Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoam-pitsapana (1914-1918)

Fotoam-pitsapana (1914-1918)

Toko 6

Fotoam-pitsapana (1914-1918)

“Tadidio fa ao anaty fotoam-pitsapana isika izao. ... Raha misy mahita antony hialana amin’ny Tompo sy ny Fahamarinany, ary tsy hanao sorona ho Azy intsony, dia tsy ny fitiavana an’Andriamanitra no nahaliana azy, fa zavatra hafa. Angamba fanantenana hoe ho fohy ny fotoana, ka fanoloran-tena mandritra ny fotoana fohy monja ny azy.”

TENA ara-potoana ireo teny tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra 1914 ireo. “Fotoam-pitsapana” ny Mpianatra ny Baiboly tokoa ny 1914-1918. Avy tao anatiny ny fitsapana sasany, ary avy tany ivelany ny hafa. Nasehon’ireny fitsapana rehetra ireny anefa raha tena ‘tia an’Andriamanitra’ tokoa ireo Mpianatra ny Baiboly. Hihazona ny “Tompo sy ny Fahamarinany” ve izy ireo sa handao azy?

Fanantenana be

Maty notifirin’olona i François-Ferdinand, printsin’i Aotrisy-Hongria, tamin’ny 28 Jona 1914. Io no nampipoaka ny Ady Lehibe, na Ady Lehibe I. Nanomboka tamin’ny Aogositra 1914 ilay ady, rehefa nanafika an’i Belzika sy Frantsa i Alemaina. Efa maro no maty tamin’ny faramparan’io taona io.

“Tapitra ny Andron’ny Jentilisa; nifarana ny andron’ireo mpanjakany”! Izany no nolazain’ny Rahalahy Russell, rehefa niditra ny efitrano fisakafoana tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana izy, ny marainan’ny zoma 2 Oktobra 1914. Nientam-po be ny rehetra. Efa niandry ny 1914 nandritra ny taona maro ny ankamaroan’ireo nanatrika teo. Inona anefa no hitranga amin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa?

Tao anatin’ny Ady Lehibe I tamin’izay, ary ninoana fa hitarika korontana eran-tany ilay ady, ary hifarana tamin’izay ny rafitr’ilay tontolo. Maro koa ny zavatra nantenaina momba ny 1914. Nilaza toy izao i Alexander Macmillan, izay natao batisa tamin’ny Septambra 1900, tatỳ aoriana: “Nisy vitsivitsy nieritreritra fa ho any an-danitra nandritra ilay herinandro voalohany tamin’io Oktobra io izahay.” a Niaiky toy izao mihitsy i Macmillan, rehefa niresaka momba io maraina io: “Nientanentana be izahay, ary tsy ho gaga aho tamin’izay raha nisy zavatra nitranga toy ny famantarana hoe hiakatra tany an-danitra izahay. Mazava ho azy anefa fa tsy nisy zavatra toy izany.”

Very finoana ireo mpanara-dia an’i William Miller sy ny Advantista hafa tamin’ny taonjato faha-19, rehefa diso fanantenana momba ny fiverenan’i Jesosy Tompo. Ary ireo Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Russell? Ny famonjena ny tenany ve no nahaliana ny sasany kokoa noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny faniriany mafy hanao ny sitrapony?

‘Tsy diso fanantenana ve ianao Rahalahy Russell?’

Nampirisika ny Mpianatra ny Baiboly foana ny Rahalahy Russell mba hiambina sy ho tapa-kevitra hanohy ny asan’ny Tompo, na dia tsy nifarana araka ny nantenaina aza ny raharaha.

Dify ny Oktobra 1914, nefa mbola teto an-tany ihany i C. Russell sy ny namany. Dify koa ny Oktobra 1915. Diso fanantenana ve i Russell? Hoy izy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Febroary 1916: “Hanontany angamba ianareo hoe: ‘Inona anefa, ry Rahalahy Russell, no noeritreretinao momba ny fotoana hiovantsika? Tsy diso fanantenana ve ianao fa tsy tonga araka ny nantenaintsika izany?’ Tsia, hoy izahay, tsy diso fanantenana izahay. ... Tsy diso fanantenana amin’ny fandaharan’Andriamanitra mihitsy isika, ry rahalahy, raha tsara ny toe-tsaintsika. Tsy ny sitrapontsika no tiantsika ho tanteraka. Diso ny zavatra nantenaintsika tamin’ny Oktobra 1914, nefa faly isika satria tsy novan’ny Tompo hifanaraka amin’ny faniriantsika ny Fandaharany. Tsy tiantsika hanao izany Izy. Tiantsika fotsiny raha takatsika tsara ny fandaharany sy fikasany.”

Tsy ‘nentina nody’ tany an-danitra ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny Oktobra 1914. Tena tapitra tamin’io anefa ny Andron’ny Jentilisa. Maro àry ny zavatra tsy maintsy nianaran’izy ireo, momba ny 1914. Inona aloha izao no tokony hataon’izy ireo? Miasa! Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Septambra 1916: “Noheverintsika fa ho vita alohan’ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa ny asa Fijinjana hanangonana ny [Fiangonan’ny sisa voahosotra], nefa tsy milaza izany ny Baiboly. ... Tsy tiantsika ve ny hitohizan’ny Fijinjana? Tsy izany mihitsy ... Tokony hankasitraka an’Andriamanitra isika, ary ho tia kokoa ny tombontsoa nomeny antsika hahita sy hanaraka ny Fahamarinana mahafinaritra, sady hazoto kokoa hampahafantatra azy io amin’ny olona.”

Mbola be ve ny asa fijinjana tokony hatao? Tena nino izany ny Rahalahy Russell. Manaporofo izany ny resak’izy sy ny Rahalahy Macmillan, tamin’ny faramparan’ny 1916. Nantsoin’i Russell ho ao amin’ny biraony tao amin’ny Betelan’i Brooklyn i Macmillan, ary nilazany hoe: “Mitombo haingana ny asa, ary vao mainka hitombo, satria maneran-tany no tokony hitoriana ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ ” Nandany adiny telo sy sasany i Russell mba hanazavana tamin’i Macmillan ny momba ilay asa lehibe tokony hatao, araka ny hitany tao amin’ny Baiboly.

Nandalo fitsapana mafy ny Mpianatra ny Baiboly, nefa nahazo hery hiatrehana ny fahadisoam-panantenana, noho ny fanampian’ny Tilikambo Fiambenana. Mbola tsy tapitra anefa ilay fotoam-pitsapana.

“Dia inona izao no hitranga?”

Niainga hitety ny andrefana sy atsimo andrefan’i Etazonia ny Rahalahy Russell sy Menta Sturgeon, mpitan-tsorany, tamin’ny 16 Oktobra 1916, mba hanao lahateny. Narary be anefa i Russell tamin’izany. Nandalo an’i Kanada izy ireo, ary tonga tany Detroit sy Michigan. Nijanona kely tany Illinois sy Kansas ary Texas izy ireo avy eo. Tonga tany Kalifornia izy ireo, ary nanao lahateny tany Los Angeles i Russell, ny alahady 29 Oktobra. Maty tany anaty fiarandalamby, tany Pampa, any Texas, anefa i Charles Taze Russell, 64 taona, ny talata 31 Oktobra. Nisy filazana fohy momba izany, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Novambra 1916.

Ahoana hoy ny fianakavian’ny Betela, rehefa nambara ilay vaovao ratsy? Nanampy tamin’ny asa tao amin’ny birao i A. Macmillan, rehefa tsy tao i Russell. Izao no nolazainy fa nitranga, rehefa namaky an’ilay telegrama ho an’ny fianakavian’ny Betela izy: “Nalahelo be ny rehetra, ary nisy nitomany be. Tsy nisy nisakafo tamin’io maraina io, fa nalahelo be daholo. Nitangorona tetsy sy teroa izy ireo taorian’izay, sady niresaka sy nibitsibitsika hoe: ‘Dia inona izao no hitranga?’ Kely ny asa vita tamin’io andro io, ary tsy hitanay izay natao. Tsy nampoizina mihitsy izany, nefa efa nampiomana anay ihany i Russell. Inona no tokony hataonay? Ny fahatairana voalohany no ratsy indrindra. Nanjombona tanteraka ny hoavinay, nandritra ireo andro vitsivitsy taorian’io. I Russell foana no ‘Fikambanana’, nandritra ny androm-piainany. Ny fahatapahan-keviny hahita ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra no niorenan’ny asa.”

Nisy lahatenim-pandevenana natao tao amin’ny Ilay Tempoly teto New York, sy tany amin’ny Carnegie Hall, tany Pittsburgh. Nalevina tany Allegheny, teo amin’ny tanin’ny fianakavian’ny Betela i Russell taorian’izay, araka ny nangatahiny. Nolazaina fohy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1916 ny tantaram-piainany sy ny didiny farany, sady navoaka tao amin’ireo fanontana nanaraka ny boky voalohany tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina.

Inona izao no hitranga? Sarotra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny hieritreritra olona hisolo ny Rahalahy Russell. Hitombo ve ny fahatakaran’izy ireo ny Soratra Masina, sa hitsahatra hatreo? Ho lasa toy ny antokom-pivavahana nanompo azy ve izy ireo? Efa nataon’i Russell nazava fa tiany hitohy ny asa. Nisy fanontaniana nipoitra àry, rehefa maty izy: Iza no hanara-maso izay hosoratana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa? Iza no ho prezidà hisolo azy?

Niova ny fitantanana

Nolazain’ny Rahalahy Russell tao amin’ny didiny farany fa tokony hatsangana ny Komitin’ny Mpanoratra, hisy olona dimy, hanapaka izay havoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. b Nanangana Komity Mpanatanteraka, nisy olona telo koa ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana. I A. Ritchie sy W. Van Amburgh ary J. Rutherford no tao amin’io komity io mba hanara-maso ny asan’ny Fikambanana rehetra, teo ambany fitarihan’ny filan-kevi-pitondrana. c Iza anefa no ho prezidà? Hatao roa volana aorian’izay, izany hoe ny 6 Janoary 1917, ny fifidianana azy io, mandritra ny fivoriana fanao isan-taona.

Niezaka mafy ny Komity Mpanatanteraka mba tsy hisian’ny fizarazarana, ka nampirisihiny ny Mpianatra ny Baiboly mba hiasa hatrany sy tsy ho kivy. Navoaka foana Ny Tilikambo Fiambenana, ka ny lahatsoratra efa nosoratan’i Russell no natao tao. Nisy tsy fifanarahana nipoitra anefa, rehefa nanakaiky ilay fivoriana fanao isan-taona. Nisy nanao propagandy kely mihitsy mba hifidianan’ny sasany ny olona tiany ho prezidà. Nisy kosa nanaja be an-dRahalahy Russell, ka ny fakana tahaka ny toetrany sy ny mombamomba azy no nifantohan’izy ireo. Izay hampandeha ny asa nifantohan’i Russell kosa no nifantohan’ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly.

Nipetraka foana ilay fanontaniana hoe ‘Iza no handimby an’i Russell?’, rehefa nanakaiky ny fotoana fifidianana. Nilaza ny vokatr’ilay fivoriana fanao isan-taona toy izao Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Janoary 1917: “Nilaza ny Rahalahy Pierson, vokatry ny fanamarihana tsara sy fankasitrahana ary fitiavany ny Rahalahy Russell, fa maro be ireo namana no nampirisika azy hifidy ny Rahalahy J. Rutherford ho prezidà. Nolazainy koa avy eo fa niray hevitra tanteraka tamin’izany izy.” Ny anaran’i Rutherford no naroso sy notohanana, ary tsy nisy anarana naroso intsony taorian’izay. “Nifidy azy àry ilay Mpitan-tsoratra, ka nambara fa lanin’ilay Fivoriambe ho Prezidà ny Rahalahy Rutherford.”

Ary ahoana no nandraisana an’ilay prezidà vaovao? Hoy ilay Tilikambo Fiambenana voalaza etsy ambony: “Nivavaka mafy ireo rahalahy mba hitarihan’ny Tompo azy tamin’ilay fifidianana, ka faly ny rehetra fa vita ilay izy, sady nino fa ny Tompo no nitarika azy sy namaly ny vavaka nataony. Niray saina tanteraka ireo nanatrika teo.”

Tsy naharitra anefa izany ‘firaisan-tsaina tanteraka’ izany. Tsy ny rehetra no nandray tsara an’ilay prezidà vaovao.

Nandroso ilay prezidà vaovao

Tsy te hanova ny fitantanana ny fandaminana ny Rahalahy Rutherford, fa hanohy ny fandrosoana natombok’i Russell kosa. Lasa 93 ireo solontena mpitety faritany (mpitety fiangonana), raha 69 teo aloha. Nampitomboina ny fizarana traktan’ny Fikambanana rehefa alahady tsindraindray teo anoloan’ny fiangonana, sy isan-trano.

Nohafainganina ny “asa fiandrasana” natomboka tamin’ny andron’i Russell. Io asa io dia mitovy amin’ny fiverenana mitsidika ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Nitarin’ilay prezidàn’ny Fikambanana vaovao koa ny asan’ny mpisava lalana, mba hanamafisana ny asa fitoriana. Nisy 372 izy ireo, nefa nampitomboina ho 461.

“Somary nanjombona ny fiandohan’ny 1917”, hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1917. Nisy tokoa ny fisalasalana sy tahotra, rehefa maty i C. Russell. Nampahery anefa ny tatitra tamin’ny faran’io taona io, satria nitombo ny asa. Nandroso tokoa ilay asa. Tafita tamin’ny fitsapana hafa (fahafatesan’i C. Russell) ve ireo Mpianatra ny Baiboly?

Saika hifehy ny fandaminana

Tsy ny rehetra no nanohana an’ilay prezidà vaovao. Samy hafa be ny toetra sy ny zavatra niainan’i C. Russell sy J. Rutherford. Sarotra tamin’ny sasany ny nanaiky izany. Tsy nisy afaka ‘nisolo’ ny Rahalahy Russell, araka ny hevitr’izy ireo.

Nisy vitsivitsy tena tsy tia ny Rahalahy Rutherford, indrindra fa tao amin’ny foibe. Toa tsy hitan’izy ireo ny fandrosoan’ny asa sy ny fiezahan’i Rutherford hanaraka ny fandaharana napetrak’i Russell. Tsy ela dia nisy ny fanoherana. Nisy efatra tamin’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana aza niezaka nandrombaka ny fahefan’i Rutherford. Tafahoatra loatra izany, tany antenatenan’ny 1917, rehefa nivoaka ny Ilay Mistery Fantatra (anglisy), boky fahafito tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina.

Tsy vitan’ny Rahalahy Russell tamin’ny androny io boky io, na dia niriny aza izany. Rehefa maty àry izy, dia notendren’ny Komity Mpanatanteraky ny Fikambanana mba hanomana an’io boky io, ny mpiara-miasa roa, dia i Clayton Woodworth sy George Fisher. Ilay boky dia fanazavana ny Apokalypsy sy ny Tonon-kiran’i Solomona ary ny Ezekiela. Zavatra efa nosoratan’i Russell momba ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo ny tapan’izy io, ary nampiana fanazavana hafa. Neken’ireo tompon’andraikitry ny fikambanana ny hanontana ny sora-tanana, ka nambara tamin’ny fianakavian’ny Betela ny fivoahan’izany, ny talata 17 Jolay 1917, nandritra ny sakafo. Nisy fampandrenesana nanaitra koa natao tamin’io. Nesorina ireo olona efatra anisan’ny Filan-kevi-pitondrana nanohitra, ary nanendry olona efatra hafa ny Rahalahy Rutherford mba hisolo azy ireo. Inona no vokatr’izany?

Toy ny nisy baomba nipoaka tamin’izay! Nanararaotra an’io ireo efa-dahy nesorina, ka nitarika adihevitra naharitra adiny dimy, momba ny fitantanana ny raharahan’ny Fikambanana, teo anatrehan’ny fianakavian’ny Betela sy ny mpitantana ny Fikambanana. Nisy mpianakavin’ny Betela niray hevitra tamin’izy ireo. Nitohy nandritra ny herinandro vitsivitsy ilay fanoherana, ary nandrahona ny “hanongana ny mpanampatra fahefana”, araka ny nilazany azy, ny mpanohitra. Marim-pototra anefa ny zavatra nataon’ny Rahalahy Rutherford. Nahoana?

Notendren’ny Rahalahy Russell ireo efa-dahy mpanohitra, nefa tsy nohamafisina tamin’ny fifidianan’ny fivoriambe, nandritra ny fivoriana fanao isan-taona izany. Tsy ara-dalàna àry ny maha anisan’ny filan-kevi-pitondrana azy ireo! Fantatr’i Rutherford izany teo aloha, saingy tsy niteny izy. Nahoana? Tsy tiany ny hiheveran’ny olona fa nanohitra ny fanirian’ny Rahalahy Russell izy. Rehefa hita anefa fa hitohy ilay fanoherana, dia nampiasa ny fahefany i Rutherford, sady nandray ny andraikitry ny prezidà, ka nanolo azy ireo. Nohamafisina tamin’ny fivoriambe nanaraka, natao ny Janoary 1918, ny fanendrena ireo solony ireo.

Nandao ny fianakavian’ny Betela ireo efa-dahy nesorina sy ny namany, ny 8 Aogositra. Nasaina handeha izy ireo, satria nanakorontana. Nanao lahateny sy nanoratra taratasy nanerana an’i Etazonia sy Kanada ary Eoropa izy ireo taorian’izay, mba hilazany ny fanoherany. Nisy fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly àry nizara roa, tamin’ny faramparan’ny 1917. Ny andaniny iray nanaiky ny Fikambanana, ary ny iray hafa nisy an’ireo mora voafitaky ny teny malefaky ny mpanohitra.

Mety hanandrana hitaona an’ireo manatrika ny fivoriana fanao isan-taona anefa ve izy efa-dahy nesorina ireo, mba hifehezana ny fandaminana? Nieritreritra momba izany i Rutherford, ka noheveriny fa tsara ny nanadihady ny isam-piangonana. Inona no vokany? Araka ny tatitra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1917, dia nanohana an’i J. Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy ny ankamaroan’ireo fiangonana! Nohamafisina tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona izany. d Tsy nahavita nifehy ny fandaminana ireo mpanohitra!

Inona no niafaran’ireo mpanohitra sy ny mpanohana azy? Nanjavona izy ireo, taorian’ilay fivoriana natao ny Janoary 1918. Nankalaza manokana ny Fahatsiarovana mihitsy izy ireo ny 26 Martsa 1918. Vetivety ihany anefa no niarahany, ary tsy ela izy dia nizarazara ho sekta. Matetika no nihena ny isan’ireo mpiaraka taminy, nihena koa ny asany, na nitsahatra.

Notsapaina tokoa ny tsy fivadihan’ireo Mpianatra ny Baiboly, rehefa maty ny Rahalahy Russell. Hoy i Tarissa Gott, natao batisa tamin’ny 1915, momba izany: “Nanomboka nivadika ireo toa natanjaka sy tia ny Tompo. ... Tena toa tsy nety izany, nefa dia nitranga, ary nampalahelo anay. Izao anefa no notadidiko: ‘Tsy ity ve no fandaminana ampiasain’i Jehovah mba hanafahana anay amin’ny fivavahan-diso? Tsy efa hitanay ve ny fahatsarany? Handeha ho aiza izahay, raha hiala? Tsy ho lasa mpanaraka olona ve izahay?’ Tsy hitanay izay antony hiarahana tamin’ireo mpivadi-pinoana, ka nijanona izahay.”—Jaona 6:66-69; Heb. 6:4-6.

Nibebaka ny sasany tamin’ireo niala tamin’ny fandaminana, ka niverina niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly. Niara-niasa foana tamin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy ny Rahalahy Rutherford kosa ny ankamaroany, toy ny Anabavy Gott. Efa naorina nandritra ny taona maro tamin’ny alalan’ny fivoriana sy fivoriambe ny fitiavana sy firaisan-tsaina nampifamatotra azy ireo. Tsy nisy navelany handrava izany firaisan-tsaina izany.—Kol. 3:14.

Tafita tamin’ilay fitsapana avy tao anatiny ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1918. Ahoana anefa raha misy fitsapana avy any ivelany?

Lasibatry ny fanafihana

Nazoto nizara an’ilay boky vaovao (Ilay Mistery Fantatra) ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny faran’ny 1917 ka hatramin’ny 1918. Nisy 850 000 no natao pirinty tamin’ny faran’ny 1917. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1917: “Ilay Boky Fahafito no betsaka lafo indrindra, raha oharina amin’ny boky hafa rehetra, ankoatra ny Baiboly, tao anatin’izay halavam-potoana nivoahany izay.”

Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’ny fahombiazan’ny Ilay Mistery Fantatra. Nanindrona ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana izy io. Tezitra mafy izy ireo, ka nampirisika ny fitondrana mba handrara ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly. Norarana tany Kanada àry Ilay Mistery Fantatra tamin’ny fiandohan’ny 1918. Tsy ela dia nipoaka ny fanoherana ny Mpianatra ny Baiboly teto Etazonia.

Te hampibaribary izany fanerena avy amin’ny mpitondra fivavahana izany ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, ka namoaka ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 1, tamin’ny 15 Martsa 1918. Inona no voalaza tao? Izao no lohateny lehibe teo ambonin’ireo tsanganana enina: “Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Enjehina ny Mpanaraka ny Pasitera Russell, Satria Milaza ny Marina.” Nisy lohatenikely hoe “Toy ny tamin’ny ‘Vanim-potoan’ny Haizina’ ny fitondrana ny Mpianatra ny Baiboly.” Voatantara eo ambanin’io ny fanenjehana sy fandrarana nanomboka tany Kanada. Iza no nitarika izany? Tsy nihambahamba ilay trakta nilaza hoe ireo mpitondra fivavahana, izay nantsoiny hoe “mafy hatoka, sy niezaka foana hanakana ny olona tsy hahazo ny Baiboly sy handrara izay fampianarana Baiboly rehetra tsy avy any aminy.” e Namely mafy tokoa izany!

Ahoana hoy ny mpitondra fivavahana tamin’izany? Efa nitarika fanakorontanana ny Fikambanana izy ireo, ary vao mainka izy tezitra izao! Nisy fanenjehana, notarihin’ny mpitondra fivavahana, nihatra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly nanerana an’i Amerika Avaratra sy Eoropa, tamin’ny 1918. Efa tafahoatra izany tamin’ny 7 Mey 1918, rehefa namoaka didy hisamborana an’i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy fito ny fanjakana amerikanina. Nigadra tao amin’ny fonja federalin’i Atlanta, Géorgie, izy ireo, teo antenatenan’ny 1918.

Ahoana àry ny fandehan’ny asa tao amin’ny foibe?

Tsy maty ny afo tao an-trano

Nisy Komity Mpanatanteraka notendrena teto Brooklyn, mba hiandraikitra ny asa. Ny hamoaka Ny Tilikambo Fiambenana hatrany no tena nahaliana an’ireo rahalahy. Tena nila fampaherezana ara-panahy ny Mpianatra ny Baiboly rehetra. Nivoaka foana tokoa Ny Tilikambo Fiambenana nandritra io “fotoam-pitsapana” io! f

Inona no zava-nitranga tao amin’ny foibe? Nilaza toy izao i Thomas (Bud) Sullivan, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana: “Nahazo tombontsoa hitsidika ny Betelan’i Brooklyn aho, tany antenatenan’ny 1918, rehefa nigadra ireo rahalahy. Sady tsy natahotra no tsy kivy ireo rahalahy niandraikitra ny asan’ny Betela. Ny mifanohitra tamin’izany aza no nitranga. Be fanantenana izy ireo, ary natoky fa hanome fandresena ho an’ny vahoakany i Jehovah. Nahazo tombontsoa ho eo amin’ny latabatra aho, tamin’ny sakafo maraina isaky ny alatsinainy, rehefa nanao tatitry ny zavatra nasaina nataony tamin’ny faran’ny herinandro ireo rahalahy. Hita tamin’izany ny zava-nitranga rehetra. Natoky an’i Jehovah ireo rahalahy, sady niandry azy hitarika ny fandrosoan’ny asa.”

Maro anefa ny zava-nanahirana. Fotoanan’ny Ady Lehibe I tamin’izany. Tsy ampy ny taratasy sy arintany, izay tena nilaina tao amin’ny foibe. Maro no tsy tia ny Fikambanana, satria be ny fanindrahindrana fitiavan-tanindrazana. Noheverina ho mpamadika ny Mpianatra ny Baiboly. Toa tsy ho afaka hitohy ny asa teto Brooklyn tamin’izany. Namidin’ny Komity Mpanatanteraka àry ny Tranolain’i Brooklyn, rehefa nanontaniana ny rahalahy hafa, ary nakatony ny Trano Betela. Naverina tany Pittsburgh, tao amin’ny birao teo amin’ny Federal sy Reliance Streets, indray ny asa tamin’ny 26 Aogositra 1918.

Tsara anefa ny toe-tsain’ireo rahalahy. Hoy i Martha Meredith: “Niaraka izahay tany Pittsburgh, ary nanapa-kevitra hoe ‘tsy avelantsika ho faty ny afo ato an-trano’, mandra-pivoakan’ireo anadahy. Nafindra tany Pittsburgh ny birao tany Brooklyn tamin’izany, ka niasa mafy ireo anadahy nanoratra lahatsoratra ho an’ny Tilikambo Fiambenana sy nanao pirinty azy ireny. Rehefa vonona ireo Tilikambo, dia izahay rahavavy no namono izany sy nandefa azy tany amin’ny olona.”

Niatrika fitsapana nahery vaika ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa nifarana ny Andron’ny Jentilisa, tamin’ny faramparan’ny 1914. Mbola hitohy ve ny asan’izy ireo? Tena ‘tia an’Andriamanitra’ ve izy ireo sa tsia? Ho vonona hanaraka hatrany ny “Tompo sy ny Fahamarinany”, araka ny tenin’i Russell, ve izy ireo, sa handao azy ireo?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny tenin’i A. Macmillan ato amin’ity toko ity dia nalaina avy tao amin’ilay bokiny hoe Finoana Mandroso (anglisy), natontan’ny Prentice-Hall, Inc., tamin’ny 1957.

b Nolazain’i Russell tao amin’ny didiny farany fa ireto avy no ho anisan’ilay Komitin’ny Mpanoratra: William Page, William Van Amburgh, Henry Clay Rockwell, E. Brenneisen, ary F. Robison. Nisy olona hafa notendrena ho mpisolo toerana koa, dia i A. Burgess, Robert Hirsh, Isaac Hoskins, G. Fisher, J. Rutherford, ary John Edgar. Nanda avy hatrany anefa i Page sy Brenneisen, satria i Page tsy afaka nipetraka teto Brooklyn, ary i Brenneisen (natao hoe Brenisen tatỳ aoriana) kosa tsy maintsy niasa hamelomana ny fianakaviany. Nisolo azy ireo ho anisan’ny Komitin’ny Mpanoratra i Rutherford sy Hirsh, araka ny voalazan’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1916.

c Tokony ho olona fito no tao anatin’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, araka ny sata mifehy azy. Ny roa tamin’ireo anisan’ny filan-kevi-pitondrana mbola velona no nanao izay hamenoana ny toerana banga. Nivory àry ny filan-kevi-pitondrana, roa andro taorian’ny nahafatesan’i Russell, ka nifidy an’i A. Pierson mba hameno ny isany. Ireto avy ireo olona fito anisan’ilay filan-kevi-pitondrana: A. Ritchie, W. Van Amburgh, H. Rockwell, J. Wright, I. Hoskins, A. Pierson, ary J. Rutherford. Izy fito ireo indray avy eo no nifidy ireo olona telo ho anisan’ny Komity Mpanatanteraka.

d Ireto avy ireo fito nahazo vato be indrindra, tamin’ilay fivoriana natao ny 5 Janoary 1918: J. Rutherford, C. Anderson, W. Van Amburgh, A. Macmillan, W. Spill, J. Bohnet, ary G. Fisher. Ireto kosa no komity mpanatanteraka nofidina: J. Rutherford prezidà, C. Anderson prezidà lefitra, W. Van Amburgh mpitan-tsoratra sady mpitam-bola.

e Nisy trakta roa hafa namely mafy koa taorian’io. Vao mainka nahery kokoa ny hafatry ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 2, nivoaka tamin’ny 15 Aprily 1918: “ ‘Ilay Mistery Fantatra’ sy ny Antony Andrarana Azy.” Izao kosa no lohatenin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 3, navoaka ny Mey 1918: “Ady Lehibe Roa—Azo Antoka ny Fiafaran’ny Didy Jadona.”

f Natambatra ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana sasany teo aloha, nefa tsy mba natao izany tamin’ny 1914-1918.

[Teny notsongaina, pejy 68]

Nasain’i Rutherford niala tao amin’ny Betela ireo mpanohitra

[Efajoro, pejy 62]

“Somary Maika Loatra ny Sasany Tamintsika”

Nanatona ny Oktobra 1914. Nisy Mpianatra ny Baiboly, izay Kristianina voahosotra, nanantena ny ho any an-danitra avy hatrany rehefa nifarana ny Andron’ny Jentilisa. Mampiseho izany ny zava-nitranga tamin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly natao tany Saratoga Springs, New York, tamin’ny 27-30 Septambra 1914. Nanao lahateny i A. Macmillan, izay natao batisa 14 taona talohan’io. Hoy izy ny alarobia 30 Septambra: “Ity angamba no lahateny ho an’ny besinimaro hataoko farany, satria tsy ho ela isika dia hody [any an-danitra].”

Nihaona teto Brooklyn indray anefa ireo nanatrika an’ilay fivoriambe, roa andro taorian’io (zoma 2 Oktobra), ka nisy nanao sangisangy tamin’i Macmillan. Nilaza toy izao i C. Russell, nandritra ny sakafo: “Hovantsika kely ny fandaharana amin’ny alahady [4 Oktobra]. Hanao lahateny ho antsika ny Rahalahy Macmillan, ny alahady amin’ny 10.30.” Inona no nitranga? Hoy i Macmillan tatỳ aoriana: “Nihomehy be daholo izahay, satria nahatsiaro ny teniko ny alarobia, tany Saratoga Springs, hoe io no ‘lahateny farany’ hataoko!”

Hoy ihany i Macmillan: “Tsy maintsy nitady zavatra holazaina aho. Hoy ny Salamo 74:9: ‘Tsy hitanay ny famantaranay—tsy misy mpaminany intsony—ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’izao.’ Tena hafa izany. Niezahako naseho tamin’io lahateny io hoe angamba somary maika loatra ny sasany tamintsika rehefa nieritreritra ny ho any an-danitra avy hatrany. Nasehoko koa fa ny zavatra tokony hatao dia ny miasa hatrany ho an’ny Tompo, mandra-pilazany ny fotoana handehanan’ny mpanompony ho any an-danitra.”

[Efajoro, pejy 67]

Mombamomba an’i J. Rutherford

Teraka tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana tany Morgan, any Missouri, Etazonia, tamin’ny 8 Novambra 1869 i Joseph Franklin Rutherford, ary Batista ny ray aman-dreniny. Nanaiky ny hianarany tany amin’ny oniversite ny rain’i Joseph, tamin’izy 16 taona, raha izy ihany no handoa ny saram-pianarany sy ny karaman’ny mpiasa hisolo azy. Tapa-kevitra i Joseph, ary nisambo-bola tamin’ny namany, ka afaka nianatra lalàna tany amin’ny oniversite.

Niofana tamin’i E. Edwards, nandritra ny roa taona, i Rutherford, rehefa vita ny fianarany. Vao 20 taona izy, dia efa mpitondra tenin’ny fitsarana tany amin’ny Fari-piadidiam-pitsarana Faha-14, tany Missouri. Nahazo fahazoan-dalana hiasa tany Missouri izy, tamin’ny 5 Mey 1892. Nanjary mpampanoa lalàna tany Boonville, any Missouri, nandritra ny efa-taona, izy tatỳ aoriana. Mpitsara manokana tao amin’ny Fari-piadidiam-pitsarana Fahavalo koa izy indraindray, tatỳ aoriana. Izany no niantsoana azy hoe Rutherford “Mpitsara.”

Nitety trano mba hivarotra rakipahalalana i Rutherford, mba handoavany ny saram-pianarany. Tsy mora izany, satria maro ny olona tsy tia an’izany. Saika maty izy, indray mandeha, rehefa nianjera tao amin’ny rano nangatsiaka be, teo am-pitetezana toeram-piompiana. Nilaza izy tamin’izay fa hovidiny foana izay bokin’ny olona tonga ao aminy, rehefa ho lasa mpitsara izy. Nanaiky handray boky telo tamin’ny “Fiandohan’ny Arivo Taona” tokoa izy, rehefa nisy mpisava lalana tonga tao amin’ny biraony, tamin’ny fiandohan’ny 1894. Novakiny izy ireo, herinandro maromaro tatỳ aoriana, ary avy hatrany izy dia nanoratra toy izao ho an’ny Fikambanana: “Novakinay mivady ireo boky, ary tena nahaliana anay. Heverinay fa nalefan’Andriamanitra izy ireo, ary fitahiana tokoa ny nahazo azy ireo.” Natao batisa tamin’ny 1906 i J. Rutherford, ary lasa mpanolo-tsaina momba ny lalàna teo anivon’ny Fikambanana izy, herintaona taorian’izay.

[Efajoro/Sary, pejy 69]

‘Tsy Misy Olona Manana Tombontsoa Kokoa Noho Izany’

Nohelohina higadra 20 taona i J. Rutherford sy ny namany maromaro, tamin’ny 21 Jona 1918, satria nampangaina ho mpanongam-panjakana. Inona no tsapan’izy ireo? Nanoratra toy izao (hita etsy ambany) ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 22-23 Jona, avy tao amin’ny fonjan’i Raymond Street, Brooklyn, New York: “Toa tsy misy olona manana tombontsoa kokoa noho izany, na sambatra kokoa noho ireo rahalahy fito atỳ am-ponja. Fantatr’izy ireo fa tsy meloka ho nanao ratsy izy, ka faly izy miara-mijaly amin’i Kristy, noho ny fanompoana Azy amim-pahatokiana.”

[Efajoro, pejy 70]

Niharan’ny Fanenjehana avy Amin’ny Mpitondra Fivavahana

Nigadra i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy fito, teo antenatenan’ny 1918, vokatry ny fanenjehana avy tamin’ny mpitondra fivavahana. Tsy izy ireo ihany anefa no niharan’izany fankahalana izany. Efa nokianin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao gazety koa i C. Russell. Ny Mpianatra ny Baiboly indray izao no niharam-panenjehana. Nilaza tsara ny fanenjehana nihatra tamin’izy ireo nanerana an’i Etazonia ny “Fotoam-pahasambarana” (“Mifohaza!” ankehitriny), 29 Septambra 1920. Toy ny zava-nitranga tamin’ny andron’ny Inquisition no resahiny ao. g Voalaza ao ireto tantara ireto:

“Ny 22 Aprily 1918, tany Wynnewood, Oklahoma: Nogadraina aloha i Claud Watson, ary avy eo niniana navoaka hasian’ny andian’olona nisy mpitondra fivavahana sy mpandraharaha ary olon-kafa, izay nidaroka azy, sy nibaiko mainty hoditra iray hikapoka azy. Rehefa nahatsiaro tena kely izy, dia nokapohina indray. Norarahan’izy ireo godorao sy volom-borona ny vatany manontolo avy eo, ary nokosehina tamin’ny volony sy ny hodi-dohany ny godorao.”

“Ny 29 Aprily 1918, tany Walnut Ridge, Arkansas: Nogadraina i W. Duncan, 61 taona, Edward French, Charles Franke sy Atoa Griffin ary Rtoa D. Van Hoesen. Novakin’andian’olona ny fonja, ary nanao teny maharikoriko sy ratsy indrindra izy ireo. Nokapohina ireo voafonja, ary nasiana godorao sy volom-borona, sady nentina tany ivelan’ny tanàna. Noterena handeha an-tongotra 42 kilaometatra hody tany aminy i Duncan, ary saika maty. Saika jamba tanteraka i Griffin, ary maty noho ny daroka nahazo azy, afaka volana vitsivitsy.”

“Ny 30 Aprily 1918, ... tany Minerva, Ohio: Nogadraina aloha i S. Griffin, ary navoaka mba hoentin’ny andian’olona, nanaovan’ny mpitondra fivavahana sermonina nandritra ny 15 minitra, nokapohina matetika, nompana, nodakana, nohitsahina, norahonana fa hahantona sy havarina an-drano, nentina tany ivelan’ny tanàna, nororana, nofinganina matetika, notsindrontsindronina tamin’ny elo, tsy navela handeha fiara, narahina nandritra ny fito kilaometatra hatrany Malvern, Ohio, nosamborina indray, nogadraina tany Carrollton mba hiarovana azy, ary farany nisy manam-pahefana sahisahy sy nanao ny marina nitondra azy hody, rehefa avy nandinika ny bokiny, ka nilaza foana hoe: ‘Tsy hitanay izay fahadisoany.’ ”

[Fanamarihana ambany pejy]

g P. 712-717.

[Sary, pejy 64]

Maty teny ambony fiarandalamby, tany Pampa, Texas, i Charles Taze Russell, 64 taona, tamin’ny 31 Oktobra 1916. Maro ny gazety nilaza momba ny fandevenana

[Sary, pejy 66]

Manam-pahefana ny fijery an’i J. Rutherford, satria 1,88 metatra ny halavany, ary 102 kilao ny lanjany

[Sary, pejy 69]

Fonjan’i Raymond Street, Brooklyn, New York, nihazonana ny Rahalahy Rutherford sy ny mpiara-miasa akaiky taminy, nandritra ny herinandro taorian’ny nanamelohana azy

[Sary, pejy 71]

Nitsidika ny foibe i Thomas (Bud) Sullivan, tamin’ny 1918, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana