Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy mampijaly ny fanahy Andriamanitra

Tsy mampijaly ny fanahy Andriamanitra

Toko faha-11

Tsy mampijaly ny fanahy Andriamanitra

1. Inona moa no nampianarin’ny mpitondra fivavahana sy nataony mikasika ny “afobe”?

FAMPIANARANA miely ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tahaka ny ao amin’ny fivavahana any Atsinanana, ny hoe iharan’ny fampijaliana mahatsiravina ao amin’ny “afobe” mirehitra ny “fanahin’ireo” olona ratsy aorian’ny fahafatesana. Satria mpitondra fivavahana maro no manana izany finoana tsy mifanentana amin’ny maha-olona izany, dia nieritreritra izy ireo fa ho zavatra tsara ny hampiaikena ny mpanapaka mba hampijaly ary handoro velona ny olona ao amin’ity fiainana ity koa, indrindra fa raha mifikitra amin’ny finoana hafa izy.

2. a) Karazan’Andriamanitra manao ahoana moa ny Mpamorona? (I Jaona 4:8) b) Inona no mampiseho fa tsy afaka hankasitraka ny fampijaliana Andriamanitra? (Jeremia 7:31)

2 Jehovah, ilay Mpamorona anefa dia Andriamanitry ny fitiavana. Mamindra fo sy mora fanahy izy. Nasehony ao amin’ny Ezekiela 18:23 ny fomba fiheviny ny ratsy fanahy:

“Moa sitrako akory va ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy?”

Araka izany, Jehovah dia tsy maniry akory hahita ny fahafatesan’ny olona ratsy fanahy iray, na ny hamelana azy hampijalina. Ny fangorahana sy ny fiheveran’Andriamanitra ny olombelona dia naseho amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:29-31:

“Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.”

Ilay Andriamanitra izay mihevitra ny olombelona amin’izany fomba izany dia tsy hankasitraka ny fampijaliana olona amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainana ho avy. Tsy mirakitra fampianarana toy izany ny Baiboly.

FIANDOHAN’NY FAMPIANARANA NY AMIN’NY FAMPIJALIANA AO AMIN’NY “AFOBE”

3. a) Fivavahana inona avy moa no nampianatra ny amin’ny afobe iray fampijaliana? b) Amin’ny ahoana moa no tsy itovian’ireo fampianarana ireo?

3 Avy tany Babylona fahiny no nipoiran’ny hevitra ny amin’ny “afobe” fampijaliana. Hita koa izany teo amin’ny fampianarana ara-pivavahana tany Persia sy Fenisia fahiny. Hoy ny Encyclopédie américaine (1956, Boky XIV, pejy faha-82):

“Na dia ao aza ny fiovaovana maro sy miavaka eo amin’ny antsipiriany, ny toetoetra mampiavaka indrindra ny afobe araka ny fiheveran’ny Hindoa, ny Persiana, ny Egyptiana, ny Grika, ny Hebreo ary ny teolojiana kristiana azy, dia saiky mitovy.”

Na dia nampianatra aza ny ankamaroan’ny fivavahana teo amin’ny tantara fa misy ny “afobe” mirehitra, ny fampianaran’izy ireny dia tsy mitovy raha ny amin’ny zava-kendren’izy io. Izao no voalazan’ny Encyclopédie Britannique (1971, Boky XI, pejy faha-320):

“Ny Eglizy katolika romana dia mampianatra fa ny afobe dia toetoetry ny fanasaziana ho an’ireo izay maty tsy nibebaka tamin’ny fahotana lehibe. Haharitra mandrakizay ny afobe; tsy hisy farany ny fampijaliany. (...) Ny fampianarana protestanta mahazatra mikasika ny afobe dia mbola saiky mitovitovy ihany amin’ny foto-pampianarana katolika hatramin’ny andro ankehitriny, ary mbola hazonin’ny antoko protestanta maro tsy tia fanovana.”

Etsy an-danin’izany, ny Hindoa sy ny Bodista dia mampianatra fa ny afobe dia toerana fanadiovana, misy itoviana amin’ny “afo fandiovana” katolika, ka ny olona izay mankany dia mety handalo indray amin’ny fahaterahana, na dia mahalana aza no ho toy ny olona, rehefa avy nodorana tanteraka ny “karma” (asa) ratsiny.

4. a) Sahala amin’inona moa ireo afobe bodista? b) Fampianarana mitovy amin’izany inona moa no ananan’ny fivavahana katolika romana?

4 Raha nitantara ny amin’ireo afobe bodista ny fanontana ny Encyclopedie Britannique etsy ambony, dia hoy ny voalazany:

“Misy afobe valo mafana sy afobe valo mangatsiaka miampy ny fanjakan’ny pretas (fanahy manana vava madinika sy vavony lehibe ary ampijalin’ny hanoanana sy ny hetaheta). Teraka ao amin’ny afobe ny olona iray, ho vokatry ny ‘fijinjany’ ny karma ratsiny.”

Eo amin’ny pejy faha-104 amin’ity boky ity, izay mety ho fiheverana ny fampijaliana araka ny demonia natao tao amin’io “afobe” io dia natao an-tsary avy amin’ny horonam-boky bodista iray mitondra ny lohateny hoe “Kanzen Choaku” (izay ny heviny dia hoe, Fiderana ny Tsara, Famaizana ny Ratsy). Misy fitoviana maro amin’ny “afobe”-n’i Dante katolika romana izany, izay ny tapany aminy dia aseho eo amin’ny pejy faha-105 amin’ity boky ity.

5. a) Nanao ahoana moa ny fihetsik’i Jesosy Kristy tamin’ny mpanota? (Lioka 15:1, 2, 7) b) Iza ihany moa no ho voasazy mandrakizay, ary amin’ny fomba ahoana? (II Tesaloniana 1:8, 9)

5 Mety ve ny hinoanao fa misy marina tokoa ny afobe toy izany? Azon’ny saina ekena ve izany? Marina aloha fa raha irinao ny ho anisan’ny fivavahana iray izay mampianatra ireo zavatra ireo, dia manana fahalalahana tanteraka hanao izany ianao. Nefa ireo fampianarana ny amin’ny fampijaliana ao anaty afo ireo dia tsy mitovy velively amin’izay nampianarin’i Jesosy. Izy dia nanampy tamim-pifaliana ny mpamory hetra, ny mpijangajanga ary ny mpanota hafa izay noheverin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny ho toy ny voaheloka, mba hahafahan’izy ireny manadio ny fiainany, ary ‘mahita fitsaharana ho an’ny fanahiny’. (Matio 11:28-30) Mampiseho ny Baiboly fa ny ratsy fanahy tsy azo sitranina ihany no hosazin’Andriamanitra mandrakizay — tsy amin’ny fampijaliana mandrakizay, fa amin’ny fanafoanana amim-pamindrampo azy ireo ho mandrakizay:

“Ny ratsy fanahy (...) toy ny akofa aelin’ny rivotra izy. (...) Ny làlan’ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN ].” — Salamo 1:4, 6.

6. a) Nahoana moa ny Lioka 16:19-31 no tsy manohana ny fampianarana ny amin’ny “fampijaliana amin’ny afobe mirehitra”? (Matio 13:10, 11) b) Ahoana moa no nahatanterahan’io fanoharana io? (Matio 21:45, 46)

6 Kanefa ny olona sasany dia mety hanondro ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:19-31, izay milazalaza ny amin’ny lehilahy manan-karena iray ao amin’ny “lelafo” mampijaly. Ny diksionera dia mamaritra ny “fanoharana” ho toy ny “tantara fohy an’eritreritra” iray — fa tsy zavatra izay nitranga ara-bakiteny teo amin’ny fiainana misy. Eto dia hazavain’i Jesosy an-tsary ny fomba ‘hahafatesan’ireo’ mpitondra fivavahana jiosy amin’ny heviny ara-panoharana amin’ny maha-kilasy azy, raha ny amin’ny fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, sy ny fomba hahatongavany ao amin’ny fahoriana raha mbola velona eto an-tany — tahaka ny efa nitranga rehefa nahare an’i Jesosy nanambara ny hafatra manameloka azy ireo izy. Tsy miresaka na inona na inona mikasika ny fampijalian’Andriamanitra olona ao amin’ny “afobe mirehitra” aorian’ny fahafatesana ny Baiboly. * Ny hevitra ny amin’ny fampijaliana amin’ny afo dia tena vaovao amin’i Jehovah Andriamanitra, izay nanameloka mazava tsara ireo Jiosy nivadika noho ny “fahavetavetana”, dia ny fampandehanana “ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo ho an’i Moloka”, ilay andriamanitr’i Amona. — Jeremia 32:35; II Tantara 28:3.

7. a) Iza moa no “rain’ny lainga” raha ny amin’ny “afobe” fampijaliana iray, ary tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’ny mpitondra fivavahana an’io lainga io? (II Korintiana 11:13-15) b) Nefa ahoana moa no nampisehoan’i Jehovah mihitsy fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” Izy? (Romana 15:5, 6)

7 Sahala amin’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny fampianarana momba ny “afobe” fampijaliana dia miorina amin’ny lainga babyloniana milaza fa ny fanahin’ny olona dia mbola velona aorian’ny fahafatesana. Satana no loharanon’io lainga io, dia izy izay “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44) Nampiasa tamin’ny fomba mandaitra io lainga io ny pretra sy ny klerjy ara-pivavahana, ka nihazona olona maro tao anatin’ny famatoran’ireo antokom-pivavahany, tamin’ny fampidirana tao amin’izy ireo amin’ny fomba manaitra, ny tahotra ny “afobe” mirehitra aorian’ny fahafatesana. Mifanohitra amin’izany, Jehovah, amin’ny maha-“Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” azy, dia mikasa hanome ho avy mamirapiratra sy sambatra ho an’ireo maty amin’ny olombelona mpanota izay nampanantenaina fitsanganana. — II Korintiana 1:3, 4.

FAMPIJALIANA AMIN’IZAO FIAINANA IZAO

8. Teo amin’ny fitondrany ireo olona tsy nitovy hevitra taminy, tamin’ny ahoana moa ny fivavahana katolika sy protestanta no tsy nahomby teo amin’ny fanarahana ny fampianarana sy ny ohatr’Andriamanitra? (Matio 7:21-23)

8 Noho izany Andriamanitra dia tsy mankasitraka ny fampijaliana fanahy velona amin’izao fiainana izao. Nampiasa ny “inquisition” fanta-daza ny Eglizy katolika mba hamonoana ireo nolazaina fa “manohitra ny finoana”, tamin’ny fampijaliana mahatsiravina sy ny fandoroana teo amin’ny tsato-kazo. Tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo fotsiny ny “Inquisition” katolika dia nandoro “mpanohitra ny finoana” 30 000 mahery tamin’io fomba io. Tsy hoe tsy nanan-keloka koa akory ny Protestanta mpanao fanavaozana tamin’izany fotoana izany, ohatra iray miavaka dia ny fandoroana teo akaikin’i Genève an’i Michel Servet noho ny fanambarany ampahibemaso ny fahamarinana fa ny foto-pampianaran’ny Trinite sy ny batisan-jazakely dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Jean Calvin, iray amin’ireo mpanorina ny Eglizy presbyteriana, dia nanolotra hevitra mba hisian’ny fanamelohana ho faty, ary teo am-pijerena raha nahandroina velona ara-bakiteny tao anatin’ny afo malefaka i Servet, nandritra ny adiny dimy teo ho eo ambara-pahafatiny.

9. Noho ny toetran’i Jehovah inona moa no ahazoantsika mitoky aminy? (Salamo 11:7)

9 Tsy mba nankasitrahan’i Jehovah, ‘Andriamanitry ny fitiavana’ na oviana na oviana ny fampijaliana toy ireny. Afaka manatona azy amim-pitokisana sy amim-pinoana tanteraka ny haben’ny famindrampony ny olona rehetra.

“Endrey ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! Ka mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao ny zanak’olombelona.” — Salamo 36:7.

10. Ankasitrahanao ve ny tokony hitondrana ny mpaniratsira sahala amin’ny ampisehoana izany ao amin’ny “soûtra” atao hoe “Lotus”?

10 Tsy ankasitrahan’ny Andriamanitra fitiavana toy izany koa ny fampijaliana mandrakizay ny fanahy araka ny anazavan’ny “soûtra” antsoina hoe “Lotus-n’ny Fahamarinana” izay an’ny bodisma Nichiren japone. Izao no ambaran’io “soûtra” io ao amin’ny toko faha-28 mamarana azy:

“Ny olona izay maneso ny mafana fo amin’io “soûtra” io dia tokony hanana ny nifiny voavakivaky sy voasaratsaraka mandritra ny androm-piainany rehetra, tokony ho ratsy ny molony, ho petaka ny orony, hivilana ny tanany aman-tongony, ho njola ny masony, haharikoriko ny vatany; tokony hisy fery sy nana izy, ary hisy ra hivoaka avy amin’ny tenany, hibontsina amin’ny rano ny kibony, ho sempotra izy ary hijaly noho ny karazan’aretina maharikoriko sy lehibe. Noho izany, raha misy olona mahita — eny fa na dia lavitra aza — lehilahy iray mitandrina io “soûtra” io, dia tokony hitsangana izy ary hampiseho aminy fanajana mitovy amin’izay omena an’i Bouddha.”

Marina fa tsy ho ara-drariny akory ny fampijaliana na dia olona mpaniratsira amin’ny fomba toy izany aza! Ho tena tsy fahampiam-pitiavana aza ny fampiavovonana fahoriana toy izany eo aminy. Amin’ny toe-javara rehetra, araka ny asehon’ny Baiboly, ny fanahin’ny mpanota dia tsy velona akory aorian’ny fahafatesan’ny vatana, mba hampijalina any amin’ny fiainan-kafa. Ireny fanahy ireny dia ‘maty’. — Ezekiela 18:4.

MOA VE NY FANAHY MIFINDRA AO ANATIN-JAVATRA HAFA?

11. Inona moa ny finoana ny “fifindrana ho ao anatin-javatra”, izay fatra-piely ao amin’ny bodisma sy ny hindoisma?

11 Ny “soûtra” etsy ambony dia mitantara ny fampijaliana heverina fa mihatra amin’ny mpaniratsira iray mandritra ny “androm-piainany rehetra”. Eto dia misy firesahana ny amin’ny finoana miely ao amin’ny bodisma sy ny hindoisma, milaza fa amin’ny fahafatesana ny fanahy dia “mifindra ao anatin-javatra hafa” na mankany amin’ny vatana hafa iray. Ny olona mino izany dia mihevitra fa efa nandalo fiainana tsy hita isa izy taloha ary mbola hitohy hifindrafindra avy amin’ny fiainana iray ho amin’ny hafa iray, ao anatin’ny fihodinkodinam-pahaterahana saiky tsy misy farany. Ny “karma” (asa) tanterahina ao amin’ny fiainana iray dia hamaritra ny karazam-piainana ho hita amin’ny manaraka.

12. Ahoana no itantaran’ny soratra hindoa ny lalàn’ny “karma”, ary ahoana no fandraisanao an’ireo fanambarana ireo?

12 Ny iray amin’ny soratra hindoa, ny Chandogya Upanishad, dia manazava ny lalàn’ny “karma” toy izao:

“Ireo izay manana fitondrantena mahafinaritra eto — ny fanantenany dia ny hiditra tokoa ao anatin’ny kibo mahafinaritra iray, na ny kibon’ny brahmin iray [mpisorona], na ny kibon’ny kshatriya iray [ny miaramila], na ny kibon’ny vaisya iray [mpiompy na mpivarotra]. Nefa kosa ireo izay manana fitondrantena maloto eto — ny ho aviny dia ny hiditra tokoa na ao anatin’ny kibon’ny alika iray, na ny kibon’ny kisoa iray, na ny kibon’ny olon-tsinontsinona iray.”

Sahala amin’izany koa ireto filazana manaraka notsoahina avy amin’ny fitambaran-dalàna hindoa nosoratan’i Manu mikasika ny vehivavy ireto:

“Na dia nialan’ny fahamendrehana aza izy, na koa mitady fahafinaretana any an-toeran-kafa, na tsy manana ireo toetra tsara, ny lehilahy manambady iray dia mbola tokony hotompoin’ny vady mahatoky iray hatrany toy ny andriamanitra. (...) Raha mandika ny adidiny amin’ny vadiny ny vehivavy iray, dia afa-baraka ao amin’ity izao tontolo izao ity; aorian’ny fahafatesany dia miditra ao an-kibon’ny amboadia izy, ary hampijalin’ny aretina, izay saziny noho ny fahotany.”

13. a) Inona moa no vokatry ny fampianarana ny amin’ny fifindrana ho ao anatin-javatra eo imason’ny vahoaka? b) Ahoana moa no ilazana fa mety ho tratra ny nirvâna?

13 Marina aloha fa mahazo mino tanteraka toy izany ny Hindoa sy ny hafa rehetra raha izany no tiany. Nefa moa ve mitondra fahasambarana ho azy ireo ny finoana toy izany? Nanoratra toy izao ny profesora John Moss ao amin’ny boky hoe Man’s Religions:

“Nantsoin’ny Hindoa hoe ‘Ny Kodiarana’ ny fandaharam-pahaterahana indray. Amim-pahadisoam-panantenana no iheveran’izy ireo izany. (...) Ketraka ny fon’izy ireo amin’ny fahatsinjovana indray fahaterahana an’arivo tapitrisany maro mety hitranga izay mamelatra ny halavany eo anatrehan’izy ireo.”

Mampianatra ny hindoisma fa rehefa mahatsapa ny olona iray fa tapany amin’Andriamanitra ny tenany mihitsy, dia azony atao ny manary ny faniriana fiainana ara-batana hafa, mandositra ny fihodinkodinam-pahaterahana indray, ary manatratra ny nirvâna. Araka ny antoko maro an’ny hindoisma, dia mety ho azo izany amin’ny yoga, na ny dihy sy ny hira mahatorantorana. Ny bodisma Zen any Japon koa dia manantitrantitra ny fisaintsainana ho toy ny lalana mitarika amin’ny nirvâna.

14. Inona no fampianarana mazava ao amin’ny Baiboly raha ny amin’ny toetry ny maty sy ny fanantenany? (I Korintiana 15:20, 21)

14 Aoka ny mafana fo amin’ireo fivavahana ireo hanaraka izany finoana izany raha tiany. Mifanohitra amin’izany kosa anefa, ny Baiboly dia manome antsika ny fampianarana tsotra sy mifandrindra milaza fa ny olona rehetra dia fanahy mety maty, nandova ota sy fahafatesana avy amin’i Adama, lehilahy voalohany. Ny fahafatesana no faran’ny lalana ho an’ny fanahy tsirairay, ambara-pahatongan’ny fotoana mahafaly hananganan’Andriamanitra ny maty:

“Fa fahafatesana no tambin’ny ota [fa tsy afo mampijaly na ny ‘kodiarana’ momba ny fahaterahana indray], ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23)

Mipetraka izao ny fanontaniana hoe: Nahoana Andriamanitra no nandefitra ny fampianaran-diso ara-pivavahana nandritra ny ela be toy izao? Nahoana no navelany hisy ny fahoriana rehetra izay mitohy mampijaly ny olombelona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny boky Tout finit-il avec cette vie?, pejy faha-97-109.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 95]

Miahy ny vorona Andriamanitra; mihoatra noho izany ny aminao

[Sary, pejy 99]

Tsy ny fijaliana mandrakizay, fa ny fahafahana ho velona ao amin’ny paradisa, no mivelatra eo anoloan’ny olombelona mpanota

[Sary, pejy 100]

Olona an’aliny maro no maty tamin’ny afo noho ny fanenjehana tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana

[Sary, pejy 102]

Ny lalàn’ny “karma” dia mampianatra ny “kodiarana” momba ny fahaterahana indray tsy misy farany

[Sary, pejy 104]

Ny horonam-boky bodista dia mampiseho ny fampijaliana ny fanahy ratsy ao amin’ny “afobe”

Ireo toerana samihafa amin’ny “afobe” bodista, araka ny isehoany eo amin’ny pejy faha-104, avy any ambony ary midina: ny lalan’ny afobe, ireo rivotra mamono, ny lalan’ny hetaheta sy ny hanoanana, ny tendrombohitry ny fanjaitra, ilay mpamosavy mampiboridana, ny farihin-dra, ny toeram-piafenana lavitra an’izao tontolo izao, ny lalan’ny famonoana, ny afoben’ireo fiainana miverimberina, ny toeran’ny fivalanana sy ny fotaka, ny afoben’ireo tady mainty, ny fivoriamben’ny afobe, ny kirihitr’alan’ireo lelan-tsabatra, ny afoben’ny kiakiaka sy ny fidradradradrana, ny rivotry ny aizina sy ny afo, ny afoben’ny fialan’aina mangirifiry, ny afoben’ny fampijaliana tsy misy farany.

[Sary, pejy 105]

Ny ‘afoben’ny’ katolika romana araka ny nanaovan’i Dante an-tsary azy