Mpitari-dalana iray mahasoa mba hahitana fahasambarana marina
Toko faha-4
Mpitari-dalana iray mahasoa mba hahitana fahasambarana marina
1. a) Karazana mpitari-dalana inona no tokony hankamamintsika amin’izao fotoana izao? b) Nahoana moa ny Baiboly no aroso ho toy ny mpitari-dalana?
AMIN’NY alina maizina be, dia faly isika raha misy jiron-dalana mazava tsara. Manampy antsika tsy hanana ahiahy izany. Ankehitriny, izay fotoana maizina indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, dia ankamamintsika marina tokoa ny fitarihan-dalana azo antoka mba hanazava ny lalana ho antsika sy ho an’ny fianakaviantsika! Ambonin’izany, raha toa io mpitari-dalana io ka afaka mitarika antsika ho amin’ny ho avy sambatra sy hahafinaritra tokoa, dia azo antoka fa ho tiantsika ny hahafantatra izany. Aoka hohenointsika izay nambaran’ny olon-kendry iray fahizay tamin’Andriamanitra:
“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105)
Ny “tenin’Andriamanitra” dia voarakitra ao amin’ny Baiboly, izay tsy isalasalana fa hekenao ho toy ny mpitari-dalana tsara sy tena izy afaka manampy anao hanana fiainana sambatra sy misy heviny.
MANOME FANAFODIN’IREO ZAVA-MANAHIRANA NY OLOMBELONA
2. Inona no nambaran’ny filoha hindoa iray mikasika ny maha-fanampiana misy vidiny lehibe ny Toriteny teo an-tendrombohitra?
2 Mety ho fanampiana misy vidiny lehibe ho antsika ny Baiboly, araka ny fiaiken’ny olona maro be misaina. Ohatra iray ny amin’izany, dia inty misy filazana (nalaina tao amin’ny boky hoe Treasury of the Christian Faith nosoratan’i S. Corey) mikasika ny resadresaka
nifanaovan’ny filoha hindoa Mahatma Gandhi sy ny Praiministra fahiny tany India, Lord Irwin:“Nitsidika an’i Mahatma tao amin’ny ashram nisy azy Lord Irwin. Nandritra ny resadresaka dia nametraka izao fanontaniana izao tamin’ny mpampiantrano azy i Lord Irwin: ‘Mahatma, amin’ny maha-olona antsika, lazao ahy izay mba heverinao fa mety ho fanafodin’ny zava-manahirana misy eo amin’ny taninao sy ny ahy.’ Naka boky kely iray teo akaikin’ny jiro akaiky teo i Gandhi, nosokafany tao amin’ny toko fahadimy amin’ny Matio izany, ary hoy ny valinteniny: ‘Rehefa miray saina hanaraka ny fampianarana nomen’i Kristy ao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra ny taninao sy ny taniko, dia ho voalamintsika ireo vaza-manahirana, tsy hoe fotsiny ny an’ny tanintsika roa tonta, fa ny an’izao tontolo izao koa.’ Hindoa iray no niteny toy izany!”
3. Ahoana no mety hahasambatra ireo izay ory? (Isaia 61:1, 2)
3 Mba hahatsapana fa azo ampiharina ny fampianarana ao amin’ny Baiboly, dia aoka hodinihintsika ny tapany amin’io Toriteny malaza io. Manomboka amin’ny fampisehoana ny loharanon’ny tena fahasambarana izany:
“Sambatra ny malahelo am-panahy [ireo izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, MN ]; fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
“Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.” (Matio 5:3, 4)
Amin’izao fotoana mahaketraka izao, dia maro ny olona mahatsapa fa mila sakafo ny sainy, mba hahafa-po azy ireo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Olona maro no ory, mahatsiaro ho tohina am-po noho ny toe-piainana ratsy eo amin’izao tontolo izao. Iray amin’izy ireny ve ianao? Raha izany no izy, dia ho tonga amin’ny fahasambarana ianao raha manao fiezahana mba hahafantatra ny antony mahatonga izao andro sarotra izao sy izay fanantenana amin’ny ho avy. Raha mbola mianatra ny amin’izany fanantenana izany ianao, ny alahelonao dia hiova tokoa ho fiononam-po.
4. Karazan’olona manao ahoana no mety hahazo amim-pifaliana ny fitahian’Andriamanitra ankehitriny, sy amin’ny andro ho avy? (Salamo 24:4, 5)
4 Mitohy amin’ireto teny ireto ny Toritenin’i Jesosy:
“Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
“Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
“Sambatra ny miantra, fa izy no hiantrana.
“Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra.
“Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” (Matio 5:5-9)
Eo amin’izao tontolo izao iray ahitana herisetra betsaka, dia fitahiana manao ahoana moa ny fananana olona malemy fanahy manodidina antsika! Ary rehefa ho feno olona toy izany ny tany manontolo, araka ny anomezan’ny Baiboly toky antsika fa izany no ho tanteraka, dia ho sambatra marina tokoa ny olombelona! Tsy irinao ve ny hahita ny famitahana, ny tsy fahamarinana ary ny faharatsiana rehetra amin’izao fotoana izao, hesorina amin’ny tany? Tsy isalasalana fa izany tokoa! Mety ho sambatra ianao ankehitriny, amin’ny fikatsahana ny fahamarinana ho toy ny fomba fiainanao, ary izany fahasambarana izany dia hitobaka raha velona koa ianao ka hahita ny famerenan’Andriamanitra ny fahamarinana manerana izao rehetra izao. Na dia amin’izao taon-tsarotra izao aza, ny miantra, ny madio am-po ary ny mpampihavana [tia fihavanana, MN ], dia afaka manana fiainana mahafa-po, omban’ny fitahian’Andriamanitra. Kanefa izany moa dia santatra fotsin’ny fahasambarana izay ho be dia be tsy ho ela maneran-tany.
SAMBATRA AMIN’NY FOTOAN’NY FITSAPANA
5. Raha misy manohitra ny fianaranao ny Baiboly, inona no hataonao mikasika izany? (II Petera 3:3, 13)
5 Amin’ny fandinihana ny “vaovao tsara” dia mety hahazo fanampiana ianao mba hanana fomba fijery mazava sy manorina, miaraka amin’ny fanantenana marina ho an’ny andro ho avy. Kanefa ny olona sasany dia mety hanohitra na haneso anao noho ny fianaranao ny Baiboly. Moa ve izany antony hampitsaharana ny fianaranao ny Baiboly? Tsia, satria izany dia hilaza fandaozana ny hany mpitari-dalana ho amin’ny fahasambarana amin’izao fotoana mampitebiteby izao. Manohy miteny toy izao Jesosy ao amin’ny Toriteniny:
“Sambatra izany enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
“Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy Matio 5:10-12)
miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.” (Ho sambatra ianao noho ny fanoheranao ireny mpanohitra ireny, satria handroso ho amin’ny fiainana misy zava-kendrena sy mahavokatra ianao, ary ho amin’ny valisoa mandrakizay avy amin’Andriamanitra.
6. Karazam-pianarana ny Baiboly inona no anoroana hevitra antsika? (Deoteronomia 11:18, 19)
6 Etsy andanin’izany, maro amin’ireo izay manomboka mianatra ny Baiboly no mahita fa ny hafa ao amin’ny fianakaviany na amin’ireo sakaizany dia tonga liana ka miaraka amin’izy ireo. Nahoana moa raha ianao mihitsy no manoro hevitra azy ireo hanao izany? Tena zavatra tsara tokoa rehefa ny fianakaviana iray no mandray anjara miaraka amin’ny fifanakalozan-kevitra miorina amin’ny Baiboly. Mety hanampy be dia be amin’ny fanorenana fahasambaram-pianakaviana izany.
7. Hazavao an’ohatra fa ny fianarana ny Baiboly dia afaka mandamina na dia ny zava-manahirana lehibe ara-pianakaviana aza.
7 Indraindray ny Baiboly dia nanampy fianakaviana mba handamina zava-manahirana tena lehibe, sahala amin’ny asehon’izao fitantarana manaraka izao:
Ny lehilahy iray tany Philippines dia mpisotro gaigy lahy sy mpiloka, nifoka sigara efapolo isan’andro ary voan’ny homamiadana teo am-pitomboana ny tendany. Na dia sivy aza ny zanany, dia mahalana vao mba hitan’ny fianakaviany izy. Nandany ny ankamaroan’ny fotoanany sy ny volany tany amin’ny toerana ratsy laza izy, na dia kristiana anarana aza. Nanomboka nisaratsaraka ny fianakaviany. Nefa dia nanaitra azy ny fanetren-tena sy ny endrika sariakan’ireo Vavolombelon’i Jehovah rehefa nitsidika izy ireo. Ny sasany tamin’ny ankizy aloha, dia vao ny fianakaviana manontolo, no nanomboka nianatra ny Baiboly. Nila nanao fiezahana mafy tokoa io lehilahy io mba hialana amin’ny fahazarany maloto, nefa amin’izao fotoana izao izy sy ny mpikambana fito hafa amin’ny fianakaviany dia nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra, raha mbola eo am-panohizana ny fianarany ny Baiboly ny fianakaviana manontolo. Noho ny fialany tamin’ny sigara, dia nisinda ny zava-manahirana mikasika ny tendany. Loham-pianakaviana
be fandavan-tena izy izao. Talanjona ireo havany noho ny fiovany, ary maro amin’izy ireo koa no nampiseho fahalianana amin’ny fianarana ny Baiboly.Raha manana zava-manahirana ny fianakavianao, dia angamba tsy ho lehibe loatra sahala amin’ny an’io lehilahy io. Na izany aza, ny Baiboly dia mety ho hery mitaona mahatalanjona mba hampiray ny fianakaviana koa.
NY TENA FITIAVA-NAMANA
8. Ahoana no ampitandreman’ny Baiboly amin’ny fanirian-dratsy? (I Jaona 2:15-17)
8 Aoka hodinihintsika ny fampiharana hafa sasany amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ka ao amin’izany Jesosy dia mamakafaka ny antony lalina mahatonga ny zava-manahirana izay mampahory ny olombelona. Ohatra, raha niresaka indray ny amin’ny Didy Folo izy, dia nilaza amintsika hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Araka izany dia tokony hitandrin-tena amin’ny fanirian-dratsy isika. Raha mamboly faniriana toy izany ao am-pontsika isika, dia hitarika antsika hanao ratsy izany. Toy inona àry moa ny maha-zava-dehibe ny hambolentsika faniriana tsara, amin’ny famelana ny saintsika sy ny fontsika hifantoka amin-javatra tsara sy mampiorina!
9. Amin’ny fanarahana ohatra inona moa no mety hahavoalamina ny zava-manahirana ny olombelona? (Lioka 6:35)
9 Tamin’ny andron’i Jesosy, dia nisy ireo izay nampianatra hoe, “Tiava ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao.” Kanefa Jesosy dia nanambara zavatra hafa noho izany:
“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45)
Tena tsy mampiseho fitiavan-tena tokoa — ny fikatsahana, eny fa na dia zavatra tsara aza ho an’ny fahavalontsika! Nefa mariho fa izany dia fanahafana ny Raintsika sady Mpamorona any an-danitra, izay manome amin-katsaram-po ho an’ny rehetra velona eto an-tany — eny fa na dia ho an’ny olona ratsy fanahy aza. Raha nampiseho fiheverana amim-pitiavana ny hafa toy izany ny olombelona rehetra, dia mety ho voalamina tokoa ny zava-manahirana an’izao tontolo izao!
10. Nahoana no tsy tokony ho be fanahiana mikasika ny zavatra ilaina isan’andro isika? (Lioka 12:15)
10 Etsy ambanimbany kokoa, dia hoy ilay Toriteny:
“Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? Tsinjovy ny voro-manidina; fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy (...) Matio 6:25-32.
Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha (...) no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo (...)? Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.” —11. a) Inona moa no katsahin’ireo “firenena”, ary vokatra manao ahoana no azony? (Matio 6:19-21) b) Inona moa ny lalana ho amin’ny fahasambarana marina? (Lioka 11:28)
11 Eto Jesosy dia miresaka ny amin’ny fiahiana mahazatra asehontsika amin’ny sakafo, ny fitafiana ary ny fialofana. Ilaintsika ireo zavatra ireo mba hahasambatra antsika. Na izany aza, “ny firenena” voaforon’ny olombelona manodidina antsika dia mandrakariva mikatsaka, tsy ny zavatra ilaina, fa ny fanirian’olombelona. Amin’ny fanasoritana ny faniriana feno fitiavan-tena sy ny fireharehana noho izay ananan’ny olona, ity izao tontolo izao feno fitsiriritana ity dia mampitombo ny fahorian’ny olombelona. Ny fananana Matio 6:33, MN ) Moa ve ny fitiavanao manokana ny fahamarinana manosika anao hanao izany? Tokony ho izany no izy. Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia manome fampaherezana tsara mba hanatrararana izany.
ara-nofo dia mety hitondra fifaliana mihelina ihany, fa ny lalana ho amin’ny fahasambarana marina sy maharitra dia ny ‘fikatsahana voalohany ny fanjakany [an’Andriamanitra] sy ny fahamarinany’. (MPITARI-DALANA MARINA AMIN’NY FOTOAN-TSAROTRA
12. a) Toe-piainana nambara mialoha inona moa no hitantsika manodidina antsika ankehitriny? b) Nefa aiza no mety hahitantsika mpitari-dalana tsara? (II Petera 1:19)
12 Tena zava-dehibe indrindra ny fikatsahana ny fahamarinana amin’izao fotoana ahavelomantsika ankehitriny izao. Rehefa mijery an’izao tontolo izao manodidina antsika isika, dia mahatsikaritra fa izany dia mifanitsy tsara amin’izao fitantarana manaraka nataon’ny apostoly Paoly izao:
“Any am-parany [andro farany, MN ] any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” (II Timoty 3:1-5)
Nilaza i Paoly fa hisy ireo toe-piainana ireo amin’ny “andro farany”. Ary ankehitriny, dia toa mibaribary tokoa fa ny fitambaran’olombelona dia manatrika andro iray fampamoahana! Mihazakazaka haingana miharatsiratsy kokoa izany. Noho izany, aiza marina no mety hitodihantsika mba hahitana fitarihan-dalana? Mamaly izany i Paoly amin’ny fitarihana ny saina ho amin’ny “Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena” ary manampy hoe: “Ny Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ary mahasoa”. (II Timoty 3:15, 16, MN ) Ny Mpamorona antsika, Andriamanitra, dia nanomana “ny Soratra rehetra” ary nitahiry izany ho fanasoavana sy ho fampaherezana antsika amin’izao “andro farany” izao.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 31]
Ny Toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra dia mampiseho ireo fampianarana afaka ‘mandamina ny zava-manahirana an’izao tontolo izao manontolo’
[Sary, pejy 34]
Ny fianarana ny Baiboly dia nanampy ity fianakaviana any Philippines ity handamina zava-manahirana; afaka manampy anao koa izany
[Sary, pejy 36]
Tonga ny fahasambarana rehefa manahaka an’ilay Andriamanitra fitiavana izay mampiposaka ny masoandrony amin’ny karazan’olona rehetra isika
[Sary, pejy 38]
Amin’izao “andro farany” izao, dia ilaintsika ny fitarihan’ny Baiboly mba hitohizan’ny fahavelomana