Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ambarao Ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany! (1919-1941)

Ambarao Ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany! (1919-1941)

Toko 7

Ambarao Ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany! (1919-1941)

“Mino ve ianareo fa efa manjaka ilay Mpanjakan’ny voninahitra? Miverena eny amin’ny saha àry ry zanak’ilay Andriamanitra avo indrindra! Sikino ny fiadianareo! Aoka ianareo ho tony sy hiambina ary havitrika sy hahery. Asehoy fa mahatoky sy tena vavolombelon’ny Tompo ianareo. Mandrosoa amin’ilay ady, mandra-pahapotik’i Babylona tanteraka. Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Andro iray toa zato izao. Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.”

NISY akony lalina teo amin’ny mpanatrika io antso nataon’i J. Rutherford io, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922. Naniry mafy hanambara ilay Fanjakana ireo Mpianatra ny Baiboly, taorian’izy io. Tsy azo noeritreretina anefa, taona vitsivitsy talohan’io, ny ho tonga iraka mampahafantatra ilay Fanjakana. Tany am-ponja i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy fito, ary tsy azo antoka izay ho andraikitr’izy ireo teo anivon’ny fandaminana. Ahoana no nandresena izany vato misakana izany?

“Fantatro ny lalàna ho an’ny tsy mivadika”

Nisy fivoriambe nalamina tany Pittsburgh, Pennsylvanie, tamin’ny 2-5 Janoary 1919, raha mbola tany am-ponja i Rutherford sy ny namany. Nisy heviny manokana anefa izy io, satria niaraka natao tamin’ny fivorian’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, fanao isan-taona, ny 4 Janoary 1919. Fantatry ny Rahalahy Rutherford tsara ny halehiben’io fivoriana io. Nitady ny Rahalahy Macmillan izy tamin’io asabotsy hariva io, ka nahita azy tao amin’ny kianja filalaovana tenisy tao am-ponja. Izao no fitantaran’i Macmillan azy:

“ ‘Te hiresaka aminao aho, ry Mac’, hoy i Rutherford.”

“ ‘Momba ny inona moa izay?’ ”

“ ‘Ny zava-mitranga any Pittsburgh amin’izao ka.’ ”

“ ‘Andraso aloha hovitaiko ity lalao ity e.’ ”

“ ‘Tsy mahaliana anao angaha izay mitranga any? Tsy fantatrao angaha fa fifidianana ny tompon’andraikitra androany? Mety tsy ho voafidy ianao, dia hijanona ato mandrakizay isika.’ ”

“ ‘Aleo hazavaiko aminao ny eritreritro, Rahalahy Rutherford’, hoy aho. ‘Vao voalohany izao hatramin’izay naha ara-dalàna ny fikambanana no mety hahitana hoe iza no tian’i Jehovah Andriamanitra ho prezidà.’ ”

“ ‘Inona no tianao holazaina?’ ”

“ ‘Ny Rahalahy Russell foana no lanin’ny besinimaro, ary izy no nanendry an’ireo tompon’andraikitra. Hafa mihitsy izao, satria tsy miditra amin’ilay izy mihitsy isika. Fa raha tafavoaka mialoha isika, ka hanatrika ny fivoriambe sy ilay fivoriana, dia hekena handray ny toeran’ny Rahalahy Russell, sy hahazo voninahitra toa azy. Toa asan’olombelona izany, fa tsy an’Andriamanitra.’ ”

“Lasa saina fotsiny i Rutherford, ary niala teo.”

Nafana ny fivoriana tamin’io andro io tany Pittsburgh. “Nisy kotaba sy adihevitra be aloha”, hoy i Sara Kaelin, nihalehibe tany Pittsburgh. “Nisy te hanemotra ilay fivoriana ho afaka enim-bolana; ny hafa nisalasala raha ara-dalàna ny nifidy tompon’andraikitra mbola tany am-ponja; ny sasany nanolotra tompon’andraikitra vaovao.”

Namaky taratasy avy tamin’ny Rahalahy Rutherford i W. Hudgings, mpitantana ny Fikambanana Polipitran’ny Vahoaka, a taorian’ny adihevitra lava be. Nandefa firarian-tsoa ho an’ireo mpivory izy tamin’io. Nampitandrina izy fa “ny AVONAVONA sy ny FIREHAREHANA ary ny TAHOTRA no fitaovan’i Satana lehibe indrindra.” Nasehon’i Rutherford fa nanaiky ny sitrapon’i Jehovah izy. Nanetry tena izy ka nandroso hevitra hifidianana lehilahy mendrika, raha te hifidy tompon’andraikitra vaovao ireo mpivory.

Nitohy kely ihany ny adihevitra, ary niteny toy izao avy eo i E. Sexton, izay notendrena ho mpitari-draharahan’ilay komity mpanendry:

“Vao tonga aho, fa tara roa andro ny fiarandalamby nandehanako, satria nisy orampanala. Misy zavatra tena tiako holazaina, sady mahatsara ahy ny milaza azy izao. Ry rahalahy malala, efa nisy hevitra voalanjalanja tsara tato an-tsaiko, toa anareo rehetra, rehefa tonga teto aho. ... Tsy misy lalàna manakana an’ilay izy. Raha tiantsika hofidina indray ho amin’ny toerana azony hazonina ireo rahalahy any Atsimo, dia tsy hitako, avy amin’izay hevitra [araka ny lalàna] nomena ahy, ny antony mety hanakantsakanan’izany ny raharahan’izy ireo eo anoloan’ny Fitsarana Federaly, na eo anatrehan’ny vahoaka.”

“Heveriko fa ny mifidy indray an’i Rutherford, rahalahy malalantsika, ho prezidàn’ny Fikambanana, no valisoa lehibe indrindra azontsika omena azy. Mazava amin’ny olona angamba ny hevitra ijoroantsika. Raha nisy lalàna tsy fantany nodikain’ireo rahalahintsika, dia fantatsika fa tsy fanahy iniany izany. Lazaiko eo anatrehan’ilay Hery Fara Tampony, fa tsy nandika lalàn’Andriamanitra na an’olombelona izy ireo. Tena matoky ny Rahalahy Rutherford isika, raha mifidy azy indray ho prezidàn’ny Fikambanana.”

“Tsy mpahay lalàna aho, nefa fantatro ny lalàna ho an’ny tsy mivadika, raha ity toe-javatra ity no resahina. Ny tsy fivadihana no takin’Andriamanitra. Tsy hitako izay fomba lehibe kokoa hanehoana ny fatokisantsika, afa-tsy ny HIFIDIANANA INDRAY NY RAHALAHY RUTHERFORD HO PREZIDÀ.”

Niray hevitra tamin’ny Rahalahy Sexton ny ankamaroan’ireo mpivory. Nisy anarana natolotra, ary natao ny fifidianana, ka i J. Rutherford no lany ho prezidà, C. Wise no prezidà lefitra, ary W. Van Amburgh no mpitan-tsoratra sady mpitam-bola.

Nodondonin’ny Rahalahy Rutherford ny rindrin’ny efitra figadran’i Macmillan, ny ampitson’iny, ary hoy izy: “Avoahy ny tananao.” Natolony an’i Macmillan avy eo ny telegrama nilaza hoe voafidy ho prezidà indray i Rutherford. Hoy i Macmillan, tatỳ aoriana: “Faly be izy nahita fa nohamafisina hoe i Jehovah no mitantana ny Fikambanana.”

Tapitra ilay fifidianana, nefa mbola tany am-ponja ihany ny Rahalahy Rutherford sy ireo namany fito.

“Hetsika nanerana an’i Etazonia”, ho an’ireo nigadra

“Nisy hetsika nanerana an’i Etazonia ho an’ireo rahalahy ireo, nandritra ny herinandro faramparany”, hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aprily 1919. Nisy gazety nangataka ny hamotsorana an’i J. Rutherford sy ny namany. Nanohana azy ireo koa ny Mpianatra ny Baiboly nanerana an’i Etazonia, ka nanoratra taratasy havoaka an-gazety sy ho an’ny solombavambahoaka, senatera sy governora, mba hampirisihana azy ireny hanao zavatra ho an’ireo valo lahy nigadra. Tsy nipetraka tokoa ireo Mpianatra ny Baiboly, raha tsy navoaka ny rahalahiny.

Nanomana taratasy hanangonana sonia ireo Mpianatra ny Baiboly nanerana an’i Etazonia, tamin’ny Martsa 1919, mba hangatahana ny Prezidà Woodrow Wilson hampiasa ny fahefany, hanaovana ny iray amin’ireto ho an’ireo rahalahy nigadra:

“VOALOHANY: Famotsorana tanteraka, raha mety, NA”

“FAHAROA: Hanomezanao baiko ny Minisiteran’ny Fitsarana hanala ny fiampangana azy ireo, hanafahana azy madiodio, NA”

“FAHATELO: Mba havoaka avy hatrany izy ireo rehefa mandoa onitra, eo am-piandrasana ny didim-pitsarana farany, havoakan’ny fitsarana ambony kokoa.”

Nahangona sonia 700 000 ireo Mpianatra ny Baiboly, tao anatin’ny tapa-bolana. Tsy nalefa tany amin’ny prezidà na ny governemanta mihitsy anefa ilay fangatahana. Nahoana? Satria efa tafavoaka talohan’izay izy valo mirahalahy, rehefa nandoa onitra. Inona anefa no vokatr’ilay fanangonan-tsonia? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1919: “Voaporofo mazava fa tian’ny Tompo ho vita ny asany, nefa tsy ny hivoahan’ireo rahalahy loatra, fa ny mba hanambarana ny fahamarinana kosa.”

“Arahabaina fa Tafaverina, ry Rahalahy”

Niala tany Atlanta ho eto Brooklyn ireo rahalahy valo, ny talata 25 Martsa. Niparitaka haingana ny vaovao. Nampihetsi-po ny nahita Mpianatra ny Baiboly tonga teny amin’ny gara handalovan’izy ireo, ary nanantena ny hahita azy sy haneho ny fifaliany vokatr’ilay fanafahana. Ny hafa nihazakazaka nankatỳ amin’ny Trano Betela teto Brooklyn, izay efa nihidy, mba hanomana fety fiarahabana. Nasaina nandoa onitra 10 000 dolara avy ireo rahalahy, ny 26 Martsa, teto Brooklyn, ary nafahana.

“Maro be ireo namana nanatitra azy ireo tany amin’ny Trano Betela, ary efa nisy dimanjato na eninjato koa no niandry mba hiarahaba azy ireo”, hoy ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aprily 1919. Nisy banderôla lehibe tao amin’ny efitrano fisakafoana nilaza hoe “Arahabaina fa Tafaverina, ry Rahalahy.” Nilaza toy izao i Mabel Haslett (izay nanatrika an’io fety io), efa ho 50 taona tatỳ aoriana: “Tsaroako fa nanendy mofo zato aho, sady toa tena tian’ireo anadahy ilay izy, taorian’ny sivy volana nihinanany sakafon’ny fonja. Mbola tsaroako ny Anadahy Rutherford naka tamin’ilay izy. Tsy hadinon’ny rehetra mihitsy izy sy ireo namany nitantara ny zavatra niainany. Mbola tsaroako koa ny Anadahy DeCecca. Fohy izy, ka nitsangana teo ambony seza mba hahitana sy handrenesan’ny rehetra azy.”

Tonga tany Pittsburgh, izay nisy ny foibe, ny Rahalahy Rutherford ny talata 1 Aprily maraina. Nanomana fety hatao ny harivan’iny tao amin’ny Hotely Chatham, koa ireo rahalahy, rehefa nandre hoe ho avy izy. Nandreraka ny Rahalahy Rutherford anefa ny fiainana tany am-ponja. Simba ny havokavony, ka voan’ny pnemonia nahery izy, rehefa nivoaka ny fonja. Tsy ela izy dia voatery nankany Kalifornia, toerana nisy havany.

Ilay fitsapana tany Los Angeles

Efa afaka izao ny Rahalahy Rutherford sy ny namany, ka ahoana ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra? Saika nitsahatra ny fandaminana ny asa fitoriana, rehefa tany am-ponja ireo rahalahy ireo. Namidy ny Tranolain’i Brooklyn, ary nakatona ny Trano Betela. Kely ny foibe tany Pittsburgh, ary kely koa ny vola. Tena maro koa ve ny olona liana? Te hanao fitsapana ny Rahalahy Rutherford, izay mbola tany Kalifornia.

Nisy fivoriana nalamina tao amin’ny Efitrano Lehibe Clune tany Los Angeles, ny alahady 4 Mey 1919. “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy” no lohatenin’ny lahateny nanasana ny olona. I J. Rutherford, olona vao nivoaka ny fonja, anefa no hanao ilay lahateny. Nambara tamin’ny gazety maro fa hilaza ny tena zava-nisy i Rutherford, anisan’izany ny fanazavana ny antony tsy ara-dalàna nanamelohana an’ireo tompon’andraikitry ny Fikambanana. Ho liana amin’izany ve ny olona?

Betsaka no liana. Nisy 3 500 nandre ilay lahateny, ary 600 nosakanam-potsiny. Nientam-po ny Rahalahy Rutherford! Nanaiky ny hanao lahateny ho an’ireo tsy tafiditra izy ny alatsinainy alina, ka 1 500 no tonga. Narary be anefa izy, ka mpiara-miasa taminy no nisolo azy namita an’ilay lahateny, rehefa niteny adiny iray izy. Nahomby anefa ilay fitsapana tany Los Angeles. Nino mafy ny Rahalahy Rutherford fa maro ny olona liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka tapa-kevitra ny hanao izay hitoriana izany izy.

Nitohy ny asa!

Niverina niasa tany amin’ny foibe tany Pittsburgh ny Rahalahy Rutherford ny Jolay 1919. Nandeha haingana ny fotoana nandritra ireo volana vitsivitsy nanaraka. Nalamina ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly, hatao tany Cedar Point, Ohio, ny 1-8 Septambra 1919. Naverina teto Brooklyn indray ny biraon’ny Fikambanana, ary nanomboka niasa ny 1 Oktobra.

Inona izao no hataon’izy ireo? Nohamafisina tamin’ilay fivoriambe ny andraikitr’izy ireo. Nanazava toy izao ny Rahalahy Rutherford ny talata 2 Septambra: “Ny andraikitry ny Kristianina ... dia ny hanambara ny hafatry ny fanjakam-pahamarinan’ny Tompo, izay hitondra fitahiana ho an’ny zavaboary mijaly.” Niteny toy izao indray ny Rahalahy Rutherford ny zoma 5 Septambra, izay nantsoina hoe Andron’ny Mpiara-miasa: “Manontany tena ny Kristianina hoe: Nahoana aho no eto an-tany? Ary ny valin’izay dia tsy maintsy hoe: Satria niantran’ny Tompo aho ka nataony iraka hitondra ny hafatra fampihavanana ho an’izao tontolo izao, ary tombontsoako sy adidiko ny manambara izany.”

Fotoana tokony hanohizana ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa tamin’izay! Mba hanampiana tamin’izany, dia hoy ny Rahalahy Rutherford: “Noho ny fitahian’ny Tompo, dia nataonay izay hamoahana gazety vaovao mitondra ny anarana hoe FOTOAM-PAHASAMBARANA.” Mbola tsy fantatr’ireo mpanatrika hoe nilana herim-po tokoa ny namoaka ny hafatra tao anatin’io Fotoam-pahasambarana io.

“Nampirisika anay rehetra iny fivoriambe taorian’ny Ady Lehibe I iny”, hoy i Herman Philbrick, izay niainga avy tany Boston, Massachusetts, mba hanatrehana azy io. Nandrisika ny Mpianatra ny Baiboly tokoa io fivoriambe tany Cedar Point io. Vonona ny hanohy ilay asa fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, ary toy ny hoe nitsangana tamin’ny maty.—Ampitahao amin’ny Ezekiela 37:1-14; Apokalypsy 11:11, 12.

Nisy zava-dehibe nitranga koa anefa teo amin’izao tontolo izao. Nosoniavina tamin’ny 28 Jona 1919 ny Fifaneken’i Versailles, ary nampiharina nanomboka ny 10 Janoary 1920. Io fifanekena io no namarana ny fampiasana tafika tany Alemaina, nandritra ny Ady Lehibe I, sady namoronana ny Fikambanam-pirenena, izay natao hitandro ny filaminana eran-tany.

‘Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany’

Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Cedar Point indray ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 5-13 Septambra 1922. Nientam-po ny solontena rehetra tonga hanatrika azy io. Nisongadina indrindra ny zoma 8 Septambra, rehefa nanao an’ilay lahateny hoe “Ilay Fanjakana”, ny Rahalahy Rutherford.

Hoy i Thomas Sullivan, tatỳ aoriana: “Toy ny mbola hitan’ireo nanatrika ihany ny Rahalahy Rutherford nafana fo be niteny an’ireo olona vitsivitsy nandehandeha noho ny hafanam-be, hoe ‘MIPETRAHA’, ary ‘MIHAINOA’ na ahoana na ahoana.” Tsy diso fanantenana ireo nihaino, satria nanan-tantara io lahatenin’ny Rahalahy Rutherford io. Tamin’izay izy no nampirisika ny mpihaino hoe: ‘Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.’

Nazoto nanaraka izany fampirisihana izany ny mpanatrika. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana: “Tena gaga ny rehetra nandre hoe adidin’ireo nanolo-tena rehetra manomboka izao ny manambara an’ilay Mpanjaka sy ilay fanjakana.” Nazoto be handeha hitory ny Mpianatra ny Baiboly, taorian’ilay fivoriambe. Hoy ny Anabavy Ethel Bennecoff, mpisava lalana, 30 taona latsaka tamin’izany: “Vonona izahay ‘hanambara, hanambara, hanambara ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’, sady nazoto sy feno fitiavana kokoa noho ny hatramin’izay.”

Nanjary nahatakatra fahamarinana nahaliana vitsivitsy ireo Mpianatra ny Baiboly, rehefa nitombo ny fahatakarany ny Soratra Masina. (Ohab. 4:18) Nampandroso ny asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahatakarana ireny fahamarinana sarobidy ireny. Tsy maintsy nanitsy ny heviny koa anefa izy ireo, ary tena sarotra tamin’ny sasany izany.

“Tsy vao izao no nisy fanantenana tsy tanteraka”

Nilaza toy izao ny bokikely Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy (anglisy), tamin’ny 1920: “Azontsika antenaina tsara hoe hitsangana [amin’ny maty] amin’ny 1925 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba sy ireo mpaminany nahatoky fahiny ... ary ho olombelona lavorary.” Tsy vitan’ny hoe nantenaina hitsangana tamin’ny 1925 ireo mpaminany, fa nanantena ny ho any an-danitra tamin’io taona io koa ny Kristianina voahosotra sasany. b

Dify ihany ny taona 1925. Nisy ny diso fanantenana, nefa nahatoky ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanjary Mpianatra ny Baiboly tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 ny raibe sy reniben’i Herald Toutjian. Hoy izy: “Nanjary takatry ny fianakaviako fa tsy vao izao no nisy fanantenana tsy tanteraka. Efa tsy tanteraka koa ny zavatra sasany nantenain’ny apostoly. ... Mendrika hotompoina amim-pahatokiana sy hoderaina anefa i Jehovah, na hisy valisoa na tsy hisy.”—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:6, 7.

Fandaminan’i Jehovah sa an’i Satana?

Nisy lahatsoratra navesa-danja, nitondra ny lohateny hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1925. Naseho tao ny fahatakarana mazava kokoa ny Apokalypsy toko 12, ka sarotra tamin’ny sasany ny nanaiky izany.

Ireto no mifanitsy amin’ireo zavatra voatonona ao amin’io Apokalypsy toko 12 io: ilay “vehivavy” niteraka (and. 1, 2) dia ny “fandaminan’Andriamanitra [any an-danitra]”; ilay “dragona” (and. 3) dia ny “fandaminan’ny devoly”; ary ilay “zazalahy” (and. 5) dia “ilay fanjakana, na fitondrana vaovao.” Nanjary nazava nanomboka teo àry hoe misy fandaminana roa mifanohitra, dia ny an’i Jehovah sy ny an’i Satana. Noroahina tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, taorian’ilay “ady nipoaka tany an-danitra” (and. 7), ka natsipy tetỳ an-tany.

“Nipetraka hianatra azy io izahay nandritra ny alina, mandra-pahazonay azy tsara”, hoy i Earl Newell, izay lasa solontena nitety faritanin’ny Fikambanana. “Nanatrika fivoriambe tany Portland, Oregon, izahay, ary nahita ireo namanay tezitra vokatr’io lahatsoratra io, ary nisy vonona hanary Ny Tilikambo Fiambenana.” Nahoana no sarotra tamin’ny sasany ny nanaiky an’io fanazavana ny Apokalypsy toko 12 io?

Satria aloha, tsy nitovy tanteraka tamin’izay voalaza tao amin’ny Ilay Mistery Fantatra ilay izy. Saika zavatra nosoratan’ny Rahalahy Russell talohan’ny hahafatesany mantsy no tao amin’io boky io. c Hoy i Walter Thorn, mpitety fiangonana: “Sarotra noraisina ... ilay lahatsoratra hoe ‘Ny Fahaterahan’ilay Firenena’, satria noraisinay ho teny farany momba ny Apokalypsy ny fanazavan’i Russell, rahalahy malala.” Tsy nahagaga raha nisy sosotra tamin’ilay fanazavana. Hoy i J. Bonhet, mpitety fiangonana koa: “Sivana tokoa iny fanazavana iny, fa izay tso-po tamin’ny finoany ihany no hijoro sy hifaly.”

Izay tena tso-po tokoa no nifaly tamin’ilay fanazavana vaovao. Nanjary nazava tamin’izy ireo izao hoe na an’ny fandaminan’i Jehovah ny olona, na an’i Satana. Nilaza toy izao ilay lahatsoratra hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena”: “Tadidio fa tombontsoantsika ... ny ho sahy hiady ho an’ilay Mpanjakantsika, ka hanambara ny hafatra nasainy hambarantsika.”

Nitombo ny fahatakarana ny Baiboly tamin’ireo taona 1920 sy 1930. Tsy nankalazaina intsony ny fetin’izao tontolo izao, toy ny Krismasy. Nialana koa ny fanao sy finoana hafa, rehefa hita fa nanala baraka an’Andriamanitra ny fiandohany. d Nanohy niantehitra tamin’i Jehovah koa anefa ireo Mpianatra ny Baiboly, mba hahitany fahamarinana maro kokoa.

‘Ianareo no vavolombeloko’

‘Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.’ (Isaia 43:12) Nanomboka takatry ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ireo taona 1920, fa misy dikany lalina ireo tenin’i Isaia mpaminany ireo. Noresahina matetika tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny andraikitsika ho vavolombelon’ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nisy zava-dehibe nitranga àry tamin’ny fivoriambe natao tany Columbus, Ohio, tamin’ny 1931.

Ny alahady 26 Jolay, tamin’ny mitataovovonana, ny Rahalahy Rutherford no nanao ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao.” Nalefa nivantana tamin’ny radio izy io, ary radio 300 mahery no namerina nandefa azy. Nampitandrina ny Kristianisma Anarana ny Rahalahy Rutherford tamin’ny faran’ilay lahateny, ka namaky fanapahan-kevitra nanindrona, nitondra ny lohateny hoe “Fampitandremana avy Amin’i Jehovah”, natao “Ho An’ny Mpitondra sy ny Vahoaka.” Nitsangana daholo ny mpanatrika, rehefa nasaina hanaiky an’ilay fanapahan-kevitra, ary namaly mafy hoe “Eny!” Hita tamin’ny telegrama maro voaray tatỳ aoriana koa, fa nanaiky an’ilay fanapahan-kevitra ny maro tamin’ireo nihaino radio.

Tapitra tamin’ny iray ora ilay lahateny, nefa nientanentana be ny rehetra, mandra-piverin’ny Rahalahy Rutherford teo amin’ny lampihazo, tamin’ny efatra ora. Nangatahiny mba ho eo amin’ny toerany mantsy ireo tena liana tamin’ilay fampitandremana ho an’ny Kristianisma Anarana, tamin’ny efatra ora.

Tamin’ny efatra ora katroka mihitsy ny Rahalahy Rutherford no nanomboka niteny hoe heveriny ho tena zava-dehibe ho an’ny rehetra ny handrenesana ny zavatra holazainy manaraka. Liana be ireo mpihaino azy. Nanolotra fanapahan-kevitra holanina indray izy tamin’ilay lahateniny. “Anarana Vaovao” no lohatenin’io fanapahan-kevitra io, ary nofaranany tamin’ny fanambarana hoe: “Tiantsika ny ho fantatra sy hantsoina amin’ny anarana hoe vavolombelon’i Jehovah.” Nitsambikina indray ireo mpanatrika, sady niteny mafy hoe “Eny!” Hantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo manomboka izao!

“Nampian’ny fanahin’i Jehovah izahay ka tsy natahotra”

Nampirisihina hiara-mitory isaky ny alahady ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny 1927. Maro ny olona nanohitra avy hatrany ka nilaza hoe tsy ara-dalàna izany. Nitombo ny fisamborana Vavolombelona tao anatin’ny taona vitsivitsy: nisy 268 tamin’ny 1933 teto Etazonia fotsiny; 340 tamin’ny 1934; 478 tamin’ny 1935; ary 1 149 tamin’ny 1936. Inona no niampangana azy ireo? Zavatra maro, toy ny hoe mivarotra tsy misy fahazoan-dalana, mandrava filaminana, ary mandika ny lalàna momba ny sabata alahady. Tsy nahay niresaka tsara tamin’ny polisy sy ny mpitsara ireo Vavolombelona. Lafo loatra koa ny nanakarama mpisolovava, na tsy nisy azo nokaramaina, vokatry ny fitsarana an-tendrony. Natsangan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana teto Brooklyn àry ny sampan-draharaha momba ny lalàna, mba hanome torohevitra.

Tsy ampy anefa ny fiarovana mafy. Tapa-kevitra ny hiaina nifanaraka tamin’ilay anarana vao azony koa ireo Vavolombelon’i Jehovah tso-po. Nanao zavatra àry izy ireo, teo am-piandohan’ireo taona 1930. Inona izany? Fitoriana manokana nantsoina hoe fitorian’ny andiany. Nozaraina ho andiany maromaro ireo vonona hitory nanerana an’i Etazonia. Rehefa nisy Vavolombelona nosamborina noho ny fitoriana isan-trano tao amin’ny tanàna iray, dia nisy andiany avy any an-toeran-kafa tonga avy hatrany teo amin’ilay tanàna sy nanao fitoriana tamin’ny fomba feno. e

Tena nampahery an’ireo Vavolombelona ireny fitorian’ny andiany ireny. Nisy rahalahy nahay isaky ny andiany, ary nampiofanina hiresaka tamin’ny manam-pahefana. Nahery ireo rahalahy tany amin’ny toerana be korontana, angamba tanàna kely, rehefa nahalala hoe tsy irery izy teo amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nitaky herim-po lehibe ny nanao fitorian’ny andiany tamin’ireo taona 1930. Vitsy ny asa, vokatry ny Krizy Ara-toe-karena Lehibe. Nilaza toy izao anefa i Nicholas Kovalak, zanany, izay mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 40 taona: “Nangataka an’izay vonona ny ‘talen’ny fanompoana’, rehefa hitory tany amin’ny toerana nafampana izahay. Tsy nasaina handeha ireo natahotra ho very asa. ... Faly anefa izahay fa vonona daholo foana ny rehetra!” Hoy i John Dulchinos, mpiandraikitra tany Springfield, any Massachusetts: “Taona nahafinaritra ireny, ary tena fahatsiarovana sarobidy. Nampian’ny fanahin’i Jehovah izahay ka tsy natahotra.”

Nihatakatra tsara kokoa ny Baiboly, nandritra izany, ary nisy akony teo amin’ny asa izany.

Ary ireo Jonadaba?

Nohazavaina tamin’ny 1932 fa olona hiaina mandrakizay eto an-tany no mifanandrify amin’i Jonadaba, naman’i Jeho Mpanjaka. f (2 Mpanj. 10:15-28) Nanjary nantsoina hoe Jonadaba koa izy ireo, ary noraisiny ho tombontsoa ny miaraka amin’ireo voahosotr’i Jehovah, sy miara-mitory ilay Fanjakana amin’izy ireo. Tsy nisy zavatra natao anefa tamin’izany, mba hanangonana sy handaminana ireo olona hiaina eto an-tany.

Nisy fampaherezana ho an’ireo Jonadaba anefa tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aogositra 1934, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Hatsaram-panahiny.” Hoy izy io: “Tokony hanolo-tena ho an’ny Tompo sy hatao batisa ve ireo Jonadaba? Valiny: Tena mety amin’ireo Jonadaba tokoa ny manolo-tena mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hisy hahazo fiainana, raha tsy manao izany. Mariky ny nanaovana fanoloran-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny ny fandrobohana, ary tena mety ny hanaovana izany.” Nientam-po ireo Jonadaba!

Mbola nisy fifaliana lehibe kokoa niandry azy ireo anefa. Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nisy nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana maromaro (nanomboka ny 1 Aprily 1935), nilaza toy izao: “Ampahatsiahivin’ny Tilikambo Fiambenana indray ny mpamaky fa hisy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Jonadaba g hatao any Washington, manomboka ny 30 Mey ka hatramin’ny 3 Jona 1935.” Niandrandra an’io fivoriambe io ireo Jonadaba.

Ny “vahoaka be” noresahin’ny Apokalypsy 7:9-17 no foto-kevitry ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford, ny harivan’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe. Nohazavainy fa ny Jonadaba ankehitriny no vahoaka be, ary tokony tsy hivadika amin’i Jehovah toa an’ireo voahosotra koa izy ireo. Nientam-po tokoa ny mpanatrika! Nitsangana ireo Jonadaba, rehefa nasain’ny mpandahateny hitsangana. Nilaza toy izao i Mildred Cobb, natao batisa tany antenatenan’ny 1908: “Nisy fanginana tanteraka aloha, ary avy eo dia nisy hiakam-pifaliana, sy tehaka mafy naharitra ela.”

Nisy akony lehibe teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah io fahatakarana vaovao ny Baiboly io. Hoy i Sadie Carpenter, mpitory manontolo andro nandritra ny 60 taona mahery: “Tena nafana fo izahay, rehefa niverina tany amin’ny faritaninay mba hitady ireo olona toy ny ondry mbola tokony hangonina.” Nilaza toy izao ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1936: “Nampahery an’ireo rahalahy iny fanazavana iny, ary nanosika azy hazoto hiasa kokoa. Betsaka ny tatitra naneran-tany nampiseho fifaliana noho ilay tombontsoan’ny sisa voahosotra hitory amin’ny vahoaka be, sy ny fiarahan’izy ireo miasa hanome voninahitra ny anaran’ny Tompo.” Nanampy tamin’ny fanaovana an’ilay asa ny boky Harena, navoaka tamin’ny 1936, ka niresaka betsaka momba ny fanantenan’ny vahoaka be, araka ny lazain’ny Soratra Masina.

Hitan’ireo anisan’ny vahoaka be nanolo-tena sy natao batisa ihany, rehefa ela ny ela, ny toerany teo akaikin’ny voahosotra, eo amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra!

‘Famaizana an’ilay vaviantitra’

Nanindrona ny fivavahan-diso ny zavatra notorin’ireo Vavolombelona nazoto, tamin’ireo taona 1930. Nisy fitaovana nanampy tamin’izany, navoaka tamin’ny fivoriamben’izy ireo, natao ny 15-20 Septambra 1937, tany Columbus, Ohio.

Nanambara ny fivoahan’ny boky Fahavalo ny Rahalahy Rutherford, taorian’ilay lahateniny ny marainan’ny asabotsy 18 Septambra. Nolazain’izy io fa “fahavalo lehibe, manimba ny olona foana” ny fivavahan-diso, ary “iraky ny Devoly [ireo mpanaraka fivavahan-diso] na fantany izany na tsia.” Hoy ny Rahalahy Rutherford, teo am-pamoahana an’ilay boky: “Hofaizintsika amin’ity ilay vaviantitra.” h Nasehon’ny mpanatrika mazava fa nanaiky izany izy ireo.

Efa taona maro ny grafofaonina no nampiasaina mba ‘hanafaizana an’ilay vaviantitra.’ Nisy zavatra tsy nampoizina momba ny grafofaonina anefa tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1937. “Natomboka tamin’ilay fivoriambe ny fampiasana grafofaonina azo bataina, teny am-baravarana”, hoy i Elwood Lunstrum, izay vao 12 taona tamin’izany. “Efa nitondra grafofaonina teny am-pitoriana izahay talohan’io, nefa tsy nalefanay ilay izy, raha tsy nampandrosoina izahay. ... Nisy fandaharana momba ny ‘Mpisava Lalana Manokana’ noresahina tamin’ilay fivoriambe tany Columbus, mba hanasongadinana ny fampiasana grafofaonina eny am-baravarana, sy ny fitsidihana indray an’ireo olona liana, ary hanaovana fampianarana Baiboly, nantsoina hoe ‘fampianarana modely.’ ”

Ampy fitaovana tsara hitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny vahoakan’i Jehovah rehefa nandao an’ilay fivoriambe. Nila fampaherezana tokoa izy ireo. Betsaka ny fanoherana, satria nindrahindraina tamin’ireo taona 1930 ny fitiavan-tanindrazana. Niharan’ny herisetram-bahoaka koa ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray, vokatry ny nataon’ny olona tapa-kevitra ny hanakana azy tsy hiara-mivory sy hitory.

“Andiana mpisoloky”

Nipoaka ny fanenjehana nahery, avy tamin’ny Fikambanana Katolika maro. Nivantana be ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 2 Oktobra 1938, tamin’ilay lahateniny hoe “Fasisma sa Fahafahana.” Natao bokikely izy io tatỳ aoriana, ary an-tapitrisany taminy no nozaraina. Nohazavain’ny Rahalahy Rutherford tamin’izany ny tsipirian’ny zavatra tsy ara-dalàna nitranga, mba hampisehoana fa niray tsikombakomba ny manam-pahefana sasany sy ny solontenan’ny Eglizy Katolika.

Hoy izy taorian’izay: “Rehefa lazaina amin’ny olona ny marina momba ny vahoaka miseho ho mpivavaka manitsakitsaka ny zony, dia mitabataba ny Manam-pahefana hoe: ‘Lainga izany! Tampeno ny vavany, ka aza avela hiteny izy.’ ” Nanontany izy avy eo hoe: “Tsy mety ve ny milaza ny marina momba ny andiana mpisoloky, izay mandroba vahoaka? Tsia! ... Tokony hotampenam-bava sy hoterena hangina ve ny olo-marina, nefa manitsakitsaka ny fahalalahana ireo andiana mpisoloky ireo? Ambonin’ny zava-drehetra, tsy tokony homena azy ve ny tombontsoa avy amin’Andriamanitra hiara-mivory amim-pilaminana, sy ny fahalalahana hivavaka amin’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, ary ny fahalalahana hiteny momba ny Fanjakany sy ireo manohitra azy io?”

Nitohy ihany ny fanenjehana avy amin’ireo Fikambanana Katolika nanerana an’i Etazonia, taorian’izany. Niady tany amin’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazo fahalalahana ara-pivavahana sy hanana zo hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Niharatsy anefa ny toe-javatra, rehefa nipoaka ny ady lehibe. Nofeperana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy nogadraina izy ireo tany Eoropa sy Afrika ary Azia.

“Te ho any Saint Louis daholo izahay rehetra”

Hoy i Norman Larson, izay vao nanompo manontolo andro, tamin’ny 1941: “Tsapanay rehetra tamin’ny 1941 fa hisy andro sarotra haterak’ilay ady tany Eoropa, ka te ho any Saint Louis daholo izahay rehetra.” Mba hanao inona? Hanatrika ilay Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natao ny 6-10 Aogositra 1941! Ary tonga tokoa “izahay rehetra.” Feno hipoka ilay toerana nanaovana fivoriambe. Nisy 115 000 no nanatrika, araka ny tomban’ny polisy.

Vao nanomboka ilay fivoriambe, dia efa nahazoana fampaherezana. Toy ny lahateny fototra ny lahateny fanokafana nataon’ny Rahalahy Rutherford hoe “Tsy Fivadihana.” Misionera nandritra ny 40 taona latsaka, mandra-pahafatiny tamin’ny 1983, ny Anabavy Hazel Burford. Hoy izy: “Takatray tsara kokoa ny antony namelan’i Jehovah ny fanenjehana mafy hihatra tamin’ny vahoakany eran-tany.” Nilaza toy izao momba an’ilay fivoriambe koa ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1942: “Hitan’ny rehetra mazava fa misy asa fitoriana lehibe tsy maintsy ataony, ary tsy hivadika izy raha manao izany, na dia ho halan’ny olona rehetra sy izao tontolo izao aza.”

Nampihetsi-po ny zava-nitranga ny alahady 10 Aogositra, izay natao hoe “Andron’ny Ankizy.” Rehefa nanomboka ny fandaharana ny maraina, dia nisy ankizy 15 000 (5 ka hatramin’ny 18 taona) nipetraka teo anoloan’ny lampihazo, sy tany amin’ny toerana voatokana hafa tany amin’ny fiantsonan’ny tranofiara, izay nisy vahoaka be nihaino koa. Nihoraka mafy sy nitehaka ny ankizy, raha vao niakatra ny lampihazo ny Rahalahy Rutherford, izay 70 taona mahery tamin’izay. Nanofahofa mosara izy, ary nanao toy izany koa ireo ankizy. Nanao an’ilay lahateny hoe “Zanak’ilay Mpanjaka” izy avy eo, tamin’ny feo mazava sy feno hatsaram-panahy. Adiny iray mahery no nanaovany lahateny ho an’ny mpanatrika rehetra, fa ny ankizy nipetraka teo amin’ireo toerana voatokana kosa no niresahany taorian’izay.

Hoy izy, nijery ny endrika falifalin’ireo ankizy teo anoloany: “Ianareo ... ankizy rehetra, izay nanaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy nampiseho ny fiandanianareo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra entin’i Kristy Jesosy, ary nanaiky hankatò an’Andriamanitra sy ilay Mpanjakany! Iangaviana ianareo hitsangana.” Niara-nitsangana ireo ankizy. Niteny tamin-kafanam-po ilay mpandahateny avy eo hoe: “Jereo! Ireo misy ankizy 15 000, vavolombelona vaovao ho an’ilay Fanjakana!” Nirefodrefotra ny tehaka. “Ianareo rehetra vonona hanao izay azonareo atao mba hiresahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentiny, dia iangaviana mba hiteny hoe Eny.” Niredona mafy ilay “Eny!”

Farany, dia nanambara ny fivoahan’ilay boky vaovao hoe Ankizy, ny Rahalahy Rutherford, ka nisy hiakam-pifaliana sy tehaka nirefodrefotra ho setrin’izany. Nizara an’ilay boky avy eo ny Rahalahy Rutherford, izay lava be, ho an’ireo ankizy nitandahatra nankeo amin’ny lampihazo ho eo aminy. Maro no nitomany rehefa nahita izany.

Maro tamin’ireo ankizy nanatrika io alahady maraina io no niaina nifanaraka tamin’ilay hoe “Eny!” Anisan’ireo ankizy nahazo an’ilay boky tamin’io i LaVonne Krebs, sy Merton Campbell ary Eugene sy Camilla Rosam. Mbola nanompo tao amin’ny foiben’ny Fikambanana izy ireo tamin’ny 1992, ary efa nanompo manontolo andro nandritra ny 51, 49, 49, ary 48 taona. Lasa misionera ny sasany tamin’ireo ankizy. Anisan’izany i Eldon Deane (Bolivia), Richard sy Peggy Kelsey (Alemaina), Ramon Templeton (Alemaina), ary Jennie Klukowski (Brezila). Nisy vokany naharitra tamin’ireo ankizy tokoa iny fandaharana alahady maraina tany Saint Louis iny!

Namarana ny fandaharana ny alahady hariva ny Rahalahy Rutherford. Nampirisihiny ny mpanatrika mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra hatrany. “Azoko antoka tanteraka”, hoy izy, “fa ... hitombo be manomboka izao ireo anisan’ny vahoaka be.” Nampirisihiny ny mpanatrika mba “hiezaka amin’ny fomba feno ... sy handany fotoana hitoriana, araka izay azony atao”, rehefa tafody any aminy. Hoy izy namarana ny teniny: “Hitahy anareo anie ny Tompo, ry rahalahy malala. Tsy hanao veloma aho, satria mbola manantena ny hahita anareo indray.”

Tamin’izay anefa ny maro no nahita farany ny Rahalahy Rutherford.

Andro faramparany niainan’i J. Rutherford

Voan’ny kanseran’ny tsinaibe ny Rahalahy Rutherford, ary tsy salama nandritra ilay fivoriambe tany Saint Louis. Nahavita nanao lahateny dimy tamin-kafanam-po anefa izy. Niharatsy ny fahasalamany taorian’io, ka voatery nodidiana izy. Tsaroan’i Arthur Worsley ny andro nanaovan’ny Rahalahy Rutherford veloma ny fianakavian’ny Betela. “Nolazainy taminay fa lehibe ilay fandidiana hatao aminy, ary natoky izy fa hanambara hatrany ny anaran’i Jehovah izahay, na ho velona izy na ho faty. Hoy izy ... tamin’ny farany: ‘Mandra-pihaona indray, raha sitrapon’Andriamanitra. Raha tsy izany, dia tohizo ny ady.’ Nitomany daholo ny rehetra.”

Tsy maty tamin’ilay fandidiana ny Rahalahy Rutherford, izay 72 taona tamin’izay. Nentina tany amin’ny trano nantsoiny hoe Beti-sarima, tany Kalifornia, izy taorian’izay. Fantatry ny havana aman-tsakaizany sy ny dokotera rehetra fa tsy maintsy ho faty izy. Tokony mbola hodidiana izy, raha ny marina.

Namangy azy tany i Nathan Knorr sy Frederick Franz ary Hayden Covington teo antenatenan’ny Desambra. Nilaza toy izao i Hazel Burford, izay nikarakara ny Rahalahy Rutherford nandritra ireny fotoan-tsarotra sy nampalahelo ireny: “Niaraka taminy nandritra ny andro maromaro izy ireo, mba handinika ny tatitra isan-taona tao amin’ny Diary, sy ny raharaha hafa. Niharatsy ny fahasalaman’ny Anadahy Rutherford taorian’izay, ka maty tamin’ny 8 Janoary 1942 izy.” i

Ahoana no nandraisan’ny Betela ilay vaovao momba ny nahafatesan’ny Rahalahy Rutherford? “Tsy hadinoko mihitsy ilay andro nandrenesanay ny nahafatesan’ny Rahalahy Rutherford”, hoy i William Elrod, izay efa mpianakavin’ny Betela nandritra ny sivy taona tamin’izay. “Fotoanan’ny sakafo antoandro tamin’izay. Fohy ilay fampandrenesana, ary tsy nisy lahateny. Tsy nisy naka andro tsy hiasana mba hitomaniana azy. Niverina niasa kosa izahay, ary niasa mafy kokoa noho ny hatramin’izay.”

Tena fotoam-pitsapana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ireny. Nanjary niraisam-pirenena ilay ady, ary nitatra tany Eoropa sy Afrika, hatrany amin’ny Firaisana Sovietika. Nanjary niditra tamin’ilay ady koa i Etazonia, rehefa notafihin’i Japon i Pearl Harbor, tamin’ny 7 Desambra 1941, izany hoe iray volana talohan’ny nahafatesan’ny Rahalahy Rutherford. Nanaovan’ny vahoaka herisetra sy niharan’ny fanenjehana mahery vaika hafa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toerana maro.

Inona izao no hitranga?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fikambanana teto New York noforonina tamin’ny 1909, tamin’ny famindrana ny birao ho eto Brooklyn, New York.

b Jereo ny Toko 28 hoe “Fitsapana sy Fanasivanana avy ao Anatiny.”

c Izao no fanazavana ny Apokalypsy toko 12 tao amin’ny Ilay Mistery Fantatra: ilay vehivavy dia “ny Eglizy voalohany”; ilay dragona dia “ny Fanjakana Romanina Mpanompo Sampy”; ary ilay zazalahy dia ny “papa.”

d Jereo ny Toko 14 hoe “Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Izy.”

e Jereo ny Toko 30 hoe “Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna.”

f Fanamarinana, Boky Fahatelo, pejy 77. Jereo koa ny Toko 12 hoe “Hiaina any An-danitra sa eto An-tany ny Vahoaka Be?”

g Tsy noheverina ho “Vavolombelon’i Jehovah” ireo Jonadaba tamin’izany. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, anglisy, 15 Aogositra 1934, pejy 249.) Nilaza toy izao anefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1942: “Tonga vavolombelona ho Azy ny ‘ondry hafa’ [ireo Jonadaba], ary mitovy amin’ireo lehilahy nahatoky talohan’ny nahafatesan’i Kristy, nanomboka tamin’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’i Abela, izay vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika mihitsy.”

h Ilay “mpivaro-tena lehibe” lazain’ny Apokalypsy toko 17 no tiany horesahina. Hoy ny boky Fahavalo: “Antsoina hoe ‘Babylona’ sy ‘mpivaro-tena’ ny fandaminana rehetra eto an-tany manohitra an’Andriamanitra sy ny fanjakany ... ary ilay fivavahana mpitarika indrindra, dia ny eglizy Katolika Romanina, no antsoina amin’ireo anarana ireo.” (Pejy 198) Hita tatỳ aoriana fa ny fivavahan-diso rehetra io mpivaro-tena io.

i Mbola velona taoriany kosa i Mary vadiny sy Malcolm zanany. Tsy salama loatra ny Anabavy Rutherford, sady tsy zakany ny ririnina teto New York (izay nisy ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana). Nipetraka tany Kalifornia atsimo àry izy mianaka, satria tany no nampety ny fahasalamany. Maty tamin’ny 17 Desambra 1962 teo amin’ny faha-93 taonany, ny Anabavy Rutherford. Hoy ny filazana fohy momba ny fahafatesany, tao amin’ny Gazety Vaovao Isan’andro, tany Monrovia, Kalifornia: “Nandray anjara tamin’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah foana izy, raha tsy noho izy tsy afaka nivoaka ny trano intsony noho ny tsy fahasalamany.”

[Teny notsongaina, pejy 73]

“Ny AVONAVONA sy ny FIREHAREHANA ary ny TAHOTRA no fitaovan’i Satana lehibe indrindra”

[Teny notsongaina, pejy 74]

“Nohamafisina hoe i Jehovah no mitantana ny Fikambanana”

[Teny notsongaina, pejy 75]

‘Tsy ny hivoahan’izy ireo loatra, fa ny mba hanambarana ny fahamarinana kosa’

[Teny notsongaina, pejy 77]

‘Ny andraikitry ny Kristianina dia ny hanambara ny hafatry ny fanjakan’ny Tompo’

[Teny notsongaina, pejy 78]

‘Nazoto sy feno fitiavana kokoa noho ny hatramin’izay nanambara ilay Fanjakana’

[Teny notsongaina, pejy 82]

“Tiantsika ny ho fantatra ... amin’ny anarana hoe vavolombelon’i Jehovah”

[Teny notsongaina, pejy 83]

Eny! Tokony hatao batisa ny Jonadaba

[Teny notsongaina, pejy 84]

‘Tadiavo ireo olona toy ny ondry tokony hangonina’

[Teny notsongaina, pejy 85]

Nivantana be i Rutherford, rehefa niteny mafy ny mpanohitra ara-pivavahana

[Teny notsongaina, pejy 86]

Nisy ankizy 15 000 niandany tamin’ilay Fanjakana

[Teny notsongaina, pejy 89]

“Mandra-pihaona indray, raha sitrapon’Andriamanitra. Raha tsy izany, dia tohizo ny ady”

[Efajoro/Sary, pejy 76]

“Tranon’ny Andriana”

Voan’ny pnemonia nahery ny Rahalahy Rutherford, rehefa nafahana noho ilay figadrana tsy ara-drariny, tamin’ny 1919. Ny havokavony iray ihany no niasa tsara taorian’izay. Nitsabo tena tany San Diego, Kalifornia, izy, tamin’ireo taona 1920, ka nampirisihin’ny dokotera mba hijanona ela tany, araka izay azony natao. Nijanona niasa tany San Diego, tao amin’ilay trano nantsoiny hoe Beti-Sarima izy, isaky ny ririnina, nanomboka tamin’ny 1929. Fanomezana natao manokana ho an’ilay trano no nanorenana an’i Beti-Sarima. Nilaza ny didim-pananana navoaka tao amin’ny “Fotoam-pahasambarana” 19 Martsa 1930, fa an’i J. Rutherford ilay trano, ary ho an’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana avy eo.

Manazava toy izao momba ny Beti-Sarima ny boky “Famonjena”, navoaka tamin’ny 1939: “Ny teny hebreo hoe ‘Beti Sarima’ dia midika hoe ‘Tranon’ny Andriana’, ary ny antony nividianana an’ilay tany sy nanorenana trano teo dia ny mba hisian’ny porofo azo tsapain-tanana fa misy olona tena mino an’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny Fanjakany, sady mino fa hatsangan’ny Tompo tsy ho ela ireo lehilahy nahatoky fahiny, ka ho eto an-tany sy handray an-tanana ny raharahan’ny tany.”

Nanapa-kevitra ny hivarotra ny Beti-Sarima ny Filan-kevi-pitondrana, taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ny Rahalahy Rutherford. Nahoana? Hoy ny “Tilikambo Fiambenana” (anglisy) 15 Desambra 1947: “Nahavita tsara izay nilana azy izy, ka toy ny rakitry ny ela andaniam-bola be amin’ny fikojakojana izy izao. Miorina amin’ny fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy amin’i Beti-Sarima, ny finoantsika hoe hiverina ireo lehilahy nahatoky fahiny, ary hataon’i Kristy Jesosy Mpanjaka ho mpitondra ERAN-TANY (fa tsy any Kalifornia ihany).” j

[Fanamarihana ambany pejy]

j Ninoana tamin’izany fa hatsangana alohan’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity ireo lehilahy nahatoky fahiny, toa an’i Abrahama sy Josefa ary Davida, ka ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”, araka ny Salamo 45:16. Nahitsy tamin’ny 1950 izany hevitra izany, rehefa hita tamin’ny fianarana tsara ny Soratra Masina fa aorian’ny Hara-magedona no hatsangana ireo razamben’i Jesosy Kristy.—“Ny Tilikambo Fiambenana” (anglisy) 1 Novambra 1950, pejy 414-417.

[Efajoro/Sary, pejy 80, 81]

Fitoriana Ilay Fanjakana Tamin’ny Alalan’ny Radio

Nampiasaina mba hitoriana momba ilay Fanjakana ny radio, roa taona taorian’ny nampiasana azy hitadiavam-bola. Niteny voalohany tamin’ny radio àry ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 26 Febroary 1922, tany Kalifornia. Nanomboka nampiasaina tamin’ny 24 Febroary 1924 kosa ny radio WBBR an’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tany Staten Island, New York. Nataon’ny Fikambanana avy eo izay handefasana fandaharana sy lahateny ara-baiboly eran-tany. Nisy radio 408 niresaka momba ilay Fanjakana tany amin’ireo kontinanta enina, tamin’ny 1933!

[Sary]

Nampiasain’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1924 ka hatramin’ny 1957, ny WBBR, teto New York

Orkesitry ny WBBR, tamin’ny 1926

Nanao an’ilay lahateny hoe “Atreho ny Zava-misy”, tao amin’ny Royal Albert Hall, tany Londres, Angletera, i J. Rutherford, tamin’ny 11 Septambra 1938. Feno hipoka ilay trano (eto ambany), satria 10 000 no nanatrika izany, ary an-tapitrisany no nihaino tamin’ny radio

Fandaharam-panokafana ny WBBR

Mpiasan’ny radio 2HD, Newcastle, Aostralia

Anisan’ny radio an’ny Fikambanana sady nampiasainy tany Kanada ny CHCY, tany Edmonton, Alberta

Fitoriana tany Failandy, tamin’ny alalan’ny radio tany Estonia

Fitaovan’ny radio WORD, tany akaikin’i Chicago, Illinois, an’ny Fikambanana sady nampiasainy

[Efajoro/Sary, pejy 87]

Fitoriana Tamin’ny Alalan’ny Grafofaonina

Nanomboka nampiasa fomba fitoriana vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1933. Nampiasaina ny grafofaonina nasiana “ampli” sy “baffle” mba handefasana diska “33 tours” nisy lahatenin’ny Rahalahy Rutherford, tany amin’ny trano fanaovana fampisehoana sy zaridainam-panjakana, ary toerana hafa. Nampiasaina mba hitoriana koa ny fiara na sambo nisy fanamafisam-peo.

Vao mainka niteraka fanatsarana hafa ny fampiasana grafofaonina, dia ny fitoriana isan-trano tamin’ny alalan’ny grafofaonina maivana. Nanomboka nanamboatra grafofaonina azo entina ny Fikambanana, tamin’ny 1934, sady namokatra diska “78 tours” nisy lahateny ara-baiboly naharitra efatra minitra sy sasany. Nisy foto-kevitra 92 ireo diska nampiasaina tamin’ny farany. Nahatratra 47 000 ny tontalin’ny grafofaonina namboarin’ny Fikambanana mba hitoriana ilay Fanjakana. Nantitranterina kokoa anefa tatỳ aoriana, ny hitoriana am-bava, ka tsy nampiasaina intsony ny grafofaonina.

[Sary]

Re hatrany amin’ny kilaometatra maro ny hafatra momba ilay Fanjakana nalefa tamin’ny fiara nisy fanamafisam-peo, teny an-tampon-kavoana (ambony)

Fampiasana grafofaonina tany Meksika (ankavanana)

Sambo nisy fanamafisam-peo, nitoriana teny amin’ny Renirano Tamise, any Londres, Angletera (ambony)

Fampiasana grafofaonina teny am-pitoriana (ankavia)

Fampisehoana ny fampiasana grafofaonina mitsangana, tamin’ny 1940 (ankavanana)

[Sary, pejy 79]

J. Bohnet

[Sary, pejy 88]

Namokatra boky aman-gazety be dia be ny Fikambanana nanomboka tamin’ny 1917 (rehefa lasa prezidàny i J. Rutherford) ka hatramin’ny 1941: Boky 24, bokikely 86, “Diary” isan-taona, ary lahatsoratra tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana” sy “Fotoam-pahasambarana” (nantsoina tatỳ aoriana hoe “Fampiononana”)