Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Fivavahana sy Fianarana, Mampahery

Fivoriana Fivavahana sy Fianarana, Mampahery

Toko 16

Fivoriana Fivavahana sy Fianarana, Mampahery

MITANA toerana lehibe eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivorian’ny fiangonana. Miezaka manatrika ny fivoriany foana izy ireo, na misy zava-tsarotra aza, araka izao fampirisihan’ny Baiboly izao: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.” (Heb. 10:24, 25) Mivory intelo isan-kerinandro ny fiangonana tsirairay, rehefa mety izany, ka adiny 4 sy 45 minitra no faharetan’izy rehetra. Niovaova araka izay nilaina anefa ny zavatra nianarana sy ny fotoana nanaovana azy.

Nisongadina tamin’ny fivoriana kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny fahagagana avy tamin’ny fanomezan’ny fanahy. Nahoana? Satria ireny no nanehoan’Andriamanitra fa tsy ny fivavahan’ny Jiosy intsony no nampiasainy, fa teo amin’ilay fiangonana kristianina vao niforona kosa ny fanahiny. (Asa. 2:1-21; Heb. 2:2-4) Nisy vavaka sy hira fiderana an’Andriamanitra tamin’ny fivorian’ny Kristianina voalohany, ary nantitranterina ny faminaniana (izany hoe ny filazana ireo fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany), sy ny fanomezana toromarika hampahery an’ireo mandre izany. Nisy zava-nahagaga hitan’izy ireo nifandray tamin’ny fikasan’Andriamanitra. Nila nahatakatra izany sy nahafantatra izay tokony hataony momba izany izy ireo. Tsy nety anefa ny zavatra nataon’ny sasany nandritra ny fivoriana, ka nasehon’ny Baiboly fa nila torohevitra izy ireny, mba handraisana soa kokoa ny zavatra nataony.—1 Kor. 14:1-40.

Hita tamin’ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ireo taona 1870 sy taorian’izay ve ireo lafiny nampiavaka ny fivorian’ny Kristianina voalohany?

Izay nilain’ireo Mpianatra ny Baiboly voalohany

Nivory mba hiara-mianatra ny Baiboly i Charles Russell sy ny namany vitsivitsy tany Allegheny, Pennsylvanie, tamin’ny 1870. Nitombo àry ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny Teniny, ary nihatakany ireo zavatra ampianarin’ny Baiboly. Tsy nisy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra tamin’ireny fivoriana ireny. Nahoana? Nitsahatra ireny fanomezana mahagaga ireny, araka ny efa nolazain’ny Baiboly, satria efa tratra tamin’ny taonjato voalohany ny tanjony. Hoy ny Rahalahy Russell: “Ny dingana manaraka, dia ny fisehoan’ny vokatry ny Fanahy, araka ny nolazain’i Md. Paoly mazava.” (1 Kor. 13:4-10) Nisy asa fitoriana tsy maintsy natao haingana (toy ny tamin’ny taonjato voalohany) koa, ary tsy maintsy nampirisihina hanao izany izy ireo. (Heb. 10:24, 25) Tsy ela izy ireo dia nivory indroa isan-kerinandro.

Takatry ny Rahalahy Russell fa tsy maintsy tafaray ny mpanompon’i Jehovah, na aiza na aiza tany onenany. Nasaina àry ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana (tamin’ny 1879, fotoana fohy taorian’ny nivoahany) mba hangataka ny Rahalahy Russell, na ny mpiara-miasa taminy, hitsidika azy ireo. Nisy toromarika mazava hoe: “Tsy misy vola aloa.” Nisy fangatahana maromaro tonga, ka niomana hanao dia naharitra iray volana ny Rahalahy Russell. Tonga hatrany Lynn, Massachusetts, izy, ary nanao fivoriana naharitra adiny efatra ka hatramin’ny adiny enina, isaky ny tanàna nijanonany. Ny foto-kevitra nohazavaina dia hoe: “Zavatra Mifandray Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Nampirisihin’ny Rahalahy Russell toy izao ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana mbola tsy nanao fivoriana tsy tapaka, tamin’ny fiandohan’ny 1881: “Manaova fivoriana ao an-tranonareo miaraka amin’ny ankohonanareo, na olona liana vitsivitsy. Miaraha mamaky teny sy mianatra ary mivavaka, ary ho eo afovoanareo sy hampianatra anareo ny Tompo, raha misy roa na telo miara-mivory amin’ny anarany. Toy izany koa ny fivoriana sasany nataon’ny fiangonana tamin’ny andron’ny Apostoly. (Jereo Filemona 2).”

Nivoatra tsikelikely ny fandaharam-pivoriana. Nisy soso-kevitra nomena, nefa ny fiangonana tsirairay no nanapa-kevitra ny amin’izay nety indrindra ho azy. Nisy lahateny tsindraindray, nefa ny fivoriana nandraisan’ny rehetra anjara no tena nasaina natao. Tsy nampiasa firy ny bokin’ny Fikambanana ny fiangonana sasany tamin’ny voalohany, nefa nanampy azy ireny ny mpitety fiangonana mba hahita fa tena mahasoa ny manao izany.

Natao fototry ny fianarana ireo boky Fiandohan’ny Arivo Taona, rehefa vita pirinty. Nanjary nantsoina hoe Fianarana Baiboly Iarahan’ireo Mpino ny Arivo Taona ireo fiarahana mianatra, tamin’ny 1895. a Nisy tany Norvezy niantso azy ireny hoe “fivoriana famakian-teny sy firesahana”, sady nanazava hoe: “Novakina tamin’ny feo avo ny zavatra sasany tao amin’ny bokin’ny Rahalahy Russell, ka nanangan-tanana izay te hanazava na hanontany.” Nampirisihin’ny Rahalahy Russell ireo mpandray anjara mba hampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa, fanazavana eny amin’ny sisim-pejin’ny Baiboly, ary fizahan-teny ara-baiboly. Natao vitsivitsy ihany ireo mpanatrika an’ilay fianarana, izay natao tany an-trano tamin’ny takariva nety tamin’ireo mpiara-mianatra. Mitovy amin’ny Fianarana Boky ankehitriny izany.

Takatry ny Rahalahy Russell fa tsy ampy ny nianatra foto-pampianarana. Tsy maintsy ambara koa ny fitiavana an’Andriamanitra, mba hankasitrahan’ny olona ny fitiavany, ka hanirian’izy ireo hanome voninahitra sy hanompo azy. Nampirisihina àry ny kilasy tsirairay mba hanao fivoriana toy izany indray mandeha isan-kerinandro. Nantsoina hoe “Fivoriana An-trano” izy ireny indraindray, satria natao tany an-tranon’olona. Nisy vavaka sy hira fiderana ary fijoroana ho vavolombelona tamin’izany. b Tantara nampahery ireny fijoroana ho vavolombelona ireny indraindray, anisan’izany ny fitsapana, fahasahiranana ary zavatra nanahiran-tsaina vao haingana. Nanindrahindra olona loatra anefa ny fivoriana tany amin’ny toerana sasany, ka nanome soso-kevitra hanitsiana izany Ny Tilikambo Fiambenana.

Nilaza toy izao momba ireny fivoriana ireny i Edith Brenisen, vadin’ny iray tamin’ireo mpitety fiangonana voalohany teto Etazonia: “Takariva nieritreretana ny fitiavan’i Jehovah izany, sady niarahana akaiky tamin’ireo anadahy sy rahavavy. Fantatray tsara kokoa izy ireo, rehefa nihaino ny tantarany izahay. Matetika no nanampy anay tamin’izay nanahiran-tsaina anay ny fahatokiany sy ny fomba niatrehany fahasahiranana.” Hita anefa tatỳ aoriana fa mahasoa kokoa ny fivoriana natao hanampiana ny tsirairay amin’ny asa fitoriana.

Nampanahy an’ireo rahalahy ny fomba nanaovana ny fivoriana alahady tany amin’ny toerana sasany. Nisy kilasy nandinika ny Baiboly isan’andininy. Tsy nampahery anefa indraindray ny vokatr’ireo tsy fitovian-kevitra. Nisy olona tao amin’ilay fiangonana tany Los Angeles, Kalifornia, nanamboatra bokikely handinihana Baiboly araka ny foto-kevitra, izay nisy fanontaniana sy andininy nodinihin’ny kilasy manontolo talohan’ilay fivoriana. Navoakan’ny Fikambanana tamin’ny 1902 kosa ny Baiboly nisy “Fanampiana ho Amin’ny Fianarana ny Baibolin’ny Berianina”, nisy fanondroana foto-kevitra. c Vao mainka notsorina ihany ny fanaovana fivoriana, ka navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana nanomboka ny 1 Martsa 1905, ny drafitra natao hiarahan’ny fiangonana midinika. Nisy fanontaniana sy andinin-teny ary fanondroana bokin’ny Fikambanana, hanaovana fikarohana, tao amin’izy io. Nitohy hatramin’ny 1914 izany, ary navoaka tamin’io ny fanontaniana fianarana ho an’ireo boky Fianarana ny Soratra Masina, nampiasaina nandritra ireo Fianaran’ny Berianina.

Nitovy ny zavatra nianaran’ny kilasy rehetra, nefa nisy nivory indray mandeha ka hatramin’ny inefatra isan-kerinandro na nihoatra, araka izay fandaminany. Natao isan’andro mihitsy ny fivoriana tany Colombo, Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), nanomboka tamin’ny 1914.

Nampianarina hanao fikarohana ny Mpianatra ny Baiboly, mba ‘hamantarany ny zava-drehetra’, sy hanazavany tsara ny heviny. (1 Tes. 5:21) Nampirisihin’ny Rahalahy Russell ny rehetra mba handinika tsara sy hanazava an’ilay zavatra ianarana. Nampitandrina koa izy hoe: “Aza hadinoina mihitsy fa ny Baiboly no Fitsipika arahintsika, ary ‘fanampiana’ ihany izay zavatra hafa omen’Andriamanitra antsika, fa tsy solon’ny Baiboly.”

Fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo

Tokony ho tamin’ny 1876 ny Mpianatra ny Baiboly no nanomboka nankalaza isan-taona ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo. d Natao tao an-tranon’ny iray tamin’izy ireo izany tany Pittsburgh, Pennsylvanie sy ny manodidina, tamin’ny voalohany. Nisy 100 teo ho eo ny mpanatrika tamin’ny 1883, ka nanofa efitrano izy ireo. Maro no nantenaina hanatrika tany Pittsburgh tamin’ny 1905, ka nanapa-kevitra ny hamandrika ny Carnegie Hall ireo rahalahy.

Neken’ny Mpianatra ny Baiboly fa fankalazana isan-taona izy io, fa tsy isan-kerinandro. Daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana, araka ny kalandrie jiosy, ny fotoana nahafatesan’i Jesosy ankalazain’izy ireo. Nisy fanitsiana tsikelikely ny fomba nanisana io daty io. e Ny dikan’ilay fisehoan-javatra anefa no tena noheverina akaiky.

Afaka nanatrika azy io tany amin’ny toerana samihafa ny Mpianatra ny Baiboly, sady nahazo nanatrika tany Pittsburgh. Nasaina indrindra ho any Pittsburgh ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1886 ka hatramin’ny 1893, ka nisy tonga avy tamin’ny faritra maro eran’i Etazonia sy Kanada. Tsy vitan’ny hoe niara-nanatrika ny Fahatsiarovana izy ireo, fa nampitombo ny fifankatiavany koa. Tsy nety intsony anefa ny nihaona tamin’ny toerana iray, rehefa nihamaro ireo kilasy teto Etazonia sy eran-tany. Takatr’izy ireo fa tsara kokoa ny niaraka tamin’ireo mpiray finoana nipetraka nanodidina azy.

Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana fa maro no nilaza ho nino ny vidim-panavotana, ary tsy nanadino an’io fankalazana isan-taona io. Nisy dikany manokana ho an’ireo tena anisan’ny ‘ondry vitsin’i’ Kristy anefa izy io. Ireo no hiara-manjaka aminy any an-danitra. Izy ireo no niresahan’i Jesosy toy izao, rehefa nanorina ny fankalazana ny Fahatsiarovana izy, tamin’ilay alina talohan’ny hahafatesany: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 12:32; 22:19, 20, 28-30.

Nanomboka tamin’ireo taona 1930 no tena niharihary ireo ho “vahoaka be” anisan’ny ondry hafa. (Apok. 7:9, 10; Jaona 10:16) Nantsoina hoe Jonadaba izy ireo tamin’izany. Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Febroary 1938 no nisy fanasana azy ireo voalohany hanatrika Fahatsiarovana, nanao hoe: “Aoka ny kompanian’ny voahosotra mba hiaraka hankalaza ny Fahatsiarovana, izay hatrehin’ny Jonadaba koa, amin’ny 15 Aprily aorian’ny amin’ny enina ora hariva.” Nanatrika izy ireo, fa tsy nandray anjara. Nampitombo ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy anefa izy ireo. Nisy 73 420 ny mpanatrika tamin’ny 1938, nefa 39 225 monja no nihinana tamin’ny mofo sy divay. Nisy olona liana sy mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah maro be koa nanatrika nandritra ireo taona nanaraka. Nahatratra 4 472 787 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1992, nefa 11 431 171 no nanatrika ny Fahatsiarovana, ary 8 683 monja no nihinana tamin’ny mofo sy divay. Avo dimy na enina heny tamin’ny isan’ny Vavolombelona mihitsy ny mpanatrika tany amin’ny tany sasany.

Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny dikan’ny fahafatesan’i Kristy, ka mankalaza ny Fahatsiarovana azy io foana izy ireo, na dia ao anatin’ny zava-tsarotra be aza. Tsy nahazo nivezivezy tamin’ny alina, ohatra, ny tany Rodezia (Zimbabwe ankehitriny), nandritra ny ady tamin’ireo taona 1970. Nankao an-tranon’ny Vavolombelona iray àry ny rahalahy tany amin’ny tanàna sasany nandritra ny andro, ary nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny takariva. Nijanona tao nandritra ny alina izy ireo, satria tsy afaka nody taorian’ilay fivoriana. Nihira hiran’ilay Fanjakana izy ireo tamin’izany, ary nitantara ny zavatra niainany, ka vao mainka nifampahery.

Nankalazaina tany amin’ny toby fitanana koa ny Fahatsiarovana, nandritra ny Ady Lehibe II, na dia nety ho nahavoasazy mafy aza izany, raha hitan’ny mpiambina. Natokan-toerana tany amin’ny fonja kominista tany Chine i Harold King, tamin’ny 1958 ka hatramin’ny 1963, noho ny finoany. Nankalaza ny Fahatsiarovana araka izay azony natao foana anefa izy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nojereko avy teo am-baravarankelin’ny efitra figadrako ny fitombon’ny volana, rehefa nanomboka ny lohataona. Nokajiko tsara araka izay azoko natao ny datin’ilay fankalazana.” Izay zava-nisy teo no nampiasainy, ka voaloboka tsy nisy voany no nataony divay, ary vary no nataony mofo, satria tsy misy lalivay ny vary. Hoy koa izy: “Nihira sy nivavaka aho, ary nanao lahateny fanao tamin’ireny, toy ny ataon’ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah rehetra. Tsapako isan-taona tamin’izany fa niaraka tamin’ireo rahalahiko eran-tany aho tamin’io fisehoan-javatra tena lehibe io.”

Manana ny lanjany koa ny tanora

Tsy natao indrindra ho an’ny tanora ny boky sy fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Afaka nanatrika fivoriana izy ireo, ary nisy nanatrika sy nihaino tsara. Toa tsy nomen-danja firy anefa izy ireo. Nahoana?

Noheverin’ireo rahalahy tamin’izany fa kely sisa dia hiaraka tamin’i Kristy any an-danitra ireo anisan’ny vadiny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1883: “Tsy afaka ny handa an’ilay asa manokana ho an’izao vanim-potoana izao isika, izay ampiofanina ho amin’ilay fiantsoana any an-danitra, dia ny asa fanomanana ‘ilay Ampakarin’ny Zanak’ondry.’ Tsy maintsy miomana ilay Ampakarina. Tsy maintsy mandray anjara amin’ilay asa lehibe fanaovana ny haingo farany ho fiomanana amin’ilay fampakaram-bady ny tsirairay.”

Nampirisihina mafy ny ray aman-dreny mba hampianatra fahamarinana ny zanany, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Tsy nampirisihina hanao sekoly alahady ny ankizy. Nanimba be mantsy ny sekoly alahady nataon’ny Kristianisma Anarana. Matetika ireo ray aman-dreny nandefa ny zanany tamin’izy ireny no nihevitra ho tsy nanana andraikitra hampianatra Baiboly azy ireo intsony. Nanjary tsy nanome voninahitra sy tsy nankatò ny ray aman-dreniny kosa ireo ankizy, satria tsy ny ray aman-dreniny no tena nampianatra azy momba an’Andriamanitra.

Nanome lahatsoratra ho an’ny “Lesona ho An’ny Sekoly Alahady Iraisam-pirenena” anefa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1892 ka hatramin’ny 1927. Nalaza be teny anivon’ny fiangonana protestanta ireny lesona ireny, ary i F. Peloubet, mpitondra fivavahana kongregasionaly, no nifidy azy ireny, niaraka tamin’ny mpanampy azy. Fanazavana araka ny fahatakaran’ny Mpianatra ny Baiboly tsara ny Soratra Masina, no nentin’ny Tilikambo Fiambenana, sady tsy voataonan’ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana. Nantenaina tamin’izany fa ho tafiditra tany amin’ny fiangonana sasany ilay gazety, sy ny fahamarinana, ka hisy mpiangona hanaiky izany. Tena hafa be anefa ireo fampianarana, ka nahatezitra ny mpitondra fivavahana protestanta.

Tonga ny 1918, nefa mbola teto an-tany ihany ny sisa voahosotra. Nihamaro koa ny ankizy nanatrika fivoriana. Matetika no navela hilalao fotsiny izy ireo, fa ny ray aman-dreniny no nianatra. Tsy maintsy ‘mitady ny fahamarinana, sy mitady ny fandeferana’ koa anefa ny ankizy, raha tiany ny ‘ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.’ (Zef. 2:3) Nampirisihin’ny Fikambanana àry ny fiangonana, tamin’ny 1918, mba handamina kilasy ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 15 taona. Nisy kilasy ambany kokoa aza tany amin’ny toerana sasany, ho an’ireo latsaka ny valo taona. Nantitranterina indray anefa ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny zanany.

Nitarika ho amin’ny fiovana hafa izany. Nisy lahatsoratra hoe “Fianarana Baiboly ho An’ny Tanora” foana, tao amin’ny Fotoam-pahasambarana tamin’ny 1920. Nisy fanontaniana tao, ary nisy andinin-teny nirakitra ny valiny. Natonta tamin’io taona io koa ny Fotoam-pahasambarana ABC (anglisy). Bokikely nisy sary izy io, ary natao hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany, momba ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly sy ny toetra kristianina. Navoaka tamin’ny 1924 kosa ilay boky hoe Ny Lalana Mankany Amin’ny Paradisa (anglisy), nosoratan’i W. Van Amburgh. Natao ho an’ny “mpianatra ny Baiboly efa manana fahalalana kely” izy io, ary nampiasaina tamin’ny fivoriana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Nanana fandaharam-panompoana manokana mihitsy ny “Vavolombelona Tanora” eran’i Amerika. Namorona fikambanana nantsoina hoe “Tanoran’i Jehovah” koa ny tany Soisa, ho an’ireo 13 ka hatramin’ny 25 taona. Nanana biraon’ny mpitan-tsoratra tany Berne izy ireo, ary nanana gazety manokana natao hoe Tanoran’i Jehovah. Tao amin’ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana tany Soisa mihitsy no nanontana azy io. Nanana fivoriana manokana ireny tanora ireny, ary nilalao ireo tantara ao amin’ny Baiboly, toy ilay nataony tany amin’ny Volkshaus, tany Zurich, izay nojeren’olona 1 500.

Toy ny hoe nisy fandaminana hafa niforona teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah anefa tamin’izany. Tsy hiteraka firaisan-tsaina izany, ka natsahatra tamin’ny 1936. Nitsidika an’i Aostralia i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana, tamin’ny Aprily 1938, ary hitany fa nisy kilasy ho an’ny ankizy natao ankoatra ilay fivoriambe ho an’ny lehibe. Nasainy nampidirina tao amin’ny efitrano nanaovana ilay fivoriambe daholo ireo ankizy, ary tena nandray soa.

Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’io taona io indray ny momba ny kilasy manokana ho an’ny ankizy. Nohamafisiny tamin’izany fa andraikitry ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany. (Efes. 6:4; ampitahao amin’ny Deoteronomia 4:9, 10; Jeremia 35:6-10.) Nasehony koa fa tsy misy tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe nanana kilasy manokana ny tanora. Tsy maintsy niara-nihaino ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny ray aman-dreniny aza izy ireo. (Deot. 31:12, 13; Josoa 8:34, 35) Azon’ny ray aman-dreny nomena fanazavana fanampiny izy tany an-trano, raha nilaina. Noresahin’ireo lahatsoratra koa fa tsy mifanaraka amin’ilay fitoriana ny vaovao tsara isan-trano ny fanaovana kilasy manokana toy izany. Nahoana? Satria tsy nanompo teny amin’ny saha ireo mpampianatra, fa nanomana sy nitarika an’ilay kilasy. Natsahatra àry ny kilasy rehetra ho an’ny tanora.

Fanaon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao ny miara-manatrika ny fivorian’ny fiangonana. Ampian’ny ray aman-dreniny ny ankizy mba handray anjara tsara amin’izy ireny. Maro koa ny boky tsara nomena ny ray aman-dreny mba hampianarany ny zanany any an-trano. Anisan’izany ny boky Ankizy (1941), Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe (1971), Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany (1976), Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly (1978), ary Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra (1989).

Fanampiana ny rehetra mba ho mpitory mazoto

Vao nivoaka Ny Tilikambo Fiambenana, dia efa nampahatsiahiviny foana ny mpamaky azy hoe tombontsoa sy andraikitry ny Kristianina marina rehetra ny mitory ny vaovao tsara momba ny fikasan’Andriamanitra. Nanampy mba hanomanana ny fo sy ny saina ho amin’izany ireo fivorian’ny fiangonana, satria nampitombo ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fahalalany ny fikasany. Taorian’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922 anefa vao tena nantitranterina ny zava-bita teny amin’ny saha sy ny fomba anaovana izany tsara.

Nisy fomba fitoriana fohy tao amin’ny Gazety (anglisy), f izay taratasy niresaka manokana ny fitoriana. Tokony hatao tsianjery sy hampiasaina tamin’ny fitoriana izany. Niresahana zavatra hita teny am-pitoriana ny fotoana sasany tamin’ny Fivoriam-bavaka sy Fiderana ary Fijoroana ho Vavolombelona, fanao ny alarobia voalohan’ny volana. Natao matetika izany tamin’ny 1923 mba hiezahan’ny rehetra hitory ilay Fanjakana.

Nanjary nantsoina hoe Fivorian’ny Mpiasa ny fivoriana isam-bolana ho amin’ny fanompoana, tamin’ny 1926. Ny mpitory matetika no nanatrika azy io. Noresahina tamin’izany ny fomba itoriana sy ny fandaharam-pitoriana manaraka. Nampirisihin’ny Fikambanana mba hanao fivoriana toy izany isan-kerinandro ny fiangonana, tamin’ny 1928. Efa-taona taorian’izay, dia nanjary nantsoin’ny fiangonana hoe Fivoriana Momba ny Fanompoana ny Fivoriana Fitoriana, ary nampirisihin’ny Fikambanana mba hanatrika izany ny rehetra. Efa nataon’ny fiangonana nandritra ny 60 taona mahery izy io izao. Misy lahateny, fandraisan’ny mpanatrika anjara, fampisehoana, ary fanadinadinana amin’izy ireny, ka mahazo fanampiana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana, ny mpanatrika.

Tsy vao tamin’ny taonjato faha-20 no nisian’izany fivoriana izany. Nanome toromarika tamin’ny an-tsipiriany ho an’ny mpianany koa i Jesosy, talohan’ny nanirahana azy ireo hitory. (Matio 10:5–11:1; Lioka 10:1-16) Nivory mba hitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana izy ireo tatỳ aoriana, mba hifampaherezana.—Asa. 4:21-31; 15:3.

Tsy natao nandritra ny fivoriana fanaon’ny fiangonana ny fiofanana ho amin’ny fitenenana ampahibemaso, tamin’ny voalohany. Noresahina tamin’ny 1916 anefa fa afaka nanao kilasy manokana ireo nahatsapa ho afaka ny ho mpandahateny ho an’ny besinimaro. Angamba hisy anti-panahy hihaino azy ireo sy hanoro hevitra mahakasika ny fomba hanatsarana ny votoatin’ilay lahateny sy ny fomba ilazana izany. Nantsoina hoe Sekolin’ny Mpaminany ireny fivoriana ireny, ary ny lehilahy ihany no nanatrika azy. Hoy i Grant Suiter, mahakasika izany: “Maivana ireo tsikera nahasoa azoko tamin’ilay sekoly, raha noharina tamin’ny tsikera nataon’ny dadako tamiko, rehefa avy nihaino ahy nandaha-teny tamin’ireny izy.” Te hanampy an’ireo niezaka handroso ireo rahalahy, ka nanangona sy nanao pirinty boky nisy toromarika momba ny lahateny, sy drafitra ho an’ny lahateny maromaro. Najanona anefa ny Sekolin’ny Mpaminany, tatỳ aoriana. Nifantohana kosa ny fanampiana ny rehetra teo anivon’ny fiangonana, mba handray anjara feno amin’ny fitoriana isan-trano, satria izany no tena nilaina tamin’izany.

Ho vita ve ny hanampy ny rehetra eo anivon’io fandaminana iraisam-pirenena io, hanao fitoriana fohy sy hanolotra boky ara-baiboly, ary hahay hiteny tsara sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra? Izany no zava-kendren’ny sekoly manokana natomboka teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1943. Efa natao tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, nanomboka ny Febroary 1942. Nisy toromarika nomena isan-kerinandro, ary nanao lahateny sy nomena torohevitra ny mpianatra. Ny lehilahy ihany tamin’ny voalohany no nanao anjara tamin’ilay sekoly, na dia nampirisihina aza ny fiangonana manontolo mba hanatrika sy hanomana ny lesona ary handray anjara tamin’ny famerenana. Afaka nisoratra anarana tamin’izy io koa ny anabavy, nanomboka tamin’ny 1959, ka nahazo fampiofanana teo amin’ny firesahana foto-kevitra ara-baiboly amin’ny olona tsirairay.

Nilaza toy izao momba ny vokatr’io sekoly io ny sampan’ny Fikambanana tany Afrika Atsimo: “Nanampy rahalahy maro mba hahita vokatra eny amin’ny lampihazo sy eny amin’ny saha io sekoly tena tsara io, na dia tsy nihevitra ho tonga mpandahateny ho an’ny besinimaro mihitsy aza izy ireo. Tian’ireo rahalahy nanerana an’i Afrika Atsimo io fandaharana vaovao avy tamin’i Jehovah io, ary nafana fo izy ireo nanao azy io, na dia nisy aza tsy nahay tsara an’ilay fiteny na tsy nahita fianarana firy.”

Mbola fivoriana lehibe eny anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny Sekolin’ny Fanompoana. Misoratra anarana amin’izy io daholo izay afaka, na tanora na antitra, na vaovao na tranainy. Fandaharam-pianarana mitohy izy io.

Asaina ny besinimaro mba hijery sy hihaino

Tsy fikambanana miafina mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Hazavaina tsara, ao amin’ny bokiny azon’ny rehetra vakina, ny finoany miorina amin’ny Baiboly. Miezaka mafy koa izy ireo mba hanasa ny besinimaro hanatrika ny fivoriany, ka hijery sy hihaino ny zava-mitranga any.

Nanome toromarika ho an’ny mpianany i Jesosy, sady nitory tamin’ny besinimaro teny amoron-dranomasina, an-tehezan-tendrombohitra, tany amin’ny synagoga, ary tempoly tany Jerosalema. (Matio 5:1, 2; 13:1-9; Jaona 18:20) Nanahaka izany ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ireo taona 1870, ka nanao fivoriana azon’ny namana sy mpiara-monina ary ny hafa natrehina, mba hihainoana lahateny momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona.

Niezahana mafy koa ny nanao lahateny tany amin’ny toerana nety tamin’ny olona. Nantsoina hoe asa fanitarana kilasy izany. Nampirisihina ireo fiangonana nanana mpandahateny nahay maromaro, tamin’ny 1911, mba haniraka azy ireny hanao lahateny tamin’ny tanàna nanodidina, sy hanao fivoriana tany amin’ny tranom-pokonolona. Nanao lahateny nizara enina izy ireo, raha nety. Nanontany ilay mpandahateny farany, rehefa vita ny lahateniny, hoe firy ny olona liana amin’ny fianarana Baiboly, ka ho afaka hiara-mivory tsy tapaka. Nisy lahateny 3 000 mahery toy izany natao nandritra ilay taona voalohany.

Naseho ho an’ny besinimaro koa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, nanomboka tamin’ny 1914. Tsy nandoavam-bola ny fijerena azy io. Nampiasa sarimihetsika sy sary tsy mihetsika hafa ireo rahalahy, nanomboka tamin’izay. Afaka nandre lahateny ara-baiboly tany an-tranony ny olona, nanomboka tamin’ireo taona 1920, satria nampiasa radio ny Fikambanana. Noraisim-peo koa ny lahatenin’i J. Rutherford, tamin’ireo taona 1930, ary nalefa tamin’ny fivoriana an’arivony.

Maro ireo mpandahateny nampiofanina tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, tamin’ny 1945. Nisy fandaharam-pivoriana ho an’ny besinimaro nalamina tamin’ny Janoary 1945. Nanome drafitra ho an’ny lahateny valo ny Fikambanana. Nisy taratasy fanasana na takelaka fampahafantarana. Nampiasaina ny toerana fivorian’ny fiangonana, nefa niezaka koa ireo rahalahy mba hanao fivoriana ho an’ny besinimaro tany amin’ny toerana tsy nisy fiangonana. Afaka nandray anjara ny rehetra teo anivon’ny fiangonana, ka nampahafantatra momba ireo fivoriana, nanatrika azy ireny, ary nandray tsara an’ireo vaovao sy namaly ny fanontaniany. Nisy 18 646 ireny fivoriana ho an’ny besinimaro ireny natao teto Etazonia, tamin’ilay taona voalohany nanaovana azy, ary 917 352 no nanatrika. Nisy 28 703 indray ireo fivoriana ho an’ny besinimaro eran’i Amerika, ny taona nanaraka an’io. Nisy 2 552 ny natao tany Kanada tamin’ny 1945, ary 4 645 tamin’ny 1946.

Anisan’ny fivoriana isan-kerinandro any amin’ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Lahateny izy io, ary asaina ny rehetra mba hijery ny andinin-teny vakina sy hazavaina mandritra izany. Tena fampianarana ara-panahy tsara izy ireny ho an’ny fiangonana sy ny vaovao.

Matetika no sady gaga no faly ny olona sambany vao manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny mpanao politika nalaza tany Zimbabwe, mba hijery ny zava-mitranga any. Olona tia herisetra izy, ary nanao fanahy iniana tsy nanala volom-bava sy tsy nibango volo, rehefa nankany. Noheveriny fa handroaka azy ny Vavolombelona. Tena niahy azy anefa izy ireo, ary nampirisika azy hanao fianarana Baiboly any an-tranony. Kristianina Vavolombelona manetry tena sy tia fihavanana izy izao.

Misy olona an-tapitrisany miteny toy izao, rehefa nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.”—1 Kor. 14:25.

Toerana mety ho an’ny fivoriana

Tany an-trano matetika no nanao fivoriana ny Kristianina tamin’ny andron’ny apostolin’i Jesosy Kristy. Afaka niteny tany amin’ny synagogan’ny Jiosy izy ireo indraindray. Tany amin’ny efitra malalaky ny sekoly iray ny apostoly Paoly no nanao lahateny nandritra ny roa taona, tany Efesosy. (Asa. 19:8-10; 1 Kor. 16:19; Filem. 1, 2) Tany an-tranon’olona koa no niara-nivory ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny faran’ny taonjato faha-19, sady nitory tany amin’ny trano fiangonana izy ireo indraindray, ary nampiasa efitrano nohofana. Novidin’izy ireo indraindray ny trano efa nampiasain’ny fivavahana hafa, ary nampiasainy tsy tapaka. Anisan’izany ny Tranolain’i Brooklyn sy ny Tranolain’i Londres.

Tsy te hampiasa trano be renty anaovana fivoriana mihitsy anefa izy ireo. Nisy fiangonana vitsivitsy nividy sy nanavao trano, ary ny sasany nanorina vaovao. Nampiasaina tsikelikely taorian’ny 1935 ny anarana hoe Efitrano Fanjakana, mba hanondroana ny trano fivorian’ny fiangonana. Matetika no trano tsara izany, nefa tsy be renty. Mety ho samihafa araka ny toerana ny endrik’ilay trano, fa iray ihany ny zava-kendreny.

Fandaharam-pianarana mitovy

Tsy nitovy ny fitomboana sy ny asan’ny fiangonana tamin’ny faran’ny taonjato faha-19 sy fiandohan’ny taonjato faha-20. Nitovy ny foto-pinoany, izay nampiavaka azy tamin’ny Kristianisma Anarana. Nisy tamin’ireo rahalahy nankasitraka tsara ny fomba amahanan’i Jehovah ny vahoakany, fa ny hafa kosa tia nanaraka olona nanan-kevitra manokana.

Nivavaka i Jesosy, talohan’ny nahafatesany, “mba ho iray” ny mpianany, izany hoe miray saina amin’Andriamanitra sy Kristy ary izy samy izy. (Jaona 17:20, 21) Tsy terena hisy izany firaisan-tsaina izany, fa ho vokatry ny fandaharam-pianarana mitovy, raisin’ireo manana fo vonon-kandray kosa. Izao no efa nolazaina momba izany: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13) Nila nahazo fahafahana handray soa avy amin’ny fampianarana mitohy avy amin’i Jehovah (amin’ny alalan’ny fitaovana fampitany hafatra) ireo te hahazo io fiadanana io.

Nampiasa Baiboly sy boky samihafa tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny taona maro, mba hanaovana fiaraha-midinika. Tena sakafo ara-panahy ‘tamin’ny fotoana nety’ izy ireny. (Matio 24:45) Nisy zavatra hafa tokony hianarana anefa, rehefa nodinihina ny Soratra Masina sy ny fitarihan’ny fanahy masina, ary nila nodiovina teo amin’ny lafiny ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah. (Mal. 3:1-3; Isaia 6:1-8) Maro koa ireo faminaniana tanteraka haingana, taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, ary hita tamin’izany fa nisy asa maika tokony hataon’ny Kristianina marina rehetra. Nomena tsy tapaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ireny fanazavana ara-potoana ireny.

Hitan’ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany fa tsy ny rehetra teo anivon’ny fiangonana no nandray soa tamin’ireny lahatsoratra ireny. Nanolo-kevitra tamin’ny foibe àry izy ireo mba hianarana Ny Tilikambo Fiambenana mandritra ny fivoriana isan-kerinandro. Naroso tany amin’ny fiangonana izany hevitra izany, ka nanjary nisy “Fanontaniana ho An’ny Berianina”, niaraka tamin’ireo lahatsoratra lehibe tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka ny nomeraon’ny 15 Mey 1922. Nianatra azy ireny indray mandeha na mihoatra isan-kerinandro ny ankamaroan’ny fiangonana, nefa niovaova ny habetsahan’ny zavatra nianarany tao anatin’izy ireny. Naharitra adiny roa na mahery ilay fianarana tany amin’ny fiangonana sasany, rehefa be resaka ilay mpitarika.

Nisolo ny fomba fiasa lanin’ny besinimaro anefa ny fandaminana tarihin’Andriamanitra, tamin’ireo taona 1930. Nanova be ny fiheverana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana g izany. Nasongadina kokoa ny fahatakarana izay zavatra voalazan’ilay fianarana avy amin’ny Fikambanana. Niala tsikelikely ireo nampiasa ny fivoriana mba hanaparitahana ny heviny, sady tsy nety nandray anjara tamin’ny fanompoana. Nampiana tamim-paharetana ireo rahalahy, ka voafetra ho adiny iray ilay fianarana. Maro kokoa àry no nandray anjara tamin’ny fivoriana, ary velombelona kokoa izy ireny. Niray saina tokoa ny fiangonana, noho ny sakafo ara-panahy mitovy azony, niorina tamin’ny Tenin’Andriamanitra, fitsipiky ny fahamarinana.

Navoaka tamin’ny fiteny 20 teo ho eo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1938, ka ny teny anglisy no nivoaka voalohany. Afaka volana vitsivitsy na herintaona mihitsy izy io vao nisy tamin’ny fiteny hafa, satria nilana fotoana ny fandikana sy fanaovana pirinty azy. Niova anefa ny fomba fanontam-pirinty tamin’ireo taona 1980, ka afaka niara-nivoaka tamin’ny fiteny maro Ny Tilikambo Fiambenana. Afaka nianatra zavatra mitovy ao anatin’ny fotoana mitovy ireo fiangonana nahazo an’ireo fiteny 66, tamin’ny 1992. Mandray sakafo ara-panahy mitovy isan-kerinandro àry ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitovy ny sakafo ara-panahy raisin’ny vahoakan’i Jehovah any Amerika Avaratra sy Atsimo, ampahany lehibe amin’i Eoropa sy Azia, toerana maro any Afrika, ary ny ankamaroan’ireo nosy eran-tany. Tena ‘tafaray tsara izy ireo ka miray saina sy miray hevitra.’—1 Kor. 1:10.

Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivoriany, rehefa jerena ny isan’ny mpanatrika. Nisy Vavolombelona 172 000 tany Italia tamin’ny 1989, nefa 220 458 no nanatrika fivoriana isan-kerinandro tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Milaza anefa ny masoivohon-gazety katolika iray fa ny 80 isan-jaton’ny Italianina no milaza ho Katolika, nefa ny 30 isan-jatony monja no mamonjy lamesa, ary tapatapaka koa aza ny sasany. Mitovitovy amin’izany koa ny any Brezila. Nilaza koa ny Fiangonam-pirenena tany Danemark tamin’ny 1989, fa mpivavaka ao aminy ny 89,7 isan-jaton’ny mponina, nefa ny 2 isan-jato monja no miangona isan-kerinandro! Ny 94,7 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany anefa no nanatrika fivoriana isan-kerinandro. Nanao fanadihadiana tany Alemaina ny Ivon-toeram-pikarohana Hevitra Allensbach, tamin’ny 1989, ka nilaza fa ny 5 isan-jaton’ny Loteranina sy 25 isan-jaton’ny Katolika no niangona tsy tapaka. Nihoatra ny isan’ny Vavolombelona anefa ny mpanatrika ny fivoriany isan-kerinandro.

Miezaka be matetika ireo mpanatrika fivoriana. Nandeha an-tongotra folo kilaometatra tsy tapaka ny vehivavy iray 70 taona tany Kenya, tamin’ireo taona 1980, ary niampita renirano, mba hanatrehana fivoriana. Nandeha adiny enina mandroso sy miverina ny Vavolombelona koreanina iray teto Etazonia, mba hanatrehana fivoriana tamin’ny fiteniny. Nandeha bisy izy tamin’izany, avy eo fiarandalamby sy sambo, ary nandeha an-tongotra. Nandany karama iray andro isan-kerinandro ny fianakaviana mahantra iray tany Suriname mba hatao saran-dalana hanatrehana fivoriana. Nandeha 50 kilaometatra tsy tapaka ny fianakaviana iray tany Arzantina, ary nandany ny ampahefatry ny vola niditra taminy, mba hanatrehana fivoriana fianarana Baiboly. Ampifandraisina an-telefaonina, na asaina mihaino kasety mirakitra an’ireo fivoriana, ny marary tsy afaka manatrika fivoriana.

Arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsara ilay torohevitry ny Baiboly mba tsy hanadino ny fiaraha-mivory hifampaherezana. (Heb. 10:24, 25) Tsy ny fivorian’ny fiangonana ihany anefa no atrehin’izy ireo. Anisan’ny misongadina mandritra ny taona koa ny fanatrehana fivoriambe.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nantsoina hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Berianina ireny fivoriana ireny tatỳ aoriana, ho fanahafana ny Berianina tamin’ny taonjato voalohany. Noderaina izy ireo, satria “nandinika tsara ny Soratra Masina.”—Asa. 17:11.

b Nantsoina hoe Fivoriam-bavaka sy Fiderana ary Fijoroana ho Vavolombelona ireny fivoriana ireny indraindray. Zava-dehibe ny vavaka, ka nampirisihina ny fiangonana mba hanokana fivoriana isan-telo volana mba hivavahana sy hihirana fotsiny, fa tsy hasiana fitantarana.

c Nohavaozina sy nampitomboina be ireo fanampiana ho an’ny Fianaran’ny Berianina, tamin’ny 1907. Nisy 300 pejy fanampiny natao pirinty tamin’ny 1908.

d Indraindray ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy dia resahina ho ilay nifanitsy tamin’ny Paska. Oharina amin’ny zanak’ondrin’ny Paska i Jesosy Kristy, ka izany no iantsoana azy hoe “zanak’ondrin’ny Paska”, ao amin’ny 1 Korintianina 5:7. Nantsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo koa izy io, araka ny 1 Korintianina 11:20. Nantsoina hoe “Sakafo Hariva Isan-taona” izy io indraindray, mba hanamafisana hoe isan-taona ilay fahatsiarovana.

e Ampitahao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Martsa 1891, pejy 33-34; 15 Martsa 1907, pejy 88; 1 Febroary 1935, pejy 46; ary 1 Febroary 1948, pejy 41-43.

f Efa navoaka talohan’ny 1900 ilay taratasy hoe Soso-kevitra ho An’ny Mpisava Lalana (anglisy). Navoaka nanomboka tamin’ny 1919 kosa ny Gazety mba hampirisihana ny Mpianatra ny Baiboly hizara ny Fotoam-pahasambarana aloha, ary handray anjara amin’ny lafiny maro amin’ny fitoriana avy eo.

g Novana ho Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy ilay hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy, ny 1 Janoary 1909.

[Teny notsongaina, pejy 237]

Fivoriana andraisan’ny tsirairay anjara

[Teny notsongaina, pejy 238]

Tsy hevitra mameno saina fotsiny, fa teny mahafaly ny fo

[Teny notsongaina, pejy 246]

Ampirisihina hanatrika fivoriana ny mpianakavy rehetra

[Teny notsongaina, pejy 252]

Fampitoviana ny sakafo ara-panahy raisina

[Teny notsongaina, pejy 253]

Zava-dehibe amin’ny Vavolombelona ny fivoriany

[Efajoro/Sary, pejy 239]

Fiangonana Voalohany

Nisy antokona Mpianatra ny Baiboly 1 200 eran-tany, tamin’ny 1916

Durban, Afrika Atsimo, 1915 (ambony havanana); Guyana, 1915 (afovoany havanana); Trondheim, Norvezy, 1915 (ambany havanana); Hamilton, Kanada, 1912 (ambany); Ceylan (Sri Lanka), 1915 (ambany havia); Inde, 1915 (ambony havia)

[Efajoro/Sary, pejy 240, 241]

Fiderana An’i Jehovah Amin’ny Hira

Nampiasa hira ny Israelita fahiny sy Jesosy, teo amin’ny fivavahany, ary manao izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Neh. 12:46; Marka 14:26) Fiderana an’i Jehovah sy fankasitrahana ny asany ny hira, sady mandentika ny fahamarinana ara-baiboly ao an-tsaina sy ao am-po.

Maro ireo boky fihirana efa nampiasain’ny Vavolombelona. Nohavaozina hifanaraka tamin’ny fahatakarana ny Tenin’Andriamanitra ny tonon-kira.

1879: “Hiran’ny Ampakarina”

(Nisy hira 144 mampiseho ny faniriana sy fanantenan’ny ampakarin’i Kristy)

1890: “Tononkalo sy Hiran’ny Fiandohan’ny Arivo Taona”

(Nisy tononkalo 151 sy hira 333, tsy nisy mozika. Asana mpanoratra malaza ny ankamaroany)

1896: Natokana ho an’ny “Hiram-pifalian’ny Marainan’i Ziona” ny “Tilikambo Fiambenana” 1 Febroary

(Nisy hira 11 nisy mozika; tonon-kira nosoratan’ny Mpianatra ny Baiboly)

1900: “Hiram-pifalian’i Ziona”

(Nisy hira 82, ka Mpianatra ny Baiboly iray no nanoratra ny ankamaroany, ho fanampin’ny hira teo aloha)

1905: “Hiran’ny Fiandohan’ny Arivo Taona”

(Ireo hira 333 navoaka tamin’ny 1890, fa nisy mozika)

1925: “Hiran’ilay Fanjakana”

(Nisy hira 80 nisy mozika, natao indrindra ho an’ny ankizy)

1928: “Hira Fiderana An’i Jehovah”

(Nisy hira 337, tranainy sy vaovao nosoratan’ny Mpianatra ny Baiboly. Niezahana nesorina tao amin’ny tonony ny fampianaran’ny fivavahan-diso sy ny fanindrahindrana olona)

1944: “Fihirana Momba ny Fanompoana Ilay Fanjakana”

(Nisy hira 62. Nampifanarahina tamin’ny zavatra nilain’ny fanompoana ilay Fanjakana tamin’izany. Tsy nolazaina ny mpanoratra sy mpamorona)

1950: “Hira ho Fiderana An’i Jehovah”

(Nisy hira 91. Nisy foto-kevitra vaovao kokoa, sady tsy nisy teny tranainy intsony. Nadika tamin’ny fiteny 18)

1966: “Mihira sy Mikalo ao Am-ponareo”

(Nisy hira 119 mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana sy fanompoan’ny Kristianina. Nesorina izay feony avy amin’olona tsy Vavolombelona na avy amin’ny fivavahan-diso. Noraisim-peo ny mozikan’ilay fihirana manontolo, ary nampiasaina mba hihirana tany am-pivorian’ny fiangonana. Noraisim-peo koa ny hira sasany. Natao nanomboka tamin’ny 1980 ny fandraisam-peo an’ireo “Feon-kiran’ilay Fanjakana”, mba hahafahan’ny tsirairay hankafy mozika tsara any an-tranony)

1984: “Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah”

(Misy hira 225, misy tonony sy feony noforonin’ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena avy amin’ny tany samihafa. Nisy diska sy kasety novokarina mba hampiasaina rehefa nihira)

Nanao hira fiderana ny Mpianatra ny Baiboly nandritra ireo Fivoriana An-trano taloha. Nanjary fanao tamin’ny fivoriambeny koa ny hira. Nisy nihira talohan’ny sakafo maraina, nandritra ny fotoam-pivavahana maraina. Nanao izany ny mpianakavin’ny Tranon’ny Baiboly. Tsy nihira intsony ny ankamaroan’ny fiangonana tamin’ny 1938, nefa naverina indray izany tamin’ny 1944, ary mbola anisan’ny lafiny mampiavaka ny fivorian’ny fiangonana sy fivoriamben’ny Vavolombelona ankehitriny.

[Sary]

Karl Klein, nitarika orkesitry ny fivoriambe, 1947

[Tabilao, pejy 242]

(Jereo ny boky)

Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

Vavolombelona Nitory

Mpanatrika

11 000 000

10 000 000

9 000 000

8 000 000

7 000 000

6 000 000

5 000 000

4 000 000

3 000 000

2 000 000

1 000 000

1935 1945 1955 1965 1975 1985 1992

[Sary, pejy 243]

Nankalaza ny Fahatsiarovana foana i Harold King, na dia natokan-toerana tany amin’ny fonja sinoa aza

[Sary, pejy 244]

Kilasy fianarana Baiboly ho an’ny tanora tany Alemaina, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1930

[Sary, pejy 244]

Nanao pirinty an’ity gazety ity (eo ambany) ny tanora tany Soisa tany antenatenan’ireo taona 1930, ary nilalao tantara ara-baiboly (ambany afovoany), ka maro no nijery

[Sary, pejy 247]

“Gazety” (1919-1935), “Mpitari-dalana” (1935-1936), “Mpilaza Vaovao” (1936-1956), ary “Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana” misy amin’ny fiteny 100 izao: samy nanome toromarika tsy tapaka momba ny fanompoana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 248]

Manampy ny Vavolombelona hanatsara ny fanompoana ny fampisehoana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana (Soeda)

[Sary, pejy 249]

Mizatra manao lahateny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ilay tanora Vavolombelona any Kenya, ka manao izany eo anatrehan’ny rainy

[Sary, pejy 250]

Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 66 ny gazety fianarana ho an’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992, ary maro ny fiteny mbola manampy izany