Ny niandohan’ny bokin’ny vaovao tsara
Toko faha-2
Ny niandohan’ny bokin’ny vaovao tsara
1. Karazam-boky inona no hitondra soa ho an’ny olombelona rehetra?
INONA moa no antenainao fa hampiavaka ny boky iray manome vaovao tsara ho an’ny olombelona rehetra? Voalohany, dia tokony ho azo vakina amin’ny fiteny maro be izy io. Ary koa, ny hafatra entiny dia tokony hisy heviny, hanampy ny olona avy amin’ny fitambaram-pirenena rehetra mba hifaly amin’ny tsara indrindra eo amin’ny fiainana dieny izao, ary hanome azy ireo fanantenana mikasika ny ho avy. Izany dia ny boky izay natombotsika tao amin’ny toko voalohany ny firesahana azy. Izy io dia:
2. a) Firy taona izay no nanombohana nanoratra ny Baiboly? b) Nahoana ny ankamaroan’ny olona no afaka mamaky azy amin’ny fiteniny avy? d) Raha ny amin’ny fielezany, manao ahoana moa ny fampitahana ny Baiboly amin’ny boky hafa? (Romana 10:14, 18)
2 Karazam-boky manao ahoana moa ny Baiboly? Voalohany indrindra, izy io dia boky iray tena tranainy, efa natomboka maherin’ny 3 400 taona lasa izay. Nahatratra ny tany rehetra izy io, ary na dia ireo nosy lavitra sy mitokana aza. Mety ho hita ao amin’ny trano bongo tsotra sy ao amin’ny tokantrano ary fomba izy io. Io boky io dia voadika manontolo na tapatapany ho amin’ny fiteny sy fitenim-paritany maherin’ny 1 710, ka noho izany dia saiky afaka mamaky azy amin’ny fiteniny avy ny olona rehetra. Tsy misy boky hafa mihitsy manakaiky ny isan’ny miely aminy izay efa mahatratra an’arivo tapitrisany maro. Isan-taona dia Baiboly an-tapitrisany maro no zaraina maneran-tany.
3. a) Nahoana moa ny anarana hoe “Baiboly” no mety ho an’io boky io? b) Tamin’inona moa no nanaovana ireo soratra tany am-boalohany?
3 Boky kely enina amby enimpolo no atambatra ho
boky iray, dia ny Baiboly. Ny teny hoe “Baiboly” dia avy amin’ny teny grika biblia, izay ny heviny dia hoe “boky kely maro”. Ny teny hoe biblia mihitsy dia mifandray amin’ny hoe biblos, izay entina milaza ny tapany anatiny malefaka amin’ny zavamaniry atao hoe “papyrus”. Tao amin’ireo tany nanoratana ny Baiboly, dia nisy karazan-taratasy tranainy namboarina avy amin’izany. Nisy fotoana iray nandikana tamin’ny tanana teo amin’io taratasy “papyrus” io, ireo boky ao amin’ny Baiboly, na dia teo amin’ny hodi-biby nodiovina aza no hita fa nanaovana ireo soratra tany am-boalohany.4. a) Firy moa ny mpanoratra nanangona ny Baiboly? b) Nandritra ny hafiriana no nanoratan’izy ireo? d) Nahoana moa ny Baiboly no bokim-pahendrena miavaka? (Jaona 17:17)
4 Ireo “boky kely” enina amby enimpolo ao amin’ny Baiboly dia nangonin’ny mpanoratra eo amin’ny efapolo nandritra ny fe-potoana maherin’ny 1 600 taona, teo anelanelan’ny 1 513 talohan’ny fanisan-taona iraisana sy ny 98 amin’ny fanisan-taona iraisana. Mifanara-tsaina tanteraka ireo mpanoratra rehetra azy raha ny amin’ny foto-pampianarana sy ny fanazavana foto-kevitra iray mafonja. Ny vokatr’izany dia bokim-pahendrena iray hafa kely, eny, boky iray miavaka.
5. Inona no anarana tsara kokoa noho ny hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao”, ary nahoana?
5 Ny olona sasany dia mizara ny Baiboly ho “Testamenta” roa, ary milaza fa ny “Testamenta Taloha” dia tsy mitovy vidy amin’ny “Testamenta Vaovao”. Nefa tsy izany no izy, satria ny fitambarany dia Baiboly iray ihany. Ary koa, ny hevitry ny hoe “testamenta” dia fanekena, ary misy fanekena mihoatra lavitra ny roa ao amin’ny Baiboly. Tsara kokoa, noho izany, ny hiantsoana ireo tapany roa ao amin’ny Baiboly ho ny “Soratra hebreo” sy ny “Soratra Grika”, satria ireo no fiteny tany am-boalohany nanoratana ny ankabeazan’ny Baiboly. Ny Soratra hebreo dia fototra tena ilaina mba hahatakarana amin’ny fomba feno ny hevitry ny
Soratra grika, ary ny Soratra grika dia fitaran’ny Soratra hebreo amin’ny fampisehoana ny fahatanterahany. Ny tsirairay amin’ireo “boky kely” enina amby enimpolo dia mandray anjara amin’ny famolavolana ny fahatakarantsika ny fikasan’ny Mpamorona ny olombelona.6. a) Karazan’olona manao ahoana moa no nanoratana ny Baiboly? b) Nahoana ireny zavatra ireny no voasoratra fahiny? (I Korintiana 10:11)
6 Sahala amin’ny anomezana ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly ho an’ny olombelona rehetra, dia tahaka izany koa fa ireo mpanoratra azy dia lehilahy avy amin’ny fiaviana maro samihafa eo amin’ny fiainana. Nahitana mpiandry ondry sy mpiandry omby tamin’izy ireo, mpanjono sy mpamboly, mpitsabo iray ary mpamory hetra iray. Fara fahakeliny dia roa tamin’izy ireo no mpanjaka. Ny sasany dia mpisorona, mpaminany na koa mpanora-dalàna. Tamin’ny fotoana iray, ny mpanoratra iray dia mpanenjika tena ratsy an’ireo izay nino
ity vaovao tsara ity, nefa niova izy ary tonga iray amin’ny mpanohana mafana fo indrindra izany. Taorian’ny fiovàny, io mpitarika fahiny teo amin’ny fivavahan-diso io, izay tsy iza fa ny apostoly Paoly, dia nanoratra toy izao mikasika ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly:“Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” — Romana 15:4.
7. Nahoana no azo antsoina hoe boky tatsinanana ny Baiboly? (Romana 3:1, 2)
7 Na dia nitranga tao amin’ireo tanin’izao tontolo izao Tandrefana aza ny fielezana be indrindran’ny Baiboly, raha ny marina dia boky tatsinanana izy io. Ny lehilahy rehetra nandray anjara tamin’ny fanoratana azy dia Tatsinanana izay velona tany Afovoany Atsinanana. Ny ankamaroan’ny zavatra tantarainy dia nitranga tao amin’ny tany tatsinanana izay nanome taratry ny fombafombany. Ohatra, ny Mpanapaka ho avy eo amin’ny olombelona dia asehony ho toy ny mpiandry ondry tatsinanana izay miahy sy mangoraka ery ny andian’ondry:
“Ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany ka entiny mivoaka. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. Ary ny vahiny tsy harahiny (...); ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.” (Jaona 10:3-5, 11)
Endrey ny fahasambarana amin’izany andro izany rehefa hanana an’io Mpiandry ondry tatsinanana fahiny io ho Mpanapaka be fitiavana antsika isika!
AHOANA NO FOMBA NITEHIRIZANA NY VAOVAO TSARA
8. Amin’ny ahoana moa ireo mpanoratra ny Baiboly no mitovy amintsika olombelona amin’izao andro izao?
8 Ireo lehilahy nanoratra ny Baiboly dia tsy lavorary, nandairan’ny fahalemena maro sy ny fahadisoana. Amin’ny maha-olombelona azy, dia tsy hafa noho ny olon-kafa izy. Izao no nambaran’ny apostoly tamin’ireo izay nihevitra tamim-pahadisoana azy sy Barnabasy Asan’ny apostoly 14:15, MN ) Ahoana àry no nahafahan’olombelona tsy lavorary nanoratra boky iray izay raha ny marina dia hafatr’Andriamanitra?
misionera namany ho andriamanitra: “Olona manana fahalemena tahaka anareo ihany izahay”. (9. Ahoana moa no nahafahan’ny olona tsy tanteraka nanome hafatra tanteraka ho an’ny olombelona?
9 Satria izy ireo tsy nanoratra avy amin’ny fihetseham-pony, fa nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra. Inona moa no tiana holazaina eto amin’ny hoe “nahazo tsindrimandry”? Milaza izany fa Andriamanitra, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, no nanosika ireny olona ireny tamin’ny fanahiny na ny heriny miasa tsy hita maso, ka nametraka tao an-tsain’izy ireny izay tokony hosoratany ho toy ny “teniny”, na hafatra, ho an’ny olombelona. Ohatra, izao no nolazain’i Davida mpanoratra:
“Ny Fanahin’i Jehovah [Andriamanitra] no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”. (II Samoela 23:2)
Ary mikasika ireo hafatra ara-paminaniana, dia izao no nosoratan’ny apostoly Petera:
“Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — II Petera 1:20, 21.
10. a) Nahoana no ho mora amin’Andriamanitra ny mampita hafatra amin’olona mahatoky? Manomeza ohatra. (Eksodosy 34:27, 28; Jeremia 1:1, 2, 9; Ezekiela 1:1; Daniela 7:1) b) Inona moa no nitarika ny fanangonana ny Baiboly manontolo, ary ahoana no iantsoana izany? (Apokalypsy 22:18, 19)
10 Tsy sarotra akory ho an’Andriamanitra, Fisiana Tampony sy Mpamorona an’izao rehetra izao manontolo, ny nampita hafatra tamin’olona mahatoky tetỳ an-tany. Amin’ny andro ankehitriny, ny olona dia nandeha nankeny amin’ny volana, ary ny hafatra nalefany avy eny ho etỳ an-tany tamin’ny radiao dia tonga tetỳ amin’ny fomba mazava sy azon’ny saina takarina, avy any amin’ny 400 000 kilaometatra mahery any amin’ny habakabaka. Ny sary amin’ny televiziona dia nampitaina koa avy amin’izany elanelana rehetra izany, ka ny olona tetỳ an-tany dia afaka nipetraka fotsiny tao I Mpanjaka 8:27) Rehefa nampitain’Andriamanitra tao an-tsain’ny mpanoratra ny Baiboly ny heviny, izy ireo dia nanoratra izany ho toy ny “Tenin’Andriamanitra” — dia ny hafany. (Hebreo 4:12) Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanahiny, dia nitarika koa olona hanangona ireo “boky kely” enina amby enimpolo ireo ary ireo ihany, mba hahaforona ny Baiboly manontolo, fantatra ho toy ny “boky rehetra” amin’ny Baiboly.
an-tranony avy, ary nahita ireo mpanamory sambon-danitra nandehandeha teny amin’ny volana. Raha ny olona aza afaka mampita hafatra amin’izany fomba izany, dia tokony ho mora amin’ny Mpamorona ny zavatra rehetra ny mampita hafatra sy fahitana ho an’ny olona ety an-tany, na dia avy any ambadiky “ny lanitry ny lanitra” aza! (BOKY MARINA SY AZO IANTEHERANA
11. Hazavao an-tsary fa ny Baiboly dia marina sy voalahatra ara-dalàna.
11 Ny zavatra iray mahatalanjona mikasika ny Baiboly dia ny fitantarany amim-pitandremana feno ny antsipirian-javatra, ary koa ny fifandrindrany tanteraka. Ohatra, ao amin’ny Genesisy toko faha-5 sy faha-10, dia omeny ireo lisitra ara-pianakaviana hatramin’ny andron’i Adama lehilahy voalohany ka hatramin’ireo zanak’i Noa, izay fe-potoana efa ho maherin’ny 2 000 taona. Taty aoriana, Ezra mpisorona dia nanoratra ny Tantara Voalohany ary natokany ny toko sivy voalohany mba hamerenana sy hanitarana ireo lisitra ara-pianakaviana teo aloha, ka nahatonga izany fitantarana izany hiampy 1 500 taona hafa indray teo amin’ny tantara fahiny, ary tonga hatramin’ny fotoana niverenan’ny Zanak’Isiraely avy any amin’ny fahababoana tany Babylonia. Taty aoriana kokoa, Matio sy Lioka ao amin’ireo Filazantsarany, dia namerina tapatapany tena nilaina avy amin’ireny fitantarana taloha ireny, ary nanitatra ny lisitra ara-pianakavian’ny Baiboly hatramin’i Jesosy Kristy. (Matio 1:1-17; Lioka 3:23-38) Noho izany, teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, ireo mpanoratra ny Baiboly dia nanao fitantarana tsy miova mikasika ny tetiaram-piaviana hatramin’i Adama razambentsika voalohany ka hatramin’i Jesosy ilay “Zanak’olona”, izany hoe mandritra ny 4 000 taona mahery. Mikasika ny Filazantsarany manokana, dia hoy ny nosoratan’i Lioka mpitsabo:
“Dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratana izany (...) araka ny filaharany”. (Ny fitantarany tokoa dia marina sy ara-dalàna.
12. Ahoana no mety nahazoan’i Mosesy fanazavana mikasika ny tantara tany am-boalohany?
12 Ny Baiboly dia miresaka ny ‘tantara’ tany am-piandohana. (Genesisy 2:4; 5:1) Izany dia mety ho nampitaina tamin’ny teny am-bava. Nefa amin’io toe-javatra io, ahoana no hahazoana antoka ny fahamarinan-javatra? Namorona an’i Adama lehilahy voalohany ho tanteraka Andriamanitra. Taty aoriana dia nikomy tamin’Andriamanitra izy ka nomelohin’Andriamanitra ho faty. Na izany aza, dia nila fotoana ela ny vatany tanteraka fahiny vao nihasimba ka niafara amin’ny fahafatesana. Velona nandritra ny 930 taona izy, hatramin’ny andron’i Lameka rain’i Noa, izay afaka nahafantatra tamin’izany ny tantara tany am-boalohany avy tamin’i Adama nivantana. Izany rehetra izany dia azon’i Lameka nampitaina tamin’i Noa sy tamin’i Sema zanak’i Noa, izay mbola afaka nivelona nandritra ny 500 taona taorian’ny Safodrano, noho ny toe-batany nanakaiky ny fahatanterahana. Sema dia ho afaka hamindra amin’i Abrahama sy Isaka zanany, fanazavana amin’ny antsipiriany mikasika ny izao tontolo izao talohan’ny Safodrano. Isaka dia afaka namindra izany tamin’i Levy zafikeliny, ary tsy isalasalana fa Levy kosa dia ho nitantara izany tamin’i Amrama zafikeliny, rain’i Mosesy. Noho izany, tamin’ny fanambarana am-bava ny tantara tany am-boalohany, dia fitohizana dimy ihany no ilaina teo anelanelan’i Adama sy Mosesy dia — Lameka, Sema, Isaka, Levy ary Amrama.
13. Nahoana moa ny Mpamorona no nanao izay hitehirizana ny tantara tany am-boalohany tamin’ny alalan’ny tsindrimandry? (Salamo 102:18)
13 Kanefa, noho ny tsy fahatanterahana nolovana, ary angamba koa noho ny toe-piainana niova nanaraka ny Safodrano, ny olombelona dia nihaosa tsikelikely, ka Isaka dia velona 180 taona monja, ary Mosesy 120 taona. Rehefa nihena ho fitopolo na valopolo taona ny androm-piainan’ny olona, ny Mpamorona dia nahita fa mety ny hitehirizana amin’ny antsipiriany ny tantaran’ny olombelona teo am-piandohana, ho toy ny fitantarana maharitra. Noho izany dia hanana hatrany ny fanazavana azo antoka mikasika ny fiandohan’ny olombelona isika. Nampiasa an’i Mosesy teo ambanin’ny tsindrimandry ny Mpamorona, mba hanangona io fitantarana io, izay tonga ny tapany voalohany amin’ny Baiboly.
14. a) Iza moa Mosesy? (Hebreo 11:23-27) b) Nahoana moa Mosesy sy ny mpanoratra taty aoriana no ampy fahaizana mba hanao ny fanoratana ny Baiboly? (Asan’ny apostoly 3:21)
Nomery 12:3) Ampy fahaizana izy, tsy hoe fotsiny mba hitarihana ny firenen’ny Isiraelita efa an-tapitrisany maro hivoaka avy any Egypta, fa mba hanompoana koa amin’ny maha-mpanoratr’Andriamanitra azy nahazo ny Fanahiny, tamin’ny fanoratana ny tapany voalohany amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Taoriany, ny olona hafa nitovy finoana taminy dia mbola nanohy nanampy izay hahaforona ny Baiboly ambara-pahafenony, 1 600 taona atỳ aoriana. Tena mahaliana sy misy vidiny ho antsika amin’izao fotoana izao ny mijery izay raketin’ireo soratra ao amin’ny Baiboly ireo.
14 Iza moa io Mosesy io? Taranaka avy amin’i Abrahama Hebreo izy, ary teraka tamin’ny fotoana naha-andevo ny Isiraelita vahoakany tany Egypta. Tamin’ny naha-zanaka natsangan’ny zanakavavin’i Farao mpanapaka an’i Egypta azy, Mosesy dia notezaina sy nampianarina tao amin’ny lapan’ny mpanjaka. Na dia izany aza, rehefa tonga ny fotoana hanapahan-javatra, dia nasehony fa nomeny vidiny bebe kokoa ny harena ara-panahy izay azony niarahana nifaly tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, noho ny harena ara-nofo izay nety ho azony tany Egypta. Nifidy ny hitondra fahoriana miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra izy. Nandritra ny fiainana hitany tany Egypta ary taty aoriana noho ny naha-mpiandry ondry azy tany an’efitra, dia namboly finoana lehibe an’Andriamanitra izy ary tonga ny “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” ([Fanontaniana]
[Tabilao, pejy 12]
Ny Baiboly dia miantomboka lavitra eo amin’ny tantaran’ny olombelona, mihoatra noho ny soratra hafa tranainy rehetra
(Jereo ny boky)
TAONAN’NY SORATRA ARA-PIVAVAHANA LEHIBE INDRINDRA
(mampiseho koa ny taona nahavitan’izy ireo)
Talohan’ny fanisan-taona iraisana (tal. fan. ir.)
Taona
4026 Famoronana ny olombelona
2370 Safodrano Lehibe
1473 “Pentateuque” (Baiboly) 3448 taona
500 “Bokin’ny Fahalalana” hindoa (Veda) 2475 taona
480 “Fahalalana Lehibe” konfisianista (Ta-hsüeh) 2455 taona
443 Feno ny Soratra hebreo (Baiboly) 2418 taona
43 Ny “Harona Telo”, Soratra bodista 2018 taona
Amin’ny fanisan-taona iraisana (a. fan. ir.)
Taona
98 Feno ny Baiboly manontolo 1878 taona
650 Korana (Boky masin’ny Silamo) 1326 taona
720 Kojiki sy Nihongi shintoista 1256 taona
1830 Bokin’ny Mormona 146 taona
1976
[Miorina amin’ny “Encyclopédie britannique”, fanontana 1971, ireo daty tsy hita ao amin’ny Baiboly.]
[Sary, pejy 16, 17]
Didy Folo nosoratan’Andriamanitra
Nampita ny tenin’Andriamanitra ny anjely
Fahitan’olona tsy natory
Nitarika ny fifidianana avy amin’ireo soratra teo aloha ny fanahin’Andriamanitra
Nofy eo am-patoriana