Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana

Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana

Toko 19

Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana

NANASONGADINA ny antony itomboana amin’ny fahalalana sy amin’ny fitiavana ny apostolin’i Jesosy Kristy, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina namany. Ny fototr’izany dia ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahafoizan-tenan’i Kristy, izay niezahan’izy ireo notahafina. (Jaona 13:34, 35; Efes. 4:15, 16; 5:1, 2; Fil. 1:9; 1 Jaona 4:7-10) Mpirahalahy izy ireo, ary nifanampy, ka nihanifankatia.

Nizara ny fananany ny Kristianina tany Syria sy Gresy, rehefa sahirana vokatry ny mosary ireo rahalahy tany Jodia. (Asa. 11:27-30; Rom. 15:26) Tsapan’ny Kristianina hafa ny fijalian’ny namany nenjehina, ka nitady fomba nanampiana izy ireo.—1 Kor. 12:26; Heb. 13:3.

Mazava ho azy fa afaka maneho fitiavana daholo ny olombelona, ary manampy ny mpiara-belona aminy koa ny tsy Kristianina. Neken’ny olona tamin’ny andron’ny Romanina anefa fa niavaka ny fitiavana nasehon’ny Kristianina. Nilaza ny hevitry ny olona tamin’izany i Tertullien, mpahay lalàna tany Roma fahiny, ka hoy izy: “ ‘Jereo’, hoy ny olona, ‘fa tena mifankatia izy ireo ... ary vonona ho faty ho an’ny namany.’ ” (Fanamarinana, Boky Faha-39, 7) Nitantara momba ny mponin’i Carthage sy Aleksandria, tamin’ny fotoana nisian’ny areti-mifindra, kosa i John Hurst, ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (Boky I, pejy 146). Milaza izy fa noroahin’izy ireo izay voan’ilay aretina, ary nendahiny izay zava-tsarobidy teny amin’ireo faty. Nizara ny fananany kosa, hoy izy, ny Kristianina tany, ary nikarakara ny marary, sy nandevina ny maty.

Miahy ny namany toy izany koa ve ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny? Raha eny, olona vitsivitsy fotsiny ve no manao izany, sa ny fandaminany mihitsy no mampirisika azy ireo hanao izany, sady manohana an’ilay ezaka?

Fanampiana feno fitiavana eo anivon’ny fiangonana

Raisin’ny Vavolombelona ho anisan’ny fivavahany ny fiahiana ny kamboty sy ny maty vady ary ireo tsy mivadika, nefa tena sahirana, eo anivon’ny fiangonana. (Jak. 1:27; 2:15-17; 1 Jaona 3:17, 18) Matetika ny fitondram-panjakana no mikarakara hopitaly sy fonenan’ny be taona, ary fanampiana ny tsy an’asa. Mandoa hetra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanohanana izany. Fantatr’izy ireo anefa fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka hamaha tanteraka ny olan’ny olombelona, ka ny fampianarana momba izany no tena ifantohany. Asa lehibe tsy vitan’ny fanjakan’olombelona izany.

Maro ny be taona sy kilemaina mila fanampiana manokana, eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelona 69 000 eran-tany (tamin’ny 1992), ka heverina tsirairay ny momba azy ireny. Ny Kristianina tsirairay no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fianakaviany, araka ny 1 Timoty 5:4, 8. Manampy ny be taona sy ny kilemaina, araka izay ilainy, ny zanany sy zafikeliny ary ny havany akaiky hafa. Tsy misalovana amin’izany andraikitry ny fianakaviana izany ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy anefa izy ireo, raha tsy misy havana akaiky, na tsy zakan’izy ireny ilay fanampiana. Manao fandaharana indraindray ny fiangonana manontolo, mba hanampiana ny rahalahy na anabavy sahirana, nefa efa nahatoky hatramin’ny ela.—1 Tim. 5:3-10.

Tsy ankinina amin’ny kisendrasendra ny fikarakarana izany. Noresahina manokana foana ny andraikitry ny mpiandry ny andian’ondry eo anatrehan’Andriamanitra, nandritra ireo Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, natrehin’ny anti-panahy tsy tapaka nanomboka tamin’ny 1959. (Heb. 13:1, 16) Marina fa efa fantatr’izy ireo izany taloha. Nampian’ny Fiangonana Oldham, any Angletera, ohatra, ireo sahirana mafy ara-bola teo anivony, tamin’ny 1911. Nitombo anefa ny fandaminana eran-tany, ary nihamaro ny sahirana mafy, ka takatry ny Vavolombelona tsara kokoa ny zavatra lazain’ny Baiboly fa tokony hataony momba izany. Noresahina indrindra tato ho ato, nandritra ireo fivorian’ny fiangonana, ny andraikitry ny Kristianina tsirairay amin’ireo manan-javatra ilaina manokana, toy ny be taona, kilemaina, fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, ary ny sahirana ara-bola. a

Asehon’ny Vavolombelona tsirairay ny fitiavany sy fiahiany, fa tsy miteny fotsiny izy hoe: “Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!” (Jak. 2:15, 16) Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Voan’ny menenzita ny tovovavy soedoà iray, Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1986, tamin’izy nandalo tany Gresy. Tsapany koa anefa fa nanana anadahy sy rahavavy kristianina izy tany amin’ny tany maro. Nampahafantarina momba ilay aretina ny rainy tany Soeda. Nitady anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelona tany Soeda izy, ary io indray kosa no nifandray tamin’ny Vavolombelona iray tany Gresy. Tsy namela azy ho irery mihitsy ireo namany vaovao tany Gresy, nandritra ireo roatokombolana nijanonany tany, talohan’ny niverenany tany Soeda.

Nila fanampiana koa ny Vavolombelona zokiolona iray maty vady, tany Wallaceburg, any Kanada, ka noraisin’ny fianakaviana iray, izay nampiany teo amin’ny lafiny ara-panahy. Niaraka tamin’ilay fianakaviana ilay rahalahy, rehefa nifindra ho any Barry’s Bay izy ireo. Niara-nipetraka tamin’izy ireo izy, sady voakarakara tsara nandritra ny 19 taona, mandra-pahafatiny tamin’ny 1990.

Nikarakara lehilahy iray be taona niara-nanatrika fivoriana taminy, ny mpivady Vavolombelona teto New York, nandritra ny 15 taona, mandra-pahafatin’izy io tamin’ny 1986. Izy ireo no niantsena, nanadio, ary nahandro sy nanasa lamba ho an’ilay lehilahy, rehefa tapaka lalan-dra izy io. Nentin’izy ireo toy ny rainy mihitsy izy.

Karakaraina koa ny zavatra hafa ilaina. Nivarotra ny tranony ny mpivady teto Etazonia, ary nifindra tany Montana, mba hanampy fiangonana tany. Nisy olana ara-pahasalamana lehibe anefa nianjady tamin’izy ireo, ary voaroaka tamin’ny asany ilay rahalahy, ka nanjary tena sahirana izy ireo. Ahoana no hahatafavoaka azy? Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah ilay rahalahy. Nisy Vavolombelona nandona tao am-baravarany, raha vao tapitra ny vavaka nataony. Lasa nivoaka mba hiara-misotro kafe izy ireo. Feno sakafo isan-karazany anefa tao an-dakozia, rehefa tafody ilay rahalahy. Nisy valopy sy vola niaraka tamin’ireo entana, ary nisy taratasy nilaza hoe: “Avy amin’ny rahalahy sy anabavinareo, izay tena tia anareo.” Fantatry ny fiangonana ny zavatra nilain’izy ireo, ka samy nandray anjara tamin’ny fanampiana ny rehetra. Tsy nahatana ny ranomasony izy mivady, satria tena nahafaly azy ilay fitiavana. Nisaotra an’i Jehovah koa izy ireo, satria izy no tahafin’ny mpanompony.

Nanjary fanta-bahoaka ny fiahiana sy fahalalahan-tanan’ny Vavolombelona amin’ny namany sahirana. Nisy mpisandoka nanararaotra izany indraindray. Nanomboka nitandrina àry ny Vavolombelona, nefa tsy nametra ny faniriany hanampy ireo mendrika hampiana.

Fahantrana ateraky ny ady

Manjary mahantra ny olona any amin’ny tany maro, vokatry ny ady. Manampy azy ireo ny fikambanana samihafa, nefa ela fiasa izy ireny matetika. Te hanampy ny rahalahiny any amin’ireny toerana ireny foana ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia efa eo aza ireo fikambanana mitondra fanampiana. Manampy avy hatrany izy ireo, fa tsy “manakatona ny varavaran’ny fangoraham-pony” amin’ny rahalahiny sahirana.—1 Jaona 3:17, 18.

Mafy ny mosary nandritra ny Ady Lehibe II, nefa mbola nitondra sakafo ho an’ireo rahalahy tany an-drenivohitra ihany ireo avy any ambanivohitra mbola nanana sakafo. Nety ho nampidi-doza ny fanaovana izany tany Holandy, noho ny fameperan’ny Nazia. Nitarika rahalahy maromaro nitondra bisikileta i Gerrit Böhmermann, mba hitondra sakafo nosaronana labasy. Nandalo toeram-pisavana tampoka izy ireo, tany Alkmaar. “Tsy nisy azonay natao, afa-tsy ny nitoky tanteraka tamin’i Jehovah”, hoy i Gerrit. Tsy nandeha mora mihitsy izy, fa nanontany mafy an’ilay miaramila hoe: “Wo ist Amsterdam?” (Aiza ny lalana mankany Amsterdam?) Niala teo afovoan-dalana ilay miaramila, sady niteny mafy hoe: “Geradeaus!” (Mahitsy be any!) “Danke schön!” (Misaotra betsaka!), hoy i Gerrit, sady nandeha mafy ihany ireo bisikileta rehetra, ka gaga fotsiny ny mpitazana. Nahavita nitondra ovy iray sambo ho an’ny rahalahiny tany Amsterdam mihitsy ny Vavolombelona, indray mandeha.

Nahay nizara toy izany koa ny Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana tany Eoropa. Lasa nahia kely ny rahalahy iray 17 taona, nigadra tany amin’ny toby tany akaikin’i Amersfoort, Holandy, ka taolana nifono hoditra sisa. Izao anefa no zavatra tsaroany, taona maro tatỳ aoriana: Noterena hanao fanatanjahan-tena tao anaty ora-mikija izy ireo, hatramin’ny misasak’alina, ary tsy nomena sakafo avy eo. Nisy Vavolombelona avy amin’ny ilany hafa tamin’ilay toby anefa nahatondra tapa-mofo ho azy sy nampiditra izany tao an-tanany. Kely sakafo koa ireo Vavolombelona tao amin’ny ilan’ny toby fitanan’i Mauthausen, any Aotrisy, nefa nampitondra sakafo ho an’ireo Vavolombelona mosarena kokoa tany amin’ny andaniny iray. Rahalahy niasa nivezivezy tao amin’ilay toby no nanao vivery ny ainy nitondra izany.

Ny akanjon’ny voafonja sisa no fananan’ireo Vavolombelona avy tany amin’ny fonja sy toby fitanana tany Alemaina, taorian’ny ady. Potika ny fananan’ny ankamaroan’ireo tsy nigadra. Kely ny sakafo sy fitafiana ary solika eran’i Eoropa. Nandamina fivorian’ny fiangonana haingana ny Vavolombelona tany mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, mba hanampiana ny olona. Nila fanampiana koa anefa ireo Vavolombelona. Maro taminy no reraky ny hanoanana, ka matetika no safotra nandritra ny fivoriana.

Mbola tsy niatrika zavatra toy izany ny Vavolombelona. Nanao fivoriambe manokana tany Cleveland, Ohio, anefa izy ireo, tamin’ilay volana nahataperan’ny ady tany Pasifika. Noresahina tao ny zavatra tsy maintsy atao, mba hanampiana an’ireo rahalahy kristianina tany amin’ny tany potiky ny ady. Tena nilaina tamin’izay ilay lahateny nankahery nataon’i F. Franz hoe “Ny Fanomezany Hafakely.” b

Nandeha tany Eoropa mba hijery ny zava-nisy mihitsy i N. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana, sy M. Henschel, raha vao azo naleha tany, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Efa natao sahady ny fandaharam-panampiana, talohan’ny niaingan’izy ireo.

Niainga avy tany Soisa sy Soeda ny entana voalohany. Nanaraka izany ny avy eto Etazonia sy Kanada ary tany hafa. Vavolombelona 85 000 monja no tany amin’ireo tany afaka nanome fanampiana, nefa nandefa fitafiana sy sakafo izy ireo, mba ho an’ny namany tany Alemaina, Angletera, Aotrisy, Belzika, Boligaria, Chine, Danemark, Failandy, Frantsa, Gresy, Holandy, Hongria, Italia, Norvezy, Philippines, Polonina, Romania ary Tsekoslovakia. Tsy indray mandeha izany no natao, fa nitohy nandritra ny roa taona sy tapany. Nanome fitafiana 479 114 kilao sy kiraro 124 110, ary sakafo 326 081 kilao ho an’ny Vavolombelona namany izy ireo, tamin’ny Janoary 1946 ka hatramin’ny Aogositra 1948. Tsy nisy vola nalaina tamin’ny fikarakarana izany. Mpiasa an-tsitrapo no nandamina sy namono an’ireo entana. Nanampiana an’ireo tokony hampiana ny vola rehetra.

Tsy nifarana tamin’ireo taona 1940 ny fanampiana ny mpitsoa-ponenana na olon-kafa tsy nanana na inona na inona vokatry ny ady. An-jatony ny ady niseho taorian’ny 1945. Mbola naneho fiahiana foana koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao izany izy ireo nandritra ny ady tany Biafra, Nizeria, tamin’ny 1967 ka hatramin’ny 1970, sy taorian’ilay ady. Toy izany koa tany Mozambika, tamin’ireo taona 1980.

Nisy mosary koa tany Liberia, vokatry ny ady nanomboka tamin’ny 1989. Mpitsoa-ponenana an-jatony no nankao amin’ny tranon’ny Fikambanana tany Monrovia. Nozaraina tamin’ny Vavolombelona sy ny mpiara-monina taminy ny sakafo rehetra tao sy ny rano tao amin’ny lava-drano. Nisy fanampiana tonga avy hatrany, raha vao azo natao izany, avy tamin’ny Vavolombelona tany Sierra Leone sy Côte d’Ivoire, any Afrika Andrefana, sy Holandy sy Italia, any Eoropa, ary Etazonia.

Toy ny ravan’ny horohoron-tany ny ampahany tamin’i Beyrouth, tany Liban, tamin’ny 1990, taorian’ny ady. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana an’ireo rahalahy. Tsy voatery niantso olona izy ireo, satria maro no tonga isan’andro mba hanampy.

Nisy korontana ara-politika sy ara-toe-karena tany Eoropa tamin’ny 1990, ka nandefa zavatra mihoatra ny 70 taonina ho an’ireo rahalahy tany Romania ny Vavolombelona tany Aotrisy, Hongria, Iogoslavia, ary Tsekoslovakia.

Nisy fanampiana hafa koa tany Eoropa Atsinanana taorian’izay. Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nandamina fanampiana ho an’ireo Vavolombelona sahirana tany Ukraine, ny biraon’ny sampan’i Danemark. Nampandrenesina ny fiangonana, ka vonona ny hanampy. Kamiao dimy sy fiara roa nentin’ny Vavolombelona mpiasa an-tsitrapo, no tonga tany Lviv, ny 18 Desambra 1991, nitondra entana 22 taonina. Tena porofon’ny fiahiana an’ireo rahalahy kristianina izany. Nisy sakafo sy fitafiana 100 taonina mahery koa nalefan’ny Vavolombelona avy tany Aotrisy, tamin’ny 1992. Maro noho izany no nalefan’ny Vavolombelona avy tany Holandy: sakafo 26 taonina aloha, ary avy eo kamiao 11 nitondra fitafiana, ary nisy sakafo indray, satria nilaina foana izany. Nankasitraka an’Andriamanitra ireo nandray izany, ary niantehitra taminy mba hanana fahendrena hampiasana ny zavatra azony. Niara-nivavaka izy ireo, taloha sy taorian’ny nibatana ireo entana. Maro koa ny entana nalefan’ny Vavolombelona avy tany Failandy, Italia, Soeda, ary Soisa. Nanjary sahirana koa ireo tany amin’ireo Repoblikan’i Iogoslavia, nandritra izany, vokatry ny korontana tany. Nandefasana sakafo sy fitafiana ary fanafody koa tany. Nampiantrano an’ireo rava trano ny Vavolombelona tany amin’ireo tanàna.

Lavitra indraindray no nisy an’ireo tena nila fanampiana, ary vitsy no nahalala ny zava-nitranga taminy. Anisan’izany ireo fianakaviana Vavolombelona 35 tany Goatemalà. Noravan’ny mpiady ny tanànan’izy ireo. Nila fanampiana mba hanorina ny tranony izy ireo, rehefa tafaverina ihany tamin’ny 1989. Nanampy azy ireo ny fitondram-panjakana, nefa nanangana komity koa ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana, mba hanampy an’ireo fianakaviana Vavolombelona ireo. Vavolombelona 500 hafa avy tamin’ny fiangonana 50 no nanampy tamin’ny fanorenana.

Misy toe-javatra mahatonga ny olona ho tena sahirana koa. Mateti-pitranga, ohatra, ny horohoron-tany sy rivo-doza ary tondra-drano. Voalaza fa loza lehibe 25 eo ho eo no mitranga eran-tany isan-taona.

Hetraketraky ny natiora

Alamina avy hatrany ny fanampiana, raha mahakasika Vavolombelon’i Jehovah ireo loza lehibe. Nianaran’ny anti-panahy fa tokony hiezaka mafy hifandray amin’ny tsirairay eo anivon’ny fiangonany izy ireo, rehefa misy zava-miseho toy izany. Mamantatra ny zava-mitranga avy hatrany ny biraon’ny sampana, izay manara-maso ny asan’ilay Fanjakana eo an-toerana, ary manao tatitra any amin’ny foibe. Misy fanampiana voalamina tsara omena, avy any an-tany hafa mihitsy, raha tsy voasahan’ny eo an-toerana samirery ilay fanampiana. Tsy ny hanondrotra ny fiainan’ireo niharan-doza akory no tanjona, fa ny hanampy azy hahazo izay tena ilaina eo amin’ny fiainana kosa.

Vao mahita vaovao ao amin’ny televiziona, momba ny loza fotsiny ny Vavolombelona, dia efa miantso ny anti-panahy tompon’andraikitra any amin’ilay toerana, mba hanolotra fanampiana na vola, na zavatra. Mety handefa vola any amin’ny biraon’ny sampana na ny foibe koa ny sasany, mba hampiasaina amin’ny fanampiana. Fantany fa ilaina izany, ary te hanampy izy ireo. Mety hampahafantarin’ny Fikambanana an’ireo rahalahy amin’ny toerana iray ny zavatra ilaina, mba hahafahan’izy ireo hanampy araka izay azony atao. Misy komity ajoro mba hiandraikitra ny fanampiana ao amin’ilay toerana niharan-doza.

Noravan’ny horohoron-tany mahery, ohatra, i Managoà, any Nikaragoà, tamin’ny Desambra 1972. Afaka ora vitsivitsy monja, dia efa nivory ny anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelona tany, mba handamina fanampiana. Nojerena avy hatrany hoe nanao ahoana ny Vavolombelona tsirairay. Ny androtr’iny ihany, dia efa nisy fanampiana nalefan’ireo fiangonana nanodidina, sy avy tany Costa Rica sy Honduras ary Salvadaoro. Toerana 14 eran’i Managoà no nizarana an’ireo fanampiana. Nisy vola sy zavatra hafa avy tamin’ny Vavolombelona any an-tany maro, nalefa tany Nikaragoà tamin’ny alalan’ny foiben’ny Fikambanana. Nozaraina arakaraka ny isan’ny olona isan-tokantrano ny sakafo sy zavatra hafa (toy ny labozia sy afokasoka ary savony), ka zavatra maharitra herinandro no nomena ny tsirairay. Olona 5 000 tamin’ny farany no nomena sakafo, dia Vavolombelona sy ny ankohonany ary ny havany nipetrahany. Nitohy nandritra ny folo volana izany. Nanome sakafo sy lay ary zavatra hafa koa ny fitondram-panjakana sy ny Vokovoko Mena, rehefa nahita izany.

Nisy volkano nipoaka tamin’ny 1986, tany amin’ny nosy Izu-Oshima, any akaikin’ny morontsirak’i Japon, ka olona 10 000 no voatery nitsoa-ponenana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsena an’ireo sambo nitondra mpitsoa-ponenana, mba hitady an’ireo rahalahiny. Hoy ny iray tamin’ireo mpitsoa-ponenana: “Tsy fantatray izay halehanay, rehefa niala tany Oshima izahay.” Haingana be ny zava-nitranga. “Nahita takelaka nisy soratra hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’ anefa izahay, rehefa niala tamin’ilay sambo. ... Nitomany ny vadiko, satria nanjary maivamaivana, rehefa nahita an’ireo rahalahinay nitsena anay.” Voakarakara tsara ireo Vavolombelona mpitsoa-ponenana, rehefa tonga sy taorian’izay, ka na ny mpanenjika aza nilaza hoe: “Soa ihany fa tsy niala tamin’io fivavahana io ianareo.”

Ataon’ny Vavolombelona izay rehetra azony atao mba hitondrana fanampiana haingana any amin’ny toerana niharan-doza. Namely an’i Peroa, tamin’ny 1970, ny horohoron-tany lehibe indrindra hitany hatramin’izay. Nisy vola nalefan’ny foibe teto New York avy hatrany, narahin’ny fitafiana 15 taonina. Mbola tsy tonga akory ireo entana ireo, dia efa nitondra entana tamin’ny fiara maro ireo Vavolombelona, mba ho any amin’ireo tanàna rava, ora vitsy taorian’ny nisokafan’ny lalana. Nanome izay nilain’ireo rahalahy tany amin’ny tendrombohitra Andes izy ireo, na teo amin’ny ara-batana na ara-panahy, nandritra ireo andro sy herinandro nanaraka. Nisy horohoron-tany nahery koa tany Italia ny harivan’ny 23 Novambra 1980. Ny ampitson’iny ihany dia efa nisy kamiao nitondra ny entana nalefan’ireo Vavolombelona, tonga tany amin’ilay toerana niharan-doza. Nanangana lakozia izy ireo, ka nisy sakafo nandrahoin’ireo anabavy, nozaraina isan’andro. Hoy ny mpanara-maso ny fanampiana, tany amin’ny nosy iray tany Karaiba: “Niasa haingana kokoa noho ny fanjakana ny Vavolombelona.” Mety ho marina izany indraindray, nefa ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fanampian’ny mpitondra fanjakana, izay manamora ny fahatongavan’izy ireo haingana any amin’ny toerana niharan-doza.

Nisy mosary tany Angola tamin’ny 1990, ka fantatra fa tena nila sakafo sy fitafiana ny Vavolombelona tany. Sarotra anefa ny nankany amin’izy ireo, satria efa voarara nandritra ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Nanomana kamiao, nitondra fanampiana 25 taonina, anefa ireo rahalahy kristianina tany Afrika Atsimo. Nitsidika ny masoivohon’i Angola izy ireo teny an-dalana, ka nahazo fahazoan-dalana hivoaka ny sisin-tany. Tsy maintsy nandalo sakana 30 nataon’ny miaramila izy ireo, mba hahatongavana tany amin’ireo rahalahy. Nisy tetezana tapaka koa, ka zavatra naorina vonjimaika no niampitan’izy ireo ny renirano, izay niakatra tamin’izay. Tonga soa aman-tsara anefa ireo entana.

Tsy ny fandefasana entana ihany no atao, rehefa misy loza mitranga. Tonga mba hanampy avy hatrany ny Vavolombelona, rehefa nisy zavatra nipoaka sy afo nandrava tanàna tany akaikin’i Mexico, tamin’ny 1984. Maro anefa ny Vavolombelona tsy hita, ka nanao fandaharana hitadiavana ny tsirairay ireo anti-panahy. Nisy lasa tany amin’ny tanàna hafa. Nitady hatrany anefa ireo anti-panahy, mandra-pahitany ny Vavolombelona rehetra. Natao araka izay nilaina ny fanampiana. Maty, ohatra, ny vady sy ny zanakalahin’ny anabavy iray, ka tsy maintsy nokarakaraina koa ny fandevenana, ary tsy maintsy nomena izay nilainy ara-batana sy ara-panahy ilay anabavy sy ny zanany hafa.

Tsy fanafody sy sakafo ary fitafiana vitsivitsy fotsiny matetika no ilaina. Nisy rivo-doza nandrava ny tranon’ny Vavolombelona 117, sy nanimba ny tranon’ny 300 hafa, tany Goadelopy, tamin’ny 1989. Tonga nanampy avy hatrany ny Vavolombelona tany Martinika, ary nandefa fitaovam-panorenana 100 taonina mahery kosa ny avy any Frantsa, mba hanampiana azy ireo. Nilaza tamin’ny mpiara-miasa taminy ny Vavolombelona iray rava trano tany amin’ny nosy Sainte-Croix, fa hisy Vavolombelona namany avy tany Porto Rico, ho tonga hanampy azy. Hoy anefa izy ireo: “Inona koa no hataony ho anao eo? Ianao mainty hoditra, fa tsy Espaniola toa an-dry zareo.” Gaga ireo mpiara-miasa taminy, rehefa nanana trano vaovao tanteraka izy avy eo! Nisy horohoron-tany tany Costa Rica tamin’ny 1991, ka niara-niasa ny Vavolombelona tany an-toerana sy ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, mba hanampy ny Vavolombelona niharan-doza. Tsy nitady valin’izany izy ireo, fa nanorina indray trano 31 sy Efitrano Fanjakana 5, sady nanamboatra trano simba hafa. Hoy ny olona: ‘Miresaka fitiavana ny fivavahana hafa, fa ianareo no tena maneho izany.’

Nahagaga ny olona matetika ny hatsaran’ny fanampiana ataon’ny Vavolombelona, mandritra ny loza. Vaky ny fefiloha iray teo amin’ny Reniranon’i Yuba, tany Kalifornia, Etazonia, tamin’ny 1986, ka olona an’aliny no voatery niala tamin’ny tranony. Nifandray tamin’ny foibe teto New York ireo anti-panahy avy tao amin’ilay faritra, ka najoro ny komitin’ny vonjy rano vaky. Mpiasa an-jatony no vonona hiasa, raha vao nanomboka nidina ny rano. Mbola tsy niasa akory ireo fikambanana mpamonjy voina, dia efa nisy nanadio sahady ny tranon’ny Vavolombelona. Nahoana ny Vavolombelona no niasa haingana toy izany?

Satria aloha, vonona hiasa an-tsitrapo izy ireo, ary manome ny fitaovana ilaina. Satria koa zatra mandamina sy miara-miasa izy ireo, rehefa manomana ny fivoriambeny sy manorina Efitrano Fanjakana. Ary satria noeritreretin’izy ireo tsara ny dikan’ilay tenin’ny Baiboly hoe: “Mifankatiava fatratra.”—1 Pet. 4:8.

Olona mahantra matetika no manao ireo fanomezana. Matetika ny taratasy ampiarahiny amin’ilay fanomezany no milaza hoe: ‘Kely ilay fanomezana, nefa tena tianay ireo rahalahy sy anabavinay.’ ‘Te handefa betsaka kokoa aho, fa izay nomen’i Jehovah ahy no tiako hanomezana.’ Angatahin’izy ireo mafy, toy ny nataon’ireo Kristianina tany Makedonia tamin’ny taonjato voalohany, ny tombontsoa hanome izay tena ilaina eo amin’ny fiainana, ho an’ireo sahirana. (2 Kor. 8:1-4) Koreanina 200 000 mahery no tsy nanan-kialofana, noho ny tondra-drano tamin’ny 1984. Nanome be mihitsy ny Vavolombelona tany amin’ny Repoblikan’i Korea, ka voatery nanao fampandrenesana ny biraon’ny sampana hoe tsy nilaina intsony ny fanampiana.

Hitan’ny olona avy hatrany fa tsy fiantrana tsotra fotsiny no manosika ny Vavolombelona. Tena tia ny rahalahiny sy anabaviny kristianina izy ireo.

Miahy ara-panahy an’ireo rahalahiny any amin’ny toerana niharan-doza koa ny Vavolombelona. Alamina indray, haingana araka izay azo atao, ny fivorian’ny fiangonana. Tsy maintsy nisy tranolay lehibe naorina haingana tany ivelan’ny tanànan’i Kalamata, any Gresy, tamin’ny 1986, mba hatao Efitrano Fanjakana, ary tranolay kelikely kokoa tany amin’ny toerana maro, mba hanaovana ny Fianarana Boky ny andavanandro. Nokarakaraina koa ny zavatra ara-batana nilain’ireo tsy maty tamin’ny tany nihotsaka tany Armero, any Kolombia, tamin’ny 1985. Nampiasaina ny ambim-bola, mba hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao ho an’ireo fiangonana telo teo an-toerana.

Sady manao izany fanarenana izany ny Vavolombelon’i Jehovah, no mampahery ny olona, sy manome valiny mahafa-po avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ho an’ny fanontanian’izy ireny momba ny zava-kendren’ny fiainana, sy ny anton’ireo loza sy fahafatesana, ary ny fanantenana momba ny hoavy.

Tsy natao ho an’ny olona rehetra niharan-doza ny fanampiana omen’ny Vavolombelona, fa natao voalohany indrindra, ho an’ireo ‘mpiray finoana aminy’, araka ny Galatianina 6:10. Faly manampy olon-kafa koa anefa izy ireo, rehefa afaka manao izany. Nanome sakafo ho an’ireo tratran’ny horohoron-tany tany Italia, ohatra, izy ireo. Nanadio sy nanamboatra ny tranon’ny mpiara-monina tamin’ny Vavolombelona koa izy ireo, teto Etazonia, rehefa nanampy ny tra-boina tamin’ny tondra-drano sy rivo-doza. Nisy nanontany azy ireo hoe nahoana izy ireo no tsara fanahy toy izany amin’ny olona tsy fantany. ‘Satria tia ny mpiara-belona aminay izahay’, hoy izy ireo. (Matio 22:39) Nisy rivo-doza nandrava an’i Floride atsimo, eto Etazonia, tamin’ny 1992. Nilamina tsara ny fanampiana nataon’ny Vavolombelona. Fantatry ny mpandraharaha sy olon-tsotra sasany izany, ka nanao fanomezana lehibe izy ireo, mba hozarain’ny Vavolombelona. Fantany fa tsy hangonina fotsiny ny fanomezany, na hisy hanararaotra, fa tena hahasoa an’ireo tra-boina tamin’ny rivo-doza, na Vavolombelona, na tsia. Nankasitraka ny fanampiana nomen’ny Vavolombelona ho an’ny olona rehetra ny mponin’i Davao del Norte, any Philippines, ka namoaka taratasy ofisialy nilaza izany mihitsy ny manam-pahefana.

Tsy ny rehetra anefa no tia ny Kristianina marina. Enjehina izy ireo matetika. Mahatonga ny Kristianina hifanohana amim-pitiavana koa anefa izany.

Eo anatrehan’ny fanenjehana mahery vaika

Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonana kristianina, ary hoy izy: “Mba hifampiahy ireo rantsany. Ary raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:25, 26) Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa reny fa enjehina ny rahalahiny kristianina.

Nenjehin’ny fitondrana nazia mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Alemaina. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 20 000 tany tamin’izany, nefa tena tsy tian’i Hitler izy ireo. Tsy maintsy niara-niasa izy ireo. Niara-nivory an-tsokosoko ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tany Alemaina, ny 7 Oktobra 1934, ary niara-nivavaka, sy nandefa taratasy ho an’ny fanjakana, nilaza ny fahatapahan-keviny hanompo an’i Jehovah hatrany. Maro tamin’ireo nivory, avy eo, no sahy nandeha nitory tamin’ny mpiara-monina, momba ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nivory toy izany koa ny fiangonan’ny Vavolombelona eran-tany tamin’io andro io, sady niara-nivavaka, ary nandefa telegrama ho an’ny fitondran’i Hitler, mba hanohanana ny rahalahiny kristianina.

Niharihary tamin’ny 1948 fa avy amin’ny mpitondra fivavahana ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy. Naharay taratasy an’arivony avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’izay, ny filohan’i Gresy sy ny manam-pahefana isan-karazany. Vavolombelona avy any Philippines, Aostralia, Amerika Atsimo sy Avaratra, ary tany hafa, no nandefa azy ireny, mba hanohanana an’ireo rahalahiny kristianina.

Nahariharin’ny gazety Mifohaza! ny fanenjehana nahery vaika nampiharina tamin’ny Vavolombelona tany Espaina, tamin’ny 1961, ka nisy taratasy fanoherana maro be voarain’ny manam-pahefana tany, taorian’izay. Gaga be ireo manam-pahefana, rehefa nahafantatra fa hay fantatry ny olona eran-tany ny zavatra ataony. Nitohy ihany ilay fanenjehana, nefa nisy polisy nifehy tena kokoa teo amin’ny fomba fitondrany ny Vavolombelona. Naharay taratasy avy tamin’ny Vavolombelona tany an-tany hafa koa ny mpitondra fanjakana tany Afrika, rehefa fantatry ny Vavolombelona ny fampijaliana ny namany tany.

Tsy hadino ireo Vavolombelona enjehina, na dia tsy misy valiny mahafa-po avy amin’ny mpitondra aza. Nitohy nandritra ny taona maro ny fanenjehana sasany, ka nisy mpitondra naharay tsy tapaka taratasy fiangaviana sy fanoherana. Nitranga tany Arzantina izany. Nentin’ny sekreteran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Fivavahana tao amin’ny efitra iray ny rahalahintsika iray, tamin’ny 1959. Nasehony azy tao ny talantalam-boky, feno taratasy avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Gaga izy fa nisy olona hatrany Fidji nangataka fahalalahana ara-pivavahana ho an’i Arzantina.

Nanome fahalalahana kokoa, indraindray, ny mpitondra sasany, rehefa fantany fa nisy olona eran-tany nahalala ny zavatra nataony, sady tena nandinika akaiky izany. Nitranga tany Liberia izany tamin’ny 1963. Nampijalin’ny miaramila ny mpanatrika fivoriambe tany Gbarnga. Naharay taratasy maro be nanohitra izany, avy tamin’ny lafivalon’izao tontolo izao, ny prezidàn’i Liberia, ary niditra an-tsehatra ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Amerikanina, satria nisy Amerikanina voakasik’ilay izy. Niantso an-telefaonina ny biraon’ny Fikambanana, tamin’ny farany, ny Prezidà Tubman, ary nilaza fa vonona handray solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiresaka momba ilay izy. Tonga tany Gbarnga ny roa tamin’izy ireo, dia i Milton Henschel sy John Charuk. Neken’Atoa Tubman fa tena “nahamenatra” ilay zava-nitranga, ary hoy izy: “Miala tsiny aho, noho ireny zava-nitranga ireny.”

Nisy Didim-pitondrana navoaka taorian’ilay fihaonana, nampahafantatra “ny mponin’i Liberia rehetra, fa tokony hanana zo sy tombontsoa handeha malalaka eran’i Liberia ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanao ny asa misionerany sy ny fivavahany, nefa tsy hampijalin’iza na iza. Tokony harovan’ny lalàna ny vatana sy ny fananan’izy ireo ary ny fahalalahany hivavaka amin’Andriamanitra araka ny feon’ny fieritreretany, sady hanaraka ny lalàn’ny Repoblika, ka hijoro tsy hanelingelina, mba ho fanajana ny sainam-pirenena, rehefa akarina izy io, na ampidinina mandritra ny fety.” Tsy nodidiana hanao fombafomba amin’ny fananganan-tsaina anefa izy ireo, satria tsy nanaiky izany ny feon’ny fieritreretany.

Tsy nisy didy ofisialy toy izany nivoaka anefa tany Malawi, hatramin’ny 1992, na dia nihena be aza ny herisetra nampiharina tamin’ny Vavolombelona tany. Ny Vavolombelon’i Jehovah tany no fivavahana nenjehina mafy indrindra tany Afrika. Nisy fanenjehana nahery vaika nanerana an’i Malawi tamin’ny 1967 sy tamin’ny fiandohan’ireo taona 1970. Taratasy an’aliny no nosoratan’olona eran-tany mba hangatahana ho azy ireo. Nisy niantso an-telefaonina sy nandefa telegrama. Olo-malaza maro no nanjary niaro azy ireo, noho ny fitiavana ny mpiara-belona.

Henjana loatra ny herisetra nihatra tamin’ny Vavolombelona tany Malawi, ka 19 000 tamin’izy ireo sy ny zanany no nandositra ho any Zambia, tamin’ny 1972. Nanangona sakafo sy bodofotsy ho an’ireo rahalahiny avy hatrany ny fiangonan’ny Vavolombelona tany amin’ny sisin-tanin’i Zambia. Betsaka ny vola sy zavatra nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny biraon’ny sampana eran-tany, ka nalefan’ny foibe teto New York, ho any amin’ireo mpitsoa-ponenana. Nihoatra noho izay nilaina ny zavatra tonga ho an’ireo mpitsoa-ponenana tany amin’ny tobin’i Sinda Misale. Tsy nahatana ny ranomasom-pifaliany ireo rahalahy avy any Malawi, satria tsapany ny fitiavan’ireo rahalahiny kristianina, rehefa reny ny vaovao fa ho avy ny kamiao hitondra sakafo sy fitafiana ary labasy hatao tafo.

Tsy manadino an’ireo namany voasambotra ny Vavolombelona, na dia anaovany vivery ny ainy aza. Nogadraina nandritra ny 45 ora ny Vavolombelona maromaro, nandritra ny fandrarana tany Arzantina. Nisy Vavolombelona efatra nitondra sakafo sy fitafiana ho azy ireo, nefa voasambotra koa. Nanandrana nitondra sakafo ho an’ny anadahiny kristianina nogadraina ny vadina mpiandraikitra ny faritra iray tany Burundi, tamin’ny 1989. Nosamborina sy natao takalon’aina nandritra ny tapa-bolana koa anefa izy, satria te hisambotra ny vadiny ny polisy.

Mivavaka ho an’ireo rahalahiny koa izy ireo, noho ny fitiavany azy ireny, fa tsy manome zavatra fotsiny. Tsy mangataka ny hampitsaharana ny ady sy ny mosary izy ireo, satria efa nilaza i Jesosy Kristy fa hitranga amin’ny androntsika izany. (Matio 24:7) Tsy mangataka ny hitsaharan’ny fanenjehana koa izy ireo, satria mazava ny tenin’ny Baiboly hoe henjehina ny Kristianina marina. (Jaona 15:20; 2 Tim. 3:12) Miangavy mafy anefa izy ireo mba hanan-kery hijoroana amin’ny finoany ny rahalahiny sy anabaviny, na inona na inona zava-tsarotra mianjady aminy. (Ampitahao amin’ny Kolosianina 4:12.) Tena voavaly ireny vavaka ireny, rehefa jerena ny tantara nampiseho ny herin’izy ireo ara-panahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1981, pejy 22-28; 15 Janoary 1987, pejy 10-21; 1 Septambra 1987, pejy 4-18; 15 Oktobra 1988, pejy 21-23; 1 Jona 1990, pejy 20-22.

b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1945, pejy 355-363.

[Teny notsongaina, pejy 305]

Tsy ankinina amin’ny kisendrasendra ny fiheverana ireo zavatra ilaina manokana

[Teny notsongaina, pejy 307]

Fanampiana vokatry ny fitiavana sy fiahiana

[Teny notsongaina, pejy 308]

Fikarakarana ireo zavatra maro ilaina ho amin’ny fanampiana

[Teny notsongaina, pejy 312]

Tadiavina tsirairay ny Vavolombelona eo amin’ilay toerana niharan-doza

[Teny notsongaina, pejy 315]

Manao soa amin’ny tsy Vavolombelona koa

[Teny notsongaina, pejy 317]

Ranomasom-pifaliana noho ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy kristianina

[Efajoro, pejy 309]

“Tena Mifankatia Ianareo”

Rotidrotiky ny ady i Liban, ary hitan’ny mpiara-monina ny Vavolombelona nanamboatra tanteraka ny tranon’ilay anabavy. Hoy izy ireo: “Fa ahoana no mahatonga anareo hifankatia toy izao? Tena hafa raha samy olona ianareo!” Hitan’ny vehivavy miozilimanina iray koa fa nisy nanadio sy nanamboatra ny tranon’ny Vavolombelona iray, ka hoy izy: “Tena mifankatia ianareo. Ny anareo no fivavahana marina.”

[Efajoro, pejy 316]

Tena Rahalahy sy Anabavy

Nilaza toy izao ny “Gazetin’i Arkansas” (anglisy), mahakasika ny Vavolombelona mpitsoa-ponenana tany Fort Chaffee, avy any Cuba: “Izy ireo no voalohany nahazo fonenana vaovao, satria nitady azy ireo ny ‘rahalahiny sy anabaviny’ amerikanina, dia Vavolombelon’i Jehovah namany. ... Tena avy ao am-pon’ny Vavolombelona ny filazany hoe ‘rahalahy sy anabavy’, rehefa miantso ny namany izy.”—Nomeraon’ny 19 Aprily 1981.

[Sary, pejy 306]

Nandefasany sakafo sy fitafiana ny Vavolombelona nila izany, tany amin’ny tany 18, taorian’ny Ady Lehibe II

Etazonia

Soisa

[Sary, pejy 310]

Nanampy ny Vavolombelona tany Romania, ny namany teo amin’ny tany nanodidina, 1990

[Sary, pejy 311]

Niara-nanangana toby ny Vavolombelona tsy maty tamin’ny horohoron-tany tany Peroa, ary nifanampy

Ny fanampiana nentin’ny Vavolombelona hafa (eto ambany) no anisan’ireo voalohany tonga

[Sary, pejy 313]

Nilaina matetika ny fitaovana sy mpiasa mba hanampy ny Vavolombelona namana hanorina indray ny tranony

Goatemalà

Panama

Meksika

[Sary, pejy 314]

Anisan’ny fanampiana entin’ny Vavolombelona ny fampaherezana ara-baiboly. Nisy lay natsangana haingana mba hanaovana fivoriana tany Kalamata, Gresy, sy tany ivelan’ilay tanàna