Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana

Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana

Toko 15

Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana

MARO ireo fiovana teo amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ny niarahan’i Charles Russell sy ny namany nianatra Baiboly voalohany, tamin’ny 1870. Tsy hain’ny olona loatra izay tena fandaminan’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’izy ireo mbola vitsy. Hitany kosa ankehitriny ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fivoriambeny, ary ny fitoriany ny vaovao tsara any amin’ny tany 200 mahery, ka gaga izy ireo mahita hoe misosa tsara ny fandaminana azy ireny. Ahoana no nivoaran’izany?

Tian’ny Mpianatra ny Baiboly ho takatra ny fampianaran’ny Baiboly sy ny fomba tokony hanaovana ny asan’Andriamanitra, araka ny resahin’ny Soratra Masina. Takany fa tsy milaza ny Baiboly hoe tokony hisy ny fizarana ho mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra. Nataon’ny Rahalahy Russell izay tsy hisian’ny mpitondra fivavahana toy izany teo anivon’izy ireo. a Nampahatsiahivina matetika tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy”, ary “mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.”—Matio 23:8, 10.

Fiarahan’ny Mpianatra ny Baiboly voalohany

Tsy ela dia takatr’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky namany, fa tsy maintsy miala amin’izay fiangonana nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo, raha te hampifaly Azy, satria ny fampianarana sy fomban’olombelona no nasongadin’ireny fiangonana ireny, fa tsy ny Teniny. (2 Kor. 6:14-18) Ho aiza anefa izy ireo aorian’izay?

Nanazava momba ny fiangonana kristianina marina ny Rahalahy Russell, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Eklesia.” b Nolazainy fa tsy olona nanaiky fampianarana noforonin’olombelona, sy nisoratra anarana tao amin’ny bokim-piangonana, no ao amin’izy io, fa olona “nanokana” ny fotoanany, talentany, ary fiainany ho an’Andriamanitra, ka manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Kristianina tafaray amin’ny fitiavana sy zava-kendrena iray izy ireo, hoy izy, ary manaraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, sy manaiky an’i Kristy ho lohany. Tsy te hanorina fandaminana vaovao ny Rahalahy Russell, ary tena tsy tiany ny fananganana antokom-pinoana toy ny nataon’ny Kristianina Anarana.

Takany tsara koa fa tokony hiara-mivory ny mpanompon’ny Tompo, araka ny torohevitry ny Hebreo 10:23-25. Nitsidika an’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana izy mba hampaherezana azy ireny, sy hanangonana azy hiaraka amin’ireo namany ao amin’ny tanàna iray. Nangatahiny ireo efa nanao fivoriana tsy tapaka, tamin’ny fiandohan’ny 1881, mba hampahafantatra ny toerana nanaovany izany tamin’ny biraon’ny Fikambanana. Takany fa zava-dehibe ny mifandray tsy tapaka.

Nohamafisin’ny Rahalahy Russell anefa fa tsy nanandrana nanangana “fandaminana eto an-tany” izy ireo. Nolazainy kosa hoe: “Ilay fandaminana any an-danitra ihany no arahintsika, ary ‘voasoratra any an-danitra ny anarantsika.’ (Heb. 12:23; Lioka 10:20.)” Naharikoriko ny tantaran’ny Kristianisma Anarana, ka ireto no tonga ao an-tsaina matetika rehefa miresaka “fandaminana fiangonana”: antokom-pinoana, jadon’ny mpitondra fivavahana, ary ny olona manaiky ny fampianarana navoakan’ny filan-kevitry ny fiangonana no atao hoe mpivavaka. Ny teny hoe “fikambanana” àry no nampiasain’ny Rahalahy Russell.

Fantany tsara fa nanorina fiangonana ny apostolin’i Kristy, ary nanendry anti-panahy isam-piangonana. Nino anefa izy fa manatrika indray i Kristy, na dia tsy hita maso aza, ary mitarika ny fanangonana farany an’ireo ho mpiara-mandova aminy. Noheverin’ny Rahalahy Russell àry fa tsy nilaina ny anti-panahy (toy ny tamin’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany), nandritra ilay fotoana fanangonana.

Nihamaro anefa ny Mpianatra ny Baiboly, ka takatry ny Rahalahy Russell fa tsy araka izay noeritreretiny ny fomba nitarihan’ny Tompo an’ilay raharaha, ka tsy maintsy nanova hevitra izy. Niorina tamin’ny inona?

Fikarakarana ny zavatra voalohany nilain’ilay fikambanana

Saika nifantoka tanteraka tamin’ilay foto-kevitra hoe “Mendrika sy Milamina” Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Novambra 1895. Niaiky toy izao ny Rahalahy Russell tao amin’izy io: “Maro ny zavatra nolazain’ny apostoly tamin’ny Fiangonana voalohany, mahakasika ny filaminan’ny fivorian’ireo olo-masina. Toa nanao tsirambina an’io torohevitra feno fahendrena io isika, ary nihevitra azy io ho madinika, satria hoe efa akaiky ny faran’ny Fiangonana, ary misy fanavahana mandritra ilay fijinjana.” Inona no nahatonga azy ireo hijery indray an’io torohevitra io?

Nanonona zavatra efatra ilay lahatsoratra: 1) Tsy mitovy ny fandrosoana ara-panahy ataon’ny tsirairay sy ny fahavononany hiatrika fakam-panahy, fitsapana, fahasahiranana, ary loza. Nilaina àry ny mpiandraikitra hendry sy malina, manana traikefa sy fahaizana, tena liana amin’izay hahasoa ny rehetra, ary mahay mampianatra ny fahamarinana. 2) Nila narovana tamin’ny ‘amboadia manao fitafian’ny ondry’ ny andian’ondry. (Matio 7:15) Nila nampaherezina izy ireo, ka tokony hampianarina tsara ny fahamarinana. 3) Hisy olona handray ny toeran’ny anti-panahy sy hihevitra ny andian’ondry hoe azy, raha tsy misy anti-panahy tendrena. 4) Mety hihevi-tena ho tsy ilaina ny sasany manaraka tsara ny fahamarinana, raha tsy misy fandaminana tsara, satria mahery ireo vitsivitsy tsy miray hevitra aminy.

Hoy àry Ny Tilikambo Fiambenana: “Tsy misalasala izahay mampirisika ny Eglizy c rehetra, na maro izy ireo na vitsy, mba hanaraka ny torohevitry ny Apostoly hoe tokony hisy anti-panahy hofidina eo amin’izy ireo mba ‘hamahana’ sy ‘hiandry’ ny andian’ondry.” (Asa. 14:21-23; 20:17, 28) Nanaraka izany torohevitra tsara avy amin’ny Soratra Masina izany ireo fiangonana. Dingana lehibe izany, teo amin’ny fanorenana ny fiangonana, miorina amin’ny zavatra nataon’ireo apostoly.

Nofidin’ny fiangonana anefa ny anti-panahy sy diakônina, satria izay no fahazoan’izy ireo azy. Nodinihina isan-taona (na matetika kokoa raha nilaina) hoe iza avy no nahafeno fepetra, ary nisy fifidianana natao. Izay lanin’ny maro an’isa no voatendry, nefa nasiana fetrany ihany ilay fomba fiasa. Nampirisihina ny rehetra mba handinika ny fepetra ara-baiboly ka hampiseho ny safidiny, araka izay ninoany hoe sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny fiheviny fotsiny. Ireo “nanolo-tena tanteraka” ihany no afaka nifidy, ka noheverina fa sitrapon’ny Tompo ny safidin’izy ireo, rehefa tarihin’ny Teniny sy ny fanahiny. Tsy takatry ny Rahalahy Russell tsara fa nanan-kery teo amin’izany fomba napetrany izany ny fahatapahan-keviny tsy hanisy mpitondra fivavahana, sy ny zavatra hitany tany amin’ny Fiangonana Kongregasionaly.

Noresahina manokana ny Asan’ny Apostoly 14:23, rehefa navoaka Ny Zavaboary Vaovao (1904, anisan’ireo boky Fiandohan’ny Arivo Taona), izay niresaka tsipirian’ny andraikitry ny anti-panahy sy ny fomba tokony hifidianana azy. Notononina tao ny fizahan-teny navoakan’i James Strong sy Robert Young, mba hanaporofoana fa tokony hadika hoe “nifidy azy ho anti-panahy tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana izy ireo”, ilay hoe “nanokana azy ho anti-panahy izy ireo” (Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques). d Milaza mihitsy ny fandikan-teny sasany hoe ‘notendrena tamin’ny fifidianana’ ny anti-panahy. (Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina, anglisy, nataon’i Young; Ny Baiboly Manamafy Hevitra, anglisy, nataon’i Rotherham) Iza anefa no tokony hanao ilay fifidianana?

Tsy araka ny nantenaina foana ny vokatra azo, rehefa ny fiangonana manontolo no nanao ilay fifidianana. Tokony ho olona “nanolo-tena tanteraka” ireo nifidy, ary nahafeno ny fepetra ara-baiboly tokoa ny sasany tamin’ireo voafidy, sady nanompo ny rahalahiny tamim-panetren-tena. Matetika anefa no fitiavan-javatra manokana no nibaiko an’ilay safidy, fa tsy ny Tenin’Andriamanitra na ny fanahiny. Nitarika fifandirana, ohatra, ny sasany tany Halle, any Alemaina. Nihevi-tena ho tokony ho voafidy ho anti-panahy mantsy izy ireo, nefa tsy voafidy. Olona nanohitra ny asan’ny Fikambanana koa ireo nilatsaka hofidina tany Barmen, Alemaina, tamin’ny 1927, ary nisy tabataba be nandritra ny fananganan-tanana, ka tsy maintsy natao latsa-bato niafina ilay izy.

Nanoratra toy izao momba ny fanahiany ny Rahalahy Russell, tamin’ny 1916 (taona maro talohan’ireo zava-nitranga ireo): “Mampihoron-koditra ny zava-mitranga amin’ny fifidianana any amin’ny Kilasy sasany. Miseho ho mpitondra sy mpanao jadona ireo mpanompo ao amin’ilay Fiangonana, ka indraindray mitarika an’ilay fivoriana, mba hanaovana izay hahazoana antoka fa ho voafidy ho Anti-panahy sy Diakônina ny naman’izy ireo. ... Misy manararaotra mangingina ny Kilasy, ka ataony amin’ny fotoana mety amin’izy sy ny namany ilay fifidianana. Mitondra namana be dia be koa ny sasany, ka olona vaovao mbola tsy mieritreritra ny hiaraka tsy tapaka amin’ny Kilasy no entiny, mba hifidy ny namany fotsiny.”

Nila nianatra ny fomba fanaovana fifidianana fotsiny ve izy ireo, sa nisy zavatra nolazain’ny Tenin’Andriamanitra, mbola tsy takany?

Fandaminana mba hitoriana ny vaovao tsara

Takatry ny Rahalahy Russell hatramin’ny voalohany fa anisan’ny andraikitra lehibe indrindra tanan’ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana ny fitoriana ny vaovao tsara. (1 Pet. 2:9) Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana fa tsy tamin’i Jesosy ihany, fa tamin’ny mpianany voahosotra koa, no nihatra izao faminanian’ny Isaia 61:1 izao: “Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly.”—Lioka 4:18.

Vao tamin’ny 1881, dia efa nilaza Ny Tilikambo Fiambenana hoe “Mitady Mpitory 1 000.” Nasaina ny rehetra teo anivon’ny fiangonana mba hampiasa ny fotoana rehetra nananany (antsasak’adiny, adiny iray na roa na telo), hiresahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nampirisihina hanao ny asan’ny mpisava lalana ireo lehilahy sy vehivavy tsy nanana havana novelomina, ka afaka nanokana ny fotoanany rehetra na ny ampahany, ho an’ny asan’ny Tompo. Niovaova be ny isan’ny mpisava lalana isan-taona, nefa efa nisy 300 izy ireo tamin’ny 1885. Nandray anjara tamin’izany koa ny sasany, na dia voafetra ihany aza. Nomena soso-kevitra hanaovana ny asany ny mpisava lalana. Lehibe anefa ny faritany, sady navela hifidy ny faritaniny izy ireo tamin’ny voalohany, ary nifindrafindra tany amin’izay toerana nety taminy. Nihaona izy ireo, rehefa fivoriambe, ary nanao fanovana mba hampirindra tsara ny asany.

Nanomana trakta (na bokikely) mba hozaraina maimaim-poana ny Rahalahy Russell, tamin’ny taona nanombohan’ny mpisava lalana ny asany. Niavaka tamin’izany ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina. Nisy 1 200 000 tamin’io no nozaraina tao anatin’ny efa-bolana voalohany. Tsy maintsy natsangana ny Fikambanana (Zion’s Watch Tower Tract Society) mba hikarakara ny asa fanontam-pirinty sy ny fizarana boky. Tian’ny Rahalahy Russell hitohy foana ny asa, na dia maty aza izy, ary tiany hotsorina koa ny fikarakarana ireo fanomezana ampiasaina amin’ilay asa. Nangataka ny hanekena ny Fikambanana ho ara-dalàna àry izy, ary azo tamin’ny 15 Desambra 1884 izany. Nanjary nisy fitaovana ara-dalàna nampiasaina nanomboka teo.

Nisy biraon’ny sampan’ny Fikambanana natsangana tany an-tany hafa, rehefa nilaina izany. Natsangana tany Londres, Angletera, tamin’ny 23 Aprily 1900, ny voalohany. Tamin’ny 1902 kosa ilay tany Elberfeld, Alemaina. Nalamina ny sampana tany Melbourne, Aostralia, roa taona taorian’io. Nisy sampana 99 eran-tany, tamin’ny 1992.

Voalamina tokoa ny fomba hahazoana boky ara-baiboly, nefa ny fiangonana ihany, tamin’ny voalohany, no nandamina izay fomba izarana izany. Nilaza ny heviny ny Rahalahy Russell tao amin’ny taratasiny tamin’ny 16 Martsa 1900, ho an’i “Alexander Graham, sy ny Fiangonana any Boston, Massachussets.” Hoy izy: “Fantatrareo rehetra fa avelako ho an’ny kompanian’ny vahoakan’ny Tompo tsirairay ny fandaminana ny raharahany, araka ny fiheverany azy. Manome soso-kevitra aho, nefa tsy fitsabahana amin’ilay izy, fa mba hevitra aroso fotsiny.” Tsy ny fivoriana ihany no voakasik’izany, fa ny fomba fanaovana fanompoana koa. Nanome torohevitra mahasoa ho an’ireo rahalahy izy, nefa nilaza koa hoe: “Soso-kevitra ihany izany.”

Nila toromarika hentitra kokoa avy tamin’ny Fikambanana anefa ny asa sasany. Rehefa naseho, ohatra, ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, dia ny fiangonana tsirairay no nanapaka hoe hanofa teatra izy mba hanaovana azy io, sa hitady trano hafa. Tsy maintsy nobataina isan-tanàna anefa ireo fitaovana, ary nohajaina ny fandaharam-potoana, ka ny Fikambanana no tsy maintsy nanome toromarika momba izany. Nasaina nanangana Komitin’ny Fampisehoana ny fiangonana tsirairay mba handamina ny raharaha teo an-toerana. Nisy mpiandraikitra nirahin’ny Fikambanana anefa nijery ny tsipiriany, mba hampandeha tsara ny zava-drehetra.

Niandry mafy ny fahatanterahan’ny fanantenany ho any an-danitra ireo Kristianina voahosotra, rehefa dify ny 1914 sy 1915. Nampirisihina hifantoka tamin’ny asan’ny Tompo koa anefa izy ireo. Noheverin’izy ireo ho fohy ny fotoana sisa maha nofo azy, nefa nanjary niharihary fa nilaina nalamina kokoa ny fitoriana ny vaovao tsara, ary nilaina ny tari-dalana bebe kokoa, noho ny tamin’izy ireo vao an-jatony monja. Nisy lafiny vaovao izany tari-dalana izany, tsy ela taorian’ny naha prezidàn’ny Fikambanana an’i J. Rutherford. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1917 fa ny Fikambanana amin’izay no hanondro ny faritany hiasan’ny mpisava lalana sy ny mpanao fitsidihan’ny mpiandry. e Nisy komitim-paritra nizara ny faritany, raha sady nisy mpitory no nisy mpisava lalana niara-nanompo tao amin’ny tanàna na faritra iray. Izany no nahafahana nizara ny boky Ilay Mistery Fantatra tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, tamin’ny 1917-1918. Izany koa no nahafahana nizara haingana an’ireo trakta 10 000 000 nanindrona ny Kristianisma Anarana, nitondra ny lohateny hoe “Ny Nianjeran’i Babylona.”

Nosamborina tsy ela taorian’io (21 Jona 1918) ireo mpitantana ny Fikambanana, ary nohelohina higadra 20 taona. Toy ny nijanona tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara. Ho tafaraka amin’ny Tompo any an-danitra amin’izay ve izy ireo?

Tapitra ny ady, volana vitsivitsy taorian’io. Nafahana ireo mpitantana ny Fikambanana, ny taona nanaraka an’io. Mbola tsy lasa tany an-danitra ihany anefa izy ireo. Tsy izany no nantenainy, nefa nihevitra izy ireo hoe tsy maintsy mbola misy asa asain’Andriamanitra hataony eto an-tany.

Vao tafavoaka tamin’ny fitsapana mafy ny finoany izy ireo. Vao mainka nampahery azy ireo anefa ilay lahatsoratra nanazava ny Soratra Masina hoe “Tahina Ireo Tsy Matahotra”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1919. Nanaraka izany koa ilay hoe “Fahafahana Hanompo.” Tsy azon’ireo rahalahy an-tsaina anefa ny fivoaran’ny fandaminana nandritra ireo taona taorian’izay.

Ohatra tsara ho an’ny andian’ondry

Takatry ny Rahalahy Rutherford fa zava-dehibe ny ohatra tsara ho an’ny andian’ondry, raha tiana handroso amin’ny fomba milamina ilay asa, na fohy toy inona aza ny fotoana. Nolazain’i Jesosy fa toy ny ondry ny mpianany, ary manaraka ny mpiandry azy ny ondry. I Jesosy no Mpiandry Tena Tsara, nefa mampiasa anti-panahy izy mba ho mpiandry lefitra. (1 Pet. 5:1-3) Tsy maintsy mandray anjara amin’ilay asa nanirahan’i Jesosy, ny anti-panahy, sady mandrisika ny hafa hanao ilay asa koa. Tsy maintsy ho tena tia ny fitoriana izy ireo. Kamokamo anefa ny anti-panahy sasany, tamin’ny fotoana nizarana ny Ilay Mistery Fantatra, ary nisy aza sahy nampirisika ny hafa tsy hanao ilay asa mihitsy.

Nisy dingana lehibe nanitsiana izany, tamin’ny 1919, rehefa nanomboka navoaka ny gazety Fotoam-pahasambarana. Nanjary fitaovana lehibe izy io mba hitoriana hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana maharitra ho an’ny olan’ny olombelona. Nasaina nisoratra anarana tany amin’ny Fikambanana izay fiangonana te handray anjara tamin’ilay asa, mba ho anisan’ny “fandaminana ny fanompoana.” Nisy tale, na talen’ny fanompoana, notendren’ny Fikambanana, fa tsy fidina isan-taona. f Izy io no solontenan’ny Fikambanana, nandamina ny asa, nanome ny faritany, ary nampirisika ny fiangonana mba hitory. Mbola nisy tamin’izay ny anti-panahy sy diakônina nofidin’ny besinimaro, nefa nanomboka nisy koa ny fomba fandaminana hafa. Izy io dia nampiseho fa misy olona any ivelan’ny fiangonana manana fahefana hanendry, ary nisongadina kokoa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. g

Nandroso tsy hay notohaina ny fitoriana ilay Fanjakana, nandritra ireo taona nanaraka. Niharihary tamin’ireo zava-nitranga tamin’ny 1914 sy taorian’izay fa teo am-pahatanterahany ireo faminaniana lehibe nataon’i Jesosy Kristy Tompo, momba ny fifaranan’ilay tontolo tranainy. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1920 àry fa tamin’izay no fotoana efa voalazan’ny Matio 24:14 hoe fitoriana ny vaovao tsara momba ny “faran’ilay rafitra tranainy sy fiorenan’ny fanjakan’ny Mesia.” h (Matio 24:3-14) Mbola ren’ireo mpanatrika ihany ilay teny faneva hoe “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany”, taorian’ilay fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly, tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922. Vao mainka nisongadina ny asan’ny Kristianina marina, rehefa noraisina ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931.

Hita fa nanome asa azon’ny mpanompony rehetra natao i Jehovah. Maro tokoa no nanaiky hanao izany. Nisy nanova be ny fiainany, mba hanaovana io asa io manontolo andro. Maro koa no nanokana andro iray hanompoana isaky ny faran’ny herinandro, na dia kely aza ny fotoana nananany. Nanaraka ny fampirisihan’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mpilaza Vaovao (anglisy), tamin’ny 1938 sy 1939 ny Vavolombelon’i Jehovah maro, ka nanokana 60 ora mba hanompoana isam-bolana.

Anisan’ireo Vavolombelona nazoto ireo ny anti-panahy nanetry tena sy be fandavan-tena. Maro anefa, tamin’ireo taona 1920 sy ny fiandohan’ireo taona 1930, no nilaza fa tsy tokony ho ny rehetra no handeha hitory. Matetika ireo anti-panahy nofidina no nilaza fa tsy nekeny izay voalazan’ny Tilikambo Fiambenana, mahakasika ny andraikitra hitory amin’ny olona any ivelan’ny fiangonana. Tsy nirotsaka tamin’ireny fiangonana ireny ny fanahin’i Jehovah, satria tsy nohenoin’izy ireo izay nolazain’ny fanahiny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina.—Apok. 2:5, 7.

Nisy fepetra noraisina momba izany, tamin’ny 1932. Tsy zava-dehibe tamin’izany ny hoe sao dia tafintohina ny sasany tamin’ireo anti-panahy nalaza, na hoe sao dia hiala ny sasany tamin’ireo niaraka tamin’ny fiangonana. Te hampifaly an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony kosa ireo rahalahy. Namoaka an’ilay lahatsoratra hoe “Fandaminan’i Jehovah” àry Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aogositra sy 1 Septambra 1932.

Nolazain’ireo lahatsoratra ireo tsara fa tokony hanao ilay asa lazain’ny Tenin’i Jehovah hoe tsy maintsy atao ankehitriny, ireo tena anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Noresahiny koa fa tsy toerana azo amin’ny fifidianana akory ny hoe anti-panahy, fa azo vokatry ny fandrosoana ara-panahy kosa. Nantitranterina manokana ilay vavak’i Jesosy momba ny mpianany hoe tokony ho “iray izy rehetra”, ary ho tafaray amin’Andriamanitra sy Kristy, ka hiaraka hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 17:21) Inona no tokony ho vokatr’izany? Noresahin’ilay lahatsoratra faharoa fa “tsy maintsy vavolombelon’ny anarana sy ny fanjakan’i Jehovah Andriamanitra ny tsirairay amin’ireo sisa.” Tsy tokony ho mpiandraikitra kosa ireo tsy manao na tsy mety manao izay vitany amin’ny fitoriana.

Nasaina nanao fanapahan-kevitra nilaza ny fanekeny an’izay voalazan’ireo lahatsoratra ireo ny fiangonana, rehefa avy nianatra azy ireo. Tapitra tamin’izay àry ny fifidianana anti-panahy sy diakônina. Niala ny sasany tamin’ireo “anti-panahy nofidina” tany Belfast, Irlandy Avaratra, sy tany an-toeran-kafa, ary nanaraka azy koa ireo niray hevitra taminy. Nihavitsy ny Vavolombelona, fa nihatsara kosa ny fandaminana. Ireo Kristianina vonona hiantsoroka ny andraikitra hitory ihany no nijanona. Tsy nifidy anti-panahy intsony ny fiangonana, fa (mbola nifidy) komitin’ny fanompoana i kosa. Lehilahy matotra sy nandray anjara navitrika tamin’ny fitoriana no nofidina ho anisan’izy io. Nofidin’ny fiangonana koa ny mpitari-draharaha ho an’ny fivoriany, sy mpitan-tsoratra ary mpitam-bola. Vavolombelon’i Jehovah narisika ireo lehilahy rehetra ireo.

Nandroso tsara ilay asa, satria tsy ny toerana notanany no nahaliana an’ireo mpiandraikitra ny fiangonana, fa ny asan’Andriamanitra (fitoriana ny anarany sy ny Fanjakany), ary ohatra tsara tamin’ny fanaovana izany izy ireo. Tsy takatr’izy ireo tamin’izany fa be ny asa tsy maintsy natao, dia fitoriana be noho ny hatramin’izay, ary fanangonana tsy araka ny nanampoizana azy. (Isaia 55:5) Nanomana azy ireo ho amin’izany i Jehovah.

Nisy vitsivitsy tamin’ireo nanantena hiaina mandrakizay eto an-tany, niaraka tamin’izy ireo. j Nilaza anefa ny Baiboly fa hisy fanangonana vahoaka be, izay hotsimbinina mandritra ny fahoriana lehibe. (Apok. 7:9-14) Fantatra mazava tamin’ny 1935 hoe iza marina ny vahoaka be. Afaka nanangona sy nampianatra ary nampiofana azy ireo ny fandaminana, rehefa foana tamin’ireo taona 1930 ny fifidianana anti-panahy.

Nampientam-po ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah io asa nitatra io. Nisy dikany manokana ny fanompoan’izy ireo. Nisy tsy nazoto nitory anefa, fa nipetrapetraka kosa, ary nilaza fa tsy hangonina ny vahoaka be, raha tsy aorian’ny Hara-magedona. Nihevitra kosa ny ankamaroany fa io no fomba vaovao ampisehoany ny tsy fivadihany amin’i Jehovah sy ny fitiavany ny mpiara-belona.

Inona no toeran’ny vahoaka be tao anatin’ny fandaminana? Nampahafantarina azy ireo ny asa nomen’Andriamanitra ny “ondry vitsy” anisan’ny voahosotra, ary faly izy ireo nanaraka izany lamina izany. (Lioka 12:32-44) Nianaran’izy ireo koa fa tokony hitory ny vaovao tsara, toy ny voahosotra, izy ireo. (Apok. 22:17) Te ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo, ka io Fanjakana io no tokony ho voalohany eo amin’ny fiainany, ary tokony hazoto hitory momba azy io izy. Tian’izy ireo ny hitovy amin’ireo lazain’ny Baiboly fa hotsimbinina mandritra ny fahoriana lehibe sy ho ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy maintsy ‘miantsoantso mafy tsy an-kijanona àry izy ireo, hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, ka manana adidy aminy isika.” ’ (Apok. 7:10, 14) Nomena andraikitra teo anivon’ny fiangonana koa izy ireo, tamin’ny 1937, rehefa nihamaro, ary nitombo ny zotom-pony ho an’ny Tompo.

Nampahatsiahivina anefa izy ireo fa an’i Jehovah ny fandaminany, fa tsy an’olona. Tsy tokony hisy fiavahana eo amin’ny sisa voahosotra sy ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. Tokony hiara-manompo an’i Jehovah toy ny mpirahalahy izy ireo. Hoy i Jesosy: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo, sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Jaona 10:16) Hita fa tena nisy izany.

Maro ny zava-nahagaga nitranga teo anivon’ny fandaminana, tao anatin’ny fotoana fohy ihany. Nisy zavatra hafa azo natao ve anefa, mba hifanaraka tanteraka amin’ny fomban’i Jehovah voalazan’ny Teniny ny raharahan’ny fiangonana?

Fandaminana tarihin’Andriamanitra

Tena notarihin’Andriamanitra ve ireo fiangonana? Nivavaka tamin’i Jehovah ve izy ireo, sady niantehitra taminy mba hitarika ny fiangonana? Nanaraka tanteraka izay nolazain’i Jehovah momba izany tao amin’ny Teniny ve izy ireo? Nilaza toy izao ireo lahatsoratra roa hoe “Fandaminana”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 sy 15 Jona 1938: “Tsy izay fomba tian’ny besinimaro no iasan’ny fandaminan’i Jehovah. Fara tampony izy, ka izy ihany no mitarika ny fandaminany.” Mbola nofidin’ny besinimaro anefa ny ankamaroan’ireo mpiandraikitra ny fivoriana sy fitoriana teny anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tsy maintsy nisy fanovana hafa natao.

Tsy milaza ve anefa ny Asan’ny Apostoly 14:23 fa ‘tsangan-tanana’ toy ny amin’ny fifidianana, no anendrena ny anti-panahy? Noresahin’ilay voalohany tamin’ireo lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fandaminana” (tao amin’ny Tilikambo Fiambenana) fa diso ny nandraisana an’io andininy io. Tsy ireo anisan’ny fiangonana rehetra no nanao ilay ‘tsangan-tanana’, teo anivon’ny Kristianina voalohany. Ny apostoly sy ireo nomeny fahefana kosa no nanao izany. Tsy fifidianana teo anivon’ny fiangonana no nanaovana izany, fa ny fametrahana ny tanana teo amin’ireo nahafeno fepetra. Fanamafisana, fanekena, na fanendrena, no dikan’izany. k Nanolotra lehilahy nahafeno fepetra indraindray ny fiangonana kristianina voalohany, nefa ny apostoly, na ny olona nomeny fahefana, ihany no nifidy na nanaiky izany. Notendren’i Kristy mivantana ny apostoly. (Asa. 6:1-6) Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana fa tamin’ny taratasy ho an’ny mpiandraikitra (Timoty sy Titosy) ihany ny apostoly Paoly (notarihin’ny fanahy masina) no nanome toromarika hanendrena mpiandraikitra. (1 Tim. 3:1-13; 5:22; Tit. 1:5) Tsy nisy taratasy ho an’ny fiangonana nilaza toromarika toy izany.

Ahoana àry no tokony hanendrena ireo manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny? Novelabelarin’ny Tilikambo Fiambenana ny fandinihana ny fandaminan’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina, ka ireto avy no hita: Notendren’i Jehovah ho ‘lohan’ny fiangonana’ i Jesosy Kristy; hisy “mpanompo mahatoky sy malina” hasain’i Kristy Tompo hiandraikitra ny “fananany rehetra”, rehefa hiverina izy; io mpanompo mahatoky sy malina io, dia ireo voahosotry ny fanahy masina mbola eto an-tany, izay ho lasa mpiara-mandova amin’i Kristy, ary miara-manompo eo ambany fitarihany; hampiasain’i Kristy mba hiandraikitra ny fiangonana io mpanompo io. (Kol. 1:18; Matio 24:45-47; 28:18) Andraikitr’ilay mpanompo ny mivavaka sy mampihatra ny toromarika voalaza mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mampiasa azy io mba hijerena ireo mahafeno fepetra hahazo andraikitra.

Fitaovana hita maso ampiasain’i Kristy ny mpanompo mahatoky sy malina, ary hita tamin’ny tantara ankehitriny fa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana no fitaovana ara-dalàna ampiasain’io “mpanompo” io. Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana àry fa tsy maintsy ho amin’ny alalan’izy io no anendrena ireo manana andraikitra, raha tarihin’Andriamanitra ilay fomba fiasa. Nankatò ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ary tsy handroso ara-panahy mihitsy koa ny fiangonana ankehitriny, raha tsy misy ny mpitantana foibe.—Asa. 15:2-30; 16:4, 5.

Nasongadin’ny Tilikambo Fiambenana koa anefa hoe tsy fitaovana ara-dalàna fotsiny no tondroin’ilay hoe “Ny Fikambanana”, fa ireo Kristianina voahosotra nanangana sy nampiasa azy io koa. Nanjary nanondro ny mpanompo mahatoky sy malina sy ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy àry ilay hoe “Ny Fikambanana.”

Mbola tsy natao pirinty akory ireo lahatsoratra hoe “Fandaminana” (Ny Tilikambo Fiambenana 1938), dia efa tsy maintsy nozaraina ireo fiangonana tany Londres, New York, Chicago, ary Los Angeles, ka nangataka ny Fikambanana izy ireo mba hanendry an’ireo mpiandraikitra teo aminy. Nasain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jona 1938 hanao toy izany koa ny fiangonana rehetra. Naroso àry izao fanapahan-kevitra holanina izao:

“Izahay, kompanian’ny vahoakan’Andriamanitra nalainy ho an’ny anarany, ao ............, dia manaiky fa Andriamanitra no mitarika ny fanjakany ary ao amin’ny tempoly i Kristy Jesosy, sady mifehy tanteraka ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, sy any an-danitra. Solontenan’ny Tompo eto an-tany ‘NY FIKAMBANANA’, ka angatahinay mba handamina ny kompanianay ho amin’ny fanompoana sy hanendry ireo mpiandraikitra, mba hahatonga anay hilamina sy hanao ny marina ary hiray saina tanteraka, eo am-panaovana ny fanompoanay. Omenay etoana àry ny anaran’ireo ato amin’ny kompanianay, izay heverinay fa matotra tsara sy mety indrindra mba homena an’ireo andraikitra voatonona eo.” l

Nanaiky izany ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nitory an’ilay Fanjakana intsony kosa ireo vitsivitsy tsy nanaiky, ka niala tsy ho Vavolombelona.

Soa azo avy amin’ny fitarihan’Andriamanitra

Mazava ho azy fa hanjavona sy hizarazara ny fandaminana, raha ny fiangonana tsirairay no manapaka ny fampianarany, fitondran-tenany, ary ny fandaminany sy ny fomba fitoriany. Hampizarazara ireo rahalahy ny fahasamihafan’ny fidiram-bola, kolontsaina, ary firenena. Handroso tsara ara-panahy kosa ny fiangonana eran-tany, raha ny fitarihan’Andriamanitra no arahina. Hisy amin’izay ilay firaisan-tsaina nangatahin’i Jesosy tamin’ny vavaka mba ho an’ireo tena mpianany, ary ho vita tanteraka ny asa fitoriana ny vaovao tsara nasainy natao.—Jaona 17:20-22.

Nisy nilaza anefa fa te hifehy kokoa ny fandaminana i J. Rutherford, matoa nanao ireny fanovana ireny, ary tiany hofehezina kokoa ny Vavolombelona, mba hanamafisany ny fahefany. Marina ve izany? Marina fa olona vonon-kanao zavatra ny Rahalahy Rutherford. Hentitra be koa izy, rehefa niresaka ny zavatra ninoany fa marina. Nanapa-kevitra tampoka izy, rehefa hitany fa tsy ny asan’ny Tompo no nahaliana ny olona iray, fa ny tenany. Tena nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra anefa ny Rahalahy Rutherford. Nanoratra toy izao i Karl Klein, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1974: “Tena nahatonga ahy hankasitraka ny Rahalahy Rutherford ... ny vavaka nataony teo amin’ny fotoam-pivavahana maraina. Nahery be ny feony, nefa toy ny ankizilahikely niresaka tamin’ny dadany izy, rehefa niresaka amin’Andriamanitra. Tena nifandray tsara tamin’i Jehovah izy!” Tena nino ny Rahalahy Rutherford hoe fantany ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, ary nataony azo antoka fa tsy hisy olona na antokon’olona hanakantsakana an’ireo rahalahy tsy handray soa avy amin’ny sakafo sy toromarika ara-panahy omen’i Jehovah ny mpanompony.

Tsy mpitarika sady tsy te ho mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy Rutherford, na dia prezidàn’ny Fikambanana nandritra ny 25 taona aza izy, sady nanokana ny heriny rehetra hampandrosoana ny asan’ny fandaminana. Niresaka momba ny fitarihana izy, tamin’ilay fivoriambe tany Saint Louis, Missouri, tamin’ny 1941 (taloha kelin’ny hahafatesany). Hoy izy: “Tiako ho fantatr’ireo vahiny eto izay eritreretinareo momba ny lehilahy mpitarika anareo, mba tsy hanadinoan’izy ireo an’izany. Rehefa misy zava-mitranga sy mandroso, dia tsy maintsy mieritreritra ny olona hoe misy mpitarika mahasarika olona maro ao. Koa raha misy aminareo eto mieritreritra hoe izaho mitsangana eto no mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lazao hoe Eny.” Nangina ny mpanatrika, ary avy eo dia nisy maromaro niteny mazava hoe “Tsia.” Hoy indray izy: “Raha mihevitra ianareo hoe mpanompon’ny Tompo fotsiny aho, ary miara-miasa amim-piraisan-tsaina isika, manompo an’Andriamanitra sy Kristy, dia lazao hoe Eny.” Niara-niredona hoe “Eny!” ny mpanatrika. Namaly toy izany koa ny mpanatrika fivoriambe tany Angletera, iray volana taorian’io.

Tsapa avy hatrany ny soa avy amin’ny fitarihan’Andriamanitra tany amin’ny toerana sasany. Nitaky fotoana bebe kokoa izany tany an-toeran-kafa. Nesorina ireo mpiandraikitra tsy matotra sy tsy nanetry tena, ary nisy hafa notendrena.

Nanomboka niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny Isaia 60:17, rehefa narahina kokoa ny fomba fiasa tarihin’Andriamanitra. Nampiasa sarin-teny i Jehovah eo, mba hiresahana ny fihatsaran’ny mpanompony, nanao hoe: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Tsy zavatra ataon’olombelona io, fa hataon’Andriamanitra mihitsy, ary handray soa avy amin’izy io ny mpanompony manaiky izany. Tsy maintsy anjakan’ny fiadanana eo amin’izy ireo. Ny fitiavana ny fahamarinana no tokony hanosika azy hiasa.

Nanoratra toy izao ho an’ny Rahalahy Rutherford ny Anabavy Maud Yuille, vadin’ny mpiandraikitra ny sampana tany Brezila: “Nahatonga ahy hanoratra teny vitsy ho anao, izay ampiasain’i Jehovah tsara, ilay lahatsoratra hoe ‘Fandaminana’ tao amin’ny Tilikambo 1 sy 15 Jona [1938]. Ankasitrahako i Jehovah, noho ny fandaharana tsara nataony ho an’ny fandaminany eto an-tany, araka ny resahin’ireo Tilikambo Fiambenana roa ireo. ... Tena tsara ny nahita hoe hifarana ny ‘Fitadiavana Fahalalahana’, toy ny fiadiana ny ‘zon’ny vehivavy’, sy ny fomba hafa tsy araka ny Soratra Masina, izay nahatonga ny sasany hanaraka hevitr’olona, fa tsy ny an’i [Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy], ka nanala baraka ny anaran’i Jehovah. Marina fa ‘vao haingana no nantsoin’ny Fikambanana hoe “mpanompo” ’ ny rehetra teo anivon’ny fandaminana, nefa hitako nandritra ireo taona maro talohan’izay, fa noresahinao tao amin’ny taratasinao ho an’ireo rahalahinao ny fiheveranao ny tenanao ho ‘rahalahinareo sy mpanomponareo, noho ny famindram-pony.’ ”

Nanao izao tatitra izao, momba io fanitsiana ny fandaminana io, ny sampan’ny Nosy Britanika: “Tena nahagaga ny vokatra azo. Tena tsara, nefa tsy tafahoatra, ny filazalazana miendrika tononkalo sy faminaniana, ao amin’ny Isaia toko faha-60. Niresaka momba azy io ny rehetra tao amin’ny fahamarinana. Nahery sy vonona handroso amin’ilay ady ny ankamaroany. Nitombo ny fifankahalan’izao tontolo izao, fa nitombo be koa ny fifaliana noho ny fitarihan’Andriamanitra.”

Manatanjaka ny fiangonana ny mpiandraikitra mpitety faritany

Vao mainka nampifandray an’ireo teo anivon’ny fandaminana ny mpiandraikitra mpitety faritany. Niavaka teo amin’io fanompoana io ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany. Nanao io asa io koa indraindray i Barnabasy sy Timoty ary Titosy. (Asa. 15:36; Fil. 2:19, 20; Tit. 1:4, 5) Mpitory nazoto daholo izy ireo, sady nampirisika ny fiangonana, tamin’ny alalan’ny lahateniny. Nalefa tany amin’ny filan-kevi-pitantanana, ny raharaha nety hampizarazara ny fiangonana. “Nanolotra ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema” ireo nanana andraikitra, rehefa “nandeha nitety tanàna.” Inona no vokany? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asa. 15:1–16:5; 2 Kor. 11:28.

Vao tamin’ireo taona 1870 ny Rahalahy Russell dia efa nitsidika an’ireo antokona Mpianatra ny Baiboly mba hampaherezana azy ireo, na roa izy ireo na telo, na maro kokoa. Nisy rahalahy vitsivitsy hafa nanao io asa io koa, tamin’ireo taona 1880. Nataon’ny Fikambanana, tamin’ny 1894, izay hisian’ny mpandahateny mahay mba hitsidika tsy tapaka an’ireo Mpianatra ny Baiboly sy hanampy azy hampitombo ny fahalalany sy fankasitrahany ny fahamarinana, ary hampifanatona azy bebe kokoa.

Nasaina nandany andro iray na maromaro niarahana tamin’ilay antokon’olona ilay mpandahateny, raha nety, ary nanao lahateny iray na roa, sy nitsidika antokon’olona na olona tsirairay, mba hiresahana zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Niezahana notsidihina indroa isan-taona ny antokon’olona tsirairay teto Etazonia sy tany Kanada, nefa tsy voatery ho rahalahy iray no nitsidika azy ireo. Nantitranterina fa tokony hanetry tena sy hahatakatra tsara ny fahamarinana ireo mpandahateny mpitety faritany, ary hanaraka akaiky sy hahay hampianatra tsara azy io. Mazava ho azy fa tsy nokaramaina izy ireo. Ny rahalahy notsidihiny fotsiny no nanome azy sakafo sy filasiana, ary nomen’ny Fikambanana saran-dalana izy, raha nilaina izany. Nanjary nantsoina hoe mpitety fiangonana izy ireo.

Maro tamin’ireny solontena mpitety faritanin’ny Fikambanana ireny no tena tian’ireo notsidihiny. Tsaroana fa toy ny “afo mirehitra” tamin’ny Rahalahy A. Macmillan ny Tenin’Andriamanitra. (Jer. 20:9) Voatosika hiresaka azy io foana izy, ary nanao lahateny tany Kanada sy toerana maro tatỳ Etazonia sy tany an-tany hafa. Tsaroan’ny maro kosa fa niahy manokana ny ankizy sy ny tanora i William Hersee, mpiandraikitra mpitety faritany. Nisy akony lalina, sady nampihetsi-po ny tanora sy ny antitra koa, ny vavaka nataony, satria nampiseho hoe tena tia an’Andriamanitra izy.

Tsy mora tamin’ireo mpitety fiangonana tamin’izany ny nanao dia. Ireto, ohatra, no fitaovam-pitaterana nandehanan’i Edward Brenisen mba hitsidihana antokon’olona tany akaikin’ny Klamath Falls, any Oregon: fiarandalamby, avy eo kalesin-tsoavaly nandritra ny alina, ary farany dia karazana kalesy tsy mitafo, izay tena nankarary taolana. Namakivaky tendrombohitra izy tamin’izany, mba hahatongavana tany amin’ilay toeram-piompiana hanaovana fivoriana. Vao nangiran-dratsy taorian’ilay fivoriana, dia nanome soavaly ho azy ny rahalahy iray, mba handehanany 100 kilaometatra ho any amin’ny gara handraisany ny fiarandalamby ho any amin’ny fiangonana nanaraka. Nandreraka ny asan’ireo mpitety fiangonana, nefa nisy vokany tsara. Nahery ny vahoakan’i Jehovah, ary iray ihany ny fahatakarany ny Tenin’Andriamanitra, sady tafaray kokoa izy ireo, na dia nifanalavitra be aza ny toerana nisy azy.

Novan’ny Rahalahy Rutherford ny asan’ny mpitety fiangonana, tamin’ny 1926. Mpandahateny mpitety faritany fotsiny izy ireo taloha, fa nanjary mpanara-maso sy mpampirisika ny fiangonana hanompo kosa izy izao. Nantsoina hoe talem-paritry ny fanompoana izy ireo, tamin’ny 1928, mba hanantitranterana ny andraikiny vaovao. Niara-niasa tsara tamin’ireo rahalahy izy ireny, ary nanome toromarika momba ny fanompoana. Vitan’izy ireo tamin’izay ny nitsidika isan-taona ny fiangonana tsirairay nanerana an’i Etazonia sy ny tany sasany, sady nifandray tsy tapaka tamin’olona sy antokon’olom-bitsy mbola tsy voalamina ho amin’ny fanompoana.

Novana tsikelikely, nandritra ireo taona nanaraka, ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. a Nohamafisina be izany tamin’ny 1938, rehefa notendrena araka ny fitarihan’Andriamanitra ny mpiandraikitra rehetra teo anivon’ny fiangonana. Notsidihina tsy tapaka ireo fiangonana, nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka, ka azo natao ny nampiofana ireo mpiandraikitra voatendry, sy nanampy bebe kokoa ny tsirairay teny amin’ny fanompoana. Nampiofanina be ireo mpiandraikitra mpitety faritany, tamin’ny 1942, talohan’ny handefasana azy hitsidika fiangonana, ka nanjary nitovy kokoa ny fomba fiasany. Fohy ny fitsidihany (iray hatramin’ny telo andro, arakaraka ny haben’ilay fiangonana). Nijery ny antontan-taratasin’ilay fiangonana izy, nihaona tamin’ireo mpiandraikitra, nanome torohevitra, nanao lahateny iray na maromaro ho an’ny fiangonana, ary nitarika ny fanompoana. Nampitomboina ho herinandro ny fitsidihana fiangonana isan-kerinandro, nanomboka tamin’ny 1946.

Nalamina io asa fitsidihana fiangonana io tamin’ny 1938, ka nahazo asa vaovao ireo mpanampy ny fileovana. Nitsidika fileovana lehibe izy, ka nanokana herinandro ho an’ny rahalahy tsirairay nitsidika fiangonana tao amin’ilay toerana. Nanao anjara tamin’ny fivoriambe natrehin’ny fiangonana rehetra tao amin’ilay fileovana izy nandritra izany. b Tena nampahery an’ireo rahalahy izany, sady nahafahana nanao batisa an’ireo mpianatra vaovao.

“Olona tia manompo”

Anisan’ny nandray anjara tamin’io fanompoana io nanomboka tamin’ny 1936 i John Booth, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1974. Izao no nolazaina taminy, talohan’ny nanendrena azy ho mpiandraikitra mpitety faritany: “Tsy mpandahateny mahay no ilaina, fa olona tia manompo fotsiny, sady hitarika izany, sy hiresaka fanompoana, mandritra ireo fivoriana.” Tena tia manompo an’i Jehovah ny Rahalahy Booth, satria efa mpisava lalana nazoto nanomboka tamin’ny 1928. Nahatonga an’ireo rahalahy ho tia mitory koa ny ohatra nomeny sy ny teny nataony.

Ny Fiangonana Easton, any Pennsylvanie no voalohany notsidihiny, tamin’ny Martsa 1936. Hoy izy tatỳ aoriana: “Tonga tao amin’ilay toerana aho matetika ny maraina mba handeha hanompo, nihaona tamin’ireo mpiandraikitra ny kompania ny tolakandro, ary tamin’ilay kompania manontolo taorian’izay. Roa andro eo ho eo no niarahako tamin’ny kompania iray, ary iray andro, raha kelikely izy, ka nahatsidika kompania enina aho indraindray tao anatin’ny herinandro. Nandehandeha foana aho.”

Notendrena ho mpanampy ny fileovana izy tamin’ny 1938, mba hiandraikitra fivoriambe (fivoriamben’ny faritra) isan-kerinandro. Nanatanjaka an’ireo rahalahy izany, satria mafy ny fanenjehana tany amin’ny toerana sasany. Hoy ny Rahalahy Booth, momba izany sy ny andraikiny maro: “Ao anatin’ny herinandro iray ihany aho [vavolombelona tamin’ny raharaham-pitsarana nahakasika Vavolombelona 60 tany Indianapolis, Indiana], dia sady mpiaro tamin’ny raharaha tany Joliet, Illinois, no mpisolovava ny rahalahy iray tany Madison, Indiana, ary niandraikitra fivoriambe isaky ny faran’ny herinandro.”

Anisan’ireo notendrena ho mpanampy ny vondrom-paritra i Carey Barber, tamin’ny 1946. Efa mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn, nandritra ny 25 taona izy tamin’izay. Ny faritra andrefan’i Etazonia manontolo no vondrom-paritra niandraiketany. Tsy maintsy nanao dia 1 600 kilaometatra isan-kerinandro izy tamin’ny voalohany, mba hikarakarana fivoriambe (fivoriamben’ny faritra) roa. Nihamaro sy nihalehibe anefa ireo fiangonana, ka tsy nandeha lavitra intsony ireo rahalahy, satria maromaro ny fivoriamben’ny faritra natao tao amin’ny tanàn-dehibe iray matetika. Nasaina hiverina tao amin’ny foibe ny Rahalahy Barber, tamin’ny 1977, mba ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa nandany 29 taona nitetezam-paritany.

Nanao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy matetika ireo mpiandraikitra mpitety faritany, nandritra ny ady sy ny fanenjehana mafy, mba hikarakarana an’ireo rahalahiny. Nitsidika fiangonana sy nitondra boky aman-gazety ho azy ireny foana, i André Wozniak, nandritra ny fanjanahan’ny Nazia an’i Belzika. Nanenjika azy foana ny Gestapo, fa tsy nahazo azy mihitsy.

Natahotra ny olona noho ny ady an-trano tany Rodezia (Zimbabwe ankehitriny), tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, ary noferana ny fivezivezena. Mpiandry sy mpiandraikitra be fitiavana anefa ireo mpiandraikitra mpitety faritany teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena “fierena amin’ny rivotra” ho an’ny rahalahiny tokoa. (Isaia 32:2) Nisy nandeha andro maromaro tany ambanivohitra be, niakatra sy nidina tendrombohitra, niampita renirano nampidi-doza, natory teny an-kalamanjana tamin’ny alina, mba hitsidihana fiangonana sy mpitory nitokana, sy hampaherezana azy ireny hiorina mafy amin’ny finoana hatrany. Anisan’ny nanao izany i Isaiah Makore, izay saika matin’ny bala nandalo teo ambony lohany, nandritra ny adin’ny miaramilam-panjakana sy ny “mpiady ho an’ny fahafahana.”

Nanao ny asan’ny fandaminana eran-tany ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany. Nandeha matetika tany an-tany hafa ireo prezidàn’ny Fikambanana, mba hikarakarana ny zavatra ilain’ny fandaminana sy hanao lahateny tamin’ny fivoriambe. Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra noho ireny fitsidihana ireny, fa tena mpirahalahy eran-tany izy ireo. Nanao izany tsy tapaka ny Rahalahy Knorr, ka nitsidika ny sampana sy tranon’ny misionera tsirairay. Nozaraina folo ireo sampana eran-tany, nanomboka ny 1 Janoary 1956, rehefa nitombo ny fandaminana, ka nisy rahalahy nahay koa nitsidika sampana (teo ambany fitarihan’ny prezidà), mba hiheverana azy ireny tsy tapaka. Mampiray saina sy mampandroso ny fandaminana manontolo foana ny fitsidihana sampana, izay atao eo ambany fitarihan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Filan-kevi-pitantanana.

Nisy zavatra hafa nampivoatra ny rafitry ny fandaminana ankehitriny koa anefa.

Hita kokoa hoe tarihin’Andriamanitra

Maty tamin’ny 8 Janoary 1942 (teo antenatenan’ny Ady Lehibe II) i Joseph Rutherford, ary i Nathan Knorr no lasa prezidà fahatelon’ny Fikambanana. Sahirana mafy ny fandaminana, satria voarara tany amin’ny tany maro ny asany, nanao herisetra tamin’izy ireo ny vahoaka nilaza ho tia tanindrazana, ary nosamborina ny Vavolombelona nizara boky ara-baiboly. Hampiadana ny asa tamin’izany fotoan-tsarotra izany ve ny fiovan’ny mpitantana? Nitady ny fitahiana sy fitarihan’i Jehovah ireo rahalahy mpitantana. Nodinihin’izy ireo indray àry ny rafitry ny fandaminana, mba hahitana izay lafiny hampifanarahana azy kokoa amin’ny fomban’i Jehovah.

Nisy fivoriambe natao tany Pittsburgh, Pennsylvanie, tamin’ny 1944, niaraka tamin’ny fivorian’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, fanao isan-taona. Nisy lahateny lehibe maro natao ny 30 Septambra (talohan’ilay fivoriana fanao isan-taona), mba hampisehoana izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fandaminana ny mpanompon’i Jehovah. c Nifantoka tamin’ny Filan-kevi-pitantanana ilay resaka. Nantitranterina fa tokony hampiharina amin’ireo fitaovana rehetra ampiasain’ny mpanompo mahatoky sy malina ny fitarihan’Andriamanitra. Nohazavaina fa tsy ny vahoakan’Andriamanitra “nanolo-tena” rehetra no ao amin’ilay fikambanana ara-dalàna, fa misolo tena azy fotsiny izy io, eo anatrehan’ny lalàna. Nampiasaina hanome boky misy fanazavana ny Baiboly ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny Fikambanana, ka tsy maintsy nifandray akaiky tamin’ny tompon’andraikitra sy mpitantana an’io Fikambanana ara-dalàna io ny Filan-kevi-pitantanana. Tena araka ny fitarihan’Andriamanitra ve ny raharahan’izy io rehetra?

Voalazan’ny sata mifehy ny Fikambanana fa afaka nifidy izay ho anisan’ny filan-kevi-pitondrana ny olona nandrotsaka folo dolara mba hampiasain’ny Fikambanana. Noheverina angamba fa tena liana tamin’ny asan’ny fandaminana ny olona nandrotsa-bola toy izany. Niteraka olana anefa izany. Hoy ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana: “Araka ny sata mifehy ny Fikambanana, dia afaka ny ho anisan’ny filan-kevi-pitantanana ny olona, rehefa afaka mandrotsaka vola amin’ilay Fikambanana ara-dalàna. Tsy tokony ho izany anefa no izy, raha ny sitrapon’Andriamanitra no jerena.”

Marina fa i Charles Russell, izay prezidàn’ny Fikambanana nandritra ny 32 taona voalohany, no nisongadina indrindra sady nanome be indrindra tamin’ny volany sy heriny ary fahaizany ho an’ny Fikambanana. Tsy noho ny volany anefa no nahatonga ny Tompo hampiasa azy, fa noho izy nanolo-tena tanteraka, nanana zotom-po tsy nety lefy, nanohana hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy nivadika mihitsy. Izany no nahatonga an’Andriamanitra hifidy azy ho amin’ny fanompoana. Mihatra amin’ny fandaminana tarihin’Andriamanitra izao: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny vatana ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.” (1 Kor. 12:18) “Koa satria anefa”, hoy ny Rahalahy Knorr, “afaka mandatsa-bato ireo mandrotsa-bola ho an’ny asan’ny Fikambanana, dia manjary tsy arahina intsony ny fitarihan’Andriamanitra mahakasika ny filan-kevi-pitantanana, ka mety hampidi-doza, na hanakantsakana azy izany.”

Lanin’ny rehetra tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona, ny 2 Oktobra 1944, àry fa tokony hahitsy ny sata mifehy ny Fikambanana, mba hifanaraka kokoa amin’ny fomban’Andriamanitra. Ferana ho 300 hatramin’ny 500 ny isan’ny mpikambana (tsy noferana ny isany teo aloha). Ny filan-kevi-pitondrana no nifidy azy, saingy tsy noho ny vola narotsany, fa noho izy Vavolombelon’i Jehovah matotra sy miasa ary mahatoky, manompo manontolo andro eo anivon’ny fandaminana, na mpiandraikitra fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo no hifidy ny filan-kevi-pitondrana, ary hifidy ny mpitantana azy kosa ny filan-kevi-pitondrana. Nampiharina ny 1 Oktobra 1945 izany fandaharana vaovao izany. Tena niaro tokoa izany tamin’izany, satria nisy ratsy fanahy namadika ny resa-bola, mba hifehezana an’ireo fikambanana sy hanamboarana azy araka izay tiany!

Notahin’i Jehovah ny fanarahana an’ireo fomba araka ny fitarihany. Sahirana mafy ny fandaminana nandritra ny Ady Lehibe II, nefa nitombo hatrany ny isan’ny mpitory. Tsy nitsahatra nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Nitombo avo roa heny mahery ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1939 hatramin’ny 1946, ary nisy tany enina vaovao nitoriany. Nitombo avo 16 heny kosa izy ireo tao anatin’ireo 25 taona nanaraka izany, ary nisy tany 86 hafa nitoriany.

Fampiofanana manokana ny mpiandraikitra

Nisy tsy Vavolombelona nilaza fa tsy maintsy goragoraina ny fitsipiky ny fandaminana, rehefa mihalehibe izy io. Efa nilaza anefa ny Baiboly fa hanjaka eo amin’ny mpanompon’i Jehovah ny fahamarinana sy fiadanana. (Isaia 60:17) Tsy maintsy ampianarina tsara ny Tenin’Andriamanitra foana àry ireo mpiandraikitra, ary mahatakatra tsara ny fitsipika momba ny fitsarana, sy mampihatra azy ireny foana. Nomena izany fampianarana izany izy ireo. Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana foana ny tsipirian’ny fepetra marina takin’Andriamanitra, ary nianaran’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izany. Nomena fampianarana hafa koa anefa ireo mpiandry.

Niaraka nandray fampiofanana manokana ireo mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana, nandritra ireo fivoriambe iraisam-pirenena. Nisy sekoly manokana naharitra valo hatramin’ny folo volana natao ho azy ireo teto New York, tamin’ny 1961 hatramin’ny 1965. Nisy sekoly manokana naharitra dimy herinandro indray natao ho azy ireo tamin’ny 1977 hatramin’ny 1980. Nianarany tamin’izany ny andininy tsirairay ao amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly rehetra sy ny tsipirian’ny fandaminan-javatra ary ny fomba hampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsara. Tsy misy fanavakavahana firenena eo anivon’ny Vavolombelona. Samy manaraka ny fitsipika ambony ao amin’ny Baiboly izy ireo, ary mino sy mampianatra zavatra mitovy, na aiza na aiza ipetrahany.

Noheverina manokana koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vondrom-paritra. Maro taminy no efa nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, na ny Sekoly Fanitarana azy io. Vorina any amin’ny biraon’ny Sampana na any an-toeran-kafa koa izy ireo indraindray, mba hanatrika sekoly mandritra ny andro maromaro, na herinandro.

Natomboka tamin’ny 1959 koa ilay fandaharana manokana antsoina hoe Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vondrom-paritra ary mpiandraikitra ny fiangonana no manatrika azy io. Naharitra iray volana izy io tamin’ny voalohany. Nampiasaina teto Etazonia nandritra ny herintaona ilay fandaharana, ary nadika ho amin’ny fiteny hafa avy eo, mba hampiasaina eran-tany. Tsy ny mpiandraikitra rehetra anefa no afaka naka iray volana tsy iasana, ka natao nandritra ny tapa-bolana ilay sekoly, nanomboka tamin’ny 1966.

Tsy fanomanana olona hotokanana akory io sekoly io, satria efa mpitory voatokana ireo manatrika azy io. Maro taminy no efa mpiandraikitra sy mpiandry nandritra ny taona maro be. Niresaka tsipiriany momba ny asany, lazain’ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireo, nandritra ilay sekoly. Nohamafisina fa zava-dehibe ny fitoriana, ary naseho ny fomba anaovana azy io tsara. Miova ny fitsipi-pitondran-tenan’izao tontolo izao, ka noresahina naharitra hoe tokony hotohanana ireo fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly. Manamafy ny zavatra nianarana tamin’izany ny sekoly isaky ny roa na telo taona natao tato ho ato, sy ny fivoriana tarihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany miaraka amin’ny anti-panahy. Natao hiresahana ny zavatra ilaina ireny fivoriana ireny, ary manampy mba hifantohana amin’ny fitsipiky ny Baiboly sy mampitovy ny fomba iatrehan’ny fiangonana rehetra ny zava-mitranga.

Mandray am-po an’izao fananaran’ny 1 Korintianina 1:10 izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.” Tsy anerena izany firaisan-tsaina izany, fa nateraky ny fampianarana ny fomban’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fomban’Andriamanitra sy ny fikasany. Afaka miala amin’ny fandaminana izay olona tsy te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Miaro ny andian’ondry kosa ny mpiandraikitra, raha misy mitory finoana hafa, na tsy miraharaha ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly. Mampihatra izao torohevitry ny Baiboly izao ny fandaminana: ‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny.’—Rom. 16:17; 1 Kor. 5:9-13.

Efa nilaza ny Baiboly fa hampanjakain’Andriamanitra eo anivon’ny mpanompony ny fahamarinana, ary fiadanana no ho vokany. (Isaia 32:1, 2, 17, 18) Tena mahasarika ny olona tia fahamarinana izany.

Firy amin’ireny tia fahamarinana ireny no hangonina alohan’ny faran’ity tontolo tranainy ity? Tsy fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Fantatr’i Jehovah anefa ny zavatra takin’ny asany, ary ataony izay hahavonona ny fandaminany mba hikarakara izany, amin’ny fotoana mety aminy.

Fikarakarana ny fitomboana be

Nojerena indray ny fomba nandaminana ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa natao teo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana ny fikarohana mba hanomanana ilay boky hoe Fanampiana mba Hahatakarana ny Baiboly (frantsay). Nianarana tsara ny dikan’ireo teny ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe “anti-panahy”, “mpiandraikitra”, “mpanompo.” Azo ampitovina kokoa amin’ny ohatra navelan’ny Soratra Masina ve ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

Tapa-kevitra ny hanaraka hatrany ny fitarihan’i Jehovah ny mpanompony. Noresahina nandritra ireo fivoriambe tamin’ny 1971 ny fomba nitarihana ny fiangonana kristianina voalohany. Nohazavaina fa tsy ny olona be taona ihany no notondroin’ilay teny hoe pre·sbyʹte·ros (lehilahy lehibe, anti-panahy), nefa tsy izay matotra ara-panahy rehetra teo anivon’ny fiangonana koa. Nampiasaina manokana kosa izy io mba hanondroana ireo mpiandraikitra ny fiangonana. (Asa. 11:30; 1 Tim. 5:17; 1 Pet. 5:1-3) Notendrena izy ireo, araka ny fepetra voatahiry ao amin’ny Soratra Masina. (Asa. 14:23; 1 Tim. 3:1-7; Tit. 1:5-9) Nihoatra ny iray ny anti-panahy teo anivon’ilay fiangonana, raha nisy lehilahy maromaro nahafeno fepetra. (Asa. 20:17; Fil. 1:1) Nitovy daholo ny “anti-panahy manontolo”, ary tsy nisy ambony na nanam-pahefana kokoa tamin’ny fiangonana. (1 Tim. 4:14) Nisy “mpanampy amin’ny fanompoana” notendrena mba hanampy ny anti-panahy koa, araka ny fepetra noresahin’ny apostoly Paoly.—1 Tim. 3:8-10, 12, 13.

Nisy zavatra natao haingana mba hampitoviana ny fandaminana amin’ny modely ao amin’ny Baiboly. Nanomboka teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy izany. Tsy fito intsony ireo anisan’izy io, izay anisan’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana koa, ary tsy noferana intsony ny isan’izy ireo. Nisy 11 izy ireo tamin’ny 1971; 18 nandritra ny taona vitsivitsy; ary 12 tamin’ny 1992. Lehilahy voahosotr’Andriamanitra ho mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy izy rehetra. Efa nanompo an’i Jehovah Andriamanitra manontolo andro nandritra ny 728 taona ireo 12 anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1992, raha atambatra.

Notapahina tamin’ny 6 Septambra 1971 fa hifandimby isan-taona ho mpitari-draharahan’ny Filan-kevi-pitantanana (araka ny filaharan’ny anarany amin’ny abidy) ireo anisan’izy io. Nampiharina nanomboka ny 1 Oktobra izany. Nifandimby isan-kerinandro koa izy ireo mba hitarika ny fotoam-pivavahana maraina sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ireo mpiasan’ny foibe. d Nampiharina nanomboka ny 13 Septambra 1971 izany, rehefa i Frederick Franz no nitarika ny fotoam-pivavahana maraina teto amin’ny foibe eto Brooklyn, New York.

Nomanina nandritra ny taona nanaraka ny fanitsiana ny fiandraiketana fiangonana, ka tsy iray intsony ny mpiandraikitra azy, ampian’ny mpiandraikitra maromaro hafa. Tendrena ho anti-panahy ireo lehilahy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana kosa ny hafa mahafeno fepetra. Ho maro kokoa àry no afaka hanana andraikitra eo anivon’ny fiangonana, ka hahazo traikefa sarobidy. Tsy tonga tao an-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany hoe hitombo avo roa heny mahery ny isan’ny fiangonana, mandritra ireo 21 taona ho avy, ka lasa 69 558 tamin’ny 1992. Nanomana ny zavatra ho avy anefa i Jesosy Kristy Tompo, ilay Lohan’ny fiangonana.

Nodinihina lalina teo am-piandohan’ireo taona 1970 ny fanitsiana indray ny Filan-kevi-pitantanana. Ny biraon’ny prezidàn’ny Fikambanana no nisahana ny fanontana boky sy gazety, nanara-maso ny asa fitoriana eran-tany, ary nandamina ny sekoly sy fivoriambe, nanomboka tamin’ny nanoratana ara-dalàna ny Fikambanana, tamin’ny 1884. Nodinihina tsara nandritra ny volana maro indray anefa ny tsipirian-javatra, ka nisy fandaharana vaovao neken’ny rehetra tamin’ny 4 Desambra 1975. Nisy komity enina najoro teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana:

Komitin’ny Mpitari-draharaha (ilay mpitari-draharaha am-perinasa, sy ilay teo alohany, ary ilay hanaraka): Mandray ny tatitra momba ny zava-dehibe maika, loza, fanenjehana mahery vaika, ary manao izay hikarakarana izany haingana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Komitin’ny Fanoratana: Manara-maso ny fikarakarana sakafo ara-panahy, na an-tsoratra, na amin’ny kasety, na video, mba ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa; manara-maso ny asa fandikan-teny ho amin’ny fiteny an-jatony. Komitin’ny Fampianarana: Manara-maso ny sekoly sy fivoriambe ary fivoriambe iraisam-pirenena, ho an’ny vahoakan’i Jehovah; manara-maso ny fampianarana ho an’ny mpianakavin’ny Betela sy manomana ny zavatra ampiasaina ho amin’izany. Komitin’ny Fanompoana: Miandraikitra ny lafiny rehetra amin’ny asa fitoriana, anisan’izany ny asan’ny fiangonana sy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Komitin’ny Fampanontana: Misahana ny fanaovana pirinty sy fanontana ary fandefasana ireo boky aman-gazety sy ny toerana fanontam-pirinty, ary ny raharaha momba ny lalàna sy ny vola. Komitin’ny Mpiasa: Manara-maso ny fandaharana hanampiana ny mpianakavin’ny Betela eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy, ary misahana ny fiantsoana mpianakavin’ny Betela vaovao eran-tany.

Nisy komity hafa notendrena hiandraikitra ny fanontam-pirinty, trano Betela, ary ireo toeram-piompiana sy fambolena mifandray amin’ny foibe. Ampiasain’ny Filan-kevi-pitantanana tsara amin’ireny komity ireny ny fahaizan’ireo anisan’ny “vahoaka be.”—Apok. 7:9, 15.

Nasiana fanitsiana koa ny fiandraiketana ny sampan’ny Fikambanana. Komity misy olona telo na mihoatra (arakaraka ny haben’ilay sampana) no miandraikitra ny sampana tsirairay, nanomboka ny 1 Febroary 1976. Izy ireo no miandraikitra ny asan’ilay Fanjakana eo amin’ny tany misy azy, eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana.

Nahazo fanampiana hafa ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1992, satria nisy olon-kafa (anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany) notendrena mba hiara-mivory sy hiara-miasa amin’ny Komitin’ny Fanoratana, Fampianarana, Fanompoana, Fampanontana, ary Komitin’ny Mpiasa. e

Tena nahasoa io fizarana andraikitra io. Nisy fanitsiana efa natao teny anivon’ny fiangonana, nefa nanampy koa ilay fizarana andraikitra mba hialana amin’izay sakana mety hahatonga ny olona sasany tsy hahatakatra hoe i Kristy no Lohan’ny fiangonana. Tena mahasoa ny fisian’ny rahalahy maromaro miara-midinika raharaha momba ny asan’ilay Fanjakana. Io fandaminana vaovao io koa no nahafahana nanara-maso lafin-javatra maro, satria be tokoa ny fitomboana teo anivon’ny fandaminana. Efa ela be i Jehovah no niteny tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Tsy vitan’ny hoe nanafaingana izany izy, fa nomeny koa ny fitarihana nilaina, mba hahafahan’ny fandaminany hikarakara ilay fitomboana.

Ny asa nanirahana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro faran’ilay tontolo tranainy izao no tena ifantohany, ary tena voalamina tsara hanao izany izy ireo. Hitan’izy ireo tsara ny porofo fa tsy olona no mitarika an’ilay fandaminana, fa Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Efa Mpanjaka i Jesosy izao, ka hiaro ny vahoakany mahatoky mandritra ilay fahoriana lehibe ho avy, sady hanao izay hahazoana antoka fa voalamina tsara izy ireo mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra mandritra ilay Arivo Taona ho avy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nataon’ny Rahalahy Russell izay handefasan’ny Fikambanana rahalahy mahay mba handaha-teny, tamin’ny 1894. Nomena taratasy fanamarinana izy ireo, mba hampahafantarany ny tenany tamin’ireo fiangonana. Tsy fanomezam-pahefana hitory akory ilay taratasy, sady tsy nidika hoe tokony hekena daholo izay lazain’ilay olona, nefa tsy dinihina akory ny Tenin’Andriamanitra. Nanjary ratsy saina anefa ny mpandahateny sasany, ka nasain’ny Rahalahy Russell naverina ireo taratasy, herintaona taorian’io. Nitandrina be izy, mba tsy hiheveran’ny olona hoe misy mpitondra fivavahana eo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly.

b Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Oktobra-Novambra 1881, p. 8-9.

c Nantsoina hoe “eglizy” ny fiangonana tamin’izany, araka ny teny nampiasain’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nantsoina hoe eklesia koa izy ireo, araka ny teny ampiasain’ny Baiboly grika. Nampiasaina koa ny hoe “kilasy”, satria toy ny mpianatra tonga hiara-mianatra izy ireo. Nantsoina hoe kompania, na antoko, izy ireo tatỳ aoriana, satria takatra fa manao ady ara-panahy izy ireo. (Jereo Salamo 68:11.) Nanomboka nampiasaina tany amin’ny tany maro ny teny maoderina hoe “fiangonana” (ampiasain’ny Baiboly), rehefa navoaka tamin’ny 1950 ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

d Ilay teny grika (khei·ro·to·neʹo) ampiasain’ny Baiboly dia midika ara-bakiteny hoe “manatsotra, manenjana, na manangana ny tanana”, ary raha itarina dia mety hidika hoe “mifidy olona hiandraikitra, amin’ny alalan’ny tsangan-tanana.”—Diksionera Grika Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao, nataon’i John Parkhurst, 1845, p. 673.

e Jereo ny Toko 25 hoe “Fitoriana Ampahibemaso sy Isan-trano”, mba hahitana tsipiriany.

f Nanaovana tatitra isan-kerinandro tany amin’ny Fikambanana, tamin’ny alalan’ny talen’ny fanompoana, ny asan’ireo nifandray tamin’ny fiangonana, nanomboka tamin’ny 1919.

g Noresahin’ilay taratasy Fomba Fiasan’ny Fandaminana (anglisy), fa tokony hofidin’ny fiangonana tsirairay ny mpanampy ny tale sy mpitahiry boky. Izy ireo sy ilay tale notendren’ny Fikambanana no komitin’ny fanompoan’ny fiangonana.

h Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1920, p. 195-200.

i Tsy nihoatra ny folo ireo anisan’ny komitin’ny fanompoana tamin’izany. Iray tamin’ireo ny talen’ny fanompoana, izay notendren’ny Fikambanana, fa tsy nofidin’ny fiangonana. Niara-niasa taminy teo amin’ny fandaminana ny asa fitoriana kosa ny hafa.

j Nantsoina hoe Jonadaba izy ireo, nandritra ny taona maro, nanomboka tamin’ny 1932.

k Adika fotsiny hoe ‘mifidy amin’ny alalan’ny tsangan-tanana’ indraindray ilay matoanteny grika hoe khei·ro·to·neʹo. Tsy mihevitra ny dikany hafa tatỳ aoriana izany. Mamaritra azy io toy izao àry ny Diksionera Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott (namboarin’i Jones sy McKenzie sy natao pirinty indray tamin’ny 1968): “Manangan-tanana mba hilaza hevitra mandritra ny fivoriana ... [manasongadina an’ilay olona] mifidy tsara amin’ny tsangan-tanana ... nefa tatỳ aoriana lasa hoe manendry, ... manome andraikitra eo anivon’ny Fiangonana [pre·sby·teʹrous] As. Ap. [Asan’ny Apostoly] 14.23.” Io dikany tatỳ aoriana io no fampiasan’ny apostoly. Nampiasain’i Josèphe, mpahay tantara jiosy, tamin’izany dikany izany ilay teny, ao amin’ilay bokiny hoe Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), Boky Faha-6, toko 4, fehintsoratra 2, ary toko 13, fehintsoratra 9. Ny rafitr’ilay fehezanteny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:23, tamin’ny teny grika tany am-boalohany mihitsy, dia efa milaza fa nanao ilay zavatra voalaza ao i Paoly sy Barnabasy.

l Nanome tsipiriany kokoa taorian’izay ilay taratasy efatra pejy hoe Toromarika Momba ny Fandaminana (anglisy), navoaka tamin’ny 1938 koa. Nohazavainy fa tokony hanendry komity hisolo tena azy ny fiangonana. Hojeren’io komity io ireo rahalahy mahafeno fepetra ao amin’ny Soratra Masina, ka hatolony amin’ny Fikambanana. Nijery ny fahafenoan’ireo rahalahy fepetra sy ny fomba fanaovany ny andraikiny, ny solontenan’ny Fikambanana, rehefa nitsidika fiangonana. Mihevitra ny fanoloran’izy ireny koa ny Fikambanana, rehefa hanao fanendrena.

a Nantsoina hoe solontenan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, ary avy eo mpitety fiangonana, ireo mpandahateny mpitety faritany, tamin’ny 1894 hatramin’ny 1927. Nantitranterina kokoa ny fanompoana, ka nantsoina hoe talem-paritry ny fanompoana izy ireo tamin’ny 1928 hatramin’ny 1936. Nanjary nantsoina hoe mpanampy ny fileovana kosa izy ireo nanomboka tamin’ny Jolay 1936, mba hanasongadinana ny fifandraisany tamin’ireo rahalahy. Notendrena hifandimby hitsidika fiangonana voafetra isa kosa izy ireo tamin’ny 1938 hatramin’ny 1941, ka tafaverina tamin’ny toerana iray tao anatin’ny fotoana voafetra. Nijanona nandritra ny herintaona teo ho eo io asa io, ary niverina indray tamin’ny 1942, ka mpanompon’ny rahalahy no niantsoana azy ireo. Nantsoina hoe mpanampy ny faritra izy ireo tamin’ny 1948, ary mpiandraikitra ny faritra ankehitriny.

Nahazo andraikitra vaovao ireo mpanampy ny fileovana, tamin’ny 1938 hatramin’ny 1941, ka nikarakara fivoriambe nisy fandaharana manokana natrehin’ny Vavolombelona tao amin’ny toerana iray. Naverina indray io asa io tamin’ny 1946, ka nanjary nantsoina hoe mpanampy ny vondrom-paritra ireny mpiandraikitra mpitety faritany ireny, ary mpiandraikitra ny vondrom-paritra kosa ankehitriny.

b Nanomboka natao tamin’ny 1 Oktobra 1938 io fandaharana io. Nihasarotra ny fandaminana fivoriambe nandritra ny ady, ka natsahatra izany tamin’ny faran’ny 1941. Natao indray anefa izy io nanomboka tamin’ny 1946, ary niara-nivory mba hahazo fianarana manokana indray ny fiangonana maro. Antsoina hoe fivoriamben’ny faritra io fandaharana io.

c Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Oktobra sy 1 Novambra 1944 ny votoatin’ireo lahateny ireo.

d Nifidy mpianakavin’ny Betela hafa koa izy ireo, tatỳ aoriana, mba hanao izany.

e Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1992, p. 7-17 sy 1 Jona 1992, p. 9.

[Teny notsongaina, pejy 204]

Tsy misy mpitondra fivavahana eo anivon’izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 205]

Tsy manandrana manangana “fandaminana eto an-tany”

[Teny notsongaina, pejy 206]

Ahoana no nifidianana anti-panahy?

[Teny notsongaina, pejy 212]

Tale notendren’ny Fikambanana

[Teny notsongaina, pejy 213]

Nisy anti-panahy tsy nety nandeha nitory

[Teny notsongaina, pejy 214]

Nihavitsy ny Vavolombelona, fa nihatsara kosa ny fandaminana

[Teny notsongaina, pejy 218]

Ahoana no tokony hanaovana ny fanendrena?

[Teny notsongaina, pejy 220]

Te hifehy kokoa ny fandaminana ve i Rutherford?

[Teny notsongaina, pejy 222]

Nifandray hatrany tamin’ireo roa na telo na maro kokoa

[Teny notsongaina, pejy 223]

Andraikitra vaovao ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany

[Teny notsongaina, pejy 234]

Nihamaro ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary nifandimby nitari-draharaha

[Teny notsongaina, pejy 235]

Fanaraha-maso tsara nandritra ny fitomboana be

[Efajoro, pejy 207]

Inona no Anton’ilay Fanovana?

Nanontaniana i C. Russell, momba ny fiovan’ny fiheverany mahakasika ny fifidianana anti-panahy tany amin’ny fiangonana maro, ka hoy izy:

“Tiako holazaina voalohany aminareo fa tsy nihambo ho tsy mety diso mihitsy aho. ...Tsy lavinay fa mitombo ny fahalalana, ary hitanay tsara kokoa izao ny sitrapon’ny Tompo, mahakasika ny Anti-panahy na mpitarika ny vahoakany. Diso izahay nanantena zavatra be loatra avy amin’ireo rahalahy malala. Efa nahalala Fahamarinana taloha kokoa izy ireo, ka noheverinay hoe ara-dalàna raha izy no mitarika an’ireo kompania kely. Noeritreretinay mantsy hoe hanjary hanetry tena izy ireo rehefa mahalala ny Fahamarinana, ka hahatsiaro ho tsinontsinona ihany, sady mpitondra tenin’Andriamanitra fotsiny, amin’ny zavatra fantany sy ampahafantariny ny olon-kafa. Nantenainay koa fa ho ohatra ho an’ny andian’ondry izy ireo; hitondra olona iray na maro mahay na mahay kokoa ny Tompo, mba hiresaka ny Fahamarinana; hitarika azy ireo hanome voninahitra sy ho tia ny namany ny fitiavana, ka hifanampy sy hifampirisika izy ireo mba handray anjara amin’ny asan’ny Fiangonana, vatan’i Kristy.”

“Noheverinay tamin’izany fa tsy voatery hanaraka ny zavatra nolazain’ireo apostoly tany amin’ny Fiangonana voalohany izy ireo, satria nahazo famindram-po betsaka sy fahamarinana, izay fantatra sy ankasitrahan’ny vahoakan’ny Tompo nanolo-tena ho azy. Tsy takatray anefa fa ambony lavitra noho izay hevitr’olombelona ny fandaharana noresahin’ny apostoly, teo ambany fitarihan’Andriamanitra, ary hila fanitsiana araka ny noresahin’ny apostoly ny Fiangonana, mandra-pahatongan’ny fiovantsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ka ho feno sy lavorary isika, hifandray mivantana amin’ny Tompo.”

“Hitanay tsikelikely ny fahadisoanay, rehefa hitanay ny rahalahy malala sasany nanjary nifaninana, ary maro no naniry hahazo toerana mba ho mpitarika ny fivoriana, fa tsy nihevitra izany ho fanompoana, ka nosakanany tsy ho mpitarika ny rahalahy hafa mahay sy mahalala ny Fahamarinana ary mahay mampiasa tsara ny sabatry ny Fanahy.”—“Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona”, 15 Martsa 1906, p. 90.

[Efajoro/Sary, pejy 208, 209]

Trano Nampiasain’ny Fikambanana Tamin’ny Zato Taona Lasa, Nanodidina An’i Pittsburgh

Tranon’ny Baiboly, foibe nandritra ny 19 taona (1890-1909) f

Toerana fianaran’ny Rahalahy Russell

Mpianakavin’ny Tranon’ny Baiboly, nanompo tamin’ny 1902

Anisan’ilay trano ity sampan-draharahan’ny fandaharam-pejy sy fanomanana ny zavatra atao pirinty ity (ambony ankavanana), fandefasana entana (ambany ankavanana), fanatobiana boky, fonenan’ny mpiasa, ary efitrano fivoriambe nahazaka olona 300

[Fanamarihana ambany pejy]

f Teo amin’ny 101 Fifth Avenue, Pittsburgh, Pennsylvanie, ny foibe, tamin’ny 1879. Nafindra teo amin’ny 44 Federal Street, Allegheny (Ilany Avaratr’i Pittsburgh) ireo birao, tamin’ny 1884, ary nafindra teo amin’ny 40 Federal Street tamin’io taona io ihany. (Lasa 151 Robinson Street ilay adiresy, tamin’ny 1887.) Naorin’ny Rahalahy Russell tamin’ny 1889 ny Tranon’ny Baiboly (farany ankavia), rehefa nila trano lehibe kokoa izy ireo. Teo amin’ny 56-60 Arch Street, Allegheny, no nisy azy io. (Lasa 610-614 Arch Street ilay adiresy, tatỳ aoriana.) Tany Pittsburgh indray ny birao nandritra ny fotoana kelikely tamin’ny 1918-1919, ary tao amin’ny rihana fahatelo, teo amin’ny 119 Federal Street.

[Efajoro, pejy 211]

Asan’iza Izy Io?

Hoy i Charles Russell, tamin’ny faramparan’ny fiainany teto an-tany: “Matetika hadinon’ny vahoakan’Andriamanitra fa ny Tompo no mitarika ny asany. Matetika izy ireo no nieritreritra hoe: ‘Hiasa isika, ary hasaintsika hiara-miasa amintsika Andriamanitra. Aoka hotadidintsika izao: Andriamanitra no nikasa sy manatanteraka ny asany lehibe; hahomby ny asany, na tsy eo aza isika sy ny ezaka ataontsika; tombontsoa lehibe omena ny vahoakan’Andriamanitra ny miara-miasa amin’ilay Mpanao azy eo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany, ny famolavolany, ny fandaharany, ary ny lalany. Raha mitadidy izany isika, dia ny hahafantatra sy hanao ny sitrapon’ny Tompo no antony ivavahantsika sy iambenantsika, ary ho faly isika mankasitraka izay azontsika atao, satria Andriamanitra no mitarika antsika. Izany no fandaharana ataon’ny Fikambanana.’ ”—“Ny Tilikambo Fiambenana” (anglisy) 1 Mey 1915.

[Efajoro/Sary, pejy 215]

Fanontaniana V.D.M.

Ny hoe V.D.M. dia fanafohezana ny teny latinina hoe “Verbi Dei Minister”, na Mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra.

Nisy fanontaniana maromaro momba ny Soratra Masina, nomanin’ny Fikambanana, tamin’ny 1916. Nasaina hamaly izany an-tsoratra, ireo ho mpandahateny hisolo tena ny Fikambanana. Izany no nahalalan’ny Fikambanana ny eritreritra sy fahatakaran’ilay rahalahy ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Nojeren’ny tompon’andraikitry ny biraon’ny Fikambanana tsara ireo valim-panontaniana. Tsy maintsy nahamarina ny 85 isan-jato, na mihoatra, ireo nekena ho mpandahateny.

Nangataka an’ireo fanontaniana ireo koa tatỳ aoriana ny maro tamin’ireo anti-panahy, diakônina, ary Mpianatra ny Baiboly hafa. Nolazaina tatỳ aoriana fa handray soa ny fiangonana raha olona mahafeno fepetra ho V.D.M. ihany no fidiny ho solontenany.

Tsy nohamasinin’ny Fikambanana akory ireo Mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra, na dia nojereny aza ny fahaizan’izy ireny. Nojeren’ny tompon’andraikitry ny Fikambanana fotsiny ny fitomboan’ny fahatakaran’ilay olona ny foto-pampianarana, sy ny lazany, ary notapahina raha mendrika ny hantsoina hoe Mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra izy na tsia.

Ireto avy ireo fanontaniana V.D.M.:

1) Inona no noforonin’Andriamanitra voalohany?

2) Inona no dikan’ny hoe “Logos”, ampifandraisina amin’ny Zanak’Andriamanitra? Inona no dikan’ny hoe Ray sy Zanaka?

3) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nidiran’ny ota tamin’izao tontolo izao?

4) Inona no sazy omen’Andriamanitra ny mpanota? Iza ireo mpanota?

5) Nahoana no tsy maintsy nitafy nofo ny “Logos”? “Teraka tao amin’ny vatana vaovao” ve Izy?

6) Olona nanao ahoana i Kristy Jesosy nanomboka tamin’ny fahazazany, mandra-pahafatiny?

7) Olona manao ahoana i Jesosy taorian’ny nitsanganany? Inona izao no fifandraisany amin’i Jehovah?

8) Inona no asan’i Jesosy nandritra ny Vanim-potoan’ny Vaovao Tsara, izany hoe tamin’ny Pentekosta hatramin’izao?

9) Inona no efa nataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy ho an’ny olombelona, hatramin’izao?

10) Inona no fikasan’Andriamanitra mifandray amin’ny Fiangonana, rehefa feno ireo anisan’izy io?

11) Inona no fikasan’Andriamanitra momba an’izao tontolo izao?

12) Inona no miandry an’ireo tsy mety miova mihitsy?

13) Inona no valisoa sy fitahiana ho an’ny olombelona mankatò ny Fanjakan’ny Mesia?

14) Inona avy no dingana tokony hataon’ny mpanota, mba hifandraisana amin’i Kristy sy ilay Ray any an-danitra?

15) Inona avy no tokony hataon’ny Kristianina, araka ny Tenin’Andriamanitra, rehefa nateraky ny Fanahy Masina izy?

16) Nialanao ve ny fahotana mba hanompoanao an’ilay Andriamanitra velona?

17) Moa ve natokanao tanteraka ho an’ny Tompo sy ny fanompoana azy ny fiainanao sy ny herinao ary ny talentanao rehetra?

18) Efa nasehonao tamin’ny fandrobohana anaty rano ve io fanokananao tena io?

19) Efa nataonao ve ny Voadin’ny fahamasinam-piainana, nosoritan’ny I. B. S. A. [Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena]?

20) Efa novakinao tsara daholo ve ireo boky enina amin’ny FIANARANA NY SORATRA MASINA?

21) Nahazo fanazavana sy soa avy amin’izany ve ianao?

22) Inoanao ve fa manana fahalalana betsaka sy maharitra momba ny Baiboly ianao, ka ho mpanompon’ny Tompo tsara kokoa mandritra ny androm-piainanao sisa?

[Efajoro/Sary, pejy 216, 217]

Trano Voalohandohany Nampiasaina Teto Brooklyn

Trano Betela

122-124 Columbia Heights

Efitrano fisakafoana tao amin’ny Betela

Tabernacle

Teto amin’ity trano, teo amin’ny 17 Hicks Street (1909-1918) ity ny birao, fanatobiana boky, fandefasana taratasy, fitaovana fanomanana zavatra hatao pirinty, ary efitrano lehibe nahazaka olona 800

Efitrano lehibe

Fanontam-pirinty Voalohandohany

Mpianakavin’ny Betela niasa tao amin’ny fanontam-pirinty, teo amin’ny Myrtle Avenue, tamin’ny 1920 (ankavanana)

35 Myrtle Avenue (1920-1922)

18 Concord Street (1922-1927)

117 Adams Street (1927- )

[Efajoro/Sary, pejy 224, 225]

Mpiandraikitra Mpitety Faritany Vitsivitsy Tamin’ireo An’arivony efa Nanompo

Kanada, 1905-1933

Angletera, 1920-1932

Failandy, 1921-1926, 1947-1970

Etazonia, 1907-1915

Fanaovana dia hitsidihana fiangonana

Groenlandy

Venezoelà

Lesotho

Meksika

Peroa

Sierra Leone

Tranofiara tany Namibia

Japon: Miara-manompo amin’ireo Vavolombelona eo anivon’ilay fiangonana

Alemaina: Miara-mivory amin’ny anti-panahy

Hawaii: Manoro hevitra ho an’ny mpisava lalana

Frantsa: Mampianatra fiangonana

[Efajoro/Sary, pejy 229]

Fikambanana Ara-dalàna Voalohany

Zion’s Watch Tower Tract Society. Naorina voalohany tamin’ny 1881, ary voasoratra ara-dalàna tao amin’ny fanjakan’i Pennsylvanie tamin’ny 15 Desambra 1884. Novana ho Watch Tower Bible and Tract Society izy io tamin’ny 1896. Nanjary nantsoina hoe Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania kosa izy io, nanomboka tamin’ny 1955.

Peoples Pulpit Association. Naorina tamin’ny 1909, nifandray tamin’ny famindrana ny biraon’ny Fikambanana ho eto Brooklyn, New York. Novana ho Watchtower Bible and Tract Society, Inc. io anarana io, tamin’ny 1939. Nantsoina hoe Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. kosa izy io, nanomboka tamin’ny 1956.

International Bible Students Association. Nosoratana ara-dalàna tany Londres, Angletera, tamin’ny 30 Jona 1914.

Nisy fikambanana hafa natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, mba hanarahana izay notakin’ny lalàna. Tsy mizarazara ho fandaminam-pirenena na faritra anefa izy ireo, satria mpirahalahy tafaray eran-tany.

[Efajoro, pejy 234]

‘Mitovy Amin’ny Kristianina Voalohany’

Nilaza toy izao ilay boky ara-pivavahana hoe “Filazana Hevi-teny” (anglisy), tamin’ny Jolay 1956: “Mitovy be amin’ny Kristianina voalohany ny fandaminana sy ny asa fitoriana ataony [Vavolombelon’i Jehovah]. ... Vitsy ny fivavahana hafa mampiasa foana ny Soratra Masina ao amin’ny hafatra lazainy am-bava sy an-tsoratra.”

[Sary, pejy 210]

Najoro ny biraon’ny sampana, mba hisian’ny fanaraha-maso akaiky kokoa. Voalohany tamin’izany ity tany Londres, Angletera, ity

[Sary, pejy 221]

J. Rutherford tamin’ny 1941. Fantatry ny Vavolombelona fa tsy mpitarika azy ireo izy

[Sary, pejy 226]

John Booth, mpiandraikitra mpitety faritany teto Etazonia (1936-1941)

[Sary, pejy 227]

Carey Barber. Ampahany lehibe tamin’i Etazonia ny vondrom-paritra niandraiketany

[Sary, pejy 228]

Nitsidika tsy tapaka ny sampana sy tranon’ny misionera tsirairay ny Rahalahy Knorr

[Sary, pejy 230]

Novorina mba handray fampiofanana manokana ireo mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana (New York, 1958)

[Sary, pejy 231]

Nanome fampianarana sarobidy ho an’ny mpiandraikitra eran-tany ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, tany Tailandy, 1978; Philippines, 1966 (ambony ankavia)

[Sary, pejy 232]

Natao pirinty tsikelikely ny toromarika momba ny fandaminana (tamin’ny teny anglisy aloha, ary avy eo tamin’ny teny hafa) mba handrindrana ny asan’ny Vavolombelona, sy hampahafantarana ny rehetra ny fandaharana natao mba hanampiana azy eo amin’ny fanompoana