Nahoana Andriamanitra no namela ny fahoriana hisy?
Toko faha-12
Nahoana Andriamanitra no namela ny fahoriana hisy?
1. Nahoana moa no tokony hahaliana antsika ny fahafantarana ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy? (Salamo 94:2, 3)
MIRAKITRA fitantarana mampatahotra mikasika ny habibian’ny olona amin’ny namany ny tantara. Feno ny ran’ny ady ara-pivavahana, ny fifamonoana ary ny fanenjehana, ireo pejiny. Fandringanana mahatsiravina olona tsy manan-tsiny no niaraka tamin’ny ady maneran-tany roa izay natomboky ny fivavahana lazaina fa kristiana, sy tamin’ireo ady nanaraka tany Korea, Indochine ary tany an-toeran-kafa. Ao amin’ny tany maro dia tsy mitsaha-mitombo ny herisetra, ny fikomiana ary ny fanaovana heloka bevava. Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ireo toe-piainana mahatsiravina ireo? Nahoana no tsy nesoriny hatramin’ny ela ny fahoriana? Andriamanitra mihitsy no manazava ny antony, ao amin’ny Bokiny mirakitra “vaovao tsara”.
2. a) Afaka manaisotra ny faharatsiana ve Andriamanitra, ary maniry hanao izany ve izy? (Joela 1:15) b) Ahoana moa no nampisehoan’Andriamanitra fahendrena tamin’io raharaha io?
2 Ilay Andriamanitra izay afaka namorona ny izao tontolo izao midadasika dia manana marina tokoa ny hery mba hanesorana ny fahoriana rehetra. Amin’ny maha-‘Andriamanitra fitiavana’ azy, dia miahy tokoa ny olombelona izy. Kanefa izy koa dia Andriamanitry ny “fahendrena azo ampiharina”. (I Jaona 4:16; Ohabolana 2:6, 7, MN.) Miseho ny fahendreny amin’ny fakàny fotoana mba handaminana raharaha lehibe iray iadian-kevitra eo amin’izao rehetra izao. Na dia milaza famelany ny fahoriana nandritra ny fotoana iray aza izany, ny vokany mitandahatra ela dia hanome antoka ny fahasambarana mandrakizay ho an’ny zavaboary manan-tsaina rehetra eo amin’izao rehetra izao.
3. a) Asehoy amin’ny alalan’ny fanoharana fa ilaina ny fotoana mba handaminana ilay zavatra niadian-kevitra. b) Nahoana moa izany fotoana ilaina izany no toa fohy ery? (Habakoka 2:3)
3 Izany dia azo oharina amin’ny fitsarana mpamono olona fanta-daza iray. Mety hila volana maromaro mba hanaporofoana ny raharahany, hanasivanana ny Salamo 90:4.
fanaporofoan-javatra rehetra ary hahatongavana amin’ny fitsarana marina sy mamaran-javatra. Avy eo ilay mpamono olona dia mety hesorina, ary ny hafa rehetra izay notandindomin-doza ny fiainany noho izy io dia afaka ny ho sambatra noho ny fanesorana ny fampitahorana. Toy izany koa, nilaina ny fotoana — eo amin’ny enina arivo taona — mba handaminana ny raharaha iray napoitran’ny mpamono olona iray, ny fahavalo lehiben’Andriamanitra. Nefa manao ahoana moa ny fahafohezan’io fotoana io rehefa ampitahaina amin’ny fahasambarana mandrakizay izay mivelatra eo anoloana! Eo imason’Andriamanitra tokoa mantsy “ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly”. —NY ZAVATRA NIADIAN-KEVITRA
4. a) Inona moa no zavatra lehibe niadian-kevitra? (Salamo 83:18) b) Tamin’ny fomba ahoana moa no nisalasalana ny amin’ny fiandrianan’Andriamanitra?
4 Inona moa ny zavatra niadian-kevitra lehibe tokony halamina? Tafiditra amin’izany ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’ireo zavaboariny. Tamin’ny fotoan’ny fikomiana tao Edena dia niadian’i Satana hevitra ny amin’ny fiandrianan’Andriamanitra. Tsy hoe nanana hery hanesorana an’Andriamanitra amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy izy. Tsia, fa napoitrany ny fanontaniana hoe, Marina ve ny fiandrianan’Genesisy 3:1-5) Araka izany, dia ny fahitsiana, ny fahamarinana ary ny fahamendrehan’ny fiandrianan’Andriamanitra no nolavin’i Satana.
Andriamanitra eo amin’ireo zavaboariny ary mikendry ny tombontsoany tsara indrindra ve izany? Marina ve io fiandrianana io ary mendrika ny hotohanan’izy ireo? Tamin’ny alalan’ny menarana iray no nilazan’i Satana tamin’i Eva tany Edena hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Rehefa avy namely ny fiandrianan’Andriamanitra i Satana tamin’ny fitiavana hilaza fa nandainga Izy [Andriamanitra], dia nandresy lahatra an’i Eva izy ary koa an’i Adama tamin’ny alalany [Eva], mba hampialan’izy ireo ny tenany tsy ho eo ambanin’ny fiandrianan’Andriamanitra, ka ho tonga mahaleo tena ary hanapa-kevitra samirery ny amin’izay ho “tsara” sy izay ho “ratsy” ho azy ireo. (5. a) Nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy? (Romana 9:17) b) Amin’ny ahoana moa ny fitsaran’Andriamanitra no hahasoa mandritra ny mandrakizay?
5 Nomelohin’Andriamanitra ho faty ireo mpikomy ratsy fanahy. Nefa dia navelany ho velona mandritra ny fotoana voafetra izy ireo, ary nomeny lalana hanome taranaka tsy lavorary. Navelany hitohy tokoa ny faharatsiana, teo ambany fanapahan’i Satana hatramin’izao andro ankehitriny izao. Ary inona no antony? Mba hanaporofoana indray mandeha ary tsy hiverina intsony fa ny fiandrianany dia marina tanteraka ary tsy misy zavaboary afaka mifaly amin’ny fahasambarana maharitra raha mitady tsy hiankina amin’ny fiandrianany sy ny lalàny marina. Noho izany Andriamanitra dia manameloka an’i Satana ho toy ny “mpamono olona”, mpandainga, mpanendrikendrika, mpamitaka, ary hanaisotra azy miaraka amin’ny mpandika lalàna hafa rehetra. Ny fitsaran’Andriamanitra àry dia hitoetra ho toy ny ohatra sy fototra hitsarana mandritra ny fiainana mandrakizay, raha tahiny misy indray zavaboary miahiahy ny amin’ny fiandrianan’i Jehovah. — Jaona 8:44.
6. a) Inona moa no voaporofo mikasika ny fanapahan’olombelona? b) Sary inona moa no asehon’ny fanapahan’olombelona ankehitriny? (Mpitoriteny 8:9)
6 Ahoana moa no fiasan’izany fitsarana tao amin’ny tribonalin’izao rehetra izao izany? Nasehon’ny olona mazava tsara fa tsy afaka manapaka amin’ny fomba ara-dalàna izy ivelan’ny fiandrianan’Andriamanitra.
Nambaran’i Jeremia mpaminany toy izao indrinda izany:“Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23)
Tsy mbola nisy fotoana nibaribarian’izany mihoatra noho ny amin’izao andro izao, izay nizaran’izao tontolo izao ho antoko demokratika, kaominista ary ho “izao tontolo izao fahatelo” (tiers monde). Ao anatiny, ireo antokony ireo dia voazaran’ny tsy firaisan-kina hafa. Eo amin’ny fanapahan’olombelona, dia hita hatraiza hatraiza ny fandraisana kolikoly sy ny hafetsena miharo lainga. Raha ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo ny faritra iray eto amin’izao tontolo izaon’ny olombelona, ireo mpanapaka dia mandany vola tsy toko tsy forohana amin’ny fanamboarana fiadiana ho azy ireo, izay matetika no fitaovam-piadiana noklehera afaka mandringana ny taranak’olombelona manontolo. Ny ankamaroan’ireo mpanapaka dia ao anatin’ny fahasahiranana ara-toe-karena na fikorontanana lehibe hafa, ary matetika very hevitra izy ireny mandritra ny alina. Izay rehetra mety ho fifanekena ataon’ny mpitondra fanjakana dia mifanitsy amin’ny fitantaran’ny Salamo 127:1 manao hoe:
“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”
7. a) Nahoana moa ny fanapahan’Andriamanitra no ambony noho ny fanapahan’olombelona? (Salamo 45:6, MN ) b) Inona moa izao no hataon’Andriamanitra mikasika ny fanapahan’olombelona, ary nahoana? (Nahoma 1:9)
7 Misy antony mafy orina manaporofo fa ambony be lavitra noho ny fanapahan’olombelona ny fiandrianan’i Jehovah. Miorina amin’ny fitiavana izay “fehin’ny fahatanterahana” ny fiandrianan’Andriamanitra. (Kolosiana 3:14) Mandrakariva dia mihasimba manatona ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritana mihoa-pampana ny fanapahan’olombelona. Manan-kery hampiray sy ‘hanangona ny zavatra rehetra ho iray’ ny fiandrianan’Andriamanitra. (Efesiana 1:10) Mamporisika ny fisarahana, ny fankahalana ary ny ady, ny fanapahan’olombelona. Ny fiandrianan’Andriamanitra dia ampiharina amin’ny “rariny sy ny hitsiny”. (Isaia 9:6) Mandrakariva dia mampijaly ny mahantra sy mizaha tavan’olona amin’ny manan-karena ny fanapahan’olombelona. Nampalahelo fa niseho ho tsy nahomby izany rehefa nandalo fitsapana, ary ankehitriny dia efa akaiky hanaisotra azy tanteraka Andriamanitra, mba hahafahany indray mampihatra amin’ny fomba feno maneran-tany ny fiandrianan’ny tenany araka ny hitsiny.
NY TSY FIVADIHAN’NY OLONA
8. Inona moa no fihaikana napoitran’i Satana mikasika an’i Joba?
8 Kanefa dia nisy zavatra niadian-kevitra mifandray amin’izany nipoitra koa tao amin’ny sahan’i Edena. Izao izany: Satria nikomy ireo olombelona voalohany, moa ve Andriamanitra afaka mametraka olona eto an-tany izay hitoetra ho mahatoky aminy ao anatin’ny fizahan-toetra? Ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa misy ny zavatra iadian-kevitra toy izany. Ny toko roa voalohany dia mitantara izay nitranga tao amin’ny faritry ny lanitra efa ho 3 500 taona na mihoatra lasa izay. Tany, raha nivory teo anatrehan’i Jehovah ireo zanak’Andriamanitra any an-danitra, dia mba niseho koa Satana, ary nandray fitenenana i Jehovah:
“Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” — Joba 1:8-11.
9. Fitantarana manao ahoana moa no navelan’i Joba, ary ahoana no fomba namalian-tsoa azy? (Joba 42:12-16; Jakoba 5:11)
9 Navelan’i Jehovah hisy io fitsapana io. Namoy ny
biby fiompiny Joba, ary nopaohin’ny fahafatesana ireo zanany, nefa dia tsy niteny ratsy an’Andriamanitra izy, na nanohitra azy. Taty aoriana, rehefa nampahorin’i Satana tamin’ny aretina iray maharikoriko izy, dia hoy ny vadiny tamin’ny farany tamim-pahakiviana: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Nefa dia mbola nihazona mafy ihany ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izy. Avy eo dia nisy mpampionona sandoka telo lahy nanampy ny fahoriany, nefa dia izao no nambaran’i Joba:“Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.” (Joba 2:9, 10; 27:5)
Taty aoriana, dia novalian-tsoa be dia be Joba noho ny fihazonany ny tsy fivadihany.
10. Inona moa no fitantarana hafa navelan’ireo mpihazona ny tsy fivadihany? (Hebreo 12:1)
10 Ny fitantaran’ny Baiboly, ao anatin’izany ny Hebreo toko faha-11, dia mampiseho fa olona maro hafa amin’ny taranak’olombelona no nifidy tsy amim-pitiavan-tena ny hanohana ny fiandrianan’i Jehovah, na dia ao aza ny karazam-panafihana mahatsiravina rehetra izay azon’i Satana natao eo anoloan’ny tsy fivadihan’izy ireo. Mitohy hatramin’ny andro ankehitriny ny lisitra lava be mampiseho ireo mpihazona ny tsy fivadihany.
11. a) Ohatra ny amin’ny olona iza nitana ny tsy fivadihany moa no misy amin’izao androntsika izao? (Ohabolana 27:11) b) Ahoana moa no hanamarinan’Andriamanitra ny fiandrianany, ary mbola haharitra hafiriana? (Ezekiela 36:23)
11 Ohatra iray, nandritra ny fanjakan’i Hitler tany Alemaina, ny vavolombelona kristian’i Jehovah dia nanda tsy hiarahaba ny saina nazia na hanaiky ny mpitondra tsy refesi-mandidy ho toy ny mpamonjy azy ireo. Olona an-jatony maro no nanamarika ny tsy fivadihany tamin’ny famoizana ny ainy. Ny iray tamin’izy ireo, tamin’ny alina hamonoana azy, dia nandefa ho an’ny vady malalany izao hafatra manaraka izao izay hafa kely tokoa:
“Rehefa ho tonga any aminao ity taratasy ity, dia ho efa tapitra ny aiko. Fantatsika fa nesorina tsy ho eo amin’ny fahafatesana ny fanindronana ary azo ny fandresena ny fasana. (...) Ho tonga ny fotoana izay hanamarinana ny anaran’Andriamanitra Tsitoha, ary ho hitan’ny olombelona izany. Rehefa manontany ny olona amin’izao fotoana izao hoe, nahoana izy no tsy nanao izany hatramin’izao, dia satria haseho amin’ny fomba
mandaitra kokoa ny heriny amin’izay. (...) Tonga eo amin’ny farany aho ankehitriny, ary mivavaka mba hahafahanao miaritra koa (...) noho izany dia mijery indray mandeha indray ao anatin’ny masonao tony sy mamiratra aho, ary mamafa ny alahelo farany avy ao am-ponao; ary, na dia ao aza ny fanaintainana, dia atrakao ny lohanao ka mifalia, tsy hoe noho ny fahafatesana, fa noho ny fiainana izay homen’Andriamanitra an’ireo izay tia Azy.”Rehefa afaka fotoana fohy, Jehovah dia hanamarina ny fiandrianany, sy ireo rehetra izay nanohana izany, amin’ny fampisehoana ny heriny mba hanoherana ireo fahavalony, ka izany dia hampisandratra ny anarany “any amin’ny tany rehetra”. — Eksodosy 9:16.
ILAY MPIHAZONA NY TSY FIVADIHANA MIAVAKA INDRINDRA
12. Iza moa no tsara toerana indrindra mba hanaporofo ny fiandaniana amin’i Jehovah tamin’io zavatra niadian-kevitra io, ary tamin’ny fomba ahoana no nahatongavany ho olona? (Jaona 1:14)
12 Kanefa, ny raharaha mikasika ny tsy fivadihana dia mahafaoka be lavitra noho isika olombelona. Na dia ny anjely iray tany an-danitra aza dia nikomy mba ho tonga Satana, ary nanaraka azy tamin’izany fikomiana izany ny ‘zanak’Andriamanitra’ hafa. (Genesisy 6:4, 5) Noho izany ny zavatra niadian-kevitra dia mahakasika izao rehetra izao. Tsy nisy afaka nanaporofo tsara kokoa ny fiandaniana amin’i Jehovah momba io zavatra niadian-kevitra io, mihoatra noho ny olona ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao manarakaraka an’i Jehovah — dia ilay “mpità-marika” izay nanampy azy teo amin’ny famoronana! Neken’io Zanaka tany an-danitra io tamim-pifaliana ny hamindran’Andriamanitra ny fiainany tao an-kibon’ny virijina isiraelita iray atao hoe Maria, mba hahafahany ho teraka amin’ny maha-olombelona azy eto an-tany, toerana nampitrangan’i Satana ilay zavatra niadian-kevitra.
13. Tamin’ny fomba ahoana moa no nisetran’i Jesosy ny fihaikan’i Satana? (I Petera 2:21-23)
13 Rehefa tonga tamin’ny fahalehibeazana Jesosy Zanak’Andriamanitra, dia natao batisa ho mariky ny fanolorany ny tenany hanatanteraka ny asa manokana izay nanendren’Andriamanitra azy. Tsy ela akory dia tonga ny fanafihan’i Satana! Natolotr’i Satana an’i Jesosy ny fiandrianana, izay efa nananany tamin’izay
fotoana izay teo amin’ny fanjakan’olombelona rehetra tetỳ an-tany, raha tahiny Jesosy manao fihetsehana mampiseho fankalazana an’i Satana ka manapaka amin’izany ny tsy fivadihany amin’i Jehovah. Hoy ny navalin’i Jesosy an’i Satana:“Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.’ ” — Matio 4:10.
14. Nahoana moa no afaka nilaza Jesosy fa ‘tsy nanana na inona na inona tao aminy’ i Satana?
14 Rehefa tsy nahomby Satana teo amin’ny fanozongozonana an’i Jesosy tsy hanaraka ny lalàn’i Jehovah araka ny rariny, dia nampiharany fanerena mahery vaika indray izy tamin’ny alalan’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny. Nenjehen’izy ireo tamin-kalozana izy ary nataony tamin’ny farany izay hahafaty azy teo amin’ny hazo famonoana; nefa dia tsy nahomby izy ireo tamin’ny fampialana azy tamin’ny lalan’ny tsy fivadihana sy ny fankatoavana tanteraka ny fiandrianan’Andriamanitra. Tamin’ny andro nahafatesany, dia afaka nilaza ny amin’i Satana toy izao Jesosy: “Tsy manana na inona na inona ato amiko izy.” (Jaona 14:30) Ny andro fahatelo taorian’izay, dia novalian’i Jehovah soa ny Zanakalahiny nahatoky tamin’ny fananganana azy tao amin’ny fanahy ary taty aoriana dia tamin’ny fanandratana azy tamim-pankasitrahana ho eo amin’ny ‘tanany ankavanana’ any an-danitra. — Asan’ny apostoly 2:32, 33.
15. Ahoana no nampaherezan’i Jesosy ny mpianany, ary niseho ho toy inona moa izy ireo? (Filipiana 2:5, 8, 9)
15 Izao no nambaran’io mpihazona ny tsy fivadihany io tamin’ny mpianany nahatoky:
“Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia! Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33)
Ireo apostolin’i Jesosy sy ny kristiana maro taorian’izy ireo dia niseho koa ho mpihazona ny tsy fivadihany, hatramin’ny fahafatesana.
MPANAPAKA VOAZAHA TOETRA SY MAHATOKY
16. Nahoana moa ny olombelona no afaka matoky ny fitondrana vaovao ny tany? (Isaia 32:1)
16 Misy fikasan’Andriamanitra lehibe hafa iray koa tanteraka, tamin’ny famelany ny mpianatr’i Jesosy hiaritra fitsapana sy fanenjehana. Sahala amin’ny tenan’i Jesosy izay “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny”, dia toy izany koa fa izy ireo dia nozarina sy novolavolaina tamin’ny alalan’ny fahoriana, mba hampitombo tsy fivadihana tanteraka amin’ny fiandrianan’Andriamanitra, sahala amin’ny azy. Asehon’ny Baiboly fa nifidy “ondry vitsy” Andriamanitra avy amin’ireo mpianatr’i Jesosy, “efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy” ny isany, mba handray anjara amin’ny “fitsanganana voalohany” ara-panahy, ary hanapaka miaraka amin’i Kristy ao amin’ny fanjakany arivo taona eo amin’ny olombelona. Endrey ny fahasamihafan’izany fanapahan’ny Fanjakana any an-danitra izany amin’ny fanapahan’olombelona ankehitriny simba sy tsy manana fotopoto-pitsipika! Ankoatra izany, ireo mpitondra hita maso etỳ an-tany manontolo amin’ny andro ho avy, dia hahitana lehilahy sahala amin-dry Joba sy ny maro be hafa koa izay nihazona ny tsy fivadihany, na tamin’ny andro fahiny, na tamin’izao taonjato faharoapolo ahavelomantsika ankehitriny izao! Endrey ny fitokisana hananan’ny olombelona amin’izany fitondrana izany! — Hebreo 5:8; Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1-5; 20:6.
17. Nahoana moa ny fahari-pon’Andriamanitra no nahasoa antsika? (II Petera 3:9, 15)
17 Tokony ho faly isika raha nampiseho “fahari-po” Jehovah tamin’ny tsy fandringanany avy hatrany ny ratsy fanahy, satria nanome fahafahana ny maro izany mba hiandany amin’i Jehovah amin’ilay zavatra lehibe niadian-kevitra. (Romana 2:4) Enga anie ka ho voatahy koa ianao eo amin’ny fanohananao ny fiandrianany!
18. a) Amin’ny fomba ahoana moa no hanatanterahan’Andriamanitra ny fitsarany? (Jeremia 25:31) b) Ho tonga karazan-toerana manao ahoana moa ny tany amin’izany fotoana izany? (Isaia 11:9)
18 Ny zavatra niadian-kevitra naharitra mikasika ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny tsy fivadihan’ny olona dia efa akaiky ho voalamina indray mandeha tsy hiverina intsony, ary ho tombontsoan’i Jehovah tanteraka. Tsy ho ela dia hotanterahin’i Jehovah ny “didim-pitsarany” amin’ny fanesorana tsy ho etỳ an-tany an’i Satana sy ny hafa rehetra izay manohitra ny fanapahan’Andriamanitra. Amin’izay ny tany dia ho tonga toerana be voninahitra iray, ka “izay rehetra Salamo 150:6) Nefa mba hahafahana midera an’Andriamanitra hatrany dia ilain’ny olona ny ho velona hatrany. Ahoana no mety hahatanteraka izany? Ny toko manaraka no hanambara izany.
manam-pofonaina” eto an-tany dia “samy hidera an’i Jehovah”. ([Fanontaniana]
[Sary, pejy 107]
Mila fotoana ny fitsarana iray. Toy izany koa, ny zavatra niadian-kevitra mikasika ny fiandrianana dia tokony hodinihina tanteraka
[Sary, pejy 110]
Na dia notsapaina mafy aza Joba, dia nitana ny tsy fivadihany
[Sary, pejy 113]
Jesosy Kristy, ilay mpihazona ny tsy fivadihana lehibe indrindra amin’ny olona rehetra
[Sary, pejy 115]
Hanandratra ny fiandrianana ara-drarin’i Jehovah ny fanjakana arivo taonan’i Kristy ary hitahy ny olombelona rehetra