Ny ankizy — “lova avy amin’i Jehovah”
Toko faha-19
Ny ankizy — “lova avy amin’i Jehovah”
1. Ahoana moa no tokony ho fifampiheveran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka? (Salamo 128:1, 3, 4)
SOLOMONA mpanjaka dia milazalaza ny ankizy ho toy ny “tamby” sy “lova avy amin’i Jehovah”. (Salamo 127:3) Raha ray na reny ianao, dia azo antoka fa mankamamy ireo zanakao ianao. Ary raha ankizy ianao, dia azo antoka fa maniry hampifaly ny ray aman-dreninao sy hiaina amin’ny fiainana sambatra ary mahasoa miaraka aminy.
2. Manana andraikitra hanao inona amin’ny ray aman-dreniny moa ny zanaka, ary nahoana? (Eksodosy 20:12)
2 Rehefa avy nanome torohevitra manampy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ny apostoly Paoly, dia manohy manoro hevitra ny ankizy sy ny ray aman-dreny amin’izao teny izao:
“Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany. Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:20, 21)
Noho izany, ry tanora, tsarovy fa tia anareo ny ray aman-dreninareo, ary tokony hiezaka hankatò azy ianareo amin’ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainana andavanandro. Ary ianareo ray aman-dreny, ampio ny zanakareo mba hahatsapa fa tianareo izy ary anisan’ny tapany lehibe amin’ny fampiraisana ny fianakaviana.
3. Amin’ny fotoana toy inona ary amin’ny fomba ahoana moa no tokony hanomezana ny famaizana? (Ohabolana 13:24)
3 Marina fa misy fotoana ilàn’ny ankizy tsirairay avy lalàm-pifehezana, eny fa na dia amin’ny fampiasana tsorakazo ara-bakiteny aza, nefa izany dia tokony hatao — ary tsy tokony hatao tafahoatra — amin’ny fomba hentitra sy amim-pitiavana, tsy misy fampisehoana firehetan’ny fahatezerana. Hankasitraka ny famaizana mendrika ho azy ireo ny ankizy, ary tsy ‘hampahasosotra’ azy izany. Hankasitraka koa ny fahamoram-panahy sy ny fiahiana amim-pitiavana raisiny amin’ny fotoana hafa izy.
ATAOVY IZAY ‘HAMPAHAHENDRY HO AMIN’NY FAMONJENA’ NY ANKIZY
4. a) Inona moa no vokatry ny famolavolana tamim-paharetana nataon’i Eonika tamin’i Timoty? (Asan’ny apostoly 16:1, 2) b) Manomboka hatramin’ny firy taona moa ny zaza iray no tokony hampiana mba hahafantatra “ny Soratra Masina”? (Salamo 22:9, 10)
4 Tao amin’ny taratasy farany iray nosoratany fotoana fohy talohan’ny hamonoana azy, Paoly dia niresaka tamin-kafanana ny amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” izay azon’i Timoty namany tanora avy amin’i Loisa renibeny sy Eonika reniny, jiosy vavy iray. Na dia tsy mpino aza ny rain’i Timoty izay grika, ny reniny dia nanao fiezahana mba hitaiza ny zanany lahy tao amin’ny finoana, araka ny tokony hataon’ny ray aman-dreny mpino rehetra. Tsy ny fampianarana am-bava fotsiny, fa ny ohatra tsara lalandava omen’ny ray aman-dreny izay ‘mitondra tena mendrika ny filazantsara’ koa, dia ho modely harahin’ny tanora eo amin’ny fomba fiaina. Hatramin’ny fahafiry taonany moa Timoty no nandray ny fampianarana toy izany? Nosoratan’i Paoly taminy fa “hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’ny Kristy Jesosy.” — II Timoty 1:5; 3:15; Filipiana 1:27.
5. Nahoana moa no zava-dehibe ny handentehana ny hevitr’Andriamanitra ao amin’ny zaza iray raha mbola vao kely izy? (Lioka 2:40)
5 Kanefa moa ve ny zazakely iray afaka mandray ny zavatra ara-panahy? Eny, izany tokoa! Hevero izao: Eo amin’ny fahaterahany, ny atidohan’ny zaza iray dia ampahefatry ny lanjan’ny atidohan’olon-dehibe fotsiny. Nefa ao anatin’ny roa taona monja izany atidoha izany dia mitombo haingana aoka izany ka mahatratra telo ampahefatry ny lanjan’ny an’ny olon-dehibe. Ao anatin’io fotoana fohy io ny zaza dia mandray ny ankabeazan’ny fahalalana fototra izay hampitombo azy eo amin’ny fiainana, ao anatin’izany
ny fanombohana mianatra fiteny iray izay asa sarotra.6. Inona moa no hanampy ny ray aman-dreny mba hanohina ny fon’ireo zanany? (Ohabolana 4:23)
6 Afaka mandray koa izay mety ho ren’ny sofiny mikasika ny zavatra ara-panahy ny zazakely. Ary mila fahalalana ara-panahy izy, satria noharìna “tahaka ny endrik’Andriamanitra” ny olona. (Genesisy 1:27) Noho izany no anomezan’Andriamanitra ho an’ireo ray izao baiko ao amin’ny Deoteronomia 11:18, 19 izao: “Koa alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, (...) ary ampianaro ny zanakareo izany”. Mety hanampy ny ray aman-dreny eo amin’ny fanohinana ny fon’ireo zanany ny fanomezana ohatra tsara amin’ny fampiharana ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ireo izay mamolavola ny fo sy ny fanahin’ny zanany kely “hatry ny fony vao zaza” dia hahazo ny valisoany.
7. a) Nahoana moa no iankinan’ny ain’ny zanatsika ny fandaniana fotoana miaraka aminy? (Ohabolana 4:1-4) b) Tantarao ny fisehoan-javatra iray mampiseho ny fomba mety hahitan’ny ray aman-dreny fifaliana eo amin’ny fitaizana ny ankizy.
7 Ahoana no mety hanaovana izany? Angamba ny olombelona ho afaka hianatra avy amin’ny biby sasany izay mandrakariva miaraka amin’ireo zanany, manazatra sy manomana azy ho amin’ny fiainana. Tsy misy zavatra mahasolo ny fandaniana fotoana miaraka amin’ireo zanatsika kely. Ireo reny tatsinanana izay zatra mibaby ny zanany ary miresaka aminy tsy tapaka avy eo
an-tsorony raha eo am-panaovana ny asany ao an-tokantrano sy ny fiantsenana na ny fitsidihana, dia nahita fahombiazana tsara teo amin’ny fampandraisana zavatra misy vidiny an’ireo zanany kely.Ny reny iray dia nampianatra ny zanany vavy kely hihira, ka tamin’izany dia nampiditra teny ao amin’ny Soratra masina ho tononkira. Rehefa roa taona ilay zaza dia afaka nihira ny anaran’ireo boky ao amin’ny Soratra grika kristiana. Rehefa roa taona sy telo volana izy dia afaka nihira ny anaran’ireo boky enina amby enimpolo manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Raha mbola teo am-pianarana mamerina ireo toetra lehiben’Andriamanitra izy, dia ny fahendrena, ny fahamarinana, ny hery sy ny fitiavana, ary koa ny vokatry ny fanahy sivy ao amin’ny Galatiana 5:22, 23, dia tafalentika tao aminy ireo toetra ireo ka nampianatra azy ny fomba hanehoana ny tsirairay tamin’ny fihetsehana misy heviny. Noho izy nanao ny asan’ny “mpitory maharitra” niaraka tamin’ny reniny tamin’ny asa fitoriana isan-trano sy isan’andro ny “vaovao tsara” ary nanatrika ny fampianarana Baiboly tany an-tokantranon’ireo olona liana, ny fankasitrahany ny zavatra ara-panahy dia nitombo isam-bolana.
Ray aman-dreny mpino hafa an’arivony maro no nanandrana fifaliana toy izany teo amin’ny fampiofanana ireo zanany kely.
8. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahaliana ireo zanany amin’ny asan’i Jehovah sy ny fahendreny? (Salamo 78:2-4)
8 Ny fandaniana fotoana mahasoa miaraka amin’ny zanaky ny tena dia antitranterina ao amin’ny Soratra hebreo. Araka izany, rehefa avy nanambara mazava tsara ny didy lehibe indrindra manao hoe — “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra” — i Mosesy, dia nanohy niteny tamin’ireo ray isiraelita hoe:
“Ary aoka ho ao am-ponao izao teny (...) izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:4-7)
Hatramin’ny fotoana fifohazana amin’ny maraina ka hatramin’ny fotoana fialan-tsasatra amin’ny alina, ny ray aman-dreny dia afaka mampandray tombontsoa
ireo zanany kely amin’ny fampianarana azy ireny, araka ny mety, mikasika ny fahendrena mahatalanjon’i Jehovah hita mibaribary loatra eo amin’ny zavaboary noforoniny.9. a) Raha ny amin’ny faharetan’ny fotoam-pianarana, inona moa no tokony hotadidian’ny ray aman-dreny? b) Ahoana no azo ampisehoana ny vaovao tsara amin’ny zanaky ny tena amin’ny fomba mampiorina, ary amin’ny fikendrena inona? (Salamo 71:17, 18)
9 Kanefa dia tokony hotadidiana fa malaky vizana ny sain’ny ankizy ary mila fotoana mba hilalaovana sy hialana voly ny tanora. Azo atao tsy amin’ny fomba henjana, fohy ary mahaliana ny fandaharam-pianarana ny Baiboly miaraka amin’ny ankizy kely, nefa rehefa hita fa manomboka mivezivezy ny sainy, dia mety ho tsaratsara kokoa ny mampitsahatra ny fianarana ho amin’ny fotoana hafa. Iankinan’ny fahombiazana ny fahitan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy fifaliana sy fahafinaretana amin’izay zavatra ianarany miaraka. Ry ray aman-dreny, aoreno ao amin’ireny fo tanora ireny ny fitiavana an’Andriamanitra! Aza avela mihitsy ny “vaovao tsara” hanana ny endriky ny fitohitohizam-pandrarana toy ny hoe “Aza atao izao” sy ny “Tsy tokony hatao izao”. Fa ampio kosa ireo zanakareo hitoky amin’Andriamanitra sahala amin’ny ataony aminareo ihany izay ray aman-dreniny eto an-tany, sy hankamamy ny hatsaram-pony, ny fahamoram-panahiny ary ny fahalalahan-tanany. Rehefa mandeha ny fotoana, dia haniry hanompo an’i Jehovah amim-pitiavana sy amim-pankasitrahana izy ireny noho ny zavatra mahagaga rehetra nataony ho amin’ny fiainana, ankehitriny sy amin’ny ho avy.
10. Ahoana no mety hahazoan’ny ankizy mpino mitondra fahasoavana ho an’ny rainy na ny reniny tsy mpino? (Ohabolana 10:1)
10 Ny zaza izay notezaina tsara araka ny fitsipiky
ny Baiboly dia afaka ho tonga olon-dehibe manome voninahitra sy mampifaly ireo ray aman-dreny mpino. Ary matetika ny ray na ny reny tsy mpino iray, rehefa manamarika ireo toetra tsara nambolen’ny fianarana Baiboly tao amin’ny zanany, no mety ho voatosika hampiseho fahalianana amin’ny “vaovao tsara”.Nilaza toy izao ny raim-pianakaviana iray tamin’ny andro nanaovana batisa azy: ‘Mpiandraikitra ny toeram-panorenana iray aho, nefa isan-kariva dia mamo, ary nanomboka nahakasika ny asako izany. Nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko sy ny fianakaviako. Indray hariva dia nanatona ahy tampoka ny zanako lahy kely izay tsy ampy dimy taona akory, ka nametraka ny lohany teo an-tsoroko ary niteny hoe: “Dada ô, isan-kariva ianao dia mamo sy mifoka sigara. Manome alahelo loatra an’i Neny sy ny anabaviko izany, ary mbola halan’i Jehovah Andriamanitra bebe kokoa. Milaza ny Baiboly fa amin’ny maha-zanaka ahy dia tokony hankatò ny raiko aho ary ny raiko dia tokony hankatò an’i Jesosy Kristy. Koa mba mianara Baiboly sahala amin’i Neny moa e!” Niresaka tamiko tamin’ny fomba mampiaiky nandritra ny ora roa izy ary nanana fihetsika tsara. Nampanantena azy àry aho fa hanandrana hianatra ny Baiboly. Raha vao nanomboka nianatra ny fahamarinana aho, dia nahatsapa fa ho azoko atao ny hahafoy ny fombako miolonolona ka hampitombo fifehezan-tena. Nanjary toerana mampiravoravo sy mahasambatra ny tokantranonay.’
Matetika ny ray na ny reny tsy mpino iray no nihaino ny zaza iray voataiza araka ny Baiboly ka nieritreritra lalina avy eo.
REHEFA MIHALEHIBE NY ZAZA
11. Nahoana moa no tokony hiara-hanatrika ireo fivoriana ny fianakaviana? (Salamo 84:4, 10-12)
11 Ho an’ireo fianakaviana anisan’ny vahoakan’Andriamanitra, ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona isan-kerinandro dia manolotra fifaneraserana mahafaly. Baiko tokoa teo amin’ny Isiraely, ny ‘famoriana ny vahoaka, na lehilahy na vehivavy, na ankizy madinika (...) hihainoany sy hianarany’. (Deoteronomia 31:12) Rehefa mipetraka eo anilan’ny ray aman-dreny ny ankizy kely ary miezaka mihaino, mianatra sy mandray anjara amin’ny fivoriana, ireo fianakaviana sambatra rehetra ireo dia mampitombo ny hafanana, ny fitiavana ary ny firaisan-tsain’ny kongregasiona kristiana.
12. a) Inona moa no fitandremana manokana ilain’ny ray aman-dreny atao rehefa manomboka mandeha mianatra ny zanany? (I Korintiana 15:33) b) Inona no fitahiana maharitra mety hoentin’ny fitaizana tsara ny ankizy? (Deoteronomia 11:18-21)
12 Rehefa manomboka mandeha mianatra ny ankizy dia manatrika fifaneraserana ary koa fampianarana vaovao, toy ny evaolisiona, izay mety hifanipaka amin’ny Baiboly. Ilain’ny ray aman-dreny ny mampiseho fiahiana manokana mba hiaro azy ireny amin’ny fitaoman-dratsy, amin’ny fisehoana ho liana amin’izay zavatra rehetra ataony ary amin’ny fiaraha-midinidinika aminy ny amin’izay tsara sy izay ratsy araka ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Hoy ny ambaran’ny Ohabolana 22:6:
“Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”
13. Araka ny voatantara ato amin’ny boky, vokatra tsara inona moa no mety homen’ireo ankizy voavolavolan’ny Baiboly?
13 Matetika ny fitondrantena tsara asehon’ny ankizy voavolavolan’ny Baiboly no miteraka vokatra tsara any an-tsekoly, araka ny asehon’izao fitantarana manaraka izao:
Indray andro tany an-tsekoly dia nantsoina tany amin’ny biraon’ny mpampianatra ny zazavavy kilasy fahenina iray sy ny zandriny vavy. Tao ny mpampianatra roa amby dimampolo, izay niharihary fa very hevitra mikasika ny fitomboan’ny ditra teo amin’ny mpianatra, dia nanadinadina azy nandritra ny ora roa teo anatrehan’ny fitambarana mpiara-mianatra, ary nanadihady tamin’ny antsipiriany ny amin’ny famolavolana araka ny Baiboly noraisin’izy ireo, ny fanaraha-maso nampiharin’ny ray aman-dreniny teo amin’ny fijerena fandaharana amin’ny televiziona, ny famakiana boky misy hatsikana, sy ny sisa koa. Teo am-pamaranana, dia hoy ny fanamarihan’ny lehibe: “Raha novolavolaina sahala amin’ny zanaky ny
Vavolombelon’i Jehovah ny ankizy rehetra, dia ho nanana sekoly nahafinaritra isika, tsy ho nisy ankizy nampijaly ny hafa na nanome valinteny an’avona.” Vokatr’io fivoriana io, dia afaka nanomboka fianarana ny Baiboly tamin’ny mpiara-mianatra aminy enina amby roapolo ilay zazavavy.14. Inona moa no manamarina fa tena miasa tokoa ny fandaharana noraisin’i Jehovah ho an’ireo fianakaviana?
14 Ny fianakaviana izay nampiraisin’ny Baiboly, ary mametraka ny tombontsoa ara-panahy amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana, dia tsara fitaovana mba hanohitra ireo fitsapana amin’izao “andro mahory [sarotra tsy mora setraina, MN ]” izao. (II Timoty 3:1) Ao amin’ny paradisa ara-panahy lehibe izay mitatra hatrany amin’ny faran’ny tany amin’izao fotoana izao, dia misy fitambaram-pianakaviana maro be avy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena ary ny vahoaka rehetra, afaka manamarina fa ny fandaharana noraisin’i Jehovah ho an’ireo fianakaviana dia miasa marina tokoa, ho fitahiana an’ireo izay tia azy! Mankalaza fatratra an’i Jehovah ho Lohan’ny “fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” izy ary miandry amim-pahatokiana ny fandrotsahany fitahiana amin’ny fianakaviana rehetra izay manohana ny fiandrianany, rehefa ho voaorina tsy ho ela eto amin’ny tany manontolo ny paradisa. — Efesiana 3:15.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 167]
Mitombo haingana ny fahaizan’ny zaza iray na dia hatramin’ny fahakelezany aza
[Sary, pejy 168]
Ilain’ny zaza ny misakafo ara-panahy
[Sary, pejy 170]
Mandania fotoana miaraka amin’ny zanakao. Hovalian-tsoa ianao amin’izany
[Sary, pejy 173]
Sambatra ireo fianakaviana izay mihazakazaka ao anatin’ny firaisan-tsaina ho amin’ny fiainana mandrakizay