Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Izy”

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Izy”

Toko 14

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Izy”

TENA anisan’izao tontolo izao ny ankamaroan’ny fivavahana, ary mankalaza ny fetiny, sady manindrahindra tanindrazana toa azy. Matetika ny mpitondra fivavahana no miaiky izany, nefa tsy mampaninona ny maro aminy izany. Mariho anefa ny tenin’i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.

Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io lafiny io? Noporofoiny ve fa tsy anisan’izao tontolo izao izy?

Fiheverana ny mpiara-belona

Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly voalohany tsara, fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Kristianina marina. Nanazava Ny Tilikambo Fiambenana fa nosarahin’Andriamanitra tamin’izao tontolo izao ireo voahosotra, satria nohamasinina, ka lasa zanany tamin’ny alalan’ny fanahy masina, mba ho mpanjaka any an-danitra. Noresahiny koa fa tsy maintsy manalavitra ny toe-tsain’izao tontolo izao izy ireo, izany hoe ny zava-kendreny sy ny fanantenany ary ny fitiavan-tenany.—1 Jaona 2:15-17.

Nisy vokany teo amin’ny fomba nitondran’ny Mpianatra ny Baiboly an’ireo tsy mitovy finoana aminy ve izany? Tsy nahatonga azy ireo hitoka-monina izany. Tsy te hisakaiza tamin’izao tontolo izao, ka hanaraka ny fomba fiainany, anefa ireo tena nampihatra izay nianarany tao amin’ny Soratra Masina. Nasongadin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny mpanompon’Andriamanitra ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony “hanao soa amin’ny rehetra” izy ireo. Nolazainy koa hoe tsy tokony hamaly faty izy ireo, rehefa enjehina, fa ‘ho tia ny fahavalony’ kosa, araka ny tenin’i Jesosy. (Gal. 6:10; Matio 5:44-48) Nampirisihina izy ireo hitory ny fahamarinana sarobidy momba ny fandaharam-pamonjena ataon’Andriamanitra.

Tsy mahagaga àry raha heverin’izao tontolo izao ho hafahafa izy ireo. Tsy izany ihany anefa no dikan’ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao.

Misaraka sy tsy mitovy amin’i Babylona Lehibe

Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo, ka tsy anisan’ireo fivavahana miditra lalina amin’ny raharahan’izao tontolo izao, sady mampianatra zavatra avy amin’i Babylona fahiny, izay efa fahavalon’ny fivavahana marina foana. (Jer. 50:29) Efa am-polony taona maro talohan’ny Ady Lehibe I ny Mpianatra ny Baiboly no nilaza fa avy amin’ny fanompoan-tsampy ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, sy ny fanahy tsy mety maty, ary ny afobe. Nahariharin’izy ireo koa fa miezaka mitaona ny mpitondra fanjakana ireo fiangonana, mba hanatanterahany ny sitrapony. Nantsoin’ny Mpianatra ny Baiboly hoe “Babylona Lehibe” ny Kristianisma Anarana, rehefa nodinihiny ny fampianarany sy ny fanaony. (Apok. 18:2) Nafangaron’ny Kristianisma Anarana mantsy ny fahamarinana sy ny fahadisoana, ny Kristianisma hafahafa sy ny fanaon’izao tontolo izao, ka mety tsara ny iantsoana azy, araka ny Baiboly, hoe “Babylona” (midika hoe “Korontana”). Nampirisihina hivoaka tao amin’i “Babylona” ireo tia an’Andriamanitra. (Apok. 18:4) Nizara 10 000 000 tamin’ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana (anglisy) izy ireo, tamin’ny faran’ny Desambra 1917 sy fiandohan’ny 1918. Anisan’ny lohateny tao ny hoe “Ny Nianjeran’i Babylona”, izay namely mafy ny Kristianisma Anarana. Nankahala ny Vavolombelona àry ny mpitondra fivavahana, ka nanararaotra ny zava-nitranga tamin’ny ady, mba hampitsaharana ny asany.

Tena tsy maintsy niala tamin’ny fivavahana nampianatra zavatra diso, ireo naniry hivoaka avy tao amin’i Babylona Lehibe. Nanao izany ireo Mpianatra ny Baiboly, na dia noheveriny ho rahalahiny ihany aza ireo mpivavaka tao amin’ireo fiangonana, izay nilaza ho nanolo-tena sy nino ny vidim-panavotana. Tsy vitan’ny hoe nanao taratasy fialana tamin’ny Kristianisma Anarana anefa ireo Mpianatra ny Baiboly, fa namaky azy io nandritra ny fotoam-pivavahana koa, raha nety ny niteny toy izany. Raha tsy izany kosa, dia nandefa an’io taratasy io tamin’ny mpiangona rehetra izy ireo. Matetika ilay taratasy no feno hatsaram-panahy, sady fitoriana.

Tsy nentin’izy ireo niaraka taminy ve ny fomba tsy nety avy tany amin’ireo fivavahana? Inona no nitranga talohan’ny Ady Lehibe I?

Tokony hiditra amin’ny politika ve ny fivavahana?

Maro tamin’ireo mpitondra no niteny hoe ‘avy amin’Andriamanitra’ ny fahefany, ka nilaza ho solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy nahazo sitraka manokana taminy izy, satria nifandray tamin’ny fiangonana katolika na protestanta. Nitso-drano ny fitondrana ny fiangonana, ary ny fitondrana kosa nanohana ny fiangonana. Niditra tamin’izany ve ny Mpianatra ny Baiboly?

Tsy nanao toy ny Kristianisma Anarana izy ireo, fa nandinika ny fampianarana sy ny ohatr’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny kosa. Inona no hitan’izy ireo tao amin’ny Baiboly? Nasehon’ireo bokin’ny Fikambanana taloha fa fantatr’izy ireo hoe nilaza toy izao i Jesosy, rehefa nanontanian’i Pontio Pilato, governora romanina: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” Nanontanian’ilay governora ny anjara asany, ka hoy izy: “Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:36, 37) Fantatr’izy ireo fa nanao izany asany izany tsara i Jesosy. Nanda izy, rehefa natolotry ny Devoly azy ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’izy ireny. Nandositra izy, rehefa fantany fa haka azy hatao mpanjaka ny olona. (Matio 4:8-10; Jaona 6:15) Takatr’izy ireo tsara koa fa nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” ny Devoly, ary ‘tsy nanana fahefana taminy.’ (Jaona 14:30) Hitany fa tsy niditra tamin’ny raharaha politikan’i Roma i Jesosy sy ny mpianany, fa nifantoka kosa tamin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 4:43.

Nidika ve izany fahatakarany ny Tenin’Andriamanitra izany hoe tsy nanaja ny manam-pahefana izy ireo? Tsia. Nanampy azy ireo kosa izany hahatakatra ny antony mahalehibe aoka izany ny olana atrehin’ireo mpitondra, sy ny mahabetsaka ny mpandika lalàna, ary ny tsy mahatanteraka ny fikasan’ny fitondram-panjakana hanatsara ny fiainan’ny vahoaka. Nanampy azy ireo izany mba hanam-paharetana eo am-piatrehana olana, satria natoky izy ireo fa hanao zavatra Andriamanitra, amin’ny fotoana mety aminy, mba hamahana izany amin’ny alalan’ny Fanjakany. Takatr’izy ireo tamin’izany fa ireo mpitondra fanjakana no “manam-pahefana” resahin’ny Romanina 13:1-7. Nampirisihina hanaja ny mpitondra fanjakana àry izy ireo. Nanazava ny Romanina 13:7 i C. Russell tao amin’ilay boky hoe Ny Zavaboary Vaovao (1904). Nilaza izy fa ny Kristianina marina no “tokony ho vonona indrindra hankatò an’ireo lehibe eo amin’ity tontolo ity, ary ho mpanara-dalàna indrindra, raha tsy hoe mifanohitra amin’ny didy avy any an-danitra angaha izany. Vitsy ihany ny mpitondra hilaza hoe tsy mety ny mankatò an’ilay Mpamorona sy hanaiky voalohany indrindra ny didiny. Tokony ho [ny Kristianina marina] àry no ho anisan’ireo mpanara-dalàna indrindra, fa tsy ho mpanakorontana na mpila ady, na mpila vaniny.”

Kristianina ny Mpianatra ny Baiboly, ka nahafantatra tsara fa ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra no asa tokony hifantohany. Nolazaina tao amin’ny Fianarana ny Soratra Masina, Boky I, koa fa “tsy hisy fotoana hitsabahana amin’ny politikan’ny fitondrana, raha tena atao tsara io asa io.”

Mitovy be amin’ny Kristianina voalohany izy ireo, amin’io lafiny io. Hoy i Augustus Neander, mahakasika azy ireny, ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina: “Nisaraka tanteraka tamin’ny fanjakana ny Kristianina, ... ary tsy maintsy ekena fa tsy nisy vitan’ny Kristianisma teo amin’ny fiainan’ny olona, afa-tsy ny nanampy azy ireny hampitombo ny fitiavam-pivavahany.”

Ady lehibe

Nampiseho izay tao am-pon’ireo nilaza ho Kristianina ny Ady Lehibe I. Io no ady nampahatahotra indrindra hatramin’izay, ary saika voakasik’io avokoa ny olona eran-tany.

Tian’i Vatikana kokoa ny Hery Afovoany, nefa niezaka ny Papa Benoît Faha-15 mba hiseho ho tsy momba ny atsy na ny aroa. Tsy mba toy izany anefa ny mpitondra fivavahana protestanta sy katolika tany amin’ny firenen-tsamihafa. Nanoratra toy izao momba ny zava-nisy teto Etazonia, ny Dr. Ray Abrams, ao amin’ilay bokiny hoe Mandray Fiadiana ny Mpitory Teny (anglisy): “Niray zava-kendrena ireo fiangonana, fa tsy toy ny hatramin’izay. ... Tsy ela ireo mpitarika dia nandamin-javatra betsaka momba ny ady. Iray andro taorian’ny nipoahan’ny ady, dia efa nametraka lamina mba hanohanana azy io tanteraka ny Filan-kevitra Federaly Amerikanina Ivondronan’ny Fiangonan’i Kristy. ... Nivory koa ny Eglizy Katolika, teo ambany fiahian’ny Filan-kevitra Nasionaly Katolika Momba ny Ady. Arseveka 14 no nitarika azy io ary ny Kardinaly Gibbons no nitari-draharaha. Nasehon’izy ireo fa notohanany tanteraka ilay ady. ... Nanao mihoatra noho izay nangatahina taminy ny fiangonana maro. Nanjary toerana fiantsoana miaramila izy ireny.” Inona no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly?

Niezaka mafy nanao izay noheveriny fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, nefa tsy hita hoe tena tsy nomba ny atsy na ny aroa. Nino izy ireo (toy ireo milaza ho Kristianina koa) fa “notendren’Andriamanitra”, araka ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, ireo “hery ambony kokoa.” (Rom. 13:1) Nanaraka izay nambaran’ny prezidàn’i Etazonia àry Ny Tilikambo Fiambenana, ka nampirisika ny Mpianatra ny Baiboly mba hanao ny 30 Mey 1918 ho andro ivavahana momba izay hiafaran’ilay ady lehibe. a

Samy hafa ny zavatra niainan’ny Mpianatra ny Baiboly tsirairay sy ny fomba niatrehany izany, nandritra ny ady. Nahatsapa ny adidiny hankatò ny manam-pahefana izy ireo, ka nandeha tany an’ady sy nitondra basy. Notadidiny anefa ilay andininy hoe “aza mamono olona”, ka nanao tifi-danitra fotsiny izy, na nodoniny fotsiny ny tanan’ny mpifanandrina, mba hilatsahan’ny fiadiany. (Eks. 20:13) Nisy vitsivitsy tsy nety nanao fanamiana miaramila, toa an’i Remigio Cuminetti, tany Italia. Tsy neken’ny fanjakana italianina tamin’izany ny tsy hanaovana miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Notsaraina indimy izy, ary nogadraina sy natao tany amin’ny fitsaboana marary saina, nefa tsy niova ny finoany sy ny fahatapahan-keviny. Nisy nasaina hiasa ho an’ny firenena na hanao miaramila tsy alefa miady kosa, ireo nangataka tsy hanao miaramila, tany Angletera. Tsy nety nanao miaramila mihitsy anefa ny sasany, toa an’i Pryce Hughes, na inona na inona vokany.

Tsy tena nitovy tamin’ny Kristianina voalohany ny nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’izay. Izao mantsy no nolazain’i E. Barnes momba azy ireo, ao amin’ny bokiny hoe Ny Fandrosoan’ny Kristianisma (anglisy): “Nodinihina tsara ny fanazavana misy, ka hita fa tsy nisy Kristianina nanjary miaramila, hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [emperora romanina tamin’ny taona 161 hatramin’ny 180]; ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa tonga Kristianina.”

Nisy zava-nitranga taorian’ny Ady Lehibe I anefa, nampiseho hoe iza no tena tsy nivadihan’ireo fivavahana.

Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ve?

Nisy fifanekem-pihavanana nosoniavina tany Versailles, Frantsa, tamin’ny 28 Jona 1919, ary anisan’izy io ny Fifaneken’ny Fikambanam-pirenena. Na dia talohan’io aza, dia efa nilaza ny Filan-kevitra Federaly Amerikanina Ivondronan’ny Fiangonan’i Kristy fa “Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany” ny Fikambanam-pirenena. Nahazo taratasy be dia be avy tamin’ny fivavahana maro ny Antenimieran-doholona Amerikanina, nampirisika azy ireo hanao sonia an’ilay fifanekena.

Tsy nanara-drian-drano ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nohamafisina akory ilay fifanekem-pihavanana (Oktobra), dia efa nanao lahateny tany Cedar Point, Ohio, i J. Rutherford, ny 7 Septambra 1919. Nasehony fa tsy ny Fikambanam-pirenena, fa ny Fanjakan’Andriamanitra, no hany fanantenana ho an’ny olombelona kivy. Neken’ny Mpianatra ny Baiboly fa mety hahavita zavatra tsara ny fifaneken’olombelona hanatsara ny fiainana. Tsy nanaraka tetika nalamin’ny mpanao politika sy nahazo tso-dranon’ny mpitondra fivavahana anefa izy ireo, satria toy ny mandà ny Fanjakan’Andriamanitra izy, raha nanao izany. Nandeha nitory eran-tany an’io Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy io kosa izy ireo. (Apok. 11:15; 12:10) Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1920 fa io no asa nolazain’i Jesosy tao amin’ny Matio 24:14.

Niatrika an’io zava-nanahirana io indray ny Kristianina, taorian’ny Ady Lehibe II. Nahakasika ny Firenena Mikambana, mpandimby ny Fikambanam-pirenena, indray izany. Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1942 (mbola tao anatin’ny Ady Lehibe II), fa hipoitra indray ilay fikambanana hikatsaka fiadanana, araka ny Apokalypsy 17:8, nefa tsy haharitra ilay fiadanana hoentiny. Nanazava izany i N. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana, tao amin’ilay lahateniny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” Nazoto nilaza izany toe-javatra eran-tany izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohana an’ilay fivoriana tany San Francisco, tamin’ny 1945 (nanaovana sonia ny sata mifehy ny ONU), kosa ny Katolika sy Protestanta ary Jiosy. Hita mazava tamin’izany hoe iza no ‘sakaizan’izao tontolo izao’, ary iza no niezaka ho “tsy anisan’izao tontolo izao”, araka ny tenin’i Jesosy momba ny mpianany.—Jak. 4:4; Jaona 17:14.

Kristianina tsy momba ny atsy na ny aroa

Takatry ny Vavolombelona avy hatrany ny raharaha momba ny fifandraisan’ny Kristianina amin’izao tontolo izao, nefa nisy zavatra hafa tsy takany. Nanampy azy anefa ny fanazavana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra 1939, mba hahatakatra ny dikan’ny hoe tsy naman’izao tontolo izao, rehefa hipoaka ny Ady Lehibe II. Nilaza ilay lahatsoratra fa mahatsiaro ho tokony hifikitra tanteraka amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Tokony hivavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, fa tsy ho an’ity tontolo ity. (Matio 6:10, 33) Nampahafantarin’i Jesosy hoe iza ilay mpitondra tsy hita maso an’izao tontolo izao (Jaona 12:31; 14:30), ary nanontany ilay lahatsoratra hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny olona iray miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa miandany amin’ny mpifanandrina amin’ny ady? Tsy efa nilaza momba ny mpianany ve i Jesosy hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao”?’ (Jaona 17:16) Maro no tsy mahazo izany toerana tanan’ny Kristianina izany. Tena hiaina mifanaraka amin’izany ve anefa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Notsapaina mafy izy ireo, indrindra fa tany Alemaina, raha tena tsy momba ny atsy na ny aroa tokoa, nandritra ny Ady Lehibe II. Hoy i Brian Dunn, mpahay tantara: ‘Tsy afaka niaraka tamin’ny Nazisma ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena tsy tian’ny Nazia tamin’izy ireo ny tsy fanaovany politika. Midika izany fa tsy handray fiadiana izy ireo, na hitana andraikitra, na handray anjara amin’ny fety, na hanao fihetsika fitiavan-tanindrazana.’ (Ny Fihetsiky ny Fiangonana Manoloana ny Famonoana Tambabe, anglisy, 1986) Hoy koa i Paul Johnson, ao amin’ny Tantaran’ny Kristianisma: “Maro no nohelohina ho faty, satria tsy nety nanao miaramila, ... na nalefa tany Dachau na tany amin’ny trano fitsaboana marary saina.” Firy ny Vavolombelona nogadraina tany Alemaina? Nilaza izy ireo tatỳ aoriana, fa 6 262 taminy no nosamborina, ary 2 074 tamin’ireo no nalefa tany amin’ny toby fitanana. Manome tarehimarika ambony kokoa ny mpanoratra tsy Vavolombelona.

Nantsoina hanao miaramila ny lehilahy sy vehivavy tany Grande-Bretagne, ary nekena tsy hanao kosa ny sasany. Maro anefa ny fitsarana tsy nanaiky ny tsy hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah miaramila, ka nisy mpitsara namoaka didim-pitsarana hanagadrana azy ireo. Maherin’ny 600 taona ireny sazy ireny raha atambatra. Nisy an-jatony ny Vavolombelon’i Jehovah navela tsy hanao miaramila teto Etazonia. Nisy 4 000 mahery kosa noterena hanao izany (na dia teo aza ny lalàna namela azy tsy hanao izany), ka nosamborina sy nogadraina hatramin’ny dimy taona. Tsy manao miaramila koa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

Mbola nitohy ihany anefa ny fitsapana azy ireo, taorian’ilay ady. Nisy ady hafa taorian’ilay tamin’ny 1939-1945, sady nanery ny vahoaka hanao raharaha miaramila ny firenena maro, na dia tsy nisy ady aza. Nogadraina foana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa noterena hanao raharaha miaramila. Namoaka didy hamonoana an’i John Tsukaris sy George Orphanidis ny fanjakana grika, tamin’ny 1949, rehefa tsy nety nandray fiadiana hamonoana ny mpiray tanindrazana taminy, izy ireo. Henjana loatra ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy, sady nisy herisetra niverimberina, hany ka niezaka hiaro azy ireo ny Filan-kevitr’i Eoropa (Komity Miaro ny Zon’olombelona). Nanery mafy anefa ny Eglizy Ortodoksa Grika, ka mahalana ilay filan-kevitra no nahomby, hatramin’ny 1992. Tsy tian’ny fitondrana sasany koa anefa ny manasazy foana ny Vavolombelona, noho izy tsy manao miaramila noho ny zavatra inoany. Tsy nanery ny Vavolombelona hanao raharaha miaramila na hanao fanompoam-pirenena hafa ny firenena vitsivitsy, tamin’ireo taona 1990, na dia nodinihiny tsirairay aza ny momba azy ireo. Anisan’izany i Soeda, Failandy, Polonina, Holandy, ary Arzantina.

Notsapaina ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra maro, raha tena tsy anisan’izao tontolo izao tokoa. Nampiasa herisetra ny mpanohitra ny fitondrana tany Amerika Latinina, Afrika, Moyen-Orient, ary Irlandy Avaratra. Samy nanery ny Vavolombelona hanohana azy àry, ireo mpifanandrina. Tsy nitsabaka tamin’izany mihitsy anefa izy ireo. Nisy nokapohina tsy nisy antra sy novonoina mihitsy, noho izany. Matetika anefa no nanjary nanaja azy ireo ny andaniny mpifanandrina, ka namela azy hanohy ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah.

Niharam-pitsapana mafy koa ny Vavolombelona tany Malawi tamin’ireo taona 1960 sy 1970, satria noterena ny vahoaka mba hividy karatra maha mpikambana ao amin’ny antoko politikan’ny mpitondra. Mifanohitra amin’ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Nenjehina sy nampiharana herisetra tsy nisy toy izany àry izy ireo. An’aliny no voatery nandositra an’ilay tany, ary maro no noterena hiverina mba hampijaliana azy kokoa indray.

Tsy nikomy ny Vavolombelona, na dia nampijalina aza. Tsy mampidi-doza ny mpitondra eo amin’ny tany misy azy ny finoany. Nanampy tamin’ny fanoherana ny fitondrana kosa ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany, ary nanohana ny mpiady anaty akata ny pretra katolika. Toy ny mandà ny finoany anefa ny Vavolombelona, raha mandray anjara amin’ny fanoherana fitondrana.

Marina fa inoan’ny Vavolombelona hoe hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona, araka ny Daniela 2:44. Tsy milaza anefa izy ireo hoe ny olombelona no hanangana io Fanjakana io. “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana”, hoy ny Soratra Masina. Hazavain’izy ireo koa fa araka ny Baiboly, dia tsy ny olona no asain’Andriamanitra hanala ny fanjakan’olombelona, mba hitoeran’ny Fanjakany. Fantatry ny Vavolombelona fa ny fitoriana sy fampianarana no asan’ny Kristianina marina. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manaja ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ka tsy nisy naniry hanongam-panjakana, na nanao tetika hamelezana ny mpitondra, naneran-tany. Hoy ny gazety italianina La Stampa, momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izy ireo no olom-pirenena mahatoky indrindra: tsy mandositra fandoavan-ketra izy ireo na manamboatra ny lalàna mba hahazoany tombontsoa.” Zava-dehibe amin’Andriamanitra anefa ilay raharaha, ka tapa-kevitra hatrany ny Vavolombelona tsirairay mba ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao.’—Jaona 15:19; Jak. 4:4.

Nanjary nohajaina manokana ny sainam-pirenena

Nanjary nanindrahindra ny fitiavan-tanindrazana izao tontolo izao, rehefa nahazo fahefana i Adolf Hitler, tany Alemaina. Noterena handray anjara tamin’ny fombafomba maneho fitiavan-tanindrazana ny rehetra, mba hifehezana ny olona. Tsy maintsy niteny mafy hoe “Heil Hitler!” sy nanangan-tanana ny olona tany Alemaina. Toy ny nilaza an’i Hitler ho mpamonjy izany, ary nidika fa ny fitondrany no tena nantenain’ny olona. Tsy afaka nanaiky izany anefa ny Vavolombelona. Fantany fa i Jehovah ihany no tokony hotompoiny, ary i Jesosy Kristy no natsangany mba ho Mpamonjy ny olombelona.—Lioka 4:8; 1 Jaona 4:14.

Mbola tsy lasa mpitondra jadona tany Alemaina i Hitler, dia efa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (1931), mba hanazavana ny ohatr’ireo Hebreo telo lahy naman’i Daniela mpaminany, tany Babylona, araka ny tantarain’ny Baiboly. Nodidian’ny mpanjaka ireo Hebreo nahatoky ireo mba hiondrika teo anatrehan’ny sary iray, rehefa maneno ny mozika. Tsy nety anefa izy ireo, ary nankasitrahan’i Jehovah, ka navotany. (Dan. 3:1-26) Nilaza ilay bokikely fa mitovy amin’izany koa no atrehin’ny Vavolombelona ankehitriny, manoloana ireo fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana.

Nanery ny olona handray anjara tamin’ny fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana koa ny tany hafa ankoatra an’i Alemaina. Nanontaniana momba ny fananganan-tsaina any am-pianarana i J. Rutherford, tamin’ny 3 Jona 1935, nandritra ny fivoriambe tany Washington. Nohamafisiny ny mahakasika ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Tsy nety nanangan-tsaina sy nanao hiram-pirenena amerikanina i Carleton Nichols, zanany, (valo taona) avy any Lynn, Massachusetts, volana vitsivitsy taorian’izay, ka nitantara momba izany ny gazety nanerana an’i Etazonia.

Nanazava ilay raharaha ny Rahalahy Rutherford, ka nanao an’ilay lahateny hoe “Fananganan-tsaina”, tao amin’ny radio, ny 6 Oktobra. Hoy izy: “Fombafomba fotsiny, sady tsy misy heviny loatra ny fananganan-tsaina, ho an’ny olona maro. Misy heviny be anefa izy io ho an’ireo mijery ny Soratra Masina.”

“Ny saina no famantarana ny fitondrana. Tena tsy rariny sy tsy mety ny manao lalàna hanerena olom-pirenena, na ankizy, hanome voninahitra zavatra, na hihira ny antsoina hoe ‘hira fitiavan-tanindrazana.’ Ny lalàna dia natao hisorohana fihetsika mety hanimba olona, fa tsy hanerena olona hanohitra ny feon’ny fieritreretany, indrindra fa feon’ny fieritreretana mifanaraka amin’ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra.”

“Tsy hanimba na iza na iza ny tsy fananganan-tsaina sy tsy fitenenana, toy ny nataon’io zazalahy io. Raha tena mino ny olona iray fa raran’ny lalàn’Andriamanitra ny fananganan-tsaina, dia tena hanimba an’io olona io ny fanerena azy hanao zavatra mifanohitra amin’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretany. Tsy manan-jo hanimba olona mihitsy ny Fitondrana sy ny lalàna.”

Nohazavaina bebe kokoa izany, tao amin’ny bokikely Tsy Fivadihana (anglisy), navoaka tamin’ny 1935. Anisan’ny voaresaka tao ireto andinin-teny ireto: Eksodosy 20:3-7, izay milaza fa i Jehovah ihany no tokony hivavahana, ary tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny manao sarin-javatra eny amin’ny lanitra na etỳ an-tany, mba hiankohofany; Lioka 20:25, izay ilazan’i Jesosy Kristy fa tokony homena an’i Kaisara izay an’i Kaisara, nefa tsy maintsy omena an’Andriamanitra koa izay tokony ho Azy; Asan’ny Apostoly 5:29, izay nilazan’ny apostoly hoe “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”

Nalefa tany amin’ny fitsarana, teto Etazonia, ny raharaha momba ny hoe mety ve ny manery olona hanangan-tsaina sa tsia. Nanova ny didy efa navoakany ny Fitsarana Tampony Amerikanina, ny 14 Jona 1943, tamin’ny raharaha Filan-kevitry ny Fampianaran’i Virginie Andrefana miady amin’i Barnette. Nilaza ny fitsarana fa tsy mifanaraka amin’ny fahalalahana lazain’ny lalàm-panorenana amerikanina ny fanerena olona hanangan-tsaina. b

Tsy tany Alemaina sy teto Etazonia ihany anefa no nisehoan’ny raharaha momba ny fitiavan-tanindrazana. Nampijalina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa, Afrika, ary Azia, satria tsy nanangan-tsaina, na nanaraka fombafomba hafa, na dia nijoro tamim-panajana aza izy ireo, nandritra izany. Nokapohina ny ankizy, ary maro no noroahina tany am-pianarana. Maro ny ady natao tany amin’ny fitsarana.

Voatery niaiky anefa ny olona fa tena nitovy tamin’ny Kristianina voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah, teo amin’io lafiny io sy ny hafa koa. Milaza toy izao ny boky Ny Toetran’ny Amerikanina (anglisy): “Maro be mihitsy ny olona ... tsy mahatakatra ny fandavan’ny Vavolombelona, sahala amin’ny tsy nahatakaran’i Trajan sy Pline ny fandavan’ny Kristianina [teo amin’ny Fanjakana Romanina] tsy hanao fanatitra ho an’ny Emperora Andriamanitra.” Efa ampoizina izany, satria tsy mitovy amin’ny an’izao tontolo izao ny fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah (toy ny Kristianina voalohany), fa araka ny fitsipiky ny Baiboly.

Voalaza mazava ny toerana tanan’izy ireo

Nanamafy ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra 1979, rehefa niaritra fitsapana mafy nandritra ny taona maro izy ireo. Nohazavainy koa ny anton’ny fihetsiky ny Vavolombelona tsirairay, ka hoy izy io: “Nianatra ny Tenin’Andriamanitra ireo tanora kristianina ireo, ka nandray fanapahan-kevitra. Tsy nisy nanapa-kevitra ho azy ireo. Vitany samirery izany, niorina tamin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Nanapa-kevitra ny tsy hankahala sy tsy hahery setra amin’ny mpiara-belona aminy any an-tany hafa izy ireo. Ninoan’izy ireo sady tiany ny handray anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana malaza nataon’i Isaia hoe: ‘Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.’ (Isaia 2:4) Izany indrindra no nataon’ireo tovolahy avy amin’ny firenena rehetra ireo.”

Namerina nandinika izay lazain’ny Baiboly momba ny “manam-pahefana”, ao amin’ny Romanina 13:1-7 izy ireo, nandritra ireo taona nitsapana azy. Hita mazava kokoa àry ny fifandraisan’ny Vavolombelona amin’ny mpitondra fanjakana. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra, 15 Novambra, ary 1 Desambra 1962 izany, ary nohamafisin’ny 1 Febroary 1991. Nohamafisin’ireo lahatsoratra ireo fa i Jehovah Andriamanitra no “Avo Indrindra”, ary lazaina hoe “manam-pahefana” kosa ireo mpitondra, satria avelan’Andriamanitra mbola hanana fahefana amin’ny olombelona, ao anatin’ny fetra noferany. Nasehon’ireo lahatsoratra ireo koa fa tsy maintsy manaja an’ireny mpitondra ireny ny Kristianina marina, ary mankatò azy amin’ny zavatra rehetra tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly.—Dan. 7:18; Matio 22:21; Asa. 5:29; Rom. 13:5.

Nanaraka akaiky an’izany fitsipiky ny Baiboly izany ny Vavolombelona, ka nanjary fantatra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, sy mitovy amin’ny Kristianina voalohany.

Fetin’izao tontolo izao

Niala tamin’ny fampianarana avy amin’ny mpanompo sampy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy nanaraka fomba toy izany koa. Tsy voadinika tsara anefa ny momba ny fety sasany, tamin’ny voalohany. Anisan’izany ny Krismasy.

Nankalaza azy io isan-taona, na dia ireo mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana, teto Brooklyn, New York, aza. Efa ela izy ireo no nahalala fa tsy marina ilay 25 Desambra, nefa nolazainy fotsiny hoe efa ampifandraisin’ny rehetra amin’ny nahaterahan’ilay Mpamonjy izy io, ary mety ny manao soa ho an’ny olona, na andro inona na andro inona. Nodinihina lalina kokoa anefa ilay raharaha, ka nanapa-kevitra ny tsy hankalaza Krismasy intsony ny mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana sy ny an’ny sampana tany Angletera sy Soisa, taorian’ny 1926.

Nanao fikarohana tsara momba ny niavian’ny fomba amin’ny Krismasy sy ny vokatr’izany i R. Barber, mpiasan’ny foibe, ka nilaza ny valin’izany tao amin’ny radio. Navoaka tao amin’ny Fotoam-pahasambarana 12 Desambra 1928 koa izany. Nasehon’izy io tsara fa manala baraka an’Andriamanitra ny fiandohan’ny Krismasy. Nanomboka fantatry ny olona tamin’izany ny niavian’io fety io, nefa vitsy no nanaiky hanova ny fiainany. Vonona ny hiova kosa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba ho mpanompon’i Jehovah ankasitrahany kokoa.

Avy hatrany dia tsy nankalaza intsony ny Krismasy ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa fantany ireto: zava-dehibe kokoa amin’ny olona noho ny soron’i Jesosy ny nahaterahany; tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny korana anaranam-po mandritra ilay fety sy ny antony anaovana fanomezana; mpanandro notarihin’ny demonia, raha ny marina, ireo magy nanome fanomezana, izay tahafin’ny olona; ohatra ratsy ho an’ny zanany ny ray aman-dreny, satria mandainga momba ny Dadabe Noely; anarana iantsoana ny Devoly ny “Md. Nicolas” (Dadabe Noely); nolazain’ny Kardinaly Newman fa “fitaovana sy fototry ny fivavahana amin’ny demonia” ireny fety ireny, ao amin’ilay bokiny hoe Fiavian’ny Fampianarana Kristianina (anglisy).

Miara-mifaly amin’ny havana aman-tsakaizany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao fety mifandray amin’ny fanompoan-tsampy anefa izy ireo (Paka, Taom-baovao, Fetin’ny Maty, Fetin’ny Reny). (2 Kor. 6:14-17) Tsy ankalazain’izy ireo koa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana (tsy nankalazain’ny Kristianina voalohany). c Tsy ankalazainy ny fetim-pirenena, izay ahatsiarovana fisehoan-javatra politika na ara-tafika, ary tsy manome voninahitra mahery fon’ny firenena izy ireo, ka toy ny hoe mivavaka aminy. Nahoana? Satria tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo.

Manampy ny mpiara-belona

Nifantoka tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra ny fiainana sy ny kolontsain’ny Fanjakana Romanina. Nanafintohina ny olona ny Kristianina, satria tsy nanao ny fomban’ny mpanompo sampy. Nolazaina hoe mpankahala olona mihitsy aza izy ireo, araka an’i Tacite, mpahay tantara. Nanoratra koa i Minucius Felix, fa nilaza toy izao tamin’ny Kristianina iray ny Romanina iray: “Tsy mijery fety ianareo; tsy milahatra ... ary mankahala ny lalao masina.” Tsy azon’ny tontolo romanina ny toerana notanan’ny Kristianina.

Maro koa eo amin’ny tontolo ankehitriny no tsy mahatakatra ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho tian’izy ireny ny fitsipi-pitondran-tena ambony arahin’ny Vavolombelona, nefa heveriny fa tokony hanao ny fanaon’ny olona koa izy ireo, ary hanampy ny mpiara-belona mba hanatsara ny fiainana. Fantatr’ireo tena mahalala ny Vavolombelona anefa, fa misy antony ara-baiboly ny zava-drehetra ataony.

Tsy mitoka-monina ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manokana ny fiainany hanampiana ny mpiara-belona aminy kosa, toy ny nataon’i Jesosy Kristy. Manampy ny olona izy ireo mba hiatrika tsara ny zava-manahirana azy, satria ampahafantariny aminy ilay Mpamorona sy ny toro lalana omeny ao amin’ny Teniny. Lazainy amin’ny mpiara-monina aminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, izay afaka manova tanteraka ny fiheveran’ny olona ny fiainana. Anisan’ny foto-pinoany ny hoe “mandalo izao tontolo izao”, kely sisa dia handrava ity tontolo ratsy ity Andriamanitra, ary misy hoavy be voninahitra miandry an’ireo tsy anisan’izao tontolo izao, fa mino tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra.—1 Jaona 2:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jona 1918, p. 174.

b Jereo ny Toko 30 hoe “Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna”, mba hahitana tsipiriany.

c Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina, nosoratan’i Augustus Neander, p. 190.

[Teny notsongaina, pejy 188]

Tsy mitoka-monina, nefa tsy manao ny fanaon’izao tontolo izao

[Teny notsongaina, pejy 189]

Niala tamin’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 190]

“Nisaraka tanteraka tamin’ny fanjakana ny Kristianina”

[Teny notsongaina, pejy 194]

Notsapaina raha tena tsy momba ny atsy na ny aroa

[Teny notsongaina, pejy 198]

“Tsy nisy nanapa-kevitra ho azy ireo”

[Teny notsongaina, pejy 199]

Nahoana no tsy nankalaza Krismasy intsony izy ireo?

[Efajoro, pejy 195]

Tsy Mampidi-doza ny Fitondrana

◆ Izao no nolazain’ny gazety “World-Herald”, any Omaha, Nebraska, Etazonia, mahakasika ny fomba itondrana ny Vavolombelona any amin’ny tany iray any Amerika Latinina: “Izay tery saina sy miahiahy tsy amin’antony ny hafa ihany, no hieritreritra hoe mety hampidi-doza ny fitondrana ara-politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mpanongam-panjakana mihitsy izy ireo sady tena tia fihavanana. Ny hanaraka ny finoany araka izay tiany ihany no mba angatahiny.”

◆ Hoy ny “Il Corriere di Trieste”, gazety italianina: “Tokony hankasitrahana ny fijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny firaisan-tsainy. Tsy toy ny fivavahana hafa izy ireo, ka tsy mety aminy ny mivavaka amin’Andriamanitra iray, amin’ny anaran’i Kristy iray, nefa mitso-drano ny mpifandrafy amin’ny ady. Tsy mety aminy koa ny miditra amin’ny politika na fivavahana miandany amin’ny Filohan’ny Fitondrana na antoko politika. Tena vonona mihitsy ho faty izy ireo, toy izay handika ... ilay didy hoe AZA MAMONO OLONA!”

◆ Voarara nandritra ny 40 taona ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tsekoslovakia, rehefa nilaza toy izao ny gazety “Nová Svoboda”, tamin’ny 1990: “Ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah no manakana azy tsy hampiasa fiadiana hamelezana olona, ary nogadraina hatramin’ny efa-taona ireo tsy nety nanao raharaha miaramila tsotra, ary tsy niasa tany amin’ny fitrandrahana arintany. Izany dia efa ahitana fa matanja-tsaina izy ireo. Azontsika omena toerana ambony indrindra ireo olona tsy tia tena ireo, nefa tsy ho azonao amin’izany izy. ... Mazava ho azy fa manaiky ny mpitondra izy ireo, nefa inoany fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mamaha ny olan’ny olombelona. Tandremo anefa fa tsy mafana fo tafahoatra izy ireo, fa tena tia olona kosa.”

[Efajoro/Sary, pejy 200, 201]

Fombafomba Nialana

Ity Krismasy tao amin’ny Betelan’i Brooklyn (1926) ity no farany nankalazain’ny Mpianatra ny Baiboly. Takany tsikelikely fa tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra ny fiandohan’io fety io sy ny fanao amin’izy io

Napetaky ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny akanjony ny lakroa misy satroboninahitra, nandritra ny taona maro, ary io no marika nipetraka teo amin’ny “Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1891 hatramin’ny 1931. Nohamafisina tamin’ny 1928 anefa fa tsy ny marika, fa ny asa, no anehoana fa tena Kristianina ny olona iray. Voaporofo tamin’ny 1936 koa fa teo amin’ny tsato-kazo i Kristy no maty, fa tsy teo amin’ny lakroa

Nisy lisitra andro nahaterahana tao amin’ny boky “Mana Isan’andro.” Tsy nanaraka izany intsony koa ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa tsy nankalaza Krismasy, sady nahatakatra fa manome voninahitra olona ny fanaovana izany (anisan’ny antony tsy nanaovan’ny Kristianina voalohany an’izany)

Noheverin’ny Pasitera Russell nandritra ny 35 taona fa vato vavolombelon’Andriamanitra ny Piramida Lehiben’i Guizèh, ary nilaza ny momba ny fotoana ao amin’ny Baiboly. (Isaia 19:19) Tsy noheverin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa hoe misy ifandraisany amin’ny fivavahana marina ny piramida ejipsianina. (Jereo “Ny Tilikambo Fiambenana”, anglisy, 15 Novambra sy 1 Desambra 1928)

[Sary, pejy 189]

Folo tapitrisa no nozaraina

[Sary, pejy 191]

Nandeha tany an’ady sy nitondra basy ny sasany, fa tsy nety nanao izany kosa ny hafa, toa an’i A. Hughes tany Angletera, sy R. Cuminetti tany Italia

[Sary, pejy 193]

Tsy nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tohanan’Andriamanitra ny Fikambanam-pirenena, na ny ONU, fa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy ihany no notohanany

[Sary, pejy 197]

Carleton sy Flora Nichols. Fantatr’i Etazonia manontolo hoe tsy nety nanangan-tsaina ny zanak’izy ireo