Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Nandraisantsika Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah

Ny Nandraisantsika Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah

Toko 11

Ny Nandraisantsika Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah

MATETIKA no nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly fotsiny ireo rahalahintsika, tamin’ny fiandohan’ny tantarany ankehitriny. Rehefa nisy nanontany hoe inona no fivavahanareo, dia nilaza fotsiny izy hoe “Kristianina.” Namaly an’io fanontaniana io ny Rahalahy Russell, ka nanoratra toy izao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana: “Tsy manava-tena amin’ny Kristianina hafa izahay, ka tsy maka anarana manokana. Afa-po amin’ilay anarana hoe Kristianina izahay, satria izany no niantsoana ny olo-masina fahiny.”—Nomeraon’ny Septambra 1888.

Ahoana àry no nahatonga antsika hantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Ny anarana hoe Kristianina

Matetika no niantso ny tenany sy ny mpiray finoana aminy hoe “rahalahy”, “namana”, ary “fiangonan’Andriamanitra”, ny tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny. (Asa. 11:29; 3 Jaona 14; 1 Kor. 1:2) Nantsoin’izy ireo hoe “Tompo” i Kristy, ary nantsoiny hoe “mpanompon’i Kristy Jesosy” sy ‘mpanompon’Andriamanitra’ ny tenany. (Kol. 3:24; Fil. 1:1; 1 Pet. 2:16) Nampiasaina tsara teo anivon’ny fiangonana izany anarana izany, sady azon’ny rehetra.

Nantsoina hoe “Ny Lalana” ny fomba fiaina nifantoka tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, sy ny fiangonana tamin’ny ankapobeny. (Asa. 9:2; 19:9) Maro ny fandikan-teny nandika ny Asan’ny Apostoly 18:25 hoe “ny lalan’i Jehovah.” a Nisy tamin’ireo tsy anisan’ny fiangonana anefa nanome anarana naneso azy ireo hoe “sektan’ny Nazareanina.”—Asa. 24:5.

Nanjary nantsoina hoe Kristianina ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy nahatoky, nanomboka tamin’ny taona 44, na tsy ela taorian’izay. Misy milaza fa ny olona te haneso no niantso azy ireo hoe Kristianina. Maro anefa ireo mpanao diksionera sy mpanazava teny ara-baiboly, no milaza fa ny matoanteny ampiasaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:26 dia midika hoe nisy fitarihan’Andriamanitra. Nadikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry izy io hoe: “Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina, noho ny fitondran’Andriamanitra.” (Izany koa no nataon’ny Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina, anglisy, Fanontana Nohavaozina 1898; Ny Baiboly Amin’ny Teny Anglisy Tsotra, 1981; ary ny Testamenta Vaovao nataon’i Hugo McCord, 1988.) Maro no nahay ny anarana hoe Kristianina, tamin’ny taona 58, eny fa na dia ny mpitondra romanina aza.—Asa. 26:28.

Anarana niavaka tsara ny hoe Kristianina, fony fahavelon’ny apostolin’i Kristy. (1 Pet. 4:16) Noroahina tsy ho Kristianina izay niseho ho Kristianina nefa tsy nanana finoana sy fitondran-tena nifanaraka tamin’izany. Efa nilaza anefa i Jesosy fa hamafy voa hamokatra Kristianina sandoka i Satana, rehefa maty ireo apostoly. Nilaza tena ho Kristianina koa ireo mpisandoka ireo. (Matio 13:24, 25, 37-39) Nampiasa hery ny Kristianina nivadi-pinoana mba hanovana olona, hany ka nilaza tena ho Kristianina ny olona, mba tsy ho voaenjika fotsiny. Matetika no nantsoina hoe Kristianina ny Eoropeanina tsy Jiosy na Miozolimanina na tsy mino an’Andriamanitra, tatỳ aoriana, na dia hafa aza ny zavatra ninoany sy ny fitondran-tenany.

Anaram-bosotra naneso

Nanjary olana ho an’ireo mpitondra fanavaozana protestanta izany, nanomboka tamin’ny taonjato faha-16. Nampiasain’ny rehetra ilay anarana hoe Kristianina, ka ahoana no anavahan’izy ireo ny tenany?

Matetika izy ireo no nandray ny anaram-bosotra naneso azy, nomen’ny fahavalony. Ny fahavalon’i Martin Luther, tany Alemaina, àry no niantso voalohany an’ireo mpanara-dia azy hoe Loteranina. Nantsoina hoe Metodista kosa ireo mpanaraka an’i John Wesley, tany Angletera, satria matetika izy ireo no nanaraka ny fivavahany tamin’ny fomba hentitra be. Tsy tian’ny Batista, tamin’ny voalohany, ilay anaram-bosotra hoe Anabatista (midika hoe “Mpanao Batisa Indray”), nefa nekeny tsikelikely ihany ilay hoe Batista, tatỳ aoriana.

Ary ireo Mpianatra ny Baiboly? Niantso azy ireo hoe hoe Russelliste na Rutherfordiste ny mpitondra fivavahana. Toy ny sekta izy ireo, raha nandray izany anarana izany. Tsy hety koa izany, satria mifanohitra amin’ny anatry ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina voalohany hoe: “Raha hoy ny iray hoe: ‘Izaho an’i Paoly’, ary ny iray kosa hoe: ‘Izaho an’i Apolosy’, tsy olona fotsiny ihany [manana fomba fijery araka ny nofo, fa tsy araka ny fanahy] ve ianareo amin’izany?” (1 Kor. 3:4) Nisy niantso azy ireo hoe “Mpino ny Fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona”, nefa iray monja amin’ireo fampianarany izany. Nisy koa niantso azy hoe “Ry Tilikambo Fiambenana”, nefa tsy nety koa izany, satria gazety nanaparitahany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly fotsiny Ny Tilikambo Fiambenana.

Nilaina ny anarana manokana

Nanjary niharihary fa tena nila anarana manokana ankoatra ny hoe Kristianina ny mpanompon’i Jehovah. Niova ny fiheveran’ny olona ny dikan’ny hoe Kristianina, satria matetika ny olona milaza ho Kristianina no zara raha mahalala na tsy mahalala mihitsy an’i Jesosy Kristy, sy ny zavatra nampianariny, ary ny zavatra tokony hataon’ny tena mpanara-dia azy. Nihatakatr’ireo rahalahintsika koa ny Tenin’Andriamanitra, ka hitany mazava fa ilaina ny misaraka tanteraka amin’ireo fivavahana misandoka ho Kristianina.

Marina fa matetika ireo rahalahintsika no niantso ny tenany hoe Mpianatra ny Baiboly. Nampiasa ny hoe Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena koa izy ireo tamin’ny 1910, satria niara-nivory mba hanao izany. Nantsoin’izy ireo hoe Mpiara-mianatra ny Baiboly kosa ny fiangonany tsirairay tamin’ny 1914, mba tsy hifangaro tamin’ilay anaran’ny fikambanany ara-dalàna vaovao hoe Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Tsy ny mianatra Baiboly ihany anefa no nataon’izy ireo. Nisy olon-kafa nianatra ny Baiboly koa, ka ny sasany nazoto, ny sasany nitsikera, ary tsy vitsy koa no nihevitra azy io ho haisoratra nahafinaritra fotsiny. Nisy tamin’ireo mpiara-miasa tamin’i Russell koa tsy nety niaraka tamin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, rehefa maty izy, ary nanohitra ny asan’ireo fikambanana ireo mihitsy. Nampiasa anarana samihafa izy ireny, ka ny sasany niantso ny tenany hoe Mpiara-mianatra ny Baiboly. Vao mainka niteraka savorovoro izany.

Naka an’ilay anarana manokana hoe Vavolombelon’i Jehovah anefa isika, tamin’ny 1931. Nilaza i Chandler Sterling, mpanoratra, fa io no “hafetsena lehibe indrindra” nasehon’i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany. Hafetsena izany, hoy io mpanoratra io, satria tsy vitan’ny hoe nahazo anarana ofisialy ilay fivavahana, fa ho mora amin’izy ireo koa ny hilaza fa mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny “vavolombelona” sy ny “asan’ny vavolombelona.” Nilaza toy izao, momba an’io fampandrenesana nataon’ny Rahalahy Rutherford io, kosa i A. Macmillan, mpiara-miasa tamin’ny prezidà telon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana: “Tsy nisalasala mihitsy aho na taloha na ankehitriny, fa ny Tompo no nitarika azy, ary io no anarana tian’i Jehovah hiantsoana antsika, ary tena faly isika nahazo izany.” Iza no hevitra voaporofon’ny zava-misy? ‘Hafetsen’ny’ Rahalahy Rutherford ve ilay anarana, sa avy amin’Andriamanitra?

Zava-nitranga nanondro an’ilay anarana

Tamin’ny taonjato fahavalo T.K. i Jehovah no nampanoratra an’i Isaia hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy, ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. ... Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.” (Isaia 43:10, 12) Maro tamin’ireo faminanian’i Isaia no tanteraka tamin’ny fiangonana kristianina, araka ny asehon’ny Soratra Grika Kristianina. (Ampitahao amin’ny Hebreo 2:10-13 ny Isaia 8:18; ampitahao amin’ny Apokalypsy 21:1, 2 ny Isaia 66:22.) Tsy noresahina tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana mihitsy anefa ny Isaia 43:10, 12, nandritra ireo 40 taona voalohany nivoahany.

Nitarika ho amin’ny fisehoan-javatra vaovao sy lehibe anefa ny fianaran’ny mpanompon’i Jehovah ny Soratra Masina. Nanomboka nanjaka tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy no Mesia Mpanjaka. Nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izany tamin’ny 1925, ka nomerao 11 no niresaka ilay didy ara-paminaniana ao amin’ny Isaia toko 43.

Lahatsoratra nisongadina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Janoary 1926 ilay fanontaniana nampieritreritra hoe: “Iza no Hanome Voninahitra An’i Jehovah?” Nanazava ampahany tamin’ny Isaia 43:10-12 ny nomerao 46 tamin’ny Tilikambo Fiambenana, nandritra ireo dimy taona nanaraka, ary nampihatra izany tamin’ny Kristianina marina. b Noresahina tamin’ny 1929 fa tafiditra amin’ilay raharaha lehibe mahakasika ny anjely sy ny olombelona ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah. Noresahina imbetsaka, nifandray tamin’io andraikitry ny mpanompon’i Jehovah io, ny Isaia 43:10-12.

Hita àry fa noresahina matetika, vokatry ny fianarana ny Baiboly, ny adidin’izy ireo ho vavolombelon’i Jehovah. Tsy ny anaran’ilay fivavahana fotsiny no voaresaka, fa ny asany koa.

Inona anefa no anarana tokony hiantsoana an’ireo vavolombelona ireo? Inona no anarana mifanentana amin’ny asany? Inona no natoron’ny Tenin’Andriamanitra? Novaliana izany tamin’ny fivoriambe tany Columbus, Ohio, ny 24-30 Jolay 1931.

Anarana vaovao

Nisongadina teo amin’ny fonon’ny fandaharan’ilay fivoriambe ny litera J W. Inona no dikan’izany? Ny alahady 26 Jolay vao nohazavaina izany. Nanao an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao”, ny Rahalahy Rutherford. Noresahiny manokana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, mba hanondroana an’ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nanao lahateny iray hafa izy tamin’io andro io, ka noresahiny ny antony nilana anarana manokana. c Iza no anarana notondroin’ny Soratra Masina? Noresahiny ny Asan’ny Apostoly 15:14, izay milaza hoe tian’Andriamanitra ny haka ‘olona ho an’ny anarany’, avy amin’ireo firenena. Nasongadiny fa “vavolombelona mahatoky sy marina” i Jesosy Kristy, araka ny Apokalypsy 3:14. Nampiasainy ny Jaona 18:37, nilazan’i Jesosy hoe: “Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Nohazavainy ny 1 Petera 2:9, 10, izay milaza fa adidin’ny mpanompon’Andriamanitra ny ‘manambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay niantso azy ireo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ Nohazavainy ny andininy maro ao amin’ny Isaia (na dia tsy nazava loatra aza ny sasany tamin’izany), ary nofaranany tamin’ny fanononana ny Isaia 43:8-12 ny lahateniny. Voalazan’ireo andininy ireo ilay didy hoe: ‘Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.’ Inona àry no fanatsoahan-kevitra nitarihan’ny Tenin’i Jehovah azy ireo? Inona no anarana mifanentana amin’ny zavatra ampiasan’Andriamanitra azy ireo?

Voalaza mazava tao amin’ilay fanapahan-kevitra noraisina tamin’io ny valiny. d Izao no anisan’ny voalaza tao:

“HANAPA-KEVITRA isika, mba hampahafantarana ny toerantsika, sady hinoana fa sitrapon’Andriamanitra voalazan’ny Teniny izany:”

“FA tena tiantsika ny Rahalahy Charles Russell noho ny asany, ary ekentsika amim-pifaliana fa nampiasa azy sy nitahy ny asany ny Tompo, nefa tsy azontsika ekena, araka ny Tenin’Andriamanitra, ny hantsoina hoe ‘Russelliste.’ Anarana fikambanana fotsiny koa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena ary Fikambanana Polipitran’ny Vahoaka, ary ampiasaintsika Kristianina fotsiny mba hanaraha-maso sy hanohizana ny asantsika, ho fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Tsy misy amin’ireo anarana ireo anefa mihatra sy mifanentana tsara amintsika manara-dia an’i Kristy Jesosy Tompontsika. Mpianatra ny Baiboly isika, ary fikambanana kristianina, nefa tsy tiantsika ny hantsoina hoe ‘Mpianatra ny Baiboly’ na anarana toy izany, mba hiantsoana antsika eo anatrehan’ny Tompo. Tsy tiantsika ny hantsoina amin’ny anaran’olona.”

“FA novidina tamin’ny ra sarobidin’ilay Tompo sy Mpanavotra antsika isika, ary nohamarinina sy natsangan’i Jehovah Andriamanitra ho zanany nantsoina ho amin’ny fanjakany, ka tsy misalasala manambara fa ekentsika sy tiantsika i Jehovah Andriamanitra sy ny fanjakany. Mpanompon’i Jehovah Andriamanitra isika, ary nirahiny hanao asa amin’ny anarany, ka mankatò ny didiny sy manambara momba an’i Jesosy Kristy sy mampahafantatra fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina mahery indrindra. Faly àry isika manaiky sy mandray ny anarana nambaran’ny Tompo Andriamanitra, ary tiantsika ny ho fantatra sy hantsoina amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.Isaia 43:10-12.” e

Nitehaka mafy ny mpanatrika mba hanekena ilay fanapahan-kevitra holanina, rehefa voavaky ilay izy.

Fanekena andraikitra

Voninahitra tokoa ny mitondra ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina sady Tompon’izao rehetra izao! Mitaky andraikitra koa anefa izany. Tsy misy tia an’io andraikitra io ny fivavahana hafa rehetra. Hoy ny Rahalahy Rutherford tao amin’ny lahateniny: “Faly izy ireo, satria nandray ilay anarana tsy tian’olona horaisina, afa-tsy ireo nanolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah ihany.” Mety anefa ny hitondran’ny mpanompon’i Jehovah ny anarany, sy ny hampahafantaran’izy ireo izany, ary mba hampifandraisana izany amin’ny fampahafantarana ny fikasany!

Mandray ny adidy hampita ny teniny marina izay olona na antokon’olona miteny amin’ny anaran’i Jehovah. (Jer. 23:26-28) Tsy maintsy ambarany ny fandaharan’i Jehovah hitahiany ireo tia ny fahamarinana sy hanamelohany ny olon-dratsy. Efa nandidy ny mpaminaniny fahiny i Jehovah, ary mbola miteny amin’ny vavolombelony ankehitriny koa hoe tsy maintsy ampahafantarina amin’ny olona ny Teniny, fa raha tsy izany dia toy ny manala teny ao amin’izy io, izy ireo. (Jer. 1:17; 26:2; Ezek. 3:1-11) Samy tsy maintsy ambaran’izy ireo ny “taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika.” (Isaia 61:1, 2) Nanaiky izany andraikitra izany ireo nanaiky ilay fanapahan-kevitra tetsy ambony. Hoy ny ampahany farany tamin’izy io:

“Ny hany zava-kendrentsika Vavolombelon’i Jehovah dia ny hanaiky tanteraka ny didiny; hampahafantatra fa izy no hany Andriamanitra marina sy mahery indrindra; marina ny Teniny ary tokony homena haja sy voninahitra ny anarany; Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra i Kristy, ary efa nomeny seza fiandrianan’ny mpanjaka; efa manjaka ny fanjakany, ary tsy maintsy torintsika, araka ny didin’ny Tompo, izany vaovao tsara izany, ho vavolombelona amin’ny firenena, ary hampahafantarantsika an’ireo mpitondra izany, sy ny fandaminan’i Satana lozabe sy mpampijaly, indrindra fa momba ny ‘Kristianisma Anarana’, izay ampahany ratsy fanahy indrindra amin’io fandaminana hita maso io; tsy maintsy ampahafantarintsika koa ny fikasan’Andriamanitra handrava tsy ho ela ny fandaminan’i Satana. Harahin’i Kristy haingana izany asa lehibe izany, ka hataony izay hahafahan’ny olona mpankatò hahazo fiadanana sy fanambinana, fahafahana sy fahasalamana ary fahasambarana sy fiainana mandrakizay; ny Fanjakan’Andriamanitra no fanantenana ho an’izao tontolo izao, ka tsy misy hafa, ary tsy maintsy ambaran’ireo fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah izany hafatra izany.”

“Asainay amim-panetren-tena ny olona rehetra nanolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah sy ny fanjakany mba hiaraka hitory io vaovao tsara io, mba hisandratra ny fitsipika marin’ny Tompo, ary ho fantatr’izao tontolo izao ny toerana hahitana ny fahamarinana sy fanantenana ary fanamaivanana; ary ambonin’ny zava-drehetra, dia mba hohamarinina sy hasandratra ny anarana lehibe sy masin’i Jehovah Andriamanitra.”

Tsy tany Columbus, Amerika, ihany no nitehaka nirefodrefotra ny mpanatrika, fa hatrany Aostralia koa. Niezaka nandritra ny ora maro mba hahazo ny onjam-peo ny tany Japon, nefa ampahany tamin’ilay fandaharana ihany no reny tamin’ny misasakalina. Nadika avy hatrany izany. Ren’ilay antokon’olom-bitsy tany àry ilay fanapahan-kevitra sy ilay tehaka nirefodrefotra. Nandre izany i Matsue Ishii, izay nilaza tatỳ aoriana fa ‘nihiakam-pifaliana toy ireo rahalahy tany Amerika izy ireo.’ Nilaza ireo Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fivoriambe sy fiangonana maro, taorian’io fivoriambe tany Columbus io, fa neken’izy ireo tanteraka ilay fanapahan-kevitra. Ohatra amin’izany ity tatitra avy tany Norvezy ity: “Nanao ny fivoriambe isan-taona ... tany Oslo izahay, ary nitsangana sady nafana fo niteny mafy hoe ‘Ja’ [Eny], rehefa nanaiky ilay anarantsika vaovao hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah.’ ”

Tsy anarana fotsiny

Ho fantatr’izao tontolo izao ve fa nandray an’io anarana vaovao io ireo rahalahintsika? Eny! Nalefa mivantana tamin’ny radio maro indrindra tamin’izany ny lahateny nanambarana an’io anarana io. Natao tao amin’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (anglisy) koa ilay fanapahan-kevitra momba azy io. Nizara an-tapitrisany tamin’izy io tamin’ny fiteny maro ny Vavolombelon’i Jehovah tany Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa, Afrika, Azia, ary nosy maro. Nizara izany isan-trano izy ireo, sady niezaka manokana hanome azy io ho an’ny mpitondra fanjakana, mpandraharaha malaza ary mpitondra fivavahana. Mbola nahatsiaro an’io ezaka manokana io ny sasany tamin’ireo mbola velona tamin’ny 1992.

Tsy ny rehetra no faly nandray an’io bokikely io. Nanome azy io ho an’ny mpitondra fivavahana iray, ohatra, i Eva Abbott, nefa natsipin’ilay olona ilay izy, ka nilatsaka teo anoloany, rehefa nivoaka ny trano izy. Tsy tian’ilay anabavy havela teo ilay izy, ka notsimponiny. Tonga anefa ny alika ben’ilay mpitondra fivavahana, ka nisambotra azy io teny an-tanany, ary nanatitra azy teny amin’ilay mpitondra fivavahana. Hoy ilay anabavy: “Ilay alika no nisolo ahy tamin’ny fanaterana an’ilay izy!”

Hoy i Martin Poetzinger, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana: “Gaga ny olona teny am-baravarana, rehefa nilazanay hoe: ‘Tonga eto aminao aho androany, amin’ny maha vavolombelon’i Jehovah ahy.’ Nihifikifi-doha ny olona, na nanontany hoe: ‘Fa mbola mpianatra ny Baiboly ihany ianareo, sa tsy izany? Sa efa lasa fivavahana hafa indray ianareo?’ ” Niova tsikelikely ny zava-nitranga. Hoy ny Rahalahy Poetzinger, am-polony taona tatỳ aorian’ny nahazoana an’io anarana manokana io: “Be ny fiovana! Mbola tsy miteny akory aho, dia efa miteny ny olona hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah ianao.’ ” Fantatry ny olona àry ilay anarana.

Tsy anarana fotsiny anefa izy io. Tena vavolombelon’i Jehovah sy ny fikasany lehibe ny mpanompony, na tanora na antitra, na lahy na vavy. Hoy àry i C. Braden, mpampianatra tantaran’ny fivavahana: “Tena norakofan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fitoriany ny tany.”—Mino koa Izy Ireo (anglisy).

Nahatety an’izao tontolo izao ny fitoriana nataon’ireo rahalahintsika, talohan’ny nandraisana ilay anarana vaovao, nefa hita fa nanomana azy ireo ho amin’ny asa lehibe kokoa i Jehovah, dia ny fanangonana vahoaka be hotsimbinina amin’ny Hara-magedona, ka hiaina mandrakizay eto an-tany paradisa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao; Fandikana Ara-bakiteny ny Testamenta Vaovao ... Avy Amin’ny Sora-tanan’i Vatican (anglisy), nataon’i Herman Heinfetter; ary fandikan-teny enina ho amin’ny teny hebreo. Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy momba ny Asan’ny Apostoly 19:23, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (frantsay).

b Anisan’ireo lahatsoratra lehibe navoakan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’io ny hoe “Jehovah sy ny Asany”, “Omeo Voninahitra ny Anarany”, “Vahoaka ho An’ny Anarany”, “Nasandratra ny Anarany”, “Vavolombelona Marina sy Mahatoky”, “Derao i Jehovah!”, “Mifalia Amin’i Jehovah”, “Jehovah Fara Tampony”, “Fanamarinana ny Anarany”, “Ny Anarany”, ary “Mihirà ho An’i Jehovah.”

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Anarana Vaovao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Oktobra 1931.

d Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Septambra 1931, p. 278-279.

e Marina fa voaporofo hoe fitarihan’i Jehovah no nifidianana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy, 1 Febroary 1944, p. 42-43; 1 Oktobra 1957, p. 607) sy ny boky “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao” anefa, fa tsy ilay “anaram-baovao” resahin’ny Isaia 62:2; 65:15 sy ny Apokalypsy 2:17 izy io, na dia mifanaraka amin’ireo andininy ao amin’ny Isaia aza ilay anarana.

[Teny notsongaina, pejy 149]

‘Nantsoina hoe Kristianina ny mpianatra, noho ny fitondran’Andriamanitra’

[Teny notsongaina, pejy 150]

Niova ny fiheveran’ny olona ny dikan’ny hoe Kristianina

[Teny notsongaina, pejy 151]

Tsy Mpianatra ny Baiboly fotsiny izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 157]

‘Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra’

[Efajoro, pejy 151]

Ny Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah any Amerika

Arabo ش‍هود ‍ي‍هوه‍

Armenianina Եհովայի Վկաներ

Sinoa 耶和華見證人

Anglisy Jehovah’s Witnesses

Frantsay Témoins de Jéhovah

Grika Μάρτυρες του Ιεχωβά

Groenlandey Jehovap Nalunaajaasui

Italianina Testimoni di Geova

Japoney エホバの証人

Koreanina 여호와의 증인

Papiamento Testigonan di Jehova

Poloney Świadkowie Jehowy

Portogey Testemunhas de Jeová

Samoanina Molimau a Ieova

Espaniola Testigos de Jehová

Sranan tongo ehovah Kotoigi

Tagalog Mga Saksi ni Jehova

Vietnamianina Nhân-chứng Giê-hô-va

[Efajoro, pejy 152]

Nisy Olon-kafa Nahita Izany Koa

Tsy “Ny Tilikambo Fiambenana” ihany no nilaza fa hanana vavolombelona eto an-tany i Jehovah, raha jerena ny Baiboly. Niresaka momba ireo olona hahatanterahan’ny Isaia toko 43, ohatra, i H. Ironside, ao amin’ilay bokiny hoe “Fanazavana Momba An’i Daniela Mpaminany” (natonta voalohany tamin’ny 1911). Hoy izy: “Ho vavolombelon’i Jehovah izy ireo, hanamarina ny hery sy voninahitr’ilay Andriamanitra tokana, fa ny Kristianina nivadi-pinoana kosa ho voafitaka tanteraka, ka hino ny laingan’ny Antikristy.”

[Efajoro, pejy 153]

Ny Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah any Azia sy Pasifika

Bengali যিহোবার সাক্ষিরা

Bicol, Cebuano, Hiligaynon,

Samar-Leyte, Tagalog Mga Saksi ni Jehova

Bichlamar Ol Wetnes blong Jeova

Sinoa 耶和華見證人

Anglisy Jehovah’s Witnesses

Fidjianina Vakadinadina i Jiova

Goujrati યહોવાહના સાક્ષીઓ

Hindi यहोवा के साक्षी

Hiri Motu Iehova ena Witness Taudia

Iloko Dagiti Saksi ni Jehova

Indonezianina Saksi-Saksi Yehuwa

Japoney エホバの証人

Kannada ಯೆಹೋವನ ಸಾಕ್ಷಿಗಳು

Koreanina 여호와의 증인

Malayalam യഹോവയുടെ സാക്ഷികൾ

Marathe यहोवाचे साक्षीदार

Marshall Dri Kennan ro an Jeova

Myama ယေဟောဝါသက်သေမျာ

Népali यहोवाका साक्षीहरू

Pidgin Melanezianina Ol Witnes Bilong Jehova

Niue Tau Fakamoli a Iehova

Palau reSioning er a Jehovah

Pangasinan Saray Tasi nen Jehova

Ponape Sounkadehde kan en Siohwa

Rarotonga Au Kite o Iehova

Rosianina Свидетели Иеговы

Samoanina, Tuvalu Molimau a Ieova

Cinghalais යෙහෝවාගේ සාක්ෂිකරුවෝ

Pidgin-n’ireo Nosy Salomon all’gether Jehovah’s Witness

Tahisianina Ite no Iehova

Tamoul யெகோவாவின் சாட்சிகள்

Télougou యెహోవాసాక్షులు

Tailandey พยาน​พระ​ยะโฮวา

Tongan Fakamo‘oni ‘a Sihova

Truk Ekkewe Chon Pwarata Jiowa

Ourdou

Vietnamianina Nhân-chứng Giê-hô-va

Yap Pi Mich Rok Jehovah

[Efajoro, pejy 154]

Ny Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah any Afrika

Afrikaans Jehovah se Getuies

Amharique የይሖዋ ምሥክሮች

Arabo ش‍هود ‍ي‍هوه‍

Chichewa Mboni za Yehova

Icibemba Inte sha kwa Yehova

Efịk Mme Ntiense Jehovah

Anglisy Jehovah’s Witnesses

Éwé Yehowa Ðasefowo

Frantsay Témoins de Jéhovah

Ga Yehowa Odasefoi

Goun Kunnudetọ Jehovah tọn lẹ

Haoussa Shaidun Jehovah

Ibo Ndịàmà Jehova

Kiluba Ba Tumoni twa Yehova

Kinyarwanda Abahamya ba Yehova

Kirundi Ivyabona vya Yehova

Kisi Seiyaa Jɛhowaa

Kwanyama Eendombwedi daJehova

Lingala Batemwe ya Jéhovah

Luganda Abajulirwa ba Yakuwa

Malagasy Vavolombelon’i Jehovah

Mooré A Zeova Kaset rãmba

Ndonga Oonzapo dhaJehova

Portogey Testemunhas de Jeová

Sango A-Témoin ti Jéhovah

Sepedi Dihlatse tša Jehofa

Sesotho Lipaki tsa Jehova

Shona Zvapupu zvaJehovha

Silozi Lipaki za Jehova

Swahili Mashahidi wa Yehova

Tigrigna ናይ የሆዋ መሰኻኽር

Tshiluba Bantemu ba Yehowa

Tsonga Timbhoni ta Yehova

Tswana Basupi ba ga Jehofa

Twi Yehowa Adansefo

Venda Ṱhanzi dza Yehova

Xhosa amaNgqina kaYehova

Yorobà Ẹlẹ́rìí Jehofa

Zoloa oFakazi BakaJehova

[Efajoro, pejy 154]

Ny Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa sy Moyen-Orient

Albaney Dëshmitarët e Jehovait

Arabo ش‍هود ‍ي‍هوه‍

Armenianina Եհովայի Վկաներ

Boligara Свидетелите на Йехова

Kroaty Jehovini svjedoci

Tseky svĕdkové Jehovovi

Danoà Jehovas Vidner

Holandey Jehovah’s Getuigen

Anglisy Jehovah’s Witnesses

Estonianina Jehoova tunnistajad

Failandey Jehovan todistajat

Frantsay Témoins de Jéhovah

Alemà Jehovas Zeugen

Grika Μάρτυρες του Ιεχωβά

Hebreo עדי־יהוה

Hongroà Jehova Tanúi

Islandey Vottar Jehóva

Italianina Testimoni di Geova

Masedonianina, Serba Јеховини сведоци

Maltais Xhieda ta’ Jehovah

Norvezianina Jehovas vitner

Poloney Świadkowie Jehowy

Portogey Testemunhas de Jeová

Romanianina Martorii lui Iehova

Rosianina Свидетели Иеговы

Slovaky Jehovovi svedkovia

Slovène Jehovove priče

Espaniola Testigos de Jehová

Soedoà Jehovas vittnen

Tiorka Yehova’nın Şahitleri

Ukrainien Свідки Єгови

[Sary, pejy 155]

Nabaribary tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1931 ireo fanafohezana hoe J W (tsy nisy fanazavana). Nohazavaina tamin’ilay lahateny nampahery momba ny anarana vaovao ny dikan’izy ireo

[Sary, pejy 156]

Nirehareha izy ireo nampahafantatra ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo