Porofon’ny Firahalahiantsika Ireo Fivoriambe
Toko 17
Porofon’ny Firahalahiantsika Ireo Fivoriambe
NANJARY mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ny fivoriambe. Efa ela be taloha anefa no nisy fivoriambem-pirenena sy iraisam-pirenena nataon’ny mpivavaka tamin’i Jehovah.
Nasain’i Jehovah nankany Jerosalema ny lehilahy israelita rehetra fahiny, mba hanatrika fety telo isan-taona. Nitondra ny mpianakaviny rehetra ny lehilahy sasany. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy mba hanatrika mihitsy indraindray ny mpianakavy rehetra: lehilahy sy vehivavy ary zaza madinika. (Eks. 23:14-17; Deot. 31:10-13; Lioka 2:41-43) Ireo nipetraka teo amin’ny tanin’ny Israely no nanatrika, tamin’ny voalohany. Niparitaka be anefa ny Jiosy tatỳ aoriana, ka nisy mpanatrika avy tamin’ny firenena maro. (Asa. 2:1, 5-11) Nifanatona izy ireo, satria i Israely sy Abrahama no razambeny, sady neken’izy rehetra fa i Jehovah no Rainy any an-danitra. (Isaia 63:16) Fotoana nahafinaritra ireny fety ireny. Nanampy ny mpanatrika koa izy ireny mba hampifantoka ny sainy tamin’ny tenin’Andriamanitra, fa tsy ho variana loatra tamin’ny fiainana andavanandro, ka hanadino ny raharaha ara-panahy, izay lehibe kokoa.
Mifantoka amin’ny raharaha ara-panahy koa ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Hitan’ny olona tso-po avy amin’izy ireny fa tena miray saina sy mpirahalahy kristianina tokoa izy ireo.
Fivoriambe voalohany nataon’ny Mpianatra ny Baiboly
Nivoatra tsikelikely ny fivoriambe nataon’ny Mpianatra ny Baiboly avy tamin’ny tanàna maro. Tsy toy ny fivavahana hafa izy ireo, fa nifankahalala haingana tamin’ny mpiray finoana aminy avy amin’ny faritra hafa, nandritra ny fivoriambeny. Natao tany Allegheny ireo fivoriambe voalohany, niaraka tamin’ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo. Nisy filazana manokana tamin’ny 1891 hoe hisy “fivoriambe hianarana Baiboly sy hankalazana ny Fahatsiarovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo.” Nisy filazana lehibe toy izao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, herintaona taorian’io: “FIVORIAMBEN’NY MPINO, ANY ALLEGHENY, PENNSYLVANIE, ... 7-14 APRILY 1892.”
Tsy nasaina ho amin’ireny fivoriambe ireny ny olona. Nisy olon-kafa 400, nino ny vidim-panavotana sy tena liana tamin’ny asan’ny Tompo,
anefa nanatrika azy ireny, tamin’ny 1892. Nisy fianarana Baiboly lalina naharitra dimy andro nandritra izany, ary nomena torohevitra nahasoa ny mpisava lalana, nandritra ny roa andro.Hoy ny olona iray nanatrika voalohany azy ireny: “Maro ny fivoriam-bavaka natrehiko, fa mbola tsy nisy tahaka ity. Ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany no tena foto-dresaka ny maraina mandra-paharivan’ny andro, any an-trano, eny an-dalana, ao am-pivoriana, eo am-pisakafoana, na aiza na aiza.” Nanoratra toy izao momba ny toetran’ny mpanatrika ny olona iray avy any Wisconsin, Etazonia: “Tena gaga aho nahita ny fitiavana sy hatsaram-panahy naseho tamin’ny zava-drehetra.”
Novana ny fandaminana ny fivoriambe isan-taona, tamin’ny 1893. Nanao fivoriambe tany Chicago, any Illinois, ny Mpianatra ny Baiboly ny 20-24 Aogositra, mba hanararaotana ny fihenan’ny saran’ny fiarandalamby, tamin’ny Fampirantiana Momba An’i Christophe Colomb. Io no fivoriambe voalohany tany ivelan’i Pittsburgh. Najanona nandritra ny taona vitsivitsy anefa ny fivoriambe, mba hitsitsiana ny fotoana sy vola ho an’ny asan’ny Tompo.
Samy nandamina ny fivoriambeny anefa ny Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny toerana maro, nanomboka tamin’ny 1898, ka olona avy amin’ny faritra iray no nanatrika. Nisy fivoriambe 3 nalamin’ny Fikambanana tamin’ny 1900, fa 13 kosa no nalamin’ireo Mpianatra ny Baiboly teto Etazonia sy Kanada. Naharitra iray andro izany matetika, ary natao niaraka tamin’ny fitsidihan’ny mpitety fiangonana. Nihamaro hatrany anefa ny fivoriambe. Nisy 45, fara fahakeliny, ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly
tatỳ Amerika Avaratra tamin’ny 1909, ankoatra ireo natrehin’ny Rahalahy Russell nandritra ny fitetezany an’i Amerika. Natao hanentanana ny mpanatrika ny ampahany lehibe tamin’ireo fivoriambe iray andro. Nisy zato ka hatramin’ny an’arivony teo ho eo no nanatrika.Nanomezana toromarika an’ireo efa niorina tsara tamin’ny fahamarinana kosa ireo fivoriambe natrehin’ny Mpianatra ny Baiboly fotsiny. Nisy fiarandalamby manokana nitondra an’ireo solontena avy amin’ny tanàna foibe. Nisy 4 000 ny mpanatrika, ary avy tany Eoropa ny sasany. Tena nampahery ireny fivoriambe ireny, ary nampitombo ny fahazotoana sy fitiavan’ny vahoakan’i Jehovah. Hoy ny rahalahy iray tamin’ny faran’ny fivoriambe tamin’ny 1903: “Tsy hatakaloko arivo dolara ny soa noraisiko tamin’ity Fivoriambe ity, na dia tsy manam-bola aza aho.”
Nanao lahateny tamin’ireo fivoriambe ny mpitety fiangonana, raha teo amin’ilay tanàna. Niezaka nanatrika sy nanao lahateny koa ny Rahalahy Russell, na tamin’ireo nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly izany, na tamin’ireo fivoriambe lehibe nanerana an’i Etazonia, ary matetika tany Kanada. Nandehandeha be izy tamin’izany, indrindra fa tamin’ny faran’ny herinandro. Nanofa vagao maromaro anefa ny rahalahy iray tany Chicago tamin’ny 1909, mba hitaterana mpanatrika hiaraka tamin’ny Rahalahy Russell, hitety an’ireo fivoriambe halehany. Nanofa fiarandalamby iray manontolo mihitsy izy tamin’ny 1911 sy 1913, mba hitaterana mpanatrika an-jatony, hitety fivoriambe nandritra ny iray volana na mahery, tany andrefan’i Etazonia sy Kanada.
Tsy hay hadinoina ireny dia tamin’ny fiarandalamby ireny. Nandeha tamin’izy ireny avy tany Chicago, any Illinois, ny Anabavy Malinda Keefer, tamin’ny 1913. Hoy izy, taona maro tatỳ aoriana: “Tsy ela dia tsapanay fa fianakaviambe izahay ... ary ny fiarandalamby no tranonay nandritra ny iray volana.” Nanao ilay hira hoe “Ho Aminareo Andriamanitra, Mandra-pihaonantsika” ireo mpanatitra rehefa niainga ny fiarandalamby, sady nanofahofa satroka sy mosara mandra-pidifin’ny fiarandalamby. Hoy koa ny Anabavy Keefer: “Nisy fivoriambe natao isaky ny fitsaharan’ny dianay. Naharitra
telo andro ny ankamaroany, ary nijanona iray andro isaky ny fivoriambe izahay. Nanao lahateny roa isaky ny fivoriambe ny Anadahy Russell, ka ny iray ho an’ireo namana, natao ny tolakandro, ary ho an’ny besinimaro kosa ny takariva, nitondra ny lohateny hoe ‘Any Ambadiky ny Fasana.’ ”Nihamaro koa ny fivoriambe tany an-tany hafa. Matetika no vitsy ny mpanatrika azy ireny. Nisy 15 ny mpanatrika ny fivoriambe voalohany tany Norvezy tamin’ny 1905, nefa vao fiandohana io. Nitsidika an’i Norvezy ny Rahalahy Russell, enin-taona taorian’io, ary niezahana mafy ny hanasa ny besinimaro, ka 1 200 no notombanana ho nanatrika. Tany Ekosy kosa izy tamin’ny 1909, ka nisy mpanatrika 2 000 tany Glasgow, 2 500 tany Édimbourg, nihaino an’ilay lahateny hoe “Ilay Mpangalatra any Amin’ny Paradisa, Ilay Mpanankarena any Amin’ny Afobe, ary Lazarosy eo An-tratran’i Abrahama.”
Nanao fanasam-pifankatiavana ireo rahalahy, rehefa tapitra ny fivoriambe, mba hanehoany ny fitiavany an’ilay firahalahiana kristianina. Izao no anisan’ny natao tamin’izany: Nilahatra ireo mpandahateny, sady nihazona vilia nisy mofo notapatapahina kely; nandalo teo anoloan’izy ireo ny mpanatrika, ary naka tamin’ilay mofo; nifandray tanana izy ireo, sady nihira hoe: “Hotahina Anie ny Firahalahiana Mampifamatotra Antsika Amin’ny Fitiavana Kristianina.” Nirotsa-dranomasom-pifaliana izy ireo matetika, teo am-pihirana. Nihamaro anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka tsy nifandray tanana sy nifampizara mofo intsony, fa namarana ny fivoriambe tamin’ny hira sy vavaka kosa, ary nitehaka naharitra, mba hanehoany ny fankasitrahany.
Ezaka eran-tany mba hitoriana ilay Fanjakana
Natao tany Cedar Point, any Ohio (teo amin’ny Farihy Érié, 90 kilaometatra andrefan’i Cleveland) ny 1-8 Septambra 1919, ny fivoriambe lehibe voalohany taorian’ny Ady Lehibe I. Nihemotra ny sasany tamin’ireo niaraka tamin’ny fandaminana, rehefa maty ny Rahalahy Russell. Nandalo fitsapana mafy ireo rahalahy. Nafahana tamin’ny fanaovana am-ponja tsy ara-drariny ny prezidàn’ny Fikambanana sy ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny fiandohan’ny 1919. Maro àry ny zavatra nantenaina. Vitsy ny mpanatrika tamin’ny andro voalohany, nefa nisy olona maro tonga tamin’ny fiarandalamby manokana ny harivan’io. Feno hipoka àry ireo hotely nasiana an’ireo mpanatrika. Nanampy tamin’ny fikarakarana azy ireo i R. Martin sy A. Macmillan (samy anisan’ireo vao nivoaka ny fonja). Nizara efitrano izy ireo, hatramin’ny misasakalina, fa ny Rahalahy Rutherford sy ny maro hafa kosa nilanja ny entana sy nanatitra an’ireo namana tany amin’ny efitranony. Nifamindra ny zotom-pon’ny rehetra.
Olona 2 500 no nantenaina hanatrika. Nihoatra noho izay nantenaina anefa ny lafiny rehetra tamin’ilay fivoriambe. Feno be ilay efitrano lehibe,
ny andro faharoa, ary nampiasaina ny efitrano hafa. Tsy antonona indray izany, ka natao teny an-tokotany nisy hazo betsaka naniry ilay fivoriambe. Mpianatra ny Baiboly 6 000 eran’i Etazonia sy Kanada no tonga teo.Nisy 1 000, fara fahakeliny, ny olon-kafa nanatrika ilay lahateny lehibe (hoe “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy”) ny alahady, ka lasa 7 000 ny mpanatrika. Teo an-tokotany no nanaovana azy io, nefa tsy nisy mikrô na fanamafisam-peo. Nohazavain’i J. Rutherford tamin’izany fa ny Fanjakan’ny Mesia no vahaolana ho an’ny olombelona. Nasehony koa fa tsy solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy ny Fikambanam-pirenena (vao niforona tamin’izay, sady notohanan’ny mpitondra fivavahana). Niresaka betsaka momba an’ilay lahateny ny gazety iray teo an-toerana, ary nofintininy ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Nandefasana tamin’io gazety io ny gazety nanerana an’i Etazonia sy Kanada. Nisy zavatra hafa ankoatra ny resaka maro momba an’io fivoriambe io koa anefa.
Ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford hoe “Lahateny ho An’ny Mpiara-miasa” no tena niavaka tamin’ilay fivoriambe. Navoaka tatỳ aoriana izy io, ary natao hoe “Manambara Ilay Fanjakana” ny lohateniny. Natao ho an’ny Mpianatra ny Baiboly ilay lahateny. Nohazavaina tamin’io ny dikan’ireo litera G A (fanafohezana ny Golden Age, midika hoe Fotoam-pahasambarana) naseho teo amin’ny fandaharana sy teny amin’ny toerana maro tao amin’ilay fivoriambe. Nisy fampandrenesana natao momba ilay gazety vaovao havoaka hoe Fotoam-pahasambarana, izay natao mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny Fanjakan’ny Mesia. Noresahin’ny Rahalahy Apokalypsy 3:8.) Nahaliana ny zava-nitranga, rehefa nanontany ilay mpandahateny hoe firy no naniry handray anjara tamin’ilay asa. Niara-nitsangana daholo ireo mpanatrika 6 000. Nisy 10 000 mahery no nanao io asa io, ny taona nanaraka. Nampiray saina sy nampahery an’ireo mpanatrika, ilay fivoriambe manontolo.
Rutherford ny asa mbola tokony hatao, ary hoy izy avy eo: “Misokatra eo anoloanareo ny fahafahana, ka hararaoty haingana. Tadidio eo am-panaovana an’io asa io fa tsy solontenan’ilay gazety ianareo, fa irak’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, manambara amin’ny olona amin’ny fomba mendrika, ny amin’ilay Fotoam-pahasambarana, dia ny fanjakana be voninahitry ny Tompontsika, izay nantenain’ny Kristianina marina sy nangatahiny tamin’ny vavaka nandritra ny taonjato maro.” (JereoNisy fivoriambe nanan-tantara naharitra sivy andro, natao tany Cedar Point, tamin’ny 5-13 Septambra 1922. Nisy mpanatrika avy eto Etazonia sy Kanada, ary Eoropa koa. Natao tamin’ny fiteny folo ilay izy. Nisy 10 000 teo ho eo ny mpanatrika isan’andro. Maro anefa ny olon-kafa tonga hihaino ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”, ka nitombo avo roa heny ny mpanatrika.
Tsy nihevitra akory ny Mpianatra ny Baiboly tamin’io fivoriambe io hoe haharitra ela be ilay asa. Nilaza aza izy ireo fa io no mety ho fivoriambe
farany hatrehiny alohan’ny “hanafahana ny fiangonana ... ho amin’ilay fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, sy ho eo anatrehan’ny Tompontsika sy Andriamanitsika.” Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra anefa no tena nahaliana azy ireo, na kely toy inona aza ny fotoana sisa tavela. Izany no tao an-tsain’ny Rahalahy Rutherford, rehefa nanao ny lahateny hoe “Ilay Fanjakana” izy, ny zoma 8 Septambra.Efa nahantona tamin’ny toerana maro teo amin’ilay fivoriambe ny banderôla nisy litera hoe A D V (fanafohezana ny teny anglisy hoe ‘advertise’, midika hoe ‘ambarao.’) Nanjary nazava ny dikan’ireo, rehefa nampirisika ny mpanatrika ilay mpandahateny hoe: “Asehoy fa mahatoky sy tena vavolombelon’ny Tompo ianareo. Mandrosoa amin’ilay ady, mandra-pahapotik’i Babylona tanteraka. Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Andro iray toa zato izao. Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Nisy banderôla lehibe 11 metatra nisokatra teo anoloan’ny mpanatrika tamin’izay. Nisoratra teo ireo teny faneva hoe “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.” Fotoana niavaka io. Nitehaka mafy be ny mpanatrika. Efa be taona ny Rahalahy Pfannebecker, tao amin’ny orkesitry ny fivoriambe, nefa nahofahofany teo ambonin’ny lohany ny lokangany, ary niteny mafy be (teny anglisy araka ny fomba fitenin’ny Alemà) izy hoe: “Ach, Ya! Und now ve do it, no?” (Tena hataontsika mihitsy izany izao, sa tsy izany?) Nataon’izy ireo tokoa ilay asa.
Mbola nandeha ny fivoriambe, efatra andro taorian’io, rehefa niaraka tamin’ny mpanatrika ny Rahalahy Rutherford mba hitory ilay Fanjakana isan-trano, tao anatin’ny 72 kilaometatra nanodidina ny toerana nanaovana ny fivoriambe. Tsy tapitra tamin’io anefa ny fitoriana ilay Fanjakana, fa vao mainka nahazo hery vao, hahatratra an’izao tontolo izao. Nisy 17 000 mahery ny mpitory mazoto nanao ilay asa tany amin’ny tany 58, tamin’io taona io. Nanatrika an’ilay fivoriambe tany Cedar Point i George Gangas, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Hoy izy, taona maro taorian’ilay fivoriambe: “Nilentika tao an-tsaina sy tao am-poko ilay izy, ary tsy hadinoko mihitsy raha mbola velona koa aho.”
Zava-nisongadina teo amin’ny fandrosoana ara-panahy
Nampahery sy nahazoana fampianarana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fivoriambe rehetra. Tena nisy zava-nisongadina tsy hay hadinoina anefa nandritra ny sasany taminy.
Nisy fito tamin’izany nifanesy tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928, nanerana an’i Etazonia sy Kanada ary Grande-Bretagne. Anisan’ny niavaka tamin’ireny fivoriambe ireny ny fanapahan-kevitra nolanina (voalaza eo amin’ilay efajoro eo amin’ny pejy manaraka izy fito). Vitsy ihany ny Vavolombelona,
nefa vitany ny nizara 45 tapitrisa tamin’ny iray tamin’ireo fanapahan-kevitra, ary 50 tapitrisa tamin’ny maromaro hafa, tamin’ny fiteny maro eran-tany. Nisy nampitaina tamin’ny radio iraisam-pirenena. Tena fitoriana lehibe izany.Anisan’ny fivoriambe nanan-tantara ilay tany Columbus, any Ohio, tamin’ny 1931. Nomena hevitra avy tao amin’ny Soratra Masina ny Mpianatra ny Baiboly ny alahady 26 Jolay, ary nandray ilay anarana vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah avy eo. Tena nety izany! Io no anarana misarika ny saina ho amin’ilay Mpamorona sy milaza mazava ny andraikitry ny mpivavaka aminy. (Isaia 43:10-12) Vao mainka nampahazoto an’ireo rahalahy hitory ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany io anarana vaovao io. Hoy ny taratasy nosoratan’ny Vavolombelona danoà iray tamin’io taona io: “Tena anarana tsara ny hoe Vavolombelon’i Jehovah, ary enga anie isika rehetra ka ho izany tokoa.”
Nisy fivoriambe iray hafa nanan-tantara tany Washington, tamin’ny 1935. Nohazavain’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny andro faharoa tamin’io (zoma 31 Mey) hoe iza ny vahoaka be voalazan’ny Apokalypsy 7:9-17. Efa ho 50 taona mahery no niezahan’ny Mpianatra ny Baiboly namantatra io antokon’olona io. Fotoana nety tamin’i Jehovah tamin’izay, sady nojerena ny toe-javatra nisy, ka nolazaina hoe ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany io vahoaka be io. Nisy dikany vaovao ny asa fitoriana, sady nohazavaina araka ny Soratra Masina ny fiovana lehibe teo amin’ny rafitry ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.
Tsaroan’ny maro ilay fivoriambe tany Saint Louis, Missouri, tamin’ny 1941, sy ilay lahateny fanokafana hoe “Tsy Fivadihana”, nataon’ny Rahalahy Rutherford. Nifantoka tamin’ilay raharaha lehibe atrehin’ny olombelona sy ny anjely izy io. Efa noresahina matetika nanomboka tamin’ilay lahateny hoe “Mpitondra ho An’ny Vahoaka” tamin’ny 1928, ireo raharaha napoitran’ny fikomian’i Satana. Nasongadina tamin’ilay lahateny anefa fa “ny FITONDRANA AN’IZAO REHETRA IZAO no raharaha voalohany napoitran’i Satana.” Antony lehibe mahatonga ny mpanompon’i Jehovah hanao zavatra ny fahatakarany an’io raharaha io sy ny maha zava-dehibe ny tsy ivadihana amin’i Jehovah, Mpanjakan’izao Rehetra Izao.
Nisy nihevitra tamin’ny 1942 (tany antenatenan’ny Ady Lehibe II) fa efa ho vita ny asa fitoriana. Nanao an’ilay lahatenin’ny fivoriambe hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” tamin’izay i N. Knorr, prezidà vaovaon’ny Fikambanana. Nanazava momba ilay “bibidia mena midorehitra” ao amin’ny Apokalypsy toko 17 izy tamin’izay, ka nazava tamin’ny Vavolombelona fa ho azo atao ny hitarika olona maro kokoa ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, aorian’ny Ady Lehibe II. Nampandroso ny asa fitoriana hatrany izany, ka nahatratra 235 ny tany nitoriana, nefa mbola tsy vita ihany ilay asa.
Nisy zavatra niavaka koa ny 2 Aogositra 1950, tamin’ilay fivoriambe tao amin’ny Yankee Stadium, New York. Sady gaga no faly ny mpanatrika tamin’io, rehefa nahazo voalohany Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Navoaka tsikelikely nandritra ireo folo taona nanaraka, ny sisa tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naverin’io fandikan-teny maoderina io, teo amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’
ny Soratra Masina, ny anaran’Andriamanitra. Nanaraka akaiky izay tao amin’ireo teny nanoratana ny Baiboly izy io, ka nanjary fitaovana sarobidy ho an’ny Vavolombelona eo amin’ny fianarany ny Soratra Masina sy ny asa fitoriany.Nanao an’ilay lahateny hoe “Tontolo Vaovao” i F. Franz, prezidà lefitry ny Fikambanana, tamin’ny andro alohan’ny faran’ilay fivoriambe. Efa taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah no nino fa hatsangana amin’ny maty, alohan’ny Hara-magedona, ny sasany amin’ny mpanompon’i Jehovah talohan’i Kristy, ka ho andriana hitondra ao amin’ilay tontolo vaovao, araka ny Salamo 45:16. Azonao an-tsaina àry ny fihetsik’ireo mpanatrika maro be, rehefa niteny ilay mpandahateny hoe: “Ho faly ve ianareo manatrika ity fivoriambe iraisam-pirenena ity, fa eto amintsika izao hariva izao ny maromaro amin’ireo ho anisan’ny hitondra an’ilay tany vaovao?” Nisy tehaka lava be sy hiakam-pifaliana taorian’izay. Nasehon’ilay mpandahateny avy eo ny dikan’ilay teny ao amin’ny Baiboly nadika hoe “andriana.” Nolazainy fa tsy nivadika ny maro tamin’ny “ondry hafa” ankehitriny, ka izany no ahafahana mino fa misy amin’izy ireo hofidin’i Jesosy Kristy ho mpitondra. Nasehony koa anefa fa tsy homena anaram-boninahitra ireo manao io fanompoana io. Namarana ny lahateniny izy, ary nampirisika hoe: “Hiara-mandroso àry isika rehetra, satria anisan’ny fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao!”
Nisy lahateny lehibe hafa natao tamin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nahaliana ny fanazavana ny dikan’ny fanafihan’i Goga avy any Magoga, resahin’ny Ezekiela toko 38 sy 39, tao amin’ilay lahateny hoe “Misy Manafika avy any Amin’ny Farany Avaratra ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao” (1953). Nampientam-po an’ireo nandre azy koa ilay lahateny hoe “Fenoina Voninahitra Ilay Trano”, tamin’io taona io ihany. Hitan’izy ireo tsara mantsy ny porofo azo notsapain-tanana fa tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Hagay 2:7, dia ny hitondra ny zava-tsarobidy, na zavatra faniry, avy amin’ny firenena rehetra mba ho ao an-tranon’i Jehovah.
Ilay fivoriambe teto New York tamin’ny 1958 anefa no tena niavaka indrindra. Nisy olona 250 000 mahery nameno an’ilay kianja lehibe indrindra, mba hihaino an’ilay lahateny hoe “Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka efa Akaiky ve ny Faran’izao Tontolo Izao?” Nisy solontena avy amin’ny tany 123 tao, ary nanatanjaka an’ilay firahalahiana ny tatitra nataon’izy ireo momba ny taniny. Nisy boky tamin’ny fiteny 54 navoaka tamin’io mba hanampiana ny mpanatrika, sy hampianarana olon-kafa.
Nanitsy ny fiheveran’ny Vavolombelona momba ny dikan’ny Romanina 13:1-7 ireo lahateny tamin’ilay foto-kevitra hoe “Fanekena ny Manam-pahefana”, tamin’ny 1962. Takatr’izy ireo kokoa tamin’ny 1964 ny haben’ny famindram-pon’i Jehovah hita avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, tamin’ireo lahateny hoe “Avy Amin’ny Fahafatesana ho Amin’ny Fiainana”, sy “Mivoaka ny Fasana mba Hitsangana Amin’ny Maty.” Mbola maro amin’ireny zava-nisongadina ireny no azo tononina.
Misy vaovao an’aliny, sy ana hetsiny mihitsy aza manatrika ny fivoriambe isan-taona. Tsy vaovao amin’ny fandaminan’i Jehovah ny zavatra lazaina mandritra ny fivoriambe, nefa izany no hahatakaran’ireo vaovao ny sitrapon’Andriamanitra, sady mahaliana azy. Mety ho hitan’izy ireo sy hararaotiny ny fahafahana hanompo sy hanova tanteraka ny fiainany.
Noresahina tamin’ny fivoriambe maro ny dikan’ny boky sasany ao amin’ny Baiboly. Navoaka tamin’ny 1958 sy tamin’ny 1977, ohatra, ny boky maromaro niresaka ny faminanian’i Daniela momba ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hanangana fitondrana tarihin’i Kristy Mpanjaka. Ny bokin’i Ezekiela kosa no noresahina tamin’ny 1971, ary nantitranterina ny tenin’Andriamanitra hoe “ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezek. 36:23) Noresahina tamin’ny an-tsipiriany tamin’ny 1972 ny faminanian’i Zakaria sy Hagay. Nohazavaina betsaka kosa ireo faminaniana mahaliana ao amin’ny Apokalypsy tamin’ny 1963, 1969, ary 1988, izay niresaka tsara ny nianjeran’i Babylona Lehibe sy ny lanitra vaovao sy tany vaovao be voninahitra.
Nanasongadina foto-kevitra samihafa ireo fivoriambe: Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra, Fivavahana Madio, Mpivavaka Tafaray, Mpitory Be Herim-po, Vokatry ny Fanahy, Fanaovana Mpianatra, Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra, Ny Anaran’Andriamanitra, Zon’Andriamanitra Hitondra, Fanompoana Masina, Finoana Mandresy, Tsy Fivadihana Amin’ilay Fanjakana, Ireo Mpihazona Tsy Fivadihana, Matokia An’i Jehovah, Fitiavam-pivavahana, ary Ireo Mpitondra Fahazavana sy ny maro hafa. Nampandroso ara-panahy ny fandaminana sy ireo miaraka aminy, izy rehetra ireo.
Fanentanana ho amin’ny asa fitoriana
Tena nandrisika ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny fivoriambe rehetra. Nanome toromarika mahasoa ireo lahateny sy fampisehoana. Resahina amin’ny fandaharana foana ny zava-nitranga teny amin’ny fanompoana, sy ny tantaran’ny olona vao nampiana hianatra ny fahamarinana. Tena nahasoa koa ny fitoriana natao tamin’ny fivoriambe nandritra ny taona maro. Fitoriana tsara teo amin’ilay tanàna izany, sady tena nampahery an’ireo Vavolombelona.
Nanjary anisan’ny fandaharan’ny fivoriambe tany Winnipeg, any Kanada, ny asa fitoriana, tamin’ny Janoary 1922. Natao koa izany, tamin’ny faran’io taona io, tamin’ny fivoriambe tany Cedar Point. Nanjary fanaon’ny mpanatrika fivoriambe àry ny nanokana iray andro, na tapak’andro maromaro, mba hiarahana mitory eo amin’ny tanàna anaovana ny fivoriambe sy ny manodidina azy. Izany no nahafahan’ny mponina an-tanàn-dehibe (tsy mahita Vavolombelona matetika) nandre ny vaovao tsara momba ilay fikasan’Andriamanitra hanome fiainana mandrakizay ho an’izay tia ny fahamarinana.
Tamin’ny 1925 no natao voalohany tany Danemark izany, rehefa nisy mpanatrika 400 ka hatramin’ny 500 tany Nørrevold. Tamin’io vao nitory ny maro tamin’ireo 275 nandray anjara tamin’ilay fitoriana. Natahotra ny sasany, nefa nanjary nazoto be, hatrany an-tanànany
mihitsy, rehefa nanandrana. Maro ny fivoriambe tany Danemark nanokana andro hitoriana, nanomboka tamin’izay hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe II. Nisy rahalahy avy tamin’ny tanàna nanodidina nasaina hanampy. Nitombo ny zotom-pon’izy ireo, vokatry ny fiaraha-nanompo, ary nihaino lahateny indray izy ireo avy eo. Maro ny fivoriambe fitoriana toy izany natao tany Grande-Bretagne sy Etazonia, saingy naharitra roa andro.Nisongadina kokoa matetika ny fitoriana nataon’ireo mpanatrika, tamin’ny fivoriambe lehibe. Nilanja takelaka sy nizara fanasana ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny 1936, mba hampahafantarana momba ny lahateny ho an’ny besinimaro tamin’ny fivoriambe. (Nahantona teo anoloana sy tao andamosina ireo takelaka.) Nisy Vavolombelona arivo na mahery nandray anjara tamin’izany, indraindray. Nisy kosa nandeha nitory isan-trano, sy nanasa olona hanatrika an’ilay fivoriambe. Tena nampahery ny Vavolombelona tsirairay ny niara-niasa sy nahita ary niara-nanompo tamin’ny namany an-jatony, na an’arivony mihitsy. Nanjary fantatry ny olona nanodidina ny fivoriambe koa ny Vavolombelona, ary reny mihitsy ny fampianaran’izy ireo, sady hitany ny fitondran-tenany.
Tsy ireo mpanatrika fivoriambe ihany no nandre an’ireo lahateny. Nanao an’ilay lahateny hoe “Fahafahana ho An’ny Vahoaka” ny Rahalahy Rutherford, tany Toronto, Kanada, tamin’ny 1927. Nisy radio 53 nandefa azy io eran-tany. Avo roa heny noho izany kosa ny radio nandefa an’ilay lahateny hoe “Mpitondra ho An’ny Vahoaka”, natao herintaona taorian’io, tany Detroit, Etazonia. Nisy aza afaka nandre azy io hatrany Aostralia, Nouvelle-Zélande, ary Afrika Atsimo.
Maro ny radio tsy nety nandefa ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny fivoriambe, tamin’ny 1931. Niara-niasa tamin’ny Orinasa Misahana ny Telefaonina sy Telegrafy Amerikanina àry ny Fikambanana, ary nampifandray radio 163, ka izany no fifandraisana radio maro indrindra hatramin’izay. Nampitaina tamin’izany ilay hafatra hoe “Ilay Fanjakana,
Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao.” Nandefa ny diska nirakitra azy io koa ny radio 300 hafa eran-tany.Nanao an’ilay lahateny hoe “Fitondram-panjakana” ny Rahalahy Rutherford, nandritra ilay fivoriambe tany Washington, tamin’ny 1935. Noresahiny tsara fa hisolo tsy ho ela ny fanjakan’olombelona rehetra ny Fanjakan’i Jehovah, tarihin’i Kristy. Maherin’ny 20 000 no nandre izany tao amin’ny Tranoben’i Washington. Nampitaina tamin’ny radio sy telefaonina eran-tany koa ilay lahateny, ka re hatrany Amerika Afovoany sy Atsimo, Eoropa, Afrika Atsimo, nosin’i Pasifika, ary Azia. Mety ho an-tapitrisany no nandre io lahateny io tamin’izany. Namoaka an’io lahatsoratra io ny gazety roa lehibe tany Washington, ka najanony ny lahatsoratra saika havoakany. Nampiasain’ireo rahalahy koa ny fiara nisy fanamafisam-peo, mba handefasana indray an’ilay lahateny, ka napetrany tamin’ny toerana 3 tany Washington sy tamin’ny toerana 40 hafa nanodidina azy izany. Heverina fa 120 000 no nandre an’io lahateny io tamin’izany fomba izany.
Natao tany amin’ny fivoriambe 50 hafa eran-tany koa ilay lahateny hoe “Atreho ny Zava-misy”, natao tao amin’ny Royal Albert Hall, tany Londres, tamin’ny 1938, ka 200 000 teo ho eo no tontalin’ny mpanatrika. Maro koa no nandre azy io tamin’ny radio.
Tena nandray anjara betsaka tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana àry ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia somary vitsy aza izy ireo.
Fivoriambe tany Eoropa taorian’ny ady
Nanan-danja kokoa ny fivoriambe sasany, ho an’ireo nanatrika azy. Anisan’izany ireo fivoriambe tany Eoropa taorian’ny Ady Lehibe II.
Santionan’izany ilay tany Amsterdam, any Holandy, tamin’ny 5 Aogositra 1945, izany hoe efa-bolana latsaka taorian’ny nivoahan’ny Vavolombelona avy tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina. Olona 2 500 no nantenaina hanatrika, ary 2 000 no tokony homena filasiana. Nametraka bozaka teo ambony gorodona ny Vavolombelona teo an-toerana, mba hatorian’ny vahiny. Nampiasa ny fitaterana rehetra ny mpanatrika avy tamin’ny vazan-tany efatra: sambo, kamiao, bisikileta, ary nanakana fiara teny an-dalana.
Nihomehy, nitomany, nihira, ary nisaotra an’i Jehovah noho ny hatsarany izy ireo, tamin’ilay fivoriambe. Hoy ny iray tamin’ireo mpanatrika: “Tena fifaliana tsy hay lazaina ny azy ireo, noho ilay fandaminan’Andriamanitra nanafaka azy!” Latsaka ny 500 ny Vavolombelona tany Holandy, talohan’ny ady. Nogadraina ny 426, ary 117 tamin’ireo no maty vokatr’ilay fanenjehana. Fifaliana tokoa ny nihaona tany amin’ilay fivoriambe, tamin’ireo noheverina fa efa maty! Nisy nitomany rehefa nitady ny havany sy namany, nefa tsy nahita. Olona 4 000 no nihaino tsara an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro tamin’io hariva io. Nohazavaina hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nenjehina mafy aoka izany. Niaraka nandamina
an’ilay asa nomen’Andriamanitra izy ireo, na dia maro aza ny zavatra niaretany.Nandamina fivoriambe tany Nuremberg ireo rahalahy tany Alemaina, tamin’ny 1946. Nomen-dalana izy ireo mba hampiasa ny Zeppelinwiese, toerana fanaovana matso ho an’i Hitler teo aloha. Nanao an’ilay lahateny hoe “Notsapaina Mafy ny Kristianina” i Erich Frost (efa nampijalin’ny Gestapo sy nigadra nandritra ny taona maro tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia), ny andro faharoa. Nisy 6 000 ny Vavolombelona tany Nuremberg, nefa nisy olona 3 000 hafa niara-nanatrika ilay fivoriambe tamin’izy ireo.
Nifanindry tamin’ny andro namoahana ny didim-pitsarana tany Nuremberg, ho an’ireo nanao heloka tamin’ny ady, ny andro faran’ilay fivoriambe. Namoaka didy tsy ahazoana mivezivezy amin’ny alina ny miaramila mpitondra tamin’izay. Niresahana naharitra anefa izy ireo, ary nanaiky ihany hoe tsy nety raha nosakanana tsy hamarana tsara ny fivoriambeny ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa jerena ny zavatra niaretany vokatry ny fanoheran’ny Nazia. Tonga àry ireo rahalahy tamin’io andro io, mba hihaino ilay lahateny nampahery hoe “Tsy Matahotra, na dia Mikomy aza Izao Tontolo Izao.”
Tsapan’izy ireo fa i Jehovah no nitantana ny raharaha. Voaheloka tamin’io ireo anisan’ny mpitondra saika hanafoana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo amin’ilay toerana nampisehoan’i Hitler ny herin’ny Nazia indrindra anefa ny Vavolombelona, ary niara-nivory mba hivavaka tamin’i Jehovah. Hoy ny mpitari-draharahan’ilay fivoriambe: “Tsy maninona izay sivy taona lany tany amin’ny toby fitanana, rehefa hita ity andro ity. Izy ity mantsy no santatry ny fandresen’ny vahoakan’Andriamanitra ny fahavalony, amin’ilay ady Hara-magedona.”
Fivoriambe hafa nanan-tantara
Natao eran-tany ny fivoriambe, rehefa nitatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy lafiny lehibe nampiavaka azy rehetra, ho an’ireo nanatrika azy.
Nisy fivoriambe nalamina niaraka tamin’ny fitsidihan’ny prezidàn’ny Fikambanana, tany afovoan’i Copperbelt, tany Kitwe, any Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), tamin’ny 1952. Tany malalaka tany akaikin’ny toeram-pitrandrahana iray (any Chamboli ankehitriny) no nanaovana azy io. Nalamaka ny tampon’ny votry fonenan’ny vitsika fahiny, ary nasiana lampihazo nitafo bozaka. Nisy trano fatoriana nitafo bozaka nisy rihana roa kosa, natsangana tao anatin’ireo 180 metatra nanodidina ny seza ipetrahana. Nisy natao ho an’ny lehilahy sy ankizilahy, ary nisy kosa ho an’ny vehivavy sy ankizivavy. Nisy nandeha bisikileta nandritra ny tapa-bolana mba hahatongavana teo. Nisy kosa nandeha an-tongotra andro maromaro, ary avy eo nandeha bisy efa ratsiratsy.
Nihaino tsara ny mpanatrika, na dia dabilio volotsangana mafy aza no nipetrahany teo an-kalamanjana. Tonga mba hihaino izy ireo, ary tsy tiany hisy ho very izay voalaza. Tena tsara be ny hiran’ireo mpanatrika 20 000, ka nampilatsa-dranomaso. Tsy nisy mozika ilay izy, fa tena tsara ny firindran’ny feo. Tsy ny hira ihany no nahitana ny firaisan-tsain’ireo Vavolombelona, fa ny zavatra rehetra mihitsy, na dia samy hafa fiaviana sy foko aza izy ireo.
Azonao an-tsaina koa ve ny fihetseham-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Portogaly? Efa ho 50 taona izy ireo no niady hahazoana fahalalahana ara-pivavahana, ka ny 18 Desambra 1974 vao nahazo izany. Vao 14 000 monja ny isan’izy ireo tamin’izany. Nisy 7 586 tamin’izy ireo nameno ny kianjan’i Porto, tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nisy 39 284 kosa nameno ny kianja fanaovam-baolin’i Lisbonne, ny ampitson’iny. Niaraka tamin’izy ireo tamin’io fotoana nahafinaritra sy tsy hay hadinoina io ny Rahalahy Knorr sy Franz.
Fandaminana fivoriambe iraisam-pirenena
Efa ho 50 taona mahery ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao fivoriambe iray niaraka, tany amin’ny tanàna sy tany maro. Nahatsapa kokoa izy ireo fa mpirahalahy iraisam-pirenena, rehefa nandre lahateny lehibe avy tamin’ny tanàna foibe.
Tamin’ny 1946 anefa vao nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tao amin’ny tanàna iray, sady natrehin’ny solontena avy amin’ny tany maro. Tany Cleveland, Ohio, no nanaovana izany. Mbola sarotra ny nanao dia lavitra tamin’izany (vokatry ny ady), nefa 80 000 no nanatrika, ary anisan’izany ireo solontena 302 avy amin’ny tany 32 ivelan’i Etazonia. Natao tamin’ny fiteny 20 ireo fandaharana. Nisy toromarika mahasoa nomena, mba hanitarana ny asa fitoriana. Anisan’ny nisongadina tamin’io ny lahatenin’ny Rahalahy Knorr momba ny olana ateraky ny fanorenana indray sy fanitarana. Nitehaka mafy ny mpanatrika, rehefa nandre hoe hitarina ny foibe sy ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana, hitarina ny trano misy ireo radio, hisy biraon’ny sampana hatsangana any amin’ny tanàna lehibe eran-tany, ary hampitomboina ny isan’ny misionera. Nodinihina avy hatrany taorian’io fivoriambe io ny fomba hanatanterahana izany, ka nitety tany ny Rahalahy Knorr sy Henschel, mba hanatanterahana izay vao avy noresahina.
Nisy fivoriambe tena tsy hay hadinoina natao tao amin’ny Yankee Stadium teto New York, taona vitsy taorian’io. Nisy solontena avy amin’ny tany 67 nanatrika ilay voalohany, ny 30 Jolay–6 Aogositra 1950. Nisy tatitra
nataon’ny mpiandraikitra ny sampana sy misionera ary solontena hafa. Hitan’ny mpanatrika tamin’izany ny asa fitoriana lehibe atao any amin’ny tany maro. Nisy 123 707 ny mpanatrika tamin’ilay andro farany, nihaino an’ilay lahateny hoe “Afaka ny Hiaina Mandrakizay sy ho Sambatra eto An-tany ve Ianao?” Ny “Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra” no foto-kevitr’ilay fivoriambe. Noresahina betsaka ny isa nihanitombo. Noresahin’i Grant Suiter, mpitari-draharahan’ilay fivoriambe, anefa fa tsy natao hankalazana olona mahay eo anivon’ny fandaminana izany. Hoy kosa izy: “Ho voninahitr’i Jehovah ilay fitomboana. Izany no tokony ho izy, ka tsy hovantsika.”Nisy fivoriambe hafa natao tao amin’ny Yankee Stadium, New York, tamin’ny 1953, ka 165 829 ny mpanatrika. Toy ilay fivoriambe voalohany ihany izy io, satria nisy faminaniana mahaliana noresahina, sady nisy torohevitra nahasoa momba ny fitoriana ny vaovao tsara, sy tatitra avy amin’ny tany maro. Nanomboka tamin’ny 9.30 maraina ny fandaharana, nefa tsy tapitra raha tsy tamin’ny 9.00 na 9.30 alina. Nisy sakafo ara-panahy tondraka, nandritra ireo valo andro naharetany.
Ilay fivoriambe tamin’ny 1958 no lehibe indrindra, ka tsy ny Yankee Stadium ihany no nampiasaina, fa ny Polo Grounds teo akaiky koa, niaraka tamin’ny toerana nanodidina azy ireo, satria maro be ny mpanatrika. Feno ny seza rehetra tamin’ilay andro farany, ka nisy fahazoan-dalana manokana mba hampiasana ilay kianja filalaovana mihitsy tao amin’ny Yankee Stadium. Tena nampihetsi-po tokoa ny nahita olona an’arivony, nanala ny kirarony ary nipetraka teo amin’ilay bozaka! Olona 253 922 no nihaino ilay lahateny ho an’ny besinimaro. Vao mainka hita fa notahin’i Jehovah ny fanompoan’ny vahoakany, satria nisy 7 136 tamin’io fivoriambe io no natao batisa, hanehoany ny fanoloran-tenany. Efa avo roa heny izany, raha oharina amin’ireo natao batisa tamin’ilay Pentekosta taona 33, tantarain’ny Baiboly!—Asa. 2:41.
Tsy ny fahaiza-mandamin-javatra fotsiny no nahavitana ireny fivoriambe ireny, fa ny asan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny vahoakany koa. Hita hatraiza hatraiza ny fitiavan-drahalahy, miorina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy mpandamina nahazo karama be no niandraikitra ny sampan-draharaha rehetra, fa mpiasa an-tsitrapo kosa. Rahalahy sy anabavy kristianina, ary mpianakavy matetika, no nisahana ny fizarana sakafo. Nikarakara sakafo mafana koa izy ireo, ary nizara izany tamin’ny mpanatrika efa ho arivo isa-minitra, tao anaty lay lehibe tany ivelan’ny kianja. An’aliny ireo mpiasa an-tsitrapo faly nanao ny asany, nikarakara ny fanorenana, fandrahoana, fandrosoana sakafo, fanadiovana, sy ny maro hafa.
Mpiasa an-tsitrapo ana hetsiny hafa no nanokana ora maro hikarakarana ny filasiana. Nisy toerana nalalaka fasiana tranofiara sy tranolay nalamina tamin’ny fivoriambe sasany, mba hilasian’ny mpanatrika sasany. Nampanofain’ny mpamboly iray tany New Jersey ny taniny mba hasiana tranofiara, tamin’ny 1953. Nojinjain’ny Vavolombelona maimaim-poana ny voa teo amin’io tany 16 hektara io, mba hanaovana izany. Naherin’ny 45 000 ny mpilasy teo, ka tsy maintsy nasiana trano fidiovana, jiro, efitra fandroana, fanasana lamba, fikarakarana sakafo, ary fitahirizan-tsakafo. Toy ny hoe nisy tanàna nijoro vetivety teo, rehefa tonga izy ireo. An’arivony hafa no nampiantranoina tany amin’ny hotely sy tany an-tranon’olona teto New York sy ny manodidina. Asa be izany, nefa vita, noho ny fitahian’i Jehovah.
Mandroso ireo fivoriambe
Tena te hahafantatra ny namany any an-tany hafa ny Vavolombelona eran-tany. Nohararaotin’izy ireo natrehina àry ny fivoriambe natao tany ivelan’ny taniny.
Nisy Vavolombelona avy amin’ny tany 40 nanatrika ny fivoriambe Fivavahana Madio, natao voalohany tany Londres, Angletera, tamin’ny 1951, tao amin’ny Kianjan’i Wembley. Nohamafisina tamin’io fa mahasoa antsika ny fivavahana marina sy ny fanaovana ny fanompoana ho anton’asa. Maro tamin’ny Vavolombelona avy tany Angletera no nandeha tany Eoropa, mba hanatrika fivoriambe sivy hafa hatao nandritra ny roa volana nanaraka. Ilay tany Francfort-sur-le-Main, any Alemaina, no lehibe indrindra, satria nisy 47 432 avy amin’ny tany 24 no nanatrika. Hita tamin’ny faran’ilay fivoriambe ny fitiavan’ireo rahalahy, satria nitendry zavamaneno ny orkesitr’ireo rahalahy alemà, ka nanao hira fanaovam-beloma, nametraka tamin’Andriamanitra an’ireo Vavolombelona avy any an-tany hafa. Maro no nanofahofa mosara, ary an-jatony no nankeny amin’ireo rahalahiny teny ampitan’ilay kianja mba haneho ny fankasitrahany noho io fety ara-panahy lehibe io.
Vavolombelona maro no nitsidika ny rahalahiny kristianina nandritra ny fivoriambe, tamin’ny 1955. Nandeha sambo roa nohofana (nisy mpandeha 700 avy) sy fiaramanidina 42 nohofana ireo solontena avy eto
Etazonia sy Kanada, mba ho any Eoropa. Nanoratra momba ireo Vavolombelona maro tonga tany Eoropa ny gazety Ny Kintana sy ny Tsipika (anglisy), navoaka tany Alemaina, ka niteny hoe io “angamba no nisian’ny Amerikanina betsaka indrindra tonga tatỳ Eoropa, taorian’ny nanafihan’ny Mpiray Dina, tamin’ny Ady Lehibe II.” Nisy solontena koa avy any Amerika Afovoany sy Atsimo, Azia, Afrika, ary Aostralia. Niezaka nanakana ny Vavolombelona tsy ho afaka hanao ny fivoriambeny tany Roma sy Nuremberg ny mpitondra fivavahana, nefa tanteraka ireo fivoriambe roa ireo sy ny enina hafa eran’i Eoropa. Nisy 4 351 ny mpanatrika tany Roma, ary 107 423 tany Nuremberg. Nisy 17 729 kosa ny mpanatrika tany Waldbühne (tany Berlin Andrefana tamin’izany). Tsy nampidi-doza kokoa ho an’ireo rahalahy tany atsinanana mantsy ny nanatrika azy io. Maro taminy no nigadra noho ny finoany, na nanan-kavana mbola tany am-ponja, nefa niorina mafy tamin’ny finoana izy ireo. Tena nety tokoa ilay foto-kevitry ny fivoriambe hoe “Fanjakana Mandresy”!Hafakely ilay tamin’ny 1963, na dia efa nisy fivoriambe iraisam-pirenena maro aza talohany. Nitety tany io fivoriambe io. Nanomboka tany Milwaukee, any Wisconsin, izy io teto Etazonia, avy eo nanketo New York; nandeha tany amin’ny tanàn-dehibe efatra tany Eoropa; nitety an’i Moyen-Orient; nanohy tany Inde, Birmania (Myanmar ankehitriny), Tailandy, Hong Kong, Singapour, Philippines, Indonezia, Aostralia, Taïwan, Japon, Nouvelle-Zélande, Fidji, Repoblikan’i Korea, ary Hawaii, ary niverina tatỳ Amerika Avaratra indray. Nisy mpanatrika avy amin’ny tany 161 tamin’izy rehetra ireo. Nihoatra ny 580 000 ny mpanatrika. Nisy solontena 583 avy amin’ny tany 20 niara-nifindra tamin’ilay fivoriambe, ka nanatrika ny fivoriambe tsirairay eran-tany, ary nianto-tena tamin’izany. Nisy fitsangantsanganana manokana natao mba hitsidihan’izy ireo toerana ara-pivavahana nahaliana. Niara-nanompo tamin’ireo rahalahy sy anabavy koa izy ireo.
Maro ny Amerikanina latinina nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena. Anjaran’izy ireo kosa ny nampiantrano izany tamin’ny 1966-1967. Tsy hadinon’ireo mpanatrika mihitsy ilay fampisehoana tantara, namelomana ny tantara ao amin’ny Baiboly momba an’i Jeremia, sady nanampy ny rehetra hahatakatra ny dikan’izany ho antsika. a Nihamafy ny fifankatiavana kristianina, rehefa hitan’ireo mpitsidika mihitsy ny zava-misy iainan’ireo manao ilay asa fampianarana Baiboly tany Amerika Latinina. Tena nampihetsi-po azy ireo ny finoana mafy orina nananan’ireo mpiray finoana taminy. Maro taminy no nandresy vato misakana toa tsy azo resena mba hahatongavana teo, toy ny fianakaviana manohitra, tondra-drano, ary fananana very. Tena nampahery an’ireo mpanatrika ny tantara toy ny an’ilay anabavy mpisava lalana manokana avy tany Orogoay. Tsy dia salama loatra izy, nefa maro tamin’ireo olona 80 nampiany hatramin’ny batisa no niaraka taminy teo ambony lampihazo! (Nanampy olona 105 hatramin’ny batisa izy, hatramin’ny 1992. Mbola tsy salama tsara izy, ary mbola mpisava lalana manokana!) Nampihetsi-po koa ny nahita misionera maro avy amin’ireo kilasin’i Gileada voalohandohany, nefa mbola teo am-perinasa! Tena nandrisika ny rehetra hanohy ilay asa tokoa ireny fivoriambe ireny. Manana mpidera an’i Jehovah avo 10, na 15, na 20 heny noho ny tamin’izany izao, ny maro amin’ireny tany ireny.
Azon’ny Vavolombelona avy any an-tany hafa natao, tamin’ny 1970-1971, ny niaraka tamin’ny rahalahiny tany Afrika, mba hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena natao tany. Ilay tany Lagos, any Nizeria, no lehibe indrindra tamin’izany. Zavatra vao natao daholo no nampiasaina tamin’izay. Nisy tanàna vita tamin’ny volotsangana natsangana mba hiarovana ny mpanatrika, ka ireto avy no naorina: toerana ipetrahana, fatoriana, fikarakarana sakafo, ary sampan’asa hafa. Volotsangana lava 100 000, sy bararata
lehibe 36 000, ary tsihy zozoro no nomanin’ireo rahalahy sy anabavy. Niaraka natao tamin’ny fiteny 17 ilay fivoriambe. Nisy 121 128 ny mpanatrika, ary 3 775 ireo Vavolombelona vaovao natao batisa. Avy amin’ny foko samihafa ny mpanatrika, ary maro taminy no niady taloha. Nahafaly tokoa ny nahita azy ireo tafaray tao anatin’ny tena firahalahiana kristianina!Nisy tamin’ireo mpanatrika nandeha bisy ho any Igboland, taorian’ilay fivoriambe, mba hitsidika an’io tanàna tena voakasiky ny ady an-trano vao haingana io. Tena gaga ny mponina tao amin’ny tanàna nolalovan’ireo, rehefa niarahaba sy namihina an’ireo mpitsidika ny Vavolombelona teo an-toerana. Nihazakazaka ho eny an-dalana mba hijery izany ny olona. Mbola tsy hitan’izy ireo hatramin’izay niainany ny fitiavana sy firaisan-tsain’ny mainty sy ny fotsy toy izany.
Tsy afaka ny hiara-manatrika fivoriambe amin’ny toerana iray ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany, noho ny hamaroany. Nisy fivoriambe lehibe niaraka natao anefa, indraindray, ary nisy hafa nanaraka azy isan-kerinandro. Tsapa tamin’ny 1969 ny firaisan-tsaina tamin’ireo fivoriambe toy izany, satria nivezivezy teo amin’ireo fivoriambe ny mpandahateny sasany, mba hanao lahateny tamin’izy rehetra. Toy izany koa tamin’ny 1983 sy 1988. Nampifandraisina (iraisam-pirenena mihitsy) an-telefaonina ny fivoriambe lehibe maro, mba hiara-mihaino lahateny lehibe nataon’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ireto anefa no tena mampiray saina ny Vavolombelona: samy manompo an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina; samy mihevitra ny Baiboly ho mpitari-dalana; mahazo sakafo ara-panahy mitovy; samy manaiky an’i Jesosy ho Mpitarika; samy miezaka haneho ny vokatry ny fanahy; samy matoky ny Fanjakan’Andriamanitra, ary samy mitory ny vaovao tsara momba azy io.
Voalamina mba hidera an’i Jehovah eran-tany
Nihamaro ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanjary betsaka noho ny mponina any amin’ny tany maro mihitsy. Nitaky fandaminana tsara ny fivoriambeny, mba handraisana soa feno. Fangatahana an-tsoratra momba ny toerana hanatrehan’ny Vavolombelona avy amin’ny toerana iray fotsiny anefa matetika no nilaina, dia efa azo antoka fa hisy toerana ampy ho an’ny rehetra. Hafa kosa ny fandaminana fivoriambe iraisam-pirenena. Tsy maintsy jeren’ny Filan-kevi-pitantanana ny isan’ny Vavolombelona avy amin’ny tany hafa maniry sy afaka hanatrika an’ilay izy, nefa dinihiny koa ny haben’ny trano azo anaovana ilay fivoriambe, ny isan’ny Vavolombelona eo an-toerana mety hanatrika, sy ny filasiana ampy ho an’ireo solontena. Tsy maintsy omeny avy eo ny tarehimarika betsaka indrindra ho an’ny tany tsirairay. Nampiharina izany tamin’ilay Fivoriambe “Fitiavam-pivavahana”, natao intelo tany Polonina tamin’ny 1989.
Vavolombelona poloney 90 000 no nantenaina ho avy, miaraka amin’ny olona liana an’arivony. Maro koa ireo nasaina avy tany Grande-Bretagne
sy Kanada ary Etazonia. Maro ny solontena noraisina avy tany Italia sy Frantsa ary Japon. Nisy koa avy tany Skandinavia sy Gresy. Tany 37, fara fahakeliny, no nanana solontena. Tsy maintsy nadika ho amin’ny fiteny 16 ny lahateny sasany tamin’ny teny poloney na anglisy. Nisy 166 518 ny tontalin’ny mpanatrika.Maro tamin’ny Vavolombelona nanatrika ireo fivoriambe ireo no avy tany Tsekoslovakia sy ny Firaisana Sovietika teo aloha, ary nisy avy amin’ny tany hafa tany Eoropa Atsinanana. Tsy ampy nilasian’ny rehetra ny trano sy toerana fatoriana tany amin’ireo sekoly. Nahay nandray vahiny anefa ireo Vavolombelona poloney, ka nanokatra ny fony sy ny tranony, ary faly nizara izay nananany. Nanome filasiana ho an’olona 1 200, ohatra, ny fiangonana iray nisy mpitory 146. Nisy tamin’io fivoriambe io no vao voalohany nanatrika fivoriana nisy vahoakan’i Jehovah nihoatra ny 15 na 20. Feno fankasitrahana ny fon’izy ireo, teo am-pijerena an’ireo olona an’aliny, niara-nivavaka sy nampiara-peo taminy, nihira fiderana an’i Jehovah. Nifamihina izy ireo, rehefa niaraka nandritra ny fiatoana, na dia tsy afaka nilaza izay tao am-pony aza, vokatry ny fahasamihafan’ny fiteny.
Feno fankasitrahana an’i Jehovah izy ireo, teo am-pifaranan’ny fivoriambe, satria i Jehovah no nampisy izany. Nitehaka nandritra ny folo minitra, fara fahakeliny, ny mpanatrika tany Varsovie, rehefa avy nanao teny famaranana ny mpitari-draharaha. Nitehaka indray izy ireo, rehefa vita ny
hira sy vavaka, ary nitsangana teo nandritra ny fotoana naharitra. Efa taona maro no niandrasan’izy ireo an’io fotoana io, ka tsy tiany hifarana ilay izy.Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hafa indray natao tany Berlin tamin’ny 1990, latsaka ny dimy volana taorian’ny nanesorana ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana nandritra ny 40 taona. Nisy solontena avy amin’ny tany 65 tamin’ireo mpanatrika 44 532. Vitsy ny avy any amin’ny tany sasany, toy ny avy tany Polonina, izay nisy 4 500. Tsy hita izay hilazana ny fihetseham-po tsapan’ireo tsy nanana fahafahana hanatrika fivoriambe mihitsy. Tsy tanan’izy ireo ny ranomasom-pifaliany, rehefa niara-nihira fiderana an’i Jehovah ny mpanatrika.
Nisy fivoriambe natao tany São Paulo, any Brezila, koa tamin’io taona io. Kianja roa lehibe no ampy ho an’ireo mpanatrika 134 406 avy amin’ny firenena maro. Nanaraka an’io ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Arzantina, ka kianja roa koa no niara-nampiasaina tamin’io. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena koa tany Philippines sy Taïwan ary Tailandy, tamin’ny fiandohan’ny 1991. Olona maro avy amin’ny firenena maro no nanatrika ireo fivoriambe tany Eoropa Atsinanana (Hongria sy Tsekoslovakia ary Kroasia ankehitriny). Nisy solontena avy amin’ny tany 28 koa anisan’ireo 46 214 nanatrika ilay tena fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Saint-Pétersbourg, any Rosia, tamin’ny 1992.
Fampaherezana tsy tapaka
Tsy ny fivoriambe rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no iraisam-pirenena. Mandamina fivoriambe indray mandeha isan-taona atao eran-tany anefa ny Filan-kevi-pitantanana. Mety ho be mpanatrika izy ireny, ka ho afaka hifanerasera amin’ny Vavolombelona avy amin’ny toerana maro ny mpanatrika. Mety ho vitsy koa ny mpanatrika, ary atao amin’ny tanàna maro ireo fivoriambe, ka mora kokoa ny manatrika azy, ary hitan’ny olona amin’ny tanàna kely maro ny ankamaroan’ny Vavolombelona eo amin’ny toerana misy azy.
Manao fivoriambe isan-taona koa ny faritra (fiangonana 20 eo ho eo), mba handray torohevitra sy fampaherezana ao anatin’ny roa andro. b Alamina isan-taona nanomboka tamin’ny 1987 koa ny fivoriambe manokana, atrehin’ny faritra mandritra ny iray andro. Irahina mba hanao lahateny amin’izany, raha mety, ny solontenan’ny foiben’ny Fikambanana, na solontenan’ny biraon’ny sampana. Tena ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireny fandaharana ireny. Tsy mandeha lavitra, sady tsy sahirana ireo mpanatrika fivoriambe any amin’ny toerana maro. Tsy toy izany kosa ny hafa. Milaza ny mpiandraikitra mpitety faritany iray fa nisy mpivady be taona tany Zimbabwe, nandeha an-tongotra 76 kilaometatra, nitondra valizy sy bodofotsy, mba hanatrika fivoriamben’ny faritra.
Tsy misy fandaharam-pitoriana intsony mandritra ireo fivoriambe, nefa tsy midika izany hoe tsy zava-dehibe amin’ny Vavolombelona intsony izany. Matetika no efa tsidihin’ny Vavolombelona (isaky ny herinandro vitsivitsy, indraindray) ireo olona manodidina ny toerana fanaovana fivoriambe. Mitady fomba itoriana tsy ara-potoana ny mpanatrika fivoriambe, ary efa fitoriana sahady ny fitondran-tena tsara asehony.
Porofon’ny tena firahalahiana
Mora hita ny firahalahian’ny Vavolombelona mandritra ireo fivoriambeny. Hitan’ny olona fa tsy misy fanavakavahana eo anivon’izy ireo, ary
tena misy fitiavana, na dia amin’ireo mbola tsy nifankahafantatra taloha aza. Nilaza toy izao ny Vaovaon’i Amsterdam (2 Aogositra, anglisy) teto New York, tamin’ilay Fivoriambe Sitrapon’Andriamanitra, teto New York tamin’ny 1958: “Miaraka amim-pifaliana sy an-kalalahana ny Mainty sy fotsy ary Tatsinanana avy amin’ny fari-piainana sy ny tany rehetra. ... Avy amin’ny tany 120 ireo Vavolombelona mpivavaka, ary miara-miaina sy miara-mivavaka tsara, ka mampiseho amin’ny Amerikanina hoe tena mora atao izany. ... Hita tsara tamin’ilay Fivoriambe ny fomba iarahan’ny olona miasa sy miaina.”Nanao fivoriambe tany Durban sy Johannesburg koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Afrika Atsimo tamin’ny 1985. Nisy avy amin’ny foko sy fiteny maro avy any ny mpanatrika, ary nisy solontena avy amin’ny tany 23 hafa. Hita avy hatrany ny fifankatiavan’ireo mpanatrika 77 830. Hoy ny tovovavy indianina iray: “Tena tsara ny mahita Metisy, Indianina, fotsy sy mainty hoditra, ary olon-kafa miaraka tsara, ka niova tanteraka ny fomba fijeriko ny fiainana.”
Tsy ny tsikitsiky sy fandraisan-tanana, ary ny fiantsoana hoe “rahalahy” sy “anabavy” fotsiny no maha mpirahalahy azy ireo. Nandamina an’ilay Fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay” ny Vavolombelona tamin’ny 1963. Nampahafantatra azy ireo ny Fikambanana fa azo natao ny nanome vola hanampiana ny namany hanatrika fivoriambe, ary ho faly ny Fikambanana hanome izany ho an’ny rahalahy eran-tany. Tsy nisy fanantazan-drakitra, ary tsy nisy sarany naloa tamin’ny fikarakarana taratasy. Tonga tany amin’izay nilana azy ny vola. Olona 8 179 àry no nampiana mba hanatrika fivoriambe, ka nisy avy tany Amerika Afovoany sy Atsimo, ary an’arivony avy tany Afrika sy Moyen-Orient ary Extrême-Orient. Maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy nampiana no mpanompo manontolo andro nandritra ny taona maro.
Nisy fivoriambe nalamina tany Auckland, Nouvelle-Zélande, tamin’ny faran’ny 1978. Nahafantatra izany ireo Vavolombelona avy any amin’ny Nosy Cook, ka mba te hanatrika koa. Nahantra ny ankamaroany, ary lafo ihany ny saran-dalana. Be fitiavana anefa ireo rahalahy tany Nouvelle-Zélande, ka nandefa vola handehanan’olona 60 teo ho eo. Tena faly izy ireo nanatrika an’io fety ara-panahy io, niaraka tamin’ny rahalahy avy ao Nouvelle-Zélande, Samoa, Niue, ary Caucase!
Anisan’ny mampiavaka ny Vavolombelona ny zava-nitranga tamin’ny faran’ny Fivoriambe “Ny Fahamarinan’Andriamanitra” tany Montréal, Kanada, tamin’ny 1988. Samy niara-nankafy an’ilay fandaharana tamin’ny fiteniny avy ny mpanatrika niteny anglisy, arabo, espaniola, frantsay, grika, italianina, ary portogey. Niaraka daholo anefa ireo mpanatrika 45 000 tamin’ny faran’ilay fivoriambe tao amin’ny Kianja Olympika, mba haneho ny firahalahiany sy firaisan-tsainy. Niara-nihira tamin’ny fiteniny avy izy ireo hoe: “Avia hirao ... ‘Manjaka i Jah. Koa mifalia ... ry tany.’ ”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fampisehoana tantara 70 toy izany no natao nandritra ireo fivoriambe tao anatin’ny 25 taona nanaraka an’io.
b Natao indroa isan-taona izy io tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1987. Naharitra telo andro ireo fivoriambe hatramin’ny 1972, ary novana ho roa andro avy eo.
[Teny notsongaina, pejy 255]
“Tena gaga aho nahita ny fitiavana sy hatsaram-panahy”
[Teny notsongaina, pejy 256]
Miakara amin’ny fiarandalambin’ny fivoriambe!
[Teny notsongaina, pejy 275]
Tsy mpandamina fivoriambe nahazo karama be, fa mpiasa an-tsitrapo
[Teny notsongaina, pejy 278]
Firaisan-tsain’ny mainty sy fotsy
[Efajoro/Sary, pejy 261]
Fanapahan-kevitra Lehibe Fito Nolanina Tamin’ny Fivoriambe
1922: “Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao.” Nanasa an’ireo mpitondra mba hanaporofo raha manana fahendrena hitondra ny tany izy ireo, na hiaiky fa avy amin’i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ihany no hisian’ny fiadanana sy fiainana ary fahafahana sy fahasambarana mandrakizay.
1923: “Fampitandremana ny Kristianina Rehetra.” Tsy maintsy nandosirany ny fandaminana mihambo fotsiny ho misolo tena an’Andriamanitra sy Kristy.
1924: “Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana.” Nampiharihary ny fampianarana sy fomba tsy araka ny Soratra Masina, ataon’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana.
1925: “Hafatra Manome Fanantenana.” Nampiseho fa tsy mahavita manome ny zavatra ilain’ny olona ireo milaza ho fahazavana mitarika eo amin’izao tontolo izao, fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita izany.
1926: “Fitoriana ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao.” Nampahafantatra azy ireo fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina ary efa manjaka i Jesosy Kristy, ilay tokony ho Mpanjakan’ny tany. Nampirisika ny mpitondra mba hampiasa ny heriny hitarihana olona ho amin’ilay Andriamanitra marina, mba tsy hisy loza hanjo azy.
1927: “Fanapahan-kevitra ho An’ny Kristianisma Anarana.” Nampiseho fa mampijaly ny olombelona ny tetika iraisan’ny mpandraharaha sy mpanao politika ary ny fivavahana. Nampirisika ny olona hiala amin’ny Kristianisma Anarana, sy hitoky amin’i Jehovah sy ny Fanjakany tantanan’i Kristy.
1928: “Fanambarana Mamely An’i Satana sy Manohana An’i Jehovah.” Nanazava fa tsy ho ela i Jesosy Kristy, Mpanjaka voahosotr’i Jehovah, dia hamefy an’i Satana sy handrava ireo fandaminany ratsy fanahy. Nampirisika ny tia fahamarinana rehetra mba hiandany amin’i Jehovah.
[Efajoro/Sary, pejy 272, 273]
Lafiny Nampiavaka ny Fivoriambe Sasany
An-jatony ny solontena nafana fo nandeha sambo, an’arivony nandeha fiaramanidina, an’aliny nandeha fiara sy bisy
Nilaina ny fandaminana tsara sy mpiasa nazoto maro mba hitady sy hitsinjara filasiana
Sakafo mafana an’aliny no nozaraina tsy tapaka tamin’ny mpanatrika, nandritra ireo fivoriambe naharitra valo andro
Nomanina ny tranofiara sy tranolay ho an’ny mpanatrika 45 000 mahery, 1953
Betsaka noho ireo tamin’ny Pentekosta taona 33 ireo 7 136 natao batisa teto New York, 1958
Nisy takelaka fiarahabana avy amin’ny tany maro naseho, ary natao tamin’ny fiteny 21 ny fivoriambe, teto New York, 1953
[Sary, pejy 256]
Mpanatrika ny fivoriamben’ny IBSA, tany Winnipeg, Kanada, 1917
[Sary, pejy 258]
J. Rutherford, nanao lahateny tany Cedar Point, Ohio, 1919. Nampirisika ny rehetra izy mba hazoto hampiasa ny “Fotoam-pahasambarana”, hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra
[Sary, pejy 259]
Fivoriambe tany Cedar Point, 1922. Izao no antso tao: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany”
[Sary, pejy 260]
Tany Cedar Point i George Gangas tamin’ny 1922. Nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy nandritra ny 70 taona teo ho eo, taorian’izay
[Sary, pejy 262, 263]
Mpanatrika ny fivoriambe tany Columbus, Ohio, 1931, faly nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 264]
Nambaran’i N. Knorr ny fivoahan’ny “Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, 1950
[Sary, pejy 264]
Zava-nisongadina tamin’ny fivoriambe ny lahatenin’i F. Franz momba ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly (New York, 1958)
[Sary, pejy 265]
Nanan-toerana lehibe tamin’ny fivoriambe rehetra ny fitoriana, nandritra ny taona maro.
Los Angeles, Etazonia, 1939 (ambany); Stockholm, Soeda, 1963 (sary kely)
[Sary, pejy 266]
Nampitaina tamin’ny radio sy telefaonina tany amin’ny kontinanta enina ny lahatenin’i J. Rutherford tany Washington, 1935
[Sary, pejy 268]
Nafana fo i Erich Frost nanao ilay lahateny hoe “Notsapaina Mafy ny Kristianina”, tany Nuremberg, Alemaina, 1946
[Sary, pejy 269]
Fivoriambe an-kalamanjana tany Kitwe, Rodezia Avaratra, nandritra ny fitsidihan’i N. Knorr, 1952
[Sary, pejy 270, 271]
Nihaino an’ilay lahateny hoe “Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka efa Akaiky ve ny Faran’izao Tontolo Izao?” ny olona 253 922 nameno an’ireo kianja lehibe roa teto New York, 1958
Polo Grounds
Yankee Stadium
[Sary, pejy 274]
Grant Suiter, mpitari-draharahan’ny fivoriambe tao amin’ny Yankee Stadium, 1950
[Sary, pejy 274]
John Groh (mipetraka) miresaka fandaminana fivoriambe amin’i George Couch, 1958
[Sary, pejy 277]
Nisy fivoriambe nifandimby natao eran-tany tamin’ny 1963, ka solontena avy amin’ny tany 20 no nitety an’izao tontolo izao
Iray tamin’ireo tanàna 27 nanaovana fivoriambe i Kyoto, Japon (ambany havia). Miresaka ny solontena avy amin’ny Repoblikan’i Korea (afovoany). Fiarahaban’ny Maori any Nouvelle-Zélande (ambany havanana)
[Sary, pejy 279]
Fivoriambe niaraka natao tamin’ny fiteny 17, tao amin’ny tanàna volotsangana vao naorina (Lagos, Nizeria, 1970)
[Sary, pejy 280]
Nisy fivoriambe lehibe telo natao tany Polonina tamin’ny 1989, ka nisy solontena avy amin’ny tany 37
Nanao lahateny tany Poznań i T. Jaracz (ankavanana)
An’arivony no natao batisa tany Chorzów
Nitehaka naharitra ny mpanatrika tany Varsovie
Solontena avy amin’ny URSS teo aloha (ambany)
Nadika tamin’ny fiteny 15 ny lahateny sasany tany Chorzów