Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?

Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?

Toko 21

Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?

MILA vola ny asa rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny fanorenana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, biraon’ny sampana, fanontam-pirinty, ary Betela. Toy izany koa ny fanontana sy fizarana boky fianarana Baiboly. Ahoana no ahitana izany vola rehetra izany?

Nanely tsaho momba izany ny mpanohitra ny asan’ny Vavolombelona. Manohana ny valin-tenin’ny Vavolombelona anefa ny fijerena ny tena zava-misy. Inona izany valin-teny izany? Izao: Mpiasa an-tsitrapo no manao ny ankamaroan’ny asa, ary sady tsy manantena vola ho tambin’ny fanompoany izy ireo, no tsy maniry izany. Fanomezana an-tsitrapo koa no ikarakarana ny asan’ny fandaminana.

“Tsy misy vidim-pidirana. Tsy misy fanantazan-drakitra”

Vao tamin’ny nomerao faharoan’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Aogositra 1879, dia efa hoy ny Rahalahy Russell: “I JEHOVAH no mpanohana ny ‘Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy. Hoy Izy: ‘Ahy ny volamena sy volafotsy eny an-tendrombohitra.’ Rehefa tsy manome ny vola ilaina intsony Izy, dia ho fantatsika fa tsy tokony havoaka intsony ireo boky.” Tsy misy fangataham-bola mihitsy àry ao amin’ireo bokin’ny Vavolombelona.

Toy izany koa ireo fivoriany. Tsy misy fanairana fihetseham-po mba handrotsahana vola, mandritra ny fivoriany sy fivoriambeny. Tsy misy fampandalovana vilia fandatsahan-drakitra, na fizarana valopy asiana vola, na taratasy fangataham-bola alefa any amin’ireo mpivavaka. Tsy manao lôtô na tombolà mihitsy ny fiangonana, mba hahazoana vola. Efa nandefa mpandahateny mpitety faritany ny Fikambanana tamin’ny 1894, ary nilaza toy izao, ho tombontsoan’ny rehetra: “Aoka ho takatry ny rehetra dieny izao, fa tsy manome lalana na manaiky ny hanaovana rakitra na fangataham-bola ny Fikambanana.”

Vao tany am-piandohana àry, dia efa nisy soratra hoe “Tsy misy vidim-pidirana. Tsy misy fanantazan-drakitra”, ny taratasy fanasan’ny Vavolombelona ny olona hanatrika fivoriana.

Nanofa teatra na trano malalaka hafa ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’ny 1914, ary nanasa olona hijery ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Nisy fizarana efatra izy io, ary naharitra adiny valo, sady nisy sary tsy mihetsika sy mihetsika nampiarahina tamin’ny feo. Olona an-tapitrisany no nahita azy io, tamin’ilay taona voalohany fotsiny, eran’i Amerika Avaratra, Eoropa, Aostralia, ary Nouvelle-Zélande. Naka vola tamin’ny toerana nofandrihana mialoha ny tompon’ny teatra sasany, nefa tsy nangataka vidim-pidirana mihitsy ny Mpianatra ny Baiboly, sady tsy nanao fanantazan-drakitra.

Nampiasain’ny Fikambanana nandritra ny 30 taona mahery ny radiony WBBR teto New York. Nangataka radio an-jatony hafa koa ny Fikambanana, mba handefa fandaharana fampianarana Baiboly. Tsy nangataka vola mihitsy anefa izy ireo tamin’ireny fandaharana ireny.

Ahoana àry no ahazoana ny fanomezana anohanana ny asan’izy ireo?

Fanomezana an-tsitrapo

Milaza ohatra momba izany ny Baiboly. Nisy fanomezana natao an-tsitrapo, teo ambany Lalàn’i Mosesy. Ny sasany kosa notakina tamin’ny vahoaka, anisan’izany ny fanomezana ampahafolon-karena. (Eks. 25:2; 30:11-16; Nom. 15:17-21; 18:25-32) Asehon’ny Baiboly koa fa notanterahin’i Kristy ny Lalàna, ka nofaranan’Andriamanitra. Tsy eo ambanin’io lalàna io intsony àry ny Kristianina. Tsy manome ampahafolon-karena izy ireo, na voatery hanao fanomezana voafetra amin’ny fotoana voafetra.—Matio 5:17; Rom. 7:6; Kol. 2:13, 14.

Ampirisihina kosa izy ireo mba ho tia manome, araka ny ohatra tsara nomen’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany. (2 Kor. 8:7, 9; 9:8-15; 1 Jaona 3:16-18) Hoy àry ny apostoly Paoly, ho an’ny Kristianina tany Korinto, mahakasika ny fanomezana: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Nilaza i Paoly fa ‘mitsapa ny fahatsoran’ny fitiavan’izy ireo’ ny fahafantarany ny zavatra ilaina. Hoy koa izy: “Raha misy aloha ny fahavononana, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.”—2 Kor. 8:8, 12; 9:7.

Mahaliana àry ny tenin’i Tertullien mahakasika ny fivoriana nataon’olona niezaka ny ho tena Kristianina tamin’ny androny (taona 155–taorian’ny 220 tany ho any). Hoy izy: “Mety ho nisy vata ihany tao, nefa tsy natao handrotsahana vidim-pidirana ilay izy, satria tsy raharaham-barotra ny fivavahana. Nitondra vola madinika kely isam-bolana, na isak’izay tiany, ny lehilahy tsirairay, rehefa te hanao izany, ary raha nanana izy; tsy nisy noterena, fa fanomezana an-tsitrapo izany.” (Fanamarinana, Boky Faha-39, 5) Nanao izay fanangonam-bola rehetra azony natao anefa ny Kristianisma Anarana, nandritra ireo taonjato maro taorian’izany.

Tsy nety nanao toa an’ireo fivavahana ireo i Charles Russell. Hoy izy: “Heverinay fa manafintohina ny fomba samihafa angataham-bola amin’ny anaran’ny Tompo, sady tsy ekeny, ary tsy mahatonga azy hitahy an’ireo mpanome sy ny asa vita.”

Tsy nila sitraka tamin’ireo mpanankarena ny Rahalahy Russell, fa nilaza mazava kosa, araka ny Soratra Masina, fa tsy manana harenan’izao tontolo izao ny ankamaroan’ny vahoakan’ny Tompo, fa manankarena amin’ny finoana kosa. (Matio 19:23, 24; 1 Kor. 1:26-29; Jak. 2:5) Tsy nanantitrantitra ny ilana vola mba hanaparitahana ny fahamarinana ara-baiboly izy, fa nifantoka kosa tamin’ny fiezahana hanana fitiavana, ny faniriana hanome sy hanampy olon-kafa, indrindra fa ny firesahana ny fahamarinana amin’izy ireny. Nisy kosa ireo nanam-bola sy nihevitra hoe ho afaka hanao fanomezana betsaka izy, rehefa miasa mafy. Nilaza tamin’izy ireny ny Rahalahy Russell fa tsara raha ferana izany asa izany, ka aleo manokan-tena sy fotoana mba hiresahana ny fahamarinana. Mbola izany ihany no hevitry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. a

Manao ahoana anefa ny habetsahan’ny fanomezan’ny tsirairay? Anjaran’ny tsirairay ny manapaka izany. Mariho fa tsy ny vola ihany no heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho azo omena. Noresahin’izy ireo tamin’ny fivoriambeny tamin’ny 1985-1986 ilay foto-kevitra hoe “Mankalazà An’i Jehovah Amin’ny Fanananao.” (Ohab. 3:9) Nohamafisina tamin’izany fa tsy ny vola ihany no fananana, fa ny vatana sy ny saina ary ny ara-panahy koa.

Efa noresahin’ny Rahalahy Russell tamin’ny 1904 fa “efa nanome izay azy rehetra ho an’ny Tompo” ny olona nanolo-tena tanteraka ho azy. Tokony hihevitra àry ilay olona fa “notendren’ny Tompo izy mba hiandraikitra ny fananany, heriny, ary volany, sns., ary tokony hampiasa ireo talenta ireo araka izay azony atao, mba hanomezam-boninahitra ny Tompo.” Noresahiny koa fa tarihin’ny fahendrena avy any ambony ny olona nanolo-tena, ka “arakaraka ny itomboan’ny fitiavany sy ny zotom-pony ho an’ny Tompo isan’andro, vokatry ny fahalalana ny Fahamarinana sy ny fahazoany ny hevitr’izy io, no hanomezany bebe kokoa ny fotoanany sy ny heriny ary ny zava-drehetra azony omena, mba ho an’ny Fahamarinana.”—Fianarana ny Soratra Masina, “Ny Zavaboary Vaovao”, p. 344-345.

Nanana an’ilay nantsoiny hoe Tahirim-bolan’ny Tilikambo sy Trakta ny Fikambanana tamin’izany. Inona izy io? Hita tao ambadiky ny taratasy nampiasain’ny Rahalahy Russell tsindraindray, izao tsipiriany mahaliana izao: “Io vola io dia fanomezana an-tsitrapo nataon’ireo nihinana sy nohatanjahin’ny ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ tao amin’ireo boky [avoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana] etsy ambony, izay fitaovan’Andriamanitra, ho an’ireo olona masina eran-tany.”

“Io vola io dia ampiasaina foana mba handefasana maimaim-poana NY TILIKAMBO FIAMBENAN’I ZIONA an’arivony sy ny TRAKTA TEOLOJIA TALOHA, izay mety kokoa ho an’ny mpamaky vaovao. Ampiasaina koa izy io mba handefasana ireo boky FIANDOHANA, satria anampiana an’ireo manaparitaka azy ireny, dia ny mpisava lalana sy ny hafa. Misy ‘tahirim-bola ho an’ny mahantra’ koa ao amin’izy io, mba ho an’ny zanaky ny Tompo, izay tsy afaka manao famandrihana amin’ny TILIKAMBO FIAMBENANA, noho ny taona, na aretina, na antony hafa. Omena maimaim-poana izy ireo, rehefa mandefa taratasy na karatra, eo am-piandohan’ny taona, mba hilazana ny faniriany sy ny tsy fahafahany.”

“Tsy misy asaina hanome vola ho an’io tahirim-bola io, fa an-tsitrapo daholo ny fanomezana. Ampahatsiahivinay ny tenin’ny Apostoly (1 Kor. 16:1, 2), ary hamafisinay amin’ny mpamaky fa tsy maintsy hahazo valisoa ara-panahy ireo afaka ary tena manome mba hizarana ny fahamarinana.”

Mbola fanomezana an-tsitrapo ihany no anohanana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Raisin’izy ireo, sy ny olona liana mahay mankasitraka, ho tombontsoa ny manohana an’io asa kristianina io amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.

Fanohanana ara-bola an’ireo toeram-pivoriana

Manana vata ho an’ny fanomezana ny fiangonan’ny Vavolombelona tsirairay, ka azon’ny olona atao ny mandrotsaka izay azony omena, rehefa te hanao izany izy. Tsy fantatry ny olon-kafa ny fanomezany, satria raharahan’izy sy Andriamanitra izany.

Tsy misy olona omena karama. Mila vola anefa ny fikarakarana ny toeram-pivoriana. Tsy maintsy lazaina amin’ny fiangonana izany. Efa nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 70 taona mahery lasa anefa, fa tsy tokony hangatahina na hampirisihina be hanao fanomezana ny olona. Tokony holazaina tsotra fotsiny ny vola ilaina. Tsy resahina imbetsaka mandritra ireo fivorian’ny fiangonana àry ny raharaha ara-bola.

Misy zavatra manokana anefa indraindray. Mety hokasaina hohavaozina na hitarina ny Efitrano Fanjakana, na hisy efitrano vaovao haorina. Te hamantatra ny vola mety hananana ny anti-panahy, ka mety hangatahiny ny fiangonana mba hanoratra amin’ny taratasy kely izay vola mety ho azon’ny tsirairay omena ho an’ilay tetikasa, na mety ho azo ampindramina mandritra ny taona maromaro. Mety hangatahin’ny anti-panahy koa ny tsirairay na ny fianakaviana mba hanoratra eo amin’ny taratasy kely izay fanomezana mety ho azony omena isan-kerinandro na isam-bolana, noho ny fitahian’i Jehovah. Tsy asiana sonia ilay taratasy kely, sady tsy fanekena handoa vola. Natao fotsiny izy ireny mba handaminan-javatra.—Lioka 14:28-30.

Fomba hafa mihitsy no nahitan’ny fiangonana tany Tarma, any Liberia, vola. Nisy Vavolombelona vitsivitsy tao amin’ilay fiangonana, namboly ny varin’ny rahalahy iray. Io rahalahy io kosa nanapaka hazo be sy nanatsofa izany tamin’ny tanany, nandritra ny herintaona. Namidy ireo hazo mba hahazoana vola hanaovana an’ilay efitrano. Tsy maintsy novidina kosa ny fitaovana tany Paramaribo, any Suriname. Tsy nila vola nividianana tany anefa ilay fiangonana, satria nanome azy io maimaim-poana ny Vavolombelona iray. Nangatahiny fotsiny mba hafindra tao ambadik’ilay Efitrano Fanjakana vao haorina ny tranony. Tena lafo be kosa ny tany sy trano any Tokyo, any Japon, ka sarotra tamin’ny fiangonana ny nahita tany nanorenana Efitrano Fanjakana. Nisy fianakaviana vitsivitsy àry nanolotra ny tany nisy ny tranony. Nangatahin’izy ireo hosoloana Efitrano Fanjakana vaovao ny tranony, ary homena fonenana ao ambony rihana izy ireo.

Nihamaro sy nizara ny fiangonana, ka niezaka nifanampy izy ireo mba hahazoana Efitrano Fanjakana. Nisy zavatra hafa nilaina koa anefa, ankoatra ny fitiavana manome. Niakatra be ny vola lany tamin’ny tany sy ny fanorenana, ka tsy zakan’ny fiangonana tsirairay izany. Inona no azo atao?

Nohazavain’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ilay Fivoriambe “Tafaray Noho Ilay Fanjakana”, tamin’ny 1983, ny fandaharana natao mba hampiharana ny toro lalan’ny 2 Korintianina 8:14, 15. Ampirisihina ao ireo manana ambim-bava mba hameno ny tsy ampy teo amin’ireo namany, mba “hisian’ny fitoviana.” Amin’izay dia tsy ho kely loatra ny ananan’ireo manana kely, satria hanakantsakana ny fanompoany an’i Jehovah izany.

Nasaina ny fiangonana tsirairay mba hametraka boaty misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana.” Hampiasaina hanorenana Efitrano Fanjakana ny vola rehetra amin’izy io. Natao hamenoana ny tsy fahampian’ireo fiangonana tena nila Efitrano Fanjakana àry ny vola voangona eran’ilay tany. Tsy afaka nindram-bola tamin’ny banky mantsy izy ireo, vokatry ny fepetra napetraky ny banky. Nodinihin’ny Fikambanana tsara aloha hoe taiza no tena nila Efitrano Fanjakana. Nanomboka nandefa ny vola ho an’ireo fiangonana nila izany izy ireo, mba hanorenana na hividianana Efitrano Fanjakana vaovao. Nihamaro ny fanomezana voaray ary naloa ireo vola nosamborina (tany amin’ny tany nahazoana nanao izany), nefa fiangonana maro no mbola azo nampiana.

Natomboka teto Etazonia sy tany Kanada io fandaharana io, ary nitohy tany amin’ny firenena 30 eran’i Eoropa, Afrika, Amerika Latinina, ary Extrême-Orient. Nisy vola nalefa ho an’ny Efitrano Fanjakana 2 737, ho an’ny fiangonana 3 840 tany amin’ny tany valo, tamin’ny 1992.

Tsy natao tany amin’ny tany sasany tsy nanam-bola io fandaharana io, nefa tena nila Efitrano Fanjakana izy ireny. Nanao fandaharana hafa hanampiana azy ireny koa ny Filan-kevi-pitantanana. Nisy àry ny fitoviana, mba tsy ho kely loatra ny nananan’ireo nanana kely.

Fanitarana ny foibe

Nitaky vola koa ny asan’ny foibe. Hitan’ny Fikambanana, taorian’ny Ady Lehibe I, fa tsara kokoa raha izy ihany no nanao pirinty sy nanambatra ny bokiny. Natao àry izay hividianana ny fitaovana rehetra tamin’ny anaran’olona (mpanompon’i Jehovah). Tsy nanakarama orinasa mpanao boky intsony ny Fikambanana, fa nampiasa ny vola tokony ho amin’izany kosa mba handoavana isam-bolana ny vidin’ireo fitaovana. Nihena ho antsasany teo ho eo ny saran’ireo boky nomena ny olona, rehefa nisy vokany io fandaharana io. Tsy natao hampanankarena ny Fikambanana izany, fa mba hampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsara kosa.

Hita fa nilaina ny trano fanontam-pirinty lehibe kokoa teto amin’ny foibe, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, mba hikarakarana ny asa fitoriana eran-tany. Nitarina imbetsaka ireo trano ireo, rehefa nitombo ny fandaminana sy ny asa fitoriana. Nohazavain’ny Fikambanana tamin’ireo rahalahy ny zavatra nilaina, fa tsy nankany amin’ny banky izy, mba hahazoana vola hanitarana ny birao sy ny fanontam-pirinty ary ireo trano hafa, sy hividianana fitaovana. Tsy natao matetika izany, fa in-12 fotsiny tao anatin’ny 65 taona.

Tsy nisy fangataham-bola. Nasaina hanome ireo naniry hanome. Nomena toky ireo nampindram-bola, fa tonga dia homena azy ny volany, rehefa voaray ny fangatahany, raha nila izany tampoka na maika izy. Tsy nampitondra enta-mavesatra na iza na iza mihitsy àry ny Fikambanana, na ny olona tsirairay izany, na ny fiangonana malala-tanana. Afaka namerina ny vola nosamboriny foana ny Fikambanana, vokatry ny fanomezana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy atao tsinontsinona ireny fanomezana ireny. Andefasana taratasy na filazana fankasitrahana, ireo nanome azy ireny, raha mbola azo atao koa.

Tsy olona mpanam-bola vitsivitsy no manohana ara-bola ny asan’ny fandaminana. Olona sahirankirana ny ankamaroan’ireo manao fanomezana, ary maro aminy no tsy manana harenan’izao tontolo izao. Anisan’izany ny ankizy te hanohana ny asan’ilay Fanjakana. Tena mankasitraka ny fahatsaran’i Jehovah ireo mpanome, ary te hanampy ny olon-kafa hahafantatra ny fandaharana tsara nataony.—Ampitahao amin’ny Marka 12:42-44.

Fanohanana ara-bola ny fanitarana tranon’ny sampana

Mitatra hatrany ny fitoriana ilay Fanjakana eran-tany, ka tsy maintsy itarina koa ireo tranon’ny sampana. Atao eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana izany.

Nojerena àry ny soso-kevitry ny sampan’i Alemaina, ka nomena tamin’ny 1978 ny toromarika mba hitadiavana tany mety sy hanorenana trano vaovao. Ho vitan’ireo Vavolombelona alemà ve ny hamatsy ara-bola an’izany? Noresahina tamin’izy ireo izany. Vita tamin’ny 1984 ireo trano tany Selters, any amin’ny sisiny andrefan’ny Tendrombohitra Taunus, ka hoy ny biraon’ny sampana: “Vavolombelon’i Jehovah an’aliny, mahantra sy manankarena, tanora sy antitra, no nanome an-tapitrisany dolara mba hanorenana an’ireo trano vaovao. Nalala-tanana izy ireo, ka tsy nilaina ny nindram-bola tany amin’izao tontolo izao, na nitrosa.” Nandray anjara tamin’ilay asa fanorenana tany Selters/Taunus koa ny ampahafiton’ny Vavolombelona tany amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina.

Mahantra ny tany na ny fianakaviana misy ny Vavolombelona sasany, ka tena sarotra, na tsy ho vitany mihitsy, ny hanorina biraon’ny sampana hanara-maso ny asa, na trano fanontam-pirinty hamoaka boky aman-gazety ara-baiboly. Omena fahafahana hanao izay azony atao ireo Vavolombelona eo an-toerana. (2 Kor. 8:11, 12) Tsy avela hanakana ny fiparitahan’ny hafatra momba ilay Fanjakana anefa ny tsy fahampian’ny vola, raha misy vola azo ampiasaina avy any an-tany hafa.

Manao izay azony atao àry ireo Vavolombelona eo an-toerana, fa omen’ireo mpiray finoana any an-tany hafa kosa ny ankamaroan’ny vola ilaina mba hanorenana tranon’ny sampana. Anisan’izany ireo trano lehibe vita tany Afrika Atsimo (1987) sy Nizeria (1990) ary Philippines (1991). Izany koa no natao tany Zambia, izay nisy trano azo atao fanontam-pirinty teo an-dalam-panorenana azy tamin’ny 1992. Toy izany koa ireo fanorenana kely kokoa, tany Inde (1985); Silia (1986); Costa Rica, Ekoatera, Guyana, Haïti, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée (1987 avokoa); Ghana (1988); ary Honduras (1989).

Gaga anefa ireo rahalahy tany amin’ny tany sasany, rehefa nahita ny zava-bitany vokatry ny fitahian’i Jehovah. Nanitatra an’ireo tranony, ohatra, ny sampana tany Espaina, tamin’ireo taona 1980. Nangatahin’ilay sampana ny Filan-kevi-pitantanana mba hanome ny vola nilaina. Tsy azo natao anefa izany, vokatry ny fandaniana be tamin-javatra hafa tamin’izany. Ho vitan’ireo Vavolombelona espaniola, izay kely karama ihany, ve ny hanome ny vola ho an’ilay fanorenana, raha asaina hanao izany izy ireo?

Nohazavaina tamin’izy ireo ilay raharaha. Faly izy ireo nitondra firavaka, peratra, ary haba, mba hamidy hahazoana vola. Nanontaniana ny anabavy be taona iray nanolotra haba volamena lehibe, raha tena naniry hanome an’ilay izy tokoa izy. Hoy ny navaliny: “Tsy tsara kokoa ve, ranadahy, raha ahazoana vola anaovana Betela izy ity, toy izay hijanona eo amin’ny tanako?” Navoakan’ny anabavy be taona iray avy tao ambany gorodony ny taratasim-bola efa mandomando, izay notahiriziny nandritra ny taona maro. Mpivady maro no nanome ny vola nangoniny hanaovana dia. Nisy ankizy nanome ny tahirim-bolany. Nomen’ny tanora iray mba hanorenana sampana ny vola saika hividianany gitara. Toy ny Israelita tamin’ny fotoana nanorenana ny tranolay ireo Vavolombelona espaniola, satria nalala-tanana sy tia manome izay rehetra nilaina. (Eks. 35:4-9, 21, 22) Mbola nanome fotoana, nandany fialan-tsasatra, ary nanokana faran’ny herinandro koa izy ireo, mba hanaovana ilay asa. An’arivony no tonga avy tany amin’ny lafivalon’i Espaina. Vavolombelona hafa avy tany Alemaina, Soeda, Grande-Bretagne, Gresy, ary Etazonia, sy ny maro hafa, no tonga nanampy azy ireo tamin’io asa toa tsy ho vita io.

Ahazoana tombony ve ireo boky sy gazety?

Ny foibe sy ny sampana 32 eran-tany no nanao pirinty an’ireo boky sy gazety, tamin’ny 1992. Natao hozarain’ny Vavolombelona ny ankamaroan’izy ireny. Tsy natao hahazoana tombony anefa izy ireny. Natao hanatanterahana ny asa nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany fotsiny koa, ny fanapahan-kevitra hanao pirinty boky aman-gazety amin’ny fiteny samihafa, sy ny tany andefasana azy ireny.

Ny Tilikambo Fiambenana voalohany (Jolay 1879), dia efa nilaza fa afaka nahazo maimaim-poana ireo tena nahantra tsy afaka nanao famandrihana (antsasaky ny iray dolara isan-taona monja tamin’izany). Nila nanao fangatahana fotsiny izy ireo. Ny hanampy ny olona hahafantatra ny fikasan’i Jehovah no tanjona voalohany.

Boky sy gazety ara-baiboly be dia be àry no nozaraina maimaim-poana tamin’ny olona, nanomboka tamin’ny 1879. Nisy 1 200 000 tamin’ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina no nozaraina tamin’ny 1881 sy taorian’izay. Maro tamin’ireny no boky 162 pejy, ary ny sasany kosa toy ny gazety. Trakta samihafa habe maro no natao pirinty nandritra ireo taona taorian’izay. Nozaraina maimaim-poana ny ankamaroan’izy ireny (an-jatony tapitrisa). Nihamaro hatrany ny trakta sy zavatra hafa nozaraina. Trakta 50 000 000 tamin’ny fiteny 30, ohatra, no natao hozaraina maimaim-poana eran-tany, tamin’ny 1915 fotsiny. Avy aiza ny vola nanaovana izany rehetra izany? Avy amin’ny Tahirim-bolan’ny Trakta an’ny Fikambanana ny ankamaroany.

Nisy boky nangatahana fanomezana koa tamin’ny fiandohan’ny asan’ny Fikambanana. Natao kely araka izay azo natao anefa ny fanomezana notononina. Anisan’izany ireo boky 350 ka hatramin’ny 744 pejy. Notononin’ireo mpisava lalana ny fanomezana voalaza ho an’ireo boky, rehefa nanolotra azy ireny izy ireo. Tsy ny hahazo tombony anefa no nokendreny, fa ny hahazoan’ny olona ny fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly kosa. Tiany hamaky sy handray soa avy amin’ireo boky ny olona.

Tena vonona ny hanome boky ho an’ny olona izy ireo (izy ihany no manao an’ireo fanomezana), raha mahantra ilay olona. Vonona kokoa hamaky boky nialany vola anefa ny olona, ary azo nampiasaina mba hamoahana boky hafa ny fanomezany. Nantitranterin’ny Fikambanana anefa fa tsy mitady tombony ny Mpianatra ny Baiboly, ka izao no nolazain’ny Gazety 1 Oktobra 1920: “Miverena any amin’ny olona nametrahana bokikely [128 pejy], folo andro aorian’ny nametrahana an’ilay izy, ary jereo raha novakiny ilay izy. Asaivo averiny ilay boky, raha mbola tsy namaky izy, ary avereno ny volany. Lazao aminy fa tsy mpivaro-boky ianao, fa te hilaza hafatra fampaherezana sy hanome fifaliana ny olona kosa. Ary raha tsy liana amin-javatra tena mahakasika azy izy ..., dia ho tianao ny hanome ilay boky ho an’ny olona liana.” Tsy manao izany intsony ny Vavolombelona ankehitriny, satria misy mpianakavy hafa mamaky an’ilay boky sy mandray soa avy amin’ilay izy, indraindray. Nanasongadina ny tena tanjona tamin’izany anefa io fomba fiasa taloha io.

Nolazain’ny Vavolombelona nandritra ny taona maro hoe “mivarotra” ny bokiny, izy ireo. Niteraka adihevitra ihany anefa io teny io, ka tsy nampiasaina intsony nanomboka tamin’ny 1929. Tsy nety io teny io, satria tsy natao hahazoana tombony ilay asa. Tsy ny hahazoana vola no tanjona, fa ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa. Noho izany, dia nilaza ny Fitsarana Tampon’i Etazonia tamin’ny 1943, fa tsy nila taratasy fahazoan-dalana hivarotra ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nizara ny bokiny. Nanaiky sy nampiasa an’io didy navoakan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina io koa ny fitsarana kanadianina taorian’izay. b

Mangataka fanomezana ny Vavolombelona any amin’ny tany maro, rehefa manolotra boky. Tena kely anefa izany raha oharina amin’ny vidin’ny boky sy gazety hafa, ka maro ny olona nanome betsaka kokoa. Niezaka mafy ny fandaminana mba ho kely foana ny fanomezana tononina, mba hahafahan’ny mahantra an-tapitrisany, nefa mahay mankasitraka, hahazo Baiboly na boky ara-baiboly. Tsy ny hampanan-karena ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa no tanjona tamin’ny fanomezana notononina.

Milaza ny lalàn’ny tany sasany fa varotra ny fanononana fanomezana ho an’ny boky ara-baiboly. Faly àry ny Vavolombelon’i Jehovah any manome ilay boky ho an’izay rehetra tena liana sy manaiky hamaky. Afaka manome izay tiany ny olona te hanome zavatra hampandrosoana ny asa fampianarana Baiboly. Atao any Japon izany, ohatra. Vao haingana koa tany Soisa, no tsy noraisina ireo vola fanomezana, raha tsy tena ilay fanomezana notononina mihitsy. Naverin’ny Vavolombelona fotsiny ilay vola, na nomeny boky maro kokoa ilay olona, raha betsaka ny vola tian’ilay olona homena. Tsy ny hanangom-bola no tanjon’izy ireo, fa ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa.

Nisy korontana lehibe momba ny vola, nanjary fanta-bahoaka, tamin’ny 1990, teo anivon’ny Kristianisma Anarana, sady noheverin’ny fitondram-panjakana ho fitadiavam-bola ny fivavahana. Nanova ny fomba fiasany àry ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hisorohana zava-manahirana. Nilaza ny Filan-kevi-pitantanana fa tokony hozaraina amin’ny olona eto Etazonia ireo bokin’ny Vavolombelona (Baiboly, trakta, bokikely sy gazety ary boky manazava Baiboly), raha maniry hamaky ilay olona, ary tsy misy fanomezana hofaritana. Tsy fitadiavam-bola mihitsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary vao mainka io fandaharana io nanasongadina fa tsy anisan’ireo fivavahana mpitady vola ny azy ireo. Fantatry ny ankamaroan’ny olona fa mila vola ny fanaovana pirinty an’ireny boky ireny, ary mety haniry hanome zavatra hanohanana an’ilay asa ireo mankasitraka an’ilay asa. Hazavaina amin’ireny olona ireny fa fanomezana an-tsitrapo no anohanana ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raisina an-tanan-droa ny fanomezana, nefa tsy angatahina mihitsy.

Tsy mitaky vola ho takalon’ny asany, ireo mandeha mitory. Manome ny fotoanany izy ireo, ary miantoka ny saran-dalany. Miverina isan-kerinandro izy ireo, raha liana ilay olona, ka ampianariny maimaim-poana momba ny Baiboly. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona ihany no mahatonga azy ireo hanohy io asa io, na dia misy aza ny tsy miraharaha sy manohitra mihitsy.

Ampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsara ny vola voarain’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo biraon’ny sampany, fa tsy natao hampanan-karena ny fivavahany, na ny olona eo anivony. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922 fa ny birao tatỳ Etazonia no namatsy vola ny ankamaroan’ny fanontana boky tany Eoropa, vokatry ny toe-karena tamin’izany. Matetika no kely lavitra noho ny vola lany taminy ny fanomezana notononina ho an’ireo boky. Manana fanontam-pirinty any amin’ny tany maro izao ny Vavolombelona, nefa tsy afaka mandefa vola ho an’ireo sampana manao pirinty ho azy ny tany sasany. Mameno ny banga any amin’ireo tany tsy dia manana firy, ny fanomezana an-tsitrapo betsaka ataon’ny Vavolombelona any amin’ny tany manankarena.

Niezaka foana ny Fikambanana mba hampiasa ny fananany rehetra hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsara. Hoy i Charles Russell, prezidàn’ny Fikambanana tamin’ny 1915: “Tsy mikaroka harena eto an-tany ny Fikambanantsika, fa tena mpandany vola kosa aza. Nanome antsika araka ny sitrapony Andriamanitra, nefa tsy nangata-bola isika. Niezahantsika nolanina tamim-pahendrena araka izay azo atao izany, araka ny Tenin’ny Tompo sy ny Fanahiny. Efa ela no nambarantsika fa hitsahatra ny asan’ny Fikambanana, rehefa tsy misy vola intsony; ary hitombo kosa ny asa, rehefa mitombo ny vola.” Nanao izany hatrany ny Fikambanana.

Ampiasain’ny fandaminana hatramin’izao ny vola ananany, mba handefasana mpiandraikitra mpitety faritany hanatanjaka fiangonana sy handrisika azy ireny ho amin’ny fanompoana ny besinimaro. Mandefa misionera sy rahalahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana hatrany ny fandaminana, mba ho any amin’ny tany mila izany. Ampiasainy koa ny vola rehetra ananany mba handefasana mpisava lalana manokana any amin’ny toerana zara raha nitoriana, na tsy nitoriana mihitsy. Voalazan’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1993, fa nisy 45 218 257,56 dolara ny vola lany tamin’ny 1992, ho an’ireo asa ireo.

Tsy ny tombontsoa no antony anompoana

Tsy mahazo vola vokatry ny asan’ny Vavolombelona ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, na tompon’andraikitra ao amin’ireo fikambanany ara-dalàna, na olon-kafa manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana.

Nanoratra toy izao momba an’i C. Russell (prezidàn’ny Fikambanana nandritra ny 30 taona mahery) ny mpiara-miasa taminy: “Te hamantatra izy raha nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny zavatra nataony, ary tiany haseho koa fa tsotra izy, ka ireto no nitsapany ny fankasitrahan’ny Tompo: 1) Manokana ny fiainany ho an’ilay asa; 2) Manokana ny fananany mba hampandrosoana ilay asa; 3) Mandrara ny fanangonam-bola any amin’ny fivoriana rehetra; 4) Miantehitra amin’ny fanomezana an-tsitrapo mba hanohizana ny asa, rehefa lany ny fananany.”

Tsy nampiasa ny fivavahana mba hangoronan-karena ny Rahalahy Russell, fa nandany ny fananany rehetra ho an’ny asan’ny Tompo kosa. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana, rehefa maty izy: “Natokany tanteraka ho an’ilay asa nanokanany ny fiainany ny fananany rehetra. Tsy nandray afa-tsy 11 dolara isam-bolana izy, ho an’ny fandaniany. Tsy nanana fananana intsony izy, rehefa maty.”

Izao no nolazain’ny Rahalahy Russell tao amin’ny didim-pananany, mahakasika an’ireo hanohy ny asan’ny Fikambanana: “Heveriko fa tsara ny manaraka izay efa nataon’ny Fikambanana, hoe tsy misy omena karama, ary tsara raha omena vola fanonerana kely ireo miasa ho an’ny Fikambanana, amin’ny fomba samihafa.” Ireo miasa any amin’ny Betela sy birao ary fanontam-pirintin’ny Fikambanana, dia tsy omena afa-tsy sakafo sy fonenana ary vola fanonerana kely, ikarakarany ny zavatra ilainy, fa tsy “vola ... natao hotahiriziny.” Mihatra ankehitriny izany fitsipika izany.

Manao voadin’ny fahantrana ireo ekena ho mpanompo manontolo andro manokana eto amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao izany ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny mpianakavin’ny Betela rehetra ao. Tsy midika anefa izany hoe mampijaly tena izy ireo. Midika kosa izany fa raisin’izy ireo tsara ny sakafo kely sy ny fonenana ary vola kely ho an’ireo manao an’ilay fanompoana.

Miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’Andriamanitra àry ny fandaminana, eo am-panohizana ny asany. Tsy terena ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tena mpirahalahy ara-panahy eran-tany, ka faly mampiasa ny fananany mba hanatanterahana ny asa nomen’i Jehovah Rainy any an-danitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Septambra 1944, pejy 269; Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1988, pejy 19-20.

b Murdock miady amin’ny Fanjakan’i Pennsylvanie, 319 U.S. 105 (1943); Odell miady amin’i Trepanier, 95 C.C.C. 241 (1949).

[Teny notsongaina, pejy 340]

‘Tsy manome lalana na manaiky ny hanaovana fangataham-bola ny Fikambanana’

[Teny notsongaina, pejy 342]

Ny firesahana ny fahamarinana no tena antitranterina

[Teny notsongaina, pejy 343]

Tokony holazaina tsotra fotsiny ny vola ilaina

[Teny notsongaina, pejy 344]

Mifanampy ny fiangonana, mba hahazoana Efitrano Fanjakana

[Teny notsongaina, pejy 345]

Olona sahirankirana ny ankamaroan’ireo manao fanomezana

[Teny notsongaina, pejy 348]

Zaraina maimaim-poana ny ankamaroan’ny boky sy gazety, fa iza no manome vola?

[Teny notsongaina, pejy 349]

Faly izy ireo manome boky ho an’izay rehetra tena liana sy manaiky hamaky

[Teny notsongaina, pejy 350]

Atao inona ny fanomezana voaray?

[Teny notsongaina, pejy 351]

“Natokany tanteraka ho an’ilay asa nanokanany ny fiainany ny fananany rehetra”

[Efajoro, pejy 341]

Tsy Mangataka Andriamanitra

“Ilay nilaza hoe: ‘Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. ... Tsy maka vantotr’ombilahy amin’ny tranonao Aho, na osilahy amin’ny valanao; fa Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra’ (Sal. 50:12, 9, 10), dia tsy hila hangata-bola avy amin’izao tontolo izao na ny zanany, mba hanatanterahany ny asany lehibe. Tsy hanery ny zanany mihitsy koa izy mba hanao sorona ho an’ny fanompoana azy, sady tsy hekeny ny sorona tsy natao tamim-pifaliana, na tsy an-tsitrapo tanteraka.”—“Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona” Septambra 1886, p. 6.

[Efajoro, pejy 347]

Tsy Voatery ho Vola ny Fanomezana

Nandefa hazo efatra kamiao ho any amin’ny fanorenana tany Sydney, any Aostralia, ny Vavolombelona tany amin’ny farany avaratr’i Queensland. Tokony ho 60 000 ka hatramin’ny 70 000 dolara aostralianina no vidin’izy ireo.

Nitarina ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana, tany Elandsfontein, any Afrika Atsimo, ka niantso an-telefaonina ny rahalahy indianina iray, mba hilaza hoe tokony haka ireo simenitra 500 gony (50 kilao avy) izy ireo. Tamin’ny fotoana tsy nisian’ny simenitra mihitsy izany. Nisy nanolotra ny kamiaony mba hampiasain’ny Fikambanana. Nanakarama olona hanatitra fasika 15 metatra toratelo ny anabavy iray.

Natsangana tany Emmen ny biraon’ny sampana vaovao tany Holandy, ka nisy nanome fitaovana sy akanjo fitondra miasa maro be. Narary mafy ny anabavy iray, nefa nanao ba volon’ondry ho an’ny mpiasa tsirairay izy, tamin’ny ririnina.

Novidina avy tamin’ny vola nomen’ny Vavolombelona tany an-tany hafa ny fitaovana nanorenana ny biraon’ny sampana vaovao sy ny trano azo anaovana fanontam-pirinty, tany Lusaka, any Zambia. Natao fanomezana ireo fitaovana tsy nisy tany Zambia, ka nalefa tamin’ny kamiao ho any.

Nanome tany 34 hektara ny Vavolombelona iray tany Ekoatera, tamin’ny 1977. Nanorenana Efitrano Fivoriambe sy biraon’ny sampana vaovao izany.

Nampiantrano an’ireo mpiasa an-tsitrapo ny Vavolombelona tany Panama; nitatitra ny mpiasa ireo nanana bisy; nisy kosa nikarakara sakafo 30 000, naroso teo amin’ny toeram-panorenana.

Nahandro sy nandefa mofokely 4 500 ho an’ireo mpiasa tany Arboga, any Soeda, ny fiangonana iray. Nisy nandefa tantely sy voankazo ary kaonfitira. Nanome karaoty roa taonina ny mpamboly iray tsy Vavolombelona, teo akaikin’ilay toeram-panorenana.