Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

Toko 18

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

NY FOTO-KEVITRY ny Baiboly dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Nampianarin’i Jesosy ny mpianany mba hikatsaka hatrany an’ilay Fanjakana aloha. Nahoana?

Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana matetika fa Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah, satria izy no Mpamorona. Mendrika ny hohajain’ny zavaboariny izy. (Apok. 4:11) Nanao ny tenany ho Satana Devoly anefa ny anjely iray zanak’Andriamanitra, teo am-piandohan’ny olombelona, ka nilaza fa tsy manan-jo ho mpitondra i Jehovah. (Gen. 3:1-5) Nilaza koa i Satana fa ratsy ny antony anompoan’ny olona an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4, 5; Apok. 12:10) Rava teo ny filaminan’izao rehetra izao.

Efa am-polony taona izao ny bokin’ny Fikambanana no nanazava hoe nanao fandaharana handaminana ireo raharaha ireo i Jehovah, mba hanasongadinany ny heriny fara tampony sy ny haben’ny fahendreny sy ny rariny ary ny fitiavany. Fototr’io fandaharana io ny Fanjakan’ny Mesiany, izay hanome fahafahana ny olona hianatra ny fahamarinana. Io koa no handringana ny ratsy fanahy, hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra, ary hanatanteraka ny fikasany hanao ny tany ho paradisa, honenan’ny olona tena tia azy sy mifankatia, ary hahazo fiainana lavorary.

Tena zava-dehibe ilay Fanjakana, ka hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Matio 6:10, 33) Tena miezaka mafy manaraka io torohevitra io ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

Mahafoy ny zava-drehetra noho ilay Fanjakana

Efa ela ny Mpianatra ny Baiboly no nandinika ny dikan’ny hoe mikatsaka ilay Fanjakana aloha. Noresahin’izy ireo ny fanoharan’i Jesosy, izay mampitaha azy io amin’ny vatosoa tena lafo vidy, ka nisy lehilahy iray “lasa nivarotra avy hatrany izay rehetra nananany ka nividy ilay vatosoa.” (Matio 13:45, 46) Noeritreretin’izy ireo ny dikan’ny torohevitr’i Jesosy tamin’ilay tovolahy nanan-karena, hoe tokony hivarotra ny fananany rehetra izy, ary hizara amin’ny mahantra, ka hanaraka azy. (Marka 10:17-30) a Takatr’izy ireo fa tsy maintsy ataony loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho faly izy ireo hampiasa ny fiainany sy ny fahaizany ary ny fananany mba hanompoana azy io, raha tiany ny ho mendrika an’io Fanjakana io. Any aorian’izy io ny zavatra hafa rehetra.

Nandray am-po izany torohevitra izany i Charles Russell. Namidiny ny fivarotany akanjon-dehilahy na dia nahazoam-bola be aza, ary nahenany tsikelikely ny fitadiavany vola. Nampiasainy avy eo ny fananany rehetra mba hanampiana ny olona hahalala an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Matio 6:19-21.) Tsy taona vitsivitsy monja no nanaovany izany, fa nampiasainy mandra-pahafatiny kosa ny fananany rehetra, dia ny fahaizany sy ny heriny ary ny volany, mba hampianarana momba ilay Fanjakan’ny Mesia. Hoy i J. Rutherford, mpiara-miasa tamin’i Russell, tamin’ny fandevenana an’i Russell: “Tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy, tsy nivadika tamin’i Kristy, ary tsy nivadika tamin’ilay Fanjakan’ny Mesia.”

Nisy lahatsoratra hoe “Mitady Mpitory 1 000”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Aprily 1881 (mbola an-jatony monja ireo nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly). Nasaina tamin’izany ny lehilahy sy vehivavy tsy nanana olona novelomina, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nanontany toy izao Ny Tilikambo Fiambenana, araka ireo teny ao amin’ny Matio 20:1-16: “Iza no tena maniry hiasa ny Tanimboaloboka, ary nivavaka mba hanokafan’ny Tompo ny lalana”? Nasaina nanao fangatahana ireo afaka nanokana ho an’ny Tompo, na dia ny ampahan’ny fotoanany ihany aza. Nampian’ny Zion’s Watch Tower Tract Society izy ireo, teo amin’ny saran-dalana, sakafo, fitafiana, ary filasiana, ka nomeny boky ara-baiboly. Nolazainy ny fanomezana kely azo nangatahina avy amin’ireo boky, ka nasainy naka ampahany tamin’io fanomezana io ireo mpisava lalana. Iza no nanaiky ilay fanasana ka nanao ilay asa?

Nisy 300 izy ireo, tamin’ny 1885, ary tamin’ny 1914 vao nihoatra ny 1 000. Tsy mora ilay asa. Nitory tany amin’ny tanàna kely efatra ny mpisava lalana iray, ary olona telo na efatra monja no liana. Hoy izy: “Tena nahatsapa ho nanirery aho, satria nandeha lavitra be sy nihaona tamin’olona maro, nefa vitsy no liana tamin’ny fandaharan’Andriamanitra sy ny Fiangonany. Mivavaha ho ahy, mba tsy hatahotra aho, sady hahay hiresaka ny fahamarinana, ary tsy ho reraka.”

Nazoto nanolo-tena izy ireo

Tena nisava lalana tokoa ireo mpisava lalana. Nalehany ny faritra tsy nisy mpandeha indrindra, ary mbola ratsy ny ankamaroan’ny fitaterana, sady lalan-tsarety no mba lalana. Anisan’ny nanao izany ny Anabavy Early, tany Nouvelle-Zélande. Talohan’ny Ady Lehibe I izy no nanomboka, ary nanompo manontolo andro nandritra ny 34 taona, mandra-pahafatiny tamin’ny 1943. Noteteziny tamin’ny bisikileta i Nouvelle-Zélande. Voan’ny aretin’ny vanin-taolana izy tatỳ aoriana, ka tsy afaka nitaingina bisikileta, nefa mbola nitehenany sy nitondrany boky ihany ilay bisikileta, rehefa nitety ny tanànan’i Christchurch izy. Afaka niakatra tohatra izy, nefa tsy maintsy nandeha nihemotra, rehefa nidina. Nanompo an’i Jehovah foana anefa izy, raha mbola nanana hery kely.

Tsy ny fatokisan-tena no nahatonga azy ireny hanao io asa io. Tena saro-kenatra ny sasany, nefa tia an’i Jehovah. Nangatahin’ny anabavy iray ny Mpianatra ny Baiboly tsirairay teo an-tanànany mba hivavaka ho azy, rehefa hitory tamin’ny faritany be toeram-piasana izy. Tena nafana fo tamin’io asa io izy, tatỳ aoriana, rehefa zatra kokoa.

Niresaka tamin’ny Rahalahy Russell ny Anabavy Malinda Keefer, tamin’ny 1907, fa tokony hahazo fahalalana bebe kokoa izy aloha, vao hanomboka ny fanompoana manontolo andro. Vao herintaona talohan’io mantsy izy no namaky ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly. Hoy anefa ny Rahalahy Russell: “Tsy hanomboka mihitsy ianao, raha miandry ny hahay tsara. Eo am-panaovana azy ianao, no mianatra.” Nanomboka avy hatrany tany Ohio, Etazonia, àry izy. Matetika izy no nitadidy ny Salamo 110:3, manao hoe: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena.” Nanohy izany hatrany izy, nandritra ny 76 taona nanaraka. b Mpitovo izy tamin’ny voalohany, ary nanambady nandritra ny 15 taona. Maty ny vadiny avy eo, nefa mbola nanohy ihany izy, noho ny fanampian’i Jehovah. Hoy izy: “Faly tokoa aho satria nanolo-tena ho mpisava lalana, tamin’izaho mbola tovovavy, sady nikatsaka an’ilay Fanjakana hatrany aloha!”

Nisy fotoam-pivoriana manokana ho an’ny mpisava lalana matetika, nandritra ireo fivoriambe voalohany. Novaliana ny fanontanian’izy ireo, ary nampiofanina ireo vaovao, sady nomena fampaherezana.

Nihamaro ny mpanompon’i Jehovah tena nankasitraka an’ilay Fanjakana, ka nampifantoka ny fiainany tamin’izy io, nanomboka tamin’ny 1919. Nisy afaka niala tamin’ny asany mba hifantohana tanteraka tamin’ny fanompoana.

Fikarakarana izay ilaina ara-batana

Ahoana no nikarakarany izay nilainy ara-batana? Hoy i Anna Petersen (Rømer tatỳ aoriana), mpanompo manontolo andro tany Danemark: “Ny boky voapetrakay no nahazoanay ny zavatra nilainay isan’andro, sady tsy betsaka ny zavatra nilainay. Nisy foana ny fomba nahazoana ilay zavatra nilaina, raha lehibe ilay izy. Nomen’ny rahavavy akanjo izahay, ary azonay nanaovana avy hatrany izany, ka nitafy tsara izahay. Nanao asa birao koa aho, nandritra ny volana vitsivitsy tamin’ny ririnina. ... Nohararaotiko koa ny varo-boba, mba hividianana indray mandeha ny fitafiana nilaina ho an’ny taona. Nandeha tsara ny fiainanay, ary azonay foana izay zavatra tena nilainay.” Tsy ny zavatra ara-batana no tena lehibe tamin’izy ireo. Toy ny afo nirehitra tao anatiny ny fitiavany an’i Jehovah sy ny lalany, ka tsy maintsy navoakany.

Nanofa trano tsotsotra kely izy ireo indraindray, rehefa nitory teo amin’ny tanàna iray. Nisy nampiasa tranofiara tena tsotra, natao hatoriana sy hisakafoanana fotsiny. Nisy natory tao anaty tranolay, rehefa nifindrafindra toerana. Nandamina “tobin’ny mpisava lalana” ny rahalahy tany amin’ny toerana sasany. Nanome trano ny Vavolombelona teo amin’ilay toerana, ary nisy olona iray notendrena hiandraikitra azy io. Afaka nampiasa an’ilay trano ireo mpisava lalana nanompo teo amin’ilay toerana, ary samy nandray anjara tamin’ny fandaniana.

Tsy navelan’ny mpisava lalana tsy hahazo boky ara-baiboly ny olona toy ny ondry, na dia tsy nanam-bola aza. Matetika no natakalony tamin’ny bokiny ny ovy, dibera, atody, voankazo, akoho, savony, na zavatra hafa. Tsy lasa mpanankarena izy ireo, fa izany no nanampiany ny olona tso-po handray ny hafatra momba ilay Fanjakana, sady nahazoany ny zavatra nilaina teo amin’ny fiainany, mba hahafahany hanohy ny fanompoany. Ninoan’izy ireo ny tenin’i Jesosy hoe ho azony ny sakafo sy fitafiany, raha ‘katsahiny hatrany aloha ilay fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra.’—Matio 6:33.

Vonona hanompo any amin’izay ilana azy

Nandeha tany amin’ny faritany sy firenena hafa mihitsy ireo mpanompo manontolo andro, noho ny faniriany hanao ilay asa nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. Efa nanompo manontolo andro nandritra ny folo taona i Frank Rice, tamin’ny 1931, rehefa nasaina handao an’i Aostralia, mba hanokatra ny fitoriana tany Java (any Indonezia ankehitriny). Hafa anefa ny fomba sy ny fiteny tany. Afaka niteny anglisy izy, rehefa nitory tany amin’ny fivarotana sy birao. Te hitory tamin’olon-kafa koa anefa izy, ka niezaka mafy hianatra teny holandey. Ampy mba hitoriana isan-trano ny fahaizany, rehefa afaka telo volana. Nianatra teny malezianina izy avy eo.

Vao 26 taona i Frank rehefa nandeha tany Java, ary niasa irery izy, nandritra ny enin-taona tany sy tany Sumatra. (Tonga mba hanampy azy i Clem Deschamp sy Bill Hunter, avy any Aostralia, tamin’ny faran’ny 1931. Nitory tany afovoan-tany izy mirahalahy, fa i Frank kosa tany an-drenivohitr’i Java sy ny manodidina. Nisaraka koa anefa i Clem sy Bill tatỳ aoriana, satria samy nanana ny faritaniny.) Tsy nisy fivorian’ny fiangonana azon’i Frank natrehina. Nahatsiaro ho irery izy indraindray, ary tsy indray mandeha no nieritreritra ny hody tany Aostralia. Tsy niala anefa izy. Inona no nanatanjaka azy? Ny sakafo ara-panahy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nifindra tany Indochine izy tamin’ny 1937, ary saika maty tany, tamin’ilay korontana taorian’ny Ady Lehibe II. Mbola vonona toy izany foana izy tamin’ireo taona 1970, rehefa nanoratra momba ny fifaliany. Nanompo an’i Jehovah mantsy ny fianakaviany manontolo, ary niomana ny hifindra tany amin’ny faritany nila mpitory maro kokoa indray izy mivady.

‘Matoky an’i Jehovah amin’ny fo manontolo’

Tapa-kevitra ny ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fony manontolo, fa tsy hiankina amin’ny fahalalany’ i Claude Goodman, ka naleony nanao ny asan’ny mpisava lalana, toy izay ny asa nahazoam-bola be. (Ohab. 3:5, 6) Mpisava lalana tany Angletera nandritra ny herintaona mahery izy sy Ronald Tippin, izay nanampy azy hahafantatra ny fahamarinana. Nandeha nifindra tany Inde izy ireo, tamin’ny 1929. c Tena sarotra izany!

Ireto avy ny fomba nandehanany: Nandeha an-tongotra, fiarandalamby, bisy, fiarandalamby mpitondra entana, sarety, rameva, lakana kely, posiposy, ary fiaramanidina sy fiarandalamby an’olona. Namelatra fandriana kely tany amin’ny gara izy ireo indraindray, na tany an-tranon’omby, teny ambony bozaka, tany an-tranon’akoho, nefa koa nety ho natory tany amin’ny hotely na lapan’andriana. Nianatra nianina toy ny apostoly Paoly izy ireo, na kely na be nananany. (Fil. 4:12, 13) Tsy nanana zava-tsarobidy izy ireo matetika, nefa nahazo izay tena nilainy foana. Hitan’izy ireo mihitsy ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jesosy hoe hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana izy ireo, raha mikatsaka ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha.

Namely mafy ny aretina dengue sy tazo ary tefoedra, nefa nanampy azy ireo ny Vavolombelona namana. Tsy maintsy nanompo teo anivon’ny tanàna maloto toa an’i Calcutta izy ireo, ary tsy maintsy nitory tany amin’ny toeram-pambolena dite tany an-tendrombohitr’i Ceylan (Sri Lanka ankehitriny). Nanolotra boky izy ireo, nandefa diska tamin’ny fitenin’ny olona, ary nanao lahateny, mba hampianarana ny olona momba an’Andriamanitra. Nandroso ilay asa, ka tsy maintsy nianaran’i Claude koa ny fomba fampiasa fanontam-pirinty sy fikarakarana biraon’ny sampan’ny Fikambanana.

Mbola tsaroan’i Claude Goodman, tamin’izy 87 taona, fa hafa ny fiainany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah tany Angletera, Inde, Pakistan, Ceylan, Birmania (Myanmar ankehitriny), Malezia, Tailandy, ary Aostralia. Voalohany teo amin’ny fiainany foana ilay Fanjakana, na tamin’izy mpitovo, na rehefa nanambady aman-janaka izy. Nanomboka ny fanompoana manontolo andro izy, roa taona latsaka taorian’ny batisany, ary nihevitra azy io ho anton’asa teo amin’ny fiainany.

Lavorary ao amin’ny fahalemena ny herin’Andriamanitra

Anisan’ny Vavolombelona be zotom-po koa i Ben Brickell. Toy ny an’ny olona rehetra ihany ny zavatra nilainy sy ny fahalemeny. Niavaka ny finoany. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tany Nouvelle-Zélande izy, tamin’ny 1930, ary nitory tany amin’ny toerana tsy nitoriana efa ela be. Nandeha tany an-tany efitra tany Aostralia izy, roa taona taorian’izay, mba hitoriana tany amin’ny toerana mbola tsy nisy nitory mihitsy. Nivesatra bodofotsy, fitafiana, sakafo, ary boky, ny bisikiletany. Nisy olona maty teo am-pitetezana an’io tany efitra io, nefa nandeha ihany izy, ary nitoky tamin’i Jehovah. Nanompo tany Malezia izy avy eo, ary nanomboka tratran’ny aretim-po lehibe. Tsy nitsoaka an-daharana anefa izy. Nanohy ny fanompoana manontolo andro tany Aostralia indray izy, rehefa sitrana. Narary mafy izy, ka niditra hopitaly, folo taona taorian’io, ary nilazan’ny dokotera hoe: “Efa naman’ny tsy afaka miasa intsony ianao.” Tsy maintsy naka aina matetika izy, na dia handeha hiantsena kely tsy lavitra akory aza.

Tapa-kevitra ny handeha indray anefa i Ben Brickell, ka tsy naka aina izy raha tsy tena nila izany. Tsy ela izy dia nandeha nitory tany ambanivohitra ratsy lalana tany Aostralia. Nataony izay hikarakarana ny fahasalamany, nefa ny fanompoany an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminy, mandra-pahafatiny 30 taona taorian’izay, tamin’izy 60 taona mahery. d Takany fa ny herin’i Jehovah no nameno ny fahabangana nateraky ny fahalemeny. Tao amin’ny biraon’ny mpisava lalana izy tamin’ny fivoriambe iray tany Melbourne tamin’ny 1969, ary nisy karatra lehibe napetany tamin’ny akanjony hoe: “Anontanio aho, raha te hahafantatra momba ny asan’ny mpisava lalana ianao.”—Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 12:7-10.

Hatrany anaty ala sy toby fitrandrahana any an-tendrombohitra

Tsy ny lehilahy ihany, fa ny vehivavy koa, no nazoto ho an’i Jehovah, ka nitory tany amin’ny faritany mbola tsy nisy nitory. Anisan’ny voahosotra ny Anabavy Freida Johnson, somary fohifohy, ary 50 taona eo ho eo, tamin’izy niasa irery tany Amerika Afovoany. Nitaingin-tsoavaly izy, rehefa nitety ny morontsiraka avaratr’i Honduras. Nitaky finoana ny niasa irery tany amin’ireo toeram-pambolena akondro, tanànan’i La Ceiba, Tela, ary Trujillo, ary hatrany amin’ireo tanàna mitokan’ny Karaiba. Nitory tany izy tamin’ny 1930, 1931, 1934, 1940, ary 1941, sady nametraka boky aman-gazety ara-baiboly an’arivony.

Nisy mpitory mazoto hafa koa nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’izany, dia ny Anabavy Kathe Palm, teraka tany Alemaina. Nampirisika azy ilay fivoriambe tany Columbus, Ohio, tamin’ny 1931, izay nandraisan’ny Mpianatra ny Baiboly ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hikatsaka ilay Fanjakana aloha izy tamin’izay, ary mbola nanao izany ihany tamin’ny 1992, teo amin’ny faha-89 taonany.

Teto New York izy no nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Tany Dakota Atsimo izy avy eo, ary nandritra ny volana vitsy ihany no nanana namana, fa nandeha irery nitaingin-tsoavaly kosa, taorian’izay. Nasaina hanompo tany Kolombia, any Amerika Atsimo izy, taorian’izay. Nekeny avy hatrany ilay fanasana, ka tonga tany izy tamin’ny faran’ny 1934. Vetivety koa izy no nanana namana, fa nandeha irery avy eo. Tsy nahatonga azy hitsoaka an-daharana anefa izany.

Nisy mpivady nanasa azy hiaraka taminy tany Silia. Faritany malalaka be izy io, satria mirefy 4 200 kilaometatra mahery, manaraka ny morontsiraka andrefan’i Amerika Atsimo. Nitory tany amin’ny birao tany an-drenivohitra aloha izy, ary nankany amin’ny farany avaratra, avy eo. Nitory isan-trano izy tany amin’ny toby fitrandrahana sy tanàna rehetra na kely na lehibe. Gaga ny mpiasa tany an-tendrombohitra Andes nahita vehivavy nandeha irery nitsidika azy ireo, nefa tapa-kevitra ny hitory tamin’ny rehetra tany amin’ilay toerana. Nifindra tany atsimo izy avy eo. Any no betsaka toeram-piompiana ondry, ary ao anatin’ny velaran-tany 100 000 hektara ny sasany. Tena sariaka sy tia nandray vahiny ny olona, ka nandroso sakafo ho azy. Izany sy ny fomba hafa koa no nanomezan’i Jehovah ny zavatra nilainy.

Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no nameno ny fiainany. e Hoy izy, rehefa nieritreritra ireo taona nanompoany: “Tena feno ny fiainako. Faly sy afa-po aho isan-taona, rehefa manatrika fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah, ka mahita olona maro nampianariko Baiboly, efa mitory ny vaovao tsara sy manampy olon-kafa hanatona ilay ranon’aina.” Faly izy, satria 50 monja ny mpitory tany Silia fahiny, fa 44 000 mahery kosa ankehitriny.

“Inty aho, iraho aho”

Natao batisa i Martin Poetzinger, tany Alemaina, rehefa avy nandre lahateny niorina tamin’ilay fanasan’i Jehovah hanompo, ao amin’ny Isaia 6:8, sy ny valin-tenin’ilay mpaminany hoe: “Inty aho, iraho aho.” Nanomboka ny fanompoana manontolo andro tany Bavière izy, roa taona taorian’izay (1930). f Tsy ela dia noraran’ny manam-pahefana tany ny fitorian’ny Vavolombelona, nakatona ny toeram-pivoriana, ary nalaina ireo boky. Nandrahona koa ny Gestapo. Tsy nifarana tamin’ireny fisehoan-javatra tamin’ny 1933 ireny anefa ny fanompoan’ny Rahalahy Poetzinger.

Nasaina hanompo tany Boligaria izy avy eo. Nampiasaina mba hametrahana boky ara-baiboly ny karatra fitoriana, nefa maro no tsy nahay namaky teny. Nianaran’ny Rahalahy Poetzinger àry ny fitenin’izy ireo, izay mampiasa abidy sirilika. Ny ankizy matetika no namaky ho an’ny ray aman-dreny, rehefa nisy boky napetraka tamin’ny fianakaviana.

Irery ny Rahalahy Poetzinger matetika, tamin’ilay taona voalohany, ka hoy izy: “Izaho ihany no nanao lahateny sy nivavaka ary namarana ny fivoriana, tamin’ny Fahatsiarovana.” Noroahina ny vahiny, tamin’ny 1934, ka lasa tany Hongria izy. Tsy maintsy nianatra fiteny vaovao indray izy, mba hitoriana ny vaovao tsara. Nankany Tsekoslovakia sy Iogoslavia izy avy eo.

Maro ny zavatra nahafaly niainany: nahita olona tia fahamarinana, tamin’izy nandeha tany ambanivohitra sady nibaby boky; nahita ny fiahian’i Jehovah, rehefa nisy olona tsara fanahy nanome sakafo sy fandriana mihitsy; niresaka hatramin’ny alina be tamin’ireo tonga tao amin’ny toerana nilasiany mba hanontany momba ilay Fanjakana.

Maro koa anefa ny fitsapana. Narary be izy, nefa tsy tany an-tanindrazany, sady tsy nanam-bola. Tsy nisy dokotera te hitsabo azy. Nampian’i Jehovah anefa izy, satria nisy dokotera mpanolo-tsain’ny hopitaly niresahana ihany tamin’ny farany. Tena nino ny Baiboly izy io, ka nikarakara maimaim-poana ny Rahalahy Poetzinger toy ny zanany. Tena tian’ilay dokotera ny fahafoizan-tenan’ilay tovolahy, izay hitany tamin’ny asany, ka nandray fanomezana bokin’ny Fikambanana izy.

Nisy fitsapana lehibe hafa, efa-bolana taorian’ny mariaziny. Nosamborina tamin’ny Desambra 1936 ny Rahalahy Poetzinger, ary nogadraina tany amin’ny toby fitanana samihafa, fa ny vadiny kosa nogadraina tany amin’ny toby fitanana hafa. Tsy nifankahita nandritra ny sivy taona izy mivady. Tsy nosakanan’i Jehovah izany fanenjehana tsy misy antra izany, nefa nohatanjahiny mba hiaritra izany i Martin sy Gertrud vadiny, sy ny an’arivony hafa.

Mpiandraikitra mpitety faritany tany Alemaina, nandritra ny taona maro, ny Rahalahy Poetzinger, rehefa nafahana izy mivady. Teo izy tamin’ilay fivoriambe taorian’ny ady, natao teo amin’ny toerana fanaovana matso ho an’i Hitler taloha, tany Nuremberg. Mpanohana ny Fanjakan’Andriamanitra kosa no nameno an’ilay kianja tamin’izay. Natrehiny koa ireo fivoriambe tsy hay hadinoina tao amin’ny Yankee Stadium, New York. Nankafiziny ny fampiofanana tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1977. Izao no azo amintinana ny fomba fijeriny, mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany tamin’ny 1988: ‘Iray ihany ny zavatra ataoko, dia ny mikatsaka ilay Fanjakana aloha.’

Fianarana ny tena dikan’izany

Tsy vaovao eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahafoizan-tena. Efa niresaka mazava momba ny fanokanan-tena (na fanoloran-tena) ny boky voalohany tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona (natao pirinty tamin’ny 1886). Nohazavainy, araka ny Soratra Masina, fa “manokana” ny zava-drehetra ho an’Andriamanitra ny Kristianina, anisan’izany ny fahaizany, ny fananany, ary ny ainy mihitsy aza. Miandraikitra an’izay zavatra ‘natokana’ ho an’Andriamanitra àry izy ireo, ka tsy maintsy ampamoahin’Andriamanitra, fa tsy ny olona.

Nihamaro hatrany ny Mpianatra ny Baiboly nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra. Nampiasainy tamin’ny fomba feno ny fahaizany sy fananany ary heriny, mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Nisy kosa ireo nihevitra fa ny niezaka hanana izay nantsoiny hoe toetra kristianina no zava-dehibe indrindra, mba hahafahany hiara-manjaka amin’i Kristy.

Nohamafisina, taorian’ny Ady Lehibe I, ny andraikitry ny tena Kristianina tsirairay hitory ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia efa nilaza izany matetika aza ny Rahalahy Russell. Niavaka tamin’izany ilay lahatsoratra hoe “Toetra sa Fifanekena?”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Mey 1926. Noresahiny mazava ny voka-dratsin’izay antsoina hoe fampitomboana toetra, ary nasongadiny fa zava-dehibe ny asa mba hanatontosana ny adidy amin’Andriamanitra.

Efa nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1920 ny faminanian’i Jesosy momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Matio 24:3) Noresahiny tsara ny fitoriana tsy maintsy atao, ho fanatanterahana ny Matio 24:14, ary nolazainy toy izao ilay hafatra tsy maintsy torina: “Ny vaovao tsara resahiny eo dia mahakasika ny faran’ilay rafitra tranainy sy fiorenan’ny fanjakan’ny Mesia.” Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana, niorina tamin’ny tenin’i Jesosy momba ilay famantarana, fa tsy maintsy atao “io asa io, eo anelanelan’ny ady lehibe [Ady Lehibe I] sy ny ‘fahoriana lehibe’ nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:21, 22.” Asa maika ilay izy. Iza no hanao azy io?

Andraikitr’ireo anisan’ilay tena “fiangonana” kristianina, io asa io. Nilaza anefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aogositra 1932 fa tokony hampirisihin’izy ireo “ny Jonadaba” mba hiara-manao ilay asa aminy, araka ny Apokalypsy 22:17. Nanao izany ireo Jonadaba (nanantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany paradisa), ary maro taminy no tena nazoto.

Nantitranterina mafy toy izao ny maha zava-dehibe ilay asa, araka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1921: “Tena ilaina tsotra izao ny manao io asan’ny Tompo io, sahala amin’ny manatrika fivoriana.” Nilaza koa io gazety io tamin’ny 1922 fa “tsy maintsy mpitory ny filazantsara ny tsirairay.” Nolazainy tamin’ny 1949, fa “nataon’i Jehovah ho asa lehibe indrindra azontsika atao eo amin’izao tontolo izao ny fitoriana.” Noresahina matetika ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 9:16, manao hoe: “Tsy maintsy manao izany aho. Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” Nampiharina tamin’ny Vavolombelona tsirairay io andininy io.

Firy no nitory? Betsaka ve no vitany? Nahoana?

Nisy nanao tsy fidiny an’io asa io ve? “Tsia”, hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aogositra 1919, “tsy misy olona terena mihitsy. Asa an-tsitrapo tanteraka izy io, ary atao noho ny fitiavana ny Tompo sy ny fahamarinany. Tsy manery na iza na iza i Jehovah.” Nilaza toy izao koa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Septambra 1922, mahakasika ny antony anaovan’ny tsirairay an’ilay asa: “Maniry hanao zavatra ny olona, raha tena mankasitraka izay nataon’Andriamanitra ho azy; arakaraka ny hahatakarany ny hatsaram-panahin’Andriamanitra aminy, no itomboan’ny fitiavany; ary arakaraka ny itomboan’ny fitiavany, no itomboan’ny faniriany hanompo an’Andriamanitra.” Ny fitiavana an’Andriamanitra dia aseho amin’ny fanarahana ny didiny, anisan’izany ny didiny hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakany.—Isaia 61:1, 2; 1 Jaona 5:3.

Tsy ny faniriana eo amin’izao tontolo izao no nanosika an’ireo nanao io asa io. Nolazaina tsotra tamin’izy ireo fa hoheverin’ny olona ho “adala, malemy, ambany” izy ireo, rehefa hitory isan-trano sy hanolotra boky eny an-dalana, sady “hohamavoina sy henjehina”, ary hokilasina ho “tsinontsinona, araka ny fiheveran’izao tontolo izao.” Fantany anefa fa nentina toy izany koa i Jesosy sy ny mpianany.—Jaona 15:18-20; 1 Kor. 1:18-31.

Mihevitra ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy maintsy ho voavonjy izy ireo, rehefa mitory? Tsy izany mihitsy! Miresaka momba izany ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, izay nampiasaina nanomboka tamin’ny 1983 mba hanampiana ny mpianatra Baiboly ho matotra. Hoy izy io: “Ny soron’i Jesosy dia namoha ho antsika koa ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ... Tsy valisoa tokony ho antsika akory izany. Na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia tsy afaka ny hanana fahamendrehana aoka izany isika ka hoe tsy maintsy manome fiainana antsika Andriamanitra, toy ny hoe trosa ananantsika aminy. Ny fiainana mandrakizay dia ‘fanomezana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.’ (Rom. 6:23; Efes. 2:8-10). Na dia izany aza, raha manana finoana an’izany fanomezana izany isika, ary koa fankasitrahana noho ny fomba nahatonga azy io hety, dia hampiharihary izany isika. Raha mahatakatra ny fomba mahatalanjona nampiasan’i Jehovah an’i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapony isika, ary koa ny maha-tena zava-dehibe ny hanarahantsika rehetra akaiky ny dian’i Jesosy, dia hanao ny fanompoana kristiana ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika isika.”

Azo lazaina ve fa mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra? Eny! Izay no dikan’ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nihevitra, 50 taona mahery lasa izay, fa tsy ilaina ny mandeha mitory ampahibemaso sy isan-trano. Tsy misy Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny anefa milaza hoe afaka ny tsy hanao izany izy ireo, noho ny toerany eo anivon’ny fiangonana, na eo anivon’ny fandaminana eran-tany. Mitory daholo na lahy na vavy, na tanora na antitra. Raisin’izy ireo ho tombontsoa sarobidy sy fanompoana masina izany. Tsy vitsy no manao azy io, na dia manan-kilema lehibe aza. Mitady fomba hafa itoriana koa ireo tena tsy afaka mandeha isan-trano, noho ny aretina.

Vetivety loatra taloha, dia navela handray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao. Nantitranterina kokoa anefa tato ho ato fa tokony hahafeno fepetra izy ireny, alohan’ny hitoriany. Inona no dikan’izany? Tsy midika akory izany hoe ho afaka hanazava ny zava-drehetra ao amin’ny Baiboly izy ireo. Hazavain’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika anefa fa tsy maintsy mahafantatra sy mino ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy ireny, ary tsy maintsy manana fiainana madio, mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy maintsy ho tena maniry ho Vavolombelon’i Jehovah ny tsirairay.

Tsy antenaina hitovy ny habetsahan’ny fitoriana vitan’ny Vavolombelona rehetra. Samy hafa ny zavatra iainan’ny tsirairay, anisan’izany ny taona, fahasalamana, andraikitra ara-pianakaviana, ary ny habetsahan’ny fankasitrahana. Nekena foana izany. Nanasongadina izany Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1950, izay niresaka momba ny “tany tsara”, ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy, araka ny Lioka 8:4-15. Noresahin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, natao ho an’ny anti-panahy tamin’ny 1972, ilay fepetra hoe tokony ‘ho tia an’i Jehovah amin’ny tena manontolo.’ Nohazavainy koa fa “tsy ny habetsahany oharina amin’ny vitan’olon-kafa no zava-dehibe, fa ny fanaovana izay vita.” (Marka 14:6-8) Nampirisika ny tsirairay handini-tena anefa izy io, sady nampiseho fa “mahakasika ny lafim-piainana rehetra ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pitiavana, ka tafiditra amin’izany daholo ny asa sy fahaizana ary faniriana.” Tsy maintsy ampiasaina hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny fahaizantsika rehetra, ny tenantsika manontolo. Nohamafisin’io boky io fa “ny fanompoana amin’ny fo manontolo no takin’Andriamanitra, fa tsy fandraisana anjara fotsiny.”—Marka 12:30.

Mampalahelo fa manao zavatra tafahoatra foana ny olombelona, ka manasongadina zavatra iray, nefa manao tsirambina zavatra hafa. Nampitandrina àry ny Rahalahy Russell, tamin’ny 1906, fa tsy fanaovana sorona olon-kafa akory no dikan’ny hoe mahafoy tena. Tsy midika izany hoe tsy karakaraina ny vady aman-janaka, na ny ray aman-dreny be taona, mba hahafahana hitory. Nisy fampahatsiahivana navoaka toy izany tsindraindray tao amin’ireo bokin’ny Fikambanana.

Niezaka tsikelikely handanjalanja ny fandaminana manontolo, noho ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra, ka sady nazoto tamin’ny fanompoana, no nihevitra tsara ny lafiny hafa amin’ny fiainan’ny tena Kristianina. Zavatra diso no niorenan’ilay “fampitomboana toetra”, nefa nasehon’ny Tilikambo Fiambenana fa tsy tokony hohamaivanina ny vokatry ny fanahy sy ny fitondran-tena tsara. Nilaza mivantana toy izao Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1942: “Nisy tsy ampy fahendrena ka nihevitra fa azony arahina daholo ny filany rehetra, ary tsy ho voasazy mihitsy izy, satria mitory isan-trano. Tokony hotadidiny anefa fa tsy ny fitoriana ihany no zavatra takina amintsika.”—1 Kor. 9:27.

Fanitsiana izay heverina ho loha laharana

Nanjary takatry ny Vavolombelona fa tsy maintsy ahitsy izay heverina ho loha laharana, raha tiana ny ‘hikatsaka ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha.’ Ireto avy no tafiditra amin’izany: manao tsara ny fianarana samirery ny Baiboly; manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny fiangonana; tsy mamela ny zavatra hafa ho loha laharana; mandray fanapahan-kevitra mampiseho ny tena faniriana hanaraka ny zavatra takin’ny Fanjakan’Andriamanitra, voalaza ao amin’ny Baiboly; mampiasa ny fitsipiky ny Baiboly mba handraisana fanapahan-kevitra momba ny fiainam-pianakaviana, fialam-boly, fianarana, asa, fitadiavam-bola, ary fifandraisana amin’olona.

Tsy mikatsaka an’ilay Fanjakana aloha ny olona zara raha miresaka ny fikasan’Andriamanitra isam-bolana. Tokony ho ilay Fanjakana kosa no ho loha laharana eo amin’ny fiainany, sady hotontosainy ny adidy hafa takin’ny Soratra Masina.

Misy fomba maro azon’ny Vavolombelona ampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.

Tombontsoam-panompoana ao amin’ny Betela

Misy manompo ao amin’ny fianakavian’ny Betela eran-tany. Izy ireo dia mpanompo manontolo andro manaiky hanao izay asa asaina hataony mba hanomanana sy hanontana boky ara-baiboly, manao asa birao, ary asa hafa anampiana ny mpiasa namany. Tsy manjary malaza na manankarena noho izany izy ireo, fa te hanome voninahitra an’i Jehovah kosa, ary afa-po amin’izay sakafo sy fonenana ary vola fanampiana kely omena azy. Eken’ny fitondram-panjakan’i Etazonia, ohatra, fa anisan’ny vondrona ara-pivavahana nanao voadin’ny fahantrana ny mpianakavin’ny Betela, noho ny fomba fiainany. Faly ireo manompo ao amin’ny Betela, satria afaka mampiasa amin’ny fomba feno ny fiainany anompoana an’i Jehovah, sy anaovana asa mahasoa ny rahalahy kristianina, sy olona liana eran-tany mihitsy indraindray. Mandray anjara amin’ny fitoriana, toy ny Vavolombelona hafa, izy ireo.

Tany Allegheny, Pennsylvanie, ny mpianakavin’ny Betela voalohany (mpianakavin’ny Tranon’ny Baiboly, tamin’izany). Nisy 12 izy ireo tamin’ny 1896. Maherin’ny 12 900 kosa izy ireo, tamin’ny 1992, tany amin’ny tany 99. An-jatony koa ireo mpiasa an-tsitrapo nivezivezy mba hiasa isan’andro tany amin’ireo Betela sy fanontam-pirinty, rehefa tsy ampy ny efitrano any amin’ireo tranon’ny Fikambanana. Raisin’izy ireo ho tombontsoa ny mandray anjara amin’ilay asa. Vavolombelona an’arivony hafa no miala amin’ny asany, sy ny zavatra hafa mandritra ny fotoana samihafa, rehefa ilaina, mba hanampy amin’ny fanorenana tranon’ny Fikambanana, izay ampiasaina amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.

Maro amin’ireo mpianakavin’ny Betela no manao io asa io ho anton’asany. Anisan’izany i Frederick Franz, izay lasa prezidà fahefatry ny Fikambanana tamin’ny 1977. Efa mpianakavin’ny Betelan’i New York nandritra ny 57 taona izy tamin’io, ary mbola nanohy ny fanompoany tato nandritra ny 15 taona fanampiny, mandra-pahafatiny tamin’ny 1992. Nanomboka niasa tany amin’ny Betelan’i Alemaina kosa i Heinrich Dwenger, tamin’ny 1911, ary nanaiky hanompo tany amin’izay nanendrena azy avy eo. Mpianakavin’ny Betelan’i Thoune, any Soisa izy tamin’ny 1983, taona nahafatesany. Nanaiky hiasa tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo i George Phillips, avy any Ekosy, tamin’ny 1924 (niandraikitra ny asa nanomboka tany Le Cap hatrany Kenya, ilay sampana tamin’izany). Mbola nanompo tany Afrika Atsimo izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 1982 (efa nisy sampan’ny Fikambanana fito sy Vavolombelona 160 000 tamin’ireo tany ireo tamin’io). Nanokana ny fiainany hanompoana tany amin’ny Betela hatramin’ny farany koa ireo anabavy toa an’i Kathryn Bogard, Grace DeCecca, Irma Friend, Alice Berner, ary Mary Hannan. Maro koa ny mpianakavin’ny Betela efa nanompo nandritra ny 10, 30, 50, 70 taona, na mahery. g

Mpiandraikitra mpitety faritany mahafoy tena

Misy mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra 3 900 eran-tany, manao izay asa anendrena azy, miaraka amin’ny vadiny, matetika eo amin’ny taniny ihany. Maro taminy no nandao ny tranony, ary mifindra isan-kerinandro na isaky ny herinandro vitsivitsy mba hitsidika fiangonana. Tsy mikarama izy ireo, fa ankasitrahany izay sakafo sy filasiana any amin’izay alehany, sy ny vola kely fanampiana azy. Nisy 499 ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra teto Etazonia tamin’ny 1992, ary 54 no salanisan’ny taonan’izy ireo. Efa nanao io fanompoana io nandritra ny 30, na 40 taona, na mahery ny sasany taminy. Mandeha fiarakodia izy ireny any amin’ny tany sasany. Tsy maintsy mandeha fiaramanidina na sambo ireo any Pasifika. Mitaingin-tsoavaly na mandeha an-tongotra kosa ny mpiandraikitra ny faritra any amin’ny toerana maro, mba hitsidihana fiangonana lavitra.

Manao asa tena lehibe ny mpisava lalana

Mety handefa mpisava lalana manokana ny Filan-kevi-pitantanana, mba hanombohana ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ny toerana tsy misy Vavolombelona, na hanampiana ny toerana sasany. Ny mpisava lalana manokana dia mpitory manontolo andro, manokana 140 ora, fara fahakeliny, mba hanompoana isam-bolana. Vonona izy ireo ny hanompo any amin’izay ilana azy ao amin’ny taniny, na any amin’ny tany eo akaikiny, indraindray. Tsy manam-potoana hitadiavam-bola izy ireo, noho ny zavatra takina aminy amin’ny fanompoana, ka omena vola fanampiana kely amin’ny fonenana sy ny zavatra hafa ilainy. Nisy 14 500 mahery izy ireo eran-tany, tamin’ny 1992.

Tamin’ny 1937 no nisy mpisava lalana manokana voalohany nalefa, ary izy ireo no nisantatra ny fandefasana lahateny noraisim-peo teny am-baravaran’ny olona, sady nampiasa diska mba hanaovana dinidinika tamin’ny fiverenana mitsidika. Natao tany an-tanàn-dehibe efa nisy fiangonana izany. Nirahina ho any amin’ny faritra tsy nisy fiangonana, na tany amin’ny fiangonana nila fanampiana be, ny mpisava lalana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Fiangonana an-jatony no niforona, vokatry ny asa tsaran’izy ireny.

Tsy nifindrafindra faritany izy ireo, fa niverimberina tamin’ny toerana iray, nanampy ny olona liana, ary nitarika fampianarana Baiboly. Nasiana fivoriana ho an’ny olona liana. Vao herinandro, ohatra, no nanendrena ny mpisava lalana manokana iray tany Lesotho, dia nasainy hivory ny olona rehetra mba hahita ny fomba fitarihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sekolin’ny Fanompoana. Izy sy ny fianakaviany no nanao ilay fandaharana manontolo. Nasainy hanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana indray ny rehetra avy eo. Olona 30 no nanatrika tsy tapaka ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary 20 no salanisan’ny mpanatrika ny sekoly. Efa nisy misioneran’i Gileada nanomboka ny asa fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ny tany sasany, nefa haingana kokoa ny fitomboana indraindray, rehefa nisy Vavolombelona teo an-toerana nahafeno fepetra ho mpisava lalana manokana. Nahay kokoa nitory tamin’ny mponina teo an-toerana mantsy izy ireny.

Vavolombelona ana hetsiny koa, ankoatra ireo mpiasa mazoto ireo, no mampandroso ny asan’ilay Fanjakana. Anisan’izany ny tanora sy antitra, lahy sy vavy, manambady sy mpitovo. Manokana 90 ora anompoana isam-bolana, fara fahakeliny, ny mpisava lalana maharitra; ary 60 ora kosa ny an’ny mpisava lalana mpanampy. Izy ireo no mijery izay toerana itoriany. Miara-miasa amin’ny fiangonana ny ankamaroany, nefa misy mifindra any amin’ny toerana mitokana. Miasa mba hahazoany izay ilainy ara-batana izy ireo, na mety hanampy azy ny havany. Nisy 914 500 mahery, tamin’ny 1992, no nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra na mpanampy.

Sekoly manana tanjona manokana

Misy sekoly manokana, natao hanampiana ny mpiasa an-tsitrapo isan-tsokajiny. Mpitory za-draharaha an’arivony, ohatra, no nampiofanin’ny Sekolin’i Gileada, nanomboka tamin’ny 1943, ka nalefa eran-tany, rehefa nahazo diplaoma tamin’izy io. Nanomboka tamin’ny 1987 kosa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, mba hiandraikitra zavatra manokana, toy ny fikarakarana fiangonana sy zavatra hafa. Atao amin’ny toerana maro io sekoly io, ka tsy voatery hanao dia lavitra, na hianatra fiteny vaovao, ny mpianatra vao handray soa amin’ilay fampianarana. Anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana tena mikatsaka an’ilay Fanjakana aloha no asaina hanatrika azy io. Maro taminy no nanolo-tena hanompo any an-tany hafa. Mitovy toe-tsaina amin’i Isaia izy ireo, ka miteny hoe: “Inty aho, iraho aho.”—Isaia 6:8.

Natao nanomboka tamin’ny 1977 kosa ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, mba hanatsarana ny fahaizan’ireo efa mpisava lalana maharitra na manokana. Atao isaky ny faritra eran-tany ilay sekoly, raha mety. Asaina hanatrika an’io sekoly maharitra tapa-bolana io ny mpisava lalana rehetra. Nomena an’io fampiofanana io daholo, nanomboka tamin’izay ny mpisava lalana rehetra nahavita herintaona. Mpisava lalana maherin’ny 100 000 no efa nanatrika an’ilay sekoly tamin’ny 1992, teto Etazonia fotsiny, ary 10 000 no ampiofanina isan-taona. Nisy 55 000 kosa tany Japon, 38 000 tany Meksika, 25 000 tany Brezila, ary 25 000 tany Italia. Manana tombontsoa koa ny mpisava lalana, satria manatrika fivoriana manokana miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra, mandritra ny fitsidihany ny fiangonana indroa isan-taona, sy ilay fampiofanana manokana omen’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra, alohan’ny fivoriamben’ny faritra isan-taona. Tsy mpiasa an-tsitrapo fotsiny àry ireo mpisava lalana mitory ilay Fanjakana, fa mpitory tsara ofana koa.

Manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa

Vavolombelona an’arivony (na mpisava lalana na tsia), no manolo-tena hanompo any an-toeran-kafa mila mpitory maro kokoa. An’arivony isan-taona no mandany herinandro na volana maromaro, araka izay mety aminy, mba ho any amin’ny toerana lavitra ny fonenany, hitory amin’ny olona tsy voatsidiky ny Vavolombelona tsy tapaka. An’arivony hafa koa no nifindra monina tanteraka mba hanampy toy izany mandritra ny fotoana maharitra. Mpivady na fianakaviana manontolo ny maro aminy. Nisy nifindra akaiky ihany, fa ny sasany kosa nifindra imbetsaka nandritra ireo taona. Maro amin’ireny Vavolombelona mazoto ireny no nandeha nanompo tany an-tany hafa, nandritra ny taona vitsivitsy, na nifindra monina tanteraka. Manao izay asa fivelomana azony atao izy ireo, mba hahazoany izay ilainy, ary mianto-tena izy amin’ny fifindrana. Ny faniriany dia ny handray anjara betsaka araka izay azony atao amin’ny fitoriana ilay Fanjakana.

Mety hifindra monina ny fianakaviana iray, noho ny asan’ilay loham-pianakaviana tsy Vavolombelona. Hararaotin’ireo mpianakavy Vavolombelona anefa izany mba hitoriana momba ilay Fanjakana. Nanao izany ny Vavolombelona roa avy teto Etazonia, izay lasa tany amin’ny toeram-panorenana tany anaty alan’i Suriname, tamin’ny faran’ireo taona 1970. Nifoha tamin’ny efatra ora maraina izy ireo, indroa isan-kerinandro, ary nandray bisin’ny orinasa mba hanao dia adiny iray amin’ny lalan-dratsy ho any an-tanàna. Nitory tao nandritra ny andro izy ireo, ka tsy ela dia nitarika fampianarana Baiboly 30 isan-kerinandro, tamin’ny olona tia fahamarinana. Misy fiangonana izao any anatin’io ala tropikaly io.

Manararaotra ny fahafahana rehetra mba hitoriana

Mazava ho azy fa tsy ny Vavolombelona rehetra no mifindra any an-tany hafa, na tanàna hafa, mba hanohizany ny fanompoany. Mety tsy ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana izy, noho ny toe-javatra misy azy. Takany tsara anefa ny fampirisihan’ny Baiboly mba hanao ‘izay rehetra azony atao’, sy “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (2 Pet. 1:5-8; 1 Kor. 15:58) Mikatsaka ilay Fanjakana aloha izy ireo, rehefa manao azy io eo alohan’ny asa fivelomana sy ny fialam-boly. Mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, araka izay farany vitany, ireo tena mankasitraka an’ilay Fanjakana, ary maro no manova ny fiainany mba hanaovany izany bebe kokoa. Jeren’izy ireo hatrany koa ny fahafahana rehetra hitory momba ilay Fanjakana.

Ohatra amin’izany i John Furgala, izay nanana fivarotana fitaovana tany Guayaquil, any Ekoatera. Narantiny tao am-pivarotany ny boky ara-baiboly. Mitory amin’ilay mpividy i John, rehefa lasa maka ny entana ilay mpanampy azy.

Tapa-kevitra ny hanararaotra ny fahafahana hitory koa ny Vavolombelona mazoto iray any Nizeria, izay miasa amin’ny fikarakarana herin’aratra. Izy no tompon’ilay asa, ka azony natao ny nanapa-kevitra ny amin’ny fandaharan’asa. Angoniny ny vady aman-janany sy ny mpiasa, isa-maraina alohan’ny hiasana, mba hiara-mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro, sy tantara avy ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Omeny kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah miaraka amin’ny gazety roa koa ny olona mampanao zavatra azy, eo am-piandohan’ny taona. Nisy mpiasany sy olona mampanao zavatra azy àry nanjary mpanompon’i Jehovah niaraka taminy.

Maro ny Vavolombelona manana toe-tsaina toy izany. Mitady fahafahana hiresahana ny vaovao tsara foana izy ireo, na inona na inona ataony.

Andiana mpitory manontolo andro falifaly

Tsy nihena ny zotom-pon’ny Vavolombelona teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, nandritra ny taona maro. Maro ny olona nilaza taminy tamin’ny fomba hentitra hoe tsy liana, nefa maro koa no mankasitraka ny fanampiana azy hahatakatra ny Baiboly. Tapa-kevitra ny hitory hatrany ny Vavolombelona, mandra-pilazan’i Jehovah mazava hoe vita ilay asa.

Tsy miraviravy tanana ny Vavolombelona eran-tany, fa vao mainka nampitombo ny asa fitoriany. Nisy 384 856 662 ny ora lany tamin’ny fitoriana, tamin’ny 1982, fa 1 024 910 434 kosa izany, folo taona tatỳ aoriana (1992). Inona no nahatonga izany fitomboana be izany?

Nihamaro ny Vavolombelona, nefa tsy izay no tena nampitombo an’ilay ora. Nitombo 80 isan-jato izy ireo, fa ny mpisava lalana kosa nitombo 250 isan-jato mihitsy. Vavolombelona 1 tao anatin’ny 7 isam-bolana, no nandray anjara tamin’ny fitoriana manontolo andro.

Iza no nanao izany asan’ny mpisava lalana izany? Mpikarakara tokantrano ny vehivavy Vavolombelona maro any amin’ny Repoblikan’i Korea. Mety tsy ho afaka ny ho mpisava lalana izy rehetra, noho ny andraikiny ara-pianakaviana. Maro taminy anefa no nampiasa ny vakansy lehibe mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ny antsasany mahery tamin’ireo Vavolombelona tany Korea àry no nanao fanompoana manontolo andro tamin’ny Janoary 1990.

Ny zotom-pon’ny mpisava lalana tany Philippines, tamin’ny voalohany, no nahatonga azy ireo ho any amin’ireo nosy lavitra, mba hitory momba ilay Fanjakana. Niharihary izany zotom-po izany nanomboka tamin’izay. Mpitory 22 205 eo ho eo isam-bolana no nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Philippines, tamin’ny 1992. Anisan’ireo ny tanora maro nifidy ny ‘hahatsiaro ny Mpanao azy’, sy hampiasa ny heriny ho amin’ny fanompoana. (Mpit. 12:1) Hoy ny tanora toy izany, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny folo taona: “Nianarako ny hanam-paharetana, hanatsotra ny fiainako, hiantehitra amin’i Jehovah, ary hanetry tena. Marina fa sahirana sy kivy aho indraindray, nefa tsinontsinona izany raha oharina amin’ny fitahiana azo avy amin’ny asan’ny mpisava lalana.”

Nahariharin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Aprily sy Mey 1989 i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso eran-tany. Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 39 ireo lahatsoratra, sady naely hatraiza hatraiza. Maherin’ny 40 isan-jaton’ny Vavolombelona any Japon no mpisava lalana, ka 41 055 no mpisava lalana mpanampy tamin’io Aprily io. Ny 73 tamin’ireo mpitory 77 vita batisa no nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’io volana io, tany amin’ny Fiangonana Otsuka, any Osaka. Nampirisihina handray anjara tamin’ny firesahana an’io hafatra lehibe io ny mpitory tany Japon tamin’ny 8 Aprily, ka fiangonana an-jatony, toy ny Fiangonana Ushioda, any Yokohama, no nanokana iray andro mba hitoriana teny an-dalana sy isan-trano, nanomboka tamin’ny 7.00 maraina hatramin’ny 8.00 alina, mba hahitana olona maro araka izay azo atao.

Mikarakara izay ilainy ara-batana ny Vavolombelona rehetra, toy ny any Meksika. Nanao ny asan’ny mpisava lalana koa anefa izy ireo tamin’ny 1992, ka 50 095 ny salanisan’ireo nanao izany, mba hanampiana olona tia fahamarinana hahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Niara-niasa ny mpianakavy mba hiarahan’izy rehetra, na ny sasany aminy, hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nahita vokatra izy ireo ka faly. Nitarika fampianarana Baiboly 502 017 ny Vavolombelona tany Meksika, tamin’ny 1992.

Manana andraikitra mavesatra ny anti-panahy mikarakara ny fiangonan’ny Vavolombelona. Manambady aman-janaka ny ankamaroan’ny anti-panahy any Nizeria, toy ny anti-panahy any an-tany hafa. Manao ny asan’ny mpisava lalana koa anefa ny sasany aminy, sady manomana sy mitarika ny fivorian’ny fiangonana, ary mitsidika ondry. Ahoana no hahavitany izany? Mandamim-potoana tsara izy ireo, ary tohanan’ny ankohonany.

Hita fa mandray am-po ny fampirisihan’i Jesosy ‘hikatsaka ilay Fanjakana aloha’ ny Vavolombelona eran-tany. (Matio 6:33) Manao izany izy ireo, noho ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fankasitrahany ny zony hitondra. Miteny toa an’i Davida mpanao salamo izy ireo hoe: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.”—Sal. 145:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aogositra 1906, p. 267-271.

b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Febroary 1967, pejy 92-95.

c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1973, pejy 760-765.

d Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Septambra 1972, pejy 533-536.

e Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1963, p. 764-766.

f Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1969, pejy 729-732; Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1988, pejy 31.

g Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1987, pejy 22-30; Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aprily 1964, pejy 212-215; 1 Desambra 1956, pejy 712-719; 15 Aogositra 1970, pejy 507-510; 1 Oktobra 1960, pejy 601-605; 15 Jona 1968, pejy 378-381; 1 Aprily 1968, pejy 217-221; 1 Aprily 1959, pejy 220-223.

[Teny notsongaina, pejy 292]

Nantitranterina kokoa ny andraikitra hitory

[Teny notsongaina, pejy 293]

Raisiny ho tombontsoa sarobidy ny mitory isan-trano

[Teny notsongaina, pejy 294]

Fahatakarana ny dikan’ny hoe manompo amin’ny fo manontolo

[Teny notsongaina, pejy 295]

Ny tena dikan’ny hoe ‘mikatsaka ilay Fanjakana aloha’

[Teny notsongaina, pejy 301]

Ilay Fanjakana no ataon’ny Vavolombelona mazoto eo alohan’ny asa fivelomana sy fialam-boly

[Efajoro/Sary, pejy 288]

“Aiza Ireo Sivy?”

Nozaraina tamin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 1928, ilay trakta hoe “Aiza Ireo Sivy?” (anglisy). Nankasitrahan’i Claude Goodman ny firesahan’izy io ny Lioka 17:11-19, ka nanjary nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, ary nanohy izany hatrany.

[Efajoro/Sary, pejy 296, 297]

Fanompoana ao Amin’ny Betela

Nisy 12 974 ny mpianakavin’ny Betela tany amin’ny tany 99, tamin’ny 1992

[Sary]

Zava-dehibe ho an’ny mpianakavin’ny Betela ny mianatra samirery

Espaina

Manomboka amin’ny fandinihana ny andinin-teny, ny andro tsirairay any amin’ny Betela rehetra

Failandy

Mitory, toy ny Vavolombelona rehetra, ny mpianakavin’ny Betela

Soisa

Miara-mianatra “Ny Tilikambo Fiambenana” ny mpianakavin’ny Betela rehetra, isaky ny alatsinainy hariva

Italia

Tsy mitovy ny asa, nefa natao hanohanana ny asa fitoriana ilay Fanjakana daholo

Frantsa

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Etazonia

Alemaina

Philippines

Meksika

Grande-Bretagne

Nizeria

Holandy

Brezila

Japon

Afrika Atsimo

[Efajoro/Sary, pejy 298]

Vitsivitsy Tamin’ireo Mpiasan’ny Betela Tranainy

F. Franz: Etazonia (1920-1992)

Heinrich Dwenger: Alemaina (15 taona teo ho eo 1911-1933), Hongria (1933-1935), Tsekoslovakia (1936-1939), ary Soisa (1939-1983)

George Phillips: Afrika Atsimo (1924-1966, 1976-1982)

Mpirahavavy iray tam-po (Kathryn Bogard sy Grace DeCecca), nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny 136 taona, raha atambatra: Etazonia

[Tabilao, pejy 303]

(Jereo ny boky)

Mihamaro ny Mpisava Lalana!

Mpisava Lalana

Mpitory

Fitomboana Isan-jato Nanomboka Tamin’ny 1982

250%

200%

150%

100%

50%

1982 1984 1986 1988 1990 1992

[Sary, pejy 284]

Nitety an’i Nouvelle-Zélande tamin’ny bisikileta ny Anabavy Early, mba hitory ilay Fanjakana

[Sary, pejy 285]

Nanokana ny fiainany hanompoana manontolo andro i Malinda Keefer, nandritra ny 76 taona. Mpitovo aloha izy, avy eo nanambady, ary maty vady

[Sary, pejy 286]

Tranofiara tsotra no nipetrahan’ny mpisava lalana voalohandohany, rehefa nifindrafindra izy ireo

Kanada

Inde

[Sary, pejy 287]

Frank Rice (mitsangana eo ankavanana), Clem Deschamp (mipetraka eo alohan’i Frank, miaraka amin’i Jean, vadin’i Clem, eo akaikin’izy ireo), sy Vavolombelona avy any Java ary olona liana

[Sary, pejy 288]

Tonga tany Inde sy tany fito hafa i Claude Goodman, noho izy mpanompo manontolo andro

[Sary, pejy 289]

Nanompo an’i Jehovah manontolo andro i Ben Brickell, rehefa salama tsara; tsy nitsoaka an-daharana izy, taona maro tatỳ aoriana, na dia rehefa tena tsy salama aza

[Sary, pejy 290]

Nitory tany amin’ny faritany isan-karazany i Kathe Palm: tany amin’ny birao tany an-tanàna hatramin’ny toeram-pitrandrahana sy fiompiana ondry tany Silia

[Sary, pejy 291]

Voalaza amin’ireto teny ireto ny fahatapahan-kevitr’i Martin sy Gertrud Poetzinger: ‘Iray ihany ny zavatra ataoko, dia ny mikatsaka ilay Fanjakana aloha’

[Sary, pejy 300]

Nampiofana manokana ny mpiasa mazoto an’aliny ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana (toy ilay tany Japon, hita eto)