefa, dia azon’ny olona izay manaja ny fiandrianan’Andriamanitra atao ny miady amin’ny ota nolovana. Azony atao ny mampitombo toetra sahala amin’ny an’Andriamanitra, ary mampiasa ny tenan’izy ireo tsy lavorary mba hanompoana an’Andriamanitra sy hanaovana asam-pinoana. Nanome fototra ho an’ny finoana toy izany Andriamanitra raha nilaza, tamin’ny fanamelohana “ny menarana”, fa avy amin’ny “vadiny” ara-panoharana — ny fianakaviany any an-danitra voaforon’ny anjely masina — no hampipoirany “taranaka” iray, na Mpanafaka izay “hanorotoro” an’i Satana sy ireo rehetra manaraka azy ka hanao izay tsy hahafahany manao na inona na inona. — Genesisy 3:15.
8. Finoana inona no nasehon’i Abela, ary tamin’ny fomba ahoana? (Hebreo 11:4)
8 Abela no olona voalohany nampiseho finoana nankasitrahana ny fampanantenana ny amin’io “taranaka” io, dia ny Mesia. Na dia nandova ota avy amin’i Adama rainy aza i Abela, dia nampiseho ny finoany tamin’ny fanaterana ho an’Andriamanitra ny faritra tsara indrindra tamin’ny “voalohan-terak’ondriny”. Izany dia manondro 4 000 taona mialoha, ny fotoana izay hanaovana fanatitra ny “taranaka” nampanantenaina, na ny “Mesia”, ho toy ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra”. —9. a) Inona moa no nampitandreman’Andriamanitra an’i Kaina? b) Karazam-pahotana inona moa no nataon’i Kaina?
9 Etsy andanin’izany, Kaina rahalahin’i Abela dia nanolotra ho an’Andriamanitra “ny vokatry ny tany”. Satria neken’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela ary nolaviny ny fanatitr’i Kaina, “dia tezitra indrindra Kaina”. Nampitandrina azy Andriamanitra ny amin’ny “ota mamitsaka eo am-baravarana”, ka raha tsy mifehy izany izy, dia hitarika azy hanao fahotana lehibe izany. Nanda tsy hihaino ny fampitandremana i Kaina. Namono ny rahalahiny izy. (Genesisy 4:3-8) Samy hafa amin’ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama io fahotana io. Asa ratsy izany, nipoitra avy amin’ny fankahalana miharo fitiavan-tena izay novelomin’i Kaina tao am-pony. Ny apostoly Jaona dia nampitandrina antsika mba tsy hampitombo toe-po sahala amin’ny an’i Kaina, raha nilaza hoe:
“Tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny.” (I Jaona 3:11, 12)
Abela dia taranaka mpanota avy amin’i Adama, nefa nisain’Andriamanitra ho “olo-marina” izy noho ny asany maneho finoana. Etsy andaniny kosa, Kaina dia nanampy ny ota nolovany, ka tonga ratsy fanahy. Nomelohin’Andriamanitra izy ary noroahiny.
10. Ahoana moa no nampisehoana ny fahasamihafana eo amin’ny ota nolovana sy ny ota an-tsitrapo, tamin’izay nitranga tamin’i Enoka? (Hebreo 11:5, 6)
10 Ny fahasamihafana eo amin’ny ota nolovana sy ny ota an-tsitrapo dia miseho koa ao amin’ny fitantarana mikasika an’i Enoka, dia ny lehilahy faharoa nanana finoana nankasitrahana, ary voalaza ao amin’ny Baiboly. Mpaminanin’i Jehovah i Enoka. Nanambara tsy amin-tahotra ny hafatr’Andriamanitra hamelezana ny
olona ratsy fanahy tamin’ny androny izy, raha nilaza hoe:“Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina, hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.” (Joda 14, 15)
Enoka dia olona tsy lavorary, mpanota, nefa nankahala an’izao tontolo izao mpanao ratsy an-tsitrapo sy mpanota nanodidina azy izy. Tamin’ny finoana dia “niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka”. Nankasitrahan’Andriamanitra tsara izy, ary tamim-pahanginana no nanesoran’Andriamanitra azy mba tsy ho faty teo am-pelatanan’ny olona nampidi-doza sy ratsy fanahy tamin’izany fotoana izany. — Genesisy 5:24.
11. a) Ahoana moa no naha-marina an’i Noa, na dia mpanota aza izy? (Hebreo 11:7) b) Ahoana moa no naha-simba ny tany, ary noho izany dia tapa-kevitra ny hanao inona moa Jehovah? (Genesisy 6:6-8)
11 Ny ohatra hafa iray misongadina koa ny amin’ny fahasamihafan’ny ota nolovana sy ny faharatsiana, dia hita tamin’ny andron’i Noa. Eto indray koa, Noa sy ny fianakaviany dia olona mpanota, mora manao fahadisoana, sahala amintsika amin’izao fotoana izao. Naneho finoana an’Andriamanitra anefa izy ireo ary nankatò azy. Noho izany dia milaza toy izao ny Baiboly:
“Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:9)
Nefa ny sisa tamin’ny olombelona dia simba sy ratsy. Nitranga betsaka izany rehefa nandao ny toerana nanendrena azy ireo zanak’Andriamanitra ara-panahy tany an-danitra mba hidina etỳ an-tany ka hiara-mipetraka amin’ireo zanakavavy tsara tarehin’ny olona. Ny taranaka avy amin’ireny firaisana maloto ireny dia ny Nefilima goavana, “olo-mahery” nahery noho ny olombelona, izay nameno herisetra ny tany.
“Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:5, 11, 12)
Tapa-kevitra ny handringana izany tontolo ratsy izany tamin’ny safodrano i Jehovah.
12. Tamin’ny fomba ahoana moa no nandefasan’Andriamanitra safodrano teto an-tany? (II Petera 3:5, 6)
12 Tsy ho ranonoram-baratra tsotra fotsiny eo an-toerana akory io safodrano io, na koa tondra-drano voafetra ho ao amin’ny lohasahan’i Eofrata. Raha izany no nitranga, dia azon’Andriamanitra natao tsotra fotsiny ny nitarika ny fianakavian’i Noa sy ireo biby ho any amin’ny havoana teny akaiky teny mba ho fiarovana azy. Tsy izany anefa no izy! Io tondra-drano io dia hanana fitarana maneran-tany. Noho izany, Andriamanitra dia nampanamboatra an’i Noa sambo-fiara fiarovana, araka ny drafitra izay nomeny. Taorian’ny nanakatonan’Andriamanitra ny varavarana tamin’i Noa sy ny biby, dia novohany ny rano “ambonin’ny habakabaka” — ny lalina lehibe izay nosarahiny avy amin’ny rano teo ambonin’ny tany nandritra ny “andro faharoa” famoronana.
“Nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ny lanitra. Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.” — Genesisy 1:6-8; 7:11, 12.
13. Inona no nitranga tamin’i Noa sy ny fianakaviany, ary tamin’ny olona sy ny anjely ratsy? (Joda 6)
13 Hevero izany loza lehibe izany! Lanitra iray manontolo feno rano mianjera amin’ny tany, mandrakotra ny zava-miaina rehetra, ary manarona ny tendrombohitra rehetra! Ny fanerena miezinezina tafiditra tamin’izany dia hiteraka fiovana lehibe eo amin’ny vohon’ny tany, ka nanosika ny laharan-tendrombohitra hiakatra ary namorona lavaka mba handray ny rano. Tao anatin’ny fe-potoana iray taona eo ho eo no niverenan’ireny tany an-dranomasina araka ny ahafantarantsika izany ankehitriny. Fahagagana avy amin’Andriamanitra ihany no nahatonga ilay sambo-fiara marefo niaraka tamin’ny entany sarobidy voaforon’ny olona valo sy roa avy tamin’ny karazam-biby sy vorona rehetra (na koa fito avy raha biby madio), ho tafita velona. Ringana ny Nefilima sy ny olona ratsy ary koa ny zavaboary velona hafa rehetra tetỳ ambonin’ny tany. Raha ny amin’ireo “zanak’Andriamanitra” mpiodina, dia voatery niverina tany amin’ny faritra tsy hita maso izy ireo, ka tao izy izao dia ‘voatahiry ho amin’ny fitsarana’ sy ny fandringanana, araka ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra. —14. Tandindon’ny inona moa ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Noa? (Matio 24:21, 22, 44)
14 Izay nitranga tamin’ny andron’i Noa dia mampiseho fa Jehovah Andriamanitra dia afaka mamonjy, ary hamonjy ny sarambaben’olona mpanota izay maneho finoana azy sy ny fandaharam-pamonjeny, izay miorina ankehitriny amin’ny “Zanak’olona”, dia ny “taranaka” nampanantenaina sady Mesia, Jesosy Kristy. (Galatiana 1:4) Raha niresaka ny amin’ny andro ahavelomantsika ankehitriny, izay hahatongavan’ny Zanak’olona handrava ny “fandehan-javatra ratsy ankehitriny” io Zanak’olona io, dia hoy mihitsy ny tenany:
“Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39)
Tsy ho ela intsony, ny olona rehetra izay mifidy amim-pitiavan-tena ny tsy hahalala ny fandaharan’i Jehovah dia “haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra”. — Salamo 37:38.
15. a) Moa ve ny fandovantsika ota manakana antsika tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? b) Inona moa no toetra sy asan’i Abela, Enoka ary Noa ka tokony hotahafintsika, ary nahoana? (III Jaona 11)
II Petera 2:5; 3:13) Avy amin’izany dia azonao atao ny mitoetra ao amin’ny toeram-pilaminana amin’izao fotoan’ny zava-manahirana maneran-tany izao.
15 Na izany aza, dia tsy ilainao ny mieritreritra fa ny nofonao mpanota izay nolovanao avy amin’i Adama razambenao sy ny fahadisoana tsy nahy izay ataonao isan’andro, dia mametraka anao ao amin’ny laharana mitovy amin’ireo ratsy fanahy. Sahala amin’i Abela dia azonao atao ny maneho finoana ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny fanorenana izany ankehitriny amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Sahala amin’i Enoka, dia azonao atao ny miara-mandeha amin’Andriamanitra, miresaka amin’ny hafa mikasika ny Fitsarany an’izao tontolo izao tsy mpino ankehitriny. Sahala amin’i Noa, dia azonao atao ny ho “mpitory ny fahamarinana”, amin’ny filazana amin’ny manodidina anao ny fikasan’i Jehovah hanorina fitambaran’olona izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’. ([Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 83]
FANAPOROFOANA NY SAFO-DRANO MANERAN-TANY
Nanamafy Jesosy Kristy hoe: “Ary tahaka na tamin’ny andron’i Noa, (...) dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.” — Lioka 17:26, 27.
Misy fanaporofoana hita maso fa ny tany, talohan’ny Safo-drano, dia sahala amin’ny “trano fambolen-java-maitso” maneran-tany iray manana hafanana tsy miova, teo ambanin’ny andohalambon-drano izay novakin’Andriamanitra mba hahatonga ny loza lehiben’ny Safodrano.
Scientific Monthly, Aogositra 1949: “Tamin’izany fotoana izany dia nanana toetr’andro mafana antonontonony na malefaka ny tany nanerana ny ankabeazan’ny vohony (...) Iva ny tany ary tsy nisy tendrombohitra avo.”
Science et Vie, Jolay 1966: “Ny [Antarctique] dia toerana maitso taloha ary nahitana sakeli-drano mikoriana eny ampovoan’ny voninkazo, sy vorona mihira eny amin’ny hazo.”
Science News, 4 Oktobra 1975: “Saiky avy amin’ny fanao mahazatra rehetra (...) dia ipoiran’ny angano manaitra mitovitovy amin’ny safodrano lehibe iray izay nampanjavona ny sivilizasiona efa nisy ary nanova ny endriky ny tany. Ny fanaporofoana vaovao nangonina avy amin’ny zavatra tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina (...) dia manamafy ny fisian’ny safodrano maneran-tany toy izany.”
The Deluge Story in Stone, nosoratan’i Byron C. Nelson: “Ny fomba nahatonga hazandrano an-tapitrisany ho voalevina ao amin’ny harambaton’i Angletera, Ecosse, Pays de Galles, Alemaina, Soisa ary ny tendrombohitra Harambato amerikana; ny fomba nilevenan’ny elefanta sy ny “rhinocéros” an-tapitrisany maro tany Alaska, Siberia, Angletera, Italia, Grisia, (...) ny fomba nilevenan’ny biby mikisaka an-tapitrisany maro tany Kanada andrefana, Etazonia, Amerika Atsimo, Afrika, Aostralia, na dia tapany fotsiny amin’ny fisehoan-javatra toy izany aza no holazaina, dia mitaky indrindra ny fisian’ny loza mahatsiravina lehibe mba hanazavana azy.”
Monarchs and Tombs and Peoples — The Dawn of the Orient, nataon’ny printsy Mikasa: “Nisy marina ve ny Safodrano? Ho vokatry ny famongarana nataon’ny mpandinika ireo zavatra avy any anaty tany tao anatin’ny taona faramparany, ny amin’ny hoe nisian’ny Safodrano dia voaporofo tamin’ny fomba mampiaiky.”
[Sarintany, pejy 75]
(Jereo ny boky)
TORKIA
Zaridainan’i Edena
Farihy Van
IRAKA
Renirano Tigra
SYRIA
Renirano Eofrata
Ranomasina Mediterane
[Sary, pejy 76]
Eva aloha, vao Adama, no nanota, ka ‘tsy nahatratra ny mariky’ ny fankatoavana an’Andriamanitra
[Sary, pejy 81]
Abela, Enoka ary Noa, na dia mpanota aza, dia nankasitrahana noho ny finoany; ireo mpanota an-tsitrapo dia nosazina