Ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra velona
Toko faha-14
Ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra velona
1. a) Karazam-pivavahana inona moa no ankasitrahan’Andriamanitra? b) Nahoana moa no tsy azo antoka ny fanarahana antokom-pinoana iray na inona izany na inona? (Matio 15:14) d) Ho amin’ny lalana inona moa no hitarihan’ny fivavahana marina anao? (Filipiana 4:8)
MAMPIORINA ny fanompoam-pivavahana marina. Mampiseho fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana izy, ary manalavitra ny fahalotoan’izao tontolo izao. Mitantara izany toy izao Jakoba rahalahin’i Jesosy:
“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” (Jakoba 1:27)
Izany akory tsy milaza ny fanarahanao fotsiny antokom-pinoana iray, sahala amin’ny hoe fandehanana amin’ny iray amin’ny lalan-kely maro mitondra ho amin’ny tendrombohitra iray. Mety hampidi-doza ny lalan-kely toy ireny ary hitarika anao amin’ny lalan-diso, satria misy antoko maro mifanohitra ankehitriny, manana mpitarika voafitaka na manana antony manosika feno fitiavan-tena. Mifanohitra amin’izany, ny fanompoam-pivavahana marina dia hitarika anao araka ny “fahendrena avy any ambony” izay “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana [manao fanavakavahana, MN ] na mihatsaravelatsihy.” — Jakoba 3:17.
2. a) Nahoana moa ny sasany amin’ny razambentsika no niova fivavahana? b) Noho izany, inona moa no fahendrena ny hanaovantsika azy amin’izao fotoana izao? (I Tesaloniana 5:20, 21)
2 Ny olona sasany dia manamarina ny maha-mpikambana azy amin’ny antokom-pinoana iray, amin’ny filazana hoe ‘Tamin’izany fomba izany no nivavahanay sy ny razambenay hatramin’ny taranaka maro’. Nefa ny tantara dia mampiseho fa maro amin’ireny razambe ireny no naniry hiova, raha noheveriny fa mahasoa izany. Ohatra, any Japon dia nanaraka ny fivavahana shintoista ny olona rehetra hatramin’ny
taonjato fahasivy. Taty aoriana dia olona maro no voasinton’ny bodisma ary nanaiky izany fivavahana izany. Ankehitriny, ny ankamaroan’ny olona japone dia hilaza aminao fa bodista izy ireo. Ny nahatonga izany dia satria ireo razambeny tsy mba nanana fihetsika nanao hoe, ‘Ampy ahy tsara ny fivavahan’ny ray aman-dreniko’. Naniry hihaino olon-kafa izy ireny. Amin’izao fotoana izao koa, dia olona maro no mihaino ny Baiboly.3. Fomba fihevitra diso inona moa no nahitsin’i Jesosy raha niresaka ny amin’ny fanompoam-pivavahana izy? (Isaia 46:5-7)
3 Karazam-pivavahana inona moa no anoroan’ny Baiboly hevitra? Fony tetỳ an-tany Jesosy, ny ankamaroan’olona dia nihevitra fa zava-dehibe ny fankalazana sy ny fombafomba rehefa mivavaka. Nivavaka tao amin’ny tendrombohitra manokana iray ny sasany, ary ny hafa tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Hoy ny tenin’i Jesosy mikasika azy ireo:
“Fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; (...) Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra Jaona 4:21, 24.
dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” —4. Inona no dikan’ny hoe mivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? (Lioka 10:27)
4 Inona moa no tian’i Jesosy holazaina amin’izany? Te-hilaza izy fa tsy ny fivavahana manara-pomba ao amin’ny tempoly na eglizy iray, arahin’ny fombafomba ivelany akory no irin’Andriamanitra. Jehovah Andriamanitra dia “ny Fanahy”. (II Korintiana 3:18) Ny fivavahantsika amin’ny fanahy, aseho amin’ny fo mankasitraka, no misy vidiny aminy na aiza na aiza. Sahala amin’ny itiavan’Andriamanitra antsika sy ampisehoany izany amin’ny fandaharana rehetra ataony ho antsika, no ahazoantsika mivavaka aminy “amin’ny fanahy” amin’ny fanehoana ny fitiavantsika azy, ary koa ny namantsika. Azontsika atao ny mivavaka aminy ‘amin’ny fahamarinana’ amin’ny fianarana avy amin’ny Teniny, ny Baiboly, izay fikasany mikasika antsika, ary avy eo dia manao izany sitrapon’Andriamanitra izany. Ny fivavahantsika ‘amin’ny fahamarinana’ koa dia mitaky ny handavantsika mafy ny lainga ara-pivavahana rehetra.
“MIALÀ AMINY HIANAREO, RY OLOKO”
5. a) Karazam-panompoam-pivavahana inona moa no asehon’ny Baiboly fa tokony hohalavirintsika? (Jeremia 10:3-5) b) Ahoana no itantaran’ny Apokalypsy ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ary inona no antony? (Jakoba 4:4)
5 Mba haneken’i Jehovah ny fanompoam-pivavahantsika ara-panahy, dia tokony hanary tanteraka ny fivavahan-diso rehetra isika. Asehon’ny Baiboly mazava tsara izany ao amin’ny andinin-teny maromaro:
“Ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.” “Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo [Jehovah, MN ] sy ny latabatry ny demonia hianareo”. “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” (I Korintiana 10:14, 21; I Jaona 5:21)
Izany dia mbola ampian’ny Apokalypsy ny baiko mahery hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko”. Mialà amin’iza? Amin’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany” — dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, katolika, protestanta ary ny tsy kristiana, ka izy rehetra ireo dia mandà ny fahamarinan’ny Baiboly! Araka ny efa nomarihintsika teo aloha, ny fijangajangany ara-panahy dia ny fanomezany fampaherezana sy fanohanana ny mpanapaka sy ny mpanao politikany eo amin’izao tontolo izao. Nandamina mihitsy ny antoko politikany Apokalypsy 17:3-5, 16; 18:4.
manokana notapahin’ny fivavahana aza izy. Miaraka amin’ireo antokom-pinoana “zanany vavy”, izy dia nahaforona fitantarana iray ahitana fanohanana ny mpitondra tsy refesi-mandidy sy ny mpanapaka hafa ara-politika tao amin’ny ady nataony sy ny fandaharany mampiseho herisetra sy fampahoriana. Hita ho tsara tarehy izy tetỳ ivelany, tamin’ny fihamboany ho “manadio” ny politika, amin’ny fanolorana ho an’ny mpanapaka fanajana misy fahamasinana sy tamin’ny fitsofan-drano ireo fitaovam-piadany. Nefa ny lanitra dia milaza amintsika maika dia maika hoe: ‘Misaraha tanteraka aminy!’, satria ny hery ara-politikan’ireo “mpifankatia” taminy taloha, dia efa akaiky handringana azy! —6. Afaka manonona fanaom-bahoaka ara-pivavahana nipoitra avy any Babylona fahiny ve ianao?
6 Noho izany, dia ilaintsika ny misaraka amin’ny volavolan-kevitra sy ny fampianarana ary ny fanao ara-pivavahana diso rehetra. Inona moa ny sasany amin’ireo fanao ireo? Ny kardinaly anglisy atao hoe Newman dia mitantara maromaro amin’izy ireny ao amin’ny bokiny hoe Soratra amin’ny ambangovangony mikasika ny fandrosoan’ny fampianarana kristiana, natonta tamin’ny taona 1878:
“Ny fampiasana tempoly, ary ireo voatokana ho an’ny olo-masina manokana, sy noravahina sampan-kazo tamin’ny fotoana sasany; ny emboka, ny jiro, ny labozia; ny fanatitra fanalam-boady noho ny fahasitranana avy amin’ny aretina; ny rano voahasina; ny trano fisainana; ny andro fety sy ny fizaran-taona, ny fampiasana fanisanandro [ara-pivavahana], ny prosesiona, ny fitsofan-drano ny saha fambolena; ny fitafian’ny mpisorona, ny fanasolana ny tampon-doha, (...) ny sary taty aoriana, ary angamba ny hiram-piangonana.”
Tao amin’io bokiny io ilay kardinaly dia miresaka ny amin’ny fanamasinan’ny Eglizy katolika ireo fanao ireo tamin’ny fandraisana azy avy amin’ny fivavahana tsy kristiana, na dia voalaza aza, araka ny teniny ihany, fa ireo dia “fiasana sy kojakojan-javatra mihitsy an’ny fanompoana demonia”.
7. a) Fety ara-pivavahana inona moa no tsy ankasitrahan’Andriamanitra? b) Moa ve ny Noely ankalazaina amin’ny andro nahaterahan’i Jesosy? d) Araka ny Encyclopédie américaine, taiza moa no niandohan’ny fombafomba fanao amin’ny Noely? e) Ahoana no fiheveran’ny mpivavaka marina ny Noely, ary nahoana? (II Korintiana 6:17) f) Fisehoan-javatra iray inona moa no nandidian’i Kristy ny mpanaraka azy mba hotandremana? (Lioka 22:19, 20)
7 Kanefa dia tsy ankasitrahan’ilay Andriamanitry
ny fahamarinana ny fanao toy ireny. Tsy ankasitrahany ny andro fety miorina amin’ny fivavahana babyloniana. Ohatra, ao ny andro fety isan-taonan’ny Noely izay mihambo ho mankalaza ny fahaterahan’i Jesosy, na dia avy any Babylona fahiny aza no niandohany. Ny Baiboly dia manondro fa teo amin’ny 1 oktobra, taona faha-2 talohan’ny fanisan-taona iraisana, no tena nahaterahan’i Jesosy. Nefa ny fankalazana ny Noely tamin’ny 25 desambra, dia vao nanomboka tamin’ny taonjato fahadimy amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nampifandraisin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika amin’ny fety mitabataban’ireo firenena amin’ny faran’ny taona, ny anarana hoe “Kristy”. Hoy ny Encyclopédie américaine, fanontana 1959, Boky faha-6, pejy faha-622:“Ny ankabeazan’ny fomba mifandray ankehitriny amin’ny Noely dia tsy fomba fanao amin’ny Noely tany am-piandohana, fa fanao mialoha ny kristianisma kosa ary tsy kristiana, noraisin’ny fiangonana kristiana. Ny Satornaly, fety romana nankalazaina teo antenantenan’ny desambra, dia nanome modely ho an’ny fombafomba mampifalifaly amin’ny Noely. Avy amin’io fankalazana io ohatra, no nipoiran’ny fihinanam-be, ny fifanakalozana fanomezana ary ny fampirehetana labozia.”
Ao amin’ny faritra sasany etỳ an-tany, ny bodista tsy kristiana, ny jiosy ary ny hafa koa dia mankalaza ny “Noely” amin’ny zotom-po feno mitovy amin’ny an’ny katolika sy protestanta. Matetika izany dia ampifandraisina amin’ny raharaham-barotra sy ny faniriana mihoa-pampana. Tsy kristiana izy io. Ny Baiboly dia tsy manohana na aiza na aiza ny fankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Jesosy na olon-kafa, fa ny zavatra nandidian’i Jesosy kosa dia ny hitandreman’ny mpanara-dia azy isan-taona ny fahafatesany ho toy ny “fahatsiarovana”. Ny antony dia satria zava-dehibe ny fahafatesany mba hamonjena ny taranak’olombelona. — I Korintiana 11:23-26.
8. Nahoana moa no ilaina maika ny hisarahantsika amin’ny fivavahan-diso? (Jeremia 51:6)
8 Tsy ankasitrahan’ilay Andriamanitra velona sady Apokalypsy 18:21 amintsika toy izao:
marina ny fanao ara-panompoan-tsampy sy ny “fisakaizana” ara-politika ataon’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Raha ny marina, izany dia manondro azy ho “Babylona Lehibe”, izay lazalazain’ny“Ary nisy anjely mahery anankiray nambeta vato fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe.”
Raha tsy maniry ‘hiombona ota aminy’ sy ho ringana miaraka aminy isika, dia ilaina maika ny hisarahan’ny tenantsika tanteraka amin’ny fivavahan-diso! — Apokalypsy 18:2-4.
NY FIVAVAHANA IZAY ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA
9. Nahoana moa no tokony hiara-mivory ny mpivavaka marina? (Efesiana 4:15, 16)
9 Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ireto teny ireto ny zavatra tokony hataon’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra amin’izao andro izao:
“Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky ilay nanao ny teny fikasana); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:23-25)
Noho izany, raha mbola manatona haingana ny andro handravan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe sy ny fandaminana tsy marina hafa rehetra, ary hanorenany eto amin’ity tany ity paradisa be voninahitra iray, ireo izay tia Azy dia miara-mivory mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy hifamporisika.
10. Amin’ny fomba ahoana moa ny toetrantsika no voakasika amin’ny fivavahana marina? (Kolosiana 3:9, 10, 12-14)
10 Kanefa dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fiaraha-mivory amin’ny hafa izay tia an’Andriamanitra ny fivavahana marina. Mba hankasitrahan’Andriamanitra antsika, dia tokony hiala isika, tsy amin’ny fivavahan-diso fotsiny, fa amin’ny fombam-piainana simban’izao tontolo izao koa. Mananatra antsika ny apostoly Paoly mba hanaisotra ny “toetra taloha”, miaraka amin’ny fijejojejoany, ny fahalotoany
ary ny fitiavany harena fatratra. Hoy koa izy:“Fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” (Efesiana 4:19-24)
Tokony hadio ara-pitondrantena àry ny fomba fiainantsika, ary hampiorina ara-panahy ireo izay manodidina antsika. Amin’ny fananana hitsimpo amin’Andriamanitra, dia tokony hanaiky Azy ho Tompom-piandrianana eo amin’ny fiainantsika isika.
11. Ohatra hafa inona mikasika ny fivavahana marina moa no nomen’i Jesosy? (Lioka 8:1)
11 Jesosy mihitsy no nanome ohatra mikasika ny fivavahana marina tamin’ny fomba hafa iray. Fotoana fohy taorian’ny nakan’ny Devoly fanahy azy, dia nanomboka ny asa voatantara ao amin’ny Matio 4:17 izy:
“Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”
Telo taona teo ho eo taty aoriana, tamin’ny fitsarana azy teo anatrehan’i Pilato, dia nohamafisin’i Jesosy fa ny fanambarany ny fahamarinana mikasika ny fanjakan’Andriamanitra dia tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahany tetỳ an-tany. Hoy izy:
“Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (Jaona 18:37)
Moa ve nihaino ny feony ianao? Raha izany, ianao koa dia mety hifaly amin’ny tombontsoa manambara ny fahamarinan’ny fanjakan’Andriamanitra sahala amin’ny nataon’i Jesosy.
12. Vavaka faka tahaka inona moa no navelan’i Jesosy ho antsika? (Jaona 14:13, 14; 15:16)
12 Ny tapany hafa lehibe koa amin’ny fanompoam-pivavahana marina dia ny vavaka, izay tokony hatolotra an’i Jehovah amin’ny anaran’i Jesosy, izay ny sorom-panavotany no nanokatra ho antsika ny lalana mankany amin’Andriamanitra. Melohin’ny Baiboly ny vavaka arahina fombafomba sy miverimberina. Jesosy mihitsy no niteny toy izao:
“Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba
manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo. Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo”.Avy eo Jesosy dia nanome vavaka faka tahaka, tsy hoe mba haverimberina toy ny fombafomba amin’ny fampiasana sapile na sary iray, fa mba ho toy ny sori-dalana ho antsika. Voalohany dia nolazainy fa afaka mivavaka tsara ho an’ny anaran’i Jehovah Raintsika any an-danitra isika, mba hanamasinana izany, ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakany sy ny fanatanterahana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Amin’ny toerana faharoa, dia afaka mivavaka amin’Andriamanitra isika mba hanomezany ny zavatra ilaintsika isan’andro, mba hamelany ny fahadisoantsika vokatry ny ota, ary mba hanampy antsika hihazona ny tsy fivadihana na dia ao aza Satana, “ilay ratsy”. Matio 6:5-13) Ny vavaka rehetra, na tononina manokana, na ao amin’ny fianakaviana, na ao amin’ny kongregasiona tafavory, dia tsy tokony hatao amim-pihatsarambelatsihy, fa tokony ho amim-pahatsorana ary amin’ny fo. Ny vavaka ataontsika dia tokony ho afaka tanteraka amin’ny fanao feno finoanoampoana ao amin’ny fivavahana babyloniana. ‘Nefa moa ve manimba ny finoanoampoana?’ hoy angamba ianao. Aoka hojerentsika izany.
([Fanontaniana]
[Sary, pejy 125]
Tsy ny tempoly na ny trano fivavahana, fa ny fanompoam-pivavahana amin’ny fanahy no misy vidiny amin’Andriamanitra
[Sary, pejy 128]
Tsy fety kristiana ny Noely
[Sary, pejy 131]
Miara-mivory ny mpivavaka amin’i Jehovah mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra ary hizara ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy