Mety hitarika amin’ny loza ny finoanoampoana
Toko faha-15
Mety hitarika amin’ny loza ny finoanoampoana
1. Rehefa manao ahoana moa no tonga mampidi-doza ireo fanao toa tsy misy tsininy? (Jaona 8:31, 32)
TSY MANIMBA ve ny fanarahana finoanoampoana? Mihevitra toy izany ny olona sasany. Diniho, ohatra, ireo “andriamanitra fiton’ny vintana tsara” toa tsy misy tsininy eo amin’ny lovantsofina japone — ary nindramina avy any India efa ho telonjato taona lasa izay. Lazaina ho mampiseho ny toetra tsara fito izy ireo: ny fahela-velona, ny harena, ny fananan-daza, ny fahatsorana, ny toetra mahatehotia, ny fahamendrehana ary ny fahalehibeazana. Mety ho mendrika ao aminy ihany ny sasany amin’ireo “toetra tsara” ireo, kanefa rehefa aseho amin’ny endrika ara-batana izay
itodihan’ny olona mba hamantarany ny “vintana tsara”, dia miditra amin’ny sokajin’ny finoanoampoana.2. Fanao misy finoanoampoana inona avy moa no voamarikao ao amin’ny faritany misy anao, ary moa ve nahitan-tsoa ireny?
2 Ny olona minomino foana maneran-tany dia manome vidiny aoka izany ny ody “mahatsara vintana”. Ao amin’ny tany katolika, ny mpandeha sasany dia mbola manana ny medalin’i masindahy Christophe eny aminy, ary any Atsinanana dia olona maro be no manana “ody fiarovana” izay mitondra ny anaran’ny tempoly iray, na kofehy “mahatsara vintana” vita amin’ny landihazo ary afatotra amin’ny hato-tanana. Olona maro any amin’ny tany Andrefana no manalavitra ny isa 13 “mitondra loza”, ary any Japon kosa ireo olona minomino foana dia mikentrona amin’ny isa “4”, satria tononina tsy misy hafa amin’ny teny hoe “fahafatesana” izany. Any amin’ny tany maro, dia manan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny finoanoampoana eo an-toerana.
3. Nahoana moa isika no tokony hihevitra ny fomba fijerin’i Jehovah? (Matio 4:10)
3 Ahoana no fiheveran’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, ny finoanoampoana toy ireny? Ho tombontsoa ho antsika ny hanana fomba fihevitra sahala amin’ny azy, raha maniry ny ho sambatra marina isika. Rehefa nanalavitra ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah ny Isiraelita ka latsaka tamin’ny fanao misy finoanoampoana narahin’ny mponina manodidina, dia hoy ny nambaran’ny mpaminanin’Andriamanitra taminy:
“Ny aminareo izay mahafoy an’i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an’i Gada [andriamanitry ny Vintana, MN ] sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Meny [andriamanitry ny Anjara, MN ], dia hotendreko ho voan’ny sabatra hianareo.” (Isaia 65:11, 12)
Ireo izay nanaja ny “andriamanitry ny Vintana” dia naringana!
4. Nahoana moa Jehovah no manohitra mafy ny finoanoampoana? (Asan’ny apostoly 16:16-18; Deoteronomia 6:5, 14)
4 Nahoana moa no toherin’i Jehovah mafy ery ireo fanao misy finoanoampoana? Satria izy ireny niandoha avy amin’i Satana Devoly sy ireo demoniany, izay nampiasa azy mba hampiodinana sy hihazonana ny olona ho lavitra ny fanompoana an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. Raha azon’i Satana notarihina ny olona mba hitoky amin’ny ody
“vintana”, amin’ny fanaovana hatsarana sy amin’ny finoanoampoana be mpanaraka, dia ho azony hazonina ao amin’ny fangejany izy ireny, amin’ny fanajambana azy tsy hahita ny “vaovao tsara” izay avy amin’ilay Andriamanitra marina sy velona. Mikasika izany, dia hoy Paoly:“Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina ho an’izay very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” (II Korintiana 4:3, 4)
Irin’i Satana ny hanarahan’ny olombelona rehetra ny fahamaizinan’ny finoanoampoana, toy izay ny hanaovany fanapahan-kevitra tsara miorina amin’ny “vaovao tsara” ao amin’ny Baiboly.
FIAROVANA AMIN’NY FAMELEZAN’NY DEMONIA
5. Ahoana no mety hiarovantsika tena amin’ny fanahy ratsy?
5 Ao amin’ny iray hafa amin’ny taratasiny, dia asehon’i Paoly mazava fa tokony hijoro mafy isika eo amin’ny fanoherana ny “fanahy ratsy”, ary azontsika atao izany amin’ny fitafiana ny “fiadian’Andriamanitra”, dia fiadiana ara-panahy izay samy hafa lavitra amin’ny ody “mahatsara vintana” na ny fanao araka ny fanompoan-tsampy. Hoy izy amintsika:
“Mifahara àry, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy [fanahy (esprit), MN ]; ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy [fanahy (esprit), MN ] amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana”. (Efesiana 6:11-18)
Amin’ny fianarana ny fahamarinana, amin’ny fambolena ny fahitsiana ary amin’ny filazana “ny vaovao tsaran’ny fihavanana” amin’ny hafa, dia azontsika atao ny manana ny finoana matanjaka izay hiaro antsika amin’ny famelezana rehetra avy amin’ny demonia.
6. Ahoana no mety hanafahan’ny olona ny tenany amin’ny demonia? (Jakoba 4:7, 8)
6 Kanefa, misy ny sasany tafalentika tao amin’ny
fanao araka ny demonia, toy ny spiritisma, talohan’ny nianarany ny “vaovao tsara”. Angamba ny olona toy ireny mila ny miady mafy tokoa mba hahafahana amin’ny demonia. Ohatra, nisy olona iray naharay isan’andro hafatra avy amin’ny fanahy ratsy iray, nandodona azy mba hamono tena. Ny iray hafa dia nampijalin’ny demonia mandrakariva ambara-pahazoany ny fahafahana tanteraka tamin’ny farany, rehefa nialany ny fomba fiainany teo aloha. Afaka nampiala ny demonia ny olona toy ireny tamin’ny famenoana ny sainy tamin’ireo fampianarana mahasoa avy amin’ny Baiboly, tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary tamin’ny fiantsoana mafy mihitsy ny anarany aza.“Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” — Ohabolana 18:10.
7. a) Zavatra inona moa no mety hitondra fahasahiranana? b) Nahoana moa no notahin’Andriamanitra ireo mpino vaovao tany Efesosy?
7 Ny olona iray eo ambany famelezan’ny demonia dia hanao zavatra amim-pahendrena raha manaisotra amin’ny tenany sy amin’ny tranony izay zavatra rehetra mety hanana fifandraisana amin’ny demonia. Fantatra ho niverina tamin’ny zavatra toy ireny ny fanahy ratsy ary namely ny tompony tamin’ny aretina, ny fahalemena na ny tahotra. Raha nitory tany Efesosy i Paoly, ireo mpino vaovao tao dia nanao zavatra izay nitondra fitahian-dehibe ho azy avy amin’i Jehovah:
“Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra (...) Fatratra toy izany no fandroson’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny.” — Asan’ny apostoly 19:19, 20.
MITANDREMA AMIN’NY “FANAOVANA ODY RATSY (SPIRITISMA)”!
8. a) Inona moa no sasany amin’ny karazana fanaovana ody ratsy (spiritisma) izay melohin’Andriamanitra? b) Inona no ho anjaran’ireo izay manaraka fanaovana ody ratsy? (Apokalypsy 21:8)
8 Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanaovana fankatovana? Aseho amin’ny fomba tena mazava izany ao amin’ny Deoteronomia 18:10-12, ary tondroiny ho anisan’ny fanaovana ody ratsy:
“Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na
mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”.Araka izany, ireo fanao araka ny demonia toy ny fandinihana baolina kristaly, ny fandinihana ny tanana, ny fandraikiraikena, ny fijerena ny hazo fisaka “Ouija” na ny fanatonana izay manao azy ho tsindrian-javatra, dia samy fahavetavetana avokoa eo imason’i Jehovah. Ireo manao azy ho tsindrian-javatra ary mihambo ho miresaka amin’ny “fanahin’ny maty” raha ny marina dia mifandray amin’ireo fanahy ratsy izay maka ny endriky ny olona efa maty. Naka ny endriky ny mpaminany Samoela efa maty ny fanahy ratsy iray tamin’ny fampitana hafatra iray ho an’i Saoly mpanjaka nivadika, ao amin’ilay toe-javatra voatantara ao amin’ny I Samoela 28:8-14. Ao amin’ny Galatiana 5:19-21, ny “fanaovana ody ratsy” (spiritisma) dia alahatra ho anisan’ny “asan’ny nofo” ratsy izay handroaka ny olona iray any ivelan’ny fanjakan’Andriamanitra.
9. a) Inona moa no hevitra ara-bakitenin’ny teny grika hoe pharmakia? b) Fanao inona avy moa no manana fifandraisana amin’ny fanaovana ody ratsy?
9 Mahaliana ny mahafantatra fa ny teny grika nadika eto hoe “fanaovana ody ratsy” (spiritisma) dia pharmakia, izay adika ara-bakiteny hoe “fampiasana fanafody mahankona”. Ao amin’ny bokin’i Vine antsoina hoe Dictionnaire intertrétatif des mots du Nouveau Testament (anglisy) dia amakiantsika toy izao:
“PHARMAKIA (...) voalohany dia nentina nilaza ny fampiasana fanafody fitsaboana, zavatra mahankona, fandraikiraikena; avy eo dia ny poizina; avy eo indray dia ny fanaovana sikidy, (...) Jereo koa ny Apok. 9:21; 18:23. (...) Ao amin’ny fanaovana sikidy, ny fampiasana zavatra mahankona, na tsotra izany na mahery, dia mandrakariva no arahin’ny fitalahoana sy ny fiantsoana ny hery miafina, miaraka amin’ny fampiasana ody maro karazana, (...) mba hieritreretan’ilay olona manatona fa manana fahaizana sy hery miafina ilay mpisikidy.”
Ny olona amin’ny andro ankehitriny izay mampiasa zavatra mahankona toy ny rongony, ny “héroine”, ny “marijuana” ary zavatra mampatory hafa toy izany koa, dia mora azon’ny famelezan’ny demonia. Voaporofo izany satria ny sasany izay nampiasa zavatra mahankona, tamin’ny “dia” nataony dia nilaza fa II Korintiana 6:17 ka hatramin’ny 7:1.
‘nanatona an’Andriamanitra’ izy ireny, ‘nampivelatra ny sainy’, etsetra. Tokony hampifandraisina amin’ny “fampiasana zavatra mahankona” ihany koa ny fampiasana voan’ny “bétel” na sigara sy paraky koa, fanao “tsy madio” izay manadombo ny vavahadin-tsaina sy manalefaka ny hery ho enti-manao fanapahan-kevitra tsara, ary tsy misy fitiava-namana. —NY FANDRIKY NY FANANDROANA
10. Miorina amin’inona moa ny fanandroana? (II Tantara 33:5, 6)
10 Tato anatin’ny taona faramparany, dia olona maro be tokoa no nitodika tany amin’ny fanandroana mba hahazoana fitarihan-dalana. Ary koa, mampiseho ny tantara fa olo-malaza maro — Hitler, Mussolini, Napoléon, Jules César, Aleksandra Lehibe ary hafa koa — no nanaraka tamim-pinoanoampoana “ny kintana”. Miorina amin’inona moa ny fanandroana? Zarain’ny fanandroana ho faritra roa ambin’ny folo misy kintana na “constellations” ny faritra eny amin’ny habakabaka atao hoe zodiaka, ka ny tsirairay avy amin’ireo dia nantsoina araka ny anaram-biby na olona iray manokana, fotoana ela lasa izay. Lazaina fa ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny zodiaka amin’ny fotoana ahaterahany dia hamaritra ny ho aviny sy ny toetoetrany. Misy tabilao na “horoscopes” soratana mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny “vintan’ilay olona iray” isan’andro isan’andro, ho tsara sa ho ratsy.
11. Ahoana moa no ampisehoan’ny siansa fa ao anatin’ny fahadisoana ny fanandroana?
11 Nefa moa ve ny kintana manan-kery eo amin’ny olona amin’ny fotoana ahaterahany? Araka ny filazan’ny mpahay siansa, ny tena maha-izy ny olona iray dia voafaritra mialoha, tsy eo amin’ny fahaterahana, fa eo amin’ny fiforonana — sivy volana mialohan’izay ekena eo amin’ny tabilaon’ny fanandroana. Na izany aza anefa, ny kintana dia lavitra loatra ka
tsy hanan-kery eo amin’ny olona iray amin’ny alalan’ny fihodinany na ny tarany, na eo amin’ny fahaterahana na eo amin’ny fiforonana. Izay rehetra mety ho avy any amin’ny habakabaka amin’ny alalan’ny fanandroana dia avy amin’ny herin’ny demonia, ary izany no mety hahatonga an’ireo izay mifandraindray amin’ny “kintana” ho eo ambany fifehezan’ireo fanahy ratsy.12. Taiza moa no niandohan’ny fanandroana? (Isaia 47:1, 12-14)
12 Taiza moa no nanomboka ny fanandroana? Mamaly izany ny Encyclopédie Britannique (anglisy, fanontana faha-11, Boky faha-II, pejy faha-796):
“Azo akarina hatrany Babylonia fahiny izao ny fanasoritana ny fanandroana, ary raha ny marina dia hatrany amin’ireo dingana voalohany indrindra teo amin’ny tantara babyloniana (...) Tany Babylonia, sahala amin’ny tany Asyria (...) ny fanandroana dia manana ny toerany eo amin’ny fanompoam-pivavahana ofisialy satria izany dia iray amin’ireo fomba roa lehibe nampiasain’ireo mpisorona (...) mba hamantarana tsara ny sitrapo sy ny fikasan’ireo andriamanitra, ka ny iray hafa dia atao amin’ny alalan’ny fizahana ny atin-kenan’ny biby atao sorona [mba hahafantarana ny fambara].”
Araka izany, ny fanandroana dia nanomboka tao amin’ny toerana nanombohan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso manontolo, tany Babylona fahiny koa.
13. a) Inona moa no toerana noraisin’i Josia mpanjaka tsara raha ny amin’ny fanaovana fanandroana? b) Nahoana no tokony hesorintsika tsy ho eo amin’ny fiainantsika ny finoanoampoana? (Joba 31:26-28)
II Mpanjaka 23:5) Tokony hesorintsika koa tsy ho eo amin’ny fiainantsika ny karazam-pinoanoampoana rehetra. Amin’ny fiankinana amin’ny fomba toy izao na toy iry amin’ireo mpanandro na ireo mpanao fankatovana, dia tsy hoe hamery ny fankasitrahan’ilay Andriamanitra velona fotsiny isika, fa mety ho voatarika koa hanaraka fanapahan-kevitra sy fanao ratsy, izay hitondra fahavoazana ho an’ny fiainantsika.
13 Ahoana àry no fihetsika tokony hasehontsika eo anoloan’ny fanandroana, ny fanaovana fankatovana, ny ody “mahatsara vintana” ary ny karazam-pinoanoampoana hafa? Raha irintsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, ny fijoroantsika dia tokony ho sahala amin’ny an’i Josia mpanjaka tsara izay ‘nampitsahatra (...) izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ny volana sy ny kintana amin’ny Zodiaka ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.’ (14. Aiza moa no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika, ary nahoana? (Salamo 25:8, 9)
14 Aiza àry no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika amin’ny ho avy? Hoy ny voalazan’i Solomona mpanjaka amintsika:
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” (Ohabolana 3:5-7)
Amin’ny alalan’ny torohevitra feno fahendrena omena ao amin’ny Baiboly no anafahan’i Jehovah antsika amin’ny fanandevozan’ny finoanoampoana tsy mahasoa ary anomezany antsika mpitari-dalana iray azo antoka mitarika ho amin’ny fiainana sambatra marina tokoa eo ambanin’ny fanjakany araka ny rariny.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 133]
Ny finoanoampoana mifandray amin’ireo andriamanitry ny “vintana tsara”, amin’ny fanambinana ary amin’ny fanaovana fankatovana dia mampidi-doza
[Sary, pejy 138]
Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanaovana fankatovana
[Sary, pejy 139]
Ny zodiakan’ny mpanandro dia niandoha tany Babylona, loharanon’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso