Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tamin’ny fomba ahoana no nitehirizana ny vaovao tsara

Tamin’ny fomba ahoana no nitehirizana ny vaovao tsara

Toko faha-5

Tamin’ny fomba ahoana no nitehirizana ny vaovao tsara

1. Nahoana moa no mbola velona ihany ny Baiboly?

MARO NO nanjavona amin’ireo soratra tranainy. Sahala amin’ny olona izay nanoratra azy, izy ireny dia niverina ho amin’ny vovoka ary hadino. Tapatapany sisa tavela amin’ny ankamaroan’ny zavatra voasoratra efa ho arivo taona maromaro lasa izay. Kanefa ny Baiboly dia mbola velona! Izany dia sahala amin’ny anambaran’ny I Petera 1:24, 25 azy hoe:

“Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo [Jehovah Andriamanitra] maharitra mandrakizay”. Azy izany no tenin’ny filazantsara izay notorina taminareo.”

Ny fitehirizana ny Baiboly mba hahatafitany ny fandravan’ny fotoana sy ny famelezan’ireo fahavalony dia zava-mahatalanjona. Tsy misy iadian-kevitra fa nataon’Andriamanitra izay hiarovana ny “vaovao tsara” mba hitari-dalana antsika eo am-pamakivakiana ny andro sarotra ankehitriny.

NY FIAROVANA NY BAIBOLY

2. Tamin’ny fomba ahoana no nitehirizana ny soratra ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany nosoratan’i Mosesy, ary naharitra hafiriana?

2 Ireo mpanoratra ara-tsindrimandry dia nitahiry ireo “boky kely” tany am-boalohany, teo amin’ny tenan-javatra natao tamin’ny hodi-biby. Nataon’ny olona mahatoky izay hitehirizana amin’ny fomba azo antoka ny soratra tany am-boalohany toy ireny, ‘teo anilan’ny fiara’, dia ilay vata masina nandidian’Andriamanitra ny Isiraelita mba hamboarina. (Deoteronomia 31:26; I Samoela 10:25) Rehefa lavo tamin’ny fanompoan-tsampy ny Isiraely, dia very nandritra ny fe-potoana iray ny Lalàna nosoratan’i Mosesy, nefa hitan’i Josia mpanjaka tsara izany, rehefa nanamboatra ny tempolin’i Jerosalema izy. Ireny soratra tany am-boalohany ireny dia nanjavona fara fahelany rehefa nandrava io tempoly io ny Babyloniana tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana.

3. a) Inona no mampiseho fa ireo kopian’ny Soratra masina dia natao tamin’ny andron’i Daniela? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana? (Jeremia 29:10)

3 Tamin’izany fotoana izany koa anefa, dia efa natao kopia hafa amin’ny soratanana ireny Soratra ara-tsindrimandry ireny, ka izany dia nahafahan’i Daniela mpanompon’Andriamanitra, babo tany Babylona, “nahalala tamin’ny boky” ny faminanian’i Jeremia, fa ny famaboana ny Jiosy dia tokony hifarana rehefa afaka fitopolo taona, amin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana. (Daniela 9:2) Ary milaza ny tantara fa nifarana izany tamin’ny alalan’ny fahagagana iray avy amin’Andriamanitra, tamin’io taona io ihany, rehefa nisy sisa avy amin’ny Jiosy niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempolin’Andriamanitra.

4. a) Inona moa no namporisihan’i Ezra hatao ka nahasoa ny Jiosy? (Ezra 7:6) b) Inona moa no zava-nitranga nanomboka teo amin’ny 280 talohan’ny fanisan-taona iraisana teo ho eo?

4 Taorian’izany fampodiana izany, “Ezra mpanora-dalàna” dia anankiray tamin’ny olona izay namporisika ny ‘famakiana teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra isan-andro isan-andro’ teo amin’ny Jiosy tafavory. (Nehemia 8:13, 18) Maro amin’ny mpanoratra no toa sahirana ery tamin’izany andro izany, tamin’ny fanoratana an-tanana ny Soratra masina ho an’ny Jiosy, izay efa niely ka nahaforona fitambaran’olona nanerana ny izao tontolo izao taloha. Teo amin’ny 280 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia natomboka tao Aleksandria, Egypta, ny fandikana ny Soratra hebreo ho amin’ny fiteny grika, ho tombotsoan’ireo Jiosy niteny grika tao. Fantatra amin’ny hoe fandikan-teny grikan’ny Septante (izay ny heviny dia hoe “Fitopolo”) io fandikan-teny io, satria nolazaina fa Jiosy fitopolo no nandika azy.

5. a) Tamin’ny fomba ahoana no nitandreman’ireo mpanoratra mba tsy hisian’ny fahadisoana rehefa nanao kopian’ny Soratra masina izy? b) Mampiseho inona moa ny fampitahana ny “Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty” an’Isaia amin’ireo soratanana tamin’ny taonjato fahafolo? (Deoteronomia 4:2)

5 Nosoratana tamim-pitandremana nanasatra tokoa ny kopia tamin’ny Soratra hebreo, ary ireo mpanora-dalàna dia nitandrina mihoatra izay tokony ho izy mba hahazoana antoka fa tsy nahitam-pahadisoana ireny. Nanao fanamarinana izy ireo tamin’ny fanisana ny isan’ny teny, eny fa na dia ny isan’ny litera aza, ary raha diso ny litera iray, dia nesorin’izy ireo mihitsy io tapany amin’ny soratanana io ary averiny soratana indray. Ho porofon’izany fanamarinan-javatra izany, ny soratanana izay nolazaina ho tamin’ny taonjato fahafolo amin’ny fanisan-taona iraisana dia ahitana indrindra fitantarana tsy misy hafa amin’ny “horonam-bokin’ny Ranomasina Maty” an’Isaia vao hita tsy ela, izay natao kopia tamin’ny taonjato voalohany na faharoa amin’ny fanisan-taona iraisana. Ny fanoratana kopia miverimberina efa ho maherin’ny arivo taona dia tsy niteraka fanolanana mihitsy ny teny ao amin’ny Baiboly!

6. Nahoana no mety ho azontsika antoka fa marina ny voasoratra ao amin’ny Baiboly amin’izao fotoana izao?

6 Sahala amin’izany koa, dia noheverina akaiky tokoa ny antsipirian-javatra teo am-pandikana ny soratanana amin’ny Soratra grika kristiana. Noho izany dia azontsika antoka fa ny zavatra voasoratra amin’ny teny hebreo sy grika izay avy aminy no nandikana ny Baibolintsika amin’ny andro ankehitriny, dia mitovy raha ny tena marina amin’ny kopia nosoratan-tanana tany am-boalohany izay “araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. Ny fampitahana soratanana an’aliny maro amin’ny fiteny maro dia mampiseho fa izany tokoa no izy. Eny, ny Baiboly vita pirinty, araka ny ananantsika azy ankehitriny amin’ny fiteny maherin’ny 1 500, dia “teny” mitovy ihany amin’izay nosoratana teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra nanomboka tamin’ny taonjato enina ambin’ny folo talohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana.

FANANDRAMANA NANAFOANA NY “VAOVAO TSARA”

7. a) Iza moa ireo fahavalon’ny Baiboly, inona no nolazain’i Jesosy azy ireo, ary nanao ahoana ny fihetsiny? (Matio 23:27, 28) b) Iza no nampiasain’i Satana mba hanohy ny fanoherana ny “vaovao tsara”? (II Petera 2:1, 2)

7 Nisy hatrany foana ny fahavalon’ny Baiboly. Mahagaga anefa fa ny fahavalony lehibe indrindra dia mpitondra fivavahana izay mihambo ho mampianatra ny Baiboly. Ohatra, ny mpitondra fivavahana teo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy dia ‘nanafoana ny Tenin’Andriamanitra’ noho ny fampianarana “voatolotra [lovantsofina, MN ]” sy “ny didin’olombelona ho fampianarana”. (Matio 15:6-9) Nomelohin’i Jesosy izy ireo noho izany, ka hoy izy taminy:

“Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia (...) tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44)

Satria Jesosy nilaza ny marina tamin’ny fanambarana ny “vaovao tsara” ny amin’ny fikasan’Andriamanitra hanafaka ny olombelona, ireo mpitondra fivavahana ireo dia nampamono an’i Jesosy. Ary na dia naorin’i Jesosy aza ny kongregasiona kristiana ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”, Satana Devoly dia manohy manohitra ny “vaovao tsara”, amin’ny fampiasana ireo olony ara-pivavahana eto an-tany hanatratra izany. — I Timoty 3:15.

8. a) Ahoana no nanambaran’ny Baiboly mialoha ny fihemorana lehibe? (Matio 7:15, 20) b) Oviana no naorina ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary iza no nanorina azy? d) Tonga tapany amin’iza moa ny fivavahana arahin’ny finoana lazaina fa kristiana? e) Inona no mahatonga ireo antokon’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho fahavalon’Andriamanitra?

8 Nambaran’ny apostoly Paoly mialoha ny zavatra hitranga, rehefa nilaza tamin’ny loholon’ny kongregasiona kristiana tany Efesosy toy izao izy, tamin’ny 56 amin’ny fanisan-taona iraisana:

“Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny apostoly 20:29, 30)

Mifanaraka amin’io faminaniana io, dia tonga ny fihemorana lehibe tao anatin’ny taonjato telo. Tamin’ny 325 amin’ny fanisan-taona iraisana no nanorenan’ny emperora romana Contantin tsy vita batisa ny “fivavahana lazaina fa kristiana”. Ny fandaharana ara-pivavahany dia nanolana ny foto-pampianarana kristiana ary nampifandray azy tamin’ny zava-miafina maro araka ny tolo-tsain’i Satana sy avy any Babylona fahiny, izay asehon’ny Baiboly ho ny tanàna renin’ny fivavahan-diso rehetra. Noho izany ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tonga tapany amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany.” (Apokalypsy 17:3-5) Izany fijangajangana izany dia mifandray amin’ny fihetsiky ny antokom-pivavahana izay mihambo ho fananan’Andriamanitra kanefa misakaiza tafahoatra amin’ny filoha ara-politika simba eo amin’ity izao tontolo izao ratsy ity; mahatonga azy ireo ho “fahavalon’Andriamanitra” izany. (Jakoba 4:4) Matetika ny antokom-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no namporisika ny mpanapaka ara-politika mba hanenjika ny kristiana marina.

9. Fisehoan-javatra inona eo amin’ny tantara moa no manaporofo fa meloka amin’ny fandatsahan-dra ny fivavahana lazaina fa kristiana? (Jeremia 2:34)

9 Raha eo ivelany, ny fivavahana arahin’ny finoana lazaina fa kristiana dia toa tsara tarehy, miaraka amin’ny katedraliny sy ny bazilikany ary ny egliziny marevaka, ny filaharany miezinezina sy ny mozikany mampientana. Nefa inona moa ny tantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Nandritra ny taonjato maro ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nandroba, nanjana-tany ary nampanjavona ny olona tsy nanam-piarovan-tena. Ny tantara dia manondro ho meloka ny kroazada izay nandatsahan-dra tany Atsinanana Akaiky, ny fampijaliana ny tsy mety manaiky ny fampianarana (Inquisition) tao amin’ny tany maro notapahin’ny Katolika, ny Ady mikasika ny opioma natao tamin’i Chine, ary koa ireo ady nandatsahan-dra sy ny fifanolanana ara-pivavahana tamin’izao taonjato faharoapolo izao. Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny Ady Lehibe Faharoa dia nanomboka avokoa tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tamin’ny fifamonoan’ny katolika sy ny protestanta tsy nisy fanavakavahana.

10. Inona no mampiseho fa sandoka ireo antokom-pinoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana? (Matio 26:52)

10 Manameloka mafy ny ady feno fitiavan-tena toy izany ny Baiboly:

“Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo? Mila hianareo nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady hianareo; tsy manana hianareo, satria tsy mangataka. Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka mba holaninareo amin’ny filanareo.” — Jakoba 4:1-3.

NOTOHERINA NY FANDIKANA NY BAIBOLY

11. Ahoana no nanoheran’ny Eglizy katolika ny fanaparitahana ny Baiboly? (Jaona 3:19, 20)

11 Ny tantaran’ny antokom-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia ahitana fanoherana mahery vaika ny fanaparitahana ny Baiboly sy ny “vaovao tsara” raketiny. Ary tsy mahagaga izany! — satria izy io mampiseho azy ho meloka ho mpandatsa-dra. Nandritra ireo Taona Maizina ratsy, rehefa notapahin’ireo papa tao Roma ny fivavahana lazaina fa kristiana mandritra ny arivo taona mahery, dia tsy nisy fiezahana natao mba hampielezana ny Baiboly teo amin’ny sarambabem-bahoaka. Ireo kopia vitsy teo am-pelatanana dia tamin’ny teny latina, fiteny izay ny pretra ihany no nahay azy tamin’izany fotoana izany. Rehefa nisy tamin’ny farany lehilahy be herim-po nanandrana nandika ny Baiboly ho amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka mba hahafahan’ireo mamaky sy mahatakatra ny heviny, dia nenjehina izy ireny, matetika hatramin’ny fahafatesana. Tamin’ny taonjato fahefatra ambin’ny folo amin’ny fanisan-taona iraisana no nandikan’i John Wycliffe voalohany ny Baiboly avy amin’ny fiteny latina ho amin’ny fiteny anglisy. Kanefa ny arseveka katolikan’i Canterbury any Angletera dia niresaka azy ho toy ny “olona ratsy tsinontsinona (...) zanaky ny Menarana tranainy”, ary taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesany, ireo mpanohitra ny Baiboly dia nihady ny sisa tavela tamin’ny fatiny, nandoro izany ary nanipy ny lavenony tao amin’ny ony Swift.

12. a) Inona moa no tarigetran’i Tyndale? (Lioka 2:10) b) Ahoana no nataony mba hanatrarana io zava-nokendreny io, nefa inona no nitranga taminy? d) Inona no vokatry ny asan’i Tyndale?

12 Tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo, William Tyndale dia nanomboka nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny tany am-boalohany dia ny teny hebreo sy grika, ho amin’ny fiteny anglisy, ary nanambara hoe, “Raha arovan’Andriamanitra ny aiko, dia hataoko, raha mbola tsy lasa ny taona maro, izay hahafantaran’ny zatovolahy mitarika angadin’omby, Soratra masina bebe kokoa noho ny pretra.” Nefa dia tsy maintsy nandositra avy any Angletera nankany amin’ny kontinenta eoropeana izy mba hahafahany mandika sy manao pirinty ny Baiboliny. Nisy kopian’izany àry nampidirina an-tsokosoko tany Angletera, nanomboka niely maro be, na dia tao aza ny fandoroan’ny klerjy ampahibemaso ny Baiboly rehetra izay nety ho hitan’izy ireo. Namadika an’i Tyndale ny olona mpihatsaravelatsihy iray, ka dia novonoina nokendaina teo amin’ny tsato-kazo izy, ary taorian’izany dia nodorana ny fatiny. Nefa dia velona hatrany ny fandikana ny Baiboly nataony, ka ny olona tsotra toy ny mpitarika angadin’omby dia afaka namaky ny “vaovao tsara”. Taty aoriana dia nojerena imbetsaka tokoa io fandikana io, teo am-panomanana ny fandikana fanta-daza ny Baiboly ho amin’ny fiteny anglisy an’ny mpanjaka Jacques.

13. Inona no sasany amin’ny tantaran’ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny tatsinanana?

13 Ny fandikana hafa ny Baiboly dia matetika no nisetra zava-manahirana. Tany Canton, any Chine, Robert Morrison sy ireo mpanampy azy dia nandika ny Baiboly tamim-piafenana tamin’ny alina, na dia fantany aza fa nety ho novonoina tamin’ny fampijaliana izy ireo raha tahiny ka tratra. Tamin’ny fotoana iray izy ireo dia nanafina antontan-kazo misy pirintin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly, nefa dia lanin’ny vitsikazo izany avy eo. Tamin’ny 1818 izy ireo dia nahavita ny Baiboly manontolo ho amin’ny fiteny sinoa. Ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny birimana dia vita tamin’ny taona 1835, rehefa avy nogadraina efa ho mandritra ny herintaona tao amin’ny tranomaizina feno parasy i A. Judson mpandika teny, ka ny fandikan-teniny nosoratan-tanana dia nafeniny tao anaty ondany. Teo amin’ireo taona 1880, raha mbola norarana ny asan’ny misionera tany Korea, ny fandikana sy ny fanontam-pirinty tapatapany ny Baiboly amin’ny fiteny koreana dia natao tany Mandchourie, ary kopia maro no nahita lalana mba hidirana tany Korea. Ny Baiboly manontolo amin’ny fiteny japone voalohany indrindra dia vita tamin’ny taona 1887, ary ny fanontana sasantsasany voalohandohany dia nampiasa ara-dalàna ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, eran’ny Soratra hebreo sy ny Soratra grika.

VELONA HATRANY NY “VAOVAO TSARA”!

14. a) Inona no mampiseho fa tsy nahomby ny fiezahan’i Satana mba hanafoana ny Baiboly? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny antokon’ny fivavahana lazaina fa kristiana teo anoloan’ny fampianarana ny Baiboly?

14 Tsy nahomby ny fanandraman’i Satana hanafoana ny Baiboly. Tao anatin’ireo taona vao haingana kokoa, dia nisy fandikana tena tsara ny Baiboly natao amin’ny fiteny maro, ary ny “vaovao tsara” dia tonga teo am-pelatanan’ny olombelona rehetra. Ahitana Baiboly ao amin’ny tokantrano maro. Nefa moa ve ireo antokom-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana nanampy ny vahoaka mba hahatakatra ny hevitry ny Baiboly? Tsia, satria tsy misy hafa amin’ny an’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy ny fihetsiny sy ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao. Manilika ny tenin’Andriamanitra izy ireo ‘mba hitandremany ny fampianarana [lovantsofina, MN ] voatolotra azy’, dia ny fampianaran-diso avy amin’i Babylona izay nekena rehefa nanorina ny “fivavahana lazaina fa kristiana” i Constantin. — Marka 7:9, 13.

15. Ahoana no nahatonga ny vaovao tsara ho ‘notorina eny rehetra eny’? (Asan’ny apostoly 1:8)

15 Soa ihany anefa fa misy ireo kristiana ao amin’ny firenena rehetra ankehitriny izay niverina amin’ny fampianarana madio ny vaovao tsara nambaran’i Jesosy sy ny apostoliny. Tahaka ny tamin’ny andron’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, izy ireo dia mitory indray izany vaovao tsara izany “eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. (Kolosiana 1:23) Izy io dia “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”. (I Timoty 1:11, MN ) Nefa iza moa io “Andriamanitra sambatra” io, ary ahoana no mety hifaliantsika amin’ny fitahiany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 40]

Ny “Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty” an’Isaia dia mampiseho fa voatahiry ara-pahamarinana ny Baiboly

[Sary, pejy 43]

Ireo ady nataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mampiseho fa sandoka ny kristianisma arahiny

[Sary, pejy 46]

Na dia ao aza ny fanoherana avy amin’ny fivavahan-diso, ny “vaovao tsara” dia ‘torina eny rehetra eny’