Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaraha-manorina Eran-tany

Fiaraha-manorina Eran-tany

Toko 20

Fiaraha-manorina Eran-tany

MISEHO amin’ny fomba maro ny tena firahalahian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahita izany ireo manatrika ny fivoriany, ary hita kokoa izany any amin’ireo fivoriambeny. Miharihary koa izany, rehefa miara-miasa izy ireo, mba hanorina toeram-pivorian’ny fiangonany.

Nisy fiangonan’ny Vavolombelona 60 000 mahery eran-tany, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990. Nisy 1 759 ny salanisan’ny fiangonana vaovao isan-taona, nandritra ireo folo taona talohan’io. Lasa 3 000 isan-taona kosa izany, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990. Asa be ny fanomezana toeram-pivoriana mety ho azy ireny.

Efitrano Fanjakana

Tany an-tranon’olona, toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, matetika no nivory ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro, tamin’ny voalohany. Toerana fandrafetana no nivorian’ireo olom-bitsy voalohany tany Stockholm, Soeda. Nohofan’izy ireo izy io, rehefa avy niasa tao ny mpandrafitra. Trano fitoeran’entana kely no nampiasain’ny tany La Coruña, any Espaina, mba hanaovana ny fivoriany voalohany, nandritra ny fanenjehana.

Nanofa trano ny fiangonan’ny Vavolombelona, raha afaka nanao izany, rehefa nila toerana nalalaka kokoa. Nampiasain’olon-kafa koa anefa ny trano sasany, ka tsy maintsy notaterina ny entana rehetra isaky ny fivoriana, ary matetika no nisy fofon-tsigara tsy nety afaka tao. Nanofa fivarotana na efitrano ambony rihana tsy nisy nampiasa ireo rahalahy, raha nety, ka ny fiangonana ihany no nampiasa an’ilay izy. Nihalafo anefa ny hofan-trano tany amin’ny toerana maro, sady vitsy ny trano nety, ka tsy maintsy nitady fomba hafa izy ireo. Nisy trano novidina sy nohavaozina.

Nisy fiangonana vitsivitsy nanorina ny trano nivoriany, talohan’ny Ady Lehibe II. Nanorina toeram-pivoriana ho azy ny antokona Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny Tendrombohitra Lookout, any Virginie Andrefana, tamin’ny 1890. a Efa tamin’ireo taona 1950 anefa vao maro no nanorina Efitrano Fanjakana.

I J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana tamin’izany, no nanolotra ilay anarana hoe Efitrano Fanjakana, tamin’ny 1935. Nasainy ireo rahalahy tany Honolulu, any Hawaii, mba hanorina efitrano fivoriana, niaraka tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Nanontanian’i James Harrub azy ny anarana hiantsoany an’ilay trano, ka hoy izy: “Nahoana moa raha antsointsika hoe ‘Efitrano Fanjakana’ izy io e? Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mantsy isika.” Nanomboka tamin’izay àry, dia misy takelaka milaza hoe “Efitrano Fanjakana”, eo amin’ny trano ampiasain’ny Vavolombelona. Novana hoe Efitrano Fanjakana ny Tranolain’i Londres, rehefa nohavaozina tamin’ny 1937-1938. Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao no iantsoana ny toeram-pivorian’ny fiangonany eran-tany.

Fomba maro azo ampiasaina

Ny fiangonana tsirairay no manapaka hoe hanofa trano izy sa hanorina Efitrano Fanjakana. Izy ireo no misahana ny lany amin’ny fanorenana sy fikojakojana. Niezaka araka izay azony natao ny ankamaroan’ny fiangonana, mba tsy hanakarama olona, fa izy ihany no nanao ny ankamaroan’ny asa, mba hitsitsiana vola.

Mety ho biriky, na vato, na hazo, na zavatra hafa no anorenana an’ireo efitrano, arakaraka ny vidiny sy izay misy eo an-toerana. Bozaka lava no natao tafo tany Katima Mulilo, any Namibia, ary fotaka avy amin’ny votry (izay tena mafy tokoa) no natao rindrina sy gorodona. Ny Vavolombelona avy any Segovia, any Kolombia, ihany no nanao ny tranony vita amin’ny simenitra. Nampiasaina tany Colfax, any Kalifornia, kosa ny vatom-bolkano, avy eo amin’ny Tendrombohitra Lassen.

Nihoatra ny 200 matetika ny mpanatrika fivorian’ny fiangonana tany Maseru, Lesotho, tamin’ny 1972, ka nila nanorina Efitrano Fanjakana izy ireo. Nanampy daholo ny rehetra. Nisy rahalahy zokiolona nandeha an-tongotra 32 kilaometatra, mba hitondra ny anjara birikiny. Nanosika barìka nisy rano ho any amin’ilay toeram-panorenana ny ankizy. Nahandro sakafo ny anabavy. Izy ireo koa no nitoto tany, tamin’ny tongony, mba hanomanana ny fandrarahana ny gorodona simenitra. Nihira hiran’ilay Fanjakana izy ireo tamin’izany, sady nitoto araka ny gadon’ilay hira. Nampiasaina tamin’ny rindrina ny vatovary nalaina fotsiny teo amin’ny tendrombohitra tsy lavitra teo. Nahavita Efitrano Fanjakana mahazaka olona 250 izy ireo.

Nanampy tamin’ny fanorenana indraindray ny Vavolombelona avy amin’ny fiangonana manodidina. Nanorina efitrano hahazaka olona 400 ny Vavolombelon’i Jehovah tany Imbali, tanànan’ny mainty hoditra any Afrika Atsimo, tamin’ny 1985. Nisy Vavolombelona avy any Pietermaritzburg sy Durban nanampy azy ireo. Azonao an-tsaina ve ny fahagagan’ireo manodidina? Mbola nisy fanavakavahana tamin’izany, nefa hitan’izy ireo tonga tao amin’ilay tanàna ny Vavolombelona fotsy hoditra, metisy, ary indianina maro, niara-niasa tamin’ny rahalahiny afrikanina mainty hoditra. Hoy ny ben’ny tanàna tao: “Fitiavana ihany no ahavitana izao.”

Voafetran’ny zava-misy koa anefa ny zava-bitan’ireo rahalahy, na vonon-kiasa toy inona aza izy ireo. Namelona fianakaviana ny ankamaroan’izy ireo, ka ny faran’ny herinandro na ny takariva tsindraindray izy no tena afaka nanampy tamin’ny fanorenana. Vitsy, raha nisy, ny fiangonana nanana olona nahay an’ilay asa. Andro na herinandro vitsivitsy anefa, dia nety ho voaorina ny trano tsy nisy rindrina, izay nety tany amin’ny tany mafana. Dimy na enim-bolana kosa dia vita ny trano lehibe kokoa, noho ny fanampian’ny Vavolombelona eny amin’ny fiangonana manodidina. Mety ho roa na telo taona kosa ny sasany vao vita.

Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah vaovao roa na telo isan’andro no niforona eran-tany, tamin’ireo taona 1970. Fiangonana sivy isan’andro kosa izany, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990. Ho ampy ve ny Efitrano Fanjakana aorin’izy ireo?

Nanomboka ny fanorenana vita haingana

Nisy Vavolombelona 50 mahery teto Etazonia, tamin’ireo taona 1970, tonga avy amin’ny fiangonana manodidina, mba hanorina Efitrano Fanjakana tany Carterville, Missouri, ho an’ilay antoko-mpitory nivory tany Webb City. Vitan’izy ireo nandritra ny faran’ny herinandro iray ny rafitra lehibe indrindra sy ny tapany lehibe tamin’ny tafo. Mbola betsaka ny asa, ka volana maromaro vao tena vita tanteraka. Vita vetivety anefa ny ampahany lehibe tamin’ilay asa.

Niara-nanorina efitrano 60 teo ho eo ireo rahalahy, nandritra ny folo taona nanaraka, ary nandresy vato misakana, sy nahita fomba fiasa tsara kokoa. Takatr’izy ireo avy eo fa mety ho vita mandritra ny faran’ny herinandro iray ny Efitrano Fanjakana manontolo, raha efa eo ny fototry ny trano.

Nanomboka nitady fomba hanaovana izany ny mpiandraikitra maromaro, avy any afovoany andrefan’i Etazonia. Rehefa nangataka fanampiana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ny fiangonana, dia niresaka tamin’ilay fiangonana ny iray na maromaro tamin’ireo rahalahy ireo, sady nanome ny tsipirian’ny fanomanana tsy maintsy natao, talohan’ny asa. Tsy maintsy azo, ohatra, ny fahazoan-dalana hanorina, vita ny fototra sy ny gorodona simenitra, tafiditra ny jiro, voapetraka ny fantson-drano any anaty tany, ary azo antoka ny fanaterana ny fitaovana eo amin’ilay toerana. Taorian’izay vao noferana ny daty hananganana an’ilay Efitrano Fanjakana. Zavatra vao haorina daholo eo amin’ilay tany mihitsy no anaovana ilay trano.

Iza no hanao ilay tena fanorenana? Mpiasa an-tsitrapo, raha mbola azo natao koa. Fianakaviana manontolo matetika no tonga. Notadiavin’ny tompon’andraikitra ny Vavolombelona nahay asa fanorenana, sady vonona ny handray anjara tamin’ilay tetikasa. Maro taminy no te hanorina efitrano hafa taorian’ilay izy. Te handray anjara koa ny Vavolombelona nandre momba ilay asa, ka an-jatony no tonga avy lavitra sy akaiky, vonona hanao izay asa azony natao. Tsy mpanao fanorenana matihanina ny ankamaroany, nefa nanaporofo fa mpanohana ny Fanjakan’ny Mesian’i Jehovah izy ireo, araka ny Salamo 110:3, hoe: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena.”

Nifampiresaka momba ny tsipiriany farany ny tompon’andraikitra, ny alakamisy hariva, talohan’ilay asa be. Naseho tamin’ny mpiasa (tamin’ny alalan’ny sary diapositives) ny ampitso harivan’iny, ny fomba fiasa, mba hahatakaran’izy ireo ny asa hatao. Nantitranterina ny fanehoana toetra tsara. Nampirisihina ireo rahalahy mba hiara-miasa amim-pitiavana, ho tsara fanahy, haneho faharetana sy fiheverana. Nasaina ny rehetra mba hiasa haingana, nefa tsy ho maika loatra, ary tsy hisalasala hiresaka zavatra mampahery mandritra ny minitra vitsivitsy. Nanomboka ny ampitso maraina be ny asa.

Nanajanona ny asany ny tsirairay mba hiresaka ny andinin-teny ho an’ny andro, tamin’ny fotoana noferana, ny asabotsy maraina. Nisy vavaka natao, satria takatra tsara fa niankina tamin’ny fitahian’i Jehovah, ny fahombiazan’ilay asa manontolo.—Sal. 127:1.

Nandeha haingana ilay asa, rehefa nanomboka. Tafatsangana tao anatin’ny adiny iray ny rindrina. Nanaraka izany ny rafitra itoeran’ny tafo. Nofantsihana ny zavatra handrakotra ny rindrina. Nanomboka nametraka fil ny mpikarakara herinaratra. Napetraka ny fitaovana fampangatsiahana sy fanafanana. Narafitra sy napetraka tamin’ny toerany ny fanaka. Nitohy foana ny asa, na avy be aza ny orana nandritra ny faran’ny herinandro, na nangatsiaka be, na nafana loatra ny andro. Tsy nifaninana ireo mpiasa.

Vita ny harivan’ny andro faharoa matetika ilay Efitrano Fanjakana; voaravaka tsara ny tao anatiny, ary nety ho efa nisy zaridaina tany ivelany. Nitarina ho telo andro mahery ny asa indraindray, na nandritra ny faran’ny herinandro roa. Nijanona ny maro tamin’ireo mpiasa, rehefa vita ilay izy. Reraka izy ireo, nefa faly be, ary manatrika ny fivoriana voalohany atao ao, dia ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

Nisy olona tany Guymon, eto Etazonia, niantso ny mpiandraikitra ny fanorenana trano, satria tsy ninoany hoe hisy asa tsara ho vita haingana toy izany. “Nasaiko hitsidika an’ilay efitrano izy ireo, raha te hahita asa vita tsara!”, hoy ilay mpiandraikitra, rehefa nitantara ilay zava-niseho tamin’ny Vavolombelona. “Ataonareo tsara daholo, na dia ny zavatra tsy ho taza-maso aza!”

Nitombo ny Efitrano Fanjakana nilaina, ka nampiofana rahalahy hafa ireo nanangana an’ilay fomba fanorenana haingana. Nandre momba ny zava-bita koa ny tany hafa. Azo ampiasaina any an-tany hafa ve ilay fomba fanorenana?

Atao eran-tany ilay fanorenana vita haingana

Tsy naharaka ny fitomboan’ny fiangonana ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany Kanada. Nasain’ireo Vavolombelona tany àry ireo nandamina ny fanorenana haingana teto Etazonia, mba hanazava ny fomba fanaovana izany. Nisalasala ny Kanadianina tamin’ny voalohany, nefa tapa-kevitra ny hanandrana. Vita tamin’ny 1982, tany Elmira, any Ontario, àry ny Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany tany. Efitrano Fanjakana 306 tany Kanada no naorina tamin’io fomba io, tamin’ny 1992.

Nieritreritra ny hanao izany koa ny Vavolombelona tany Northampton, any Angletera. Ny efitranon’izy ireo vita tamin’ny 1983, no voalohany tany Eoropa. Nitety an’i Etazonia sy Kanada ireo rahalahy za-draharaha amin’io fanorenana io, mba hanara-maso ny fanorenana, sy hampianatra ny Vavolombelona teo an-toerana ny fomba fanaovana azy io. Nisy mpiasa an-tsitrapo avy tany Japon, Inde, Frantsa, ary Alemaina. Hiasa an-tsitrapo no nahatongavany, fa tsy hikarama. Ahoana no nahavitana izany? Hoy ny mpiandraikitra ny fanorenan’ireo Vavolombelona irlandey: ‘Vita izany, satria niasan’ny fanahin’i Jehovah ny rahalahy sy anabavy rehetra.’

Toa tsy azo natao io fanorenana io indraindray, vokatry ny lalàn’ny fanorenana teo an-toerana. Vonona ny hanampy anefa matetika ny manam-pahefana, rehefa hazavaina tsara aminy ny tsipirian’ilay asa.

Nisy fanorenana vita haingana tany Norvezy, any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika, ka hoy ny gazety Finnmarken: “Tena mampitolagaga. Io ihany no teny hitanay ilazana ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny faran’ny herinandro teo.” Nahavita Efitrano Fanjakana tsara tarehy tao anatin’ny roa andro sy tapany koa ny Vavolombelona tany amin’ny Nosy Avaratra, any Nouvelle-Zélande, ka izao no lohateny nisongadina tao amin’ny gazety iray: “Tetikasa toy ny Fahagagana.” Hoy ilay lahatsoratra: “Tena anisan’ny nahagaga angamba ny hoe nilamina sy nisosa tsara ilay asa.”

Tsy olana tsy azo vahana ny fahalaviran’ny toerana anorenana. Nisy Efitrano Fanjakana vita haingana natao tany Belize, nefa tsy maintsy notaterina ho any amin’ny nosy 60 kilaometatra avy tany an-tanàna ny entana tsirairay. Fitaovana sy olona avy tany amin’ny 1 600 kilaometatra na mahery, no nampiasaina tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany Port Hedland, any Aostralia Andrefana. Misy fitaovana fampangatsiahana izy io, ary vita tao anatin’ny faran’ny herinandro iray. Niantoka ny saran-dalany ireo mpiasa tonga teo. Tsy nahafantatra ny Vavolombelona tao amin’ny Fiangonana Port Hedland ny ankamaroan’ireo niasa tao, ary tena vitsy aminy no mety hanatrika fivoriana ao. Naneho fitiavana anefa izy ireo, ka tonga niasa tany.

Vitsy ny Vavolombelona any amin’ny toerana sasany, nefa nampiasaina tany ihany ny fomba fanorenana vita haingana. Vavolombelona 800 avy tany Trinité no tonga tany Tobago tamin’ny 1985, mba hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy 84 tany, hanorina efitrano tany Scarborough. Tena nila fanampiana ireo Vavolombelona 17 (zaza amam-behivavy ny ankamaroany) tany Goose Bay, any Labrador, raha te hanana Efitrano Fanjakana. Nanofa fiaramanidina telo ny Vavolombelona 450 tany Kanada, tamin’ny 1985, mba hitondra azy ireo tany Goose Bay, hanao ilay asa. Niasa mafy nandritra ny roa andro izy ireo, ary notokanana ny alahady hariva ilay efitrano.

Tsy io fomba fanorenana haingana io no anorenana ny Efitrano Fanjakana rehetra. Mihamaro hatrany anefa ny efitrano aorina toy izany.

Komitim-paritra Momba ny Fanorenana

Nihamaro hatrany ny Efitrano Fanjakana nilaina tamin’ny 1986. Nisy fiangonana 2 461 niforona eran-tany, herintaona talohan’io, ary 207 tamin’ireo no teto Etazonia. Fiangonana telo, na efatra, na dimy mihitsy aza no miara-mampiasa ny Efitrano Fanjakana sasany. Tena nanafaingana ny asa fanangonana tokoa i Jehovah, araka ny efa nolazain’ny Soratra Masina.—Isaia 60:22.

Nanomboka nandamina an’ilay asa ny Fikambanana, mba hampiasana an’ireo mpiasa amin’ny fomba tsara indrindra, sy handraisan’ny rehetra soa be indrindra avy amin’ny traikefa ananana. Nozaraina ho 60 aloha i Etazonia tamin’ny 1987, ary niandraiketan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana ireo. Be asa ny rehetra, ary nisy taminy aza nanana asa niandry mba hatao ao anatin’ny herintaona, na mahery. Nahafeno fepetra ara-baiboly ireo anisan’ilay komity, ary anti-panahy sy fakan-tahaka eo amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22, 23) Maro taminy no za-draharaha momba ny tany sy trano, fitantanana ara-teknika, fanorenana, fandraharahana, aro loza, sy ny sisa.

Nasaina hiresaka tamin’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana ny fiangonana, talohan’ny nifidianana tany. Raha fiangonana mihoatra ny iray no tao amin’ny tanàna iray, dia nasaina koa izy ireo mba hiresaka tamin’ny (ireo) mpiandraikitra ny faritra sy mpiandraikitra ny tanàna ary anti-panahin’ny fiangonana manodidina. Nasaina ireo fiangonana nikasa hanao fanavaozana lehibe, na fanorenana vaovao, mba handray soa tamin’ny traikefan’ireo rahalahy anisan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, sy ny toromarika nomen’ny Fikambanana azy ireny. Nalamina tamin’ny alalan’io komity io ny fanangonana ny mpiasa ilaina, avy amin’ireo rahalahy sy anabavy mahay asa 65 karazana, ary efa nanolo-tena hanampy tamin’ny asa toy izany.

Nohatsaraina ny fomba fiasa, ka nihena ny mpiasa nilaina tamin’ny tetikasa iray. Tsy olona an’arivony mitazam-potsiny no eo amin’ny toeram-panorenana, fa olona 200 monja, tonga amin’ny fotoana voafetra. Tsy nandany faran’ny herinandro feno ireo mpiasa, fa rehefa nilaina ihany ny fahaizany vao tonga izy. Nanam-potoana kokoa àry izy ireo mba hiarahana tamin’ny fianakaviany, sy hanaovana ny asan’ny fiangonany. Tsy vitan’ny rahalahy teo an-toerana ara-potoana indraindray ny asa sasany. Tsara kokoa matetika raha io asa io ihany no niantsoana ny ekipan’ny mpanao fanorenana vita haingana.

Nandeha haingana be ilay asa manontolo, nefa tsy izany no noheverina voalohany. Zava-dehibe kokoa ny fanorenana tsara Efitrano Fanjakana tsotra, araka ny ilaina eo an-toerana. Nisy fomba fiasa maty paika natao hahavitana izany, sady hahakely indrindra ny vola lany. Noraisina ny fepetra fisorohana loza araka izay azo atao, hiarovana ny mpiasa, mpiara-monina, mpandalo, ary ireo hampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana.

Nahare momba io fanorenana vita haingana io ny tany hafa, ka nanontany ny tsipirian’izy io ny biraon’ny sampany, mba handraisany soa kokoa. Nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana àry ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana voatendrin’ny Fikambanana, tamin’ny 1992, ka niasa tany Afrika Atsimo, Alemaina, Aostralia, Arzantina, Espaina, Frantsa, Grande-Bretagne, Japon, Kanada, ary Meksika. Amboarina araka ny zava-misy eo an-toerana ny fomba fanorenana. Ny foibe no mandamina ilay asa, raha ilaina ny fanampian’ny sampana hafa. Vita ao anatin’ny andro vitsivitsy ny efitrano vaovao sasany, fa herinandro na volana vitsivitsy kosa ny hafa. Alamina tsara ny asa, ary atambatra ny ezaka atao, ka vita vetivety kokoa ny Efitrano Fanjakana vaovao.

Tsy Efitrano Fanjakana ihany no aorin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilaina koa ny trano lehibe anaovan’ny fiangonana maromaro fivoriambe isan-taona.

Fanorenana ny Efitrano Fivoriambe nilaina

Trano samihafa no nanaovana fivoriamben’ny faritra, teo aloha. Nohofan’ny Vavolombelona tamin’izany ny tranom-pokonolona, sekoly, teatra, trano fanatobiana entana, kianja filalaovana sy toerana fanaovana foara. Vitsy ny toerana azo nohofana mora, tany amin’ny toerana sasany. Matetika no nitaky fotoana sy ezaka be ny fanadiovana ilay toerana, fametrahana ny fanamafisam-peo, fananganana lampihazo, ary fitaterana seza. Nofoanana tampoka indraindray ny fifanarahana sasany. Nihamaro ny fiangonana, ka nihasarotra hatrany ny nahita toerana nety. Inona no azo atao?

Ny fananan’ny Vavolombelon’i Jehovah trano ho azy indray no vahaolana. Ilaina amin’izany ny fanavaozana trano efa misy, sy fanorenana vaovao. Ilay teatra tany Long Island City, eto New York, no nohavaozina ho Efitrano Fivoriambe voalohany teto Etazonia, ary nampiasain’ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny faran’ny 1965.

Nanao planin’ny Efitrano Fivoriambe koa ny tany Goadelopy, any Antilles, tamin’io fotoana io. Tsara kokoa mantsy, hoy izy ireo, ny nanao fivoriamben’ny faritra tamin’ny toerana samihafa. Tsy nisy trano nalalaka anefa tany amin’ny ankamaroan’ireo tanàna. Nataon’izy ireo àry ny trano azo afindrafindra, vita tamin’ny fantsona vy sy tafo alminiôma, antonona olona 700, ary azo atsangana rehefa nisy tany marimarina. Nohalehibeazin’izy ireo tsikelikely izy io, ka antonona olona 5 000 tamin’ny farany. Eritrereto fa nobataina sy natsangana ary noravana ireo zavatra 30 taonina ireo, isaky ny fivoriambe! Natsangana sy noravana imbetsaka io Efitrano Fivoriambe io, nandritra ny 13 taona. Nihasarotra anefa ny nahita tany nanorenana azy io, ka tsy maintsy nisy tany novidina hananganana Efitrano Fivoriambe maharitra, anaovana fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra ankehitriny.

Trano efa misy koa no navadika ho Efitrano Fivoriambe tamin’ny toerana maro. Novidina sy nohavaozina ny trano fianarana iray, efa 50 taona, tany Hays Bridge, any Angletera. Misy tany tsara tarehy 11 hektara miaraka amin’izy io. Trano fanaovana teatra sy trano fanatobiana entana kosa no nohavaozina sy nampiasaina tany Espaina; orinasa fanaovana lamba taloha, tany Aostralia; trano fandihizana, tany Québec, any Kanada; trano fanaovana baolina akorisa, tany Japon; trano fanatobiana entana, tany amin’ny Repoblikan’i Korea. Namboarina ho Efitrano Fivoriambe tsara tarehy, ho foiben’ny fampianarana Baiboly, ireo rehetra ireo.

Trano vaovao tanteraka ny Efitrano Fivoriambe sasany. Hafakely ilay efitrano tany Hellaby, any Angletera, satria misy lafiny valo, ary mpiasa an-tsitrapo no nanao ny ankamaroan’ny asa. Nanjary namoaka lahatsoratra momba azy io ny gazetin’ny Fikambanan’ny Injeniera Mpanorina. Natao hahazaka olona 1 200 kosa ilay Efitrano Fivoriambe tany Saskatoon, any Kanada. Lasa Efitrano Fanjakana efatra anefa izy io, rehefa apetraka ireo rindrina manasaraka azy. Tsy misy rindrina ny ilany roa amin’ny Efitrano Fivoriambe any Haïti (namboarina mialoha sy nalefa avy eto Etazonia), mba hisy rivotra hampangatsiatsiaka foana ny mpanatrika, rehefa tena miakatra ny hafanana. Namboarina manokana ilay efitrano tany Port Moresby, any Papouasie-Nouvelle-Guinée, ka azo vohana toy ny varavarana ny tapany amin’ilay rindrina, mba handraisana ny olona tsy tafiditra ao anatiny.

Tsy mpiandraikitra vitsivitsy, manantena ny rehetra hanohana azy, no mandray ny fanapahan-kevitra hanorina Efitrano Fivoriambe. Ny Fikambanana aloha no mandinika tsara ny antony ilana izany, sy ny fampiasana azy io. Tsy ny zotom-pon’ireo rahalahy fotsiny no jerena, fa ny zavatra ilaina amin’ny ankapobeny mihitsy. Resahina amin’ny fiangonana rehetra voakasik’ilay tetikasa izany, mba hahitana raha maniry sy afaka manohana azy io izy ireo.

Manohana tanteraka àry ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ilay faritra, raha vao manomboka ny asa. Ny Vavolombelona ihany no mamatsy vola ny tetikasa tsirairay. Hazavaina ny vola ilaina, nefa atao an-tsitrapo ny fanomezana, ary tsy lazaina ny anaran’ny mpanome. Alamina aloha be ny asa, ary ampiasaina ny traikefa avy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe tany an-toeran-kafa. Mety hanakaramana olona ny asa sasany, raha ilaina, nefa ny Vavolombelona no manao ny ankamaroan’ny asa. Mampihena sasaka ny vola lany izany.

Mandeha haingana ilay asa manontolo, satria mpiasa mahay sy mpiasa an-tsitrapo maro no mampiasa ny fotoanany sy ny talentany. Herintaona mahery vao vita ny tetikasa sasany. Sivy andro monja anefa, tamin’ny 1985, dia vitan’ny mpiasa an-tsitrapo 4 500 teo ho eo ilay Efitrano Fivoriambe mirefy 2 300 metatra toradroa, tany Nosy Vancouver, any Kanada. Misy Efitrano Fanjakana mahazaka olona 200 koa ao amin’izy io, mba hampiasain’ny fiangonana eo an-toerana. Nametraka lalàna tsy ahazoana mivezivezy amin’ny alina ny fitondrana tany Nouvelle-Calédonie, tamin’ny 1984, vokatry ny korontana politika. Mpiasa an-tsitrapo 400 anefa no tonga hanorina ilay Efitrano Fivoriambe tamin’izany, ka efa-bolana monja izy io dia vita. Fito volana kosa dia vita ilay Efitrano Fivoriambe tsara tarehy, tany akaikin’i Stockholm, any Soeda, izay misy seza 900 vita amin’ny hazo oaka nofonosina tsara.

Nilaina indraindray ny ady mafy tany amin’ny fitsarana, mba hahazoana fahazoan-dalana hanorina an’ireny Efitrano Fivoriambe ireny. Anisan’izany ilay tany Surrey, any Kanada. Azo naorina io toeram-pivavahana io, tamin’ny fotoana nividianana ilay tany, raha ny lalàna momba ny tanàn-dehibe no nojerena. Naseho ny planin’ilay trano tamin’ny 1974. Namoaka lalàna indray anefa ny Filan-kevi-pivondronan’i Surrey fa eo amin’ilay Faritra P-3 ihany no azo anorenana trano fiangonana sy efitrano fivoriambe. Tsy nisy akory anefa io faritra io! Fiangonana 79 no efa naorina teo amin’io toerana io nefa tsy nisy olana. Nampakarina fitsarana ilay raharaha. Nandresy foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Resy ihany nony farany ny fitsarana an-tendron’ny manam-pahefana sasany, ary nazoto nanohy ny asa ireo mpiasa an-tsitrapo, ka fito volana teo ho eo dia vita ilay trano. Toy ny tsapan’i Nehemia tamin’ny fanorenana indray an’i Jerosalema no tsapan’izy ireo, hoe ny ‘tanan’Andriamanitra’ no nahavitana ilay asa.—Neh. 2:18.

Anisan’ny toerana manan-tantara noferan’ny fanjakana ny Stanley Theater, any Jersey City, eto Etazonia, izay novidin’ny Vavolombelona. Efa ratsy be io trano fanaovana teatra io, nefa azo natao Efitrano Fivoriambe tsara. Tsy nanome fahazoan-dalana anefa ny mpitondra teo an-tanàna, rehefa hanao fanamboarana ny Vavolombelona. Tsy tian’ilay ben’ny tanàna hisy Vavolombelona tao an-tanàna, ary zavatra hafa no noeritreretiny ho an’ilay trano. Nakarina fitsarana ilay raharaha, mba hamerana ny manam-pahefana tsy hanao didy jadona. Nandresy ny Vavolombelona. Tsy voafidy intsony ilay ben’ny tanàna, tamin’ny fifidianana tsy ela taorian’io. Nandroso haingana ny asa fanamboarana an’ilay trano. Efitrano Fivoriambe tsara tarehy, mahazaka olona 4 000 mahery, no vokatr’ilay asa. Mirehareha ny amin’izy io koa ny mpandraharaha sy mponin’ilay tanàna.

Efitrano Fivoriambe tsara tarehy sy mety tsara no naorin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, ho foiben’ny fampianarany Baiboly, nandritra ireo 27 taona farany. Mihamaro hatrany izy ireny izao eran’i Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa, Afrika, Azia, ary nosy maro. Nanorina trano lehibe kokoa sy tsy nisy rindrina mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny tany sasany toa an’i Nizeria sy Italia ary Danemark.

Tsy ny Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana ihany anefa no aorin’ny Vavolombelona, mba hampandrosoana ny asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Birao sy fanontam-pirinty ary Betela eran-tany

Nisy biraon’ny sampan’ny Fikambanana 99 eran-tany, tamin’ny 1992. Samy mandamina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any aminy izy ireny. Ny antsasany mahery amin’izy ireny no nanao pirinty zavatra samihafa, mba hampandrosoana ny asa fampianarana Baiboly. Omena trano fonenana ireo miasa any amin’ny sampana, ka anisan’ny fianakavian’ny Betela (midika hoe “Tranon’Andriamanitra”). Nitombo ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asa fitoriany, ka tsy maintsy nitarina ireny trano ireny, ary nisy vaovao koa naorina.

Haingana be ny fitomboan’ny fandaminana, ka nisy sampana 20 ka hatramin’ny 40 niaraka nohalehibeazina indraindray. Nitaky fanorenana iraisam-pirenena izany.

Be dia be ny asa fanorenana atao eran-tany, ka manana Sampan-draharahan’ny Fitantanana Ara-teknika sy Fanaovana Planina ny foibe eto New York. Niala tamin’ny asany ny injeniera vitsivitsy efa niasa nandritra ny taona maro, mba hanampy manontolo andro amin’ny fanorenana, mifandray amin’ny asan’ilay Fanjakana. Niezaka koa ireo manana traikefa mba hampiofana lehilahy sy vehivavy teo amin’ny fitantanana ara-teknika sy fanaovana planina. Io sampan-draharaha io no mandrindra ny asa, ka mahasoa an’ireo miasa amin’ny fanorenana any an-tany hafa ny traikefa azony tamin’ny fanorenana ny sampana.

Betsaka ny asa tatỳ aoriana, ka nosokafana ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika tany Japon, mba hanampy eo amin’ny fanaovana ny planina ho an’i Azia. Miasa koa ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Eoropa sy Aostralia, izay misy mpiasa avy any amin’ny tany maro. Miara-miasa akaiky amin’ny birao foibe izy ireo. Vitsy kokoa ny mpanao planina ilaina any amin’ny toeram-panorenana, noho ny asan’izy ireo sy ny fampiasana ordinatera.

Kely ny tetikasa sasany. Anisan’izany ny biraon’ny sampan’i Tahiti, naorina tamin’ny 1983. Birao sy fitoeran’entana ary trano onenan’ny mpiasa an-tsitrapo valo no naorina. Toy izany koa ilay trano misy rihana efatra naorina tany Martinika, any Antilles, tamin’ny 1982 ka hatramin’ny 1984. Toa tsy miavaka loatra izy io ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe, nefa tena nahasarika olona. Nilaza ny gazety France-Antilles fa “sangan’asa hafakely” ny tranon’ny sampan’i Martinika, sady nampiseho fa “tia asa vita tsara” ireo mpanorina.

Lehibe kosa ny sampana sasany, toy ilay any Kanada, vita tamin’ny 1981, izay nisy trano fanontam-pirinty, teo amin’ny velaran-tany 9 300 metatra toradroa mahery, sy trano fonenan’ny mpiasa an-tsitrapo 250. Trano valo kosa ny tranon’ny Fikambanana any Brezila vita tamin’io taona io, any Cesário Lange. Velaran-tany 46 000 metatra toradroa no misy azy io. Izao avy no nampiasaina tamin’izany: simenitra, vato sy fasika 10 000 kamiao, ary andry simenitra, izay nety ho avo roa henin’ny haavon’ny Tendrombohitra Everest raha nampifanaingenina! Vita tamin’ny 1991 ny fanontam-pirinty lehibe tany Philippines, nefa nilaina koa ny trano fonenana nisy rihana folo.

Nihamaro ny mpitory ilay Fanjakana any Nizeria, ka nisy tetikasa fanorenana lehibe natao tany Igieduma, tamin’ny 1984. Anisan’ny naorina ny fanontam-pirinty, birao lehibe, trano fonenana efatra mifampitohy, ary trano hafa. Fanontam-pirinty efa voarafitra mialoha tany Etazonia no noheverina halefa tany. Toa tsy ho vitan’ireo rahalahy anefa ny hanafatra azy io ara-potoana. Tratra ihany anefa ilay fotoana, ary tonga ara-potoana soa aman-tsara ilay izy, ka i Jehovah no nisaoran’ireo Vavolombelona, noho ny fitahiany.

Fitomboana haingana eran-tany

Nandroso be ny fitoriana ilay Fanjakana, ka na dia nitarina be aza ny biraon’ny sampana sasany, dia tsy maintsy nisy fanitarana hafa indray natao tao anatin’ny fotoana fohy. Ireto misy ohatra.

Vita tamin’ny faran’ny 1984 ny biraon’ny sampan’i Peroa, any Amerika Atsimo, izay nisy birao sy efitra fandriana 22, sy trano hafa nilain’ny mpianakavin’ny Betela, ary Efitrano Fanjakana. Be noho izay nantenaina anefa ny fitomboana. Tsy maintsy naorina, efa-taona tatỳ aoriana, ny trano nitovy tamin’ireo efa vita, fa natao hahatanty horohoron-tany kosa.

Vita tamin’ny 1979 ny tranon’ny sampana lehibe tany Kolombia. Noheverina fa ho ampy mandritra ny taona maro izy io. Efa ho avo roa heny anefa ny isan’ny Vavolombelona tany, tao anatin’ny fito taona, sady nanao pirinty gazety La Atalaya sy ¡Despertad! ho an’i Kolombia sy ny tany efatra manodidina azy koa ilay sampana. Tsy maintsy nanorina trano hafa indray izy ireo tamin’ny 1987, ka malalaka kokoa ilay tany nanorenana.

Nanokana ora 14 000 000 teo ho eo ny Vavolombelona tany Brezila, tamin’ny 1980, mba hitoriana momba ilay Fanjakana. Nitombo ho 50 000 000 izany tamin’ny 1989. Maro kokoa ny olona te hitady an’Andriamanitra. Tsy ampy intsony ireo tranon’ny sampana azo nitarina, notokanana tamin’ny 1981. Efa nomanina sahady ny tany, tamin’ny Septambra 1988, mba hanorenana fanontam-pirinty vaovao. Handany velaran-tany efa ho avo roa heny noho ilay fanontam-pirinty efa misy izy io. Ilaina koa anefa ny trano fonenana, satria hihamaro ny mpianakavin’ny Betela.

Notokanana tamin’ny 1984 tany Selters/Taunus, any Alemaina, ny trano fanontam-pirinty lehibe indrindra faharoa an’ny Fikambanana. Dimy taona taorian’io, dia efa nisy fandaharana natao mba hanitarana azy io efa ho avo roa heny, sy hanampiana trano hafa hifandray aminy, satria nisy fitomboana be tany Alemaina, ary nantenaina hisy fitomboana koa tany amin’ireo tany nanao pirinty ny bokiny tany.

Nifindra avy any Tokyo ny sampan’i Japon, tamin’ny 1972, mba ho any Numazu, izay nisy trano vaovao sy lehibe kokoa. Nisy fanitarana lehibe natao tamin’ny 1975. Nisy tany hafa novidina tany Ebina, tamin’ny 1978, ary nanomboka haingana ny asa fanontam-pirinty avo telo heny noho ilay tany Numazu. Vita tamin’ny 1982 izany. Mbola tsy ampy ihany izany, ka nisy trano hafa naorina tamin’ny 1989. Fa naninona raha trano lehibe no naorina indray mandeha fotsiny? Nitombo avo roa heny imbetsaka ny isan’ny mpitory tany Japon, ka tsy nisy olona afaka naminavina izay hitranga. Nisy 14 199 izy ireo tamin’ny 1972, nefa lasa 137 941 tamin’ny 1989, ary maro be taminy no mpanompo manontolo andro.

Mitranga any an-tany hafa koa izany. Tsy maintsy nisy fanitarana lehibe natao indraindray tao anatin’ny folo taona, na taona vitsivitsy monja, rehefa voaorina ny tranon’ny sampana lehibe afaka manao pirinty. Anisan’izany ny tany Meksika, Kanada, Afrika Atsimo, ary ny Repoblikan’i Korea.

Iza no tena manao ny asa fanorenana? Ahoana no ahavitana izany?

An’arivony no vonona hanampy

Tamin’ireo Vavolombelona 17 000 tany Soeda, tamin’ny fotoana nanorenana ny biraon’ny sampana tany Arboga, dia 5 000 be izao no tonga hanampy. Vonona hanampy fotsiny ny ankamaroany, fa teo koa ireo efa tena za-draharaha, ka nanara-maso mba hahatsara ny asa. Ny fitiavana an’i Jehovah no nanosika azy rehetra.

Nanahy ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny biraon’ny fanaraha-maso tany Danemark, rehefa nandre fa ny Vavolombelona ihany no hanao ny asa rehetra amin’ny fanorenana ny sampana vaovao tany Holbæk. Nisy tamin’ireo Vavolombelona nanampy anefa nanana ny fahaizana rehetra nilaina. Ho tsara kokoa ve ny nanakarama olona hanao ilay asa? Nijery an’ireo zava-bita ny manam-pahaizana avy amin’ny mpiandraikitra ny fanorenana teo an-tanàna, ka nilaza fa tena tsara ny asa vita, ary vitsy ny mpikarama manao asa tsara toy izany. Nitsiky kosa ilay tompon’andraikitra nanahy teo aloha, ary nilaza hoe: “Mbola tsy fantatro tsara ianareo teo aloha.”

Miparitaka be ny mponina any Aostralia. Tsy maintsy nanao dia 1 600 kilaometatra àry, fara fahakeliny, ny ankamaroan’ireo 3 000 tonga hanampy tamin’ny fanorenana ny tranon’ny sampana tany Ingleburn, tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1983. Nalamina anefa ny fandehanan’ireo mpiasa tamin’ny bisy, ary faly nanome sakafo ho azy ireo sy niaraka taminy, ny fiangonana teny amin’ny toerana nialany sasatra. Nisy tamin’ireo rahalahy nivarotra ny tranony, nanajanona ny asany, naka vakansy, ary nampandefitra zavatra hafa, mba handraisana anjara tamin’ilay tetikasa. Tonga tao, imbetsaka indraindray, ny lehilahy manam-pahaizana, mba handraraka rihitra simenitra, hametaka ny valin-drihana, ary hanangana ny fefy. Nisy kosa nanome fitaovana.

Tsy mpanao fanorenana ny ankamaroan’ireo mpiasa, nefa nahazo andraikitra lehibe sy nanao asa tsara izy ireo, rehefa nampianarina kely fotsiny. Nianarany ny fomba fanaovana varavarankely, fitondrana traktera, fanaovana rihitra simenitra, ary fandatsahana biriky. Nahazo tombony betsaka izy ireo, raha oharina amin’ny tsy Vavolombelona manao asa toy ny ataony. Inona izany? Vonona ny hampianatra azy, izay manana traikefa. Tsy misy matahotra ny ho very asa, satria manana asa be atao ny tsirairay. Vonona hanao asa tsara koa ny rehetra, satria fanehoana fitiavana an’Andriamanitra ilay izy.

Anisan’ny “fianakavian’ny” mpanao fanorenana ny Vavolombelona sasany, isaky ny toeram-panorenana. Nisy an-jatony izy ireo nandritra ilay asa tany Selters/Taunus, any Alemaina, tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1984. An’arivony no tonga nanampy azy ireo tsindraindray, indrindra fa ny faran’ny herinandro. Nalamina tsara ny asa, mba hanana asa betsaka atao ireo mpiasa an-tsitrapo.

Hisy olana foana, raha mbola tsy lavorary koa ny olona. Niezaka nandamina azy ireny, araka ny toro lalan’ny Baiboly, anefa ireo mpanao fanorenana. Fantany fa ny fampisehoana toetra kristianina no zava-dehibe noho ny fahaiza-miasa. Nisy takelaka lehibe fampahatsiahivana, tany amin’ny fanorenana tany Ebina, any Japon. Nisy sarina mpiasa manao satroka mafy tao, ary nisy soratra japoney teo amin’ny satroka tsirairay, nampiseho iray amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra: fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. (Gal. 5:22, 23) Hitan’ny mpitsidika sady reny fa hafa mihitsy ilay toeram-panorenana. Hoy koa ny mpilaza vaovao nitsidika ny fanorenana ny sampan’i Brezila: “Tsy nisy korontana na tsy fahampian’ny fiaraha-miasa ... Hafa noho ny fanorenana fahita eto Brezila io fiarahana kristianina io.”

Fitomboana tsy tapaka eto amin’ny foibe

Nitombo ireo sampan’ny Fikambanana, nefa tsy maintsy nitarina koa ireo tranon’ny foibe. Efa nitarina ho avo folo heny ny trano fanontam-pirinty sy ny birao teto Brooklyn sy teto amin’ny Fanjakan’i New York, taorian’ny Ady Lehibe II. Tsy maintsy nisy trano fonenana kely sy lehibe naorina na novidina sy nohavaozina. Nambara koa fa hitarina be ny foibe tamin’ny Aogositra 1990 sy Janoary 1991, nefa mbola teo am-panaovana azy ny fanorenana tany avaratr’i New York, nanomboka tamin’ny 1989. Tsy inona izany fa ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, hahazaka olona 1 200, anisan’izany ireo hiasa ao sy ny mpianatra.

Tsy nitsahatra, nanomboka tamin’ny 1972, ny fanorenana teto amin’ny foibe, eto Brooklyn, sy ireo trano miaraka aminy eto New York sy New Jersey. Na dia efa an-jatony aza ireo mpanao fanorenana, dia hita tatỳ aoriana fa tsy ho arak’izy ireo mihitsy ny asa. Nisy mpiasa tsy maharitra nampiasaina àry, nanomboka tamin’ny 1984. Nisy taratasy nalefa ho an’ny fiangonana 8 000 eran’i Etazonia, nanasa rahalahy mahay mba hiasa mandritra ny herinandro na mahery. (Efa nisy fandaharana natao toy izany tany amin’ny sampana sasany, toa an’i Aostralia, ka afaka niasa nandritra ny tapa-bolana ireo nasaina.) Homena trano fonenana sy sakafo ireo mpiasa, fa hiantoka ny saran-dalany kosa, ary tsy handray karama. Hisy hamaly ny antso ve?

Fangatahana 24 000 mahery no voaray tamin’ny 1992! Ny 3 900 tamin’ireo mpanao fangatahana, fara fahakeliny, no efa nangataka indroa na intelo, na im-10 sy in-20 mihitsy. Anti-panahy, na mpanampy amin’ny fanompoana, na mpisava lalana ny ankamaroan’izy ireo, ka nahafeno fepetra ara-panahy tsara. Vonona hanao izay asa nilaina izy ireo, na ilay asa efa hainy izany na tsia. Mafy sady mandoto ny asa matetika. Noraisin’izy ireo ho tombontsoa anefa ny mandray anjara amin’io fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana io. Nisy nahatsapa fa nanampy azy izany mba hahatakatra kokoa ny dikan’ny hoe mahafoy tena, izay toetra mampiavaka ny asan’ny foibe. Nahatsiaro ho nandray soa ny rehetra, vokatry ny fanatrehana ny fandaharan’ny mpianakavin’ny Betela, toy ny fotoam-pivavahana maraina sy ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro.

Mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena

Nisy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena nanomboka nampiasaina tamin’ny 1985, rehefa nilaina ny fanitarana haingana. Tsy tamin’izay akory vao nisy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, fa ny foibe izao no nandamina an’ilay fandaharana. Vavolombelona mirotsaka hanampy amin’ny fanorenana any ivelan’ny taniny, no tafiditra amin’izy io. Mpiasa mahay izy ireo, ary misy vehivavy manaraka ny vadiny mba hanao izay asa azony atao. Miantoka ny saran-dalany ny ankamaroany, ary tsy misy mandray karama. Manao azy io vetivety ny sasany, angamba tapa-bolana ka hatramin’ny telo volana. Mpiasa an-tsitrapo maharitra kosa ny sasany, ka mijanona herintaona na mahery, angamba mandra-pahavitan’ilay tetikasa. Vavolombelona 3 000 mahery avy amin’ny tany 30 no nandray anjara tamin’izy io nandritra ireo dimy taona voalohany, ary maro kokoa no vonona hiasa, rehefa nilaina ny fahaizany. Raisin’izy ireo ho tombontsoa ny manolotra ny tenany sy ny fahaizany, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana amin’io fomba io.

Omena trano sy sakafo ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena. Matetika no tsy miadana be izy ireo. Mankasitraka betsaka an’ireny rahalahy mpitsidika ireny ny Vavolombelona eo an-toerana, ary mampiantrano azy indraindray, na tsotra toy inona aza ny tranony. Eny amin’ny toeram-panorenana izy ireo no misakafo matetika.

Tsy ny hanao ny asa rehetra no ahatongavan’ireo rahalahy avy any an-tany hafa, fa ny hiara-miasa amin’ny ekipan’ny mpanao fanorenana eo an-toerana kosa. Mety hisy an-jatony na an’arivony mihitsy koa ireo rahalahy eo amin’ilay tany, tonga hanampy mandritra ny faran’ny herinandro, na mandritra ny herinandro, na mahery. Mpiasa an-tsitrapo 259 avy any an-tany hafa no niara-niasa tamin’ireo rahalahy an’arivony tany Arzantina. Nisy niasa isan’andro izy ireo, na nandritra ny herinandro vitsivitsy, ary maro no niasa nandritra ny faran’ny herinandro. Nisy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 830 mahery nanampy tany Kolombia, tamin’ny fotoana samihafa. Mpiasa an-tsitrapo 200 mahery teo an-toerana koa no nandray anjara tamin’ilay asa, ary 250 hafa no tonga nandritra ny faran’ny herinandro. Olona 3 600 mahery no nandray anjara tamin’ilay asa.

Mety hiteraka olana ny fahasamihafan’ny fiteny, nefa tsy manakana an’ireo mpiasa tsy hiara-miasa izany. Mandeha foana ny asa, rehefa eo ny baiko moana, paozin’ny tarehy, fahaiza-mandray vazivazy, ary ny faniriana hanao asa manome voninahitra an’i Jehovah.

Mitombo be ny fandaminana, ka nilaina ny tranon’ny sampana lehibe kokoa, hatrany amin’ireo tany tsy dia manana mpiasa za-draharaha firy amin’ny fanorenana. Tsy manakana ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izany, fa faly mifanampy izy ireo. Miara-miasa toy ny fianakaviam-be eran-tany izy ireo, ka tsy voazarazaran’ny firenena, na volon-koditra, na fiteny.

Nisy mpiasa an-tsitrapo avy any Aostralia sy Nouvelle-Zélande, tonga tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Samy nampianatra an’ireo rahalahiny teo an-toerana izy ireo, araka ny notakin’ny Minisiteran’ny Asa. Sady niasa mafy àry ireo Vavolombelona teo an-toerana, no afaka nianatra asa koa, ka nety hanjary hahay asa hamelomany ny tenany sy ny ankohonany.

Nila biraon’ny sampana vaovao ny tany Salvadaoro, ka nisy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 326 tonga hanampy azy ireo. Vavolombelona 270 avy any amin’ny tany 14 kosa no nanampy tany Ekoatera, niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany. Nanampy tamin’ny tetikasa maromaro tamin’io fotoana io, ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena. Nandeha tany Eoropa sy Afrika izy ireo, arakaraka ny nilana ny asany.

Nalefa tany amin’ny sampana 49 ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, tamin’ny 1992, mba hanampy an’ireo ekipa mpanorina. Nanjary afaka nanampy olon-kafa koa indraindray, ireo nampiofanina. Nisy tamin’ireo rahalahy tany Philippines, ohatra, nampianarin’ny mpanompo iraisam-pirenena 60 nijanona naharitra, sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 230 nanampy nandritra ny fotoana fohy, ka nanjary afaka nanampy tamin’ny fanorenana biraon’ny sampana hafa tany Azia Atsimoatsinanana.

Manao fanorenana ny Vavolombelona, noho ny zavatra ilaina ankehitriny, mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Ampian’ny fanahin’i Jehovah izy ireo, ka te hanao fitoriana be indrindra, alohan’ny hahatongavan’ny Hara-magedona. Mino tanteraka izy ireo fa tena efa akaiky ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ary ho tafavoaka velona ho ao amin’izy io ny fandaminan’izy ireo, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra. Manantena koa izy ireo fa mety ho maro amin’ireny trano tsara tarehy naoriny sy notokanany ho an’i Jehovah ireny, no mbola hampiasaina aorian’ny Hara-magedona, ho foiben’ny fahalalana an’ilay hany Andriamanitra marina, izay hiparitaka hameno ny tany tokoa.—Isaia 11:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nantsoina hoe Eglizy “Fahazavana Vaovao” izy ireny, satria nahatsiaro ho nahita fahazavana vaovao momba ny Baiboly ireo tonga tao, rehefa namaky ny bokin’ny Fikambanana.

[Teny notsongaina, pejy 322]

Nanampy tamin’ny asa ny Vavolombelona avy amin’ny fiangonana manodidina

[Teny notsongaina, pejy 323]

Mpiasa an-tsitrapo no nanao ny fanorenana

[Teny notsongaina, pejy 324]

Nantitranterina ny toetra kristianina

[Teny notsongaina, pejy 326]

Asa tsara, ieren-doza, tsy mandany vola, vita haingana

[Teny notsongaina, pejy 328]

Efitrano Fivoriambe azo afindrafindra!

[Teny notsongaina, pejy 331]

Nampakatra fitsarana

[Teny notsongaina, pejy 332]

Fitomboana be eran-tany

[Teny notsongaina, pejy 333]

I Jehovah no nisaoran’ireo mpiasa

[Teny notsongaina, pejy 334]

Fitomboana tsy azon’olombelona an-tsaina mihitsy

[Teny notsongaina, pejy 336]

Noraisin’izy ireo ho tombontsoa ny manampy amin’ny fanorenana eto amin’ny foibe

[Teny notsongaina, pejy 339]

Miara-miasa toy ny fianakaviam-be eran-tany izy ireo, ka tsy voazarazaran’ny firenena, na volon-koditra, na fiteny

[Efajoro/Sary, pejy 320, 321]

Miara-miasa mba Hanorenana Efitrano Fanjakana Haingana

Fiangonana an’arivony no miforona isan-taona. Ny Vavolombelona ihany no manorina Efitrano Fanjakana vaovao matetika. Nalaina nandritra ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany Connecticut, Etazonia, ireto sary ireto, 1991

Zoma 7.40 maraina

Zoma 12.00 antoandro

Asabotsy 7.41 alina

Vita ny asa lehibe, alahady 6.10 hariva

Mangataka ny fitahian’i Jehovah izy ireo, ary maka fotoana hiresahana torohevitra avy ao amin’ny Teniny

Mpiasa an-tsitrapo faly miara-miasa ny rehetra

[Efajoro/Sary, pejy 327]

Efitrano Fanjakana any Amin’ny Tany Samihafa

Tsotsotra matetika ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary madio sy mampiadana, sady tsara tarehy

Peroa

Philippines

Frantsa

Repoblikan’i Korea

Japon

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Irlandy

Kolombia

Norvezy

Lesotho

[Efajoro/Sary, pejy 330]

Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah

Manao fivoriambe tsy tapaka ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanorina Efitrano Fivoriambe ho azy, indraindray. Izy ireo ihany no manao ny ankamaroan’ny asa. Ireto misy vitsivitsy amin’ireo nampiasaina tamin’ny 1990

Grande-Bretagne

Venezoelà

Italia

Alemaina

Kanada

Japon

[Efajoro/Sary, pejy 338]

Fanorenana Iraisam-pirenena Tonga Amin’ny Fotoana Ilana Azy

Nitombo haingana be ny fandaminana, ka tsy maintsy nitarina ny birao, fanontam-pirinty ary Betela eran-tany

Manampy ny Vavolombelona eo an-toerana ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena

Espaina

Afaka manao asa tsara ireo mpiasa tsy manana traikefa, noho ilay fomba fanorenana

Porto Rico

Faly manao ny asany ireo mpiasa mahay

Nouvelle-Zélande

Gresy

Brezila

Kely kokoa ny vola lany amin’ny fikojakojana, satria zavatra mateza no ampiasaina

Grande-Bretagne

Manao asa tsara ireo tena tia ny asany, ary porofon’ny fitiavany an’i Jehovah izany

Kanada

Fotoana mahafinaritra ny fanorenana, ary maro no manjary mpinamana tsy mifankafoy

Kolombia

Soratra tany Japon, nampahatsiahy ny aro loza, sy ny antony anehoana vokatry ny fanahin’Andriamanitra

[Sary, pejy 318]

Ilay trano voalohany nantsoina hoe Efitrano Fanjakana, tany Hawaii

[Sary, pejy 319]

Trano nohofana ny maro tamin’ireo Efitrano Fanjakana voalohany, na efitrano tambonin’ny fivarotana; nisy vitsivitsy naorin’ny Vavolombelona

[Sary, pejy 329]

Roa amin’ireo Efitrano Fivoriambe voalohany

New York

Goadelopy

[Sary, pejy 337]

Mpiasa tsy maharitra vao tonga, hanao fanorenana teto amin’ny foibe, New York

Ampahatsiahivina ny rehetra fa ny fanehoana toetra tsara sy fanaovana asa tsara no zava-dehibe noho ny asa vita haingana